//-->

Décrets 117

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

DECRET N° 2004-991

modifiant certaines dispositions du décret n° 71-224 du 11 Mai 1971

fixant le tarif des greffiers en matière civile, commerciale et d’immatriculation

modifié par le décret n° 85-027 du 13 février 1985

(J.O n°2952 du 24.01.05 p.2258)

 

 

 

Article premier.- Les dispositions des articles 3, 5, 13, 14,15, 16, 17, 18, 19, 22 du décret 71-224 du 11 Mai 1971 modifié par le décret n° 85-027 du 13 février 1985 sont modifiées comme suit :

 

 

« Art.3 (nouveau).- Les minutes, grosses, expéditions, copies ou extraits sont rédigés sur du papier de format A.4 de dimensions 21 x 27 ou 21 x 29,7 ou 21 x 31 et comprennent au moins vingt (20) lignes de seize (16) centimètres de longueur à la première page et trente (30) lignes de même longueur aux pages suivantes.

 

 

«  Art. 5 (nouveau).- Il n’est dû aucun émolument dans les cas ci-après :

1°- diligences relatives à un jugement supplétif d’acte de naissance ou à un acte de

notoriété ou de décès, antérieures ou postérieures à la décision ;

2°- diligences relatives aux procédures devant les tribunaux de travail ;

3°- mentions portées sur les registres, actes ou documents, conservés au greffe ou établis par lui, ou sur les pièces produites en justice ;

4°- convocations, correspondances, avis, récépissés ou visas ;

5°- communication de tous actes et documents ;

- formalités relatives à la prestation de serment des agents de l’Etat ;

7°- accomplissement des obligations imposées aux greffiers pour le service du greffe, dans un intérêt d’ordre public ou d’administration judiciaire, notamment pour la mise en état et la transmission des dossiers, objets de voies de recours ;

8°- expéditions et extraits demandés par les autorités judiciaires ;

9°- actes que des dispositions législatives ou réglementaires particulières ont expressément exemptés de tout émolument. »

 

« Art.13 (nouveau) .- Pour tous les actes et formalités prévus au chapitre IV intitulé « Du recouvrement des petites créances commerciales et civiles » du titre II du Livre troisième de la première partie du Code de procédure civile, ainsi que pour ceux prévus au chapitre II, intitulé « De la saisie-arrêt et de la cession des salaires et des traitements » du titre V du Livre deuxième de la deuxième partie du Code de procédure civile, les émoluments de mise au rôle et d’acte judiciaire, définis aux articles 11 et 12 ci-dessus, sont réduits de moitié et exclusifs de tous autres.

Dans le cadre de la procédure de recouvrement des petites créances, l’émolument d’acte judiciaire n’est perçu qu’une seule fois au moment du visa pour exécutoire. »

 

« Art.14 (nouveau) .- L’émolument dû pour chaque apposition ou levée de scellés, pour conseil de famille ou de tutelle, pour chaque assemblée de  créancier, est fixé selon le tarif général annexé au présent décret. »

 

 

« Art.15 (nouveau) .- Pour l’exécution des dispositions du Code de la nationalité, notamment pour l’établissement d’une déclaration de nationalité, y compris l’ensemble des diligences nécessaires à la constitution du dossier et d’un certificat de nationalité, il est alloué au greffier un émolument dont le montant est fixé au tarif général annexé au présent décret. »

 

 

« Art.16 (nouveau) .- Il est alloué en matière d’exécution amiable des décisions de justice, pour l’établissement des procès-verbaux un émolument égal à celui prévu au tarif général annexé au présent décret.

Les copies des procès-verbaux remises aux parties sont délivrées gratuitement. »

 

 

« Art.17 (nouveau) .- Il est alloué, en outre, aux greffiers des tribunaux de première Instance, dans les adjudications et dans les procédures d’ordre et de distribution un droit proportionnel dont le taux est fixé au tarif général annexé au présent décret. »

 

 

« Art.18 (nouveau) .- Sous réserve des dispositions des articles 5 nouveau et 16 nouveau ci-dessus, il est alloué au greffier, pour la délivrance de toute grosse, expédition, extrait, copie, d’une décision de justice ou d’un acte transcrit, un émolument dit de délivrance de pièces.

Les grosses, expéditions, extraits et copies ouvrent droit à un seul émolument par page, l’émolument est de moitié pour toute page remplie à moins de la moitié.

