//-->

Décrets 341

Décret n° 98-352 du 24 avril 1998

Décret n° 98-352 du 24 avril 1998

 

portant institution de la carte de résident

 

(J.O n°2507 du 18.05.98, p.1692)

Didim-panjakana n° 98-352

tamin’ny 24 aprily 1998

amoronana karatra ho an’ireo vahiny

monina eto Madagasikara

(J.O. n°2507 tamin’ny 18.05.98, p.1692)

 

Article premier - Il est institué de nouvelles cartes des résidents pour les étrangers bénéficiant de visa de séjour sur le territoire national.

 

Art. 2 - La carte de résident utilisant le procédé informatique bénéficie des dernières technologies en matière de protection, de système d’identification et d'authenticité répondant aux objectifs de sécurité et de qualité contre les falsifications.

 

 

 

Art. 3 - La carte de résident fournie par l’Administration comporte les éléments suivants :

 

Au recto :

- la devise de la République de Madagascar ;

- les emblèmes de la République de Madagascar ;

- le motif de séjour à Madagascar.

Au verso :

- la mention « Carte de Résident » ;

 

- le n° d’ordre ;

- la photo d’identité ;

- les nom et prénom ;

- la date et le lieu de naissance ;

- le sexe ;

- la nationalité ;

- le domicile ;

- l’adresse professionnelle ;

 

- la profession exercée ;

- le statut ;

- la catégorie ;

- la date d’entrée à Madagascar ;

- la validité de la carte : jusqu’au...........;

- la date et le lieu de délivrance.

 

 

Art. 4 - La délivrance de la carte d’étranger est effectuée par le Ministre de l’Intérieur au moment de la délivrance de visa de séjour.

 

Toutefois, il peut déléguer ce pouvoir à un de ses collaborateurs.

 

Art. 5 - La durée de validité d’une carte de résident correspond à la date de la durée du visa de séjour accordé au titulaire.

 

 

Art. 6 - La délivrance de la carte de résident est soumise à la perception unique des droits fixés par les textes en vigueur.

 

 

Art. 7 - La carte de résident en cours de validité peut servir de pièce justificative d’identité devant les autorités nationales.

 

 

Art. 8 - Nonobstant les dispositions des articles 3 et 4 du présent décret, l’Administration peut recourir aux services d’un établissement spécialisé en informatique industrielle appliqué et faisant état d’expériences confirmées en matière de cartes infalsifiables pour la gestion du nouveau système de carte de résident. A cet effet, un cahier des charges consignera les droits et obligations des deux parties.

 

 

 

Art. 9 - Un arrêté du Ministre chargé de l’Intérieur fixera la date de mise en circulation de la nouvelle carte de résident prévue par le présent décret.

 

 

 

Art. 10 - Des arrêtés seront pris en tant que besoin pour l’application du présent décret.

 

Art. 11 - Toutes dispositions antérieures et contraires au présent décret sont et demeurent abrogées.

 

Art. 12 - Le Vice-Premier Ministre chargé des Affaires étrangères, le Vice-Premier Ministre chargé des Finances et de l’Economie, le Vice-Premier Ministre chargé de la Décentralisation et du Budget, le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, le Ministre de l’Intérieur, le Ministre de la Santé, le Ministre de l’Energie et des Mines, le Ministre du Tourisme, le Ministre de l’Aménagement du territoire et de la ville, le Ministre de la Fonction publique du Travail et des Lois sociales, le Ministre des Forces armées, le Ministre du Commerce et de la Consommation, le Ministre de l’Information, de la Culture et de la Communication, le Ministre des eaux et Forêt, le Secrétaire d’Etat chargé de la Sécurité publique, le Secrétaire d’Etat chargé de la Gendarmerie sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

Andininy voalohany - Foronina ny karatra vaovao ho an’ireo vahiny izay mahazo ny fitomboka fanamarinana hipetraka eto amin’ny tanim-pirenena.

 

And. 2 - Ny karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara izay mampiasa ny fomba informatika dia manaraka ireo teknolojia moderina farany indrindra eo amin’ny lafiny fiarovana sy ny fomba enti-mamantatra ny maha-izy ny vahiny ary ny fanamarinam-pankatoavana mifandraika amin’ireo tanjona kendrena mba ahitam-pahombiazana azo antoka sy tsara mba hisetràna ny fanaovana hosoka.

 

And. 3 - Ny karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara izay ny Fanjakana no manome azy dia ahitana ireto zavatra manaraka ireto :

Manatrika :

- ny filamatry ny Repoblikan’i Madagasikara ;

- ny mari-pamantarana ny Repoblikan’i Madagasikara ;

- ny antony ipetrahana eto Madagasikara.

Ao ivohony :

- ny fanamarihana « Karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara;

- ny laharana faha-.......;

- ny sary tapaka ;

- ny anarana sy fanampin’anarana ;

- ny vaninandro sy toerana nahaterahana ;

- ny maha-lahy na maha-vavy ;

- ny zom-pirenena ;

- ny fonenana ;

- ny adiresy mikasika ny asa aman-draharaha atao ;

- ny asa aman-draharaha atao ;

- ny sata mifehy ;

- ny sokajy misy ilay tompony ;

- ny vaninandro nidirana teto Madagasikara ;

- ny fananan-kerin’ny karatra : hatramin’ny ........;

- ny vaninandro sy toerana nanomezana ny karatra.

 

And. 4 - Ny Minisitry ny Atitany no manome ny karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara eo amin’ny fotoana anomezana ny fitomboka fanamarinana hipetrahana eto Madagasikara.

Na izany aza anefa, dia azony afindra amin’ny iray amin’ireo mpiara-miasa aminy io fahefana io

 

And. 5 - Ny fananan-kerin’ny karatry ny vahiny dia mifametra amin’ny vaninandro faharetan’ny fanamarinana hipetraka eto Madagasikara omena ny tompony.

 

And. 6 - Ny fanomezana ny karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara dia andraisana sara tokana araka ny vola fandoa voafetry ny rijan-teny manan-kery.

 

And. 7 - Ny karatry ny vahiny mipetraka eto Madagasikara mbola manan-kery dia azo entina ho toy ny singan-taratasy fanamarinana ny maha-izy ny tena eo anatrehan’ny manampahefana eto an-toerana.

 

And. 8 - Na dia eo aza ny fepetra voalazan’ny andininy faha-3 sy faha-4 amin’ity didim-panjakana ity, dia azon’ny Fanjakana atao ny mangataka ny fanampian’ny toeram-piasana manam-pahaizana manokana momba ny informatika ampiharina amin’ny indostria ka efa manana traikefa voasedra eo amin’ny lafiny fanaovana karatra tsy azo anaovana hosoka, mba hitantanana ny fomba fanaovana ny karatra vaovao ho an’ny vahiny mipetraka eto Madagasikara. Amin’izany dia hisy bokin’andraikitra handraiketana ny zo aman’adidin’ny roa tonta.

 

And. 9 - Didim-pitondrana ataon’ny Minisitra miandraikitra ny Atitany no hametra ny vaninandro ampiharana ny fampiasana ny karatra vaovao an’ny vahiny mipetraka eto Madagasikara voalazan’ity didim-panjakana ity.

 

And. 10 - Hisy didim-pitondrana horaisina, raha ilaina, ho fampiharana ity didim-panjakana ity.

 

And. 11 - Foanana ary dia foana ireo fepetra rehetra teo aloha ka mifanohitra amin’ity didim-panjakana ity.

 

 

And. 12 - Ny praiministra Lefitra miandraikitra ny Raharaham-bahiny, ny Praiminisitra lefitra miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny Praiminisitra lefitra miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola, ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Minisitry ny Herim-pamokarana sy ny Harena an-kibon’ny tany, ny Minisitry ny Fizahan-tany, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Tanàn-dehibe, ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny lalàna sosialy, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana entam-barotra, ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy ny Kolontsaina ary ny Fifandraisana, ny Minisitry ny Rano sy ny Ala, ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Filaminam-bahoaka ary ny Sekreteram-panjakana miandraikitra ny Zandarimaria no miadidy, araka ny tandrify azy avy ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka ao amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement