//-->

Autres types de 32

Circulaire en malgache n° 1103-DGI/AT du 1er février 1961

CIRCULAIRE EN MALGACHE N° 1103-DGI/AT DU 1ER FÉVRIER 1961
fixant les règles générales relatives au service de l'état civil
applicables dans toutes les communes de la République Malgache
(J.O. du 14.02.61, p.289)

 

Tananarive, le 1er février 1961

Ny Ministry ny aty-tany sy ny Mpitahiry ny fitombokasem-panjakana, Ministry ny fitsarana

 

Ho an'ny Ben'ny tanàna eto Madagasikara,

 

Ny Ben'ny tanàna amin'ny kaomina ambonivohitra, sy amin'ny kaomina ambanivohitra, araka ny voalaza ao amin'ny andininy faha-94 sy 242-n'ny didy (ordonnance) n° 60-085 tamin'ny 24 aogositra 1960 mandamina ny kaomina no miandraikitra ny fanatanterahana ny raharaha mikasika ny fanoratana ny fiankohonana ao anatin'ny faritany avy.

Ny didy (arrêté) tamin'ny 6 jona 1939 izay nametra ny fombafomba rehetra mikasika ny fiankohonana no mbola manankery ary mbola ampiasaina ambara-pivoakan'ny lalàna vaovao izay handamina ny fiankohonana eto Madagasikara, lalàna izay efa volavolain'ny Parlemanta ankehitriny, ary mety hivoaka ato ho ato:

 

I - Famerana ny mpiandraikitra ny fiankohonana

 

Ny andininy faha-94 sy 242-n'ny didy (ordonnance) tamin'ny 24 aogositra no manome ny Ben'ny tanàna sy ireo lefitra ny adidy ho mpiandraikitra ny fiankohonana malagasy ary mametra ny fombafomba hanatanterahany azy.

Ka amin'izany dia:

1° Ny ben'ny tanàna irery ihany no afaka hanome fahefana ny mpiasa ao amin'ny kaomina na mpanoratra ao, mba hiandraikitra ny raharahany mikasika ny fiankohonana ;

2° Ny mpiasa ao amin'ny kaomina na mpanoratra ao, izay nahazo fahefana tamin'ny ben'ny tanàna amin'ny raharaha ny fiankohonana anefa, dia tsy afaka hanoratra na hanao ny fisoratam-panambadiana ;

3° Ny ben'ny tanàna sy ny lefitra no manam-pahefana hanao sonia ny kopia mikasika ny fiankohonana, araka ny fomba mahazatra na dia misy aza ny fanoloana, ary mba hisian'ny fanaraha-maso ny asa ataon'ireo nomem-pahefana.

 

II - Fitsipika ankapobeny momba ny raharaha mikasika ny fiankohonana

 

Atao araka ny lalàna teo aloha ny raharahan'ny fiankohonana. Ireto misy zavatra vitsivitsy hitaritako ny sain'ireo mpiandraikitra ny fiankohonana :

1° Ny andraikitry ny presidan'ny tribonaly atao hoe droit local dia hiantsorohan'ny prézidan'ny tribonaly 1ère instance na ny prezidan'ny sekisiona, na rehefa tsy misy tribonaly 1ère instance na tribonalin'ny sekisiona, ao amin'ny renivohitry ny distrika, dia ny prezidan'ny tribonalin'ny distrika na ny paositra ;

2° Atao amin'ny teny malagasy hatramin'izao ny fanoratana ny fiankohonana araka ny modely izay ampiarahina amin'ity ;

3° Ny procureur-n'ny République no manome ny fanomezan-dalàna hanaovana mariazy any an-tanànan'ilay zazavavy hanambady, izay voalaza ao amin'ny andininy faha-10-n'ny didy (arrêté) tamin'ny 6 jona 1939 (andalana mialoha ny farany) ;

4° Ny sefon'ny disitrika na ny lefiny sy ny prezidan'ny tribonaly sivily no manara-maso ny raharaha momba ny fiankohonana ary eo ambany fahefan'ny procureur-n’ny République sy ny procureur général, araky ny fepetra voalaza ao amin'ny andininy faha-42-n'ny didy (arrêté) tamin’ny 6 jona 1939 ;

5° Ambara-pahavitan'ny lalàna malagasy hampiray ny momba ny fiankohonana sy ny zon'ny olona tsirairay avy, dia soratana araky ny lalàna teo aloha ny fiankohonan'ireo manana ny zo sivily moderina.

Boky iray ihany no hanoratana ny raharahan'ny fiankohonana mikasika ny olona manana ny zo nentim-paharazana sy ny zo sivily moderina.

Azon'ny mpiandraikitra ny fankohonana atao ny mangataka fanazavana any amin'ny procureur-n'ny République, raha tahiny misy fahasahiranana mitranga.

Ny modely miaraka amin'ity teny midina ity, raha vao voaray, no angalana toromarika amin'ny fanoratana ny fiankohonana izay ampanarahina ireo efa voasoratra tao hatramin'ny 1 zanvie 1961.

 

* * *

FOMBA FANORATANA FIANKOHONANA

Ampiarahina amin'ny teny midina n° 1103-DGI/AT tamin'ny 1 fevrier 1961

 

MODELE 8

 

I - FANORATANA NY ZAZA TERAKA

 

A - Raha teraka tamin'ny fanambadiana voasoratra ara-dalàna ilay zaza :

 

Tamin'ny efatra ambiny folo oktobra, taona sivy amby dimampolo sy sivin-jato sy arivo, tamin'ny sivy ora hariva, no teraka tao Ambohitsoa Rakoto, zazalahy, zana-dRabe, mpamboly, teraka tao Ambohitsoa, kantaon'Ambatomanga, distrikan'i Manjakandriana, tamin'ny efatra ambiny folo jolay, taona enina amby folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Rasoa, vadiny, mpanjaitra, teraka tao Alasora, kantao Alasora, distrikan’Antananarivo ambanivohitra tamin'ny roapolo avrily, taona telopolo sy sinvin-jato sy arivo, monina ao Ambohitsoa. Nosoratana androany enina ambiny folo oktobra, sivy amby dimampolo sy sivin-jato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, araka ny fanambarana nataon'ny rain-jaza, izay miara-manao sonia aminay: Rasaona, mpanoratra ny fiankohonana ao Ambohitsoa.

Sonia : RASAONA - RABE

Raha tsy ny rain-jaza no manao ny fanambarana: dia soloina toy izao manaraka izao ny tapany farany :

«Nosoratana androany enina ambiny folo oktobra, taona sivy amby dimampolo sy sivinjato sy arivo tamin'ny sivy ora maraina, araky ny fanambarana nataon-dRajao, telo amby efapolo taona, mpamboly, monina ao Ambohitsoa, kantaon'Alasora, distrikan'Antananarivo ambanivohitra, nanatrika ny fiterahana, izay miara-manao sonia aminay : Rasaona, mpanoratra ny fiankohonana ao Ambohitsoa.

 

________________

 

=> Veux-tu aussi créer une site gratuit ? Alors clique ici ! <=