//-->

Arretes 164

II

II.11. ARRETE

INTERMINISTERIEL

N°679/91-MIEM/MRSTD

du 8 février 1991

fixant la liste des substances minerales protégées (J.O. n° 2049 du 25.2.91, p. 289)

 

Article premier. – En application des dispositions de l’article 10 de la loi n° 90-017 du 20 juillet 1990 portant Code minier, la liste des substances minérales dites protégées est fixée comme suit :

 

      Substances minérales présentant des valeurs scientifiques particulières :

*      fossiles de vertébrés, de poissons et de végétaux.

      Substances minérales dont la protection est jugée utile en raison de leur rareté :

*      befanamite, béhiérite, bismutho-tantalite, grandidiérite, hibonite, hamburgite, kornérupine, rhodizite.

      Substances dont la mise en valeur est contrôlée en raison de leur spécialité :

*      aragonite, bois silicifié ou agatifié, ammonite, sep- taria, célestite.

 

Art. 2. – Toute découverte desdites substances doit être déclarée au ministère chargé des Mines, ces substances seront remises, le cas échéant à l’Etat (Direction chargée des mines).

 

 

 

Art. 3. – La recherche, l’exploitation, la transformation, le commerce et l’exportation des substances des deux premières catégories sont strictement interdits.

Toutefois, une exception pour la collecte et le ramassage de ces substances pourra être faite en faveur des organismes nationaux de recherches, dans un but d’exploitation scientifique, sur autorisation du Ministre chargé des Mines.

 

 

Art. 4. – Les substances de la troisième catégorie peuvent être ramassées, exploitées et commercialisées dans les conditions déterminées par l’arrêté n°678-91 du 8 février 1991, réglementant l’ex-traction et la commercialisation desdites substances à l’intérieur des permis de l’Etat Malagasy.

 

En outre, la collecte, le ramassage et l’exploitation des fossiles dans cette troisième catégorie dans les sites classés par arrêté sont interdits.

 

Art. 5. – Le présent arrêté sera publié au Journal officiel de la République

II.11. DIDIM-PITONDRANA

IRAISAN’NY MINISITERA

N°679/91-MIEM/MRSTD

tamin’ny 8 febroary 1991

mametra ny lisitry ny akoran-karena arovana (Idem)

 

 

Andininy voalohany. – Ho fampiharana ny fepetra voalazan’ ny andininy faha-10 amin’ny lalàna laharana faha-90-017 tamin’ny 20 jolay 1990 mikasika ny Sata mifehy ny harena ao an-kibon’ny tany, ny lisitry ny akoran-karena arovana dia ferana toy izao :

      Akoran-karena manana ny hasarobidiny manokana ara-tsiansa :

*      Fossiles de vertébrés, de poissons et de végéteaux.

      Akoran-karena izay heverina fa ilaina ny fiarovana azy noho ny ankavitsiany :

*      befanamite, béhiérite, bismutho-tantalite, grandidiérite, hibonite, hamburgite, kornérupine, rhodizite.

      Akoran-karena izay arahi-maso ny famokarana azy noho ny antony manokana :

*      aragonite, bois silicifié ou agatifié, ammonite, septaria, célestite.

 

And. 2. – Tsy maintsy anaovana fanambarana any amin’ny Minisitra miandraikitra ny Harena ao an-kibon’ny tany ny fahitana ireo akora voalaza ireo, hatolotra ny Fanajakana (Foibem-pitondrana ny Harena ao an-kibon’ny tany) izy ireo, raha misy ilàna azy.

 

 

 

And. 3. – Voarara tanteraka ny fikarohana, ny fitrandrahana, ny fanodinana, ny fivarotana ary ny fanondranana ireo akora ao amin’ny sokajy roa voalohany.

Na izany aza anefa, dia misy fanalefahana azo atao amin’ny fanangonana na ny fitsimponana ireo akora ireo ho an’ireo antokon-draharaha eto an-toerana mpanao fikarohana, izay hampiasa izany amin’ny asa fikarohana ataony ara-tsiansa, araka ny fanomezan- dàlana avy amin’ny Minisitra miandraikitra ny Harena ao an-kibon’ny tany.

 


And. 4. – Ny akora ao amin’ny sokajy fahatelo dia mety azo angonina, trandrahina ary amidy araka ny fepetra voafaritry ny didim-pitondrana laharana faha- 678-91 tamin’ny 8 febroary 1991 manisy fitsipika ny fomba fitrandrahana sy fivarotana ireo akora voalaza ireo ao anatin’ny fahazoan-dàlan’ny Fanjakana Mala- gasy.

Ankoatra izany, ny fanango- nana, ny fitsimponana ary ny fitran-drahana ireo fossilles ao amin’ny sokajy fahatelo ao anatin’ny faritra arovana araka ny didim-panjakana dia voarara.

 

And. 5. – Havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao didim-pitondrana izao.

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement