//-->

Décrets 324

DECRET N° 99-130

DECRET N° 99-130

DU 17 FEVRIER 1999

portant organisation et fonctionnement du Comité technique consultatif en matière de santé, d’hygiène, de sécurité et de l’environnement du travail

(JO n° 2612 du 22.11.99 p. 3320)

 

 

TITRE PREMIER

Généralités

Article premier - Il est institué auprès du ministère chargé du Travail et de la Protection sociale, en application de l’article 19 de la loi n° 94-027 du 17 novembre 1994 portant Code d’hygiène, de sécurité, et de l’environnement du travail : un Comité technique consultatif en matière de santé, d’hygiène, de sécurité et de l’environnement du travail.

 

 

 

Art. 2 - Le Comité technique consultatif en matière de santé, d’hygiène, de sécurité et de l’environnement du travail est un organe de consultation en matière de santé, d’hygiène, de sécurité et d’environnement du travail.

 

DIDIM-PANJAKANA N° 99-130

TAMIN’NY 17 FEBROARY 1999

mamaritra ny fandaminan-draharaha sy ny fomba fiasan’ny Komity teknika ilan-kevitra mikasika ny fahasalamana, ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa

(idem)

 

LOHATENY VOALOHANY

Famaritana ankapobeny

 

Andininy voalohany - Mitsangana eo anivon’ny minisitera miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ara-tsosialy, ho fampiharana ny andininy faha-9 ao amin’ny lalàna laharana faha-94-027 tamin’ny 17 novambra 1994 izay mametraka ny Fehezan-dalàna mikasika ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa ny Komity teknika ilan-kevitra mikasika ny fahasalamana, ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa.

 

And. 2 - Ny Komity teknika ilan-kevitra mikasika ny fahasalamana, ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa dia rantsana iray ilan-kevitra momba ny fahasalamana, ny fitandrovana izany, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa.

 

TITRE II

Missions

Art. 3 -

1. Le Comité technique consultatif participe à l’élaboration de la politique nationale de prévention des risques professionnels. A cet effet, il propose au Ministre chargé du travail, toutes mesures susceptibles d’améliorer la santé, l’hygiène, la sécurité et l’environnement du travail.

 

 

2. Le Comité technique consultatif est consulté sur :

- les projets de loi intéressant la prévention des risques professionnels ;

- les projets de règlements pris en application des dispositions législatives relatives à la santé, l’hygiène, la sécurité et l’environnement du Travail.

3. Le Comité technique consultatif suit les recommandations du Conseil national d’orientation de la protection sociale.

LOHATENY II

Andraikiny

And. 3 -

1. Ny Komity teknika ilan-kevitra dia mandray anjara amin’ny famolavolana ny politikam-pirenena momba ny fisorohana ny loza mety ateraky ny asa. Noho izany, mandroso soso-kevitra ho an’ny Minisitra miandraikitra ny Asa izy, amin’izay fepetra rehetra ilaina, ho enti-manatsara ny fahasalamana, ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolon’ny asa.

2. Anontaniana ny hevitrtr’io Komity io amin’ireto :

- volavolan-dalàna mikasika ny fisorohana ny loza vokatry ny asa ;

- volavolam-pitsipika raisina ho fampiharana ny fepe-dalàna mikasika ny fahasalamana, ny fitandrovam-pahasalamana, ny fiarovana ary ny tontolo ny asa.

3. Io Komity teknika ilan-kevitra io dia manaraka fehin-kevitry ny Filankevi-pirenena mpanoro làlana mikasika ny fiahiana ny mpiara-belona.

TITRE III

Organisation

 

Art. 4 - Le Comité technique consultatif est composé de dix-sept (17) membres :

*      le Ministre chargé du Travail et de la Protection sociale, ou son représentant, Président ;

*      un représentant du ministère chargé du Travail et de la Protection sociale ;

*      un représentant du ministère chargé de l’Industrialisation et de l’Artisanat ;

 

*      un représentant du ministère chargé de l’Energie et des Mines ;

 

*      un représentant du ministère chargé de la Santé ;

*      un représentant du ministère chargé des Travaux publics ;

*      un représentant du ministère chargé de l’Agriculture ;

*      un représentant du ministère chargé de l’Environnement ;

*      un représentant du ministère chargé de la justice ;

*      un représentant du ministère chargé du Transport et de la Météorologie ;

 

*      un représentant de la Commission de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales de l’Assemblée nationale ;

*      deux représentants de l’Inspection provinciale du travail ;

*      deux médecins représentants des organisations sanitaires inter-entreprises ;

 

*      deux représentants de la Caisse nationale de prévoyance sociale.