 

 

« Art.19 (nouveau) .- Le montant de l’émolument de délivrance de pièces est celui qui est fixé au tarif général annexé au présent décret. »

 

 

« Art.22 (nouveau) .- Il est alloué pour l’établissement ou la transcription d’un warrant agricole un droit proportionnel dont le taux et le montant minimum sont fixés au tarif général annexé au présent décret. »

Le tarif général concernant les différents articles des catégories de dépenses, notamment les frais et débours, les émoluments et droits de greffe est fixé sur la base de charge et dépense réelles effectuées et supportées par le greffier en chef des tribunaux et cours d’appel tel qu’il est porté dans le tableau ci-dessous annexé.

 

Art. 2 - Sont et demeurent abrogées toutes dispositions antérieures contraires à celles du présent décret.

 

Art. 3 - Le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice est chargé de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal Officiel de la République de Madagascar.

 

DIDIM-PANJAKANA LAHARANA FAHA-2004-991

manova andininy sasantsasany amin’ ny didim-panjakana laharana faha -71- 224

tamin’ ny 11 mai 1971 mametra ny filazam-bidin’ ireo mpiraki-draharaha

eo amin’ ny lafiny ady madio, ady momba ny varotra sy ady baorina,

novain’ ny didim-panjakana laharana faha- 85-027 tamin’ny 13 febroary 1985 .

(GP n°2952 du 24.01.05 p.2258)

 

 

Andininy voalohany .Asiam-panovàna toa izao ny fepetran’ ireo andininy faha-3, 5 , 13 , 14 , 15, 16, 17, 18, 19, 22 ao amin’ ny didim-panjakana laharana faha -71- 224 tamin’ ny 11 mai 1971 novan’ ny didim-panjakana laharana faha- 85-027 tamin’ny 13 febroary 1985 :

 

« And. 3 ( vaovao ) - Ny matoan’ ny didim-pitsarana, kopia anatanterahana, kopian’ ny didim-pitsarana, dika mitovy na votoaty dia raisina an-tsoratra anaty taratasy mitondra hahalehibe A 4 mirefy 21 x 27 na 21 x 29,7 na 21 x 31 ary ahitàna fara-fahakeliny tsipika 20 ( roapolo) manana halavana 16 (enina ambin’ny folo ) santimetatra eo amin’ny pejy voalohany sy 30 ( telopolo ) tsipika mitovy halavana ao amin’ireo pejy manaraka.

 

« And. 5 ( vaovao ) - Tsy misy karama aloa amin’ ireto tranga voalaza eto ambany ireto :

1° - hakingana mifandraika amin’ny didim-pitsarana misolo sora-pahaterahana na soratra ara-vavolombelona na sora-pahafatesana, mialoha na aorian’ny fanapahan-kevitra ;

2° - hakingana mifandraika amin’ ireo paik’ady manoloana ny Fitsarana momba ny asa ;

3° - filazana atao amin’ny rejisitra ; soratra na taratasin-draharaha, tehirizina ao amin’ny firaketan-draharaha na naòriny na filazana atao amin’ ireo singa narotsaka eny amin’ny Fitsarana ;

4° - fiantsoana, taratasy ifandefasana,, filazana, tapakila na sonia fanamarinana ;

5° - fampahafantarana izay rehetra soratra na taratasin-draharaha ;

6° - fombafomba arahina eo amin’ny fandraisana fianianana ataon’ny mpiasan’ ny Fanjakana ;

7°- fanatanterahana ireo adidy iantsorohan’ny mpiraki-draharaha noho ny asa firaketan-draharaha, mba ho tombontsoan’ny filaminam-bahoaka na fitondran-draharaham-pitsarana, , indrindra indrindra ho fandrindrana sy fampitàna ireo antontan-taratasy, anaovana fampakaran’ ady ;

8° - kopian’ ny didim-pitsarana sy votoaty notsongaina angatahin’ ireo manam-pahefana ara-pitsarana ;

9° - soratra izay andininy araka ny lalàna na didy amam-pitsipika manokana no milaza mazava fa tsy misy karama azo raisina. »

 

« And. 13 ( vaovao ). Ho an’ izay rehetra soratra na fombafomba arahina voatondro ao amin’ ny Toko IV mitondra lohateny hoe « Momba ny fitakiana ny trosa madinika eo amin’ny varotra sy ady madio » Lohateny faha-II, Boky fahatelo, Fizarana voalohany ao amin’ ny Fehezan-dalàna momba ny Paik’ady madio, ary ireo voatondro ao amin’ ny Lohateny II, mitondra lohateny hoe : « Momba ny fandraisam-pananana amin’ny alalàn’ny fisakanana sy ny famindrana fitompoana ny karama sy vola raisina »  Lohateny faha-V, Boky faharoa, Fizarana faharoa ao amin’ ny Fehezan-dalàna momba ny Paik’ady madio, ny karama noho ny fampidirana anaty bokin-draharaha sy soratra ara-pitsarana, voafaritra ao amin’ ireo andininy faha-11 sy 12 etsy ambony, dia ahena antsasany ary tsy misy karama raisina amin’ ny soratra rehetra hafa.

