//-->

Arretes 142

VII

ARRETE N° 2973/95

du 13 juin 1995

 

relatif à l'ouverture de bureaux de change (J.O. n° 2307, du 26/06/95, p. 1399) modifiée par Arrêté n° 5951/96 du 16 septembre 1996 (J.O. n°2416 du 24.2.97, p.434)

 

DIDIM-PITONDRANA N° 2973/95

tamin’ny 13 jona 1995

 

mikasika ny fanokafana birao fanakalozam-bola (Idem, p. 1370)

Article premier - L'ouverture de bureaux de change sur le territoire de la République de Madagascar est autorisée dans les conditions fixées par le présent arrêté et en conformité avec la réglementation en vigueur, notamment la législation commerciale, fiscale et des changes.

 

Andininy voalohany - Ahazoan-dalana ny fanokafana birao fanakalozam-bola manerana ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasi-kara araka ny fepetra soritan’izao didim-pitondrana izao sy araka ny didy amam-pitsipika manan-kery, indrindra ny lalàna momba ny varotra, ny hetra ary ny fanakalozam-bola.

 

Art. 2 - A l'exclusion de toute autre activité dans le domaine des changes, les bureaux de change sont habilités à :

 

*      acheter et à vendre des devises étrangères en numéraires ou chèques de voyage ;

*      prendre à l'encaissement des chèques en devises tirés sur compte bancaire, des chèques de banque ;

*      acheter ou vendre des devises détenues dans un compte en devises ouvert dans une banque malgache.

 

And. 2 - Afa-tsy amin’izay mikasika ny asa aman-draharaha hafa rehetra momba ny fanakalozam-bola, dia omem-pahefana ny birao fanakamozam-bola :

*      hividy sy hivarotra vola vahiny, lelavola na shekim-pivahi-niana ;

 

*      handray an-tahiry sheky amin’ ny vola alaina amin’ny kaontin’ ny banky, shekin’ny banky ;

*      hividy na hivarotra vola vahiny ananana amin’ny kaontim-bola vahiny nosokafana tany amin’ ny banky malagasy iray.

 

Art. 3 - Les bureaux de change sont immatriculés au registre du commerce. Ils opèrent sous forme de guichets permanents, accessibles sans restriction au public et signalés à celui-ci par tous moyens appropriés.

 

A titre connexe à leur activité principale, des entreprises commerciales ou de prestations de services peuvent être habilitées à exercer l'activité de bureaux de change, conformément aux dispositions de l'article 2.

 

En ce cas, pour l'application des dispositions du premier alinéa du présent article, le bureau de change doit être constitué en service spécialisé au sein de l'entreprise et être autonome de celle-ci pour l'enregistrement et la comptabilité de ses opérations.

 

And. 3 - Ireo birao fanaka-lozam-bola dia raiketina an-tsoratra ao amin’ny rejisitry ny varotra. Tsy an-kiato no iasan’izy ireny, azon’ny besinimaro hatonina amin-kalalahana ary ampahafantarina azy amin’ny fomba rehetra mahamety izany.

Mety ho azo omem-pahefana ny orinasam-barotra na fisahanan-draharaha hanao ny asa aman-draharahan’ ny birao fanakalozam-bola araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-2 ka izany dia hifampiankina amin’anton-drahara-hany.

Amin’izay eo amin’ny fampi-harana ny andàlana voalohany amin’ity andininy ity dia tsy maintsy voatsangana ho fandraharahana manokana anivon’ilay orinasa ny birao fanakalozam-bola ary nahatapatena miolotra amin’ny mikasika ny firaketana an-tsoratra sy ny fitantanana ny kaonty ny lahasany.

 

Art. 4 (Arr. n° 5951/96 du 16/11/66) - L'exercice de l'activité de bureau de change est subordonné à l'obtention d'une licence, délivrée par la Commission de Supervision Bancaire et Financière, en abrégé la CSBF.

 

And. 4 (Idem) - Ny fiandraike-tana ny asa aman-draharahan’ny Birao fanakalozam-bola dia ampiankinana amin’ny fahazoana alalana avy amin’ny minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Teti-bola rahefa nanome ny heviny ny Banky Foibe.

 

Art.5 - Doivent être produits à l'appui de la demande de licence les pièces et renseignements
ci-après :

Dénomination, adresse précise du siège administratif et des guichets où le bureau prévoit d'exercer ;

Si le bureau doit être constitué sous forme de société commerciale :

*      statuts de la société ;

*      liste et bulletin n° 3 datant de moins de trois mois du casier judiciaire des actionnaires et répartition du capital ;

 

*      - identité et bulletin n° 3 datant de moins de trois mois du casier judiciaire des dirigeants pressentis.

And. 5 - Tsy maintsy vononina ho fahatry ny fangatahana alalana ny singan-taratasy sy ireto fanazavazavana manaraka ireto :

                Anarana entina, adiresy manondro mazava ny foiben’ny fitondran-draharaha sy toerana iasan’ny birao ;

                Raha toa misalotra ny endriky ny orinasam-barotra ilay birao :

*      fitsipi-pikambanan’ny sosaiety ;

*      lisitra sy tsoa-tsoratra faha-3 amin’ny firaketan-tsazy latsaky ny telo volana mikasika ny tomponà petrabola sy fitsinja-razaran’ny renivola ;

- fanondroana ny tenan’ny ho mpitantana sy tsoa-tsoratra faha-3 amin’ny firaketan-tsazy latsaky ny telo volana.

Si la demande est formée au nom d'une personne physique :

*      - adresse et curriculum vitae du promoteur ;

*       

*      - bulletin n° 3 de son casier judiciaire.

*       

Un certificat de l'administration fiscale attestant de la régularité de la situation fiscale du demandeur.

Raha toa vatantenan’olona no manao fangatahana :

- adiresy sy filazalazana ny momba ilay mpandraharaha ;

- tsoa-tsoratra faha-3 amin’ny firaketan-tsazy.

Fanamarinana avy amin’ny fandraharahana momba ny hetra manambara fa ara-dalàna ilay mpangataka mikasika ny fandoavan-ketra.

Description des activités envisagées, des moyens qui seront mis en œuvre, des procédures prévues pour le suivi et le contrôle des opérations.

Relations bancaires prévues.

 

Un récépissé est délivré au demandeur lors du dépôt du dossier.

 

Famahavahana ny asa aman-draharaha kasaina hatao, ny fitaovana hampiasaina, ny paika arahina amin’ny fizohiana sy fanaraha-maso ny lahasa imasoana.

Fifandraisana misy amin’ny banky.

 

Rahefa mametraka ny antontan-taratasy ilay mpangataka dia omena tapakila aharaisana izany.

 

Art. (Arr. n° 5951/96 du 16/11/96) - La CSBF dispose d’un délai de quinze jours ouvrés à compter de la réception d’un dossier complet pour statuer sur la demande. L’octroi de la licence est de droit pour le demandeur à l’expiration de ce délai.

 

La CSBF est habilitée à requérir des promoteurs ou des tiers tous renseignements utiles à l’instruction du dossier. En cas de rejet de la demande, sa décision doit être motivée et notifiée au demandeur.

 

And. 6 (Idem) - Manana fe-potoana dimy ambin’ny folo andro fiasana manomboka amin’ny aharaisany ny antontan-taratasy ny Bqnky Foibe mba hamoahany ny fanapaha-keviny. Raha dila io fe-potoana io dia manan’alalana avy hatrany ilay mpangataka.

Azon’ny Banky Foibe atao ny mitaky amin’ny mpanorina na amin’olon-kafa ivelany izany rehetra filazalazana ilaina amin’ny famotopotorana tontosainy.

Art.7 - Toute modification dans les renseignements indiqués à l’article 5 pour l’obtention de la licence doit être notifiée dans un délai de 3 jours à la CSBF. Tout changement dans la personne des dirigeants est soumis à l’autorisation préalable de la CSBF.

 

And. 7 - Ampahafantarin’ny birao fanakalozam-bola amin’ny Banky Foibe ao anatin’ny fe-potoana telo andro fiasana ny fiovana rehetra mitranga amin’ny zava-boalazan’ny andininy faha-5 mikasika ny fahazoany alalana. Raha toa ka lavina ilay fangata-hana ny fanapaha-keviny dia tsy maintsy ilazana ny antony sy ampahafantariny ny mpangataka.

 

Art. 8 (Arr. n° 5951/96 du 16/11/96) - Les bureaux de change sont tenus, préalablement à leur entrée en activité, de constituer en compte bloqué à la Banque Centrale un dépôt de garantie d’un montant minimum de cinquante mille francs français, productif d’intérêts.

 

 

La CSBF peut par voie d’injonction, demander à tout bureau de change, d’augmenter le montant de ce dépôt si, compte tenu de ses engagements, le minimum requis s’avère insuffisant.

 

And. 8 (Idem) - Mialoha ny fisahanany ny asa aman-draha-rahany dia tsy maintsy mana-tsatoka an-kaonty any amin’ny Banky Foibe tahirim-piantohana misanda farafahakeliny 100.000 farantsa frantsay na ny setri-bidin’izany amin’ny lelavola vahiny azo takalozana ny biraon’ny fanakalozam-bola. Tsy miteraka zanany io kaonty io.

Azon’ny birao ovaovana io tahirim-bola io arakaraka ny fivoaran’ny asa aman-draharahany nefa tsy ho latsak’io farafahakeliny io.

 

Art. 9 (Arr. n° 5951/96 du 16/11/96) - La position de change, au sens défini par instruction de la CSBF, que peut détenir un bureau de change, toutes devises contre francs malgaches à la clôture des opérations à chaque fin de quinzaine, doit être conforme à la norme fixée par la CSBF.

 

 

And. 9 (Idem) - Ny toetoe-bola vahiny, araka ny dikany soritan’ny torolàlana avy amin’ny Vaomiera manara-maso ny Banky sy ny orinasa mampiasa vola, azon’ny Birao fanakalozam-bola dia tsy hihoatra, lelavola vahiny rehetra sandaina iraimbilanja malagasy, ny vola voatsatoky ny birao an-kaonty any amin’ny Banky Foibe rehefa mamarana ny kaontiny mandavanandro izy.

En cas de dépassement de cette limite, la position excédentaire doit être liquidée le premier jour ouvrable suivant.

Les bureaux de change communiquent tous les 15 du mois à la CSBF, en deux exemplaires suivant modèle de formulaire indiqués par l’Arrêté n° 2973/95, les transactions traitées journalièrement, les cours de négociation, leur position de change à la fin de chaque quinzaine et leurs résultats de change.

 

Raha misy fihoarana io farafetrany io dia tsy maintsy arenina amin’ny andro manaraka voalohany fiasana ny mihoatra.

Ampahanfantarin’ny Birao fanakalozam-bola amin’ny Banky Foibe isan’andro, ka ataony sosony roa amin’ny takela-taratasy mitovana amin’ity, ny totalim-bola nokirakirainy androtr’io, ny tondro-sandan’ ny takalom-bola, ny toetoe-bolany am-pamaranana ary ny vokatra azony tamin’ny fanakalozam-bola.

Art. 10 - Les bureaux de change n’ont pas la qualité d’intermédiaires agréés. En conséquence, ils ne peuvent détenir de compte en devises qu’auprès des banques malgaches.

 

And. 10 - Tsy maintsy mpanelanelana notoavina ny Birao fanakalozam-bola. Noho izany dia tsy afa-mitana kaonty amin’ny vola vahiny afa-tsy ny banky malagasy ihany izy.

Art. 11 - Les bureaux de change sont tenus d’afficher une copie de leur licence à l’entrée de leurs locaux.

 

Ils doivent afficher leurs cours de change acheteur et vendeur et leurs autres conditions au vu de la clientèle dans tous les locaux d’exploitation accessibles au public. Ils doivent se conformer strictement à ces conditions dans leurs transactions.

 

And. 11 - Tsy maintsy ataon’ ny Birao fanakalozam-bola peta-drindrina eo amin’ny fidirana ao amin’ny toeram-piasany ny kopian’ ny alalana azony.

Ataony peta-drindrina ny sandan’ny takalom-bidy ho an’ny mpividy sy mpivarotra ary ireo fepetra hafa mba ho talaky mason’ ny mpifampiraharaha aminy amin’ izay toerana rehetra azon’ny besinimaro aleha. Tsy maintsy voahajany an-tsakany sy an-davany izany fepetra izany amin’ny fifam-piraharahana rehetra ataony.

Les bureaux de change doivent observer les règles déontologiques fixées par la Convention de Place relative au marché des changes, pour la part qui est applicable à leurs opérations.

 

 

Les opérations doivent être enregistrées sur un bordereau de change comportant l’ensemble des mentions prescrites par la réglementation des changes. Copie du bordereau de change est remise au client ; le primata doit être conservé par le bureau pendant un délai d’un an.

Toutes les transactions réalisées doivent être comptabilisées le jour même. Les profits et pertes de change sont calculés quotidiennement.

Tsy maintsy hajain’ny Birao fanakalozam-bola ny fitsipika fitandroana ny hasin’asa aman-draha-raha voasoritry ny Fifanarahana fanondroan-toerana iasana mikasika ny tsenan’ny fifanakalozam-bola, amin’izay mikasika ny fampihatra amin’ny lahasa imasoany.

Ny raharaha ataony dia raketina an-tsoratra amin’ny takela-taratasin’ny fanakalozam-bola. Omena ny kopian’ io takela-taratasy famintinana io ny mpifampiraharaha aminy ; ny matoan-tsoratra amin’iny dia tsy maintsy tehirizin’ny birao mandritra ny herintaona.

Tanan’ankaonty androtr’io ihany ny fifampiraharahana rehetra tontosa. Ny tombony sy ny fatiantoka amin’ny fanakalozam-bola dia kajiana isan’andro isan’ andro.

 

Art.12 - La Commission de Contrôle des Banques et établissements financiers veille au respect des dispositions du présent arrêté.

 

A cet effet, elle est habilitée à requérir des bureaux des change toutes informations et renseignements utiles à sa mission et fait procéder à des vérifications sur place. Les bureaux de change sont tenus de déférer à ses demandes et de communiquer tous documents requis.

 

And. 12 - Ny Vaomiera manara-maso ny banky sy ny orinasa mampiasa vola no miandraikitra ny fampanajana ny fepetra voalazan’ izao didim-pitondrana izao.

Amin’izany izy dia manefa hitaky amin’ny Birao fanakalozam-bola ny fanambarana sy ny filaza-lazana rehetra ilaina amin’ny fana-tanterahana ny asany ary mampanao fanamarinana eny an-toerana. Tsy maintsy toavin’ny Birao fankalozam-bola ny fangatahany ary ampitainy amin’ny taratasin-draharaha rehetra tadiaviny.

 

Art. 13 (Arr. n° 5951/96 du 16/11/96) - En cas de manquement aux dispositions du présent arrêté et sans préjudice des sanctions pénales prévues par la réglementation des changes en vigueur, la SCBF peut prononcer à l'encontre du bureau de change en cause, suivant la gravité de l'infraction et à son appréciation, l'une des sanctions disciplinaires suivantes :

 

 

- l’avertissement ;

- la fermeture temporaire du bureau ;

- le retrait de la licence.

 

And. 13 (Idem) - Raha misy tsy fanajana ny fepetra voalazan’ izao didim-pitondrana izao ary tsy tohinina ny famaizana amin’ny heloka soritan’ny lalàna manan-kery fa dia azon’ny Minisiteran’ny Fitantanam-bola sy ny Teti-bola atao ny mampihatra amin’ny Birao fanakalozam-bola voakasika, arakaraka ny mahabevava ny fandikan-dalàna sy araka ny fandanjalanjana azy, ny iray amin’ ireto sazy ara-pitsipi-pifehezana manaraka ireto :

*      fampitadremana ;

*      fankatonana vonjimaika ilay birao ;

*      fisintonana ny alalana azo.

Art. 14 - Le présent arrêté qui annule et remplace celui portant le n° 2035/94 du 10 mai 1994 sera publié au Journal officiel de la République.

And. 14 - Ity didim-pitondrana ity izay manafoana sy misolo ilay mitondra ny laharana faha 2035/94 tamin’ny 10 mey 1994 dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement