//-->

Arretes 114

Arrêté n° 673/98 du 29 janvier 1998

Arrêté n° 673/98 du 29 janvier 1998

portant organisation générale de la Direction générale de la sécurité présidentielle et fixant les attributions des entités constitutives

(J.O. n° 2485 du 02.03.98, p. 558)

 

Didim-pitondrana n° 673/98

tamin’ny 29 janoary 1998

anoritana ny fandaminana ankapoben’ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika sy amerana ny anjara raharahan’ireo rantsana mitambatra ao anatiny (idem)

 

Le Président de la République, Chef Suprême des Forces armées,

Vu la Constitution du 18 septembre 1992,

 

Vu la loi constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre 1995 poilant révision des articles 53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la Constitution du 18 septembre 1992,

 

Vu la loi n° 68-018 du 6 décembre 1968 portant organisation de la Défense à Madagascar et création du service national, modifiée et complétée par la loi n° 94-018 du 26 septembre 1995,

Vu le décret n° 76-132 du 31 mars 1976 et les textes subséquents portant réglementation des hauts emplois de l'Etat,

Ny Filohan'ny Repoblikan'i Madagasikara, Filoha faratampon'ny Foloalindahy,

Araka ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka nv lalàna folotra laharana faha 95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995, manova ny andininy faha-53, faha-61, faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94 amin'ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septanibra 1992,

Araka ny lalàna laharana faha 68-018 tamin'ny 6 desambra 1968 anaovana ny fandaminana ny Fiarovana eto Madagasikara sy ny fampijoroana ny fanompom-pirenena, novàna sy nofenoin'ny lalàna laharana faha 94-018 tamin'ny 26 septamibra 1995,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 76-132 tamin'ny 31 marsa 1976 sy ireo rijan-teny taty aoriany manisy fitsipika momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony.

Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 portant réglementation des hauts emplois de l'Etat,

Vu le décret n° 97-128 du 21 févier 1997 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant nomination des membres du Gouvernement,

Vu les décrets n° 97-134 du 2 mars 1997, n° 97-612 du 30 avril 1997, n° 97-956 du 4 juillet 1997, n° 97-1279 du 31 octobre 1997 portant organisation de la Présidence de la République,

 

Arrête :

 

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 mikasika ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-128 tamin'ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governernanta,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-129 tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997, 97-612 tamin'ny 30 aprily 1997. 97-956 tamin'ny 4 jolay 1997, 97-1279 tamin'ny 31 oktobra 1997 momba ny fandaminana ny Fiadidiana ny Repoblika,

Dia mandidy fa :

 

Article premier - Telle qu'elle est intitulée par le décret n° 97-134 du 2 mars 1997, modifié et complété par les décrets n° 97-612 du 30 avril 1997 et n° 97-1279 du 31 octobre 1997, la Direction générale de la sécurité présidentielle est une des formations constitutives de la Présidence de la République.

 

Andininy voalohany - Araka ny nananganana azy tamin'ny didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997, novàna sy nofenoin'ny didim-panjakana laharana faha 97-612 tamin'ny 30 aprily 1997 sy 97-1279 tamin'ny 31 oktobra 1997 dia iray amin'ireo rantsana mandrafitra ny Fiadidiana ny Repoblika ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika.

 

Art. 2 - La Direction générale de la sécurité présidentielle est organisée comme suit :

- La Direction de la sécurité présidentielle ;

 

- L'Etat-Major du régiment ;

- La Direction des transmissions ;

- La Direction des affaires administratives et financières militaires.

Le personnel de la Direction générale de la sécurité présidentielle peut être issu à la fois des Forces armées ou de la Fonction publique.

 

And. 2 - Ny Foibein-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika dia mirafitra toy izao :

- Ny Foibem-pitondrana ny manda miaro ny Filohan'ny Repoblika ;

- Ny Etamazaoron'ny Rejimanta ;

- Ny Foibem-pitondrana ny fifandraisana ;

- Ny Foibem-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola miaramila.

Ny mpandraharaha miasa ao amin'ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika dia sady mety ho avy ainin'ny Foloalindahy no avy amin'ny Asam-panjakana.

 

Art. 3 - La Direction générale de la sécurité présidentielle est placée sous l'autorité d'un Directeur général nommé par décret du Président de la République.

 

Le Directeur général est nommé parmi les Officiers généraux ou Officiers supérieurs des Forces armées.

 

And. 3 - Ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika dia atoetra eo ambany fahefan'ny Tale jeneraly tendrena amin'ny alàlan'ny didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika.

Ny Tale jeneraly dia tendrena amin'ireo Manamboninahitra Jeneraly na Manamboninahitra ambony ao amin'ny Foloalindahy.

 

Art. 4 - La Direction générale de la sécurité présidentielle, assurant la fonction de chef de l'Etat-Major du Régiment de la garde présidentielle dispose :

 

- d'un Secrétariat particulier ;

- des services rattachés comprenant :

*       le Service des ressources humaines ;

 

*       le Service de la Cellule informatique ;

 

*       le Service des renseignements ;

 

*       le Service social.

Les chefs de Services sont nommés par arrêté du Président de la République.

 

And. 4 - Ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika izay misahana ny asa aman-draharahan'ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika dia manana :

- Sekretaria manokana ;

- Sampan-draharaha miankina aminy ahitana :

*       Sampan-draharaha mikarakara ny momba ny mpiasa ;

*       Sampan-draharahan'ny Vondron'asa informatika ;

*       Sampan-drahafahan'ny famantarana ny toejava-misy ;

*       Sampan-draharaha sosialy.

Ny lehiben'ny Sampan-draharaha dia tendrena amin'ny alalan'ny didim-pitondrana ataon'ny Filohan'ny Repoblika.

 

Art. 5 - La Direction générale de la sécurité présidentielle est chargée d'assurer :

 

- la sécurité du Président de la République, des membres de sa famille et de ses hôtes ;

- la sécurité du patrimoine de la Présidence sise aussi bien dans la Capitale que dans les Provinces ;

- le fonctionnement et le développement du système des transmissions présidentielles.

 

Dans le cadre opérationnel de ses missions, le Directeur général de la sécurité présidentielle peut saisir directement et indifféremment le Ministre des Forces armées, le secrétariat d'Etat à la Gendarmerie, le Secrétariat d'Etat chargé de la Sécurité publique, le chef de l'Etat-Major général de l'Armée malagasy, le Commandant de la Zandarimariam-pirenena et le Directeur général de la Police nationale.

 

And. 5 - Andraikitra iantsorohan'ny Foibem-pitondrana ankapobe ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika :

- ny fiarovana ny Filohan'ny Repoblika, ny anisan'ny fianakaviany ary ny vahiny ao aminy ;

- ny fiarovana ny fari-pananan'ny Fiadidiana ny Repoblika na ny eto amin'ny Renivohitra izany na ny amin'ny Faritany ;

- ny fampandehanana sy ny fampivoarana ny drafitra fifandraisana ampiasaina ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika.

Am-perin'asa amin'ny fanatanterahana ny adidy aman'andraikiny, dia azon'ny Tale jeneralin'ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika atao ny mifandray mivantana sy tsy anavahana amin'ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Sekretariam-panjakana amin'ny Zandarimaria, ny Sekretariam-panjakana miandraikitra ny Filaminam-bahoaka, ny Iehiben'ny Etamazaoro jeneralin'ny Tafika malagasy, ny Mpifehy ny Zandarimariam-pirenena ary ny Tale jeneralin'ny Polisim-pirenena.

 

Art. 6 - De la Direction de la sécurité présidentielle :

La Direction de la sécurité présidentielle est placée sous l'autorité d'un directeur nommé par décret du Président de la République, assisté d'un adjoint nommé dans les mêmes conditions.

 

Cette direction comprend :

- Un Service d'escorte ;

- Des aides de camp.

L'articulation de ce Service fera l'objet d'une note d'organisation diligentée par le directeur de la sécurité présidentielle.

 

And. 6 - Ny amin'ny Foibem-pitondrana ny manda miaro ny Filohan'ny Repoblika :

Ny Foibem-pitondrana ny manda miaro ny Filohan'ny Repoblika dia atoetra eo ambany fahefan'ny tale iray tendrena amin'ny alalan'ny didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika, ampian'ny lefitra iray izy izay tendrena araka izany fepetra izany ihany.

Ao amin'ity Foibem-pitondrana ity dia ahitana :

- Sampan-draharaha mpanotrona amin'ny dia aleha ;

- Aides de camp.

Ny firafitr'io Sampan-draharaha io dia ho faritan'ny rakitenim-pandaminana araikitry ny talen'ny manda miaro ny Filohan'ny Repoblika.

 

Art. 7 - La Direction de la sécurité présidentielle a pour mission de :

- mettre en œuvre les mesures de sécurité immédiate et rapprochée du Président de la République, des membres de sa famille, de ses hôtes et de ses biens ;

- assurer la sécurité du Président de la République lors de ses déplacements en tous lieux et en tous temps ;

- assurer la sécurité du Président de la République lors des cérémonies ou réceptions organisées en son honneur.

 

And. 7 - Andraikitra ankinina amin'ny Foibem-pitondrana ny manda miaro ny Filohan'ny Repoblika :

- ny fampiharana ny fepe-piarovana avy hatrany sady akaiky ny Filohan'ny Repoblika, ny anisan'ny fianakaviany sy ny vahininy ary ny fananany ;

 

- ny fiandraiketana ny fiarovana ny Filohan'ny Repoblika amin'izay dia alehany n'aiza n'aiza ary na amin'ny fotoana inona na inona ;

- ny fiandraiketana ny fiarovana ny Filohan'ny Repoblika amin'ireo lanonana na fandraisana karakaraina hanomezam-boninahitra azy.

 

Art. 8 - De l'Etat-Major du Régiment de la Garde Présidentielle :

L'Etat-Major du Régiment de la Garde Présidentielle est placé sous le commandement d'un chef de corps assurant la fonction du Chef d'Etat-Major du Régiment de la Garde présidentielle nommé par décret du Président de la République, assisté d'un adjoint nommé dans les mêmes conditions.

 

L'Etat-Major du Régiment est articulé comme suit :

- Un Etat-major ;

- Un Service de l'intendance ;

- Un Service des matériels techniques ;

- Un Bataillon de commandement et des services ;

- Deux bataillons opérationnels.

 

And. 8 - Ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika :

Ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika dia atoetra eo ambany fifehezan'ny lehiben'ny Rejimanta izay misahana ny asan'ny lehiben'ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika tendrena amin'ny alàlan'ny didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika, ampian'ny lefitra iray izy izay tendrena araka izany fepetra izany ihany.

Arafitra toy izao manaraka izao ny Etamazaoron'ny Rejimanta :

- Etamazaoro iray ;

- Sampan-draharahan'ny fampitaovana ;

- Sampan-draharahan'ny fitaovana teknika ;

- Andiany iray amin'ny fifehezana sy ny fisahanan-draharaha ;

- Andiany roa mpirotsaka an-tsehatra.

 

Art. 9 - De la mission de l'Etat-Major du Régiment de la Garde présidentielle :

L'Etat-Major du Régiment de la Garde présidentielle est chargé de :

- pourvoir la Direction de la sécurité présidentielle tant en moyens personnels que matériels dans l'accomplissement de ses missions ;

- la formation des personnels militaires travaillant au Régiment.

 

And. 9 - Andraikitry ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika :

Ampiandraiketina ny Etamazaoron'ny Rejimanta mpiambina ny Fiadidiana ny Repoblika :

- ny famononana ho an'ny Foibem-pitondrana ny manda miaro ny Fiadidiana ny Repoblika na izany, olona miasa, na fitaovana ilaina amin'ny fanatanterahany ny adidiny ;

- ny fanofanana mpandraharaha miaramila miasa ao amin'ny Rejimanta.

 

Art. 10 - L'Etat-Major du Régiment constitue un organe militaire ayant rang d'une Direction de la Présidence de la République.

 

And. 10 - Ny Etamazaoron'ny Rejimanta dia rantsa-mangaika ara-miaramila mitovy laharana amin'ny Foibem-pitondrana ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement