//-->

Décrets 279

DÉCRET N°2001-771 du 3 Septembre 2001

 

Décret n° 2001-771 du 3 septembre 2001

fixant les sièges des commissions de recensement matériel des votes pour l’élection du Président de la République

(J.O. n° 2730 E.S. du 04.09.2001, p. 2224)

Didim-panjakana n° 2001-771

tamin’ny 3 septambra 2001

mametra ny toerana ivorian’ny vaomiera tena miandraikitra ny fanisam-bato amin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika (idem)

 

Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu la Constitution,

Vu la loi organique n° 2000-014 du 24 août 2000 portant Code électoral,

 

Vu l'ordonnance n° 2001- 002 du 31 août 2001 portant loi organique relative à l'élection du Président de la République,

Vu l'ordonnance n° 92-018 du 8 juillet 1992 relative à la Haute Cour Constitutionnelle,

 

Vu le décret n° 96-248 du 27 mars 1996 déterminant le titre des Représentants de l’Etat auprès des Collectivités territoriales décentralisées,

 

Vu le décret n° 2001- 768 du 3 septembre 2001 portant convocation des électeurs pour l'élection du Président de la République,

Vu le décret n° 2001- 769 du 3 septembre 2001 fixant les conditions d’application des dispositions de l’ordonnance n° 2001-002 du 31 août 2001 portant loi organique relative à l’élection du Président de la République,

Vu le décret n° 98-522 du 23 juillet 1998 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

 

Vu le décret n° 98-530 du 31 juillet 1998 portant nomination des membres du Gouvernement,

 

En Conseil de Gouvernement,

Décrète :

Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-014 tamin’ny 24 aogositra 2000 anaovana ny Fehezandalàna momba ny fifidianana ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 2001-002 tamin’ny 31 aogositra 2001 anaovana lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;

Araka ny hitsivolana laharana faha 92-018 tamin’ny 08 jolay 1992 mikasika ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 96-248 tamin’ny 27 marsa 1996 mametra ny anaran’ny Solontenam-panjakana eo anivon’ny Vondrom-paritra itsinjaram-pahefana ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2001-768 tamin’ny anaikàna ny mpifidy handatsa-bato amin’ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 2001-769 tamin’ny 3 septambra 2001 mametra ny fomba ampiharana ny fepetra entin’ny hitsivolana laharana faha 2001-002 tamin’ny 31 aogositra 2001 anaovana lalàna fehizoro mikasika ny fifidianana ny Filohan’ny Repoblika ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha 98-522 tamin’ny 23 jolay 1998 anendrena ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta ;

Araka ny didim-panjakana laharana faha-98-530 tamin’ny 31 jolay 1998 anendrena ireo mambra ao amin’ny Governemanta ;

Eo am-pivorian’ny Governemanta,

Dia mamoaka izao didim-panjakana izao :

 

Article premier - La commission de recensement matériel des votes prévue aux articles 108 et 109 de la loi organique n° 2000-014 du 24 août 2000 portant Code électoral siège :

 

 

*       aux chefs-lieux de Fivondronampokontany,

 

*       aux Communes chefs-lieux de Province autonome,

*       au niveau des Communes urbaines d’Antsirabe, Nosy-Be et Sainte-Marie.

 

Art. 2 - Toutes dispositions antérieures contraires au présent décret sont et demeurent abrogées.

 

Art. 3 - Le Vice-Premier Ministre, chargé du Budget et du Développement des Provinces Autonomes, le Ministre des Finances et de l’Economie ; le Ministre de l’Intérieur, le Ministre des Forces Armées, le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, le Ministre de l’Enseignement Secondaire et de l’Education de Base, le Ministre des Postes et Télécommunications, le Ministre de l’Information, de la Culture et de la Communication, le Secrétaire d’Etat près du Ministre de l’Intérieur chargé de la Sécurité Publique, le Secrétaire d’Etat près du Ministre des Forces Armées chargé de la Gendarmerie, sont chargés chacun, en ce qui le concerne, de l’exécution du présent décret qui, en raison de l’urgence, et conformément aux dispositions de l’article 6 de l’ordonnance n° 62-041 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions générales de droit interne et de droit international privé, entre immédiatement en vigueur dès qu’il aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou affichage indépendamment de son insertion au Journal officiel de la République.

 

Andininy voalohany - Ny vaomiera tena miandraikitra ny fanisam-bato voalazan’ny andininy faha-108 sy faha-109 ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2000-014 tamin’ny 24 aogositra 2000 anaovana Fehezandalàna momba ny fifidianana dia mivory :

*       ao amin’ny renivohitry ny Fivondronampokontany,

*       ao amin’ny kaominina renivohitry ny Faritany mizakatena,

*       eo anivon’ny kaominina ambonivohitra Antsirabe, Nosy Be ary Sainte-Marie.

 

And. 2 - Foana avokoa ireo fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin’izao didim-panjakana izao.

 

And. 3 - Ny Praiminisitra Lefitra miadidy ny Tetibola sy ny Fampandrosoana ny Faritany Mizakatena, ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fampianarana ambatonga faharoa sy ny Fanabeazana fototra, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina ary ny Fifandraisana, ny Sekreteram-panjakana miankina amin’ny Minisitry ny Atitany miandraikitra ny Filaminam-bahoaka, ny Sekreteram-panjakana miankina amin’ny Minisitry ny Foloalindahy miandraikitra ny Zandarmaria no miadidy, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay, noho ny hamehana sy araka ireo fepetra voalazan’ny andininy faha-6 entin’ny hitsivolana laharana faha-62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ireo fepetra ankapobe momba ny lalàna eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondrana amin’ny isambatan’olona, dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao nampahafantarina ny besinimaro tamin’ny alalan’ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra na peta-drindrina ankoatra ny famoahana azy ao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement