Arretes 120
Arrêté n° 9939/97 du 30 octobre 1997 définissant les attributions des différents
services dépendant de la Direction des affaires administratives et
financières du Secrétariat général de la Présidence de la République (J.O.
n° 2466 du 24.11.97, p. 2273) |
Didim-pitondrana
n° 9939/97 tamin’ny
30 oktobra 1997 mamaritra
ny anjara raharahan' ny Sampan-draharaha samy hafa miankina amin'ny
Foibem-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola ao amin'ny Sekretaria
jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika (idem) |
Le Président de la République, Vu la
Constitution du 18 septembre 1992, Vu la loi
constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre 1995 portant révision des articles
53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la Constitution du 18 septembre 1992, Vu le
décret n° 97-134 du 2 mars 1997 portant organisation de la Présidence de la
République, Vu le
décret n° 97-612 du 30 avril 1997 modifiant certaines dispositions du décret
n° 97-134 du 2 mars 1997 portant organisation de la Présidence de la
République, Vu le
décret n° 97-956 du 4 juillet 1997 portant additif au décret n° 97-612 du 30
avril 1997 modifiant certaines dispositions du décret n° 97-134 du 2 mars
1997 portant organisation de la Présidence de la République, Arrête : |
Ny Filohan'ny Repoblika, Araka ny Lalàmpanorenana
tamin'ny 18 septambra 1992, Araka ny
lalàna fototra laharana faha 95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995 anovàna ny
andininy faha-53, faha-61, faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94
amin'ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992, Araka ny
didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997 mandamina ny
Fiadidiana ny Repoblika, Araka ny
didim-panjakana laharana faha 97-612 tamin'ny 30 aprily 1997 manova ny
fepetra sasantsasany voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'
ny 2 marsa 1997 andaminana ny Fiadidiana ny Repoblika, Araka ny
didim-panjakana laharana faha 97-956 tamin'ny 4 jolay 1997 anampiana ny
didim-panjakana laharana faha97-612 tamin'ny 30 aprily 1997 manova ny fepetra
sasantsasany voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2
marsa 1997 andaminana ny Fiadidiana ny Repoblika, Dia mandidy fa : |
Article premier - La Direction des affaires administratives et financières, relevant directement du Secrétariat général de la Présidence de la République, comprend : - le directeur ; - le Service d'étude et de documentation ; - le Service de coordination et des affaires générales ; - le Service du personnel ; - le Service de la comptabilité ; - le Service du conseil ; - le Service social ; - un pool de secrétariat dirigé par un chef de Service secrétariat. |
Andininy
voalohany - Ny
Foibem-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola, miankina mivantana amin'ny
Sekretaria jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika dia misy : - ny tale ; - ny
Sampam-pandinihan'asa sy firaketana ; - ny
Sampan-draharahan'ny fandrindrana sy ny raharaha ankapobe ; - ny
Sampan-draharaha momba ny mpiasa ; - ny
Sampan-draharaha momba ny fitanan-kaonty; - ny
Sampan-draharaha miadidy ny fivoriana ; - ny
Sampan-draharaha momba ny sosialy ; - sekretaria iray
tarihin'ny lehiben'ny Sampandraharahan'ny sekretaria. |
Art. 2 - Le directeur des affaires administratives et financières a pour rôle d'assurer le bon fonctionnement des services dépendant directement du Secrétariat général et la liaison avec les Services extérieurs, et de représenter éventuellement le Secrétariat général à toutes les réunions où sa participation est sollicitée. Art. 3 - Le Service d'étude et de documentation est chargé de l'examen des questions diverses dont est saisi le Secrétariat général et de la conservation des textes officiels, manuels et revues destinés au Secrétariat général. |
And. 2 - Ny talen'ny fitondran-draharaha sy
fitantanam-bola dia miandraikitra ny fampandehanana tsara ireo
sampan-draharaha miankina mivantana amin'ny Sekretaria jeneraly sy ny
fifandraisana amin'ny Sampan-draharaha ivelany, ary ny fisoloantena, raha
misy izany, ny Sekretaria jeneraly amin'ny fivoriana rehetra izay ilàna ny
fandraisany anjara. And. 3 - Ny Sampam-pandinihan'asa sy firaketana dia
miandraikitra ny fandinihana ny raharaha samihafa izay atolotra ny Sekretaria
jeneraly, sy ny fitehirizana ny rijan-teny ofisialy, boky ary gazety boky natokana
ho an'ny Sekretaria jeneraly. |
Art. 4 - Le Service de coordination et des affaires générales assure : - la liaison du Secrétariat général avec les services et organismes rattachés à la Présidence de la République ; - la réception, l'enregistrement et la distribution du courrier ne revêtant pas un caractère secret et confidentiel adressé à la Présidence de la République, l'enregistrement et l'expédition du courrier ne revêtant pas un caractère secret et confidentiel émanant de la Présidence de la République, la réception et l'expédition des valises diplomatiques. |
And. 4 - Ny Sampan-draharaha momba ny fandrindrana sy ny
raharaha ankapobe dia miandraikitra : - ny fifandraisan'ny Sekretaria jeneraly amin'ny
Sampandraharaha sy antokon-draharaha miankina amin' ny Fiadidiana ny
Repoblika ; - ny fandraisana, ny fandraiketana am-boky ary ny
fizarana ny taratasy tsy manana endrika tsiambaratelo sy tsy ambarambara
nalefa ho an'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny fandraiketana am-boky sy ny fandefasana
ny taratasy tsy manana endrika tsiambaratelo sy tsy ambarambara avy amin'ny
Fiadidiana ny Repoblika, ny fandraisana sy ny fandefasana ny valizy
diplaomatika. |
Art. 5 - Le Service du personnel est chargé de la gestion administrative du personnel relevant de la Présidence de la République. Art. 6 - Le Service de la comptabilité est chargé de la préparation du budget, de la gestion des crédits, de la tenue des comptabilités administratives et matières du Secrétariat général dé la Présidence de la République. |
And. 5 - Ny Sampan-draharaha momba ny mpiasa dia
miandraikitra ny fitantanana ara-pitondran-draharaha ny mpiasa miankina
amin'ny Fiadidiana ny Repoblika. And. 6 - Ny Sampan-draharaha momba ny fitanan-kaonty dia miandraikitra
ny fanomanana ny tetibola, ny fitantanana ny sorabola, ny fitanan-kaontin'ny
fitondran-draharaha sy ny entan'ny Sekretaria jeneralin'ny Fiadidiana ny
Repoblika. |
Art. 7 - Le Service du conseil est chargé de la préparation matérielle des dossiers inscrits à l'ordre du jour du conseil des Ministres. Art. 8 - Le Service social est chargé de l'organisation médicale réservée aux membres du personnel de la Présidence de la République ainsi qu'à leur famille. Art. 9 - Le pool de secrétariat assure les travaux de secrétariat des conseillers spéciaux, conseillers, chargés de mission et attachés de Cabinet du Président de la République. Le pool est dirigé par un chef de Service de secrétariat. |
And. 7 - Ny Sampan-draharaha miadidy ny fivoriana dia
miandraikitra ny fanomanana ara-pitaovana ny antontan-taratasy voasoratra ao
amin'ny fandaharan-draharahan'ny filan-kevitry ny Minisitra. And. 8 - Ny Sampan-draharaha momba ny sosialy dia
miandraikitra ny fandaminana ara-pitsaboana, natokana ho an’ny mpikambana ao
amin'ny mpiasan'ny Fiadidiana ny Repoblika ary koa an'ny fianakaviany. And. 9 - Ny sekretaria dia miandraikitra ny asa momba ny
sekretarian'ny mpanolotsaina manokana, mpanolotsaina, chargés de mission ary attachés de Cabinet ao amin'ny
Fiadidiana ny Repoblika. Izany dia
tarihin'ny Lehiben'ny Sampan-draharahan'ny sekretaria. |
Art. 10 - Toutes dispositions contraires au présent arrêté sont abrogées. Art. 11 - Le présent arrêté sera publié au Journal officiel de la République. Antananarivo, le 30 octobre 1997. Didier RATSIRAKA. |
And. 10 - Foanana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'izao
didim-pitondrana izao. And. 1 1 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika
izao didim-pitondrana izao. Antananarivo, ny 30 oktobra 1997.
Didier RATSRAKA. |