//-->

Arretes 86

MINISTERE DU COMMERCE ET DE LA CONSOMMA TION

MINISTERE DU COMMERCE ET DE LA CONSOMMA TION

 

Arrêté n° 8863/2000-MCC/SG/DG/DPCE

du 17 août 2000

portant sur les règles d'attribution aux sociétés sucrières des quotas à I'exportation détenus par l'Etat Malgache

(J.O. n° 2643 du 25.09.2000, p. 3342)

 

MINISITERAN'NY VAROTRA SY NY FANJIFANA

 

 

Didim-pitondrana n° 8863/2000-MCC/SG/DG/DPCE tamin’ny 17 aogositra 2000

anaovana fitsipika fizarana amin'ireo sosaiety mpamokatra siramamy ny anjara fanondranan'ny Fanjakana Malagasy

(idem)

 

Les quotas de sucre à l'exportation détenus par l'Etat malgache dans le cadre des accords avec l'Union Européenne (quotas ACP/CEE, quotas SPS, réallocations) et les Etats Unis (quota US) seront pour chaque campagne répartis entre les sociétés sucrières opérationnelles au prorata de leur production de sucre obtenue au cours de la campagne précédente

Ny anjara siramamy fanondran'ny Fanjakana malagasy araka ny Fifanarahana tamin'ny Fikambanam-be eropeanina (anjara ACP/CEE, anjara SPS, fanomezam-bola vaovao) sy ny Fanjakana amerikana (anjara US) dia ho tsinjaraina isaky ny fanangonam-bokatra amin'ireo sosaiety mpamokatra siramamy arakaraka ny vokatra siramamy vitany nandritra ny fanangonam-bokatra teo aloha.

 

Les nouvel!es sociétés sucrières, issues de la privatisation de la Sirama ou créées ultérieurement, bénéficieront des quotas a l'exportation au prorata de leur production de la campagne précédente. Les données de production de sucre de chaque société devront être fournies par le Centre Malgache de la Canne et du Sucre (CMCS) des la fin de la campagne sucrière.

Ireo sosaiety mpamokatra siramamy vaovao, teraka tamin'ny fisitahan’ny fanjakana tamin'ny Sirama na niorina taty aoriana, dia nahazo tombondahiny amin'ny anjara fanondrana araka ny vokatra vitany tamin’ny fanangonam-bokatra teo aloha. Ny tondromarika tamin’ny vokatra siramamy isaky ny sosaiety dia tsy maintsy omen’ny foibe momba ny Fary sy Siramamy Malagasy - (FESM ) raha vao mifarana ny fanangonam-bokatra siramamy.

 

Toute société sucrière est autorisée, si el!e le souhaite, a sous- traiter en totalité ou en partie les tonnages qui lui ont été attribues sous condition expresse que cette sous-traitance se fasse auprès d'une autre société sucrière.

 

Omen-dalana ny sosaiety mpamokatra siramamy, raha tiany izany, hampisahana asa manontolo na ampahany ny lanja nomena azy, ary io fapisahanana asa io dia tsy maintsy ifanaovana amina sosaiety mpamokatra siramamy.

 

Toute sous-traitance à des sociétés commerciales est par conséquent interdite.

 

Noho izany dia raràna ny fifampisahanana asa amina sosaiety momba ny varotra.

 

Sont et demeurent abrogées, toutes dispositions contraires à celles du présent arrêté.

 

Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra mifanohitra amin’ity didim-pitodrana ity.

 

 

 

 

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement