//-->

Arretes 39

ARRETE

 

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana

________________

 

MINISTERE DE LA JUSTICE

 

ARRETE N° 7451/2004 du 20 avril 2004

Fixant le montant des demandes pouvant être soumises à la procédure d'injonction de payer

 

LE GARDE DES SCEAUX, MINISTRE DE LA JUSTICE,

 

 Vu la Constitution,

Vu la Loi n° 2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le Code de procédure civile,

Vu le Décret n° 2003-007 du 12 janvier 2003 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

le Décret n° 2003-008 du 16 janvier 2003 modifiant

Vu le Décret n° 2004-001 du 5 janvier 2004 portant remaniement de la composition des Membres du Gouvernement,

Vu le Décret n° 2004-160 du 3 février 2004 fixant les attributions du Garde des Sceaux, Ministre de la Justice,

 

ARRETE :

 

 

Article premier. Conformément aux dispositions de l'article 242 de la loi n° 2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le Code de procédure civile, le montant des demandes ayant une cause contractuelle pouvant être soumises à la procédure d'injonction de payer est fixé comme suit :

 . en matière commerciale, le montant ne doit pas dépasser la somme de vingt cinq millions de francs ( 25 000 000 Fmg) ou dimy tapitrisa ariary.

. en matière civile, le montant ne doit pas dépasser la somme de quinze millions de francs ( 15000000 Fmg) ou telo tapitrisa ariary.

 

Art.2. Toutes dispositions contraires à celles du présent arrêté sont et demeurent abrogées.

 

Art.3. Le présent arrêté sera publié au Journal Officiel de la République de Madagascar.

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana

________________

 

MINISITERAN’NY FITSARANA

 

DIDIM-PITONDRANA LAHARANA FAHA - 7451/2004 tamin’ny 20 Aprily 2004

Mametra ny mari-bolan’ireo fangatahana azo entina amin’ny paik’ady fenerena handoa vola

 

NY MPITAHIRY NY KASEM-PANJAKANA , MINISITRY NY FITSARANA ,

 

 

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny Lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2003-007 tamin’ny 12 janoary 2003 manendry ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2003-008 tamin’ny 16 janoary 2003 novan’ny Didim-panjakana laharana faha 2004-001 tamin’ny 05 janoary 2004 manamboatra ny firafitry ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta,

Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2004-160 tamin’ny 03 febroary 2004 mametra ny andraikitry ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana,

 

 

DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PITONDRANA IZAO :

 

Andininy Voalohany- Araka ny fepetran’ny andininy 242 amin’ny lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio, dia ferana toy izao ny mari-bolan’ny fangatahana izay manana antony ara-pifanekena ka azo entina eo amin’ny paik’adin’ny fanerena handoa vola:

 

- amin’ny raharaha ara-barotra , ny mari-bola dia tsy mihoatra ny (5.000.000 Ariary) dimy tapitrisa ariary;

 

- amin’ny raharaha ady madio, ny mari-bola dia tsy mihoatra ny ( 3.000.000 Ariary) telo tapitrisa ariary.

 

And.2 - Foanana ary foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’izao didim-pitondrana izao.

And.3 - Ity didim-pitondrana ity dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’I Madagasikara.

 

 

Natao tao Antananarivo, ny 20 aprily 2004

 

 

 

 

Rtoa RATSIHAROVALA Lala

 

 

 

 

 

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement