Décrets 352
Décret n°
97-1219 du 16 octobre 1997 instituant
une Inspection générale de l'Etat (J.O. n° 2467 du 01.12.97, p.2299) |
Didim-panjakana n° 97-1219 tamin’ny 16 oktobra 1997 ananganana ny fisafoan-draharaham-panjakana
ankapobeny (idem) |
Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu la Constitution du 1 8 septembre 1992, Vu la loi constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre
1995 portant révision des articles 53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la
Constitution du 1 8 septembre 1992, Vu la loi n° 63-015 du 15 juillet 1963 portant
dispositions générales sur les finances publiques, ensemble les textes qui
l'ont complétée ou modifiée, Vu la loi n° 90-023 du 23 novembre 1990 portant
création du Conseil de discipline financière et budgétaire, Vu l'ordonnance n° 93-019 du 30 avril 1993 relative
au statut général des fonctionnaires, Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 relative à
la réglementation sur les hauts emplois de l'Etat, Vu la loi n° 94-025 du 17 novembre 1994 relative au
statut général des agents non encadrés de l'Etat, Vu l'ordonnance n° 92-005-HAE du 7 juillet 1992
portant statut spécial du corps des inspecteurs d'Etat, |
Ny
Praiminisitra sady Lehiben'ny Govemementa, Araka
ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992, Araka
ny lalàna fototra laharana faha 95-001 tamin' ny 13 oktobra 1995 manova ny
andininy faha-53, faha-61, faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94
amin’ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992, Araka
ny lalàna laharana faha 63-015 tamin'ny 15 jolay 1963 manoritra ny fepetra
ankapobeny itantanana ny volam-panjakana, miaraka amin'ireo rijan-teny
namenoana na nanovàna azy, Araka
ny lalàna laharana faha 90-023 tamin' ny 23 novambra 1990 manangana ny
Filankevi-pifehezana momba ny fitantanam-bola sy ny tetibola, Araka
ny hitsivolana laharana faha 93-019 tamin'ny 30 aprily 1993 mikasika ny
fitsipi-pitondrana ankapobe ny mpiasam-panjakana, Araka
ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 mikasika ny
fitsipika momba nv asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka
ny lalàna laharana faha 94-025 tamin' ny 17 novambra 1994 mikasika ny
fitsipi-pitondrana ankapobe ny mpiasa tsy anaty efi-draharaham-panjakana, Araka
ny hitsivolana laharana faha 92-005-HAE tamin'ny 7 jolay 1992 mikasika ny
fitsipi-pitondrana manokana ny firaisan-draharahan'ny inspecteur d'Etat, |
Vu le décret n° 69-548 du 11 novembre 1969 fixant le
statut particulier du corps des contrôleurs de l'Etat, Vu le décret n° 76-132 du 31 mars 1976 portant
réglementation des hauts emplois de l'Etat, ensemble les textes qui l'ont
modifié ou complété, Vu le décret n° 91-056 du 29 janvier 1991 modifié
par le décret n° 94-624 du 28 septembre 1994 portant réglementation des
marchés publics, Vu le décret n° 92-970 du 11 novembre 1992 portant règlement
général sur l'exécution des dépenses publiques du Budget général de l'Etat et
de la gestion des crédits de fonctionnement et d'investissement, Vu le décret n° 93-442 du 11 août 1993 portant
attribution d'indemnités de spécialisation financière, ensemble le décret n°
92-936 du 28 octobre 1992 modifiant les dispositions du décret n° 61-256 du
26 mai 1961 instituant une indemnité de spécialisation financière en faveur
de certains fonctionnaires des services de la Direction générale des
Finances, |
Araka ny didim-panjakana laharana
faha 69-548 tamin' ny 11 novambra 1969 mametra ny fitsipi-pitondrana manokana
ny firaisan-draharallan'ny contrôleurs
d'Etat, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 76-132 tamin'ny 31 marsa 1976 manisy fitsipika momba ny asam-panjakana
ambaratonga ambony, miaraka amin'ny rijan-teny izay nanova na nameno azy, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 91-056 tamin'ny 29 janoary 1991 novan'ny didim-panjakana laharana faha
94-624 tamin'ny 28 septambra 1994 manisy fitsipika momba ny
fifanaraham-barotra amin'ny Fanjakana, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 92-970 tamin'ny 11 novambra 1992 manisy fitsipika ankapobe momba ny
fanatanterahana ny fandaniam-bolam-panjakana amin'ny Tetibolam-panjakana
ankapobeny sy ny fitantanana ny sorabola fampandehanan-draharaha sy
fampiasam-bola hamokarana, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 93-442 tamin'ny 11 aogositra 1993 anomezana tamby noho ny fahaizana
manokana momba ny fitantanam-bola, miaraka amin'ny didim-panjakana laharana
faha 92-936 tamin'ny 28 oktobra 1992 manova ny fepetra voalazan'ny
didim-panjakana laharana faha 61-256 tamin'ny 26 mey 1961 mampisy ny tamby
noho ny fahaizana manokana momba ny fitantanam-bola ho an'ny
mpiasam-panjakana sasantsasany amin'ny sampan-draharahan'ny Foibem-pitondrana
ankapobe ny Fitantanam-bola, |
Vu le décret n° 97-128 du 21 février 1997 portant
nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant
nomination des membres du Gouvernement, Vu le décret n° 97-134 du 2 mars 1997 portant
organisation de la Présidence de la République, notamment en son article 15, En conseil du Gouvernement, Décrète : |
Araka ny didim-panjakana laharana
faha 97-128 tamin'ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady
Lehiben'ny Govemernanta, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 97-129 tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny
Governemanta , Araka ny didim-panjakana laharana
faha 97-134 tamin'ny 2 marsa 1997 manoritra ny lamin-draharahan'ny Fiadidiana
ny Repoblika, indrindra ny andininy faha-15 ao aminy, Eo
am-pivorian'ny Govememanta, Dia
mamoaka izao didy izao : |
Article
premier - Dans l'exercice des
pouvoirs de contrôle que lui confère l'article 63 de la Constitution, le Premier
Ministre, Chef du Gouvernement dispose de l'Inspection générale de l'Etat. Art. 2 - L'Inspection générale
de l'Etat est un organisme d'inspection et de contrôle pour s'assurer du bon
fonctionnement des services publics et de la bonne gestion des finances
publiques. Elle a pour rôle essentiel de sauvegarder les
intérêts du Trésor public et les droits des personnes, de constater les
agissements éventuels des responsables et de vérifier l'observation des lois
et règlements. |
Andininy voalohany - Amin'ny fampiasana ny fahefana hanao fanaraha-maso izay ampizakain'ny
andininy faha-63 amin'ny Lalàmpanorenana azy, dia iandraiketan'ny
Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta ny Fisafoan-draharaham-panjakana
ankapobeny. And. 2 - Ny Fisafoan-draharaham-paniakana
ankapobeny dia antokon-draharaha iray manao ny fisafoan-draharaha sy ny
fanaraha-maso mba hananana antoka ny amin'ny fampandehanana tsara ny
sampan-draharaham-panjakana sy ny fitantanana araka ny tokony ho izy ny
volam-panjakana. Ny tena anjara andraikiny dia ny
miaro ny tombontsoan'ny Tahirim-bolam-panjakana sy ny zon'ny
isam-batan'olona, ny mizaha fototra ny mety ho fiasan'ny tompon' andraikitra
ary ny manamarina ny fanajana ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika. |
Art. 3 - L'Inspection générale
de l'Etat effectue pour le compte de l'Etat : - l'inspection de tous les services publics et
parapublics tant à l'intérieur qu'à l'extérieur du territoire national, des
collectivités publiques et autres structures décentralisées afin qu'en soit
assuré le fonctionnement régulier et transparent, conformément à la
législation et à la réglementation en vigueur et que soit préservé et
respecté en tout état de cause le caractère de service public ; - l'inspection de tout organisme comportant des
participations de l'Etat ou en recevant des concours et subventions afin d'en
vérifier la bonne et saine gestion ; |
And. 3 -
Tontosain'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny ho an'ny Fanjakana : - ny fisafoana ny
sampan-draharaham-panjakana sy ifarimbonana aminy rehetra na eto an-toerana
izany na ivelan'ny tanim-pirenena, ny vondrom-bahoaka ary ny rafi-pitondrana
hafa itsinjaram-pahefana mba ho azo antoka ny fampandehanana azy ara-dalàna
sy isian'ny mangarahara, araka ny lalàna sy didy amam-pitsipika manan-kery
ary mba ho voatondro sy voahaja na manao ahoana na toy inona ny endrika
maha-fisahanan-draharaham-bahoaka azy ; - ny fisafoana izay rehetra
vondron-draharaha andraisan'ny Fanjakana anjara na mahazo fanomezana sy fanampiana
avy aminy mba ho voamarina ny fitantanana azy tsara sady ara-dalàna ; |
- le contrôle a
priori des engagements de dépense, le contrôle de l'application des
dispositions législatives et réglementaires régissant l'exécution des
dépenses publiques, le contrôle de la gestion des crédits de fonctionnement
et d'investissement, le contrôle de l'application des règles relatives à la
passation des marchés publics ainsi que d'une manière générale, le contrôle
de toutes les opérations affectant les finances de l'Etat, tant du point de
vue de la légalité des engagements que de celui de la régularité des actes
administratifs à incidence financière ; - la participation au contrôle des marchés et
investissements publics afin de veiller à l'application stricte des lois et
règlements en vigueur et des clauses contractuelles et à la répression des
irrégularités constatés ; - la tenue et la mise à jour du fichier des
malversations et irrégularités sur le triple plan disciplinaire, financier et
judiciaire. |
- ny fanaraha-maso dieny mialoha ny
fandraiketana ny fandaniam-bola, ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra
voasoritry ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika mifehy ny fanatanterahana ny
fandaniam-bolam-panjakana, ny fanaraha-maso ny fitantanana ny sorabola fampandehanan-draharaha
sy fampiasam-bola, ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fitsipika mikasika ny
fifanaraham-barotra amin'ny Fanjakana, ary koa amin'ny ankapobeny ny
fanaraha-maso ny raharaha rehetra miantraika amin'ny
fitantanam-bolam-panjakana, na amin'ny lafiny fanarahan-dalàna amin'ny
fandraiketam-pandaniana na ny maha ara-dalàna ny sora-panjakana misy
fiantraikany ara-bola ; - ny fandraisana anjara amin'ny
fanaraha-maso ny fifanaraham-barotra sy fampiasam-bolam-panjakana mba
hitandrovana ny tena fampiharana ny lalàna sy fitsipika manan-kery ary ny
famarafaran-teny ifanarahana mbamin'ny fanasaziana ny tsy fanarahan-dalàna
hita fototra ; - ny fitanana sy ny fanaovana maty
paik'andro ny taratasy filazalazàna mikasika ny mivaona amin'ny laoniny sy tsy
manara-dalàna eo amin'ny lafiny telo dia ny fitsipi-pifehezana sy ny
fitantanam-bola ary ny fitsarana. |
Art. 4 - Le contrôle de l'inspection générale de l'Etat ne
peut pas porter atteinte à l'indépendance de la magistrature, garantie par la
Constitution. Toutefois, l'organisation et le fonctionnement des services
purement administratifs et financiers relevant du ministère de la Justice
demeurent soumis au contrôle de l'inspection générale de Il Etat. Art. 5 - Le contrôle de l'inspection générale de l'Etat ne
fait pas obstacle à l'organisation et au fonctionnement des inspections et
contrôles propres à certains ministères, organismes et institutions. |
And. 4 - Ny
fanaraha-maso ataon'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny dia tsy
tokony hanohintohina ny fahaleovantenan'ny firaisan-draharahan'ny mpitsara,
iantohan'ny Lalàmpanorenana. Na izany aza anefa, ny fandaminana sy ny
fampandehanana fotsiny ihany ny sampam-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola
miankina amin'ny minisiteran'ny Fitsarana dia mitoetra ho eo ambany
fanaraha-mason'ny Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny. And. 5 - Ny
fanaraha-maso ataon' y Fisafoan-draharahampanjakana ankapobeny dia tsy
misakana ny fandaminana sy ny fampandehanana ny fisafoana sy fanaraha-maso manokana
an'ireo minisitera sasantsasany, vondron-draharaha ary andrim-pitondrana. |
Art. 6 - Le personnel de l'inspection générale de l'Etat
comprend un corps d'inspecteurs d'Etat et un corps de contrôleurs d'Etat pour
les vérifications et contrôles ainsi que d'agents fonctionnaires où des
contractuels assurant le fonctionnement du service. Les inspecteurs d'Etat et les contrôleurs d'Etat
sont classés hors hiérarchie parmi les fonctionnaires. Ils sont munis d'une carte de commission.
Leur indépendance dans l'exercice de leur fonction est garantie. Art. 7 - Des actes réglementaires préciseront, en tant que
de besoin, les modalités d'application du présent décret. |
And. 6 - Ny mpandraharahan'ny
Fisafoan-draharaham-panjakana ankapobeny dia misy firaisan-draharahan'ny inspecteur d'État iray sy
firaisan-draharahan'ny contrôleurs
d’Etat iray ho an'ny fanamarinana sy fanaraha-maso ary koa mpandraharaha
mpiasam-panjakana na vita fifanarahana amin'ny Fanjakana hiandraikitra ny
fampandehanana ny sampan-draharaha. Ny ihpecteurs d’Etat sy contrôleurs d’Etat dia kilasiana ivelan’ambaratonga
amin'ireo mpiasam-panjakana. Mitondra karatra fanaovan-draharaha izy ireo.
lantohana ny fahaleovantenan'izy ireo amin'ny fanatanterahana ny asany. And. 7 - Hisy
ny sora-panjakana hamaritra, raha ilaina izany, ny fombafomba fampiharana
izao didim-panjakana izao. |
Art. 8 - Toutes dispositions contraires au présent décret,
notamment celles du décret n° 94-317 du 2 mai 1994 et celles des décrets n°
94-216 et 94-217 du 23 mars 1994 sont et demeurent abrogées. Art. 9 - Les Vice-Premiers
Ministres, les Ministres et Secrétaires d'Etat sont chargés, chacun en ce qui
les concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République. Fait à Antananarivo, le 16 octobre 1997 Pascal RAKOTOMAVO. |
And. 8 -
Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'ity didim-panjakana
ity, indrindra izay voalazan'ny didimpanjakana laharana faha 94-317 tamin'ny
2 mey 1994 sv ny voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 94-216 sy laharana
faha 94-217 tamin'ny 23 marsa 1994. And. 9 - Ireo
Praiminisitra-Lefitra, ireo Minisitra ary ireo Sekreteram-paniakana no
miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao
didim-panjakana izao izay havoaka amin'ny
Gazetim-panjakan'ny Repoblika. Natao tao Antananarivo, ny 16
oktobra 1997. Pascal RAKOTOMAVO. |
Par le Premier Ministre, Chef du Gouvernement : Le Vice-Premier Ministre chargé des
Affaires étrangères, Herizo RAZAFIMAHALEO. Le Vice-Premier Ministre chargé des Finances et de
l'Economie, Tantely ANDRIANARIVO. Le Vice-Premier Ministre chargé de la
Décentralisation et du Budget, Pierrot RAJAONARIVELO. Le Ministre
de l’Industrialisation et de
l’Artisanat, Manassé ESOAVELOMANDROSO. |
Avy
amin'ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govememanta Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra. ny Raharaham-bahiny, Herizo
RAZAFIMAHALEO. Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, Tantely
ANDRIANARIVO. Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny
Telibola, Pierrot
RAJAONARIVELO. Ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Asa-tànana, Manassé ESOAVELOMANDROSO. |
Le Ministre
du Développement du Secteur
privé et de la Privatisation, Horace CONSTANT. Le Ministre
du Commerce et de la
Consommation, Auguste PARAINA. Le Ministre
de l’Energie et des
Mines, Charles RASOZA. Le Ministre
du Tourisme, Juliette RAHARISOA. Le Ministre
de l’Enseignement secondaire et de
l’Education de base, Jacquit SIMON. |
Ny Minisitry ny Fampandrosoana ny Fiharian-karena tsy miankina amin'ny
Fanjakana sy ny Fampisahanan'olon-tsotra ny
asam-pamokarana, Horace
CONSTANT. Ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana ny entam-barotra, Auguste
PARAINA. Ny Minisitry ny Herim-pamokarana
sy ny Harena an-kibon'ny tany, Charles
RASOZA. Ny Minisitry ny Fizahan-tany, Juliette
RAHARISOA. Ny Minisitry ny Fampianarana
Ambaratonga faharoa sy ny Fanabeazana fotoira, Jacquit SIMON. |
Le Ministre
de l’Enseignement supérieur, Professeur Ange ANDRIANARISOA. Le Ministre
de l’Enseignement technique el de la
Formation professionnelle, LEVELO Boniface. Le Ministre
de la Jeunesse et des Sports, Lina ANDRIAMIFIDIMANANA. Le Ministre
de l’Information, de la
Communication et de la Culture, Fredo BETSIMIFIRA. Le Ministre
de la Population et de la
Solidarité, NJARA Ernest. |
Ny Minisitry ny Fampianarana
ambaralonga ambony, Professeur Ange
ANDRIANARISOA . Ny Minisitry ny Fampianarana
teknika sy ny Fanofanana amin'asa
aman-draharaha, LEVELO
Boniface. Ny Minisitry ny Tanora sy ny
Fanatanjahantena Lina
ANDRIAMIFIDIMANANA. Ny Minisitry ny Fampahalalam-baovao sy ny Serasera ary ny Kolontsaina, Fredo
BETSIMIFIRA. Ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiarahamientana sosialy, NJARA Emest. |
Le Ministre
de la Santé, RAHANTALALAO Henriette. Le Ministre
de la Fonction publique, du Travail
et des Lois sociales, Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY. Le Ministre
des Travaux publics, Jean Emile TSARANAZY. Le Ministre
de l’Aménagement du Territoire et de la
Ville, Herivelona RAMANANTSOA. |
Ny Minisitry ny Fahasalamana, RAHANTALALAO
Henriette. Ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy, Abel
Jean Désiré RATOVONELINJAFY. NyMinisitry ny Asa vaventy, Jean
Emile TSARANAZY. Ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy ny Tanàn-dehibe, Herivelona
RAMANANTSOA. |
Le Ministre
des Postes et Télécommunications, Ny Hasina ANDRIAMANJATO. Le Ministre
des Transports et de la Météorologie, Andrianaivo RAMAMONJISOA. Le Ministre
de l’Agriculture, RANJAKASON. Le Ministre
de la Pêche et des Ressources halieutiques, HOUSSEN Abdallah. Le Ministre
de l'Elevage, NDRIANASOLO. Le Ministre
de l’Environnement, Colette VAOHITA. Le Ministre
des Eaux et Forêts, Rija RAJOHNSON. |
Ny Minisitra ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, Ny Hasina ANDRIAMANJATO. Ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro, Andrianaivo
RAMAMONJISOA. Ny Minisitry ny Fambolena, RANJAKASON. Ny Minisitry ny Jono sy ny Haren'ny
ati-rano, HOUSSEN
Abdallah. Ny Minisitry ny Fiompiana, NDRIANASOLO. Ny Minisitry ny Tontolo iainana, Colette
VAOHITA. Ny Minisitry ny Rano sy Ala, Rija RAJOHNSON. |
Le Ministre
des Forces armées, Marcel RANJEVA. Le Ministre
de lintérieur, Jean Jacques RASOLONDRAIBE. Le Ministre
de la Justice et Garde
des Sceaux, IMBIKI Anaclet. Le Ministre
de la Recherche scientifique, RATSIFANDRIHAMANANA Lila. Le
Secrétaire d’Etat près du Ministre de
l’Intérieur chargé de la Sécurité publique, AZALY Ben Marouf Le
Secrétaire d’Etat près du Ministre des Forces armées chargé de la
Gendarmerie, Jean Paul BORY. |
Ny Minisitry ny Foloalindahy, Marcel
RANJEVA. Ny Minisitry ny Atitany, Jean Jacques RASOLONDRAIBE. Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, IMBIKI
Anaclet. Ny Minisitry ny Fikarohana
siantifika, RATSIFANDRIHAMANANA
Lila. Ny Sekreteram-panjakana amin'ny
Minisitry ny Atitany
miandraikitra ny
filaminam-bahoaka, AZALY
Ben Marouf. NY Sekreteram-panjakana amin'ny
Minisitry ny Foloalindahy miandraikitra ny
Zandarimaria, Jean Paul BORY. |