//-->

Arretes 136

III

III.6. ARRETE

INTERMINISTERIEL

N°2724/96- MEM/MIDST

du 17 mai 1996

fixant le mode de fonctionnement du Comité d'Octroi d'Agrément de collecteur d'Or (JO du 1.7.1996)

 

Article premier. – En application des dispositions de l'article 26 du décret n° 95-325 susvisé le mode de fonctionnement du Comité d'octroi d'agrément en qualité de collecteur d'or est défini par les dispositions du présent arrêté.

 

 

Art. 2. – Le comité se réunit à chaque fin du mois courant jour ouvrable sur convocation de son Président.

 

Art. 3. – Le Président du comité désigne un fonctionnaire ou agent placé sous ses ordres pour assurer le secrétariat du comité.

 

 

Art. 4. – La demande d'agrément est instruite par le secrétariat du comité d'octroi qui procède à la préparation du dossier à présenter à la commission.

 

 

Art. 5. – En cas de rejet pour irrégularités susceptibles d'être amendées, le requérant dispose d'un délai de un (1) mois pour régulariser sa demande. Passé ce délai, la demande est rejetée.

 

Art. 6. – La délibération prise par le comité d'octroi prend effet si les deux-tiers (2/3) des membres qui le composent sont présents.

 

Art. 7. – Les délibérations sont prises à la majorités des membres présents en cas de partage des voix, celle du Président est prépondérante.

 

Art. 8. – Les décisions d'octroi d'agrément en qualité de collecteur d'or ou de rejet, sont notifiées aux requérants au plus tard dans les trente (30) jours qui suivent la prise de décision.

 

Art. 9. – Les copies des décisions d'octroi de l'agrément ou du rejet doivent parvenir à la Direction chargée des Mines du ressort dans les trente (30) jours qui suivent la prise de décision.

 

 

Art. 10. – Le procès-verbal de la réunion est dressé par le Secrétariat du comité, sous l'égide du Président, qui se chargera d'en envoyer deux (2) copies à la Direction Régionale chargée des Mines du ressort qui en trans- mettra une copie au Ministère chargé des Mines.

 

 

Art. 11. – Le renouvellement de l'agrément suit la même procédure que celle de l'octroi initial.

 

 

Art.12. – La liquidation et la perception des droits résultant de la décision d'octroi ou de renouvellement de l'agrément sont effectuées au vu d'un imprimé tiré d'un registre coté et paraphé par la Direction régionale chargée des Mines et dont le modèle sera fixé par voie réglementaire.

 

 

 

Art. 13. – Le montant des droits visés à l'article 12 ci-dessus, stipulé à l'article 35 du décret n° 95-325 du 3 mai 1995 fixant le régime de l'or est reparti conformément aux dispositions de l'article 109 de la loi n° 95-016 du 9 août 1995 portant Code minier.

 

 

 

Art. 14. – Les Présidents de Délégations Spéciales des Fivondronampokontany et les Directeurs Régionaux chargés des Mines sont chargés, chacun en ce qui le concerne de l'exécution du présent arrêté qui sera enregistré communiqué partout ou besoin sera et publié au Journal officiel de la République.

 

 

 

III.6. DIDIM-PITONDRANA

IRAISAN’NY MINISITERA

N°2724/96-MEM/MIDST

tamin’ny 17 mey 1996

amaritana ny fomba fiasan’ny Komity mpanome ny fankatoavana ho mpanangom-bolamena (Idem)

 

Andininy voalohany. – Ho fampiharana ny fepetra voalazan’ ny andininy faha-26 ao amin’ny didim-panjakana laharana faha- 95-325 voalaza etsy ambony, ny fomba fiasan’ny Komity mpanome ny fankatoavana ho mpanangom-bolamena, dia faritana amin’ny alalan’ny fepetra voalazan’ity didim-pitondrana ity.

