//-->

Décrets 277

Décret n° 2001-779

 

Décret n° 2001- 779 du 5 septembre 2001

portant délégation de pouvoirs

au Ministre de l’Intérieur

 

Didim-panjakana n° 2001-779

tamin’ny 5 septambra 2001

anomezam-pahefana ny Minisitry ny Atitany

 

Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu La Constitution ;

Vu la loi organique n° 2000-016 du 29 août 2000 déterminant le cadre de la gestion des propres affaires des Provinces autonomes ;

 

Vu l’ordonnance n° 2001-002 du 31 août 2001 portant loi organique relative à l’élection du Président de la République ;

Vu la loi n° 2000-017 du 29 août 2000 relative aux Délégués Généraux du Gouvernement ;

 

Vu le décret n° 98-522 du 23 juillet 1998 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement ;

 

Vu le décret n° 98-530 du 31 juillet 1998 portant nomination des membres du Gouvernement ;

 

Vu le décret n° 97-354 du 10 avril 1997 fixant les attributions du Ministre de l’Intérieur ainsi que l’organisation générale de son Ministère, complété par le décret n° 97-843 du 18 juin 1997 ;

 

En Conseil de Gouvernement,

Décrète :

 

Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-016 tamin’ny 29 aogositra 2000 amaritana ny faritry ny fitantanana ny raharaha tokantranon’ireo Faritany mizakatena ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-002 tamin’ny 31 aogositra 2001 anaovana lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;

Araka ny lalàna laharana faha 2000-017 tamin’ny 29 aogositra 2000 mikasika ny Delege Jeneralin’ny Governemanta eo anivon’ny Faritany mizakatena ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 98-522 tamin’ny 23 jolay 1998 anendrena ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 98-530 tamin’ny 31 jolay 1998 anendrena ireo mambra ao amin’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-354 tamin’ny 10 aprily 1997 mametra ny anjara raharahan’ny Minisitry ny Atitany mbamin’ny fandaminana ankapobe ny Minisiterany, nofenoin’ny didim-panjakana laharana faha 97-843 tamin’ny 18 jona 1997 ;

Eo am-pivorian’ny Governemanta,

Dia mamoaka izao didim-panjakana izao :

 

Article premier - Dans le cadre de la politique générale de l’Etat définie par le Gouvernement, le Ministre de l’Intérieur est chargé, sous l’autorité du Premier Ministre, d’animer, coordonner et contrôler les actions des Délégués Généraux du Gouvernement auprès des Provinces autonomes, en matière d’organisation de l’élection du Président de la République.

 

Art. 2 - Le Ministre de l’Intérieur est chargé de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

Andininy voalohany - Araka ny politika ankapoben’ny Fanjakana nofaritan’ny Governemanta, dia andraikitry ny Minisitry ny Atitany, eo ambany fahefan’ny Praiminisitra, ny manentana, ny mandrindra ary ny manara-maso ny asan’ny Delege Jeneralin’ny Governemanta eo anivon’ny Faritany mizakatena, eo amin’ny lafiny fandaminana ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika.

 

And. 2 - Ny Minisitry ny Atitany no miadidy ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement