//-->

Autres types de textes 257

Teny midina n° 001-MJ/KAB tamin'ny 18 janoary 1964

REPOBLIKA MALAGASY

MINISTERAN’NY FITSARANA

------------------

TENY MIDINA N° 001-MJ/KAB TAMIN’NY 18 JANOARY 1964
momba ny firaketana fiankohonana

(J.O. n° 333 du 18.01.64, p. 101, éd.sp.)

 

 

1 - Maromaro ihany ireo fitsipika mifehy ny sora-painkohonana eto Madagasikara. Anisan'ny porofon'ny maha zava-dehibe azy izany ary mampiseho koa fa irin'ny Governemanta fatratra ny hahalavorary ny firaketana azy.

Ny firenena mandroso rehetra dia samy mila ny sora-piankohonana avokoa satria ny voalaza ao amin'izy ireny no hany ahafahana manavaka ny olona tsirairay avy. Samy mila izany anefa na ny Fanjakana (mba hahazoany mahafantatra izay anisan'ny vahoakany ka tokony hotsinjoviny sy harovany), na ny olona tsirairay avy (mba hanaporofoany ny maha izy azy sy ny fananany ny zo izay kasainy hampiasaina).

Tokony samy hahatsapa izany avokoa rehefa mety ho olona manana andraikitra mifandray amin'ny sora-piankohonana.

Efa maro ireo fanazavana nataon'ny ministera iadidiako momba ny sora-piankohonana na tamin'ny teny malagasy izany na tamin'ny teny frantsay, na am-bava na an-tsoratra.

Efa hatramin'ny taona 1961, nivoahan'ny lalàna n° 61-025 momba ny sora-piankohonana no nanaovana izany, ary ny anisan'ny lehibe indrindra tamin'izy ireny dia ilay teny midina n° 788-MJ/Cab tamin'ny 29 desambra 1961 izay nahitsy tamin'ny 1 fevrie 1963.

Ity indray ho fanampin'ireny rehetra ireny ny teny midina amin'ny teny malagasy izay namintinana ireo fanazavana rehetra vita teo aloha ary nampidirana ireo fepetra vaovao hita ao amin'ny lalàna vao navoaka tamin'ny 20 novambra 1963 momba ny fianahana.

Ireto avy, amin'izao fiandohan'ny taona 1964 izao, ireo lalàna aman-didy mikasika ny sora-piankohonana :

1° Ny lalàna n° 61-025 tamin'ny 9 oktobra 1961 momba ny sora-piankohonana (Gazetim-panjakan'ny Reboblika Malagasy, G.P. R.M., tamin'ny 14 oktobra 1961, pejy 1789) ;

2° Ny hitsivolana n° 62-003 tamin'ny 24 jolay 1962 momba ny anarana sy ny fonenana ary ny «tsy fantatra na maty na velona» (Gazetim-panjakan'ny Repoblika Malagasy n° 235 tamin'ny 4 aogositra 1962, p. 1527) ;

3° Ny hitsivolana n° 62-089 tamin'ny 1 oktobra 1962 momba ny fanambadiana (Gazetim-panjakan'ny Repoblika Malagasy tamin'ny 19 oktobra 1962, p. 2366) ;

4° Ny lalàna n° 63-022 tamin'ny 20 novambra 1963 momba ny fianahana sy ny fananganana ary ny fanarian-janaka (Gazetim-panjakan'ny Repoblika Malagasy tamin'ny 30 novambra 1963, p. 2479) ;

5° Ny didim-panjakana n° 62-675 tamin'ny 27 desambra 1962 manalava hatramin'ny 1 janvie 1964 ny fe-potoana voalaza ao amin'ny andininy 72 sy 73 ao amin'ny lalàna n° 61-025 tamin'ny 9 oktobra 1961 momba ny sora-piankohonana (Gazetim-panjakan'ny Repoblika Malagasy tamin'ny 12 janvie 1963, p. 57).

6° Ny didim-panjakana n° 63-022 tamin'ny 16 janvie 1963 manondro ireo olona voatendry hanamarina ny fahatanterahan'ny fomba nentim-paharazana fandraiketana fanambadiana (Gazetim-panjakan'ny Repoblika Malagasy tamin'ny 26 janvie 1963, p. 257).

 

TOKO I

IZA AVY NO MPIANDRAIKITRA SORA-PIANKOHONANA

 

2 - Voalazan'ny andininy 94 sy 242 ao amin'ny hitsivolana momba ny tanàna amana faribohitra tamin'ny 21 aogositra 1960 fa ny ben'ny faritanàna sy ny lefiny, ary ny ben'ny faribohitra sy ny lefiny no mpiandraikitra sora-piankohonana.

 

3 - Azon'ireo ben'ny tanàna (communes urbaines) atao ny manendry solony iray na maro avy amin'ny mpiasan'ny fari-tanàna feheziny mba handray ny fanambarana sy hanao ny sora-piankohonana momba ireto : fahaterahana, fahafatesana, fanjanahana, fananganana ary fanarian-janaka (and. 94 voalaza etsy ambony).

Mahefa koa amin'ny fandikana soratra ao amin'ny bokim-piankohonana sy ny fanaovana filazalazana an-tsisiny ary ny fanomezana kopia sy votoatin'ny sora-piankohonana io solo tendrena io.

 

4 - Mahazo manendry solo toy izany koa ny ben'ny faribohitra, nefa kosa dia tsy maintsy mpanolotsaina ao amin'ny antenimieran'ny faribohitra no tendrena.

 

5 - Marihina tsara eto fa ny ben'ny tanàna sy ny ben'ny faribohitra ihany no mahazo manendry solony toy izany.

Heverinay fa raha manapa-kevitra hanao izany izy, dia tsara raha ny mpitan-tsoratry ny tanàna na ny faribohitra no tendreny ara-dalàna ho solony.

 

6 - Hamafisina tsara eto koa fa ireny solomahefa ireny dia tsy mahazo manao fandraiketana fanambadiana. Ny tena mpiandraikitra sora-piankohonana volaza ery ambony ihany no mahazo manao izany (ben'ny tanàna sy ny lefiny, ben'ny faribohitra sy ny lefiny).

 

INONA NO ADIDIN'NY MPIANDRAIKITRA SORA-PIANKOHONANA ?

 

7 - Mandray ny fanambarana atao aminy sy mitana izany an-tsoratra no adidiny.

Voalazan'ny and. 6 ao amin'ny lalàna momba ny sora-piankohonana fa tsy azony atao ny mandà ny hanoratra izay fanambarana atao aminy, na manao soratra tsy mifanaraka amin'ny fanambarana na manao soratra tsy misy mpanambara.

 

8 - Raha tsy mitandrina izany ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia mety hiharan'ny sazy.

 

INONA NO FAMAIZANA METY HIHATRA AMINY ?

 

9 - Tompon'andraikitra amin'ny fahadisoana sy ny fanaovana tsirambina eo amin'ny asany na eo amin'ny fanatanterahany azy ny mpiandraikitra sora-piankohonana (and. 8, Lalàna n° 61-025).

Famaizana telo karazana no azo ampiharina :

a - Fangatahana onitra eo amin'ny fitsarana ady madio noho ny fahavoazana nateraky ny fahadisoana ;

b - Fitoriana eo amin'ny fitsarana ady heloka ;

d - Famaizana ataon'ny fanjakana toy ny taratasy fanakianana, ny fampiatoana amin'ny asa na fandroahana mihitsy aza.

 

TOKO II

NY FOMBA FIRAKETANA NY FIANKOHONANA

 

10 - Misy karazany roa ny fitsipika mikasika ny firaketana ny fiankohonana dia ny fitsipika iombonan'ny sora-piankohonana rehetra ary ny fitsipika manokana ho an'ny karazan-tsoratra tsirairay avy.

 

FIZARANA VOALOHANY

NY FITSIPIKA IOMBONAN'NY SORA-PIANKOHONANA REHETRA

 

11 - Ny voalohany indrindra amin'izy ireny dia momba ny bokim-piankohonana.

 

1° Ny amin’ny boky fiankohonana

 

12 - Tsy maintsy soratana ao amin'ny bokim-piankohonana rehefa mety ho fanambarana. Noho izany dia tsy azo atao ny mandray azy ireny amin'ny ravin-taratasy. Teo aloha, mba hahamora ny firaketana ny fiankohonana dia nomena safidy hanao izany ihany ny mpiandraikitra sora-piankohonana. Hita anefa ankehitriny fa tsy mety izany fomba izany ka dia marihina tsara eto fa tsy azo atao intsony.

Tsy maintsy atao sora-tànana amin'ny ranomainty tsotra ny fanambarana (afa-tsy amin'ireo tanan-dehibe manana milina fanoratana mivantana amin'ny boky). Tsy azo ampiasaina ny fanoratana crayon à bille satria vetivety foana dia manjavona tsy azo vakiana ny soratra atao aminy.

Aoriana kely dia hisy rejistra momba ny soratra sasantsasany izay hatao printy ka ny banga fotsiny no sisa hofenoina.

 

NY AMIN'NY FITAHIRIZANA NY BOKY

 

13 - Voalazan'ny andininy 11 fa itànana roa mitovy avy ireo rejistra samy hafa.

Rehefa mifarana ny taona, ny iray amin'izy ireny dia tehirizina ao amin'ny foibem-piankohonana, ny faharoa kosa dia alefa hotahirizina any amin'ny firaketan-draharahan'ny fitsarana ambaratonga voalohany na ny an'ny sampany miandraikitra ny foibem-piankohonana.

Ny rejistra tahirizina ao amin'ny fobem-piankohonan'ny faribohitra na ny tanàna dia tsy azo omena hojeren'ny saram-babem-bahoaka. Izany fandrarana izany dia atao mba hisorohana ny fahasimbana vokatry ny tsy fitandreman'ny olona mety hamadibadika azy.

 

14 - Mbola averina eto indray fa tompon'andraikitra amin'ny fitahirizana ny boky ny mpiandraikitra sora-piankohonana, indrindra fa ny ben'ny tanàna sy ny ben'ny faribohitra.

 

2 ° Iza avy no mandray anjara amin'ny fanaovana sora-piankohonana ?

 

15 - Karazan'olona telo no mandray anjara amin'izany : ny mpanambara, ny vavolombelona, ny mpiandraikitra sora-piankohonana.

 

16 - A. Ny mpanao fanambarana dia ireo olona voatonona mivantana ao amin'ny soratra (ny mpivady, ny mpanao fanjanahana na fananganana na fanariana, ny mpanova anarana) na ireo olona tondroin'ny lalàna hanao ny fanambarana fahaterahana na fahafatesana.

Tsy mahazo manao fanambarana tsy mifanaraka amin'ny marina izy. Faizina mafy tokoa ny fanaovana fanambarana diso.

 

17 - B. Ny vavolombelona dia olona finidin'ny mpanambara hanamarina fa ny tenan'ny mpanambara voalaza ao amin'ny soratra tokoa no manatrika, ary mifanaraka amin'ny fanambarana ataony izay voasoratra ao amin'ny boky.

Ny hany fepetra tsy maintsy tanteraky ny vavolombelona dia ny tsy ho latsaky ny 21 taona izy.

Ny fanambadiana sy ny fananganana, ny fanarian-janaka ary ny fiovana anarana no ilaina hatrehin'ny vavolombelona, ka roa no isany amin'ireo soratra telo voalohany ary dimy amin'ny fahefatra (and.38 Lalàna n° 61-025).

 

18 - D. Ny mpiandraikitra sora-painkohonana :

Ny and. 23 ao amin'ny lalàna momba ny sora-piankohonana no manondro izay mpiandraikitra sora-piankohonana tokony hanao ny soratra :

And. 23 - Raisin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny :

*      toerana nahaterahana ... Ny fanambarana momba ny teraka ;

*      toerana nahafatesana.... Ny momba ny maty ;

*      toerana andraiketana azy. Ny momba ny fampakaram-bady ;

*      fonenan'ny mpanangana. Ny momba ny fananganana ;

*      na ny mpanary sy ny fanarian-janaka ;

*      fonenan'ny mpanjanaka. Ny momba ny fanjanahana sy ny fanjanahana eo am-pisoratam-panambadiana ;

*      fonenan'ny mpangataka. Ny momba ny fiovana anarana.

Marihina tsara eto fa ny fanambarana teraka atao araky ny fepetra teteza-mita ao amin'ny and. 72 dia azo atao amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana ipetrahan'ny olona fototry ny fanambarana.

Amin'izany, dia soratan'io mpiandraikitra sora-piankohonana io ao amin'ny bokin'ny taona diavina ny fahaterahana ka andefasany kopia any amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana, ao amin'ny toerana nahaterahan'ilay olona, ary dia anjaran'ity mpiandraikitra sora-piankohonana ity kosa ny mandika ny sora-pahaterahana ao amin'ny bokiny sy manao filazana an-tsisiny ilaina.

 

FIZARANA II

NY FITSIPIKA MANOKANA MIKASIKA NY KARAZAN-TSORATRA TSIRAIRAY

 

I - Ny amin’ny SORA-PAHATERAHANA

 

19 - Na iza na iza zaza teraka eto Madagasikara, na tera-tany na vahiny, dia tsy maintsy anaovana fanambarana amin’ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana ao anatin’ny 12 andro manaraka ny nahaterahany (and. 24 sy 81 lalàna 61-025)

 

20 - Ao amin'ny biraon'ny faribohitra no anaovana azy.

 

21 - Samy tompon'andraikitra amin'izany ny ray na ny renin'ilay zaza, ny raibeny na ny renibeny, ny havany akaiky na izay olon-kafa nanatrika ny fahaterahana ary raha velon-jaza tany ivelan'ny trano onenany ilay reny dia ny olona monina ao amin'ny trano niterahany.

 

22 - Ankoatr'io fanambarana io, ny dokotera sy ny mpampivelona dia tsy maintsy mandefa amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana, fanamarinana momba izay fahaterahana natrehiny.

Marihina tsara eto fa izay fahaterahana natrehiny ihany no tsy maintsy anaovany fanamarinana, noho izany dia tsy azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana atao ny mandà fanambarana teraka noho ny tsy fisian'ny fanamarinana avy amin'ny dokotera na ny mpampivelona.

Hanaraha-maso na vita ara-dalàna avokoa ny fanambarana teraka na tsia no antony ampanaovana ny fanamarinana; koa raha ny tenan'ilay dokotera na mpampivelona no nanao ny fanambarana dia tsy ilaina intsony ny handefasany fanamarinana aty aoriana.

 

Fomba tsotra ho an'ny lavitra foibem-piankohonana

 

23 - Amin'ireo faritanàna na faribohitra midadasika ka manana faritra lavitra foibem-piankohonana, dia anjaran'ny ben'ny tanàna na ny ben'ny faribohitra ny manao izay hahatsara ny fandehan'ny raharaha. Azony atao ny mizara amin'ireo ray aman-dreny na chefs de village sy chefs de quartier kahie hanoratany ny anaran'ny zaza teraka, ny daty sy ny ora nahaterahany, ny anaran'ny rainy sy ny reniny, ny daty nahaterahan'izy ireo, ny raharahany ary ny fonenany.

Amin'izay, rehefa misy vehivavy mihetsi-jaza dia antsoina ny iray amin'ireo olona nomena kahie mba hanatrika sy hanoratra ao amin'ny kahieny ny momba ilay zaza sy ny ray aman-dreniny (modely n° 30).

Isaky ny herinandro na folo andro (12 andro raha ela) dia mandeha mitondra ny kahieny ao amin'ny foibem-piankohonana izy ary manao ny fanambarana fahaterahana.

Azony atao koa ny mampiasa izany fomba izany amin'ny fahafatesana (modely n° 31).

 

II - Ny amin'ny SORA-PANJANAHANA

 

24 - Ny andininy 29, 42 sy 43 amin'ny lalàna momba sora-piankohonana sy ny andininy 16 sy ny manaraka amin'ny lalàna n° 63-022 tamin'ny 20 novambra 1963 no mifehy ny fanjanahana.

 

25 - Tsy anjaran'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny manamarina na ara-dalàna na tsia ny fanjanahana atao eo anatrehany. Mandray fotsiny ny fanambarana no ataony. Nefa kosa raha tsapany fa mety hifanohitra amin'ny lalàna ny fanjanahana vita dia adidiny ny mampahafantatra izany ny Tonia mpampanoa ao amin'ny fitsarana miandraikitra ny toerana misy azy.

 

Fomba fanaovana ny fanjanahana

 

26 - Samy azo anaovana azy na eo anatrehan'ny mpiandraikitra sora-painkohonanaa na eo amin'ny notera.

 

27 - Tsy mba ilaina hanao fanjanahana ny vehivavy fa ny fahaterahana dia ampy ho porofon'ny fianahana. Nefa raha misy vehivavy mikasa hanao fanjanahana ny zanany dia tsy afaka mandà ny mpiandraikitra sora-piankohonana.

 

28 - Miova araky ny fotoana anaovana ny fanjanahana ny fanoratana ny sora-panjanahana.

Raha amin'ny fotoana anaovana ny fanambarana teraka no anaovana koa ny fanjanahana dia soratra tokana ihany no sady sora-pahaterahana no sora-panjanahana.

 

29 - Raha ny tenan'ny rain-jaza no manao ny fanambarana dia ny modely n° 4 A no arahina, raha solontenany kosa no irahiny dia ny modely n° 6 A no arahina.

 

30 - Marihina eto fa tsara ny hijeren'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny kara-panondron'ny mpanao fanambarana mba hanamarinany fa ny tenan'ilay ambara ho rain-jaza tokoa no manatrika manao ny fanambarana. Ny solotenany kosa dia tsy maintsy mitondra fanomezam-pahefana natao teo anatrehan’ny notera na ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana na (greffier) na ny lehiben’ny kantao ary milaza mazava fa hanao fanjanahana no fahefana omena. Tahirizina miaraka amin’ny boky io fanomezam-pahefana io ary soniavin’ny mpiandraikitra sora-piankohonana sy ny mitondra azy.

 

31 - Indraindray dia tsy mitondra fanomezam-pahefana ny olona tonga manao fanambarana nefa dia asainy soratana ao amin'ny boky ny anaran'ny rain-jaza.

Mety hifanaraka amin'ny andininy 4 amin'ny lalàna n° 63-022 tamin'ny 20 novambra 1963 izany ka hiteraka fahadisoana ho an'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny fandavana hanoratra ny anaran'ny rain-jaza.

Noho izany, na tsy mitondra fanomezam-pahefana azy ny mpanao fanambarana teraka nefa manome mazava ny anaran'ny rain-jaza dia tokony hosoratana ao amin'ny boky. Tsy ampiasaina kosa anefa ny modely n° 6A.

 

32 - Raha tsapan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana fa misy tsy mahamarina ny anarana nolazaina azy dia adidiny ny mampandre ny Tonia mpampanoa sy mandefa aminy ny kopian'ny soratra vita.

 

33 - Raha aty aorian'ny nanaovana sora-pahaterahana kosa vao atao ny fanjanahana dia manao sora-panjanahana araky ny modely n° 6 B ny mpiandraikitra sora-piakohonana ao amin'ny toerana onenan'ny mpanao fanjanahana.

 

34 - Sora-panjanahana iray ihany no atao na maro aza ny zaza miara anaovan'ny rainy iombonana fanjanahana.

 

35 - Andefasana filazana momba ny fanjanahana (modely 18 sy 17 b) any amin'ireo mitahiry ny boky misy ny nahaterahan'ilay zaza nozanahina. Anjaran'nizy ireo kosa ny manao ny filazana an-tsisiny voatondron'ny lalàna (modely 7).

 

36 - Voalazan'ny andininy 43 fa tsy azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana atao ny manome kopia na votoatin'ny sora-pahaterahana voalohany raha tsy nahazoan-dàlana avy amin'ny filohan'ny fitsarana ady madio, izany hoe ny fitsarana ao amin'ny foiben'ny vakim-pileovana na torim-pileovana onenan'ilay zaza na nanaovana ny sora-pahaterahana.

Inona no hevitr'izany ? Ny kopia na votoatin'ny sora-pahaterahana dia tsy maintsy asiana filazana ny fanjanahana ka raha kopia dia tsy maintsy adika ao ny filazana an-tsisiny momba ny fanjanahana, ary raha votoatiny kosa (extrait) dia avy hatrany dia soratana mivantana ny anaran'ny rain'ilay zaza ao amin'ny filazana ny anaran-dray aman-dreniny fa tsy atao filazana an-tsisiny.

Raha misy antony ilana ny tsy hisehoan'ny anaran'ny rain'ilay zaza kosa, izany hoe ilay sora-pahaterahana voalohany tsy miaraka amin'ny filazana ny fanjanahana no ilaina, dia ampiharina ny andininy 43 ka tsy maintsy angatahan-dàlana amin'ny filohan'ny fitsarana.

 

III - Ny amin'ny SORA-PAHAFATESANA

 

37 - Ao anatin'ny 12 andro koa no tsy maintsy anaovana ny fanambarana fahafatesana.

 

38 - Ao amin'ny boky anaovana ny sora-pahafatesana no iraketana ny fanambarana raha zaza vao teraka no maty ka tsy mbola nisy sora-pahaterahana vita (modely n° 5 E).

Raha tsy fantatra ny maty dia ny modely n° 5 B na 5 D no arahina.

 

 

IV - Ny amin'ny SORA-PANAMBADIANA

 

39 - Ny hitsivolana n° 62-089 tamin'ny 1 oktobra 1962 no manondro ny fitsipika arahina amin'ny fanambadiana.

Fomba roa no ahazoana mandraikitra ny fanambadiana : fandraiketana ataon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana na fandraiketana araky ny fomban-drazana. Na samihafa aza anefa ny fomba iforonan'ny fanambadiana dia mitovy kosa ny vokany na ny zo aman'adidy aterany.

Alohan'ny handinihana ireo fitsipika tsy maintsy arahina arakaraky ny fomba fandraiketana nofidina dia tsara ho marihina ireo fepetra iombonan'ny fomba roa.

 

FIZARANA VOALOHANY

Fitsipika iombonana

 

40 - Tsy maintsy hamarinin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana fa tanteraka ireto fepetra manaraka ireto vao azony atao ny manoratra ny fanambadiana ao amin'ny boky : mpiandraikitra sora-piankohonana ao anatin'ny 12 andro manaraka ny nahaterahany (and. 24 sy 81: lalàna n° 61-025).

 

1° Taonan'ny mpivady

41 - Tsy maintsy feno 17 taona ny lahy ary 14 taona ny vavy vao mahazo manambady (and. 3, hitsivolana momba ny fanambadiana).

Raha misy antony lehibe anefa dia azo atao ny mangataka, amin'ny fitsarana ady madio ao amin'ny toerana handraiketana ny fanambadiana, alàlana hanaovana ny raharaha na tsy mahafeno izany taona izany aza ny mikasa hivady.

 

2° Faneken'ny mpivady

42 - Tsy azo terena ny fanambadiana fa tsy maintsy araky ny sitrapon'ny mpivady. Eo amin'ny fotoana andraiketana ny fanambadiana no anehoana am-bava ny fanekena hivady.

 

3° Fankasitrahan'ny ray aman-dreny raha tsy ampy taona ny hivady

43 - Ny tsy feno 18 taona no atao hoe tsy ampy taona (mineur) eo amin'ny fanambadiana.

 

44 - Ny fanambadian'ny olona latsaky ny 18 taona dia tsy maintsy ankasitrahan'ny ray aman-dreniny vao azo atao.

 

Iza no tsy maintsy mankasitraka ?

 

45 - Voalazan'ny andininy 5 amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana fa ny fankasitrahan'ny iray amin'ny ray aman-dreny dia ampy, izany hoe :

*      Ny ray na ny reny niteraka raha mbola velona izy;

*      Izay olona tendren'ny lalàna na ny fomban-drazana na ny fianakaviana hisolo ny ray aman-dreny niteraka raha maty izy ireny na tsy afaka mampiseho izay heviny (tsy hita poka, tsy fantatra izay misy azy, tsy azo aleha ny misy azy noho ny antony tsy azo ihoarana, adala, ets.).

Indraindray anefa dia mety ho sarotra ny hanaporofoana fa ilay olona mankasitraka tokoa no voatendry hisolo ny ray aman-dreny. Noho izany dia tokony heken'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny fanamafisana am-bava ataon'ilay mankasitraka. Raha mampiahiahy azy mafy izany dia azony atao ny mila toro-hevitra eo amin'ny fitsarana.

 

Ahoana no fomba anehoana ny fankasitrahana ?

 

46 - Voalazan'ny and.6 amin'ny lalàna momba ny fanamabadiana fa omena am-bava eo amin'ny fotoana andraiketana ny fanambadiana ny fankasitrahana.

 

47 - Raha araky ny fomba nentim-paharazana no andraiketana ny fanambadiana, ny fanetrehan'ny ray na reny na izay olona misolo azy ireny, dia mampiseho miharihary ny fankasitrahany ny fanambadiana ka tsy ilaina intsony ny hametrahana fanontaniana aminy. Tsy maintsy marihina ao amin'ny fitanana an-tsoratra ataon'ny solontenam-panjakana izany fanatrehana izany.

 

48 - Azo atao koa anefa ny mampiseho an-tsoratra ny fankasitrahana ny fanambadiana :

- Na amin'ny soratra to ataon'ny notera;

- Na amin'ny soratra notoavina ataon'ny mpiandraiki-draharahan'ny fitsarana na ny lehiben'ny kantao;

- Na amin'ny soratra ataon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana araky ny modely n° 9. Ilay ray aman-dreny mankasitraka dia mifidy malalaka izay mpiandraikitra sora-piankohonana hampanaovina izany.

 

4° Tsy fisian'ny rohim-panambadiana hafa

49 - Voalazan'ny and. 7 amin'ny lalàna momba ny fanambadiana fa tsy azo atao ny manambady fanindroany raha tsy efa rava ny fanambadiana teo aloha.

- Raha fahafatesana no nandrava ny fanambadiana, ny fampisehoana sora-piankohonana (sora-pahaterahana, sora-pahafatesana, sora-panambadiana, bokim-pianakaviana, ets ...), misy filazana momba izany fahafatesana izany dia ampy ho porofon'ny faharavana.

- Raha didim-pitsarana no nandrava ny fanambadiana dia sora-piankohonana misy filazana momba ny didy na fanamarinana ny fandikana ny didim-pitsarana ao amin'ny bokim-piankohonana no angatahina ho porofo.

 

5° Fepetra manokana ho an'ny vehivavy manambady fanindroany

50 - Voalazan'ny and. 8 amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana fa ao anatin'ny 180 andro manaraka ny naharavan'ny fanambadiany teo aloha, dia tsy azon'ny vehivavy atao ny manambady fanindroany.

Ny 180 andro dia isaina manomboka :

- Ny ampitson'ny nahafatesan'ny vadiny ;

- Ny andro nahatonga ny didim-pitsarana mampisaraka ho tena raikitra (and. 71) ;

- Ny andro nivoahan'ny didim-pitsarana manome alàlana ny mpivady hisara-toerana (and.9).

 

51 - Tsy ampiharina ity fepetra ity raha niteraka ny vavy taorian'ny faharavan'ny fanambadiana, izany hoe azony atao ny manambady avy hatrany.

 

6° Tsy fisian'ny rohim-pihavanana voatondro

52 - Tsy azo atao mihitsy ny manambady :

1° Olona manana rohim-pihavanana mahitsy amin'ny tena (ray na reny na raibe na renibe sy ny zanaka aman-jafy naterany) ;

2° Anadahy na anabavy iray tam-po amin'ny tena (iray ray na iray reny) ;

3° Zanaky ny iray tam-po amin'ny tena.

 

53 - Ankoatr'ireo dia misy rohim-pihavanana hafa tondroin'ny fomba amam-panao. Ny fitsipika araky ny fomban-tanin'ny tsirairay avy no arahina amin'izy ireny.

Noho ny fahasamihafan'ireny fomba ireny arakaraky ny toerana aleha sy ny olona voakasiny dia mety raha avela ho ny fitsarana no mandinika ny maha ara-dalàna na tsia ny fanambadiana.

Noho izany, raha mahatsapa ny mpiandraikitra sora-piankohonana fa mifanohitra amin'ny fomban'ireo mikasa hivady ny fanambadiana, dia ampahafantariny azy izany, nefa kosa raha mbola mitana ny heviny ihany izy roa dia ataony ny fandraiketana ny fanambadiana ary hampahafantarina ny Tonia mpampanoa ny raharaha.

 

A - Taratasy ilaina alohan'ny fandraiketana na ny fanoratana ny fanambadiana

 

54 - Alohan'ny handraiketany ny fanambadiana na ny hanoratany ao amin'ny boky fanambadiana noraiketina araky ny fomba nentim-paharazana, ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia tsy maintsy tolorana ireto taratasy ireto :

 

55 - 1° Kopian'ny sora-pahaterahan'ny lahy sy ny vavy izay natao tao anatin'ny enim-bolana raha ela na sora-piankohonana ara-bavolombelona (acte de notoriété) nohamafisin'ny fitsarana araky ny and. 65 sy ny manaraka ao amin'ny lalàna momba ny sora-piankohonana.

 

56 - Nefa raha tao amin'ny tanàna na faribohitra anaovana ny fanambadiana no naterahan'ny iray amin'ny mpivady, dia tsy ilaina ny hanomezany izany kopia izany, fa anjaran'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny mijery ny boky tahiriziny.

 

57 - 2° Raha misy fifanekena fandaminam-pananan'ny mpivady (contrat de mariage) natao, dia tsy maintsy aseho ny taratasy fanamarinana avy amin'ny mpiraki-teny nandray ny fifanekena.

 

58 - 3° Raha araky ny fomba nentim-paharazana no nandraiketana ny fanambadiana dia tsy maintsy atolotry ny solon-tenam-panjakana nanatrika ny fitanana an-tsoratra (procès-verbal) nataony.

 

Raha tsy ampy taona ny iray amin'izy roa na izy roa

 

59 - 1° fanomezan-dàlana avy amin'ny filohan'ny fitsarana ao amin'ny toerana handraiketana ny fanambadiana raha latsaky ny 17 taona ny lahy ary 14 taona ny vavy.

 

60 - 2° Fankasitrahana an-tsoratra ataon'ny ray na ny reny na ny solony araky ny voalaza ery ambony, raha tsy hanatrika ny fandraiketana ny fanambadiana izy (modely n° 9).

 

Amin'ny fanambadiana fanindroany

 

61 - 1° Sora-piankohonana misy filazana manamarina ny faharavan'ny fanambadiana teo aloha ; azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana atao koa ny mijery ny boky tahiriziny;

 

62 - 2° Raha niteraka taorian'ny naharavan'ny fanambadiana teo aloha ny vehivavy izay mikasa ny hanambady alohan'ny fahataperan'ny fe-potoana 180 andro, dia tsy maintsy aseho ny kopian'ny sora-pahaterahan'ilay zaza.

 

B - Fanoherana ny fandraiketana fanambadiana

 

63 - Voalazan'ny and. 16 ao amin'ny lalàna momba ny fanambadiana fa mahazo manao fanoherana ny fandraiketana ny fanambadiana ireto olona ireto :

*      Ny ray, ny reny, ary raha efa maty izy ireo na tsy afaka mampiseho ny heviny ny olona voatendry hisolo azy ;

*      Ny vadin'olona mikasa hanambady fanindroany raha tsy mbola rava ny fanambadiana teo aloha;

*      Ny mpitsara mpampanoa.

Ireo irery ihany no mahazo manao fanoherana. Tsy manan-kery ny fanoheran'olon-kafa. Tsy azo atao ny mamerina fanoherana indroa amin'ny fanambadiana iray.

 

64 - Alohan'ny fandraiketana ny fanambadiana no tsy maintsy anaovana ny fanoherana. Izay fanoherana tratra aoriana dia tsy manan-kery, anisan'izany ny fanoherana fanambadiana noraiketina araky ny fomba netim-paharazana atao aorian'ny andro anaovana ireo fomban-drazana.

 

65 - Raha misy manao fanoherana ara-dalàna, dia tanan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana an-tsoratra izany (modely n° 26) ary ahato ny fandraiketana ny fanambadiana ambara-pivoaky ny hevi-tinapaky ny fitsarana momba ny fanoherana.

Raha tsy entina eo amin'ny fitsarana ao anatin'ny havaloana (8) nefa ny fanoherana na tsy atolotra ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao anatin'ny 15 andro ny fanamarinana izany dia naman'ny tsy misy ny fanoherana ka azo atao ny fandraiketana ny fanambadiana.

 

Fanambadian'ny vahiny

 

66 - Azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana atao ny fandraiketana ny fanambadian'ny vahiny roa. Tsy maintsy andefasany kopian'ny sora-panambadiana (2 raha tsy mitovy zom-pirenena ireo vahiny) ao amin'ny Ministeran'ny Fitsarana izay handefa azy any amin'ny solon-tenam-pirenena tompon'andraikitra.

Atao amin'ny teny frantsay izany kopia izany.

 

67 - Raha malagasy sy vahiny no mivady dia ny mpiandraikitra sora-piankohonana malagasy no hany mahefa amin'ny fanambadiana.

 

68 - Marihina tsara eto fa eo amin'ny fotoana andraiketana ny fanambadiana dia mbola tsy mahazo ny zom-pirenena malagasy ny vehivavy vahiny manao fanambarana momba izany alohan'ny hanambadiany lehilahy malagasy. Noho izany dia tsy azo atao ny manoratra sahady ao amin'ny sora-panambadiana fa mizaka ny zom-pirenena malagasy ilay vehivavy.

 

FIZARANA FAHAROA

FOMBA FANDRAIKETANA NY FANAMBADIANA

 

A - Fandraiketana ataon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana

 

69 - Atao ampahibemaso eo anatrehan'ny vavolombelona roa ny fandraiketana. Amin'izany dia :

1° Vakian'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny sora-panambadiana novolavolainy hatao ;

2° Anontaniana ny ray aman-drenin'izay tsy feno 18 taona amin'izy roa raha toa ka ankasitrahany ny fanambadiana, na vakiana ny fankasitrhana natao an-tsoratra ;

3° Anontaniany tsirairay izy roa raha manaiky ny hifampakatra ho vady ;

4° Anontaniany izy roa raha misy fifanekena fandaminam-pananan'ny mpivady natao ;

5° Ambarany amin’ny alalan’ny lalàna fa mpivady izy roa ;

6° Na tsy voalazan'ny lalàna aza, dia ilaina tokoa ny hanaovana anatra tsotsotra ho an'ny mpivady mikasika ny zo aman'adidy ateraky ny fanambadiana, indrindra fa momba ny tsy tokony hisian'ny fanavakavahana amin'ny havan'ny lahy sy ny an'ny vavy (modely n° 32).

7° Aorian'izany, dia tsy maintsy omena bokim-pianakaviana sy taratasy misy ireo andininy 52 ka hatramin'ny 65 ao amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana ny mpivady. Ny faritanàna sy ny faribohitra no miantoka ny lany amin'ny fanomanana izany taratasy izany (modely n° 27).

 

B - Fandraiketana atao araky ny fomba nentim-paharazana

 

70 - Ity fomba fandraiketana fanambadiana ity dia tsy azo ampiasaina afa-tsy ao anatin'ny faribohitra.

Noho izany, raha misy ben'ny tanàna na mpiandraikitra sora-piankohonana hafa mahafantatra olona mikasa hanao fandraiketana fanambadiana araky ny fomba nentim-paharazana ao anatin'ny faritanàna iray (commune urbaine), dia adidiny ny mampahalala izay mikasa hanao izany fa tsy ho ara-dalàna ny fanambadiana.

 

71 - Atao ampahibemaso ny fanatanterahana ireo fomban-drazana fandraiketana fanambadiana. Amin'izany dia :

1° Atolotra na alefa amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ireo taratasy ilaina hojereny alohan'ny hanoratany ny fanambadiana.

2° Ampandrenesina mialoha ny solontenam-panjakana iray amin'ireo tondroin'ny didim-panjakana n° 63-022 tamin'ny 16 janvie 1963 (chef de village, chef de quartier, olona amin'ny lisitra momba izany nataon'ny lehiben'ny vakim-pileovana).

Anjaran'ny ben'ny faribohitra ny mapahafantatra ny be sy ny maro izany listra izany.

3° Rehefa vita ireo fomba fandraiketana fanambadiana dia tanan'ny solontenam-panjakana an-tsoratra izany (modely n° 28) ary omeny iray izy mivady.

4° Ao anatin'ny 12 andro manaraka ny nahavitan'ny fomban-drazana, dia tsy maintsy entin'ilay solontenam-panjakana any amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny fitanana an-tsoratra vita sy izay sora-piankohonana mety ho natolotry ny mpivady azy.

Raha tsy mahefa ny adidiny ilay solontenam-panjakana dia azon'ny mpivady vao atao ny manolotra ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny fitanana an-tsoratra nomena azy.

5° Ataon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana araky ny fitanana an-tsoratra nomena azy ny sora-panambadiana (modely n° 29). Izy irery no manao sonia azy. Andefasany bokim-pianakaviana ireo mpivady.

Tsara raha ampitondraina ilay solontenam-panjakana izany. Atao maimaim-poana avokoa ireny rehetra ireny.

 

V - Ny amin'ny sora-pananganana

 

72 - Ny lalàna n° 63-022 tamin'ny 20 novambra 1963 dia manondro karazam-pananganana roa.

 

73 - Ny iray izay atao eo anatrehan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia efa nahazatra ny isam-batan'olona. Miteraka fatoram-pihavanana eo amin'ny mpanangana sy ny atsangana izy nefa kosa dia tsy manohintohina ny fifandraisan'ny atsangana amin'ny fianakaviana niteraka azy.

 

74 - Ny faharoa kosa dia entina eo amin'ny fitsarana. Mafimafy kokoa ny vokany satria manjary toy ny nateraky ny mpanangana ny atsangana ary tapaka tarangana ny rohim-pihavanana nisy teo amin'ny atsangana sy ny fianakaviana niteraka azy (and. 59 amin'ny lalàna n° 63-022).

Raha misy tonga hanao fananganana eo antrehan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia tsara ny hampahafantarana azy izany.

 

75 - Raha tsy feno 21 taona ny atsangana eo anatrehan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia tsy maintsy ankasitrahan'ny rainy na ny reniny ny fananganana. Raha efa maty izy ireo na tsy afaka mampiseho ny heviny, dia izay tendrena ho solony no tsy maintsy mankasitraka.

Eo anatrehan'ny atsangana raha feno 10 taona izy, sy ny vavolombelona roa, ary raha ilaina, ny ray na ny renin'ny atsangana, no anaovana ny fanambarana fananganana (modely n° 12).

 

VI - Ny amin'ny sora-panarian-janaka

 

76 - Voalazan'ny andininy 79 sy ny manaraka ao amin'ny lalàna n° 63-022 tamin'ny 20 novambra 1963 fa ny olona feno 21 taona ihany no azo ariana. Tsy maintsy ahazoana alalana avy amin'ny filohan'ny fitsarana ny fanarian-janaka.

Noho izany dia tsy azo raisina ny fanambarana fanariana raha tsy atolotra ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny didy fanomezan-dàlana nataon'ny filohan'ny fitsarana.

 

VII - Ny amin'ny fiovana anarana

 

77 - Araky ny voalazan'ny andininy 1 ka hatramin'ny 6 ao amin'ny hitsivolana n° 62-003 tamin'ny 24 jolay 1962 momba ny anarana dia indray mandeha monja no azo atao ny fiovana anarana aorian'ny fahatrarana ny 21 taona.

Eo anatrehan'ny vavolombelona dimy no anaovana azy. Tsy maintsy atolotra ny mpiandraikitra sora-piankohoanana ny kopia na ny votoatin'ny sora-pahaterahana na ny didim-pitsarana misolo azy.

Anaovana filazana eo an-tsisin'ny sora-pahaterahana ny fanovana anarana.

 

TOKO III

NY AMIN'NY FILAZANA AN-TSISINY

 

78 - Zava-dehibe tokoa ny filazana an-tsisiny (mention marginale) satria izy no ahazoana mahafantatra amin'ny fomba tsotra nefa haingana ny ankapoben'ny fiankohonan'ny olona tsirairay. Noho izany dia tsy tokony hatao tsirambina mihitsy fa raha vao maharay filazana momba izany ny mpiandraikitra sora-piankohonana dia tsy maintsy ataony hainganaa ny fanoratana an-tsisiny.

Hampanao fanaraha-maso henjana momba izany ny ministeran'ny fitsarana mba hahafantarana izay tsy mahefa ny adidiny ka hampiharana ny lalàna.

