Arretes 115
ARRETE N° 11508/97 du 12 décembre 1997 portant application du décret n° 72-446 du 25 novembre 1972 relatif à l’autorisation des prêts libellés accordés à des entreprises opérant à Madagascar (JO n° 2485 du 2.3.98 p.562) |
DIDIM-PITONDRANA
LAHARANA FAHA- 11508/97 tamin’ny 12 desambra 1997 ampiharana ny
didim-panjakana laharana faha- 72-446 tamin’ny 25 novambra 1972 mikasika ny
fanomezan-dàlana ny fampisamboram-bola amin’ny vola vahiny omena ny orinasa
miasa eto Madagasikara (
idem ) |
Article premier - Les banques primaires locales sont autorisées à accorder des prêts à court terme libellés en devises aux entreprises de droit commun et aux entreprises de zone franche opérant à Madagascar. |
Andininy voalohany - Omen-dàlana ny banky ambaratonga voalohany eto an-toerana, hampisambo-bola amin’ny vola vahiny ao anatin’ny fotoana fohy ny orinasa iharan’ny lalàna mifehy ny ankapobem-bahoaka sy ny orinasa afaka haba miasa eto Madagasikara. |
Art. 2 - Les prêts octroyés sous forme d’avances et escomptes, portant sur des opérations commerciales, seront utilisés pour couvrir les besoins en devises de l’entreprise. Ils seront accordés pour un délai ne dépassant pas douze (12) mois. |
And. 2 - Ny fampisamboram-bola nekena miendrika vatsim-bola na tahiry fiantohana izay mikasika ny raharaha ara-barotra, dia ampiasaina hisahanana izay ilain’ny orinasa amin’ny vola vahiny. Ekena mandritry ny fe-potoana tsy mihoatra ny roa ambin’ny folo (12) volana. |
Art. 3 - Le prêt sera obligatoirement porté au crédit d’un compte en devises ouvert au nom de l’emprunteur. Tout prêt en espèces est prohibé. |
And. 3 - Ny fampisamboram-bola dia tsy maintsy ampidirina ao amin’ny sora-bolan’ny kaonty amin’ny vola vahiny nosokafana amin’ny anaran’ny mpampisambo-bola. Tsy azo atao mihitsy izay rehetra fampisamboram-bola atao lela-vola. |
Art. 4 - Les conditions du prêt sont laissés à la convenance des parties. |
And. 4 - Ny fepetra momba ny fampisamborambola dia avela ho araka izay ifanarahan’ny andaniny sy ankilany. |
Art. 5 - Les dispositions contraires au présent arrêté sont abrogées. |
And. 5 - Foanana ny fepetra mifanohitra amin’izao didim-pitondrana izao. |
Art. 6 - Le présent arrêté sera publié au Journal officiel de la République. |
And. 6 - Izao didim-pitondrana izao dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika. |