Ao anatin’ ny paik’ady fitakiana trosa madinika, ny karama mikasika soratra ara-pitsarana dia raisina indray mandeha ihany amin’ny fotoanan’ny sonia fanamarinana ho fanatanterahana . »

 

« And. 14 ( vaovao ). Ny karama aloha noho ny fametrahana na fanesorana kase amin’ ny hidim-baravarana, noho ny Filankevi-pianakaviana na fiahiana, noho ny fivoriamben’ ny tompo-trosa, dia ferana araka ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ izao didim-panjakana izao. »

 

« And. 15 ( vaovao ). Ho fanatanterahana ireo andinindininy ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny zom-pirenena, indrindra indrindra ho fanaovana fanambarana zom-pirenena, anisan’ izany ny fitambaran’ ny hakingana ilaina amin’ ny famoronana antontan-taratasy sy taratasy fanamarinana zom-pirenena, omena karama ny mpiraki-draharaha ka ny habetsany dia voafetra ao amin’ ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ ity didim-panjakana ity. »

 

« And. 16 ( vaovao ). Eo amin’ ny lafiny fanatanterahana am-pihavanana ny fanapahan-kevitry ny fitsarana, ho an’ ny fanorenana fitànana an-tsoratra dia misy karama mitovy amin’ ilay voatondro ao amin’ ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ izao didim-panjakana izao. 

Zaraina maimaim-poana ny dika mitovin’ ireo fitànana an-tsoratra omena ny mpiady »

 

« And. 17 ( vaovao ). Ankoatr’ izany, rehefa misy lavanty sy amin’ ny paik’ ady filaharana sy fizarana, misy zo mifanentana omena ireo mpirakidraharahan’ ny Fitsarana ambaratonga voalohany ka ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ ity didim-panjakana ity no mametra ny sanda .

 

« And. 18 ( vaovao ). Tsy tohinina ny fepetran’ ireo andininy faha-5 vaovao sy 16 vaovao etsy ambony, , misy karama noho ny fanomezana singan-taratasy omena ny mpirakidraharaha, ho an’ ny fizarana izay rehetra kopia anatanterahana, kopian’ ny didim-pitsarana, votoaty notsongaina, dika mitovy misahana fanapahan-kevitry ny Fitsarana na soratra nadika anaty boky,

Ny kopia anatanterahana, kopian’ ny didim-pitsarana, votoaty notsongaina, dika mitovy dia manokatra zo aminà karama iray isaky ny pejy, misasaka ny karama isak’ izay rehetra pejy nofenoina eo amin’ ny latsaky ny antsasany.

 

« And. 19 ( vaovao ). Ny habetsahan’ ny  karama noho ny fanomezana singan-taratasy dia ilay voafetran’ ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ ity didim-panjakana ity. »

 

« And. 22 ( vaovao ). Ho an’ ny fanorenana na fandikàna anaty boky taratasin’ antoka iray momba ny fambolena, misy zo mifanentana omena ka ny sanda sy ny mari-bola kely indrindra dia voafetra ao amin’ ny filazam-bidy ankapobe atòvana amin’ ity didim-panjakana ity.»

Ny filazam-bidy ankapobe mikasika ireo sokajy samihafan’ ny karazana fandaniam-bola, indrindra indrindra ny sara sy ny vola mivoaka, ny karama sy vola fandoa amin’ny firaketan-draharaha dia voafetra miainga amin’ ny vesatra sy vola lany araka ny tena izy navoaka sy nozakain’ ny Lehiben’ ny ny mpiraki-draharahan’ ny Fitsarana sy Fitsarana ambony araka ny voalaza ao amin’ ny tabilao atòvana etsy ambany.

And. 2 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’ izay voalazan’ ity didim-panjakana ity.

 

And. 3 - Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana no miandraikitra ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka ao amin’ ny Gazetim-panjakan’ ny Repoblikan’ i Madagasikara.

 

 

FILAZAM-BIDY ANKAPOBENY TOVANA

mikasika ny karama fandoa ho an’ ny mpiraki-draharaha eo amin’ ny lafiny ady madio, ady

momba ny varotra sy ady baorina

 

 

 

Karama sy karazan’ ny soratra

 

 

Filazam-bidy sy mari-bola

mifanentana ho an’ ireo Fitsarana Ambaratonga Voalohany

 

 

Filazam-bidy sy mari-bola

mifanentana ho an’ ireo Fitsarana Ambony

1. Fanoràtana anaty bokin-draharaha . . . . . . . . . . . . . .

1.000 ar na 5.000 Fmg

1.600 ar na 8.000 Fmg

2. Volan’ ny firaketan-draharaha

( isaky ny soratra ara-pitsarana) . . . . . . . . . . . . . . . . .