 

79 - Tsy maintsy andefasana filazana momba ny fanambadiana, fananganana, fanariana, fahafatesana, fanovana anarana ny mpiandraikitra sora-piankohonana nanao ny sora-pahaterahana mba hanaovana ny filazana an-tsisiny ilainy (and. 44 lalàna momba ny sora-piankohonana) (modely n° 18).

Atao roa mitovy ny filazana alefa ka anjaran'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny mandefa ny iray any amin'ny mpiandraiki-draharaha ny fitsarana mitahiry ny boky faharoa.

 

80 - Tsy maintsy andefasana filazana momba ny didim-pitsarana mandrava fanambadiana ny mpiandraikitra sora-piankohonana nanao ny sora-pahaterahana sy ny nanao ny fandraiketana ny fanambadiana.

 

81 - Ny filazana an-tsisiny soratana dia ampifanarahina amin'ny iray amin'ireo modely n° 17a ka hatramin'ny 17 j.

Ilaina hatao madinika ny soratra mba hahazoana manampy filazana an-tsisiny hafa any aoriana.

 

82 - Mila fitandremana ny fanaovana filazana an-tsisiny satria mety ho eo an-tsisin'ny soratra mikasika olon-kafa no voaisy azy. Tokony hohamarinin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana tsara ny fifanarahan'ny anarana ao amin'ny boky sy ny filazana voarainy.

 

TOKO IV

NY AMIN'NY FANDIKANA AO AMIN'NY BOKY

 

83 - Misy sora-piankohonana sy didim-pitsarana sasany izay tsy maintsy adikan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny boky tanany.

Ny lehibe indrindra amin'izy ireny dia ny didim-pitsarana mandrava fanambadiana.

 

84 - Voalazan'ny andininy 7 sy 70 ao amin'ny lalàna momba ny fanambadiana fa tsy maintsy voadika ao amin'ny bokin'ny mpiandraikitra -sora-piankohonana nanao ny fandraiketana ny fanambadiana ao anatin'ny iray volana manaraka ny mahatonga azy ho tena raikitra ny didim-pitsarana mandrava fanambadiana.

 

TOKO V

NY AMIN'NY FANAVAOZANA BOKY SY
NY FANITSIANA SORA-PIANKOHONANA

 

85 - Raha samy mbola manatrika ny olona nandray anjara tamin'ny fanaovana sora-piankohonana no hita fa misy diso dia azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ahitsy ny diso ary asainy asiana sonia fohy ny fanitsiana natao.

 

86 - Raha efa vita tanteraka kosa ny soratra ka tsy misy fanamarinana fanitsiana azo atao, dia tsy maintsy misy didim-pitsarana vao azo atao ny fanitsiana.

Toy izany koa amin'ny fanavaozana boky raha misy very na nahatohinana. Didim-pitsarana no mampanao ny fanavaozana.

 

TOKO VI

NY AMINNY POROFON'NY FIANKOHONANA

 

87 - Ny soratra ao amin'ny boky no porofon'ny fiankohonana. Tsy azo atao anefa ny manome ny rejistra hampiasain'ny olona tsirairay avy. Noho izany dia kopia na votoatin'ny voasoratra ao amin'ny boky no omena mba hanaporofoan'ny tsirairay ny fiankohonany.

 

88 - Ny kopia dia azo avy amin'ny fandikana tanteraka izay rehetra mikasika ny soratra iray; atao amin'ny teny malagasy izy raha tsy voatondro ny teny tiana ampiasaina.

 

89 - Ny votoaty dia azo amin'ny fakana ao amin'ny boky zavatra sasantsasany mikasika ny soratra iray.

 

A - Iza no azo omena ireny porofo ireny ?

 

90 - Voalazan'ny andininy 57 ao amin'ny lalàna momba ny sora-piankohonana fa olona vitsivitsy ihany no azo omena kopia manontolon'ny sora-piankohonana, dia ireto avy : ny olona voakasik'ilay soratra, ny ray aman-dreniny, ny raibe sy renibeny, ny zanaka aman-jafiny, ny vadiny, ny mpiahy azy na ny solontenany tondroin'ny lalàna raha tsy ampy taona izy, ny sampan-draharaham-panjakana.

 

91 - Voalazan'ny andininy 59 ao amin'io ihany fa azo omena votoatin'ny sora-piankohonana avokoa izay mangataka rehetra nefa tsy maintsy soratana eo amin'ny votoaty omena azy ny anarany.

 

B - Iza no manome ireny porofo ireny ?

 

92 - Tsy maintsy soniavin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny kopian'ny sora-piankohonana raha tiana hanan-kery (and. 56).

 

93 - Satria kosa tsy voalazan'ny lalàna izay fahefana tokony hanome ny votoatiny dia tsara raha tanana ny fomba nampiasaina hatramin'izay :

1° Ny mpiandraikitra sora-piankohonana na ny solony ;

2° Ny mpiraki-draharaham-pitsarana mitahiry ny boky faharoa. Nefa kosa dia marihina tsara fa rehefa misy antony lehibe vao ekena izany ary amin'ireto ihany :

- Votoatin'ny sora-panambadiana raha lavitra ny foibem-piankohonana misy ny boky voalohany ;

- Votoatin'ny sora-pahaterahana ilaina ho amin'ny fianarana na halefa amin'ny sampan-draharaha fitsinjovana (caisse contrôlée par l'Etat).

Ankoatr'ireo dia tsy maintsy ahazoan-dàlana amin'ny filohan'ny fitsarana ny fanomezana votoatiny ataon'ny mpiandraiki-draharaham-pitsarana.

 

D - Ny amin'ny bokim-pianakaviana

 

94 - Tsy maintsy omena bokim-pianakaviana ny mpivady aorian'ny fandraiketana na ny fanoratana ao amin'ny bokim-piankohonana ny fanambadiany.

Raha misara-panambadiana ny mpivady dia azon'ny vavy atao ny mangataka bokim-pianakaviana faharoa (and. 62).

Azo atao koa ny mangataka boky solony (duplicata) raha very ny teo aloha.

 

95 - Ireo mpivady mbola tsy manana bokim-pianakaviana, na oviana na oviana fotoana nandraiketana na nanoratana ny fanambadiana, dia mahazo mangataka bokim-pianakaviana. Tsy azo omena anefa izany boky izany raha tsy asehony ny kopian'ny sora-panambadiany nomena tao anatin'ny telo volana, miaraka amin'ny kopian'ny sora-pahaterahan'ny zaza naterak'izy mivady. Samy mahazo manome bokim-pianakaviana na ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana onenan'ny mpivady na ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana nanaovana ny sora-panambadiana.

Raha ny ao amin'ny toerana onenan'ny mpivady no manome bokim-pianakaviana dia tsy maintsy ampahafantariny izany ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana nanaovana ny sora-panambadiana, ary dia ampihariny amin'ny bokim-piankohonana ny lisitry ny mpivady nahazo bokim-pianakaviana.

Raha ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana nanaovana ny sora-panambadiana no nanome ny bokim-pianakaviana dia tsy ilaina haseho ny sora-panambadiana fa anjaran'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny mijery ny boky tahiriziny.

 

E - Ny amin'ny fanamarinana fiankohonana hafa

 

96 - Raha aseho azy ny bokim-pianakaviana na ny kopian'ny sora-pahaterahana dia azon'ny mpiandraikitra sora-piankohonana atao ny manome filazana fiankohonana (fiche d'état civil) araka ny modely n° 24.

 

97 - Ireo fanamarinana fiankohonana, toy ny fanamarinana fahaterahana (bulletin de naissance), fanamarinana fanambadiana, ets... dia azo omena ihany araky ny fomba mahazatra na dia tsy misy lalàna na didy manome fahefana ny mpiandraikitra sora-piankohonana hanao izany aza. Nefa kosa dia marihina eto fa tsy manana ny herin'ny sora-piankohonana hafa izy ireny ary tsy tokony hosoniavin'ny olona manome azy fa tombohina kase fotsiny.

Noho izany dia hafatrafarana ny mpiandraikitra sora-piankohonana rehetra fa ny sora-piankohonana omena voalohany indrindra eo ampandraisana ny fanambarana dia tsy azo atao fanamarinana tsotra (bulletin) fa tsy maintsy kopia manontolo.

 

TOKO VII

FEPETRA TETEZAMITA

 

98 - Mandritra ny fotoana voafetra dia azo atao ny manao fanambarana tratra aoriana momba ireo olona teraka talohan'ny 9 oktobra 1961, nefa mbola tsy manana sora-pahaterahana.

Eo amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao amin'ny toerana nahaterahana na ao amin'ny toerana onenana no anaovana ny fanambrana tratra aoriana.

 

99 - Amin'ny andavan'andro dia sazina izay tsy nahefa ny fanambarana teraka tokony ho natao tao anatin'ny fe-potoana 12 andro. Ireo olona mampiasa ny fepetra teteza-mita nefa, dia tsy mba ampiharana izany.

 

Fomba fanaovana ny sora-pahaterahana

 

100 - Raha mbola azo atao koa, dia eo anatrehan'ny ray sy ny reny niteraka na ny iray amin'izy ireo no anaovana ny sora-pahaterahana. Raha tsy eny intsony izy ireny fa efa maty, dia ny raibe na ny renibe na ny mpiray tam-po amin'ny anaovana sora-pahaterahana no manatrika na antsoina hanatrika.

 

101 - Raha tsy misy manatrika ireo olona voalaza eo ambony ireo, dia tsy maintsy hamarinina an-tsoratra na ara-bavolombelona fa efa nantsoina hanatrika izy ireo fa tsy tonga.

 

102 - Eo anatrehan'ny vavolombelona dimy no anaovana ny sora-pahaterahana. Ny hany fepetra tsy maintsy tandremana dia ny tsy maintsy mahafeno 21 taona azy ireny.

Marihina eto fa tsy ilaina ho be taona noho ny hanaovana sora-pahaterahana izy ireny, satria tsy anjarany ny manamarina ny fahaterahana.

Ny vavolombelona dia manamarina fotsiny fa ny tenan'ny olona voalaza fa manao fanambarana tokoa no manatrika ary mifanaraka tsara amin'ny fanambarana ny soratr atao.

 

103 - Ao amin',y bokim-piankohonan'ny taona diavina no anoratana ny fahaterahana. Nefa koa dia asiana filazana ao an-tsisin'ny bokin'ny taona nahaterahana.

Azo soloina kopian'ny sora-pahaterahana apetaka amin'ireo takelaka farany ao amin'ny boky anefa izany filazana an-tsisiny izany. Atao misesy araky ny datiny ireny kopia ireny ka tokony nandrasana aloha ny fifaranan'ny fe-potoana azo ampiasaina ny fepetra teteza-mita vao apetaka tena raikitra izy ireny.

 

104 - Tsy maintsy tondroina tsara izay daty marina nahaterahana fa tsy ny taona fotsiny. Anjaran'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ny mikaroka izay tena daty amin'ny fametrahana fanontaniana amin'ny mpanao fanambarana.

 

105 - Ilaina hampatsiahivina lalandava ireo olona manao fanambaranaa sy ny vavolombelona, ny sazy henjana voalazan'ny andininy 147 ao amin'ny fehezandalàna momba ny ady heloka, ampiharina amin'ny mpanao fanambarana diso sy ny vavolombelona mandainga (modely n° 33).

 

TOKO VIII

NY AMIN'NY SORA-PIANKOHONANA MIKASIKA VAHINY

 

106 - Ny atao hoe vahiny eto dia izay tsy teratany malagasy, izany hoe izay tsy mizaka ny zom-pirenena malagasy.

 

107 - Amin'ny fanambarana mikasika vahiny (sora-pahaterahana. sora-pahafatesana, sora-panjanahana ets...) dia tsy maintsy andefasana kopian'ny soratra vita ao amin'ny ministeran'ny fitsarana. Atao amin'ny teny frantsay izany kopia izany satria halefa amin'ny solontenam-pirenen'ny tompon'ilay soratra.

 

108 - Andefasana kopia toy izany koa ny sora-piankohonana mikasika teratany malagasy, teraka na nanambady tany ivelan’i Madagasikara.

 

 

* * *

 

TOVANA

 

MODELY N°1

1 - Fonon'ny bokim-piankohonana :

 

REPOBLIKA MALAGASY

Fahafahana -Tanindrazana - Fandrosoana

 

Faritany :

Vakim-pileovana :

Faribohitra :

Bokim-............................................

Taona..............................................

Foibem-piankohonana ao...............

Ity boky ity izay misy takelaka...........................dia nasianay laharan'isa sy nosoniavinay..........................

 

2 - Isan-takelaka ao amin'ny boky (tsy asiana soratra ao ambadika)

N° 6

22 marsa 1962

Fahaterahana

Rakoto Andrian-ivo

Androany....................................

(Soratana eto ny fanambarana)

 

N° 7

23 marsa 1962

Fanjanahana

Rabe

Androany.........................

(Fanambarana)

 

 

MODELY N°2

FAMARANANA NY BOKY

 

A - Raha boky iray

no anoratana ny fanambarana rehetra

 

Ity boky ity izay misy sora-pahaterahana......................., sora-pahafatesana..............., sora-panambadiana..................., sora-pananganana...................., sora-panariana....................., sora-panovana anarana................., fandikana fisaraham-panamba-diana...........................,

dia natsahatra sy nofarananay............mpiandraikitra sora-piankohonana ao........................tamin'ny

iraika amby telopolo desambra, taona...................................

 

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana:

Sonia.

