//-->

Arretes 97

Arrêté n° 13 876/99 du 30 décembre 1999

ARRETE n°13876/99

du 30 Décembre 1999

 

portant conditions d'émission de bons du Trésor spéciaux relatifs à l'assainissement de la Banky Fampandrosoana ny Varotra dans le cadre du désengagement de l'Etat

(J.O n2635 du 26.04.2000,p.1700)

 

Article premier - Dans le cadre du désengagement de l'Etat dans le capital de la Banky Fampandrosoana ny Varotra, il est émis un bon du Trésor spécial d'une valeur de seize milliards cinq cent soixante sept millions quatre cent trente huit mille deux cent quatre francs malgaches ( 16 567 438 204 FMG ) à échéance, rémunéré aux conditions fixées par le présent arrêté et librement négociable.

 

 

Art. 2 - Le bon visé à l'article premier sera remboursé en cinq échéances annuelles d'un montant égal en capital. La première échéance est fixée au 1er janvier 2000 et la dernière au 1er janvier 2004.

 

 

Art. 3 - L'intérêt du bon est fixé à 8% à compter du 1er janvier 1999. Les intérêts sont payables chaque année à terme échu, aux dates d'échéance stipulées à l'article 2.

 

 

Le taux fixé à l'alinéa précédent est indexé sur la variation du taux directeur de la Banque Centrale de Madagascar. Cette variation sera déterminée par comparaison entre le taux directeur en vigueur au dernier jour ouvrable du trimestre civil et la valeur de ce taux au dernier jour ouvrable du trimestre civil précédent, avec pour base de référence pour le premier trimestre de 1999 le taux en vigueur à la date du 15 octobre 1998, soit 10%.En cas de hausse du taux de référence le taux de rémunération du bon du Trésor spécial sera majoré à concurrence de la différence constatée. En cas de baisse du taux de référence , le taux de rémunération du bon du Trésor spécial sera diminué de la différence constatée, sans pouvoir être inférieur à 8%.Les révisions prendront effet à compter du premier jour du trimestre civil suivant pour lequel la variation aura été calculée.

 

DIDIM-PITONDRANA laharana faha-13876/99 ny 30 desambra 1999

 

Anaovana ny fepetra famoahana "Bons du Trésor spéciaux" mikasika ny fanadiovana ny Banky Fampandrosoana ny Varotra (BFV) ao anatin'ny sehatra fisintahan'ny Fanjakana

(idem)

 

Andininy voalohany - Ao anatin'ny sehatra fisintahan'ny Fanjakana amin'ny renivolan'ny Banky Fampandrosoana ny Varotra (BFV) dia avoaka ny "bon du Trésor spécial" mitetina efatra sy roanjato sy valo arivo sy telo alina sy efatra hetsy sy fito amby enimpolo sy dimanjato sy enina arivo sy iray alina tapitrisa Iraimbilanja (16 567 438 204 Ia ) izay averina ara-potoana sy arahina zana-bola araka ny fepetra voalazan'ity didim-pitondrana ity ary azo ifanakalozana malalaka.

 

And. 2 - Ny "bon du Trésor spécial" lazain'ny andininy voalohany dia haverina indimy mandoa isan-taona mitovy amin'ny renivola. Ny fe-potoana famerenana voalohany dia ny 1 janoary 2000 ary ny fe-potoana famerenana farany dia ny 1 janoary 2004.

 

And. 3 - Ny zana-bolan'ity "bon du Trésor spécial" ity dia ferana ho 8 isan-jato miantomboka ny 1 janoary 1999. Ny zana-bola dia azo aloa isan-taona amin'ny fotoana igadonany, amin'ny vaninandro famerenana voalaza ao amin'ny andininy faha-2.

Ny tatao voalazan'ny andalana etsy ambony dia ampifanarahana amin'ny fiovaovan'ny taha-tondron'ny Banky Foiben'i Madagasikara.Izany fiovaovana izany dia ho faritana amin'ny alalan'ny fampitahana ny tahatondro manan-kery amin'ny andro farany iasana amin'ny telovolana sivily sy ny salan'io tahatondro io amin'ny andro farany iasana amin'ny telovolana sivily teo aloha, ka ny fototra ifaharana ho an'ny telo volana voaloahany amin'ny taona 1999 dia ny tahatondro manan-kery amin'ny 15 oktobra 1998, izany hoe 10 isan-jato. Raha toa miakatra ny tatao ifaharana, dia ampitomboina hatramin'ny elanelana hita fototra ny tatao famerenana ny "bon du Trésor spécial". Raha toa ka midina ny tatao ifaharana, dia ahena araka ny elanelana hita fototra, kanefa tsy tokony ho latsaky ny 8 isan-jato ny tatao famerenana ny "bon du Trésor spécial". Ny fanamboarana dia hanan-kery manomboka ny andro voalohany amin'ny telovolana sivily manaraka ny telovolana nanaovana ny fikajiana ny fiovaovana.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement