Arretes 40
REPOBLIKAN’I
MADAGASIKARA Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana
_________ MINISTERE DE LA JUSTICE
ARRETE
N°4345/2004 fixant
le montant des demandes relevant de la compétence des tribunaux de première
instance et
des tribunaux de commerce LE
GARDE DES SCEAUX, MINISTRE DE LA JUSTICE, Vu la Constitution, Vu la Loi n° 2001-022 du 09 avril 2003 modifiant et complétant le
Code de procédure civile, Vu le Décret n° 2003-007
du 12 janvier 2003 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu le Décret n° 2004-001
du 5 janvier 2004 portant remaniement de la composition des Membres du
Gouvernement, Vu le Décret n° 2004-160
du 3 février 2004 fixant les attributions du Garde des Sceaux, Ministre de la
Justice, ARRETE : Article premier - Conformément aux
dispositions des articles 71 et 74 de la loi n°2001-022 du 09 avril 2003
modifiant et complétant le Code de procédure civile, le montant des demandes
relevant de la compétence des tribunaux de première instance et des tribunaux
de commerce est fixé comme suit : ·
en matière civile, les tribunaux de première instance statuent en
premier et dernier ressort sur les demandes n’excédant pas 2 millions de
francs malagasy (2 000 000 fmg) ou efatra hetsy ariary en principal ; ·
en matière commerciale, les tribunaux de commerce, à leur défaut, les
tribunaux de première instance sont compétents pour statuer sur les demandes
n’excédant pas 2 millions de francs
malagasy (2 000 000 fmg) ou efatra hetsy ariary en principal. |
REPOBLIKAN’I
MADAGASIKARA Tanindrazana-Fahafahana-Fandrosoana _________ MINISITERAN’NY FITSARANA DIDIM-PITONDRANA LAHARANA FAHA 4345/2004 Mametra ny fangatahana miankina amin’ny fahefan’ny fitsarana
ambaratonga voalohany sy ny fitsarana momba ny varotra NY MPITAHIRY NY KASEM-PANJAKANA, MINISITRY NY FITSARANA, Araka ny Lalàmpanorenana, Araka ny Lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09
avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ ady madio, Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2003-007 tamin’ny
12 janoary 2003 manendry ny Praiminisitra, Lehiben’ny Governemanta, Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2004-001
tamin’ny 2004 manamboatra ny firafitry ny Mpikambana ao amin’ny Governemanta, Araka ny Didim-panjakana laharana faha 2004-160
tamin’ny 03 febroary 2004 mametra ny andraikitry ny Mpitahiry ny
Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, DIA MAMOAKA IZAO DIDIM-PITONDRANA IZAO:
Andiny Voalohany- Araka ny fepetran’ny andininy 71 sy 74 amin’ny
lalàna laharana faha 2001-022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny
Fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio,dia ferana toy izao ny mari-bolan’ny
fangatahana miankina amin’ny fahefan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany sy ny
Fitsarana momba ny varotra: ·
eo amin’ny lafiny ady madio, ny fitsarana ambaratonga voalohany dia
mitsara tsy azo akana fitsarana ambony amin’ireo fangatahana tsy mihoatra ny
efatra hetsy ariary (400000 a) amin’ny votoatin’ady. ·
Eo amin’ny lafiny ady momba ny varotra, ny fitsarana momba ny varotra,
raha tsy misy izy ireo, ny fitsarana ambaratonga voalohany no mahefa hitsara
ny fangatahana tsy mihoatra ny efatra hetsy ariary (400000 a) amin’ny
votoatin’ady. |
Art.2 - Conformément aux
dispositions de l’article 236.1 de la loi n°2001-022 du 09 avril 2003
modifiant et complétant le Code de procédure civile, l’instance est
introduite par voie d’assignation devant le tribunal de commerce lorsque la
demande dépasse en principal la somme de 2 millions de francs (2 000 000 fmg)
ou efatra hetsy ariary. |
And.2 – Araka ny
fepetran’ny andininy 236.1 amin’ny lalàna laharana faha 2001- 022 tamin’ny 09 avrily 2003 manova sy mameno ny Fehezan-dalàna momba
ny paik’ady madio, ny fampidiran-draharaha eo amin’ny fitsarana momba ny
varotra dia atao amin’ny alalan’ny famakian’ady ataon’ny vadintany raha
mihoatra ny efatra hetsy ariary (400000 a) ny fangatahana amin’ny
votoatin’ady. |
Art.3 - Toutes dispositions
contraires à celles du présent arrêté sont et demeurent abrogées. |
And.3 – Foanana ary foana ny fepetra rehetra mifanohitra
amin’izao didim- pitondrana izao. |
Art.4 - Le présent arrêté sera
publié au Journal Officiel de la République de Madagascar. Fait à Antananarivo, le 26 février 2004 Mme RATSIHAROVALA Lala |
And.4 – Ity didim-pitondrana ity dia havoaka amin’ny
Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara. Natao tao Antananarivo, ny 26 febroary 2004
Rtoa RATSIHAROVALA Lala
|