Arretes 104
ARRETE N° 6359/99 DU 2 JUILLET 1999 mettant en place des tribunaux de
première instance (J.O. n°2598 du 13.09.99 p. 2069) Les tribunaux de première instance d’Arivonimamo, d’Ankazobe et de Nosy-Be sont mis en place à la date d’installation de leurs chefs de juridiction respectifs. Tous les dossiers relevant de la compétence de ces juridictions et qui sont en instance devant le tribunal de première instance d’Antananarivo en ce qui concerne Arivonimamo et Ankazobe et devant le tribunal de première instance d’Ambanja pour Nosy-Be, seront transmis en l’état après inventaire auprès de ces juridictions sauf ceux qui sont en état d’être jugés ou ceux qui ont été déjà mis en délibéré à la date du présent arrêté. Les dossiers transmis à la Brigade de Gendarmerie d’Arivonimamo, d’Ankazobe et de Nosy-Be seront transmis directement au parquet d’arivinimamo, d’Ankazobe et de Nosy-Be, selon le cas, par ces unités. |
DIDIM-PITONDRANA N° 6359/99
TAMIN’NY 2 JOLAY 1999 mametraka fitsarana ambaratonga voalohany (idem) Apetraka manomboka amin’ny
vaninandro ametrahana ireo filohan’ny fitsarana isany avy amin’ny toerany ny
fitsarana ambaratonga voalohany ao Arivonimamo, Ankazobe ary Nosy-Be. Ny fehezan-taratasin’ady rehetra
ao anatin’ny fahefan’ireo fitsarana ireo ka mbola mitoetra ao amin’ny
fitsarana ambaratonga voalohany ao Antananarivo amin’izay mikasika
an’Arivonimamo sy Ankazobe, ary ao amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany ao
Ambanja amin’izay mikasika an’iNosy-Be dia alefa amin’izao toetrany izao any
amin’ireo fitsarana ireo avy, rehefa vita ny fitanisana, afa-tsy izay efa eo
an-dàlan-pitsarana na koa efa napetraka ho dinihina amin’ny vaninandro
entin’ity didim-pitondrana ity. Ny fehezan-taratasin’ady nalefa any amin’ny
Tobim-paritry ny Zandarimaria ao Arivoimamo, Ankazobe ary Nosy-Be, dia
ampitaina avy hatrany any amin’ny Fampanoavana ao Arivonimamo, Ankazobe ary
Nosy-Be, araka izay tandrify azy avy. |