 

B - Raha boky samy hafa
no anoratana ny karazam-panambarana

 

Ity boky ity izay misy sora-pahaterahana........., sy sora-panjanahana.........,

dia natsahatra sy nofarananay.............mpiandraikitra sora-piankohonana ao................................

tamin'ny iraika amby telopolo desambra, taona.................

na,

Ity boky ity, izay misy sora-panambadiana.............., sy fandikana fisaraham-panambadiana.........., dia natsahatra sy nofarananay.............mpiandraikitra sora-piankohonana ao ......................tamin'ny iraika amby telopolo desambra, taona.........................................

na,

Ity boky ity, izay misy sora-pananganana ................... sy sora-panariana ..............................

dia natsahatra sy nofarananay........................................ mpiandraikitra sora-piankohonana ao ............................. tamin'ny iraika amby telopolo desambra, taona.....................................................................

(Tsy azo atao tena marika ny isan'ireo soratra na ny daty).

 

 

MODELY N° 3

LISITRA ARAK'ABIDIA ISAN-TAONA

 

ANARANA

DATY

KARAZAN'NY SORATRA

LAHARAN'ILAY SORATRA

Andrianaivo .......

Bekoto Jean.........

Ilemaro ................

Koto. ....................

Raketaka..............

Zafy......................

11 marsa 1962

3 fevrie 1962

15 jiona 1962

20 mey 1962

15 jiona 1962

3 jolay 1962

Fahaterahana

Fahafatesana

Fanambadiana

Fahaterahana

Fanambadiana

Fahaterahana

16

18

41

35

41

50-faharoa

 

Lisitra arak'abidia natao androany.......janvie, taona.................................

Ny mpiandraikitra ny sora-piankohonana.

 

 

 

MODELY N° 4

SORA-PAHATERAHANA

(And. 25 sy ny manaraka amin'ny lalàna 61-025)

 

A - Zaza teraka tamin'ny fanambadiana voasoratra

na zaza nozanahin'ny rainy

 

 

Tamin'ny efatra ambin'ny folo desambra, taona enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny dimy ora hariva, no teraka tao Ambohitsoa, faribohitr'Ambatolampy, Ranaivo, zazalahy, zana-dRabe, mpamboly, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny dimy amby roapolo jolay, taona enina amby telopolo sy sivin-jato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Rasoa, teraka tao Alasora, tamin'ny roapolo avrily taona valo amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa. Nosoratna androany enina ambin'ny folo desambra taona enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, araky ny fanambarana nataon-dRabe, rain-jaza izay miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

Sonia :

RASAONA, RABE

 

B - Zaza teraka tamin'ny fanambadiana tsy voasoratra

sady tsy nozanahin'ny rainy

 

Tamin'ny efatra ambin'ny folo desambra, taona enim-polo sy sivin-jato sy arivo, tamin'ny dimy ora hariva, no teraka tao Ambohitsoa, faribohitr'Ambatolampy, Ranaivo, zazalahy, zana-dRasoa, teraka tao Alasora, tamin'ny roapolo avrily, taona valo amby telopolo sy sivin-jato sy arivo, monina ao Ambohitsoa. Nosoratana androany enina ambin'ny folo desambra, taona enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, araky ny fanambarana nataon-dRakoto, mpamboly, teraka tao Antsirabe, tamin'ny valo ambin'ny folo aogositra, taona telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, izay miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

Sonia :

RASAONA. RAKOTO

D - Raha zaza kambana no soratana, dia samy anaovana sora-pahaterahana manokana izy ireo, ka tondroina mazava tsara ny ora nahaterahany avy

 

E - Zaza hita

 

Tamin'ny efatra ambin'ny folo desambra, taona enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, Rajao, mpivarotra, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny dimy amby roapolo jiona taona telopolo sy sivinjato sy arivo, dia tonga teto anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, ka nampiseho anay zazalahy izay tokony ho dimy andro niainana, ary nolazainy fa hitany androany tamin'ny enina ora maraina tao Ambohitsoa. Ilay zaza dia vaventy, tsobolo, maintimainty, manao akanjo zandiana menamena sy mitafy lamba soga. Nataonay hoe Rakoto Andrianaivo ny anaran'ilay zaza ary natolotray ny dokoteram-panjakana eto Ambohitsoa izy. Nosoratana teo anatrehan'ny mpanao fanambarana izay miara-manao sonia aminay rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

Sonia :

RASAONA, RAJAO

 

 

SORA-PAHATERAHANA

 

Tokony ho tamin'ny sivy desambra, taona enim-polo sy sivinjato sy arivo no teraka tao Ambohitsoa Rakoto Andrianaivo, zazalahy. Nosoratana androany efatra ambin'ny folo desambra taona enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, araky ny fanambarana nataon-dRajao, mpivarotra, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny dimy amby roapolo jiona, taona telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa izay miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

Sonia :

RASAONA, RAJAO

 

MODELY N° 5

SORA-PAHAFATESANA

(And. 30 sy ny M. ao amin'ny lalàna 61-025)

 

A - Tamin'ny efatra ambin'ny folo desambra, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo tamin'ny sivy ora hariva, no maty tao Ambohitsoa, faribohitr'Ambatolampy, Raketaka, teraka tao Alasora, faribohitr'Andilamena, tamin'ny sivy amby roapolo fevrie, taona roa amby sivinjato sy arivo, mpivarotra, nonina tao Alasora, zana-dRabe, efa maty sy Reniketaka, teraka tao Alasora tamin'ny taona telo amby valopolo sy valonjato sy arivo, monina ao Alasora, maty vady. Nosoratana androany roapolo desambra, taona roa amby enim-polo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny folo ora maraina araky ny fanambarana nataon-dRajao zanany, (na izay nanatrika ny nahafatesany) mpamboly, teraka tao Ambohitsoa tamin'ny enina amby roapolo marsa, taona roa amby roapolo sy sivinjato sy arivo (na efapolo taona), monina ao Alasora, ka miara-manao sonia aminay Rasaona mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

B - Raha tsy fantatra ilay maty

Tamin'ny dimy amby folo mey, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo tamin'ny telo ora hariva no maty tao Ambohitsoa, faribohitr'Ambatolampy, ny lehilahy iray izay tsy fantatra anarana. Toy izao no toe-batany : tokony ho telopolo taona, olioly volo, zarazara hoditra ary eo aminn'y iray metatra sy dimy amby enimpolo ny halavany. Nosoratana androany roapolo mey, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny valo ora maraina araky ny fanambarana nataon-dRajao, mpivarotra, teraka tao Ambohitsoa tamin'ny efatra amby roapolo avrily, taona roa amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa izay nanatrika ny nahafatesany ka miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

D - Raha tsy fantatra ny andro nahafatesana

Tamin'ny efatra ambin'ny folo septambra, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy ariv, tamin'ny valo ora hariva, tao Ambohitsoa, faribohitr'Ambatolampy, no nahafantarana fa maty Rakoto, teraka tamin'ny roapolo janvie, taona telopolo sy sivinjato sy arivo, tao Ambohitsoa, zana-dRalay, mpamboly, teraka tao Antsahadinta, tamin'ny roa amby roapolo jolay, taona valo sy sivinjato sy arivo sy Ramavo, teraka tao Anosizato, tamin'ny roa ambin'ny folo novambra, taona roa ambin'ny folo sy sivinjato sy arivo, samy monina ao Ambohitsoa, ka tokony ho telo andro izay no nahafatesany. Nosoratana androany tamin'ny dimy ambin'ny folo septambra, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny valo ora maraina araka ny fanambarana nation-dRabozy, mpivarotra, teraka tao Betafo, tamin’ny enina amby roapolo aogositra, taona roa amby telopolo sy sivinjato sy arivo, izay miara-manao sonia aminayRasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

E - Raha zaza vao teraka no maty

Tamin’ny telo oktobra, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny telo ora hariva, tao Ambohitsoa, dia niteraka nefa maty ankehitriny ilay zaza, Raketaka, mpanjaitra, teraka tao Alasora, tamin’ny telo amby roapolo fevrie, taona iraika amby efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa (raha ilaina dia ampiana an’izao : vadin-dRalay, mpamboly, teraka tao Besalampy tamin’ny roa ambin’ny folo mey, taona enina amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa). Nosoratana androany fito oktobra, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny sivy ora maraina, araka ny fanambarana nataon-dRabe, mpivarotra, teraka tao Anosizato, tamin’ny folo marsa, taona dimy amby roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, izay miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

 

MODELY N° 6

SORA-PANJANAHANA

(And. 29 sy 42 ary 43 ao amin’ny lalàna vaovao)

 

A - Fanjanahana eo am-panaovana ny fanambarana ny fahaterahana

 

a.      Rah any rain-jaza no manao ny fanjanahana, jereo modely n° 14 A ;

b.     Raha solontenan’ny rain-jaza no manao ny fanjanahana dia ampiana izao manaraka izao ny modely n° 14 A :

. . . . . . ity soratra ity ary natolony anay ny fanomezam-pahefana to.

 

B - Fanjanahana zaza manana sora-pahaterahana

 

Androany folo janvie, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny telo ora hariva, dia tonga teo anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, Rakoto, mpivarotra, teraka tao Alasora, tamin’ny telo janvie, taona efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, ka nampanoratra any ny fanjanahany an-dRanaivo, zazalahy, teraka tao Ambohitsoa, tamin’ny telo desambra taona iraika amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, zanak’I Rasoa. Miara-manao sonia aminay ny mpanao fanambarana rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

D - Raha solontenan’ny rain-jaza no manao fanjanahana

 

Androany folo janvie, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny telo ora hariva, dia tonga teo anatrehanay, Rasaona, mpiandraikitra ny sora-piankohonana ao Ambohitsoa, Ralay, mpivarotra, teraka tao Ambohitsoa, tamin’ny roapolo oktobra, taona roapolo sy sivinjato sy arivo, monona ao Ambohitsoa, ka nampanoratra anay ny fanjanahan-dRakoto, mpivarotra, teraka tao Alasora, tamin’ny telopolo janvie taona efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, an-dRanaivo, zazalahy, teraka tao Ambohitsoa, tamin’ny telo desambra, taona enimpolo sy sivinjato sy arivo, zanak’I Rasoa. Miara-manao sonia aminay ny mpanao fanambarana rehefa novakiana taminy ity soratra ity ary natolony anay ny fanomezam-pahefana to hanao ny fanjanahana amin’ny anaran’ny rain-jaza.

 

 

MODELY N° 7

SORA-PAHATERAHANA

 

Nozanahin-dRakoto tamin’ny 9 oktobra 1962, araka ny sora-panjanahana n° 19 natao tao Alasora.

 

 

MODELY N° 8

SORA-PANAMBADIANA

(And. 35 amin’ny lalàna vaovao)

 

Androany fito amby roapolo janvie, taona iraika amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny roa ora hariva, dia tonga teto anatrehanay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa : 1° Rakoto, mpivarotra, mizaka ny zom-pirenena Malagasy, teraka tao Ambohitsoa, tamin’ny dimy amby folo septambra, taona sivy amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Antsirabe, zanak’I Rainikoto, mpamboly, teraka tao Alasora, tamin’ny roa ambin’ny folo jiona, taona dimy ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, sy Rasoa, mpanjaitra, teraka tao Ankadivoribe, tamin’ny roa mey, taona iraika amby enimpolo sy sivinjato sy arivo ; 2° Ravao, mizaka ny zom-pirenena Malagasy, teraka tao Betafo, tamin’ny roapolo avrily, taona telo amby efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao toamasina, zanak’I Rabe, mpivarotra, teraka tao Ilafy, tamin’ny taona fito ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, sy Razafy, teraka tao Ambatondrazaka, tamin’ny sivy aogositra, taona telo amby roapolo sy sivinjato sy arivo. Samy milaza izy ireo fa mifanaiky ny hifampakatra ka dia nambaranay tamin’ny anaran’ny lalàna fa mpivady izy hatramin’izao (raha ilaina dia ampiana izao : rehefa nohamarinina na nanambara fa manaiky ny hanaovana ny fampakarana, Rabe, voalaza eo ambony). Ny fanoratana dia natao teo anatrehan-dRalay, mpiompy, teraka tao Ambohimalaza, tamin’ny efatra jolay, taona enina ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Rajao, mpamboly, teraka tao Tanjombato, tamin’ny roa marsa, taona fito ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ankadivoribe, ka rehefa novakiana taminy dia naira-manao sonia aminay izy mivady sy ny vavolombelona.

 

 

MODELY N° 9

FANEKENA FANAMBADIANA ATAON’NY RAY AMAN-DRENY

 

Androany telo fevrie, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny efatra ora hariva, dia tonga teto anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, Rabe, mpivarotra, teraka tao Ilafy tamin’ny fito ambin’ny folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Antsirabe ka nanambara fa manaiky ny handraiketana ny fanambadian-dRavao zananay, teraka tao Betafo tamin’ny roapolo avrily, taona telo amby efapolo sy sivinjato sy arivo amin-dRakoto, zanak’I Ranaivo sy Raketaka, monina ao Antsirabe.

Rehefa novakiana taminy ity soratra ity dia miara-manao sonia aminay ny mpanambara.

 

 

MODELY N° 10

FANAMBARANA ATAO HAHAZOANA MIZAKA

NY ZOM-PIRENENA MALAGASY

(And. 22 ao amin’ny Fehezandalàna momba ny zom-pirenena)

 

Androany telo marsa, taona roa amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin’ny valo ora maraina, dia tonga teto anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa :

Durand Françoise,

monina ao Ambohibary, teraka tao Antananarivo, tamin’ny telo ambin’ny folo jiona, taona valo amby telopolo sy sivinjato sy arivo,

zanak’I Durand Pierre sy Dupont Françoise Eugénie,

mizaka ny zom-pirenena frantsay,

ka nanambara taminay fa noho izy hampakarin-dRakoto, mpampianatra, teraka tao Mojanga tamin’ny roapolo septambra, taona dimy amby telopolo sy sivinjato sy arivo, izay mizaka ny zom-pirenena malagasy,

dia mangataka ny hizaka ny zom-pirenena malagasy araka ny voalazan’ny andininy 22 ao amin’ny Fehezandalàna momba ny zom-pirenena malagasy.