 

And. 2. – Ny Komity dia mivory isaky ny faran’ny volana itsahana, ka andro fiasana, araka ny fian-tsoana ataon’ny Filohany.

 

And. 3. – Ny Filohan’ny Komity no manendry mpiasam-panjakana iray na mpandraharaha iray eo ambany fahefany hisahana ny sekretarian’ny Komity.

 

And. 4. – Ny fangatahana fankatoavana dia dinihin’ny sekre- teran’ny Komity mpanome izany izay mikarakara ny fanomanana ny antontan-taratasy atolotra amin’ny kaomisiona.

 

And. 5. – Raha misy fanda- vana noho ny tsy fanarahan-dalàna azo arenina, dia manana fe-potoana iray (1) volana ny mpangataka mba hanitsiana ny fangatahany. Dila io fe-potoana io, dia tsy raisina ny fangatahana.

 

And. 6. – Ny fanapaha-kevitra raisin’ny Komity mpanome ny fankatoavana dia manan-kery raha toa ny (2/3) roa ampahatelon’ny mpikambana ao aminy ka mana- trika eo.

 

And. 7. – Ny fanapaha-kevitra dia raisina rahefa lany eran’ny maro an’isa amin’ny mpikambana tonga manatrika eo. Raha mitovy ny isam-bato dia izay iandanian’ny Filoha no manan-danja.

 

And. 8. – Ny fanapaha-kevitra fanomezana na fandavana ny fankatoavana ho mpanangom-bola-mena dia ampahafantarina ny mpangataka, farafahelany ao amin’ ny telopolo (30) andro manaraka ny nandraisana azy.

 

And. 9. – Ny kopian’ny fanapahana hanomezana na handavana ny fankatoavana dia tokony ho tonga any amin’ny Foibem-piton-drana miandraikitra ny Harena an-kibon’ny tany ao anatin’ny telopolo (30) andro manaraka ny nandrai-sana ny fanapahana.

 

And. 10. – Ny fitànana an-tsoratra ny fivoriana dia ataon’ny sekreteran’ny Komity, eo ambany fitarihan’ny Filoha izay hiandraikitra ny fandefasana Kopia roa (2) amin’izany any amin’ny Foibem-pitondram-paritra miandraikitra ny Harena an-kibon’ny tany voa- kasik’izany, ka ity farany ity no handefa kopia iray amin’izany any amin’ny Minisitera miandraikitra ny Harena an-kibon’ny tany.

 

And. 11. – Ny fanavaozana ny fankatoavana dia manaraka ny paika mitovy amin’izay arahina tamin’ny fanomezana izany tany am-boalohany.

 

And 12. – Ny fanefana ny fandraisana ny sara nateraky ny fanomezana ny fanapahana fandraiketana na fanavaozana ny fankatoavana dia atao amin’ny alalan’ ny taratasy vita pirinty nalaina avy amin’ny rejisitra voaisa sy voasonian’ny Foibem-pitondram-paritra miandraikitra ny Harena an-kibon’ ny tany ka ny modely momba izany dia hoferana amin’ny alalan’ny didy amam-pitsipika.

 

And. 13. – Ny habetsahan’ny sara voasoritra ao amin’ny andi- niny faha-12 etsy ambony ary voa- laza ao amin’ny andininy faha-35 amin’ny didim-panjakana laharana faha-95-325 tamin’ny 3 mey 1995 manoritra ny sata mifehy ny volamena, dia tsinjaraina araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-109 ao amin’ny lalàna laharana faha-95-016 tamin’ny 9 aogositra 1995 anaovana ny Fehezan-dalàna momba ny Harena an-kibon’ny tany.

 

And. 14. – Ny Filohan’ny Delegasiona manokana any amin’ny Fivondronampokontany sy ny Talem-paritra miandraikitra ny Ha- rena an-kibon’ny tany no miadidy, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-piton-drana izao, izay horaketina am-boky sy hampahafantarina na aiza na aiza ilàna izany ary havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement