Arretes 125
Arrêté n° 8028/97 du 8 septembre 1997 fixant les attributions du directeur du
Cabinet militaire de la Présidence de la République (J.O. n° 2455 du 29.09.97, p. 1960) |
Didim-pitondrana
n° 8028/97 tamin’ny 8
septambra 1997 mametra ny anjara raharahan'ny talen'ny Kabinetra
miaramila ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika (idem) |
Le Président
de la République de Madagascar, Vu la
Constitution du 18 septembre 1992, Vu la loi
constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre 1995 portant révision des articles
53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la Constitution du 18 septembre 1992, Vu la loi n°
96-029 du 6 décembre 1996 portant statut général des militaires, Vu
l'ordonnance n° 93-027 du 13 niai 1993, relative à la réglementation sur les
hauts emplois de l'Etat, Vu le décret
n° 93-942 du 16 novembre 1993 portant modification des tableaux I et Il
annexés au décret n° 76-132 du 13 mars 1976, portant réglementation des hauts
emplois de l'Etat, Vu le décret
n° 97-128 du 21 février 1997 portait nomination du Premier Ministre, Chef du
Gouvernement, |
Ny Filohan'nyRepoblikan'i Madagasikara, Araka ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992, Araka ny lalàna fototra laharana faha 95-001
tamin'ny 13 oktobra 1995 manova ny andininy faha-53, faha-61, faha-74,
faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94 amin'ny Lalàmpanorenana tamin’ny 18
septambra 1992, Araka ny lalàna laharana faha 96-029 tamin'ny 6
desambra 1996 manoritra ny fitsipi-pitondrana ankapobe ny miaramila, Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny
13 mey 1993 mikasika ny fitsipika momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka nv didim-panjakana laharana faha 93-842
tamin’ny 16 novambra 1993 manova ny tabilao I sy Il mitovana amin'ny
didim-paniakana laharana faha 76-132 tamin'ny 13 marsa 1976 manisy fitsipika
momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-128
tamin'ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben'ny
Governemanta, |
Vu le décret
n° 97-129 du 27 février 1997 portant nomination des membres du Gouvernement, Vu le décret
n° 97-134 du 2 mars 1997 portant organisation de la Présidence de la
République, Vu le décret
n° 97-612 du 30 avril 1997 modifiant certaines dispositions du décret n° 97-134
du 2 mars 1997, portant organisation de la Présidence de la République, Vu le décret
n° 97-956 du 4 juillet 1997, portant additif au décret n° 97-612 du 30 avril
1997, modifiant certaines dispositions du décret n° 97-134 du 2 mars 1997
portant organisation de la Présidence de la République, Arrête : |
Araka nv didim-panjakana laharana faha 97-129
tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin’ny Governemanta, Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-134
tamin'ny 2 marsa 1997 andaminana ny Fiadidiana ny Repoblika, Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-612
tamin'ny 30 aprily 1997 manova ny fepetra sasantsasany voalazan'ny
didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997 andaminana ny
Fiadidiana ny Repoblika, Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-956
tamin'ny 4 jolay 1997 manisy famenony amin'ny didim-panjakana laharana faha
97-612 tamin'ny 30 apri!y 1997 manova ny fepetra sasantsasany amin'ny
didim-panjakana laharana faha 97-134 tamin’ny 2 marsa 1997 andaminana ny
Fiadidiana ny Repoblika, Dia mandidy fa : |
Article premier - La Direction du
Cabinet militaire est un organisme à vocation stratégique prioritaire
relevant directement du Président de la République, Chef suprême des Forces
armées. D'une façon
générale, elle a ainsi pour mission de traiter toutes questions d'ordre
militaire dont le Chef de l'Etat a à connaître. |
Andininy
voalohany - Ny Foibem-pitondrana ny
Kabinetra miaramila dia antokon-draharaha iray rnifototra indrindra amin'ny
sahan'asa fahazoana, miankina mivantana amin'ny Filohan'ny Repoblika, Filoha
faratampon'ny Foloalindahy. Amin'ny ankapobeny dia andraikiny araka izany ny
famahavahana ny raharaha rehetra ara-miaramila izay tokony ho voasahan’ny
Filohan'ny Repoblika. |
Art. 2 - La Direction du Cabinet
militaire de la Présidence de la République est organisée comme suit : - le
directeur ; - le
directeur adjoint ; - le chef de
Cabinet, disposant d'un secrétariat particulier au sein duquel un Service de
l'informatique ; - les
attachés de Cabinet, constituant un organe d'étude, d'organisation et de
planification, et assurant les contrôle et suivi ce la fonction militaire; - le Service
emploi et organisation des Forces ; - le Service
contrôle du personnel militaire ; - le Service
sécurité et développement ; - le Service
administratif et financier ; - un pool de secrétariat des Services. |
And. 2 - Alamina toy izao manaraka izao ny
Foibem-pitondrana ny Kabinetra miaramila ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika : - ny tale ; - ny tale lefitra
; - ny lehiben'ny
Kabinetra, manana sekretaria manokana ka anivon'izany ny Sampan-draharahan'ny
informatika ; - attachés de Cabinet, zary rantsa-mangaika ny
fanaovana ny fanadihadiana, ny fandaminan-draharaha sy ny tetipivoarana ary
miandraikitra ny fanaraha-maso sy ny fizohiana ny asa aman-draharaha
miaramila ; - ny
Sampan-draharahan'ny fampiasana sy fandaminana ny Foloalindahy ; - ny
Sampan-draharahan'ny fanaraha-maso ny mpandraharaha miaramila ; - ny
Sampan-draharahan'ny fiarovana sy fampandrosoana ; - ny
Sampam-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola ; - Pool iray ho an'ny sekretarian'ny Sampan-draharaha. |
Art. 3 - La Direction du Cabinet
militaire est placée sous l'autorité d'un directeur du Cabinet, auxiliaire
immédiat du Chef suprême des Forces armées. Appelé à
faire exécuter toutes les directives du Président de la République, le
directeur du Cabinet militaire est dépositaire de l'ordre présidentiel qu'il
communique aux Forces armées. |
And. 3 - Ny Foibem-pitondrana ny Kabinetra miaramila dia
atoetra eo ambany fahefan'ny-talen'ny Kabinetra, tànan-kavanan'ny Filoha
faratampon' ny Foloalindahy. Mpanatanteraka ny toromarika rehetra amin'ny
Filohan'ny Repoblika ny talen'ny Kabinetra miaramila ka izy no ipetrahan'ny
baiko avy amin'ny Filoha izay ampitainy amin'ny Foloalindahy. |
Art. 4 - Assisté d'un directeur
adjoint ayant mêmes prérogatives, le directeur du Cabinet militaire est
principalement chargé de : - recevoir
toutes les informations touchant la défense du territoire national que lui
adressent en tout temps et en toutes circonstances les autorités compétentes
concernées, notamment celles émanant des formations militaires de l'Armée de
terre, de l'Armée de l'air et de la marine, ainsi que de celles de la
Gendarmerie ; - veiller à
l'application régulière des textes législatifs et réglementaires se
rapportant à l'organisation des organismes militaires ou à caractère militaire,
en vue de la recherche permanente des mesures susceptibles d'en améliorer le
rendement et le fonctionnement ; - préparer
les décisions du Président de la République concernant : |
And. 4 - Ny talen’ny Kabinetra miaramila, otronin'ny tale
lefitra iray izay manana tombon-dahiny mitovy aminy, dia miandraikitra
indrindra indrindra : - ny fandraisana ny vaovao rehetra mikasika ny
fiarovana ny tanim-pirenena izay alefan'ireo manampahefana tompon'andraikitra
voakasika aminy na amin'ny fotoana inona na inona sy na inona na inona
zava-mitranga, indrindra ireo avy amin'ny Antokon-tafika an-tanety,
an'habakabaka sy an-dranomasina ary koa ireo avy amin'ny Zandarimaria ; - ny fiahiana ny fampiharana ara-dalàna ny
rijan-tenin sv didy amam-pitsipika mikasika ny fandaminana ny
vondron-draharaha miaramila na ara-miaramila mba hikatsahana mandrakariva
izay fepetra mety hanatsarana ny fahitam-pahombiazana sv ny fandehan'ny asany
; - ny fanomanana ny fanapahana raisin'ny Filohan'ny
Repoblika mikasika : |
les projets de programme de
développement dont l'exécution est confiée aux Forces armées ;
les décisions d'avancement du
personnel officier des Forces armées et de certaines positions statutaires
(Conseil d'enquête, suspension, réintégration, mise à la retraite ... ) de
décorations, d'affectation de grands responsables ;
assurer le suivi :
de la gestion des officiers
Généraux ;
des problèmes concernant la
défense et la mobilisation ;
de la coopération militaire et
des relations internationales intéressant la défense et les Forces armées. |
ny
volavolan'ny fandaharan'asa fampandrosoana ankinina amin’ny Foloalindahy ny
fanatanterahana azy ;
ny
fanapahana momba ny fisondrotan'ny mpandraharaha manamboninahitra amin’ny
Foloalindahy sy nv fitoetra sasantsasany misy azy (Filankevitra amin'ny
fanaovana famotorana, fampiatoana sy famerenana indray amin'ny asa,
fametrahana hisotro ronono ... ), ny fisaloram-boninahitra,
fampiandraiketan-draharaha ny tompon'andraikitra ambony ;
ny fitantanana ny
manamboninahitra Jeneraly;
ny raharaha mikasika ny
fiarovana sy ny fandraisana ho eo ambany faneva ;
ny fiaraha-miasa
ara-miaramila sy ny fifandraisana iraisam-pirenena mikasika ny fiarovana sy
ny Foloalindahy. |
Art. 5 - Les cités et logements
militaires destinés à accueillir les personnels officiers et non officiers
affectés à la Présidence de la République sont administrés par la Direction
du Cabinet militaire. Art. 6 - L'avis du directeur du
Cabinet militaire est requis : - toutes les
fois qu'un contentieux domanial met en cause les Forces armées ou le
ministère des Forces armées ; dans ce cas, il prête éventuellement son
concours d'arbitrage ; - sur la
naturalisation des étrangers dans le cadre de la sécurité du territoire
national ; - sur la
demande d'agrément des représentations militaires étrangères à Madagascar. |
And. 5 - lreo cités sy
fonenana miaramila hipetrahan'ny mpandraharaha manamboninahitra sy tsy
manamboninahitra miasa ao amin'ny Fiadidiana ny Repoblika dia tantanan'ny
Foibem-pitondrana ny Kabinetra miaramila. And. 6 - Ilaina ny fanehoan-kevitra
avy amin'ny talen'ny Kabinetra miaramila : - isaky ny misv
fifanolanana momba ny tany mahatohintohina nv Foloalindahy na ny
minisiteran'ny Foloalindahy ; amin'izany dia mety hisv ny fanampiany amin'ny
fanaovana fanelanelanana ; - mikasika ny
fizakan'ny vahiny ny zom-pirenena araka izay voafaritra amin'ny fiarovana ny
tanim-pirenena ; - mikasika ny
fangatahana fankatoavana masoivoho miaramila vahiny eto Madacyasikara. |
Art. 7 - Il est tenu informé : - de tous
mouvements importants des Forces armées, manœuvres notamment, et de la
participation de celles-ci aux cérémonies officielles ou à des services
publics tels que service d'honneur, prise d'armes ; - de toutes
les interventions des aéronefs et bâtiments militaires notamment les demandes
de transports aériens et maritimes, les missions de photographies aériennes. Art. 8 - Le directeur du Cabinet
militaire rend compte au Président de la République du suivi : - de
l'évolution des Forces armées et du contrôle du personnel ; - des
dossiers d'admission dans les grandes Ecoles militaires ; - des
propositions pour stages et études à l'étranger ou sur place ; - des
sanctions disciplinaires transmises par le Ministre des Forces armées. |
And. 7 - Ampahafantarina azy : -- izay rehetra hetsika lehibe tontosain'ny
Foloalindahy, sarin'ady indrindra indrindra, ary ny fandraisany anjara
amin'ny lanonana ofisialy na amin'ny fisahanan'asam-bahoaka toa ny
fanomezam-boninahitra, porizenitra ; - izay rehetra firotsahana an-tsehatra amin'ny
alàlan'ny fiaramanidina sy sambo miaramila indrindra amin'ny fangatahana
fitaterana an'habakabaka sy an-dranomasina, lahasa fakan-tsary an'habakabaka. And. 8 - Manao tatitra amin'ny Filohan'ny Repoblika ny
talen'ny Kabinetra miaramila momba ny fizohiana : - ny fivoaran'ny Foloalindahy sy ny fanaraha-maso ny
mpandraharaha ; - ny
antontan-taratasy fandraisana amin'ny Sekoly miaramila ambony ; - ny
fanoloran-kanao fizaran-draharaha sy hanohy fianarana any ivelany na eto
an-toerana ; - ny famaizana
ara-pitsipi-pifehezana ampitain'ny Minisitry ny Foloalindahy. |
Art. 9 - Le directeur du Cabinet
militaire reçoit délégation pour signer au nom du Président de la République
toutes correspondances relevant de ses attributions. Copies de
ces correspondances sont adressées à Monsieur le Secrétaire général de la
Présidence de la République. Art. 10 - Le présent arrêté sera
publié au Journal officiel de la
République de Madagascar. Antananarivo,
le 8 septembre 1997. Didier RATSIRAKA. |
And. 9 - Omem-pahefana ny talen'ny Kabinetra miaramila
hanao sonia amin'ny anaran'ny Filohan'ny Repoblika ny taratasy rehetra
ifandefasana manandrify ny asa aman-draharahany. Andefasana ny kopian'ireny taratasy ireny
amin'Andriamatoa Sekretera jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika. And. 10 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika izao didim-pitondrana izao. Antananarivo, ny 8 septambra 1997.
Didier RATSIRAKA. |