Nilazanay i Durand Françoise fa :

1° Ny fanambaràny dia halefanay any amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mba ho soratana ao amin’ny boky araka ny volazan’ny andininy 23 sy 58 ao amin’ny Fehezandalàna momba ny zom-pirenena malagasy ;

2° Raha tsy voasoratra ao amin’ny boky ny fanambaràny dia tsy hanan-kery.

Rehefa novakiana taminy, ny mpanao fanambarana dia miara-manao sonia aminay ny soratra telo amin'ity fanambaràna ity ary dia nomenay azy ny anankiray (1).

(1) Ity fanambarana ity dia tsy hadika ao amin'ny boki-piankohonana.

 

SORA-PANARIANA

MODELY N° 11

(And. 35 : lalàna 61-025 sy and. 76 sy M. lalàna 63-022)

A - Raha manatrika ny ariana

Androany efatra ambin'ny folo marsa, taona dimy amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, no nanarian-dRakoto, mpivarotra, monina ao Ambohitsoa, teraka tao Ambatolampy, tamin'ny dimy aogositra, taona dimy amby roapolo sy sivinjato sy arivo, zana-dRajaona, efa maty, teraka tao Ambatolampy, tamin'ny folo jiona, taona telo amby sivin-jato sy arivo, sy Razay, efa maty , teraka tao Ambohinaorina, tamin'ny enina avrily, taona fito amby sivin-jato sy arivo, an-dRasolo, monina ao Ambohitsoa, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny iraika ambin'ny folo jolay, taona telo amby efapolo sy sivinjato sy arivo, zanany sy Rasoa, teraka tao Ambohibary, tamin'ny roapolo avrily, taona telopolo sy sivinjato sy arivo. Nosoratna araky ny fanambaran'ny mpanao fanariana sy teo anatrehan'ny ariana ary Rabe, mpivarotra, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny valo ambin'ny folo marsa, taona dimy ambin'ny folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Ratrema, mpanjaitra, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny efatra septambra, taona roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, izay samy miara-manao sonia aminay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity ary natolony anay ny kopian'ny didim-pitsarana manome alàlana azy hanao ny fanariana.

B - Raha tsy manatrika ny ariana

Androany..............nosoratana araky ny fanambarana nataon'ny mpanao fanariana izay manamarina fa efa nantsoina tsy maintsy hanatrika izao ny nariana, sy teo anatrehan-dR..................................

 

MODELY N° 12

SORA-PANANGANANA

(And. 36 lalàna 61-025 sy and. 67 sy M. lalàna 63-022)

 

A - Raha feno 21 taona ny atsangana

Androany efatra amby roapolo janvie, taona efatra amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny iraika ambin'ny folo ora maraina, no nananganan-dRabe, mpanefy, monina ao Ambohitsoa, teraka tao Betafo, tamin'ny fito amby roapolo septambra, taona dimy amby roapolo sy sivinjato sy arivo, zana-dRamboa, mpamboly, teraka tao Betafo, tamin'ny dimy ambin'ny folo novambra, taona telo sy sivinjato sy arivo, sy Raketaka, teraka tao Sambaina, tamin'ny telo ambin'ny folo mey, taona dimy sy sivinjato sy arivo, an-dRanaivo Andrianasolo, mpianatra, monina ao Ambohitsoa, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny fito avrily, taona efapolo sy sivinjato sy arivo, zana-dRajaona, mpamboly, teraka tao Betafo, tamin'ny fito ambin'ny folo jiona, taona dimy ambin'ny folo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Razanany, teraka tao Soanierana, tamin'ny valo amby roapolo septambra, taona roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa. Nosoratana araky ny fanambaran'ny mpanangana sy teo anatrehan-dRalay, mpanefy, teraka tao Antsirabe, tamin'ny dimy janvie, taona telo amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Razanakoto, mpanety, teraka tao Toamasina, tamin'ny roa amby roapolo aogositra, taona telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohibary, izay samy miara-manao sonia aminay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

B - Raha tsy feno 21 taona ny atsangana dia ampiana izao :

.....Nosoratana araky ny fanambaran'ny mpanangana, teo anatrehan'ny rain'ny atsangana (na ny renin'ny atsangana, na ny mpiahy ny atsangana) sy Ralay................................................

 

MODELY N° 13

SORA-PANOVANA ANARANA

(And. 38 sy ny manaraka ao amin'ny lalàna 61-025)

 

Androany valo mey, taona dimy amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora sy sasany maraina, Rabaleda, mpianatra, monina ao Ambohitsoa, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny sivy septambra, taona fito amby efapolo sy sivinjato sy arivo, zana-dRakoto, teraka tao Soanierana, tamin'ny telo ambin'ny folo jiona, taona roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, sy Raketaka, teraka tao Sambaina, tamin'ny roa amby roapolo marsa, taona iraika amby roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambohitsoa, dia nanambara fa hiova anarana hoe «Rakotozanany». Nosoratana teo anatrehan'ireto vavolombelona ireto : (anarana, raharaha, daty sy taona nahaterahana, fonenan'ny vavolombelona dimy). Miara-manao sonia aminay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa ny mpanao fanambarana sy ny vavolombelona rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

 

MODELY N° 14

FANDIKANA SORA-PIANKOHONANA AO AMIN'NY BOKY

(And. 3-6° sy 42 ao amin'ny lalàna 61-025)

A - Fanjanahana noraisin'ny notera

Tamin'ny telopolo janvie, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, Rakoto, notera ao Antsirabe, dia nandefa taminay izao soratra manaraka izao :------------------------------------------------------------------------------------

Androany roapolo janvie, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, dia tonga teto anatrehanay, Rabe, mpampianatra, teraka tao Mojanga, tamin'ny roa ambin'ny folo avrily, taona efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Antsirabe, ka nanambara taminay ny fanjanahany an-dRaketaka, teraka tao Mojanga, tamin'ny roa desambra, taona roa amby enimpolo sy sivin-jato sy arivo, zanak'i Rasoa, teraka tao Mojanga, tamin'ny telo ambin'ny folo jolay, taona dimy amby efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Mojanga. Nosoratanay teo anatrehan'ny mpanao fanambarana izay miara-manao sonia aminay, rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

Fandikana ao amin'ny boky nataonay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Mojanga, androany telo fevrie taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo.

 

Sonia :

RASAONA

B - Fanjanahana tao amin'ny didim-panana

Tamin'ny telopolo janvie, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, Rakoto, notera (na lehiben'ny boriborintany na lehiben'ny kantao) ao Ambohibary, dia nandefa taminay izao votoatin'ny didim-pananana n° 15 tamin'ny telopolo novambra, taona enimpolo sy sivinjato sy arivo manaraka izao : ---------------------------------

(soratana eto ny votoatin'ny didim-pananana voaray)

Fandikana ao amin'ny boky nataonay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Mojanga, androany telo fevrie, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo.

 

MODELY N° 15

 

FANDIKANA DIDIM-PITSARANA AO AMIN'NY BOKY

(And. 43, 53, 55 ary 69 ao amin'ny lalàna 61-025)

 

Araky ny ventin'ny didim-pitsarana n° 24 tamin'ny telo mey, taona valo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, voarainay tamin'ny efatra jiona, taona valo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, ny sampam-pitsarana ao Antanetibe dia namoaka izao didy manaraka izao : -------------------------------------------------------------------------

noho ireo antony ireo : lazaina fa ................................................

(soratana eto ny ventin'ny didim-pitsarana).

Fandikana ao amin'ny boky nataonay, Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Mojanga, androany folo jiona, taona valo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo.

 

 

MODELY N° 16

FILAZANA AN-TSISINY MIKASIKA NY SORATRA REHETRA

(And. 45 ao amin'ny lalàna 61-025)

A - Fanitsiana ataon'ny didim-pitsarana

Nahitsin'ny didim-pitsarana, navoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antananarivo tamin'ny 5 fevrie 1965, ary nadika tamin'ny 4 avrily 1965 tao Ambohibary, soratra n° 15 arak'izao : ny anarana hoe Rakoto dia soloina ny anarana hoe Raketaka.

Androany 5 avrily 1965

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

B - Fanitsiana ataon'ny didin'ny filohan'ny Fitsarana

Nahitsin'ny didin'ny filohan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Antananarivo tamin'ny 15 avrily 1963, ary nadika tamin'ny 3 mey 1963, tao Ambohibary, soratra n° 25 arak'izao : ny daty 1950 voalaza fa nahaterahan-dRakoto dia soloina ny daty 1960.

Androany 10 mey 1963

Ny mpiandraiki-draharahan'ny fitsarana

RABE

D - Fanafoanana filazana an-tsisiny

Ity filazana eto ambony ity dia nofoanan'ny didy navoakan'ny fitsarana ambaratonga voalohany ao Mojanga tamin'ny 15 septambra 1980, ary nadika tamin'ny 23 oktobra 1980 tao Maevatanana, soratra n° 123.

Androany 27 oktobra 1980

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

.E - Filazana didim-pitsarana misolo

N° 37-faharoa.

Rakoto teraka tamin'ny 27 septambra 1976 (jereo ny soratra n° 38 tamin'ny 4 mey 1987).

Androany 10 jiona 1987

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

 

 

MODELY N° 17

FILAZANA AN-TSISINY MIKASIKA NY SORATRA SASANTSASANY

(And 44 ao amin'ny lalàna vaovao)

 

A - Filazana an-tsisin'ny sora-pahaterahana

 

a - Fanambadiana :

Nanambady an-dRakoto tamin'ny 13 aogositra 1967, tao Ambohitsoa, soratra n° 13.

Androany 17 oktobra 1967

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

b - Fanjanahana teo anatrehan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana :

Nozanahin-dRabe tamin'ny 3 fevrie 1964, tao Manjakandriana, soratra n° 13.

Androany 15 fevrie 1964

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana.

RASAONA

 

d - Fanjanahana teo anatrehan'ny notera :

Nozanahin-dRakoto tamin'ny 5 marsa 1963, araky ny soratra nataon-dRabe, notera ao Antsirabe. Soratra nadika tao amin'ny boky tamin'ny 3 avrily 1963, tao Ambohibary n° 13.

Androany 17 avrily 1963

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

e - Fanjanahana tao amin'ny didim-pananana :

Nozanahin-dRakoto Andriamanantena, araky ny didim-panana n° 36 tamin'ny 6 oktobra 1960, tao Ambohibary.

Soratra nadika ao amin'ny boky tamin'ny 15 jolay 1967, tao Mojanga n° 45.

Androany 20 jolay 1967

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

f - Fahafatesana :

Maty tamin'ny 18 aogositra 1967 tao Ambatomena. Soratra n° 26.

Androany 30 aogositra 1967

Nympiraki-draharaham-pitsarana

RABE

 

g - Fananganana :

Natsangan-dRakoto, tamin'ny 15 jiona 1968, tao Fenoarivo.

Soratra n° 56.

Androany 30 jiona 1968

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana,

RASAONA

 

h - Fanovana anarana :

Nanova ny anarany ho Rakotozafy tamin'ny 3 desambra 1965, tao Ambatomena.

Soratra n° 58.

Androany 10 desambra 1965

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana,

RASAONA

 

i - Fisaraham-panambadiana :

Fanambadiana nosarahin'ny didim-pitsarana tamin'ny 18 septambra 1965, navoakan'ny fitsaran'ny vakim-pileovana ao Betafo, izay nadika ao amin'ny boky tamin'ny 20 novambra 1965, tao Ilaka.

Soratra n° 58.

Androany 23 novambra 1965

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

j - Fepetra teteza-mita (and. 72 sy 73 ao amin'ny lalàna vaovao):

1 - Fanambadiana :

Nanambady an-dRakotomahay tamin'ny 13 novambra 1947.

Soratra n° 38 tamin'ny 27 fevrie 1962 tao Ambatokely.

Androany 3 marsa 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

2 - Fianahana noho ny fanambadiana voasoratra :

Zanak'i Rakotomahay sy Rasoazanany araky ny sora-panambadiana n° 38 tamin'ny 27 fevrie 1962 tao Ambatokely.

Androany 3 marsa 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

3 - Fahaterahana :

N° 65-faharoa. Rakoto, teraka tamin'ny 27 marsa 1945 sora-pahaterahana n° 128 tamin'ny 3 fevrie 1962 tao Antananarivo.

Androany 28 fevrie 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

 

MODELY N° 18

FANDEFASANA FILAZANA AN-TSISINY
HO SORATANA AO AMIN'NY BOKY

 

REPOBLIKA MALAGASY

Fahafahana - Tanindrazana - Fandrosoana

 

Faritany : Antananarivo

Vakim-pileovana : Manjakandriana.

Faribohitra : Mantasoa.

FILAZANA

 

FANAMBADIANA

 

Filazana ho soratana eo an-tsisin'ny sora-pahaterahan-dRakoto, teraka tao Ambohitsoa tamin'ny 25 fevrie 1962, soratra n° 42, alefa amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao Toamasina.

(Soratana eto ny filazana an-tsisiny ilaina hampahafantarina ka ny iray amin'ireo modely n° 17 no hampiasaina.)

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

Voaray androany 17 marsa 1963.

Voasoratra ao amin'ny boky androany : 20 marsa 1963.

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RAKOTO

 

 

 

MODELY N° 19

KOPIA SY VOTOATIN'NY SORA-PIANKOHONANA

(And. 56 sy ny manaraka ao amin'ny lalàna 61.025)

 

REPOBLIKA MALAGASY

Fahafahana - Tanindrazana - Fandrosoana

 

Faritany : Fianarantsoa

Faribohitra : Ampasambazaha.