 

1.200 ar na 6.000 Fmg

 

1.800 ar na 9.000 Fmg

3. Fampidirana anaty bokin-draharaha

mba ho fisakanana noho ny fandraisam-pananana

 

1.000 ar na 5.000 Fmg

 

4. Taratasim-pitsarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

1.000 ar na 5.000 Fmg

 

5. – 5. - Kase apetraka amin’ ny hidin-trano . . . . . . . . . . . . .

- Filankevitry ny fianakaviana sy fiahiana . . . . . . . . .

- Fivoriamben’ ny tompon-trosa . . . . . . . . . . . . . . . . .

1.000 ar na 5.000 Fmg

5.000 ar na 25.000 Fmg

10.000 ar na 50.000 Fmg

 

6 - Zom-pirenena :

-         Fanambarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

-         Taratasy fanamarinana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

 

2.000 ar na 10.000 Fmg

1.000 ar na 5.000 Fmg

 

7.- Fanatanterahana am-pihavanana tsotra :

- Ffitanana an-tsoratra voalohany fanatanterahana . . . .

- Ffitanana an-tsoratra voalohany tsy fanatanterahana . .

- Fitanana an-tsoratra manaraka . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

- Fanatanterahana am-pihavanana ireo didy ahitàna

sazy handoa vola :

·        Fitanana an-tsoratra voalohany . . . . . . .

 

 

 

·        Fitanana an-tsoratra faharoa sy manaraka

 

 

20.000 ar na 100.000 Fmg

10.000 ar na 50.000 Fmg

10.000 ar na 50.000 Fmg

 

 

3% n’ ny mari-bola faobe ka tsy mihoatra ny 160.000 ariary na 800.00 Fmg

 

1% n’ ny vola tavela ka tsy miihoatra ny 80.000 ariary na 400.000 Fmg

 

20.000 ar na 100.000 Fmg

10.000 ar na 50.000 Fmg

10.000 ar na 50.000 Fmg

 

 

3% n’ ny mari-bola faobe ka tsy mihoatra ny 160.000 ariary na

800.00 Fmg

 

1% n’ ny vola tavela ka tsy miihoatra ny 80.000 ariary na 400.000 Fmg

 

Fanaovana lavanty (fotoam-pitsarana momba ny lavanty)

Filaharana . Fizarana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

 

1% (raha be indrindra 80.000 ar

na 400.000 Fmg )

 

1% (raha be indrindra 80.000 ar

na 400.000 Fmg )

Kopia anatanterahana, kopian’ ny didiy, votoaty :

Isaky ny pejy . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .. . . . . . . . .

 

600 ar na 3.000 Fmg

 

600 ar na 3.000 Fmg

 

Teny fanatanterahana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

200 ar na 1.000 Fmg

200 ar na 1.000 Fmg

 

Kopia tsotra

400 ar na 2.000 Fmg

400 ar na 2.000 Fmg

Soratra apetraka ( fitsipi-pikambanana, fifanarahana, fifanekena, tatitra sy ny hafa ) . . . . . . . . . . . . . . . .. . . . .. ..

4.000 ar na 20.000 Fmg

 

5.000 ar na 25.000 Fmg

 

Soratry ny Firaketan-draharaha :

- matoan’ ny didim-pitsarana . . . . . . . . . . . . . . . . .

- Taratasy fanamarinam-pamoronana . . . . . . . . . .

- Mari-pahaizana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . … . . . .

 

2.000 ar na 10.000 Fmg

2.000 ar na 10.000 Fmg

2.000 ar na 10.000 Fmg

 

3.000 ar na 15.000 Fmg

3.000 ar na 15.000 Fmg

3.000 ar na 15.000 Fmg

Soratra apetraka :

- didim-pananana . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

- tolotra . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

 

6. 000 ar na 30.000 Fmg

6. 000 ar na 30.000 Fmg

 

6. 000 ar na 30.000 Fmg

6. 000 ar na 30.000 Fmg

Taratasy fanamarinana :

- fampakaran’ ady . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . .

- tsy fampakaran’ ady sy ny hafa . . . . . . . . . . . . . .

 

8.00 ar na 4.000 Fmg

1.000 ar na 5.000 Fmg

 

8.00 ar na 4.000 Fmg

1.000 ar na 5.000 Fmg

Taratasin’ antoka momba ny fambolena . . . . . . . . . . .

 

1% ka raha be indrindra

80.000 ar na 400.000 Fmg

1% ka raha be indrindra

80.000 ar na 400.000 Fmg

 

Ny vola fandoa amin’ny fanoràtana am-boky, ny hajian-ketra, ny saran-dàlana sy fiantranoana ho an’ ireo Fitsarana mijoro any amin’ ny toerana iray tsy ahitàna Sampan-draharahan’ ny fanoràtana am-boky dia ankoatr’ reo voatanisa ireo.

 

 

TARIF GENERAL ANNEXE

des émoluments dus aux greffiers en matière civile, commerciale et d’immatriculation

 

 

Emolument et nature de l’acte

Tarif et proportion pour les Tribunaux de première Instance

Tarif et proportion pour

les Cours d’Appel

1.- Mise au rôle………………………………

1.000 ar ou 5.000 Fmg

1.600 ar ou 8.000Fmg

2.- droit de greffe (par acte juridictionnel)…

1.200 ar ou 6.000 Fmg

1.800 ar ou 9.000 Fmg

3.- mise au rôle saisie-arrêt…………………

1.000 ar ou 5.000 Fmg

 

4.- acte judiciaire……………………………

1.000 ar ou 5.000 Fmg

 

5.- scellés……………………………………

- Conseil de famille de tutelle…………….

- Assemblée des créanciers……………….

1.000 ar ou 5.000 Fmg

5.000 ar ou 25.000 Fmg

10.000 ar ou 50.000 Fmg

 

6.- Nationalité :

*      Déclaration…………………………

*      Certificat……………………………

 

2.000 ar ou 10.000 Fmg

1.000 ar ou 5.000 Fmg

 

7.- Exécution amiable simple :

- premier P.V d’exécution…………..……

- premier P.V de non-exécution…….……

- P.V suivants…………………………….

- Exécution amiable des décisions assorties de condamnations pécuniaires :

- premier P.V…………………………….

 

 

 

- deuxième P.V et suivants………………

 

 

2 20.000 ar ou 100.000 Fmg

10.000 ar ou 50.000 Fmg

10.000 ar ou 50.000 Fmg

 

 

3 % du montant total avec un maximum de ou 160.000ar 800.000 fmg.

 

1% sur les sommes restantes avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg

 

20.000 ar ou 100.000 Fmg

10.000 ar ou 50.000 Fmg

10.000 ar ou 50.000 Fmg

 

 

3 % du montant total avec un maximum de ou 160.000 ar 800.000 fmg.

 

1% sur les sommes restantes avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg

Adjudication (audiences des criées) Ordre, Distribution ………………………………....

 

1 % (avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg)

 

1 % (avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg)

Grosse, expédition, extrait :

Par page……………………………………

 

600 ar ou 3.000 Fmg

 

600 ar ou 3.000 Fmg

Formule exécutoire………………………….

200 ar ou 1.000 Fmg

200 ar ou 1.000 Fmg

simple copie…………………………..……..

400 ar ou 2.000 Fmg

400 ar ou 2.000 Fmg

Acte de dépôt (statuts, conventions, contrat, rapport et autres)……………………………

 

4.000 ar ou 20.000 Fmg

 

5.000 ar ou 25.000 Fmg

Acte du Greffe :

- en minute……………………….………….

- en brevet …………………….…………….

- diplôme ……………………………………

 

2 000 ar ou 10.000 Fmg

2 000 ar ou 10.000 Fmg

2 000 ar ou 10.000 Fmg

 

3 000 ar ou 15.000 Fmg

3 000 ar ou 15.000 Fmg

3 000 ar ou 15.000 Fmg

Acte de dépôt :

- testaments ……………………….……….

- donations………………….……………

 

6 000 ar ou 30.000 Fmg

6 000 ar ou 30.000 Fmg

 

6 000 ar ou 30.000 Fmg

6 000 ar ou 30.000 Fmg

Certificat de :

- recours ………………………….…………

- non recours et autres .…………...…………

 

800 ar ou 4.000 Fmg

1 000 ar ou 5.000 Fmg

 

800 ar ou 4.000 Fmg

1 000 ar ou 5.000 Fmg

Warrant agricole ……………………………

1 % avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg

1 % avec un maximum de 80000 ar ou 400.000 Fmg

Les droits d’enregistrement, les timbres fiscaux et les frais de déplacement et d’hébergement pour les tribunaux situés dans une localité où il n’y a pas de service d’enregistrement sont en sus.

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement