Arretes 81
ARRETE N° 14251/2000 du 29 décembre 2000 portant
application du décret n° 98-839 du 14 octobre 1998 modifiant le décret n°
98-127 du 5 février 1998 portant application des dispositions de la loi n° 95-030
du 22 février 1996 concernant les Institutions financières mutualistes. (J.O n° 2684 du
15.01.2001 p. 567) |
DIDIM-PITONDRANA
LAHARANA FAHA-14251/2000 tamin’ny 29 desambra 2000 ampiharana ny
didim-panjakana laharana faha- 98-839 tamin’ny 14 oktobra 1998 manova ny
didim-panjakana laharana faha- 98-127 tamin’ny 5 febroary 1998 ampiharana ny
fepetra voalazan’ny lalàna laharana faha-95-030 tamin’ny 22 febroary 1996
mikasika ny orinasa mampiasa vola ifanampiana. (idem) |
Article
premier - En application de l’article premier du décret n° 98-839 du 14
octobre 1998 modifiant le décret n° 98-127 du 5 février 1998 portant
application des dispositions de la loi n° 96-020 du 4 septembre 1996 et de la
loi n° 95-030 du 22 février 1996 concernant les Institutions financières
mutualistes, les Institutions financières mutualistes en activité et qui ont
déjà déposé leur demande d’agrément auprès de la Commission de supervision
bancaire et financière disposent d’un délai de 6 mois, à compter de la
publication du présent arrêté au Journal officiel, pour se conformer
aux dispositions légales et réglementaires en vigueur. |
Andininy
voalohany - Ho fampiharana ny andininy voalohany ny didim-panjakana
laharana faha-98-839 tamin’ny 14 oktobra 1998 manova ny didim-panjakana
laharana faha-98-127 tamin’ny 5 febroary 1998 ampiharana ny fepetra
voalazan’ny lalàna laharana faha-96-02 tamin’ny 4 septambra 1996 sy ny lalàna
laharana faha-95-030 tamin’ny 22 febroary 1996 mikasika ny orinasa mampiasa
vola ifanampiana, ny orinasa mampiasa vola ifanampiana efa amperin’asa ka
nametraka ny fangataham-pankatoavana tamin’ny vaomiera mpanara-maso ambony ny
banky sy ny orinasa mpampiasa vola dia omena fe-potoana enim-bolana,
manomboka amin’ny fivoahan’ity didim-pitondrana ity amin’ny Gazetim-panjakana,
mba hanaraka ireo fepetra voalazan’ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika
manan-kery. |
Art. 2 -
Toutes dispositions contraires à celles du présent arrêté sont et demeurent abrogées,
notamment celles de l’arrêté n° 8161/99 du 18 août 1999. |
And. 2
- Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’ity
didim-pitondrana ity, indrindra izay voalazan’ny didim-pitondrana laharana
faha-8161/99 tamin’ny 18 aogositra 1999. |
Art. 3
- Le Directeur général du Trésor est chargé de l’exécution du présent arrêté
qui sera enregistré et publié au Journal officiel de la République. |
And. 3
- Ny Tale jeneralin’ny Tahirimbolam-panjakana no miandraikitra ny
fanatanterahana ity didim-pitondrana ity izay horaketina am-boky sy havoaka
amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika. |