 

 

Art. 5 -

1. Les membres sont proposés par les organisations concernées.

2. Leur désignation est confirmée par arrêté du Ministre chargé du travail et de la Protection sociale ;

3. Leur mandat est de deux ans renouvelable une fois.

 

LOHATENY III

Fandaminana asa

 

And 4 - Fito ambin’ny folo (17) ny mpikambana ao amin’ny Komity teknika ilan-kevitra :

*      ny Minisitra miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ara-tsosialy na ny solontenany, Filoha ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ara-tsosialy ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Asa-tànana ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Angovo sy ny Harena an-kibon’ny tany ;

*      iray (1) minisitera miadidy ny Angovo sy ny Harena an-kibon’ny tany ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Asa vaventy ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Fambolena ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Tontolo iainana ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Fitsarana ;

*      iray (1) solontenan’ny minisitera miadidy ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro ;

*      iray (1) solontenan’ny Vaomiera miandrakitra ny Asam-panjakana, sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy ao amin’ny Antenimieram-pirenena ;

*      roa (2) solontenan’ny Fisafoana mikasika ny asa eo anivon’ny Faritany ;

*      roa(2) mpitsabo avy amin’ny Fikambanana misahana fahasalamana iraisan’ny orinasa ;

roa(2) solontenan’ny Tahirim-pirenena miadidy ny Fiahiana ara-tsosialy (CNaPS).

 

 

 

And 5 -

1. Ny mpikambana dia atolotry ny Fikambanana voakasik’izany.

2. Didim-pitondrana ataon’ny Minisitra miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ara-tsosialy no manapaka ny fanendrena azy ireo.. ;

3. Roa taona ny faharetan’ny asan’izy ireo ary azo havaozina indray maka ihany.

TITRE IV

Fonctionnement

 

Art. 6 -

1. Le Comité technique consultatif se réunit en Assemblée générale ordinaire sur convocation de son président qui fixe la date et l’ordre du jour de la séance.

2. Une réunion en Assemblée générale extraordinaire peut également avoir lieu à la demande des deux tiers du Comité et sur convocation du président.

 

 

Art. 7 -

1. Le comité délibère valablement quel que soit le nombre des membres présents.

2. Toute décision est prise à la majorité absolue des voix des membres présents.

3. Le vote se fait à main levée.

 

Art. 8 - Toute personne dont l’avis est souhaité peut être conviée par le Comité à assister à sa réunion. Toutefois, elle ne participe pas à la prise de décision.

 

Art. 9 - Un règlement intérieur sera établi au besoin par les membres du Comité technique consultatif et conformé par arrêté pris par le Ministre chargé du Travail et de la Protection sociale.

LOHATENY IV

Fomba fiasa

 

And 6 -

1. Ny Komity teknika ilan-kevitra dia manao fivoriambe ara-potoana araka ny fiantsoana ataon’ny filoha izay manondro ny vaninandro sy ny loha-diniky ny fivoriana ;

2. Ny Fivoriambe tsy ara-potoana dia azo hatao ihany koa araka ny fangatahan’ny roa ampahatelon’ny mpikambana ary araka ny fiantsoana ataon’ny filoha.

 

 

And 7 -

1. Ny Komity dia manapa-kevitra ara-dalàna na firy ny mpikambana tonga mivory na firy ;

2. Ny fanapahan-kevitra rehetra dia tsy maintsy lanian’ny antsasa-manila ;

3. Atao tsanga-tànana ny fifidianana.

 

And. 8 - Ny olona rehetra heverina fa ilaina ny heviny dia azo antsoin’ny Komity hanatrika ny fivoriany. Nefa io olona io dia tsy mandray anjara amin’ny fanapahan-kevitra.

 

And. 9 - Hanana fitsipika anaty araka ny liana izany ny mpikambana ao amin’ny Komity teknika ilan-kevitra araka ny didim-pitondrana avoakan’ny Minisitra miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ny mpiara-belona.

 

TITRE V

Dispositions diverses

Art. 10 - Les modalités d’application du présent décret seront autant que de besoin, précisées par arrêté pris par le Ministre chargé du Travail et de la Protection sociale.

 

Art. 11 - Le Ministre chargé du Travail et de la Protection sociale, le Ministre chargé de l’Industrialisation et de l’Artisanat, le Ministre chargé de l’Energie et des Mines, le Ministre chargé de la Santé, le Ministre chargé des Travaux publics, le Ministre chargé de l’Agriculture, le Ministre chargé de l’Environnement, le Ministre chargé de la Justice, le Ministre chargé du Transport et de la Météorologie sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l’application du présent décret qui sera enregistré et publié au journal officiel de la République.

 

LOHATENY V

Fepetra samihafa

And. 10 - Ny fomba fampiharana ity didim-panjakana ity dia ho tondroin’ny didim-pitondrana avoakan’ny Minisitra miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ny mpiara-belona.

 

And. 11 - Ny Minisitra miadidy ny Asa sy ny Fiahiana ny mpiara-belona, ny Minisitra miadidy ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Asa-tànana, ny Minisitra miadidy ny Angovo sy ny Harena an-kibon’ny tany, ny Minisitra miadidy ny Angovo sy ny Harena an-kibon’ny tany, ny Minisitra miadidy ny Fahasalamana, ny Minisitra miadidy ny Asa vaventy , ny Minisitra miadidy ny Fambolena, , ny Minisitra miadidy ny Tontolo iainana, , ny Minisitra miadidy ny Fitsarana, , ny Minisitra miadidy ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr’andro dia miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fampiharana ity didim-panjakana ity izay ho raiketina sy havoaka amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement