Arretes 113
Didim-pitondrana n° 1176/98
tamin’ny 18 febroary 1998 mikasika ny fananganana ny foibe fandraharahana tokana miandraikitra ny fanadihadiana ny fangatahana fampanofana tany maharitra amin’ny tanim-panjakana (idem) Noho ny didim-pitondrana laharana faha 1176/98 nataon’ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny
Tanàn-dehibe, tamin’ny 18
febroary 1998, atsangana isaky ny fari-piadidiana
ny fizakan-tany sy ny fananan-tany
tsirairay avy ny foibe fandraharahana
tokana miandraikitra ny fanadihadiana ny fangatahana fampanofana tany maharitra amin’ny tanim-panjakana. Amin’izany io foibe fandraharahana tokana io dia hiandraikitra :
ny fanomezana torohevitra
mikasika ny fampanofana tany maharitra ;
ny fandraisana
ny fangatahana ;
ny fanaraha-maso ny antontan-taratasy ;
ny fampahafantarana
ny olona voakasika ny momba ny fandehanan’ny
fanadihadiana natao ;
ny fanolorana
ny fifanarahana fampanofana sy/na ny titra fananan-tany. Ny foibe
fandraharahana tokana dia ahitana mpiasa
roa notendren’ny lehiben’ny fari-piadidiana ny fizakan-tany sy ny planina
fandrefesana tanim-panjakana. |
Arrêté n° 1176/98 du 18 février 1998
portant
création d’un guichet unique pour l’instruction des demandes de bail
emphytéotique sur les terrains domaniaux (J.O. n° 2491 du 23.3.98,
p. 1154) Par arrêté n° 1176/98 du
Ministre de l’Aménagement du Territoire et de la Ville, en date du 18 février
1998, il est créé dans chaque bureau de circonscription domaniale et foncière
un guichet unique chargé de diligenter l’instruction des demandes de bail
emphytéotique sur les terrains domaniaux. A ce titre, le guichet unique est chargé de :
fournir tous
les renseignements relatifs au bail emphytéotique ;
recevoir les
demandes ;
suivre les
dossiers ;
renseigner
toute personne intéressée sur les stades de la procédure ;
délivrer le
contrat de bail et/ou le titre foncier. Le guichet unique est composé de deux agents désignés
respectivement par les chefs de la circonscription domaniale et foncière et
de la circonscription des plans topographiques fonciers. |