//-->

Décrets 335

DECRET N° 98-610 du 13 août 1998

DECRET N° 98-610 du 13 août 1998

 

réglementant les modalités de la mise en œuvre de la Sécurisation Foncière Relative, application de la loi n° 90-012 du 6 juin 1997 modifiant et complétant la loi n° 90-033 du 21 octobre 1990 portant Charte de l'Environnement

TITRE PREMIER

DEFINITION - OBJET

 

CHAPITRE PREMIER

 

Définition et champ d'application de la sécurisation foncière relative.

 

 

Article premier. - En application de la loi n0 96-025 du septembre 1996 relative à la gestion locale des ressource naturelles renouvelable, la Sécurisation foncière Relative, dénommée SFR par la suite, est définie comme une procédure consistant en la délimitation d'ensemble du terroir d'une communauté locale de base bénéficiaire de la naturelles renouvelables ainsi qu' au constat des occupations comprises dans le terroir.

 

 

 

 

 

Art. 2. - Elle constate uniquement le droit de jouissance des occupants et peut constituer une étape vers l'immatriculation foncière.

 

 

 

CHAPITRE 2

 

Opérations préliminaires

à la Sécurisation Foncière Relative

 

Art. 3. - Après agrément administratif de la demande de transfert de gestion par la commune, l'opération Sécurisation foncière Relative est ouverte par décision du Ministre dont relève services fonciers ou son représentant:

 

 

 

Art. 4. - Les limites du périmètre soumis à la SPR sont celles arrêtées dans le cadre du processus de transfert de gestion des ressources naturelles renouvelables au profit de la ou de(s) communauté(s) locale(s) de base.

 

 

 

 

 

 

TITRE II

METHODOLOGIE

 

CHAPITRE 3

 

Sensibilisation, enquête, délimitation

et abornement

Art. 5.- La SFR est précédé d'une campagne d'information menée auprès de la ou des collectivités concernées.

 

 

Art. 6. - Les limites du périmètre font l'objet d'un abornement un levé topographique régulier rattaché au réseau géodésique tant.

 

 

Art. 7. - Les délimitations et enquêtes parcellaires effectuées publiquement par un géomètre assermenté sont réputées contradictions.

Un état parcellaire faisant ressortir

 

- les références de la parcelle;

- le ou les occupants;

- la consistance de l'immeuble et éventuellement la superficie approximative.

- les litiges éventuels

sera dressé. Un plan parcellaire expédié ou un agrandissement photographique sera annexé au dit état.

 

 

CHAPITRE 4

 

Documents de la Sécurisation Foncière Relative

Conservation- Droit de jouissance

 

Art. 8. - Les parcelles de grande superficie ne faisant pas l'objet d'une occupation pourront être constituées en réserves foncières au profit de la communauté et dont les conditions de gestion seront fixées par un cahier des charges.

 

Art. 9. - Les documents de la Sécurisation Foncière Relative documents 5FR sont constitués par:

 

a. Le plan de la ressource naturelle renouvelable objet du transfert de ;

b. Le plan du périmètre de la zone soumise à la SFR ainsi le procès-verbal dressé lors de sa délimitation;

c. L' Ftat parcellaire dénommé état SFR et le plan parcellaire dénommé plan 5FR;

 

Ces documents sont établis en deux exemplaires.

 

 

 

Art. 10. - Après vérification technique par la Direction des Services topographiques, les minutes des documents SFR sont annexées au contrat de transfert de gestion des ressources naturelles renouvelables et déposées à la Commune du ressort, et le double conservé par le Bureau de la Conservation des Documents topographiques Fonciers de céans (CDTF).

 

 

 

Art. Il. - Toute modification des limites des parcelles, autres celles des ressources naturelles renouvelables, dûment trouvée par la Communauté doit faire l'objet d'une mise à jour documents 5FR par un géomètre assermenté. Les modalités de cette mise à jour feront l'objet d'un arrêté du Ministre chargé des Services fonciers.

