//-->

Décrets 309

DECRET 2000-028 DU 14 FÉVRIER 2000

Décret n° 2000-028 du 14 février 2000

relatif aux médiateurs environnementaux

(J.O. n° 2627 du 14.02. 2000, p. 1439)

 

Didim-panjakana n° 2000-028

tamin’ny 13 janoary 2000

mikasika ny mpanelanelana momba

ny Tontolo Iainana (idem)

 

Article premier - En application des dispositions de la loi 96-025 du 30 septembre 1996 relative à la gestion locale des ressources naturelles renouvelables, le présent Décret a pour objet de définir les conditions requises pour l'agrément des médiateurs, les modalités de la procédure de médiation environnementale et les causes de cessation de mission des médiateurs environnementaux.

 

Andininy voalohany .- Ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny lalàna laharana faha 96-025 tamin’ny 30 septambra 1996 mikasika ny fitantanana eny an-toerana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina,dia izao didim-panjakana izao no manoritra ny fepetra ilaina amin’ny fankatoavana ny mpanelanelana, ny fombafomba arahina amin’ny paika fanelanelanana momba ny Tontolo Iainana ary ny antonantony itsaharan’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana amin’ny asany.

 

CHAPITRE PREMIER

Dispositions générales

 

Art. 2 - Dans le cadre de la procédure de transfert de gestion des ressources naturelles renouvelables au profit des communautés de base, la médiation environnementale a pour but de faciliter les discussions et les négociations entre les différents partenaires impliqués dans la gestion locale de ces ressources, en contribuant, par l'établissement d'un courant d'information entre les parties, à rapprocher les points de vue et objectifs en présence et à faciliter ainsi l'émergence d'une vision commune et d'une stratégie commune de la gestion à long terme de ces ressources et la définition consensuelle des procédures permettant leur gestion effective.

 

 

Art. 3 - La médiation environnementale est assurée par des médiateurs environnementaux agréés dans les conditions prévues aux articles 10 à 16 du présent décret, et dûment investis de leur mission par les parties en cause.

 

TOKO VOALOHANY

Fepetra ankapobeny

 

And. 2 - Araka ny voafaritra amin’ny fombafomba arahina amin’ny famindram-pitantanana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina ho an’ny vondron’olona ifotony, ny zava-kinendry amin’ny fanelanelanana momba ny tontonlo iainana dia ny hahamora ny adihevitra sy ny fifampiraharahana ifanaovan’ny mpifarimbona samy hafa mirotsaka an-tsehatra amin’ny fitantanana eny an-toerana an’ireny loharanon-karena ireny, amin’ny fisahanana amin’ny alalan’ny zotra ifampitam-baovao amin’ny roa tonta, amin’ny fampiraisan-tendro ny hevitra itompoana sy ny tanjon-kotratrarina ary ny hampisongadinana fomba fijery iombonana sy tetika mandry paika hoenti-mitantana maharitr’ela an’ireny loharanon-karena ireny ary ny famaritana miaraka ny fombafomba ahafaha-mitantana tokoa azy ireny.

 

And. 3 - Ny fanelanelanana momba ny Tontolo Iainana dia tontosain’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana, notoavina araka ny fepetra soritan’ny andininy faha-10 sy faha-16 amin’izao didim-panjakana izao, ary ara-dalàna tokoa ny fampisahanan’asa iandraiketana nampanaovin’ny roa tonta.

 

Art. 4 - Conformément aux articles 25 et 26 de la loi n° 96-025 précitée, la désignation du médiateur environnemental relève de la diligence et de l'appréciation consensuelle des parties.

 

Toutefois, ne peuvent être désignés médiateurs par les parties, les personnes relevant de la juridiction de la commune du lieu de localisation des ressources et les médiateurs ayant la qualité de fonctionnaires ou d'employés des collectivités territoriales concernées par les demandes relevant de leur circonscription.

 

Art. 5 - Tout médiateur qui a connu de l'affaire en tant que conseil d'une des parties en vertu des articles 21 à 23 de la loi précitée doit, s'il est désigné, en informer les parties. 11 ne peut accepter sa mission qu'avec l'accord des parties.

 

Art. 6 - Un arrêté du Maire de la commune de rattachement de la (ou des) communauté(s) de base concernée(s) constate la désignation et l'acceptation du médiateur désigné.

Cet arrêté est pris conjointement par les Maires des communes concernées en cas de demande formulée pour des ressources réparties et /ou indivisibles entre deux (2) ou plusieurs communes.

 

And. 4 - Araka ny andininy faha-25 sy faha-26 amin’ny lalàna laharana faha 96-025 voalaza etsy ambony, ny fanendrena ny mpanelanelana momba ny Tontolo iainana dia hankinina amin'ny fahamalinana sy ny fanombatombanan’ny andaniny sy ankilany mandraikitra fifanekena.

Na izany aza dia tsy ho azon’ny roa tonta, tendrena ho mpanelanelana izay olona voafehin’ny tandrifim-pahefan’ny kaominina anatin’ny faritry ny toerana misy ny loharanon-karena mety havaozina sy ny mpanelanelana mpiasam-panjakana na mpiasa amin’ny vondrom-bahoakam-paritra voakasiky ny fangatahana mifandraika amin’ny ao anatin’ny fari-piadidiany.

 

And. 5 - Ny mpanelanelana rehetra mahafantatra ny toe-draharaha, noho izy mpanolotsaina ny ankilany, araka ny voalazan’ny andininy faha-21 hatramin’ny faha-23 amin’ny lalàna voasoritra etsy ambony, dia tsy maintsy, raha izy no voatendry, mampahafantatra izany amin’ny andaniny sy ankilany.

 

And. 6 - Didim-pitondrana ataon’ny Ben’ny tanàna iankinan’ny (na ireo) vondron’olona ifotony no ahitam-pototra ny fanendrena sy fankatoavana ilay mpanelanelana voatondro.

Miara-manapaka an’io didim-pitondrana io ny Ben’ny tanàna voakasika raha misy fangatahana momba ny loharanon-karena ifampisasahan’ny kaominina iray na maromaro sy/na tsy fari-pananana tsy azony atsitokotoko.

 

Art. 7 - L'investiture doit être acceptée par le médiateur désigné. Cette acceptation doit être mentionnée expressément dans le contrat de médiation régissant les rapports des parties et conçu entre le médiateur et la ou les parties ayant procédé à sa désignation.

 

Art. 8 - Sans préjudice de toutes clauses que les parties peuvent librement convenir pour régir leurs relations, le contrat de médiation qui porte la date de sa conclusion doit notamment indiquer le nom des parties, l'objet de la mission confiée au médiateur, le délai de médiation et ses possibilités de prorogation, les honoraires du médiateur et les modalités contractuelles de paiement.

Le contrat - type de médiation est annexé au présent décret.

 

Art. 9 - Du médiateur désigné. Dans ce cas, le remplaçant pressenti doit avoir acquiescé à la mission et figurer en tant que partie dans le contrat de médiation. En ce cas, les parties peuvent au titre des clauses contractuelles convenir d'un remplaçant en cas de défaillance de silence du contrat sur le remplaçant éventuel, la désignation du nouveau médiateur doit obtenir l'accord des parties et faire l'objet d'un nouveau contrat.

 

And. 7 - Ny fampiandraiketan-draharaha dia ho tsy maintsy noeken’ny mpanelanelana voatondro. Ny fanekeny izany dia tsy maintsy voatondro mazava ao amin’ny fifanekena momba ny fanelanelanana mifehy ny fifandraisan’ny roa tonta ary noheverin’ny mpanelanelana sy/na ny mpifanaiky nanendry azy.

 

And. 8 - Tsy tohinana ny fifamarafaran-teny rehetra nifaneken’ny roa tonta an-kahalalahana hifehy ny fifandraisan’ny vaninandro nandraiketana azy, dia tsy maintsy manondro indrindra indrindra ny anaran’ny andaniny sy ankilany, ny anton’asa aman-draharaha ankinina amin’ny mpanelanelana, ny fe-potoana aharetan’ny fanelanelanana sy ny mety ho fanalavana azy, ny karama omena ny mpanelanelana ary ny fepetra ifanekena momba ny fandoavana izany.

Ny fifanekena lasitra mikasika ny fanelanelanana dia indro atovana izao didim-panjakana izao.

 

And. 9 - Azon’ny andaniny sy ankilany atao ny mifanaiky araka ny fifamarafaran-teny raiketiny ny amin’ny mpisolo toerana raha misy tsy fahafahan’ilay mpanelanelana voatondro. Amin’izay, ilay mpisolo toerana nantonina dia ho tsy maintsy efa nanaiky hiantsoroka ny andraikitra ankinina amin’ny mpanelanelana sy ho anisan’ny mpandray anjara amin’ny fifanekena momba ny fanelanelanana.

 

 

Raha tsy voalaza ao anatin’ny fifanekena ny momba izay mety ho mpisolo toerana, ny fanendrena ny mpanelanelana vaovao dia tsy hifanarahan’ny roa tonta ary ho voarakitry ny fifanekena iray vaovao ifanaovana.

 

CHAPITRE II

De l'agrément des médiateurs environnementaux

 

Art. 10 - Peuvent être désignés médiateurs environnementaux les personnes de l'un ou de l'autre sexe figurant sur la liste nationale des médiateurs environnementaux.

Figurent sur cette liste les candidats ayant suivi une formation en médiation environnementale et ayant reçu l'agrément du Comité d'agrément des médiateurs environnementaux.

La liste nationale des médiateurs environnementaux agréés, avec indication de leur domicile ou de leur résidence habituelle, est arrêtée par le ministère chargé de l'Environnement. Cette liste ainsi que les modificatifs éventuels sont publiés au Journal officiel de la République de Madagascar et affichés au bureau des communes aux endroits habituels des panneaux administratifs.

 

Art. 11 - Le Comité d'agrément des médiateurs environnementaux est composé de :

*      un représentant du ministère chargé de l’Environnement;

*      un représentant du ministère chargé du Foncier;

*      un représentant du ministère chargé des Eaux et Forêts;

*      un représentant du ministère chargé de la Pêche;

*      un représentant du ministère chargé de l'Elevage;

*      un représentant du ministère chargé de l'Agriculture;

*      un représentant du ministère chargé des Provinces autonomes.

A titre consultatif, le Comité peut faire appel à des personnalités extérieures désignées en fonction de leurs compétences.

 

TOKO II

Ny amin’ny fankatoavana ny mpanelanelana

momba ny tontonlo iainana

 

And. 10 - Azo tendrena ho mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana ny olon-drehetra lahy na vavy voasoratra anaty lisitra eram-pirenena ho anisan’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana.

Voasoratra anatin’io lisitra io ny mpilatsa-kofidina naharaka ny fiofanana mikasika ny fanelanelanana momba ny Tontonlo Iainana sy nahazo ny fankatoavan’ny Komity mpanatoa ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana.

Ny lisitra maneram-pirenena mikasika ireo mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana notoavina, ombàn’ny fanondroam-ponenany na izay itoerany mandrakariva dia raiketin’ny Minisitra miadidy ny Tontolo Iainana. Io lisitra io mbamin’izay mety ho fanovana atao aminy dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy atao peta-drindrina eny amin’ny biraon’ny kaominina eo amin’ny toerana mahazatra fametahana ny fampilazana ara-panjakana.

 

And. 11 - Ao amin’ny komity mpanatoa ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana dia ahitana :

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny Ttontonlo Iainana ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny momba ny fananan-tany ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny rano sy ala ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny jono sy ny haren’ny Ati-rano ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny fiompiana ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny fambolena ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny faritany mizaka tena.

Ho filan-kevitra dia azon’ny komity atao ny miantso olo manan-kaja avy ety ivelany tinendriny noho ny fahaizana aman-pahalalana ananany.

 

Art. 12 - Le Comité d'agrément des médiateurs environnementaux est présidé par le représentant du ministère chargé de l'Environnement. L'Office National pour l'Environnement (ONE) en assure le secrétariat. Le Comité établit ses propres règles de procédure et de fonctionnement.

 

Art. 13 - Tout candidat aux fonctions de médiateur environnemental doit :

 

*      être de nationalité malgache ;

*      être âgé de 30 ans au moins à la date du dépôt de candidature ;

*      être titulaire au moins du baccalauréat de l'enseignement secondaire ou d'un diplôme équivalent et avoir une expérience dans le domaine de l'animation rurale ou de l'environnement ­;

*      jouir de ses droits civiques ;

*      n'avoir subi aucune condamnation à l'emprisonnement pour crime ou délit ;

*      jouir d'une bonne moralité attestée par un certificat de moralité délivré par le Maire de la commune du domicile ou de la résidence habituelle.

 

Art. 14 - L'appel de candidatures est lancé par l'ONE par voie de presse et affichage au niveau des communes et partout où besoin est. L'appel indique les conditions de candidature, ainsi que la date limite et le lieu de dépôt des candidatures.

 

And. 12 - Ny Filoha mitarika ny komity mpanatoa ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana dia ny solotenan’ny minisitera miandraikitra ny Tontolo Iainana. Ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana miadidy ny sekretariany. Ny komity no mandraikitra ny fitsipika arahina sy ny fampandehanan’asa aman-draharahany.

 

And. 13 - Izay rehetra milatsaka hisahana ny asa aman-draharahan’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana dia tsy maintsy :

*      mizaka ny zom-pirenena malagasy ;

*      feno 30 taona ahay amin’ny vaninandro filatsahany ho anisany ;

*      manana ahay ny bakalorea amin’ny fampianarana ambaratonga faharoa na mari-pahaizana mitovy lenta aminy sy traikefa mikasika ny fanentanan’olona ambanivohitra na mikasika ny Tontonlo Iainana ;

 

*      mizaka ny zo maha-olom-pirenena azy ;

*      tsy mbola niharan’ny sazy fampidirana am-ponja noho ny heloka bevava na heloka tsotra ;

*      manana fitondran-tena mendrika voamariky ny fanamarinana ny fahamendren-toetra nomen’ny Ben’ny tanànan’ny kaominina ipetrahana na misy ny toeram-ponenana mahazatra.

 

And. 14 - Ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana no mandefa ny fiantsoana hilatsa-kofidina amin’ny alalan’ny gazety sy ny peta-drindrina any amin’ny kaominina sy na aiza na aiza ilàna izany. Voatondro ao anatin’ny fiantsoana ny fepetra filatsahana hofidina ary koa ny vaninandro farany sy ny toerana ametrahana ny filatsahan-kofidina.

 

Art. 15 - Les candidatures recueillies dans les délais prescrits sont, à la diligence de l'ONE, soumises à l'examen d'une Commission d'évaluation au niveau des circonscriptions régionales. Cette Commission est composée de:

 

 

*      un représentant de l'autorité déconcentrée de l'Etat, qui en assure la présidence;

*      un représentant du Ministère chargé de l'Environnement ;

*      un représentant du Programme d'Action Environnemental, désigné par l'ONE, qui en assure le secrétariat ;

 

*      un représentant de la Province autonome concernée ;

*      un représentant régional du ministère chargé des Eaux et Forêts ;

*      un représentant régional du ministère chargé de la Pêche ;

*      un représentant régional du ministère chargé du Foncier ;

*      un représentant du ministère chargé de l'Elevage ;

*      un représentant du ministère chargé de l'Agriculture.

Cette Commission établit la liste des candidats à la formation des médiateurs environnementaux.

 

And. 15 - Ny filatsahan-kofidina voaray tanatin’ny fe-potoana voatondro dia aroso ho dinihan’ny vaomiera mpanao ny fanombatombanana anivon’ny ambaratongam-pitondrana isam-paritra, ka iadidian’ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana ny fahatombonan’izany. Ao anatin’io vaomiera io dia ahitana :

*      solontena iray avy amin’ny manampahefana ara-panjakana anapariaham-pitondrana izay miadidy ny fitarihana azy ;

*      solontena iray avy amin’ny Minisitera miandraikitra ny Tontonlo Iainana ;

*      solontena iray avy amin’ny Fandaharan’asa momba ny Tontonlo Iainana, tinendrin’ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana, izay miadidy ny fitanana ny sekretariany ;

*      solontena iray avy amin’ny Faritany mizaka tena voakasika ;

*      solontena iray isam-paritra avy amin’ny minisitera miandraikitra ny rano sy ala ;

*      solontena iray isam-paritra avy amin’ny minisitera miandraikitra ny jono ;

*      solontena iray isam-paritra miandraikitra ny momba ny fizakan-tany ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra ny fiompiana ;

*      solontena iray avy amin’ny minisitera miandraikitra nny fambolena.

Io vaomiera io no mandraikitra ny lisitry ny mpilatsa-kofidina amin’ny fanofanana ireo ho mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana.

 

Art. 16 - Les candidats, convoqués à la diligence de l'ONE, sont soumis à un test de capacité et de motivation, aux jour et date indiqués dans la convocation.

 

Les candidats ayant réussi ce test sont autorisés à suivre une formation auprès du (ou des) centre(s) de formation des médiateurs environnementaux agréés par le Ministère chargé de l'Environnement, sur proposition de l'ONE.

 

And. 16 - Ny mpilatsaka kehin’ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana dia misedra ny fitsapana momba ny fahaiza-manao sy fisiam-piniavana amin’ny andro sy vaninandro voatondro ao anatin’ny fiantsoana azy.

Ny mpilatsaka nahomby tamin’izany fitsapana izany dia omen-dalàna hanaraka fiofanana any amin’ny (na ireo) toeram-piofanan’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana notoavin’ny Minisitera miandraikitra ny Tontolo Iainana, arka ny tolo-kevitra avy amin’ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana.

 

CHAPITRE III

Des modalités de la procédure de la médiation environnementale

 

Art. 17 - A moins qu'il n'y soit mi-fin avant terme dans les cas prévus aux Art. 28 à 36 du présent décret, la mission du médiateur commence à partir de la conclusion du contrat de médiation et se termine au moment de l'accomplissement de la mission prévue dans le contrat.

 

 

Art. 18 - Dans les limites prévues par la loi n° 96-025 relative à la gestion locale des ressources naturelles renouvelables, le médiateur se trouve investi dès la conclusion du contrat de médiation de tous les pouvoirs nécessaires pour mener à bonne fin sa mission.

 

 

II doit notamment veiller à ce que tout le dossier de médiation lui soit transmis dans les meilleurs délais et faire le nécessaire pour que les négociations puissent se dérouler au moment prévu en la présence de toutes les parties.

A cet effet, il doit s'assurer de la disponibilité de toutes les parties concernées pendant toute la durée des négociations et communiquer suffisamment à temps, à l'autorité chargée de la convocation, le calendrier des opérations convenu avec les parties.

 

TOKO III

Fombafomba arahina amin’ny paika itondrana

ny fanelanelanana momba ny tontonlo iainana

 

And. 17 - Afa-tsy raha toa izany faranana alohan’ny fotoana amin’ireo anton-javatra voalazan’ny andininy faha-28 hatramin’ny faha-36 amin’izao didim-panjakana izao, ny andraikitra iantsorohan’ny mpanelanelana dia miantomboka amin’ny faharaiketan’ny fifanekena momba ny fanelanelanana ary mifarana raha vao vita ny fiantsorohan’adidy aman’andraikitra voalazan’ny fifanekena.

 

And. 18 - Araka ny voafetran’ny lalàna laharana faha 96-025 tamin’ny 30 septambra 1996 mikasika ny fitantanana eny an-toerana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina, dia zakain’ny mpanelanelana avy hatrany, raha vao raikitra ny fanelanelanana, ny fahefana rehetra ilaina ahatanterahany an-tsakany sy an-davany ny andraikitra nankinina taminy.

Tandroiny indrindra indrindra ny hahatongavan’ny antontan-taratasy aminy anatin’ny fe-potoana mahamety azy mba hahatontosana izay hampizotra ara-potoana voatondro ny fifampiraharahana anatrehan’ireo rehetra voakasika.

 

Amin’izay dia ataony ny hanan’antoka fa vonona daholo ny andaniny sy ankilany voakasika mandritra ny fotoanm-paharetan’ny fifampirarahana sy ho voampita anatin’ny fe-potoana sahaza izany any amin’ny manampahefana mahefa ny fiantsoana ny fanondroanandron’ny lahasa nifanarahan’ny roa tonta.

 

Art. 19 - Le médiateur doit assurer personnellement la mission qui lui est confiée. II ne peut se faire suppléer par un tiers.

Ces dispositions ne font pas obstacle à la possibilité pour le médiateur de faire appel à toutes les compétences qu'il estime nécessaires et notamment recourir au service d'un ou plusieurs experts chargés de lui faire un rapport écrit sur des points précis qu'il déterminera.

Les parties sont notifiées d'une copie du mandat de l'expert et du rapport ainsi établi.

 

 

Art. 20 - Les parties sont conviées à participer aux négociations par lettre du représentant de l'Etat auprès de la (ou des) commune (s) de rattachement de la (ou des) communauté(s) de base concernée(s).

Cette lettre valant convocation rappelle le calendrier des opérations et invite les parties à procéder à la désignation de leurs représentants aux négociations.

 

And. 19 - Tsy maintsy ho tontosain’izy tenany mpanelanelana ny andraikitra napetraka taminy. Tsy azony ailika amin’olon-kafa ivelany izany.

Ireo fepetra ireo dia tsy misakana ny fahafahan’ny mpanelanelana hiantso izay rehetra manamahay heveriny fa tokony hatomina mba hitady indrindra indrindra ny firotsahana an-tsehatry ny manamahay iray na maromaro hanao tatitra mandry an-tsoratra aminy mikasika lohahevitra mazava tsara izay ho faritany.

Ampahafantarina ny andaniny sy ankilany ny kopian’ny fampiantsorohan’andraikitra an’ilay manamahay ary ny tatitra ataony amin’izany.

 

And. 20 - Asaina ny roa tonta mba handray anjara amin’nyalalan’ny taratasy alefan’ny solotenan’ny Fitondran-draharaham-panjakana ao amin’ny (na ireo) kaominina iankinan’ny vondron’olona ifotony voakasika.

 

Io taratasy io zary fanaikana hivory dia itsiahivana ny fanondroanandron’ny lahasa vitaina sy angatahina amin’ny roa tonta mba hanendry ny solontenany amin’ny fifampiraharahana.

 

Art. 21 - Sauf si les services du médiateur environnemental sont sollicités par une seule partie aux fins de l'assister dans l'élaboration de tout ace préparatoire à la demande ou à la décision d'agrément ou subséquent à la conclusion du contrat de gestion, sont parties dans la procédure de négociations :

 

*      la (ou les) communauté(s) de base demanderesse(s) ;

*      la collectivité territoriale ou le (ou les) ministère(s) technique(s) gestionnaire(s), si les ressources appartiennent à l'Etat ;

*      la (ou les) commune(s) sur le territoire de laquelle (desquelles) se trouvent les ressources objet de la demande.

Ces collectivités cumulent les deux qualités si elles sont en même temps propriétaires des ressources.

 

And. 21 - Afatsy raha toa ny andaniny iray ihany no mangataka ny firotsahan’ny mpanelanelana an-tsehatra mba hanampy azy amin’ny famolavolana izay rehetra sora-panekena famolavolana ny fangatahana na fandraisana fanapahan-kevitra fanatoavana na aorian’ny faharaiketan’ny fifanekena momba ny fitantanan’asa aman-draharaha, dia tompon’antoka amin’ny fandehan’ny fifampirarahana :

*      ny (na ireo) vondron’olona ifotony mangataka izany ;

*      ny vondrom-bahoaka isam-paritra sy ny (na ireo) minisitera teknika mpitantana, raha an’ny Fanjakana ireny loharanon-karena ireny ;

*      ny (na ireo) kaominina izay ao anatin’ny fari-piadidiany no misy an’ireo loharanon-karena anaovana fangatahana.

Iarahan’ireny vondrom-bahoaka ireny mitana izany fiantsorohan’andraikitra anankiroa izany raha toa samy tompon’ireo loharanon-karena izy.ireo.

 

Art. 22 - Les parties désignent pour participer aux négociations des représentants qui doivent avoir l'autorité nécessaire et le pouvoir de négocier en leur nom.

Elles peuvent inclure dans leur délégation toute personne ou tout organisme ou groupement de leur choix pour les assister dans les négociations patrimoniales sans que le nombre total des représentants par entité puisse dépasser cinq (5) personnes.

 

Art. 23 - La (ou les) communauté(s) de base est (sont) représentée(s) par le(s) président(s) et les membres de sa (leur) structure de gestion.

Les représentants des collectivités territoriales concernées sont désignés selon les règles particulières qui les régissent.

L'Etat, s'il est propriétaire des ressources, est représenté par les responsables des services techniques centraux et /ou locaux matériellement compétents.

 

Art. 24 - Les discussions et négociations ont lieu directement entre les parties concernées sous l'égide du médiateur qui n'aura qu'un rôle de facilitateur et de conseiller neutre.

 

 

Le médiateur peut donner un avis obligatoire si les parties le demandent, mais il ne peut ni imposer une solution aux parties ni prendre fait et cause pour l'une des parties.

 

 

Art. 25 - Les résultats des négociations patrimoniales sont, à la diligence du médiateur environnemental, confiés aux parties par le représentant de l'Etat auprès de la (ou des) commune(s) de rattachement.

 

Ils sont intégrés au titre des conditions de transfert, dans le contrat de gestion qui sera conclu avec l’attributaire.

Conformément à l'article 16 de la loi n° 96-025 relative à la gestion locale des ressources naturelles renouvelables, l'agrément est délivré par l'autorité compétente après acceptation et signature par les parties concernées dudit contrat lequel fera corps avec la décision d'agrément.

 

And. 22 - Ny andaniny sy ankilany no manendry ny solontenany handray anjara amin’ny fifampiraharahana izay hizaka ny tandrifim-pahefana ilaina sy ny fahazoa-mandraikitra fifanarahana amin’ny anarany.

Azony aiditra ho isan’ny solotenany ny olona na antokon-draharaha rehetra na antokon’olona finidiny mba hanampy azy amin’ny fifanarahana mikasika ny fari-pananana kanefa tsy hihoatra ny dimy (5) ny isa manontolon’ny olona avy amin’ny vondrona tsirairay.

 

 

And. 23 - Ny (na ireo) vondron’olona ifotony dia ny (na ireo) Filohany na mpikambana ao amin’ny drafi-pitantanana no misolo tena azy.

Araka ny fepetra manokana mifehy azy ireo no anendrena ny solontenan’ny vondrom-bahoakam-paritra voakasika.

Ny Fanjakana raha toa izy no tompon’ny loharanon-karena, dia ny tompon’andraikitra amin’ny sampandraharaha ifotony sy/na eny an-toerana mahefa izany no misolo tena azy.

 

And. 24 - Ny adihevitra sy fifampiraharahana dia ifanaovan’ny andaniny sy ankilany voakasika avy hatrany eo ambany fiahian’ny mpanelanelana izay tsy hisahana afa-tsy ny asan’ny mpanamora ny fahatontosan-draharaha ihany sy mpanolontsaina tsy miandany amin’ny atsy na aroa.

Ny mpanelanelana dia afa-mandroso tolo-kevitra tsy maintsy arahina, raha mangataka izany ny andaniny sy ankilany. Tsy azony atao anefa na ny manery hampihatra vahaolana ho an’ny andaniny sy ankilany na ny miandany fotsiny tanteraka amin’ny iray amin’ny roa tonta.

 

And. 25 - Ny andaniny sy ny ankilany no manankina amin’ny solon-tenam-panjakana ao amin’ny (na ireo) kaominina ifampiankinany ny vokatry ny fifampiraharahana, momba ny farim-pananana, ka imasoan’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana ny fahatontosan’izany.

Araka ny fepetra arahana amin’ny fitantanam-panana dia mirotsaka ant-tsehatra anatin’ny fanekem-pitantanana izay hifanndraiketana amin’ny mahazo izany.

Araka ny andininy faha 16 amin’ny lalàna laharana faha 96-025 mikasika ny fitantanana eny an-toerana ny loharanon-karena mety havaozina, ny manome fankatoavana dia ny manampahefana ara-panjakana rehefa neken’ny roa tonta voakasika sy nosoniaviny ilay fanekena izay ho tafiditra anisan’ny ao amin’ny fanapahana momba ny fankatoavana.

 

CHAPITRE IV

Des causes de cessation de mission

 

 

Art. 26 - La procédure de médiation environnementale peut cesser avant terme pour l'une des causes prévues à l'article 29 ci-après.

 

 

Art. 27 - Sans préjudice de toute action judiciaire que toute partie estime devoir intenter devant la juridiction compétente pour inexécution ou mauvaise exécution de ses obligations par le médiateur désigné ou de toute action disciplinaire pouvant être intentée contre le médiateur devant le Conseil de discipline pour manquement aux règles de déontologie prévues par la loi n° 96-025 susvisée, la survenance de l'une des causes visées à l'Art. 29 ci-dessous, dûment constatée par l'autorité ayant procédé à la constatation de la désignation, entraîne immédiatement cessation de la mission du médiateur.

 

Sauf cas de révocation, la procédure se trouve suspendue jusqu'à la désignation d'un nouveau médiateur.

 

TOKO V

Antonantony mampitsahatra

ny fiantsorohan’andraikitra ankinina aminy

 

And. 26 - Ny paika arahina mikasika ny tontonlo iainana dia azo atsahatra alohan’ny fe-potoana figadonany noho ny iray amin’ny antonantony voalazan’ny andininy faha-29 manaraka etoana.

 

And. 27 - Tsy tohinina ny fampakaram-pitsarana rehetra izay heverin’ny andaniny sy ankilany fa tokony harosony amin’ny antokom-pitsarana mahefa izany noho ny tsy fanatanterahana na tsy fanatontosana manaraka ny izy ny fiantsorohan’ny mpanelanelana voatendry ny andraikiny na izay rehetra fampakaram-pitoriana mikasika ny fitsipi-pifehezana azo atolaka amin’ny mpanelanelana anoloan’ny filan-kevitra momba ny fitsipi-pifehezana noho ny tsy fandalàna ny fitsipika ny hasin’asa voalazan’ny lalàna laharana faha 96-025 etsy ambony, ny fitrangan’ny iray amin’ireo antonantony voatondron’ny andininy faha-29 eto ambany, ny manampahefana no mizaha fototra ara-dalàna izay nanao ny fanendrena azy, dia mitarika avy hatrany ny fampitsaharana ny asan’ny mpanelanelana.

Afa-tsy raha misy ny fanonganana, dia mihantona ny paika arahina mandra-pisian’ny fanendrana mpanelanelana vaovao.

 

Art. 28 - L'arrêté rapportant la désignation est notifié aux parties. II constate, sans indiquer les motifs, la cause de cessation de mission et invite les parties à procéder à la nomination d'un nouveau médiateur, selon les modalités prévues aux articles 4 à 9 du présent décret.

 

 

Art. 29 - Sous réserve des conventions particulières des parties, la procédure de médiation environnementale prend fin par le décès ou l'empêchement du médiateur, la démission ou le renoncement du médiateur à sa mission, la récusation ou désistement des parties.

 

Art. 30 - Le décès du médiateur, en cours de procédure, entraîne cessation de la mission. Dès la survenance du fait, toute partie intéressée doit en informer l'autorité ayant procédé à la constatation de la désignation.

Sauf désistement ou convention contraire des parties, il est pourvu à son remplacement dans les conditions prévues à l'article 28 du présent décret.

 

And. 28 - Ampahafantarina ny roa tonta ny didim-pitondrana manafoana ny fanendrena azy. Hita fototra ao anatiny, tsy omban’antonantony, ny nahatonga ny fitsaharan’ny asany ary dia iangaviana ny andaniny sy ankilany hanendry mpanelanelana iray vaovao, araka ny fombafomba voalazan’ny andininy faha-4 hatramin’ny faha-9 amin’izao didim-panjakana izao.

 

And. 29 - Hajaina ny fifanarahana manokana nifanaovan’ny andaniny sy ankilany fa ny paika arahina amin’ny fanelanelanana momba ny tontonlo iainana dia mifarana raha toa maty na misy tsy fahafahan’ny mpanelanelana, ny fametraham-pialany na ny fisintahany amin’ny andraikiny, ny fionganany na mitsoa-pahana ny andaniny sy ankilany.

 

And. 30 - Ny fahafatesan’ny mpanelanelana, anatin’ny fotoana aharetan’ny paika arahina dia mitarika ny fitsaharan’ny asany. Raha izany no mitranga dia tsy maintsy ampahafantarin’ny andaniny voakasika ny manampahefana nanao ny fanendrena azy.

Afa-tsy raha misy ny fitsoaham-pahana na fifanarahana ifanaovan’ny roa tonta mifanohitra amin’izany, dia atao ny fanoloana azy araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-28 amin’izao didim-panjakana izao.

 

Art. 31 - En cas d'empêchement du médiateur survenu au cours de la procédure, pour cause soit de maladies ou d'infirmités incompatibles avec tes exigences et les sujétions inhérentes à sa mission, soit par suite de ta perte du plein exercice de ses droits civiques, soit par suite de sa condamnation à une peine d'emprisonnement pour crime ou délit, le médiateur en cause doit, dès la survenance de ces événements en informer les parties et l'autorité ayant procédé à la constatation de la désignation.

En cas de carence du médiateur, les parties peuvent, à tout moment de la connaissance des faits, demander sa récusation.

 

Art. 32 - Le médiateur qui démissionne ou renonce à l'accomplissement de sa mission, doit également en informer les parties et l'autorité ayant procédé à la constatation de sa désignation, sous peine d'être reproché d'abstention.

 

Art. 33 - L'abstention consiste en l'inaction ou en l'absence d'initiative du médiateur pour accomplir les actes ou opérations relevant de sa mission.

Le caractère fallacieux des motifs allégués pour justifier l'abstention équivaut à l'abstention pure et simple.

Sans préjudice de toute peine disciplinaire pouvant être encouru en raison de ce manquement, l'abstention constitue une cause de récusation.

 

And. 31 - Raha misy ny tsy fahafahan’ny mpanelanelana anatin’ny fotoana aharetan’ny paika arahina, noho ny antony fisian’ aretina na takaitra tsy mifanerana amin’ny zava-takian’ny asany sy loloha mitambesatra aminy, na koa izy very zo amin’ny fizakana tanteraka ny maha-olom-pirenena azy, noho izy iharan’ny sazy fampidirana am-ponja noho ny heloka bevava na heloka tsotra, dia tsy maintsy ampahafantarin’ilay mpanelanelana voakasika, raha vao mitranga izany toe-javatra izany ny andaniny sy ankilany mbamin’ny manampahefana nanao ny fanendrena azy.

Raha tsy vitan’ilay mpanelanelana izany dia azon’ny roa tonta atao mandrakariva, vantany vao fantany izany toe-javatra izany, ny mangataka ny fampionganana azy.

 

And. 32 - Ny mpanelanelana izay mametra-pialana na mitsoa-pahana amin’ny fiantsorohana ny andraikiny dia tsy maintsy mampahafantatra ihany koa ny andaniny sy ankilany ary ny manampahefana nanao ny fanendrena azy, fa raha tsy izany dia ho tsiniana aminy ny fialan’adidy.

 

And. 33 - Ny hoe fialan’adidy dia ny fitomoeram-poana na ny tsy fisiam-piniavana eo amin’ilay mpanelanelana hanantateraka ny hetsika sy lahasa manandrify ny andraikitra ankinina aminy.

Ny laingalainga ampifaharana ny antonantony enti-manamarina ny fialan’adidy dia midika ho tsy fiantsorohan’adidy aman’andraikitra fotsiny izao.

Tsy tohinina izay rehetra sazy ara-fitsipi-pifehezana mety hihatra noho io fialan’adidy io fa ny tsy fiantsorohan’adidy aman’andraikitra dia antony iray mitarika ny fampionganana.

 

 

Art. 34 - Hormis les cas prévus aux articles 31 à 33 ci-dessus, la récusation du médiateur peut toujours être demandée par les parties, en cas de doute sur l'impartialité et l'indépendance du médiateur.

La récusation, notifiée à la diligence dé la partie intéressée au médiateur et à l'autorité ayant procédé à la constatation de la désignation prend effet dès sa constatation par la dite autorité.

 

Art. 35 - Tombent notamment sous le coup de l'article 34 ci-dessus :

*      le médiateur qui se trouve dans l'un des cas d'incompatibilité visé à l'article 4 du présent décret ou qui a connu de l'affaire en tant que conseil d'une partie mais qui n'en a pas informé les parties ;

*      le médiateur qui s'est départi de son obligation de neutralité prévue aux articles 30 de la loi n° 96-025 susvisée et 24 du présent décret.

 

And. 34 - Afa-tsy amin’ireo toe-javatra voalazan’ny andininy faha-31 hatramin’ny faha-33 eto ambony, dia azon’ny andaniny sy ankilany angatahina foana ny fampionganana ny mpanelanelana, raha ahiahiany ny fisian’ny fitongilanana na ny tsy fahaleovany tena.

Ny fanonganana izay ampahafantarin’ny andaniny iray voakasika amin’ny mpanelanelana sy amin’ny manampahefana nanao ny fanendrena azy dia manan-kery vantany vao voazahan’io manampahefana io fototra izany.

 

And. 35 - Ahatra indrindra indrindra ny andininy faha-34 etsy ambony :

*      amin’ny mpanelanelana tràn’ny iray amin’ireo tsy fifankahenenana voalazan’ny andininy faha-4 amin’izao didim-panjakana izao na nahafantatra ny fandehan’ny toe-draharaha noho izy mpanolontsaina ny andaniny iray kanefa tsy nampahalala izany ny roa tonta

*      ny mpanelanelana miamboho adidy amin’ny tsy fombàna ny atsy na aroa voalazan’ny andininy faha-30 amin’ny lalàna laharana faha-96-025 voatondro etsy ambony sy ny andininy faha-24 amin’ity didim-panjakana ity.

 

Art. 36 - La renonciation des parties à poursuivre la procédure de médiation environnementale interrompt la procédure et entraîne la révocation du mandat du médiateur désigné.

La renonciation est acquise dès qu'une seule des parties impliquées dans la procédure se désiste de la procédure de négociation.

 

Elle peut être expresse ou se déduire de l'attitude de la partie qui entend y renoncer. L'absence sans motifs d'une partie aux négociations constitue notamment une cause de renonciation implicite.

Les parties sont libres de revenir sur la révocation et de convenir soit d'un nouveau contrat qui investit le même médiateur ou d'autres médiateurs de la même mission ou d'autres missions, soit de continuer avec le même médiateur les opérations interrompues par l'effet de la révocation.

La continuation est subordonnée à l'accord du médiateur pour mener à bien la mission qui lui est confiée.

 

Art. 37 - Dans les cas de décès ou de démission du médiateur, il est procédé par les soins du ministère chargé de l'Environnement à la radiation du médiateur en cause de la liste nationale des médiateurs environnementaux. La radiation peut être opérée à partir de la notification aux parties de l'arrêté constatant la cause de cessation de mission.

Si la radiation résulte du retrait d'agrément prononcé à titre disciplinaire par le Conseil de Discipline, elle ne peut être effectuée par le ministère chargé de l'Environnement que sur certificat du greffier de la juridiction administrative compétente attestant le caractère définitif de la décision intervenue.

 

Dans tous les cas, la radiation est publiée dans le Journal officiel de la République de Madagascar et affichée au bureau des communes aux endroits habituels des placards administratifs. Ces publications ne comporteront aucune indication des motifs de la radiation.

 

And. 36 - Ny tsy fanohizan’ny andaniny sy ankilany ny paika fanelanelanana momba ny Tontonlo Iainana dia mampitsahatra izany paika arahina izany ary mitarika ny fahafoanan’ny andraikitra nampizakaina ilay mpanelanelana voatondro.

Raikitra ny fisian’ny fitohizan’izany raha vao ny andaniny iray amin’ny roa tonta voakasika no mitsoa-pahana tsy hanohy ny paika fanatontosana ny fifampiraharahana.

Mety ho voalaza mazava tsara izany na ho voavinavina avy amin’ny fihetsika ataon’ilay te-hitsoa-pahana. Ny tsy fahatongavan’ny ankilany iray tsy ombàn’antonantony dia midika fa mitsoa-pahana izy.

 

Malalaka ny fahazoan’ny andaniny sy ny ankilany miverina amin’ny teny fampionganana nataony sy handraikitra fifanekena iray vaovao mampiantsorok’adidy an’io mpanelanelana io ihany, na ny hanohy miaraka amin’io mpanelanelana io ihany ny fanatontosana ny lahasa tapaka vokatry ny fampionganana.

 

Ny fitohizany dia miankina amin’ny fankatoavan’ilay mpanelanelana hanatanteraka an-tsakany sy an-davany ny asa ankinina aminy.

 

And. 37 - Raha misy ny fahafatesan’ny mpanelanelana na fametraham-pialany dia ataon’ny minisitera miandraikitra ny Tontonlo Iainana ny fikosehana ny anaran’ilay mpanelanelana amin’ny lisitry ny mpanelanelana eram-pirenena momba ny Tontolo Iainana. Ny fikosehan’anarana dia azo tontosaina amin’ny alalan’ny fampahafantarana ny anton’ny fampitsaharana amin’asa amin’ny andaniny sy ankilany.

Raha toa ny fikosehan’anarana ka vokatry ny fanafoanana ny fankatoavana nahatran’ny filankevitra momba ny fitsipi-pifehezana ho famaizana ara-pitsipika, dia tsy azon’ny minisitera miandraikitra ny Tontonlo Iainana atao izany raha tsy misy ny taratasi-panamarinana avy amin’ny mpiraki-draharahan’ny antokom-pitsarana ara-pitondrana mahefa milaza fa tena raikitra ny fanapahana noraisina.

Amin’anton-javatra rehetra dia avoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara sy atao peta-drindrina eo amin’ny biraon’ny kaominina amin’ny toerana rehetra mahazatra ametrahana izany ara-panjakana. Ireny famoahan-dahatsoratra ireny dia tsy ahitana filazalazana mihitsy ny amin’ny antonanton’ny fampionganana.

 

Art. 38 - Conformément aux dispositions de l'article 36 de la loi n° 96-025 relative à la gestion locale des ressources naturelles renouvelables, le Comité d'agrément des médiateurs environnementaux est érigé en Conseil de discipline pour connaître de tout manquement du médiateur aux obligations attachées à sa fonction.

 

 

Art. 39 - Un règlement intérieur définit les règles de procédure et de fonctionnement du Conseil de discipline. Ce règlement doit être conforme aux lois et règlements en vigueur. Il doit notamment assurer l'égalité de traitement des parties et la contradiction des débats, et permettre aux intéressés de faire valoir en temps utile leurs moyens de défense.

 

Avant toute mise en application, il doit être visé par le Ministère de la Justice et publié après visa au Journal officiel de la République de Madagascar.

 

And. 38 - Araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-36 amin’ny lalàna faha 96-025 mikasika ny fitantananana eny an-toerana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina, dia araikitry ny komity mpanatoa ny mpanelanelana momba ny Tontonlo Iainana ho Filankevitra ara-pitsipi-pifehezana mba hamantarana izay rehetra hadisoan’ny mpanelanelana teo amin’ny fanatanterahana ny adidy aman’andraikitra mifandrohy amin’ny asa sahaniny.

 

And. 39 - Ny fitsipika anatiny no manoritra ny paika arahina sy ny fampandehanana ny asan’ny Filankevi-pifehezana. Io fitsipika anatiny io dia ho tsy maintsy mifanaraka amin’ny didy aman-dalàna ary fitsipika manan-kery. Tandrovina indrindra indrindra ny fisian’ny fitoviam-pitondrana ny andaniny sy ankilany mbamin’ny fisian’ny fifanakalozana eo amin’ny adihevitra ifanaovana ary ny hahafahan’ireo izay voakasika mampivoitra ara-potoana mahamety izany ny fehin-teny fiarovan-tenany.

Alohan’izay rehetra fampiharana azy dia tsy maintsy voamarin’ny Minisiteran’ny Fitsarana izy io ary aorian’ny fanamarinana azy dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

CHAPITRE V

Dispositions transitoires

 

Art. 40 - A titre transitoire et en attendant qu'il soit procédé au recrutement d'un nombre suffisant de médiateurs environnementaux pour couvrir tout le territoire national, l'Office National pour l'Environnement est autorisé :

*      à repérer les candidats médiateurs et les communautés de base expérimentaux dans le cadre de la formation - recherche - action ;

 

*      à préparer et à mettre en œuvre le système de formation continue des médiateurs et à désigner les formateurs des futurs médiateurs ;

*      à encadrer les premières opérations de médiation ;

*      à mettre en place le système de suivi et d'évaluation.

Le nombre de médiateurs environnementaux requis en vertu du présent article est d'au moins deux (2) médiateurs établis dans chaque région.

 

TOKO V

Fepetra tetezamita

 

And. 40 - Mandritra ny tetezamita ary mandra-piandry ny hahavitan’ny fandraisan-kiasa mpanelanelana momba ny tontonlo iainana ampy isa mba hahenika ny faritry ny tanim-pirenena dia omen-dàlana ny Foibem-pirenena momba ny Tontolo Iainana mba :

*      hamantatra ny mpilatsaka ho isan’ny mpanelanelana sy ny vondron’olona ifotony anaovana andrana araka izay voafaritra anatin’ny fanofanana-fikarohana-fiatrehana lahasa ;

*      hanomana sy hampihatra ny drafi-panofanana mitohy ireo mpanelanelana sy hanendry ny ho mpanelanelana aty aoriana ;

 

*      hanao andrimaso ny asam-panelanelanana voalohany iatrehana ;

*      hametraka ny drafitra enti-manantontosa ny fizohiana sy ny fanombanana.

Ny isan’ny mpanelanelana ilaina araka ity andininy ity dia ho mpanelanelana roa ahay miori-ponenana any amin’ny faritra isanisany.

 

CHAPITRE VI

Dispositions finales

 

Art. 41 - Des arrêtés seront pris en tant que de besoin pour l'application du présent décret.

 

Art. 42 - Le Vice-Premier Ministre chargé du Budget et du Développement des Provinces Autonomes, le Ministre de l'Environnement, le Ministre de Eaux et Forêts, le Ministre de la Justice, Garde des Sceaux, le Ministre de l'Aménagement du Territoire et de la Ville, le Ministre de l'Agriculture, le Ministre de la Pêche et des Ressources Halieutiques, le Ministre de l'Elevage et le Ministre de l'Intérieur sont chargées, chacun en ce qui le concerne, de l'exécution du Présent Décret qui sera publié au Journal officiel de la République de Madagascar.

 

TOKO VI

Fepetra farany

 

And. 41 - Hisy ny didim-pitondrana raisina araka ny ilàna izany ho fampiharana izao didim-panjakana izao.

 

And. 42 - Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny tetibola sy ny fampandrosoana ny Faritany mizaka tena, ny Minisitry ny Tontonlo iainana, ny Minisitry ny Rano sy Ala, ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Kasem-panjakana, ny Minisitry ny Fanajariana ny tany sy ny tanan-dehibe, ny Minisitry ny Fambolena, ny Minisitry ny Fanjonoana sy ny Haren’ny Ati-rano, ny Minisitry ny Fiompiana ary ny Minisitry ny Atitany no miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fanantaterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblikan’i Madagasikara.

 

 

 

Annexe au décret 2000-028

du 13 janvier 2000

relatif aux médiateurs environnementaux

 

 

CONTRAT - TYPE DE MEDIATION ENVIRONNEMENTALE

 

Tovana amin’ny didim-panjakana n° 2000-028 tamin’ny 13 janoary 2000

mikasika ny Mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana

 

Fifanekena lasitra amin’ny Fanelanelanana

momba ny tontolo iainana

 

Article premier - Le présent contrat définit les conditions de la médiation environnementale entre:

d'une part,

*      l'Etat malagasy (représenté par le Ministère de ....................) ou la collectivité territoriale, propriétaire des ressources naturelles renouvelables transférables ;

*      la (ou les) Commune (s) de ……………

*      la (ou les) communauté(s) de base appelée(s) ........................, demanderesse(s) du transfert de gestion des ressources naturelles renouvelables précitées

et d'autre part,

*      M, Mme, Mlle .................................... , médiateur environnemental agréé par l'Etat,

domicilié à ............................

 

Andininy voalohany - Izao fifanekena izao dia manoritra ny fepetra fanatontonsana ny fanelanelanana momba ny tontolo iainana, ifanaovan’ny :

Andaniny,

*      Ny Fanjakana malagasy (ny misolo tena azy dia ny Minisiteran’ny ……………), na ny vondrom-bahoakam-paritra, tompon’ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina azo afindra ny fitantanana azy ;

*      Ny (na ireo) kaominina ao ………………………. ;

*      Ny (na ireo) vondron’olona ifotony atao hoe …………, mangataka ny famindram-pitantanana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina voalaza eto ambony ;

Ankilany,

*      Atoa, Rtoa ……………………………………….., mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana notoavin’ny Fanjakana, miorim-ponenana ao ………..

 

Art. 2 - Le présent contrat est établi en conformité avec les dispositions du décret 2000-028 du 13 janvier 2000 relatif aux médiateurs environnementaux.

 

Art. 3 - L'objet de la mission du médiateur est de:

*      faciliter les discussions et les négociations entre les parties;

*      comprendre leurs points de vue respectifs sur les ressources naturelles;

*      élaborer une vision commune de l'avenir à long terme de ces ressources;

 

*      définir des procédures permettant leur gestion effective, en bien commun, sur la base de cette vision et de ces stratégies communes;

 

 

Art. 4 - Le délai de médiation est fixé à ............ mois. Ce délai peut être prorogé d'accord parties à la demande du médiateur environnemental.

 

And. 2 - Izao fifanarahana izao dia natao mifanaraka amin’ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana faha-2000-028 tamin’ny 13 janoary 2000 mikasika ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana.

 

And. 3 - Ny antonanton’ny andraikitra iantsorohan’ny mpanelanelana dia ny :

*      fanamorana ny adihevitra sy ny fifampiraharahana ifanaovan’ny andaniny sy ankilany ;

*      fahatakarana ny foto-kevitra itompoany avy mikasika ny loharanon-karena voajanahary ;

*      famolavolana ny ho fomba fijery iaraha-manana lavitr’ezaka any aoriana mikasika an’ireny loharanon-karena ireny ;

*      famaritana ny paika arahina amin’ny tena fitantanana, ho isan’ny fananana iombonana, izay atao mifototra amin’izany fomba fijery izany sy ireo tetika mandry paika iraisana.

 

And. 4 - Ny fotoam-paharetan’ny fanelanelanana dia ferana ho ……………volana. Azo havaozina, raha mifanaraka ny roa tonta, io fe-potoana io araka ny fangatahana ataon’ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana.

 

Art. 5 - Le médiateur se trouve investi de sa mission à compter de la date de signature du présent contrat. La signature du médiateur vaut acceptation de cette investiture. La mission du médiateur se termine après l'accomplissement des objectifs prévus par l'article 3 ci-dessus.

 

 

 

Art. 6 - Le médiateur s'engage à assumer personnellement la mission de médiation en respectant ses obligations de neutralité à l'endroit des parties concernées.

En cas d'empêchement personnel, selon les cas prévus par l'article 31 du décret précité relatif aux médiateurs environnementaux, le médiateur est tenu d'en informer les parties et l'autorité ayant procédé à la constatation de sa désignation.

 

En cas d'abstention du médiateur, les parties signataires peuvent le récuser. Le doute sur l'impartialité et l'indépendance du médiateur peut également constituer des motifs de récusation.

 

And. 5 - Misahana ny adidy iantsorohany ny mpanelanelana manomboka amin’ny vaninandro anaovan-tsonia an’izao fifanekena izao. Zary fanekena hiantsoroka izany adidy aman’andraikitra izany ny fametahan-tsonia. Mitsahatra ny fisahanan’ny mpanelanelana ny adidy aman’andraikiny rehefa tontonsa ny zava-kinendry voalazan’ny andininy faha-3 etsy ambony.

 

And. 6 - Manaiky ny mpanelanelana fa izy tenany mihitsy no hanatanteraka ny asa aman-draharaha fanelanelanana amim-panajana ny fenitra tsy fombana ny atsy na ny aroa amin’ireo andaniny sy ankilany voakasika.

Raha misy tsy fahafahan’izy tenany manokana, araka ireo toe-javatra voalazan’ny andininy faha-31 amin’ny didim-panjakana voatondro etsy ambony mikasika ny mpanelanelana momba ny Tontolo Iainana, dia tsy maintsy mampahafantatra izany amin’ny roa tonta ilay mpanelanelana sy amin’ny manampahefana nanao ny fizaham-pototra ny fanendrena azy.

Raha tsy miala adidy ilay mpanelanelana dia azon’ny andaniny sy ankilany nanao sonia ny fandavana ny hirotsahany an-tsehatra. Ny ahiahy mikasika ny mety ho fitongilanan’ny mpanelanelana amin’iray amin’ny roa tonta dia mety ho anisan’ny antonanton’ny fitsipahana azy.

 

Art. 7 - Les parties signataires sont tenues de transmettre dans les meilleurs délais au médiateur tous les éléments d'information relatifs au dossier de médiation environnementale.

 

Art. 8 - La cessation de la médiation peut intervenir à la suite d'une renonciation des parties à poursuivre la procédure de médiation environnementale. Dans ce cas, les parties sont tenues de payer les honoraires du médiateur en proportion du travail de médiation accompli.

 

Art. 9 - Les honoraires du médiateur sont fixés à ...................... FMG pour l'ensemble de la mission prévue à l'article 3 du présent contrat.

 

 

 

 

Conformément aux dispositions de l'article 28 de la loi n° 96-025 relative à la gestion locale des ressources naturelles renouvelables, les honoraires du médiateur sont supportées à parts égales par les autres parties signataires du présent contrat.

Pour financer les honoraires du médiateur, la communauté de base peut se faire aider par tout organisme ou groupement de son choix.

 

And. 7 - Tsy maintsy ataon’ny andaniny sy ankilany miara-manao sonia, ny fampitana faran’izay haingana any amin’ny mpanelanelana ny zava-boalaza anatin’antontan-taratasy fampaha-lalan-draharaha mikasika ny fanelanelanana momba ny tontolo iainana.

 

And. 8 - Azo atao ny fampitsaharana ny fanelanelanana raha tsy tohizan’ny andaniny sy ankilany ny paika fanelanelanana momba ny Tontolo Iainana. Amin’izay ny roa tonta, dia ho efaina ny karaman’ny mpanelanelana arakaraka ny asa vita amin’ny fanelanelanana.

 

And. 9 - Ny karama omena ny mpanelanelana dia ferana ho ………………Iraimbilanja amin’ny fitambaramben’ny adidy aman’andraikitra iantsorohany araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-3 amin’izao fifanekena izao. Amin’izay, ny andaniny sy ankilany dia tsy maintsy manefa ny karaman’ny mpanelanelana, arakaraka ny asa vitan’izy ireo.

Araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-28 amin’ny lalàna laharana faha 96-025 mikasika ny fitantanana eny an-toerana ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina, ny karama ny mpanelanelana dia hozakain’ireo andaniny sy ankilany amin’ireo nanao sonia izao fifanekena izao ka hitovy ny anjara raisiny amin’izany

Mba ho enti-manana ny karaman’ny mpalenanelana dia azon’ny Vondron’olona Ifotony atao ny mitady fanampiana amin’izay rehetra antokon-draharaha na fikambanana finidiny

 

Art. 10 - Le paiement des honoraires du médiateur se fait par tranches selon les modalités convenues entre les parties au présent contrat.

En cas de non-paiement de ses honoraires selon le calendrier prévu, le médiateur environnemental peut dénoncer le présent contrat, sans préjudice d'une éventuelle action en justice.

 

Art. 11 - Si une modification du présent contrat s'avère nécessaire, le propriétaire des ressources naturelles renouvelables transférables, la communauté de base et le médiateur se réunissent à la demande de l'une des parties.

 

Art. 12 - Le présent contrat prend effet à la date de sa signature.

 

Fait à .................... ., le ...................................

 

And. 10 - Ny fandoavana ny karaman’ny mpanelanelana dia isan’ampahany no andoavana azy araka ny fombafomba nifandraiketan’ny andaniny sy ankilany amin’izao fifanekena izao.

Raha misy ny tsy fahaloavana ny karamany araka ny fanondroandro voatondro, dia azon’ny mpanelanelana momba ny Tontonlo Iainana atao ny mitsipaka ity fifanekena ity, kanefa dia tsy tohinina ny mety ho fampakaran-draharaha amin’ny fitsarana.

 

And. 11 - Raha ilaina ny fanosoham-panovàna amin’ity fifanekena ity dia miara-mivory araka ny fangatahana ataon’ny iray amin’ny roa tonta, ny mpitompo ny loharanon-karena voajanahary mety havaozina azo afindra ny fitompoana azy mbamin’ny vondron’olona ifotony sy ny mpanelanelana.

 

And. 12 - Izao fifanekena izao dia manan-kery amin’ny vaninandro anaovan-tsonia azy.

 

Natao tao …………… ny ………………………….

 

Le représentant de l'Etat

(Ministère gestionnaire des ressources)

Maire de la Commune de .....................

Le Président de la Structure de Gestion de la Communauté de Base de ...........

Le Médiateur Environnemental

 

Ny solontenam-panjakana

(Minisitera mitantana ny loharanon-karena)

 

Ny Ben’ny tanàna ao amin’ny kaominina ao …………………….

 

Ny filohan’ny drafi-pitantanana ny Vondron’olona ifotony ao ………..

Ny Mpanelanelana momba ny tontonlo iainana

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement