//-->

Autres types de texte 163

Décision n° 14-HCC/D3 du 17 octobre 2001

Décision n° 14-HCC/D3 DU 17 octobre 2001

concernant la loi n° 2001-004

 

Fanapahana n° 14-HCC/D3

tamin'ny 17 oktobra 2001

mikasika ny lalàna laharana faha 2001-004

 

La Haute Cour Constitutionnelle,

Vu la Constitution et la Convention du 31 octobre 1991,

Vu l'ordonnance n° 92-018 du 9 juillet 1992 relative à la Haute Cour Constitutionnelle,

 

Le rapporteur ayant été entendu,

Après en avoir délibéré conformément à la loi,

 

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Araka ny Lalàmpanorenana sy ny Fifanarahana tamin'ny 31 oktobra 1991,

Araka ny hitsivolana laharana faha 92-018 tamin'ny 8 jolay 1992 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

Rahefa nohenoina ny mpampaka-teny,

Rahefa avy nifampidinihana araka ny lalàna,

 

En la forme :

Considérant que par lettre n° 183-PRM/SGP du 29 août 2001, le Président de la République, conformément aux dispositions des articles 118 et 121 de la Constitution, saisit la Haute Cour Constitutionnelle aux fins de contrôle de constitutionnalité de la loi n° 2001-004 portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique,

Considérant que la Haute Cour Constitutionnelle, exerçant ses attributions en vertu de l'article 146 de la Constitution, se trouve régulièrement saisie,

 

Amin'ny fomba voadidy harahina :

Satria araka ny taratasy laharana faha 183-PRM/SGP tamin'ny 29 aogositra 1991, ny Filohan'ny Repoblika, araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-118 sy faha-121 amin'ny Lalàmpanorenana, dia nandroso hodinihan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny lalàna laharana faha 2001-004 anaovana ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin'ny lafin'ny fandriampahalemam-bahoaka,

Satria ara-dalàna ny fampakaran-draharaha tamin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay manao ny asany araka ny andininy faha-146 amin'ny Lalàmpanorenana,

 

Au fond :

Considérant que l'Assemblée nationale et le Sénat ont adopté la loi n° 2001-004 en leur séance respectives des 16 mai et 27 juillet 2001,

 

Considérant que la loi soumise à contrôle ne contient aucune disposition contraire à la Constitution,

En conséquence,

Décide :

 

Amin’ny votoatin-draharaha :

Satria ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimierandoholona dia nandany ny lalàna laharana faha 2001-004 tamin'ny Fivoriana nataony avy ny 16 mey sy 27 jolay 200 1,

Satria ny lalàna naroso hodinihina dia tsy ahitana na dia iray aza fepetra mifanohitra amin'ny Lalàmpanorenana,

Noho izany,

Dia manapaka fa :

 

Article premier - La loi n° 2001-004 portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique, est déclarée conforme à la Constitution.

 

 

Art. 2 - La présente décision sera notifiée au Président de la République et publiée au Journal officiel de la République.

 

Andininy voalohany - Ambara fa mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ny lalàna laharana faha 2001-004 anaovana ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin'ny lafin'ny fandriampahalemam-bahoaka.

 

And. 2 - Izao fanapahana izao dia hampahafantarina ny Filohan'ny Repoblika sy havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika.

 

Ainsi délibéré en audience privée tenue à Antananarivo, le mercredi dix-sept octobre l'an deux mil un à dix heures, la Haute Cour Constitutionnelle étant composée de

 

M. Boto Victor, Président,

M. Imboty Raymond, Haut Conseiller-Doyen ;

 

M. Mananjara, Haut Conseiller ;

Mme Rakivolaharivony Jeanine Hortense, Haut Conseiller ;

M. Indrianjafy Georges Thomas, Haut Conseiller ;

 

Mme Rabemahefa Berthe, Haut Conseiller ;

M. Jean-Michel Rajaonarivony, Haut Conseiller ;

 

M. Florent Rakotoarisoa, Haut Conseiller ;

M. Rakotondrabao Andriantsihafa Dieudonné, Haut Conseiller ;

et assistée de Me Ralison Samuel Andriamorasoa, greffier en chef.

Suivent les signatures.

 

Nifampidinihana araka izany tamin'ny fotoam-pitsarana tsy ampahibemaso natao tao Antananarivo, ny alarobia fito ambin'ny folo oktobra taona iray sy roa arivo tamin'ny folo ora maraina, ka anisan'ny tao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana :

Atoa Boto Victor, Filoha ;

Atoa Imboty Raymond, Mpanolotsaina Avo-Zokiolona ;

Atoa Mananjara, Mpanolotsaina Avo ;

Rtoa Rakivolaharivony Jeanine Hortense, Mpanolotsaina Avo ;

Atoa Indrianjafy Georges Thomas, Mpanolotsaina Avo ;

Rtoa Rabemahefa Berthe, Mpanolotsaina Avo ;

Atoa Jean-Michel Rajaonarivony, Mpanolotsaina Avo ;

Atoa Florent Rakotoarisoa, Mpanolotsaina Avo ;

Atoa Rakotondrabao Andriantsihafa Dieudonné, Mpanolotsaina Avo ;

ary natrehin' i Me Ralison Samuel Andriamorasoa, lehiben'ny firaketàn-draharaha.

Manaraka ny sonia.

 

 

=> Veux-tu aussi créer une site gratuit ? Alors clique ici ! <=