 

Kopian’ny sora-piankohonana

 

(Soratana eto ny fanambarana voasoratra ao amin'ny boky ka anomezana kopiany)

Eo an-tsisiny dia misy izao filazana manaraka izao : (raha misy dia soratana eto ny filazana eo an-tsisin'ilay soratra).

Kopia manontolo nadika tamin'ny boky androany enina amby roapolo fevrie, taona dimy amby enimpolo sy sivinjato sy arivo ary nomena an-dRakoto.

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

 

 

REPOBLIKA MALAGASY

Fahafahana -Tanindrazana - Fandrosoana

 

Faritany : Mojanga

Faribohitra : Mahabibo

Votoatin'ny sora-piankohonana

 

Tamin'ny enina amby roapolo mey, taona dimy amby telopolo sy sivinjato sy arivo no teraka tao Mahabibo, Rakoto, zazalahy zanak'i Ranaivo sy Raketaka.

Votoatiny nalaina tamin'ny boky androany dimy ambin'ny folo marsa telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo ary nomena an-dRabe, mpampianatra ao Mojanga.

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

 

 

MODELY N° 20

FEPETRA TETEZA-MITA

 

SORA-PAHATERAHANA

(And. 72 ao amin'ny lalàna 61-025)

 

a - Raha misy nanatrika ireo havana voatondron’ny andininy 72 :

Tamin'ny roa mey, taona dimampolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny telo ora hariva no teraka tao Manjakandriana, faribohitr'i Manjakandriana, Randria, zazalahy, zana-dRabe, efapolo taona, mpampianatra, monina ao Manjakandriana, sy Rasoa, dimy amby telopolo taona, teraka tao Mandraka, vakim-pileovan'ny Moramanga, monina ao Manjakandriana. Nosoratanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Manjakandriana, teo anatrehan-dRabe sy Rasoa , ray aman-dreniny (na Rasoa reniny, na Rabe rainy, na Rainisoa raibeny, na Ranaivo rahalahiny, ets) sy ny vavolombelona Rabozaka, telopolo taona, mpanefy, monina ao Manjakandriana, anadahin-dreniny, Razanany, sivy amby roapolo taona, monina ao Mantasoa, anabavin-drainy, Randriamanisa, dimy amby efapolo taona, mpampianatra, monina ao Manjakandriana, Rabemanga, dimampolo taona mpiasam-panjakana, napetraka hisotro ronono, monina ao Manjakandriana ary Ramaria, enimpolo taona, monina ao Tsiakarina. Miara-manao sonia aminay ny mpangataka sy ny vavolombelona rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

b - Raha tsy misy manatrika ireo havana

Tamin'ny roa mey ........Nosoratanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Manjakandriana, teo anatrehan'ny vavolombelona Ra.........(dimy).........rehefa nohamarinina fa niangaviana hanatrika izao fanoratana izao ireo ray aman-drenin-dRandria, na ireo iray tampo amin-dRandria ets. Miara-manao sonia aminay ny mpangataka sy ny vavolombelona rehefa novakiana taminy ity soratra ity.

 

MODELY N° 21

 

SORA-PANAMBADIANA

(And. 73 ao amin'ny lalàna 61.025)

 

Androany enina janvie enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny folo ora maraina dia tonga teto anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa : 1° Rasolo, mpivarotra, teraka tao Tanjombato, tamin'ny roa avrily, taona roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Antsirabe, zana-dRabe, mpanefy, monina ao Tanjombato sy Rasoa, monina ao Tanjombato; 2° Raivo, teraka tao Mahazoarivo, tamin'ny iray jolay, taona telo amby roapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Mahazoarivo, zana-dRakoto, mpivarotra, monina ao Mahazoarivo sy Raketaka, monina ao Mahazoarivo, nampanoratra anay ao amin'ny boky ny fanambadiana izay nanomboka tamin'ny valo aogositra taona dimampolo sy sivinjato sy arivo (na izay nanomboka tokony ho tamin'ny volana mey, taona enina amby dimampolo sy sivinjato sy arivo)

Nambaran'izy mivady taminay fa ireto avy no zanaka naterany nandritra izany fotoana izany: 1° Razanakoto, teraka tao Antsirabe tamin'ny roa amby roapolo septambra, taona ro amby dimampolo sy sivinjato sy arivo; 2° Raivokely, teraka tao Antsirabe, tamin'ny dimy amby roapolo desambra taona enina amby dimampolo sy sivinjato sy arivo; 3° Raketaka teraka tao Tanjombato, tamin'ny telo mey, taona sivy amby dimampolo sy sivinjato sy arivo.

Ity fanoratana ity dia natao teo anatrehan'ireto vavolombelona ireto : 1° .........(vavolombelona dimy), ka rehefa novakianay taminy ity soratra ity dia niara-nanao sonia aminay izy mivady sy ny vavolombelona.

MODELY N° 22

FILAZANA TSY MAINTSY ATAO

 

Fahaterahana

 

N° 65 faharoa. Rakoto, teraka tamin'ny 27 marsa 1945, (sora-pahaterahana n° 128 taminn'y 3 fevrie 1962 tao Antananarivo).

Androany 28 fevrie 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

Fanambadiana (and. 72 sy 73 ao amin'ny lalàna vaovao)

 

Nanambady an-dRakotomahay tamin'ny 13 novambra 1947. Soratra n° 38 amin'ny 27 fevrie 1962 tao Ambatokely.

Androany 3 marsa 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

Fianahana nohon'ny fanambadiana voasoratra

 

Zanak'i Rakotomahay sy Rasoazanany araky ny sora-panambadiana n° 38 tamin'ny 27 fevrie 1962 tao Ambatokely.

Androany 3 marsa 1962

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

Fandefasana filazana an-tsisiny ho soratana ao amin'ny boky (raha ilaina ) :

 

 

REPOBLIKA MALAGASY

Fahafahana - Tanindrazana - Fandrosoana

 

Faritany : Antananarivo.

Vakim-pileovana : Manjakandriana,

Faribohitra : Mantasoa.

FILAZANA FIANAHANA

 

Filazana ho soratana eo an-tsisin'ny sora-pahaterahan-dRakoto, teraka tao Ambohitsoa, tamin'ny telo ambin'ny folo fevrie 1936. Soratra n° 16, alefa amin'ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa.

Zanak'i Rakotomahay sy Rasoazanany araky ny sora-panam-badiana n° 38 tamin'ny 27 fevrie tao Ambatokely.

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana

RASAONA

 

Voaray androany ....................

Voasoratra ao amin'ny boky androany.......................

 

Ny filazana fahaterahana na fanambadiana dia atao araky ny modely n° 18

 

Raha filazana fahaterahana no alefa dia toy izao manaraka izao no anaovana izany :

«Filazana ho soratana eo an-tsisin'ny sora-pahaterahana mifanandrify daty aminy, alefa amin'ny mpiandraikitra sorapiankohonana ao ..............................................................»

Ary dia ny modely n° 22-1° no anohizana azy.

 

MODELY N° 23

FILAZANA FAHATERAHANA

Avis de naissance

 

Izaho.................., (dokotera na mpampivelona)..........................

Je soussigné (médecin ou sage-femme)

ao........ izay manao sonia eto ambany dia manambara fa ...............

de déclare que la nommée

...................................... (raharahany)............, monina ao..............

profession .domiciliée à.

teraka tao.........................................., tamin'ny................................

née à le

dia teraka zaza ....................................... tao ...................................

a accouché d'un enfant du sexe à

tamin’ny................................................, taona ................................

le année

tamin’ny ..........................................., ora .......ka nambarany fa ny,

à heures elle a déclaré vouloir

anaran'ny zaza dia.....................................................

donner à l'enfant les nom et prénom

 

Natao teto......................androany......................

A , le ..............................

 

 

MODELY N° 24

FILAZALAZANA FIANKOHONANA

 

Anarana.............................................

Fanampin'anarana..............................

Teraka tamin’ny................................

Tao.....................................................

Zana..................................................

sy.......................................................

Araky ny andininy 161 ao amin'ny Fehezandalàna momba ny ady heloka, dia hosaziana an-tranomaizina enim-bolana ka hatramin'ny roa taona, sy sazy vola efatra arivo ka hatramin'ny efatra alina ariary, na ny iray ihany amin'ireo sazy ireo, izay olona minia manao na mampiasa taratasy fanamarinana milaza zavatra tsy marina, na manao hosokosoka amin'ny taratasy marina teo am-panaovana azy na manova ireny.

Mifanaraka amin'ny votoatin'ny sora-pahaterahana n°...................na bokim-pianakaviana n°......................

 

Izaho....................izay manao sonia eto ambany, dia milaza marina fa tsy misy diso ireo fanambarana voasoratra eo ambony ireo.

Androany

Ny mpiandraikitra soram-piankohonana

(anarana, sonia, kase)

 

 

 

MODELY N° 25

A - FANAMARINANA FAHATERAHANA

Anarana.............................................................................

Fanampin'anarana..............................................................

Zana...................................................................................

sy........................................................................................

Teraka tamin'ny..................................................................

tao...........................................

............................., androany...........................

 

 

MODELY N° 25

B - FANAMARINANA FANAMBADIANA

 

Fanambadiana

 

1 - Ny lahy

..................................................................................................

raharaha ...................................................................................

teraka tamin'ny ........................................................................

tao ............................................................................................

fonenana ..................................................................................

zana .........................................................................................

sy ............................................................................................

vady navela na nisaraka tamin’ ..............................................

 

 

2 - Ny vavy

 

...............................................................................................

raharaha .................................................................................

teraka tamin'ny ......................................................................

tao ..........................................................................................

fonenana ................................................................................

zana ........................................................................................

sy ...........................................................................................

vady navela na nisaraka tamin ...............................................

Nomena teto....................androany........................

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana.

 

 

 

MODELY N° 25

D - FANAMARINANA FAHAFATESANA

 

Anarana : ............................................................................

fanampin'anarana.................................................................

teraka tamin'ny.....................................................................

tao.........................................................................................

zana......................................................................................

sy..........................................................................................

maty tamin'ny.......................................................................

tao.........................................................................................

Androany.........................................

 

 

MODELY N° 26

FANAMARINANA FANOHERANA 1, 2, 3°

 

Noraisina androany 25 novambra 1963, ny fanoheran'ny Solomanga Ranaivo, 52 taona, zanak'i Rainisolo sy Renisolo, monina ao Ambohitsoa, ny fandraiketana ny fanambadian-dRakoto sy Rasoazanany.

 

Ny mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa,

(Sonia sy kase) : RASAONA

 

1. Araka ny andininy 19 ao amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana, dia tsy manan-kery ny fanoherana fandraiketana fanambadiana raha tsy entina ho hamafisin'ny fitsarana ao anatin'ny valo andro manaraka ny nanaovana azy ;

2. Ny andro nampidirana fangatahana fanamafisana fanoheram-panambadiana eo amin'ny fitsarana dia tsy maintsy ampahafantariana ny mpiandraikitra sora-piankohonana manao sonia eto ambony ao anatin'ny dimy ambin'ny folo andro manaraka ny daty nanaovana ny fanoherana ;

3. Araka ny andininy 28 ao amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana, dia azo sazina handoa onitra ilay nanao fanoherana raha toa ka tsy eken'ny fitsarana ny hanamafy azy. Ny ray aman-dreny niteraka na nihavian'ny toherina ihany no tsy iharan'izany sazy izany.

 

MODELY N° 27

 

TOKO VII

Ny amin'ny zo aman'adidy ateraky ny fanambadiana

 

And. 52 - Tsy mahazo mifanitsakitsaka ny mpivady ary tsy maintsy mifamonjy sy mifanampy izy ireo.

 

And. 53 - Ny lahy no lohan'ny fianakaviana.

Mifarimbona aminy ny vavy amin'ny fanolokoloana ara-tsaina sy ara-batana ny ankohonany ary amin'ny fitaizana ny zanany.

Raha tsy mendrika ny lahy na tsy afa-mizaka zo na misy mahasampona azy na mandao an-tsitrapo ny tokantrano, dia zakain'ny vavy samy irery ireo zo voalazan'io paragrafy eo aloha.

 

And. 54 - Tsy maintsy miray trano ny mpivady.

Ny lahy no mifidy ny fonenana iarahany mitoetra.

 

And. 55 - Na izany aza, raha misy antony lehibe dia azon'ny vavy atao ny misintaka, araky ny fomban-taniny mandritra ny fotoana tsy maharitra ela.

 

And. 56 - Tsy manohintohina ny fizakan-jo ananan'ireo mpivady ny fanambadiana, nefa kosa ny fahefan'izy ireo dia mety ho voafetran'ny fitsipi-pandaminana ny fananan'ny mpivady.

 

And. 57 - Ny mpivady dia samy mahazo mifanome fahefana ankapobe na manokana hifampisoloany.

 

And. 58 - Isaky ny misy ilàna azy noho ny soa ho an'ny ankohonana raha tsy afa-mizaka zo na tsy mahavita ny iray amin'ireo mpivady, dia azon'ny vadiny atao ny mangataka homen'ny fitsarana fahefana hisolo azy na amin'ny raharaha ankapobe izany na amin'ny raharaha manokana ihany.

Ny mpitsara no manondro ny fepetra sy ny faritr'io fisoloana io.

 

And. 59 - Samy manana fahefana hanao izay zavatra rehetra hita fa ilaina marina ho enti-manana ny tokantrano ny mpivady. Mpiara-manefa izay trosa rehetra aterak'izany izy mivady eo amin'ny olon-kafa, afa-tsy raha efa nisy fandavana nataon'ny iray ka nampahafantariny mialoha ny tomponefa.

 

And. 60 - Raha nifametra izay anjarany avy amin'ny ho enti-manana ny tokantrano ny mpivady, dia samy miloloha arak'izay zakany avy izy.

Raha tsy manatanteraka ny fanefany ny iray amin'ny mpivady dia azon'ny vadiny atao ny manao fangatahana tsotra amin'ny mpitsara hahazoany lalàna hanao fanohanam-bola sy handray arak'izay mety hilainy, ampahany na monontolo, amin'izay vola rehetra miditra amin'ny vadiny, na vola raisiny araky ny fitsipi-pandaminam-pananana izany na vokatry ny asany na izay rehetra mety ho volany amin'olona.

Ny didin'ny mpitsara dia mametra ny fanomezan-dàlana sy ny fara-fahabetsan'ny vola horaisina. Manan-kery amin'izay rehetra mpitrosan’ilay vady tsy nahefa io didy io rehefa nampahafantarin'ny mpirakitsoratry ny fitsarana azy ireny.

Azo tanterahina vonjimaika io didy io, na dia misy aza fanoherana na fampakarana azy, nefa kosa dia azo angatahina hodinihin'ny mpitsara indray izy.

 

And. 61 - Ny mpitsara dia mahazo mandidy, tsy ny mpivady ihany fa na dia ny olon-kafa koa aza mba hampiseho aminy ny fanazavana rehetra na ny bokim-barotra na ny fanamarinana mety ilainy.

 

And. 62 - Ny fanambadiana dia mahatonga avy hatrany ny mpivady hiara-tompon'andraikitra amin'ny famelomana, fiantohana, fitaizana ary fampianarana ny zanany.

 

And.63 - Ny zanaka dia tsy maintsy miahy izay tsy ampy fivelomana amin'ny ray aman-dreniny niteraka azy na nihaviany. Manana adidy toy izany koa ny ray aman-dreny amin'ny zanaka aman-jafiny.

 

And. 64 - Raha misy tsy ampy fivelomana dia mifamaly toy izany koa ny adidin'ny vinanto sy ny rafozana niteraka ny vadiny.

Mitsahatra izany fanefana izany raha maty ny iray amin'izy mivady, na raha nisara-panambadiana izy.

 

And. 65 - Ny fivelomana omena dia tsy atao mihoatra izay tokony hilain'izay mitaky azy, ary araky ny fanana'izay hanefa azy.

 

MODELY N° 28

FITANANA AN-TSORATRA

 

Androany 16 marsa 1963, dia natao an-tsitrapo sy araky ny fomban-drazana tao Faratsiho ny fandraiketana ny fanambadian'i Randria; raharaha : mpamboly teraka tao Ambatolampy tamin'ny 2 desambra 1932, zanak'i Randriakoto sy Rafaramalala, monina ao Faratsiho; mizaka ny zom-pirenena malagasy sy Raketaka, teraka tao Antsirabe, tamin'ny 5 jiona 1939, zanak'i Rasolofo sy Ravelo, monina ao Antsirabe, mizaka ny zom-pirenena malagasy.

Vavolombelona nanatrika :

1 - Rabe, 50 taona, monina ao Ambohibary;

2 - Razafy, 62 taona, monina ao Faratsiho.

(1) Nanatrika teo koa ireto ray aman-dreny ireto :

1 - Rakoto, 65 taona, monina ao Ambohibary (rahalahin-drainy);

2 - Razoly, 46 taona, monina ao Antsirabe (rahavavin-dreniny).

 

Fanazavana hafa

1 - Misy fifanekena an-tsoratra momba ny fananan'ny mpivady noraisin'i.................(lehiben'ny kantao ao...........) mpiraki-draharahan'ny fitsarana tamin'ny....................

Fitanana an-tsoratra nataoko Rabe solontenam-panjakana ao Faratsiho.

Sonian'ny mpivady.

Sonia :

Sonian'ny vavolombelona;

Sonian'ny ray aman-dreny.

(1) Raha tsy ampy taona ny iray amin'izy mivady vao.

 

 

MODELY N° 29

SORA-PANAMBADIANA

(And. 31 amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana)

Androany dimy amby roapolo mey, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo, tamin'ny sivy ora maraina, dia tonga teto anatrehanay Rasaona, mpiandraikitra sora-piankohonana ao Ambohitsoa, Ralaikamisy, dimy amby efapolo taona, voatendry ho solontenam-panjakana amin'ny fanambadiana, monina ao Ambohibary, ka nampanoratra anay ny fanambadian'ireto olona ireto :

1 - Botobe, mpiompy, mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka tao Antsahakely tamin'ny enina ambin'ny folo novambra, taona sivy amby telopolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Antsirabe, zanak'i Rainiboto, mpamboly teraka tao Alasora, tamin'ny roa ambin'ny folo mey, taona dimy ambin'ny folo sy sivinjato sy arivo, sy Renikoto, teraka tao Ankadibe, tamin'ny roa avrily, taona iraika amby roapolo sy sinvinjato sy arivo;

2 - Ravao mizaka ny zom-pirenena malagasy, teraka tao Belo, tamin'ny telopolo jiona, taona telo amby efapolo sy sivinjato sy arivo, monina ao Ambatokely, zanak'i Beminahy, mpivarotra, teraka tao Vavatenina tamin'ny sivy aogositra, taona telo amby roapolo sy sivinjato sy arivo, sy Razafy, teraka tao Fenoarivo, tamin'ny telo oktobra, taona dimy amby roapolo sy sivinjato sy arivo.

Izay natao tao Ambatokely araky ny fomban-drazana, tamin'ny roapolo mey, taona telo amby enimpolo sy sivinjato sy arivo teo anatrehan-dRakoto Benaivo, dimampolo taona, monina ao Ambatokely sy Ranaivobe, telopolo taona, monina ao Andranobe (raha tsy ampy 18 taona ny iray amin'ny mpivady, ohatra ny vavy, dia ampiana hoe : ary Razafy, renin-dRavao na ary Beminahy sy Ravao, ray aman-drenin-dRavao, na ary Rakoto anadahin-drenin-dRavao.

Sonia :

RASAONA

 

 

MODELE N° 30

 

Momba ilay zaza

 

Anarana : ..................................................................

Fanampin'anarana : .................................................

Andro nahaterahana : ...............................................

Ora nahaterahana : ...........................................

Toerana nahaterahana : ....................................

Lahy - Vavy (2)

Momba ny ray aman-dreny

 

Rain-jaza :

Anarana..........................................................

Fanampin'anarana.(1)....................................

Toerana nahaterahana....................................

Daty nahaterahana..........................................

Fonenana........................................................

(1) Ny fanampin'anarana voasoratra ao amin'ny bokim-piankohonana ihany (sora-pahaterahan'ny rain-jaza na ny renin-jaza, sora-panambadiana, ets.) no atao eto raha misy.

(2) Tsipiho izay ilaina.

2° Renin-jaza :

Anarana : .................................................................

Fanampin'anarana.(1) : ............................................

Toerana nahaterahana : ...........................................

Daty nahaterahana : .................................................

Fonenana : ................................................................

MODELY N° 31

 

Momba ilay maty

 

Anarana : ..................................................................

Fanapin'anarana (1) : ...............................................

Andro nahaterahana : ...............................................

Daty nahaterahana : ................................................

Andro nahafatesana : ..............................................

Ora nahafatesana : ..................................................

Toerana nahafatesana : ..........................................

Raharaha : ...............................................................

Fonenana : ...........................................................

 

Momba ny ray aman-dreny

 

Rainy :

Anarana..............................................................

Fanampin'anarana (1).........................................

Toerana nahaterahana.........................................

Daty nahaterahana...............................................

Fonenana..............................................................

Velona - maty (2)

 

Reniny :

Anarana : .................................................................

Fanampin'anarana (1) : ............................................

Toerana nahaterahana : ...........................................

Daty nahaterahana : ................................................

Fonenana : .............................................................

Velona - maty (2)

 

Momba ny vadin'ilay maty

 

Anarana : ............................................................

Fanampin'anarana : ............................................

 

(1) Ny fanampin'anarana voasoratra ao amin'ny bokim-piankohonana ihany (sora-pahaterahana, sora-panambadiana, sora-panovana anarana ets... ) no atao eto.

(2) Tsipiho izay tsy ilaina

 

MODELY N° 32

Ity modely ity dia natao hakan'ny mpiandraikitra sora-piankohonana hevitra amin'ny dinidinika hapetrany amin'ny mpivady

Miteraka zo sy adidy maro ny fanambadiana. Misy amin'izy ireny tondroin'ny lalàna voasoratra, toy izay hita ao amin'ny andininy 52 sy ny manaraka ao amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana. Misy koa feran'ny fomba amam-panao nolovaina tamin'ireo razana tany aloha. Samy tokony ho tandremana tsara izy ireny satria izany no hampilamina ny tokantrano

Anisan'ny marihina indrindra amin'ireny adidy ireny ny momba ny havam-bady.

Voalazan'ny andininy 64 amin'ny lalàna momba ny fanambadiana fa «raha misy tsy ampy fivelomana dia mifamaly toy ny an'ny ray aman-dreny sy ny zanaka ny adidin'ny vinanto sy ny rafozana» izany hoe ny vinanto dia tsy maintsy miahy izay tsy ampy fivelomana amin'ny rafozany ary ny rafozana koa dia tokony hiahy ny vinantony tsy ampy fivelomana.

Ny fomba malagasy anefa dia mbola manampy fa tsy maintsy hajaina tsara sy tiavina toy ny ray aman-dreny niteraka ny rafozana sy ny havam-bady.

Mandrakariva eo amin'ny resaka ifanaovana amin'ny fangatahana na fampakaram-bady dia asiana fotoana anehoana ny loloham-binanto ary angatahana fanomezan-toky fa hotontosaina tsara ny adidy amin'ny havam-bady.

Mila ho lasa fombafomba fotsiny izany ankehitriny nefa hita fa ny fisian'ny havan'ny lahy sy ny havan'ny vavy, ny tsy fitovian'ny fitondrana ny havan'ny tena sy ny havan'ny vady, dia mety miteraka fikorontanana ao an-tokantrano.

Mitodika indrindra aminao aho Ramatoa, hianao no hitantana ny ao an-tokantranonareo, tandremo ny fitondrana ray aman-dreny sy havana. Aoka ho marina ny fitondranao ny anao sy ny an'ny vadinao; ataovy lanja mitovy, ataovy fitia mitovy na amin'ny fanajana na amin'ny fanomezana, eny na amin'ny fitsidihana sy famangiana koa.

Ny ray aman-dreny no loharano nipoirana; izy no angady nananana sy vy nahitana. Tsy nitrebona avy amin'ny tany mantsy isika na nitsotsorika avy any an-danitra fa ao ireo lany mondron-kery, lany voamena zato sy sikajy arivo mba haha-olona antsika toy izao ka mendrika ho hajaina sy ho tiavina.

Aoka ny ray aman-drenin'ny mpivady hatao toy ny tanan-kavia sy havanana ka izay didiana maharary, toy ny trano atsimo sy avaratra ka izay tsy mahalena ialofana, ary toy ny sinibe manga roa ireo ka tsy misy tombo sy hala.

Tsarovinao lalandava Randriamatoa, fa toy ny fitiavanao ny havanao no itiavan'ny vadinao ko any azy koa raha omenao tombony ny anao, mety malahelo izy.

Farany, mba hahafantaranareo ny zo aman'adidin'ny mpivady voatondron'ny lalàna dia hovakiana aminareo ny andininy sasany ao amin'ny hitsivolana momba ny fanambadiana. (and. 52 sy M).

 

 

MODELY N° 33

FEHEZANDALANA

momba ny ady heloka

 

And. 145 - Na iza na iza mpiasam-panjakana na mpiraki-tsoratra manao hosoka eo am-panaovana ny raharahany,

Na amin'ny sonia sandoka;

Na amin'ny fanimbana na fanohinana ny taratasy na ny soratra na ny sonia;

Na amin'ny famoromporonana olona;

Na amin'ny fanampiana soratra na fanisihana soratra amin'ny boky firaketana na amin'ny taratasim-panjakana hafa, aorian'ny nanaovana na namaranana ireny, dia hatao gadralava mandra-pahafatiny.

 

And. 146 - Hatao gadralava mandra-pahafatiny koa na iza na iza mpiasam-panjakana, na mpiraki-tsoratra, eo amin'ny fanaovany ny soratra indraiketany; minia manova ny votoatiny na ny toe-javatra, na eo amin'ny fanoratana fifanekena hafa noho izay efa voasoritra na voatonon'ireo mpifanaiky izany, na amin'y fanambarana ho naposaka ny zavatra tsy naposaka.

 

And. 147 - Hatao gadralava mandritra ny fotoana voafetra izay olon-kafa rehetra manao hosoka amin'ny sora-panjakana to, na amin'ny sora-barotra na amin'ny sora-barotry ny banky, amin'ireto fomba ireto :

- ala-tahaka na fanovana ny soratra na ny sonia;

- Famoronana fifanekena, na fizakam-panana, na fanekena hanefa, na fanekena ny efa, na amin'ny fanisihana izany ao anatin'ny soratra efa vita;

- Fanampiana, na fanaovana ny fepetra, na ny fanambarana, na ny toe-javatra izay tsy maintsy raisina na hamarinina ao amin'ireo soratra ireo.

 

And. 148 - Amin'ny antony rehetra voatondro amin'ity paragrafy ity dia atao gadralava mandritra ny fotoana voafetra izay mampiasa soratra hosoka.

 

And. 150 - Na iza na iza olona manao hosoka amin'ny soratra tsy an'ny fanjakana, amin'ny iray amin'ireo fomba tondroin'ny and 147 dia hosazina ahiboka an-tranomaizina.

 

And. 151 - Hosazina toy izany koa izay olona mampiasa izany taratasy sandoka izany.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement