Décrets 305
SECRETARIAT
D'ETAT CHARGE DE LA SECURITE PUBLIQUE Décret n° 2000-127 du 24 février 2000 fixant les
modalités d'application des nouvelles dispositions de la loi n° 99-032 portant
loi de finances pour I'exercice 2000 relatives à la création de passeport et
délivrance de documents de voyage aux nationaux (J.O. n° 2700 du 09.04.2001, p. 1228) |
SEKRETARIAM-PANJAKANA MIANDRAIKITRA NY FILAMINAM-BAHOAKA Didim-panjakana
n° 2000-127 tamin’ny 24
febroary 2000 anoritana ny fombafomba fampiharana
ny fepetra vaovao voalazan'ny lalàna laharana faha 99-032 anaovana ny lalàna
mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2000 mikasika ny
famoronana pasipaoro sy fanomezana ny taratasy fitondra mivezivezy ho an'ny
teratany (idem) |
Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu la Constitution, Vu la loi n° 62-006 du 6 juin 1962 fixant I'organisation et le
contrôle de I'immigration, Vu la loi n° 91-025 du 12 août 1991 portant organisation et contrôle
de la circulation des nationaux vers I'extérieur modifiée par la loi n°
96-017 du 13 août 1996, Vu la loi n° 96-026 du 2 octobre 1996 portant statut général autonome
des personnels de la Police nationale, Vu la loi n° 99-032 du 3 février 2000 portant loi de finances pour 2000, Vu le décret n° 68-080 du 13 février 1968, modifié par le décret n°
92-644 du 8 juillet 1992 portant règlement général sur la comptabilité
publique, Vu le décret n° 92-970 du 11 novembre 1992 portant règlement général
sur I'exécution des dépenses publiques du budget général de I'Etat et de la gestion des crédits de fonctionnement et
d'investissement, |
Ny
Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta, Araka ny
Lalàmpanorenana, Araka ny
lalàna laharana faha 62-006 tamin'ny 6 jona 1962 manoritra ny fandaminana sy
ny fanaraha-maso ny fifindrà-monina, Araka ny
lalàna laharana faha 91-025 tamin’ny 12 aogositra 1991 anaovana ny
fandaminana sy fanaraha-maso ny fivezivezen'ny teratany mankany ivelany
novan'ny lalàna laharana faha 96-017 tamin' ny 13 aogositra 1996, Araka ny
lalàna laharana faha 96-026 tamin'ny 2 oktobra 1996 anaovana ny
fitsipi-pitondrana ankapobe mahaleotena ho an'ireo mpandraharaha ao amin’ny
Polisim-pirenena, Araka ny
lalàna laharana faha 99-032 tamin'ny 3 febroary 2000 anaovana ny lalàna
mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho amin'ny taona 2000, Araka ny
didim-panjakana laharana faha 68-080 tamin'ny 13 febroary 1968, novan'ny
didim-panjakana laharana faha 92-644 tamin'ny 8 jolay 1992 anaovana ny
fitsipika ankapobe mikasika ny fitanan-kaontim-panjakana, Araka ny
didim-panjakana laharana faha 92-970 tamin'ny 11 novambra 1992 anaovana ny
fitsipika ankapobe momba ny fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana ao
amin'ny tetibolam-panjakana ankapobe sy ny fitantanana ny sora-bola
fampandehanan-draharaha sy fampiasam-bola hamokarana, |
Vu le décret n° 98-522 du 23 juillet 1998 portant nomination du
Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu le décret n° 98-530 du 31 juillet 1998 portant nomination des
membres du Gouvernement, Vu le décret n° 98-725 du 9 septembre 1998 fixant les attributions du
secrétaire d'Etat près du Ministre de I'Intérieur
chargé de la sécurité publique ainsi que I'organisation générale de son
département, Vu le décret n° 2000-083 du 10 février 2000 portant répartition des
crédits autorisés par la loi n° 99-032 portant loi des finances pour 2000, Sur proposition du Secrétaire d'Etat près du Ministre de I'Intérieur chargé de la sécurité publique, En conseil du Gouvernement, Décrète : |
Araka ny didim-panjakana laharana faha 98-522
tamin'ny 23 jolay 1998 anendrena ny Praiminisitra sady Lehiben'ny
Governemanta, Araka ny didim-panjakana laharana faha 98-530
tamin'ny 31 jolay 1998 anendrena ny mambra ao amin’ny Governemanta, Araka ny didim-panjakana laharana faha 98- 725
tamin'ny 9 septambra 1998 manoritra ny anjara raharahan’ny
Sekreteram-panjakana ao amin'ny Minisitry ny Atitany, miandraikitra ny
Filaminam-bahoaka ary koa ny fandaminana ankapobe ny departemanta
iandraiketany, Araka ny didim-panjakana Iaharana faha 2000-083
tamin'ny 10 febroary 2000 itsinjarana ny sorabola eken'ny lalàna laharana
faha 99-032 anaovana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho
amin'ny taona 2000, Araka ny tolo-kevitra naroson’ny
Sekreteram-panjakana ao amin'ny Minisitry ny Atitany, miandraikitra ny
Filaminam-bahoaka, Eo
am-piv.orian’ny Governemanta, Dia mamoaka
izao didy izao : |
Article premier - En application des dispositions de la loi n° 99-032 du 3 février
2000 portant loi des finances pour I'exercice 2000, la délivrance du
passeport de la République de Madagascar conforme au modèle annexe au présent
décret et aux normes de sécurité internationales, en remplacement de celui en
cours de circulation, sera effective à partir du 1er mars 2000. Les titulaires de passep9rt national du modèle ancien sont tenus de
se conformer à la procédure de délivrance du document de voyage visé au
premier alinéa du présent article avant le 31 décembre 2000. |
Andininy voalohany - Ho fampiharana ny fepetra
voalazan'ny lalàna laharana faha 99-032 tamin'ny 3 febroary 2000 anaovana ny
lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona 2000, ny
fanomezana ny pasipaoron'ny Repoblikan'i Madagasikara mitovy amin'ny modely
atovana ity didim-panjakana ity ary mifanaraka amin'ny fenitra
iraisam-pirenena momba ny fandriampahalemana ho solon'ireo ampiasaina
ankehitriny, dia hihatra manomboka ny 1 marsa 2000. Ny tompon'ireo pasipaorom-pirenena araka ny modely
taloha dia tsy maintsy manaraka ny paika arahina amin'ny fanomezana taratasy
fivezivezena voalazan'ny andalana voalohany amin'ity andininy ity, alohan'ny
31 desambra 2000. |
Art. 2 -
Le passeport national nouvellement mis en circulation est valable
trois ans. II ne peut être prorogé. Art. 3 -
La délivrance et le renouvellement du passeport national donnent lieu a
perception d'une taxe d'un montant de 180 000 FMG conformément aux
dispositions de la loi n° 99-032 du 3 février 2000 portant loi des finances
pour I'exercice 2000 susvisée. De même, la délivrance de sauf-conduit est soumise a
un droit de 75 000 FMG avec effet a partir du 1er mars 2000. |
And. 2 - Ny pasipaorom-pirenena vao
navoaka hampiasaina dia manan-kery mandritra ny 3 taona. Tsy azo alavaina
izany fe-potoana izany. And. 3 - Ny fanomezana sy ny fanavaozana
ny pasipaorom- pirenena dia andoavana sarany valo alina sy iray hetsy Iraimbilanja,
araka ny fepetra voalazan'ny lalàna laharana faha 99-032 tamin'ny 3 febroary
2000 anaovana ny lalàna mifehy ny fitantanam-bolam-panjakana ho an'ny taona
2000 voalaza etsy ambony. Toraka izany koa, ny fanomezana fahazoan-dalana dia
andoavana dimy arivo sy fito alina Iraimbilanja izay ampiharina manomboka ny
1 marsa 2000. |
Art. 4 -
Les autres modalités d'application des dispositions du présent décret seront
fixées par arrêté du Secrétaire d'Etat près du ministère de I'Intérieur chargé de la sécurité publique. Art. 5 -
Le Vice-premier Ministre chargé du Budget et du Développement des Provinces
autonomes, le Ministre des Finances et de l'Economie, le Ministre de I'Intérieur et le Secrétaire d'Etat près du Ministre de I'Intérieur chargé de la Sécurité publique sont chargés,
chacun en ce qui le concerne, de I'exécution du présent décret qui sera
publié au Journal officiel de la République. Fait à Antananarivo, le 24 février 2000. Tantely
ANDRIANARIVO. |
And. 4 - Ny fombafomba hafa fampiharana
ny fepetra voalazan'ity didim-panjakana ity dia ho ferana amin'ny alalan'ny
didim-pitondrana ataon'ny Sekreteram-panjakana ao amin'ny minisiteran'ny
Atitany miandraikitra ny Filaminam-bahoaka. And. 5 - Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra ny Tetibola sy ny Fampiroboroboana ny Faritany mizaka tena, ny
Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny Minisitry ny Atitany ary ny
Sekreteram-panjakana ao amin'ny Minisitry ny Atitany miandraikitra ny
Filaminam-bahoaka no miandraikitra, araka izay tandrify azy avy, ny
fanatanterahana izao didim-panjakana izao, izay havoaka amin'ny Gazetim-panjakan’ny
Repoblika. Natao tao Tantely
ANDRIANARIVO. |
Par le Premier
Ministre, Chef du Gouvernement : Le Vice-Premier Ministre charge du Budget et du
Développement des Provinces autonomes, Pierrot RAJAONARIVELO. Le Ministre des Finances et de l'Economie, Tantely
ANDRIANARIVO. Le Ministre de l'Intérieur, Jean Jacques RASOLONDRAIBE. Le Secrétaire d'Efat
charge de la Sécurité publique, AZAL Y Ben Marofo. |
Avy amin'ny
Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta : Ny
Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Tetibola sy ny Fampiroboroboana ny
Faritany mizaka tena, Pierrot
RAJAONARIVELO. Ny
Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, Tantely
ANDRIANARIVO. Ny
Minisitry ny Atitany, Jean
Jacques RASOLONDRAIBE. Ny
Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Filaminam-bahoaka, AZALY Ben
Marofo. |