 

 

Toutes formalités relatives à la cession de droit de jouissance parcelles soumises au régime 5FR doivent être enregistrées auprès de la Commune concernée qui en informera le Bureau de la conservation des Documents Topographiques Fonciers du ressort.

 

Art. 12. - Toute nouvelle occupation ou extension doit être autorisée par la Commune de rattachement.

 

CHAPITRE 5

 

Arbitrage et recours

 

Art. 13. - Les litiges entre les occupants sont arbitrés par le Maire de la Commune de la situation de l'immeuble.

L'arbitrage ne doit cependant être réalisé sans que toute action de conciliation n'ait été préalablement entreprise.

 

Art.14.- Toute voie de recours est ouverte aux entités concernées sur la délimitation parcellaire auprès des autorités administratives compétentes.

Aucun recours ne devra cependant être entrepris avant l'arbitrage du Maire de la Commune où se trouve la parcelle litigieuse.

 

 

 

 

 

 

 

CHAPITRE 6

 

Immatriculation et fin du régime

Sécurisation Foncière Relative

 

 

 

Art.15.- La SFR prend fin par l'immatriculation collective des parcelles du périmètre sur demande de la communauté.

Toutefois, chaque occupant peut à tout moment demander l'immatriculation de ses parcelles lesquelles seront immédiatement soustraites du régime SFR.

 

 

 

CHAPITRE 7

 

Dispositions particulières

 

Art.16.- Toute parcelle comprise dans le périmètre et ayant déjà fait l'objet d'un dépôt de demande d'acquisition n'est pas soumise au régime SFR. En cas de rejet de la demande, le terrain concerné est soumis d'office au régime SFR et jusqu'au dépôt des documents SFR auprès de la Commune. En tout état de cause, les documents SFR devront être mis à jour de toute modification de la situation originelle.

 

 

 

 

Art.17.- Les propriétés déjà immatriculées au nom de particulier et celles déjà affectées et comprises dans un périmètre de SFR ne sont pas soumises au régime SFR.

 

Art.18.- Les portions du domaine public comprises dans le périmètre objet de la SFR restent soumises aux textes les régissant.

 

Art.19.- Le vice-premier Ministre chargé du Budget et du Développement des Provinces autonomes le Ministre de l'Aménagement du Territoire et de la Ville, le Ministre de la Pêche et des Ressources Halieutiques, le Ministre de l'Environnement , le Ministre des Eaux et Forêts, le Ministre de l'Elevage et le Ministre de l'Intérieur sont chargé chacun en ce qui le concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal Officiel de la République.

LOHATENY VOALOHANY

FAMARITANA_ANTONY

 

TOKO VOALOHANY

 

Famaritana sy sehatra ampiharana ny fampisian-toky amin' ny ampahany

 

 

Andininy voalohany. - Ho fampiharana ny lalàna laharana faha-96-25 tamin'ny 30 septambra 1996 mikasika ny fitantanana eny an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo havaovana, ny fampisian-toky amin' ampahany amin' ny fananan-tany, ato hoe SFR amin' ny manaraka, dia soritan' ny paika arahina amin' ny famaritana ny fitambaran' ny sombin-tany isitrahan' ny tsitairay eo amin' ny faritry ny vohitra onenan' ny vondron' olona ifotony nahazo ny fitantanana ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina ary koa ny fizahana fototra ny fipetrahana ao arnin' ny sombin-tany.

 

And. 2. - Ny SFR dia mamantatra fotsiny ihany ny zo fisitrahana ananan' ireo izay mipetraka amin' ny tany ary mety ho dingana mankany amin' ny firaiketana amin' ny bokim-pananan­tany.

 

TOKO FAHAROA

 

Fepetra raisina mialoha ny fampisian-toky

amin' ampahany amin' ny fananan-tany

 

And. 3. - Ao aorian' ny fankatoavana ara-panjakana ataon' ny Kaominina ny fangatahana famindrarn-pitantanana, ny asa mikasika ny fampisian-toky amin'ampahany amin' ny fananan-tany dia sokafana amin' ny alàlan' ny fanapahana raisin' ny Minisitra iankinan' ireo Sampan-draharahan' ny fananan-tany na ny solontenany.

 

And. 4.- Ny faritry ny toerana iharan' ny SFR dia izay tapaka tao anatin' ny fombafomba natao ho famindrana ho amin' ny na (ireo) vondron' o1ona eny an-toerana aty ifotony ny fitantanana ireo loharanon-karena voajanahary azo havaozina.

 

 

 

 

 

LOHATENY FAHAROA

FOMBA FIASA

 

TOKO-FAHATELO

 

Fanentanana, fanadihadiana, faniaritana

ary fanatsatoham-bato

 

And. 5. - Ny SFR dia hialohavana fanentanana fampahalalam-baovao natao eo anivon' ny na ireo vondrom-bahoaka voakasik' izany.

 

And. 6. - Ny faritry ny toerana misy ny tany dia anaovana tsato-bato sy sarin-tany ara-dalàna izay miraikitra amin' ny tambajotra ara-taosarin-tany efa misy.

 

And. 7. - Ny famaritana sy ny fanadihadiana mikasika ny sombin-tany izay 'tanterahin' ny uripandrefitany vita fianianana ampahibemaso dia heverina ho mifanohitra.

Hatao ny firaiketana an-tsoratra momba ny sombin-tany izay mamoaka:

-ny fanondroana ny sombin-tany;

-ny na ireo mipetraka ao;

-ny zava-misy eo amin' ny tany ary ny mety ho velarany ara-keviny;

- ny fifanolanana mety hisy.

Hisy sarintany tsotsotra momba ny sombintany na sary an­habakabaka noalehibiazina atovana ny firaiketana an-tsoratra ny sombin-tany.

 

TOKO PAHEFATRA

 

Taratasy firaketana mikasika ny fampisian-toky amin' ampahany amin' ny fananan-tanyFikajiana ny Zo fizakana ny tany

 

And. 8. - Ireo sombin-tany be velarana tsy misy mipetraka dia azo atao ho tahirim-pananan-tany voatokana ho an' ny fokonolona ka ny fomba fitantanana azy dia ho ferana ao anatin 'ny bokin' andraikitra.

 

 

And. 9. - Ny taratasy firaketana ny fampisian-toky amin' ny ampahany amin' ny fananan-tany (taratasy firaketana SFR) dia ahitana:

a. Ny sarin-tanin' ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina voakasiky ny famindram-pitantanana;

b. Ny sarin-tanin' ny faritra voakasiky ny SFR ary l:oa ny fitanana an-tsoratra izay natatamin' ny fotoana nanaovana ny famaritana azy;

d. Ny fitanana an-tsoratra ny sombin-tany izay nailtsoina koa hoe raiki-tsoratra SFR sy ny sarin-tany miaraka aminy antsoina hoe sarin-tany SFR.

Atao sosony roa mitovy ireo taratasy firaketana ireo.

 

And. 10. - Aorian' ny fanamarinana ara-teknika nataon' ny Foibem-pitondran' ny Sampan-draharahan' ny fandrefesan-tany, ny matoan-tsoratry ny taratasy firaketana SFR dia ampiarahina amin' ny fifanekena famindram-pitantanana ireo loharanon-karena voajanahary azo havaozina ary apetraka ao amin' ny Kaominina misy ilay faritra ary ny kopia kosa dia tahirizina ao amin' ny Biraon' ny fitehirizana ny taratasy firaketana ny sarin-tany (BCDTF).

 

And. 11. - Ny fiovana rehetra nankatoavin' ny mpiara-monina ara-dalàna eo amin' ny faritry ny sombin-tany, ankoatry ny faritry ny loharanon-karena voajanahary havaozina, dia tsy maintsy ataon' ny mpandrefitany vita fianianana maty paika ao amin' ny taratasy firaketana SFR. Ny fombafomba fanaovana io maty paika andro io dia ho faritan' ny didim-pitondrana raisin' ny Minisitra misahana ny Sampan-draharanan' ny fananan-tany.

Ny fombafomba rehetra mikasika ny famindran-jo hisitraka ny sombin-tany iharan' ny SFR dia tsy maintsy raiketina ao amin' ny bokin' ny Kaominina misy ny tany izay hampahafantatra izany ny BCDTF misy azy.

 

 

And. 12. - Ny fisitrahana vaovao na fanitarana dia tsy maintsy nahazoana alalana avy amin' ny Kaominina iankinan' ny faritra.

 

TOKO FAHA DIMY

 

Fanelanelanana sy fampakaran-draharaha

 

And. 13. - Ny fifanolanana misy eo amin'ny mpisitraka dia hanaovan' ny Ben' ny tanànan'ny Kaominina misy ilay tany fanelanelanana.

Ny fanelanelanana dia tsy azo tanterahina raha tsy efa nisy ezaka fampihavanana mialoha natao.

 

 

And. 14. - Ny fampakaran-draharaha rehetra dia misokatra ho an' ireo vondrona voakasiky ny famaritana ny sombin-tany eo anatrehan' ny fahefam-pitondrana miandraikitra izany.

Tsy misy fampakarala-draharaha azo atao enefa alohan'ny fanelanelanana notanterahin' ny Ben' ny tanànan' ny Kaominina misy ilay sombin-tany iadiana.

 

 

 

 

 

TOKO FAHENINA

 

Firaiketana amin' ny boky fananan-tany sy fifaranan' ity sata

mifehy ny fampisian-toky

amin' ampahany amin' ny fananan-tany

 

And. 15. - Ny SFR dia mifarana amin' ny firaiketana faobe amin' ny boky fananan-tany ireo sombin-tany ao anatin' ny faritra araka ny fangatahan' ny mpiara-manina. Na izany aza anefa dia azon' ny mpisitraka tsirairay atao, amin' ny fotoana rehetra, no mangataka ny fandraiketana amin' ny boky fananan-tany ny sombin-taniny, ka izany sombin-tany izany dia miala avy hatrany amin' ny sata mifehy ny SFR.

 

TOKO FAHAFITO

 

Fepetra manokana

 

And. 16. - Ny sombin-tany rehetra tafiditra ao anatin' ny faritra ka efa nametrahana fangatahana hahazo tany dia tsy fehezin' ny satan' ny SFR. Raha novalina ny fangatahana dia fehezin' ny Satan' ny SFR avy hatrany ilay tany. Tsy misy mihitsy fangatahana tany ao anatin' ny faritra azo raisina aorian' ny fisokafan' ny asa SFR ary mandram-pametraka ny taratasy firaketana SFR ao amin' ny Kaominina. Amin' izany rehetra izany, ny taratasy firaketana SFR dia tsy maintsy atao maty paik' andro araka izay fiovana mitranga tamin' ny toe-java-misy tany am-piandohana.

 

And. 17. - Ny tany efa voarakitra amin' ny anaran' olon-tsotra ao anatin' ny boky fananan-tany na ireo izay voatokana ka tafiditra ao anatin' ny faritra SFR dia tsy fehezin' ny Satan' ny SFR.

 

And. 18. - Ireo ampahan' ny menabem-panjakana tafiditra ao anatin' ny faritry ny SFR dia ho fehezin' ireo rijan-teny mifehy azy.

 

And. 19. - Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Tetibola sy ny Fampandrosoana ny Faritany mizaka tena, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Tanàn-dehibe, ny Minisitry ny Fanjonoana sy ny Haren' ny ati-rano, ny Minisitry ny Tontolo iainana, ny Minisitry ny Rano sy Ala, ny Minisitry ny Fiompiana, ary ny Minisitry ny Atitany dia miandraikitra araka izay tandrify azy avy, ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity izay havoaka amin' ny Gazetim-panjakan' ny Repoblika.

 

 

 

=> Veux-tu aussi créer une site gratuit ? Alors clique ici ! <=