//-->

Décrets 344

DECRET N° 98-085 du 27 janvier 1998

DECRET N° 98-085 du 27 janvier 1998

portant fixation du capital minimum des établissements de crédit.

(J.O n° 2510 du 8 juin 1990, p. 1768)

 

DIDIM-PANJAKANA N°98-085 tamin’ny 27 janoary 1998 amerana ny farafahakelin’ny renivola ampiasain’ny orinasa mpampisambo-bola. (idem)

Article premier - En application de l’article 21 de la loi n° 95-030 du 22 février 1996 relative à l’activité et au contrôle des établissements de crédit, ayant leur siège social sur le territoire de la République de Madagascar doivent disposer au jour de la constitution d’un capital social libéré ou d’une dotation versée d’un montant au moins égal aux montants ci-après :

 

- Pour les banques territoriales et extra-territoriales et les Institutions financières spécialisées : Six (6) milliards de francs malgaches ;

- Pour les établissements financiers : Deux (2) milliards de francs malgaches.

 

 

Andininy voalohany - Ho fampiharana ny andininy faha-21 amin’ny lalàna laharana faha-95-030 tamin’ny 22 febroary 1996 mikasika ny asa sy ny fanaraha-maso ireo orinasa mpampisambo-bola, izay manana ny foibeny eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara dia tsy maintsy manana ny renivola efa voaloa na fampitaovana ara-bola efa voarotsaka amin’ny vaninandro iorenany toy izao manaraka izao :

- Ho an’ny banky eto an-toerana na ivelany, na koa orinasa mpampiasa vola voatokana ho amin’izany dia enina lavitrisa Iraimbilanja ( 6 000 000 000 Ia).

- Ho an’ny orinasa mpampiasa vola dia roa lavitrisa Iraimbilanja ( 2 000 000 000 Ia).

 

Art. 2 - En application des dispositions des articles 19 de la loi n° 95-030 susvisée, la Commission de Supervision Bancaire et Financière apprécie l’aptitude de l’entreprise qui sollicite son agrément en tant qu’établissement de crédit à réaliser ses objectifs de développement dans les conditions que requièrent le bon fonctionnement du système bancaire et la sécurité des déposants.

 

 

 

A ce titre, elle est habilitée à requérir pour l’octroi de l’agrément un capital libéré supérieur au maximum fixé à l’article premier dans la limite du montant nécessaire au respect des règles prudentielles au regard des états financiers prévisionnels pour les trois(3) premières années d’activité.

 

And. 2 - Ho fampiharana ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha-19 amin’ny lalàna laharana faha-95-030 voalaza etsy ambony, ny Vaomiera Mpanara-maso ny Fandraharahana ara-banky sy ara-bola ( antsoina manaraka etoana hoe CSFB) dia manombana ny fahafahan’ny orinasa izay mangataka fankatoavana ho toy ny orinasa mpampisambo-bola manatanteraka ny tanjona fampandrosoana izay manaraka ny fepetra takian’ny fampandehanandraharaha ara-banky sy ny fitokian’ny mpametra-bola.

Amin’izany, dia izy CSFB no afaka manome fankatoavana ny renivola efa voarotsaka mihoatra ny ampahany ambany indrindra izay voalaza ao amin’ny andininy voalohany ao anatin’ny petra-bola ilaina mifanaraka amin’ny fitsipi-pitandremana ( règles prudentielles) izay hita ao amin’ny antontan-taratasy mamaritra ny ho toe-bola mandritra ny telo(3) taona voalohany iasany.

 

Art. 3 - Les établissements visés à l’article premier et en activité à la date de la publication du présent décret au Journal officiel dispose d’un délai de six (6) mois à compter de cette date pour se conformer le cas échéant aux présentes dispositions soit par réalisation effective d’une augmentation de leur capital social, soit en justifiant dans ce délai, en application de l’article 22 de la loi n° 95-030, que leur actif excède effectivement d’un montant au moins égal au capital minimum le passif dont ils sont tenus envers les tiers ; en ce cas, le capital social devra être porté au niveau requis dans un délai de deux (2) ans à compter de la date de publication du présent décret.

 

 

 

A titre exceptionnel et temporaire, la Commission de Supervision Bancaire et Financière pourra accorder un délai supplémentaire à un établissement pour régulariser sa situation sans que ce nouveau délai puisse excéder six (6) mois.

 

 

Les établissements de crédit agréés qui n’ont pas ouvert leurs guichets à la date de publication du présent décret au Journal officiel sont tenus de se conformer aux dispositions du présent décret préalablement à leur entrée en activité.

 

And. 3 - Ireo orinasa voatondro ao amin’ny andininy voalohany ary eo amperin’asa amin’ny vaninandro hamohana ity didim-panjakana ity amin’ny gazetim-panjakan’ny Repoblika, dia manana fe-potoana (6) enim-bolana manomboka amin’io vaninandro io mba hanarahany ireto fepetra ireto, na amin’ny fanatanterahany ny fampitomboana ny renivola izany na amin’ny fanaporofoana fa ny vola ampiasaina dia mihoatra ny renivola ampahany ambany indrindra farafaharatsiny mihoatra amin’ny miala aminy, amin’izany dia manana fe-potoana roa (2) taona aorian’ny vaninandro hivoahanity didim-panjakana ity izy hampiakarana ny renivola amin’ny tokony ho izy. Izany no atao ho fampiharana ny andininy faha-22 amin’ny lalàna faha-95-030.

Noho ny antony manokana sy tsy maharitra, ny Vaomiera Mpanara-maso ambony ny Fandraharahana amin’ny banky sy ara-bola dia afaka manome fe-potoana amboniny ho an’ny orinasa iray mba hahafahany manarina ny toe-draharahany. Izany fe-potoana vaovao izany anefa dia tsy tokony hihoatra ny (6) enim-bolana.

Ny orinasa mpampisambo-bola izay nahazo fankatoavana nefa mbola tsy am-perinasa amin’ny vaninandro amoahana ity didim-panjakana ity ao amin’ny gazetim-panjakana dia tsy maintsy manaraka ny fepetra voalazan’ ity didim-panjakana ity alohan’ny iasany.

 

Art. 4 - Par application des pouvoirs qui lui sont conférés par la loi n°95-030, la Commission de Supervision Bancaire et Financière assure le respect des dispositions stipulées dans le présent décret.

And. 4 - Ho fampiharana ny fahefana izay nomena azy araka ny lalàna laharana –faha-95-030, ny Vaomiera mpanara-maso ambony ny Fandraharahana ara-banky sy ara-bola (CSBF) no miantoka ny fanajana ny fepetra voalazan’ity didim-panjakana.

 

Art. 5 - Est abrogé le décret n° 88 – 323 du 31 Août 1988.

And. 5 - Foana ny didim-panjakana laharana faha-88-323 tamin’ny 31 Aogositra 1988.

 

Art. 6 - Le Vice Premier Ministre chargé des Finances et de l’ Economie et la Commission de Supervision Bancaire et Financière sont chargés, pour ce qui lui concerne, de l’exécution du présent décret, qui sera enregistré et publié au Journal officiel de la République.

And. 6 - Ny Praiminisitra Lefitra misahana ny Fitantanam-bola sy ny Toe-karena ary ny Vaomiera Mpanara-maso ambony ny Fandraharahana amin’ny banky sy ara-bola (CSBF) no miandraikitra araka ny tandrify azy avy ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity izay ho raketina sy havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement