//-->

Décrets 320

Décret n° 99- 334 du 5 mai 1999

DECRET N° 99-334 DU 5 MAI 1999

 

Portant organisation des Centres de destruction

de billets de banque

(JO n°2583 du 5.7.99 p. 1454)

 

Article premier - Les Centres de destruction de billets de banque hors d’usage ou retirés de la circulation sont créés sur décision du Conseil d’administration de la Banque centrale.

 

 

Art. 2 - Les modalités de fonctionnement , la surveillance et le contrôle des opérations de destruction des billets de banque sont sous la responsabilité exclusive de la Banque Centrale.

Le Gouverneur nomme, au niveau de chaque Centre, des responsables de destruction parmi les agents de la Banque Centrale. Avant d’entrer en fonction, ceux-ci prêteront serment de remplir leur mission en leur âme et conscience devant le tribunal de première instance de leur circonscription.

 

 

Art. 3 - A l’issue de chaque séance de destruction, un procès-verbal indiquant le nombre par type de billets détruits et leur valeur totale est dressé et signé par les responsables de l’opération de destruction.

Une expédition du procès-verbal est adressée au Gouvernement de la Banque Centrale, et l’original est classé au Centre de destruction dans un registre ad’hoc.

 

 

Art. 4 - Avant leur acheminement vers un Centre de destruction, les billets hors d’usage ou retirés de la circulation feront l’objet d’une opération de perforation diligentée par deux représentants de la Banque Centrale auprès de chaque agence. Les billets perforés sont soumis à une vérification par unité ou par sondage avant leur destruction.

 

Art. 5 - En tant que de besoin, des instructions signées par le Gouverneur fixeront les modalités d’application du présent décret.

 

Art. 6 - Sont abrogées les dispositions du décret n°71-537 du 30 novembre 1971.

 

 

Art. 7 - Le Ministre chargé des Finances et de l’Economie et le Gouverneur de la Banque Centrale sont chargés, chacun en ce qui le concerne de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel.

DIDIM-PANJAKANA N°99-334

tamin’ny 5 may 1999

Momba ny fandaminana ny Foibe fanapotehina ny vola taratasy amin’ny banky

(idem)

 

Andininy voalohany - Amin’ny alàlan’ny fanapahan-kevitry ny Filankevi-pitondrana ny Banky Foibe no hananganana Foibe fanapotehana ny vola taratasy tsy miasa intsony na nosintonina teo amin’ny fifanakalozana.

 

And. 2 - Ny Banky Foibe no tompon’andraikitra tanteraka samirery amin’ny famerana ny fomba fiasa, ny fiambenana ary ny fanaraha-maso ny asa fanapotehana ny vola taratasy.

Ny Filohan’ny Banky Foibe no manendry amin’ireo mpiasa ao aminy izay tompon’andraikitry ny fanapotehana isaky ny Foibe tsirairay. Alohan’ny andraisan’izy ireo ny asany dia manao fianianana hanatanteraka izany amin-kitsim-po sy araka ny feon’ny fieritreretany eo anatrehan’ny Fitsarana ambaratonga voalohany misy eo amin’nytoerana iasany izy ireo.

 

And. 3 - Isaky ny mahavita fanapotehana dia raketina an-tsoratra ny isan’ny karazam-bola taratasy voapotika sy ny tontalim-bidiny avy ary soniavin’ny tompon’andraikitry ny asa fanapotehana izany.

Ny dika iray mitovy amin’ny fitànana an-tsoratra dia alefa any amin’ny Filohan’ny Banky Foibe, ny matoan’ny fitànana an-tsoratra kosa dia tahirizina ao amin’ny Foibe fanapotehana ary soratana amin’ny boky atokana hoamin’izany.

 

And. 4 - Alohan’ny handefasana azy any amin’ny toerana fanapotehana, dia ny solontenan’ny Banky Foibe anankiroa any amin’ny mahasoivohony isanisany no miadidy ny fanamariham-pandavahana ny taratasim-bola. Tsy maintsy isaina tsirairay na amin’ny alalan’ny fanasivanana ny vola taratasy voatrobaka alohan'ny fanapotehana azy ireny.

 

And. 5 - Raha misy ilàna izany dia hisy toromarika havoakan’ny Filoha hamaritra ny fombafomba fampiharana ity didim-panjakana ity.

 

And. 6 - Foanana ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana faha-71-537 tamin’ny 30 novambra 1971.

And. 7 - Ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena ary ny Filohan’ny Banky Foibe no miandraikitra, araka izay tandrify azy avy, ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity izay havoaka ao amin’ny Gazetim-panjakana.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement