//-->

Décrets 353

Décret n° 97-1200 du 2 octobre 1997

Décret n° 97-1200 du 2 octobre 1997

portant adoption de la politique forestière malagasy

(J.O. n° 2467 du 01.12.97, p. 2324)

 

Didim-panjakana 97-1200

tamin’ny 2 oktobra 1997

andaniana ny politika malagasy fitantanana ny ala

(idem, p.2324)

 

Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu la Constitution du 18 septembre 1992,

 

Vu la loi constitutionnelle n° 95-001 du 13 octobre 1995 portant révision des articles 53, 61, 74, 75, 90, 91 et 94 de la Constitution du 18 septembre 1992,

 

 

Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 relative à la réglementation sur les hauts emplois de l'Etat,

Vu la loi n° 97-017 du 8 août 1997 portant révision de la législation forestière,

Vu le décret n° 97-128 du 21 février 1997 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govememanta,

Araka ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka ny làlana fototra laharana faha 95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995 anovàna ny andininy faha 95-001 tamin'ny 13 oktobra 1995 anovàna ny andininy faha-53, faha-61, faha-74, faha-75, faha-90, faha-91 ary faha-94 amin'ny Lalàmpanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 mikasika ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony,

Araka ny lalàna laharana faha 97-017 tamin'ny 8 aogositra 1997 anavaozana ny lalàna momba ny ala,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-128 tamin’ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta,

Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant nomination des membres du Gouvernement,

 

Vu le décret n° 97-281 du 7 avril 1997 fixant les attributions du ministère des Eaux et Forêts, ainsi que l'organisation générale de son ministère,

 

Sur proposition du Ministre des Eaux et Forêts,

En conseil du Gouvernement,

Décrète :

 

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-129 tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny Governemanta,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 97-281 tamin'ny 7 aprily 1997 manondro ny anjara raharahan'ny Minisitry ny Rano sy Ala ary koa ny fandaminana ankapobe ny minisiterany,

Araka ny tolo-kevitry ny Minisitry ny Rano sy Ala,

Eo am-pivorian'ny Govememanta,

Dia mamoaka izao didy izao :

 

Article premier - Est adopté dans toutes ses dispositions le document d'orientation de la politique forestière malagasy et dont le texte figure en annexe.

 

Andininy voalohany - Ankatoavina amin'ireo fepetra rehetra ao aminy ny rakitenin'ny soridalan-kitondrana ny politika malagasy momba ny ala.

 

Art. 2 - Le Vice-Premier Ministre chargé des Affaires étrangères, le Vice-Premier Ministre chargé des Finances et de l'Economie, le Vice-Premier Ministre chargé de la Décentralisation et du Budget, le Ministre de l'industrialisation et de l'Artisanat, le Ministre du Développement du Secteur privé et de la Privatisation, le Ministre du Commerce et de la Consommation, le Ministre de l'Energie et des Mines, le Ministre du Tourisme, le Ministre de l'Enseignement secondaire et de l'Education de base, le Ministre de l'Enseignement supérieur, le Ministre de l'Enseignement technique et de la Formation professionnelle, le Ministre de la Jeunesse et des Sports, le Ministre de l'information, de la Communication et de la Culture, le Ministre de la Population et de la Solidarité, le Ministre de la Santé, le Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales, le Ministre des Travaux publics, le Ministre de l'Aménagement du Territoire et de la Ville, le Ministre des Postes et Télécommunications, le Ministre des Transports et de la Météorologie, le Ministre de l’Agriculture, le Ministre de la Pêche et des Ressources halieutiques, le Ministre de l'Elevage, le Ministre de l'Environnement, le Ministre des Eaux et Forêts, le Ministre des Forces armées, le Ministre de l'intérieur, le Ministre de la Justice et Garde des Sceaux, le Ministre de la Recherche scientifique, sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République de Madagascar.

 

 

 

 

 

Fait à Antananarivo, le 2 octobre 1997.

Pascal RAKOTOMAVO.

 

And. 2 - Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Raharaham-bahiny, ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny Asa tànana, ny Minisitry ny Fampandrosoana ny Fiharian-karena tsy miankina amin'ny Fanjakana sy ny Fampisahanan'olon-tsotra asam-pamokarana, ny Minisitry ny Varotra sy ny Fanjifana, ny Minisitry ny Herimpamokarana sy ny Harena an-kibon'ny tany, ny Minisitry ny Fizahan-tany, ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga faharoa sy ny Fanabeazana fototra, ny Minisitry ny Fampianarana ambaratonga ambony, ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana amin'asa aman-draharaha, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahan-tena, ny Minisitry ny Filazam-baovao, ny Fifandraisana ary ny Kolon-tsaina, ny Minisitry ny Mponina sy ny Fiaraha-mientana sosialy, ny Minisitry ny Fahasalamana, ny Minisitry ny Asam-panajakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy, ny Minisitry ny Asa vaventy, ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany sy Tanàn-dehibe, ny Minisitry ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra, ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny toetr'andro, ny Minisitry ny Fambolena, ny-Minisitry ny Fanjonoana sy ny Haren'ny atirano, ny Minisitry ny Fiompiana, ny Minisitry ny Tontolo iainana, ny Minisitry ny Rano sy Ala, ny Minisitry ny Foloalindahy, ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Fitsarana sady Mpitahiry ny Kasem-panjakana, ny Minisitry ny Fikarohana siantifika no miandraikitra, araka izay tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblikan'i Madagasikara.

 

Natao tao Antananarivo, ny 2 oktobra 1997.

Pascal RAKOTOMAVO.

 

Par le Premier Ministre, Chef du Gouvernement

Le Vice-Premier Ministre chargé

des Affaires étrangères, par intérim,

 

 

Manassé ESOAVELOMANDROSO.

 

Le Vice-Premier chargé des Finances

et de l’Economie,

par intérim,

Marcel RANJEVA.

 

Le Vice-Premier Ministre chargé

de la Décentralisation et du Budget,

par intérim

Jean Jacques RASOLONDRAIBE.

 

Avy amin'ny Praiminisitra sady lehiben'ny

Govememanta

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra

ny Raharaham-bahiny,

mpisolo toerana vonjimaika

Manassé ESOAVELOMANDROSO.

 

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra

ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena,

mpisolo toerana vonjimàika

Marcel RANJEVA.

 

Ny Praiminisitra Lefitra miandraikitra

ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola,

mpisolo toerana vonjimaika

Jean Jacques RASOLONDRAIBE.

 

Le Ministre de l’Industrialisation

et de l’Artisanat,

Manase ESOAVELOMANDROSO.

 

Le Ministre du Développement

du Secteur privé et de la Privatisation,

Horace CONSTANT.

 

Le Ministre du Commerce

et de la Consommation,

Auguste PARAINA.

 

Le Ministre de l’Energie

et des Mines,

Charles RASOZA.

 

Le Ministre du Tourisme,

Juliette Joelson RAHARISOA.

 

Ny Minisitry ny Fampiroborobona

ny Indostria sy ny Asa tanana,

Manase ESOAVELONLANDROSO.

 

Ny Minisitry ny Fampandrosoana ny

Fiharian-karena tsy miankina amin’ny Fanjakana

sy ny Fampisahanan'olon-tsotra asam-pamokarana,

Horace CONSTANT.

 

Ny Minisitry ny Varotra

sy ny Fanjifana,

Auguste PARAINA.

 

Ny Minisitry nv Herim-pamokarana

sy ny Harena an-kibon'ny tany,

Charles RASOZA.

 

Ny Minisitry ny Fizahan-tany,

Juliette Joelson RAHARISOA.

 

Le Ministre de l’Enseignement secondaire

et de l’Education de base,

par intérim,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

Le Ministre de l’Enseignemeni supérieur,

Ange ANDRIANARISOA.

 

Le Ministre de l’Enseignement technique

et de la Formation professionnelle,

par intérim,

Jean Emile TSARANAZY.

 

Le Ministre de la Jeunesse et des Sports,

Lina RANDRIAMIFIDIMANANA.

 

Le Ministre de l’Information, de la Communication

et de la Culture,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

NY Minisitry ny Fampianarana ambaratonga

faharoa sy ny Fanabeazana Fototra

mpisolo toerana vonjimaika,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

Ny Minisitry ny Fampianarana

ambaratonga ambony,

Ange ANDRIANARISOA.

 

Ny Minisitry ny Fampianarana teknika

sy amin'asa aman-draharaha,

mpisolo toerana vonjimaika

Jean Emile TSARANAZY.

 

Ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjan-tena,

Lina RANDRIAMIFIDIMANANA.

 

Ny Minisitry ny Filazam-baovao

sy ny Fifandraisana ary ny Kolon-tsaina,

Fredo BETSIMIFIRA.

 

Le Ministre de la Population

et de la Solidarité,

NJARA Emest.

 

Le Ministre de la Santé,

Henriette RAHANTALALAO.

 

Le Ministre de la Fonction publique,

du Travail et des Lois sociales,

Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY.

 

Le Ministre des Travaux publics,

Jean Emile TSARANAZY.

 

Le Ministre de l’Aménagement

du Territoire et de la Ville,

par intérim,

Ange ANDRIANARISOA.

 

Ny Minisitry ny mponina

sy ny Fiarahamientana sosialy

NJARA Emest.

 

Ny Minisitry ny Fahasalamana,

Henriette RAHANTALALAO.

 

Ny Minisitry ny Asam-panjakana

sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy,

Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY.

 

Ny Minisitry ny Asa vaventy,

Jean Emile TSARANAZY.

 

Ny Minisitry ny Fanajariana ny Tany

sy ny Tanàn-dehibe,

rnpisolo toerana vonjimaika

Ange ANDRIANARISOA.

 

Le Ministre des Postes

et Télécommunications,

Ny Hasina ANDRIAMANJATO.

 

Le Ministre des Transports

et de la Météorologie,

Andrianaivo RAMAMONJISOA.

 

Le Ministre de l’Agriculture,

RANJAKASON.

 

Le Ministre de la Pêche

et des Ressources halieutiques,

Abdallah HOUSSEN.

 

Le Ministre de l'Elevage,

NDRIANASOLO.

 

Ny Minisitry ny Paositra

sy ny Fifandraisan-davitra,

Ny Hasina ANDRIAMANJATO.

 

Ny Minisitry ny Fitaterana

sy ny Famantarana ny toetr'andro,

Andrianaivo RAMAMONJISOA.

 

Ny Minisitry ny Fambolena,

RANJAKASON.

 

Ny Minisitry ny Fanjonoana

sy ny Haren' ny ati-rano,

Abdallah HOUSSEN.

 

Ny Minisitry ny Fiompiana,

NDRIANASOLO.

 

Le Ministre de l’Environnement,

Colette VAOHITA.

 

Le Ministre des Eaux et Forêts,

Rija RAJOHNSON.

 

Le Ministre des Forces armées,

Marcel RANJEVA.

 

Le Ministre de l’Intérieur,

Jean Jacques RASOLONDRAIBE.

 

Le Ministre de la Justice

et Garde des Sceaux,

Anaclet IMBIKI.

 

Le Ministre de la Recherche scientifique,

Lila RATSIFANDRIHAMANANA

 

Ny Minisitry ny Tontolo iainana,

Colette VAOHITA.

 

Ny Minisitry ny Rano sy Ala,

Rija RAJOHNSON.

 

Ny Minisifry ny Foloalindahy,

Marcel RANJEVA.

 

Ny Minisitry ny Atitany,

Jean Jacqoes RASOLONDRAIBE.

 

Ny Minisitry ny Fitsarana

sady Mpitahiry ny Kasem-panjakana,

Anaclet IMBIKI.

 

Ny Minnisitry ny Fikarohana siantifika,

Lila RATSIFANDRIHAMANANA

 

 

 

I. PREAMBULE

 

1. La politique forestière actuellement en vigueur à Madagascar date des années quatre-vingts. Elle se situe dans le cadre de la politique gouvernementale de cette époque, dont les deux grands objectifs étaient l'autosuffisance alimentaire et l'amélioration de la balance des paiements. L'orientation générale de cette politique forestière est résumée par le slogan "Protéger et produire, développer sans détruire". Depuis lors, des évolutions importantes sont intervenues tant au niveau des facteurs qui influencent directement la situation du secteur forestier qu'au niveau des options de politique sectorielle englobant la foresterie et des orientations générales du développement adoptés par le pays.

I. SAVARANONANDO

 

1. Ny politika fitantanana ny ala manan-kery ankehitriny eto Madagasikàra dia efa tany amin'ny taona valopolo sy sivinjato sy arivo. Voafaritra tanatin'ny politikan'ny Governemanta tamin'izany fotoana izany fa ny fahavitan-tena ara-tsakafo sy ny fanatsarana ny fifandanjan'ny fanefam-bola no tanjona roa lehibe kinendry aminy. Ny sori-dalana ankapoben'io politika fitantanana ny ala io dia voafehin'ny anentan-teny hoe "mikajy sady mamokatra, mampandroso nefa tsy manimba". Hatramin'izany dia hita fa misy ny fivoarana lehibe mitranga na amin'ireo antony miantraika mivantana amin'ny toetoetry ny ala izany na amin'ny safidy politika noraisina amin'ny seha-pamokarana mahafaoka ny momba ny ala sy ny sori-dalana ankapobe ifotoran'ny fampandrosoana tapaka teto amin'ny Firenena.

 

2. Même si l'on ne dispose pas aujourd'hui d'estimation fiable de la surface forestière existante et encore moins de son évolution, on peut affirmer sans risque de se tromper que le pays est en train de perdre son capital forestier. Les activités de l'homme dans le forêt ne se cantonnent pas au simple prélèvement de la ressource bois, mais se traduisent par le défrichement des ressources forestières. La pression démographique, la paupérisation croissante du monde rural, ainsi que les pratiques agricoles inadaptées, contribuent à renforcer ce processus de dégradation. Face à cet environnement de plus en plus fragilisé, révélateur d'une situation de crise, les moyens humains et financiers, ainsi que les modes d'approche mis en oeuvre par l'administration forestière ne sont plus adaptés.

 

2. Na tsy am-pelatanana aza izao ny tombatombana azo itokiana mikasika ny velaran-tany mbola rakotr'ala sy ny mety ho fivoarany rahateo dia tsy am-pihambahambana no ilazana fa mihavery hatrany hatrany ny loharanon-karena ananantsika amin'ny ala. Ny asa aman-draharahan'olona mantsy tsy mianona fotsiny ihany amin'ny fikapana hazo fa fandringitana mihitsy ny loharanon-karenan'ny ala. Ny vesatry ny fihamaroan'ny mponina, ny fihomboan'ny fahantrana mihanaka eny ambanivohitra ary koa ny fomba amam-panao mamohehatra amin'asam-pambolena dia mampirongatra ny vaikan'izany fihasimbana izany. Manoloana tontolo iainana mora andairan-drofy hatrany izay taratry ny fikatsoana mangeja dia tsy mifanentana aminy intsony ny mondrokery sy ny enti-mihetsika ara-bola ary koa ny fomba fisetrana azy ampiasain'ny fitondran-draharaham-panjakana mitantana ny ala.

 

3. Par ailleurs, de nouvelles politiques sectorielles auxquelles s'articule étroitement la problématique forestière ont été élaborées. D'une part, l'adoption de la "Stratégie malgache pour la conservation et le développement durable" en 1984, puis de la Charte de l'environnement en 1990, ont permis de définir la politique nationale de l'environnement. D'autre part, une nouvelle politique pour le développement rural a été formulée en 1994.

 

3. Ankoatr'izany dia efa tontosa ny famolavolana politika vaovao isan-tseha-pamokarana izay ampifandrohizana akaiky ny famahana ny olana mikasika ny ala. Andaniny, ny fankatoavana ny "Teti-panorona Malagasy amin'ny fikajiana sy fampandrosoana maharitra" tamin'ny taona 1984, avy eo ny "Dina momba ny Tontolo iainana" tamin'ny taona 1990 izay nahafaha-nanoritra ny "Politikam-pirenena momba ny Tontolo iainana". Ankilany, noraiketina tamin' ny taona 1994 ny "Politika vaovao momba ny fampandrosoana ny eny ambanivohitra".

 

4. Enfin, les orientations majeures prises par le pays depuis l'avènement de la troisième République se traduisent par des changements profonds qui sont en train de s'opérer dans le contexte économique, politique et institutionnel au niveau national : relance des activités économiques dans une optique de libéralisation, nouvelle répartition des rôles au sein de la société à la faveur du désengagement de l'Etat du secteur productif, redéfinition de l'équilibre des pouvoirs entre les différents niveaux de l'administration à travers la décentralisation effective.

 

4. Farany, ny sori-dalana vaventy izoran'ny Firenena hatramin'ny fitsanganan'ny Repoblika fahatelo dia miteraka fiovana lalim-paka mihamahazo vahana eo amin'ny tontolon'ny toekarena, ny politika ary ny andrim-pitondrana eto amin'ny tany, sy ny Fanjakana : fampientanana ny asa aman-draharaha fiharian-karena mifantoka amin'ny fanalalahana fanavaozana ny fifampizaran'andraikitra anivon'ny fiaraha-monina ateraky ny fiatahan'ny Fanjakana amin'asam-pamokarana, famaritana indray ny fifandanjan'ny fizakam-pahefana ananan'ny ambaratonga samy hafa eo amin'ny fitondran-draharaham-panjakana amin'ny alalan'ny fitsinjaram-pahefana tena izy.

 

5. L'ensemble de ces évolutions fait que la redéfinition de la politique Forestière est aujourd'hui considérée comme une priorité. Elle devra permettre de faire face à l'évolution préoccupante de la situation forestière actuelle, tout en s'inscrivant de façon cohérente dans la mise en oeuvre des orientations générales et sectorielles retenues par la politique nationale de développement.

 

5. Ireny fivoarana ireny mitambatra no iheverana ankehitriny ho laharam-pahamehana ny fanoritana indray ny politika fitantanana ny ala. Izany dia tokony hahafaha-miatrika ny fivoaran'ny toetoetry ny ala ankehitriny izay ilam-pahamalinana sady tafiditra rahateo amin'ny rindran-damina fanatanterahana ny soridalana ankapobeny sy isan-tseha-pamokarana itondrana ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana.

 

2. BILAN DE LA SITUATION FORESTIERE

 

2.1. Une forte dégradation des ressources forestières

 

6. Madagascar est confronté depuis longtemps à un phénomène global de dégradation de ses ressources forestières. Sous l'effet conjugué de facteurs socio-économiques, des modes de mise en valeur agricole et pastorale et des méthodes d'exploitation forestières, ces ressources ne cessent de décroître et le phénomène tend aujourd'hui à s'accélérer.

 

2. TODIKEFA AMIN'NY TOETOETRY NY ALA

 

2.1. Fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala izaitsizy

 

6. Mahafaobe ny fahasimban'ny loharanon-karen’ny alany setrain'i Madagasikara hatry ny ela. Indray misy fiantraikany ny antony ara-tsosialy sy ara-toekarena, ny fomba fanabeazam-boho ny fambolena sy ny fiompiana ary ny fitrandrahana ny ala hany ka tsy mitsaha-mihena ireny hareny ireny ary dia toa mihafaingana izany ankehitriny.

 

7. La pression due au facteur démographique, accentuée par une répartition géographique inégale et par l'accroissement de la population urbaine, entraîne un décalage croissant entre d'une part les besoins économiques et sociaux, et d'autre part les ressources forestières susceptibles d'y faire face. Ainsi, la nécessité d'approvisionner les centres urbains en bois-matériau et énergie figure parmi les causes de la surexploitation des ressources ligneuses. En outre la situation de pauvreté que connaît actuellement une partie importante de la population a pour conséquence immédiate la recherche de revenus supplémentaires à travers une exploitation accrue, de caractère anarchique et souvent illégale, des produits forestiers.

 

7. Ny vesatry ny fihamaroan'ny mponina, manampy trotraka izany ny tsy fitovian'ny fielezany eram-paritra jeografika sy ny fitomboan'ny isan'ny mponina an-tanan-dehibe dia mampanonga tombony amin'izay zavatra ilaina ara-toekarena sy ara-tsosialy andaniny ary ankilany ny loharanon-karen'ny ala mety hahasahana izany. Ny an-tery amin'ny famatsiana hazo-akora ary angovo ny tanan-dehibe arak'izany dia anisan'ireo antony mahatonga ny fitrandraharana mihoampampana izay loharanon-karena mitsiratsiraka. Ankoatr'izany ny fahantrana manjo ny ankabeazan'ny mponina amin'izao fotoana izao dia manesika azy avy hatrany hitady làlam-bola miditra fanampiny amin'ny fitrandrahana be hatrany, baranahiny ary matetika tsy ara-dalàna ny vokatry ny ala.

 

8. D'une manière générale, l'économie rurale est aujourd'hui encore caractérisée par le maintien de pratiques agricoles extensives, principalement sous l'effet des défrichements de grande ampleur, le recul du couvert forestier. Dans les zones forestières, la pratique traditionnelle de la culture de subsistance sur brulis ou tavy par un nombre croissant de paysans, alors que la superficie des forêts naturelles a diminué, ne garantit plus leur reconstitution. Dans l'Ouest, l'extension de la culture du maïs est une cause importante de défrichement des forêts restantes. Parallèlement, les effets néfastes des feux de brousse, liés entre autre à la vaine pâture des zébus, se répercutent également sur la superficie boisée. Ce phénomène, qui garde des proportions inquiétantes particulièrement dans l'Ouest et sur les hautes terres centrales, reste difficile à maîtriser pour des raisons aussi bien techniques que politiques.

 

8. Amin'izao fotoana izao amin'ny ankapobeny dia mbola mampiavaka ny fiharian-karena eny ambanivohitra ny fomba fambolena mitatra izaitsizy ka mampihena ny velarana rakotr'ala, indrindra indrindra noho ny famakian-tany vao eran'itsy sy eroa. Any amin'ireo faritra misy ala dia tsy antoka intsony ny hiverenany amin'ny laoniny noho ny fifikiran'ny tantsaha mihamaro an'isa amin'ny fanaovana tavy, kanefa mihakely ny velaran-tany rakotr'ala voajanahary. Any andrefana, ny fitaran'ny katsaka no tena antony lehibe mahapotika ny hany ala sisa tavela. Mifanindran-dàlana amin'izany ihany dia misy fiantraikany koa amin'ny velaran-tany voavoly hazo ny voka-dratsin'ny doro tanety lazain-ko anisan'ny filàna kijana hiraofan'ny omby. Noho ny antony teknika na koa politika dia manoin-tsarotra ny fifehezana an'io toe-javatra io izay mahabe fanahiana mihitsy indrindra any amin'ny faritra andrefana sy afovoan-tany.

 

9. Les méthodes d'exploitation forestière en vigueur, qui n'ont guère évolué, n'intègrent pas la notion du long terme. L'écrémage des espèces les plus demandées, l'absence d'opérations sylvicoles destinées à compenser les prélèvements, l'importance du gaspillage de matière, sont autant de facteurs qui contribuent à la dégradation des ressources forestières. Il convient de souligner que ce phénomène se trouve aggravé par des pratiques d'exploitation illicite qui, selon les régions, peuvent prendre une ampleur considérable. Globalement, dans les conditions actuelles de leur gestion, le niveau de prélèvement sur les ressources boisées est bien supérieur à leur capacité de renouvellement.

 

9. Tsy mahatsinjo ny vodiandro merika any aoriana any ny fomba ankehitriny fitrandraharan'ala izay tsy nisy fivoarany velively. Anisan'ny antony daholo mahatonga ny fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala ny fitsongoana ny karazany be mpitady, ny tsy fisianà lahasa fikarakarana ny ala hanosohana izay noringitana tany, ny gaboraraka amin'ny fampiasana akora. Tsara marihina fa vao maika mamely trotraka amin'io toe-javatra io ny fitrandrahan'ala tsy manara-dalàna izay tena tsy hita noanoa akory, arakaraka ny isam-paritra. Raha bangoina amin'izao toetoetran'ny fitantanana azy izao, ny sombinina amin'ny loharanon-karena mikasika ny hazo dia be lavitra noho ny fiatiam-pihavaozany izany hoe ny fisian'ny solofo ho dimbiny.

 

10. Certes, les différents facteurs sus-mentionnés se combinent différemment et s'exercent avec une intensité variable selon les régions. Leur effet d'ensemble conduit toutefois au constat général que le pays se trouve aujourd'hui confronté à une véritable spirale de dégradation de ses ressources naturelles. Une telle tendance pose un problème dont la gravité apparaît non seulement au niveau de la détérioration progressive des conditions de production agricole mais aussi au niveau du maintien de la biodiversité.

 

10. Marina fa tsy mitovy ny firohotan'ireo antonantony samy hafa voalaza eto ambony ireo ary miovaova arakaraka ny isam-paritra ny fivaikany, kanefa rahefa mitambatra ireny dia izao ny vokany : tafiditra an-kizo isangodinan'ny fihasimban'ny loharanon-kareny voajanahary ny tanintsika ankehitriny. Ny toa izany dia mametraka olana mafy fiantraika izay hita lany tsy eo amin'ny fiharatsin'ny toe-java misy amin'asam-pamokarana arapambolena fotsiny fa eo amin'ny hahaveloman'ny zava-miaina samihafa ihany koa.

 

2.2. Un recul de l'autorité de l'administration publique

 

11. L'Etat a développé depuis longtemps un ensemble de mesures visant à limiter la dégradation forestière. Les textes qui sont à la base de l'action publique dans le domaine forestier portent sur la gestion et l'exploitation des ressources forestières (décret du 25 janvier 1930), sur le défrichement (ordonnance n° 60-127) et sur les feux de végétation (ordonnance 60-128 du 3 octobre 1960). Ils ont été suivis de nombreux décrets et arrêtés permettant à l'Etat d'exercer un contrôle sur les différentes utilisations de l'espace forestier national. Plus récemment, les textes de base ont été complétés par des dispositions spéciales relatives à la conservation dans le cadre de préoccupations environnementales (loi n° 90-033 du 21 décembre 1990 sur la Charte de l'environnement).

 

2.2. Fihemoran'ny fahefana ananan'ny Fitondran-draharaham-panjakana

 

11. Efa hatramin'ny ela ny Fanjakana no nanoritra fepetra maro samihafa hifehezana ny fihasimban'ny ala. Ny rijan-teny fahatry ny asa ataon'ny Fanjakana momba ny ala dia mikasika ny fitantanana sy ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala (didim-paniakana tamin'ny 25 janoary 1930), ny famakian-tany vao (hitsivolana 60-127) ary ny fandoroana zavamaniry (hitsivolana 60-168 tamin'ny 3 oktobra 1960). Narahina didim-panjakana sy didim-pitondrana ireny nahafahan'ny Fanjakana manara-maso ny karazany samy hafa amin' ny fampiasana ny faritra rakotr'alam-pirenena. Vao haingana izao ireo rijan-teny fototra dia niampy fepetra manokana mikasika ny fiarovana tafiditra ho anisan'ny fikajiana ny tontolo iainana (lalàna laharana faha 90-033 tamin'ny 21 desambra 1990 momba ny Dinan'ny tontoio iainana.

 

12. En 1985, l'administration forestière s'est attachée à préciser sa stratégie d'action dans un document de politique forestière. Toutefois, alors que les problèmes forestiers s'intensifiaient, l'administration forestière n'a connu d'évolution significative ni dans ses moyens, ni dans ses modalités d'intervention. En outre, son rôle est rendu plus difficile dans un contexte politique marqué par l'affaiblissement de l'autorité de l'Etat. Il en résulte que l'action de l'administration forestière, devenue plus facile à contourner, ne constitue plus aujourd'hui un garde-fou suffisant à la déforestation. La situation qui prévaut est celle d'un accès facile et sans réel contrôle aux ressources forestières.

 

12. Tamin'ny taona 1985 dia nilofosan'ny fandraharahana momba ny ala ny fanoritana mazava ny tetikasa sy paika voarakitra anatin'ny tahirin-kevitra momba ny politika fitantanana ny ala. Kanefa raha mihamafonja ny olana mipetraka, ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala kosa tsy nisy fivoarany firy na teo amin'ny fombafomba firotsahany an-tsehatra. Ankoatr'izany, sarotra kokoa ny andraikiny anivon'ny toe-draharaha politika ahitana misongadina fa mihamaivana ny fahefam-panjakana. Vokatr'izany ny asa ataon'ny fandraharahana momba ny ala zary mora idifiana dia tsy ampy ho aroriaka isakanana ny fandripahana ny ala intsony ankehitriny. Izao no toe-java-misy : mora ny fahazoa-mitrandraka ny ala ary tsy misy ny tena fanaraha-maso izany.

 

13. On assiste à un relâchement dans l'application de la législation forestière. Reposant essentiellement sur un système d'interdictions et de limitations d'usage assorties de pénalités, elle est d'autant moins efficace que les moyens dont dispose l'administration forestière sont très insuffisants par rapport à l'ampleur de la pression qui s'exerce sur les ressources forestières. Ainsi, le contrôle des feux de brousse, des exploitations forestières et des défrichements ne peut plus s'exercer normalement. Le développement du secteur informel constitue une autre manifestation de cette perte de contrôle des filières de produits forestiers par l'administration forestière.

 

13. Goragora ny fampiharana ny didy aman-dalàna fitantanana ny ala. Miompana indrindra amin'ny fandrarana sy ny fameperana ny asa atao omban'ny sazy ahatra hatrany ka tsy ahitam-pahombiazana sady tsy ampy mihitsy ny fitaovana ananan'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala miolotra amin'ny fanonjan'ny vesatra mitambaby amin'ny loharanon-karen'ny ala. Tsy ara-dalàna intsony noho izany ny fanaovana andrimaso amin'ny doro tanety, ny fitrandrahana ala ary ny famakoan-tany vao. Ny firoboroboan'ny seha-pisahanan'asa tsy manara-dalàna dia lafiny iray hafa mampiseho fa very an-javona ny fanaraha-maso ny làlan-kitondrana ny vokatry ny ala ataon'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala.

 

14. L'affaiblissement de l'administration forestière est notoire du point de vue de sa capacité d'intervention et de coordination. Les changements fréquents de structures et de rattachement ministériel, le cloisonnement entre les services techniques et le manque de coordination de leurs opérations, la diminution des moyens en budget et en personnel, ont porté atteinte à son efficacité. A ces problèmes s'ajoute parfois une ingérence de la politique politicienne dans son fonctionnement. La perte de motivation, souvent constatée au niveau des agents forestiers, est à restituer dans ce contexte.

 

14. laraha-mahalala fa osa dia osa ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala raha ny amin'ny fahazoany mirotsaka antsehatra sy misahana asa fandrindrana. Nandronjina ny fahombiazany ny hatetiky ny fiovaovan-drafitra sy minisitera iankinany, ny fitsitokotokoana eo amin'ireo sampan-draharaha teknika sy ny tsy firindran'ny lahasa imasoany, ny fihenan'ny tetibola enti-mihetsika sy ny isan'ny mpiasa ao aminy. Manampy trotraka ireny tsindraindray ny fitsabatsabahan'ny politika fe politika amin'ny fandehan'ny asa aman-draharahany. Mifamahofaho anatin'izany toe-java-misy izany no tokony hitarafana ny fahaverezan'ny risi-po mazàna hita amin' ireo mpiasam-panjakana momba ny ala.

2.3. Des acteurs non responsabilisés

 

 

15. La politique suivie jusqu'à ce jour a considéré l'Etat comme l'acteur essentiel sinon unique de la lutte contre la dégradation forestière. Cela apparaît dans la nature exclusive de la législation forestière en vigueur. L’Etat, propriétaire de la forêt naturelle, n'a jamais cherché à associer les communautés locales à sa gestion. D'où le désintérêt qu'elles manifestent généralement quant à une prise de responsabilité dans ce domaine.

 

2.3. Mpandraharaha tsy mahatsapa tena

ho manana andraikitra

 

15. Ny politika narahina hatramin'izay dia ny fiheverana fa ny Fanjakana no voalohan-draharaha raha tsy hany tokana tompon'antoka amin'ny ady atao hisorohana ny fihasimban'ny ala. Ny fanaovana anjorom-bala raketin'ny lalàna manan-kery fitantanana ny ala no endrika isehoan'izany. Ny Fanjakana izay tompon'ny ala voajanahary dia tsy mikatsaka mihitsy hiombon'antoka amin'ny Fokonolona eny an-toerana amin'ny fitantanana azy. Vokatr'izany ny tsy firaikany amin'ny ankapobeny hiantsoroka adidy aman'andraikitra amin'io lafiny io.

 

16. Même si des initiatives de prise de responsabilité existent elles se heurtent à des difficultés liées aux nécessités économiques qui tiennent une grande part dans les pratiques rurales en vigueur. Du fait de la situation de paupérisation que connaît une grande partie de la population, la perception de la fonction écologique de la forêt se trouve reléguée au second plan par rapport aux préoccupations du quotidien. Les espaces boisés sont le plus souvent considérés non pas comme une ressource à gérer mais comme une réserve vitale de terres dont l'occupation aboutit à la déforestation. Les défrichements effectués pour une agriculture de subsistance ou encore la recherche de revenus supplémentaires à travers une exploitation anarchique et souvent illégale des produits de la forêt en sont des illustrations. Cette situation rend plus difficile la prise de conscience en faveur de la lutte contre la dégradation forestière et donc la prise de responsabilité dans ce domaine.

 

 

16. Na misy aza ny finiavana handray andraikitra, vato misakana ireny ny fanoinan-tsarotra amin'ny tolona tsy maintsy hiatrehana ny asam-pihariana izay mibahan-toerana betsaka amin'ny fomba amam-panao eny ambanivohitra amin'izao fotoana izao. Noho ny fahantrana mianjady amin'ny ankabeazan'ny mponina dia ambinambin-javatra ihany miohatra amin'ny manahiran-tsaina azy andavanandro ny fahatsapana ny asan'ny ala eo amin'ny tontolo iainana. Ny iheverana matetika ny faritra voavoly hazo dia tsy toy ny loharanon-karena ilain-ko tantanana fa toy ny velarantany tokin'aina fa fandripahana ny ala ny fipetrahana eo aminy. Ohatra maneho izany famakian-tany vao hanaovana asam-pambolena ivelomana na koa ny fitadiavana lalam-bola miditra fanampiny amin'ny alalan'ny fîtrandrahana be fahatany ary mazàna tsy ara-dalàna ny vokatry ny ala. Izany toe-javatra izany dia mampananosarotra izay tsy izy ny fahatsiarovan-tena fa tokony ho sorohana ny fihasimban'ny ala ary avy eo ny fandraisan'andraikitra amin'io lafiny io.

 

17. Dans les conditions actuelles de fonctionnement de la filière bois, les exploitants forestiers, qui sont rarement des professionnels, se comportent comme des opérateurs économiques soucieux avant tout de profit à court terme. C'est pourquoi les méthodes d'exploitation qu'ils mettent en œuvre n'intègrent aucun souci de gestion à long terme de la ressource. De plus, ils disposent d'une grande latitude dans la conduite de leurs activités en raison de la faiblesse du contrôle exercé par le service forestier quant au respect des clauses d"exploitation.

 

17. Amin'izao toetoetran'ny fandehan'ny lalam-barotra momba ny hazo ankehitriny izao, ny fihetsiky ny mpitrandraka ala izay mahalana dia mahalana no matihanina dia toy ny an'ny mpandraharaha ara-toekarena mikokotra fotsiny ihany amin'ny ho tombontsoany ato anatin'ny fotoana fohy. Izany no mahatonga ny fomba hoenti-mitrandraka ampiasainy tsy hisy firaharahana akory ny fitantanana lavitr'ezaka an'ilay loharanon-karena. Ambonin'izany izay saim-pantany ihany no itondrany ny fandehan'ny asany noho ny hamaivanan'ny fanaraha-maso ataon'ny sampan-draharaha momba ny ala mikasika ny fanajana ny fepetra farafaraina amin'ny asam-pitrandrahana.

 

2.4. Un potentiel économique

insuffisamment mis en valeur

 

18. Du fait des multiples usages dont ils font l'objet (énergie, médecine traditionnelle, produits de cueilllette et chasse, matériaux de construction, matière première pour l'artisanat et les activités de transformation, etc.), les produits de la forêt occupent une place non négligeable dans la vie économique du pays. Toutefois leur importance réelle est difficile à évaluer car les activités correspondantes ne relèvent que partiellement du secteur formel. Une part importante est opérée soit au niveau de l'économie domestique soit au niveau du secteur informel qui s'est fortement développé dans la filière du bois. Mais dans l'ensemble, bien qu'il présente un réel potentiel, la contribution du secteur forestier au développement économique national reste limitée.

 

2.4. Loharanon-karena

tsy ampy ny fanamaintisamolaly azy

 

18. Maro loha ny ampiasana ny vokatry ny ala (angovo, raokandro, fitangosam-boa sy haza, akoram-panorenana, akora fototra amin'ny asa tànana sy fanodinan'akora, sns) ka noho izany tsy azo hamaivanina ny toerana misy azy eo amin'ny toekarem-pirenena. Na izany aza tsy hay tombanana ny tena havesa-danjany noho ny asa aman-raharaha mifampiankina aminy tsy tafiditra afa-tsy amin'ampahany ihany ao anatin'ny seha-pamokarana manara-dalàna. Ny ampahany betsaka dia trandrahina na eo amin'ny ambaratongan'ny fiharian-karena isan-tokantrano na kononkonon'ny seha-pamokarana tsy manara-dalàna izay miroborobo fatratra eo amin'ny làlam-barotra momba ny hazo. Nefa amin'ny ankapobeny, na eo aza ny maha-tena loharanon-karena azy, tsy mankaiza firy ny bainga voavadiky ny seha-pamokarana momba ny ala eo amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.

 

19. Le fonctionnement du secteur forestier connaît une série de problèmes qui freinent son développement et qui se traduisent en fin de compte par un manque à gagner considérable. L'exploitation forestière reste cantonnée aux méthodes traditionnelles qui occasionnent d'importantes pertes de matière en forêt. Les activités de transformation sont peu développées, faute d'investissements. Elles sont concentrées sur les premiers stades de transformation qui n'apportent qu'une faible valorisation aux produits mis sur le marché. Les circuits de commercialisation sont confrontés à des problèmes liés aux coûts croissants du transport, à la qualité variable des produits du fait de l'absence de normes adéquates, à la multiplicité des intermédiaires. L'approvisionnement du marché intérieur n'est pas toujours assuré et la performance sur les marchés extérieurs reste faible. Enfin, les problèmes d'insécurité foncière découragent l'investissement dans le reboisement.

 

19. Ny fandehan'ny seha-pamokarana momba ny ala dia itrangan'olana maro miantoana izay mampihitsoka ny firoboroboany ary lasa fatiantoka bevava indray aza amin'ny farany. Ny fitrandrahana ny ala dia mianona fotsiny amin'ny fomba fanao nentim-paharazana izay mahavery maina ny ankabetsahan'akora avy amin'ny ala. Tsy mivoatra firy ny asam-panodinana noho ny tsy fisian'ny fampiasam-bola hamokarana. Izy ireny dia mitangongo amin'ny dingana voalohan'ny asam-panodinana ka kely ny tongoam-bidin'ny vokatra varotana amin'ny tsena. Ny làlan-kaleha amin'ny fivarotana dia isetrana olana mifandraika amin'ny fihalafosan'ny saram-pitaterana, ny fiovaovan'ny hatsaran'entana vokatry ny tsy fisiana fenitra mifanentana aminy, ny hamaroan'ny mpanelanelana. Ny famatsiana ny tsena anatiny dia mbola tsy voantoka hatrany hatrany ary tsy ahitam-pahombiazana firy ny tsena any ivelany. Farany, ny olana mampandry an-drirana amin'ny fizakan-tany dia mampiahotra ny fampiasam-bola amin'ny fambolen-kazo.

 

20. Le secteur informel a connu une extension importante, allant parfois jusqu'à devenir la principale source d'approvisionnement des marchés urbains en matériaux bois et en énergie. Faisant souvent preuve de dynamisme et d'efficacité, le secteur informel apporte des avantages immédiats, mais cela ne doit pas occulter l'impact négatif qu'il exerce sur le développement de ce secteur dans son ensemble. Ainsi, la concurrence à laquelle se trouve confronté le secteur formel sur toute la filière, de l'exploitation à la commercialisation, limite sa rentabilité et freine l'investissement. De plus les possibilités d'évolution du secteur informel vers une meilleure valorisation des produits sont faibles. Enfin, il favorise les activités illicites, peu soucieuses de la pérennité à long terme de la ressource forestière.

 

20. Mitatra be tokoa ny ambaindain'ny seha-pamokarana tsy manara-dalàna, indraindray aza izy no lasa voalohan-daharana amin'ny famatsiana akoran'hazo sy angovo ny tsena an-tanàn-dehibe. Mazàna izy no entanin-kavitrihana sy fahombiazana ka tombontsoa eo no ho eo avy hatrany no hita amin'ny seha-pisahanana asa tsy manara-dalàna, izany anefa tsy tokony hanalokaloka ny voka-dratsy antraikany amin'ny fampandrosoana an'io seha-pamokarana io amin'ny ankapobeny. Ny fifaninanana izay setrain'ny seha-pisahanana asa manara-dalàna eran'ny lalam-barotra, hatramin'ny asam-pitrandrahana ka hatrany amin’ny fivarotana, dia manisy fetrany araka izany ny fahazoan-tombony aminy ary mampiahotrahotra ny fampiasam-bola. Ambonin'izay tsy dia antenaina loatra ny mety ho fivoaran'ny seha-pisahanan'asa tsy manara-dalàna mankamin'ny fanabeazam-boho kokoa ny tongoam-bidin'ny vokatra azo. Farany, mihamahazo vahana aminy ny fisahanan'asa tsy ara-dalàna izay tsy miraharaha loatra ny hampaharitra tsy tontan'ny ela ny loharanon-karen'ny ala.

 

21. Etant donné les atouts que constituent les sites naturels et la richesse biologique, l'écotourisme est reconnu comme étant un potentiel important pouvant contribuer de manière significative à la diversification des recettes extérieures et à la création d'emplois. Mais ce potentiel est encore peu exploité, en raison notamment de l'insuffisance des infrastructures.

 

21. Noho ny fisian'ny toera-manintona voajanahary sy ny harena biolojika dia fantatra fa foto-pihariana manana ny lanjany ny tontolon'ny fizahan-tany mety hanampy betsaka tokoa amin'ny fanamaroana ny vola miditra avy any ivelany sy amin'ny famoronana asa. Nefa dia mbola tsy voatrandraka firy io loharanon-karena io noho ny tsy fahampian'ny fotodrafitr' asa indrindra indrindra.

 

2.5. Des atouts pour une nouvelle politique forestière

 

22. Le bilan préoccupant dressé ci-dessus ne doit cependant pas faire perdre de vue l'existence d'un ensemble de facteurs favorables à la mise en œuvre d'une politique forestière mieux adaptée à l'importance de l'enjeu et à la nature des problèmes posés. La nouvelle politique forestière devra chercher à les mettre à profit afin de renverser les tendances dégagées dans le bilan de la situation.

 

2.5. Kitro ifaharana amin' ny politika vaovao fitantanana ny ala

 

22. Na mampanahy be ihany aza ny jery todika voasoritra eto ambony dia tsy tokony hadinoina kosa ireo antonantony indray mitambatra ahombiazan'ny fampiharana ny politika fitantanana ny ala mifanentana kokoa amin'ny havesa-danjan'ny fanamby sy ny karazan'olana mipetraka. Tokony hararaotina izy ireny amin'ny politika vaovao fitantanana ny ala hampisambodika ny ho fandehan-draharaha hita taratra avy amin'ilay fibangoana ny toejava-misy.

 

23. Tout d'abord, une large prise de conscience s'est opérée au sein des institutions nationales et internationales face à la gravité du problème posé par la dégradation de l'environnement à Madagascar, avec ses multiples conséquences à moyen et long terme. La nécessité de préserver la richesse biologique du pays, dont l'intérêt relève du patrimoine mondial, a joué en cela un rôle particulier. L'adoption de la Charte de l'environnement en 1990 a marqué une étape importante car elle fixe les grandes orientations dont la mise en œuvre par des structures nationales à travers le plan d'action environnemental est largement soutenue par le financement de la communauté internationale. L'existence de ce cadre général de l'action environnementale facilite l'élaboration et la mise en œuvre d'une nouvelle politique forestière. Il faut noter également l'intervention d'un nombre croissant d'organismes dans le domaine de l'environnement. Si leurs actions ont été dans un premier temps orientés principalement vers des préoccupations écologiques, l'articulation entre les problèmes de développement socio-économique et les problèmes de conservation des ressources est aujourd'hui davantage prise en considération dans la conduite des actions.

 

23. Voalohany indrindra dia tsara fa miely patrana anivon'ny andrim-pitondrana eto amin'ny Firenena sy iraisam-pirenena ny fahatsiarovan-tena manoloana ny olana goavana ateraky ny fihasimban'ny tontolo iainana eto Madagasikara miaraka amin'izay ho voka-dratsiny maro samihafa antenantenam-potoana sy any aoriana any. Nanana ny akony manokana ny tsy maintsy hikajiana ny harena biolojikan'ny tanintsika izay zary fitsimbinan-tombony hanasoavana ny fananambe iombonana maneran-tany. Dingana lehibe no vita tamin'ny fandaniana ny Dina momba ny Tontolo iainana tamin'ny taona 1990. Voafaritra ao anatiny ny sori-dàlana vaventy itondrana azy io ary dia ny Fiombonambe iraisam-pirenena no mirohatra miara-manohana ny famatsiam-bola ny fanatanterahan'ny rantsa-mangaika eto amin'ny Firenena amin'ny alàlan'ny Drafitry ny lahasa momba ny Tontolo iainana. Ny fîsian'io drafitra ankapobeny itondrana ny lahasa momba ny tontolo iainana io dia manamora ny famolavolana sy ny fanatanterahana ny politika vaovao fitantanana ny ala. Tokony ho marihina ihany koa ny fitomboan'ny isan'ireo antokon-draharaha mirotsaka antsehatra amin'atrikasa momba ny tontolo iainana. Raha toa aty amboalohany ka mifantoka indrindra indrindra amin'antonantony mikasika ny tontolo manodidina ny atrikasa imasoany, ankehitriny dia latsa-paka bebe kokoa an'eritreriny amin'ny fanatontosana ny lahasany ny fifandrohizan'ny olana misy amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena sy ny olana amin'ny fikajiana ny loharanon-karena voajanahary.

 

24. L'analyse de la situation forestière et environnementale, ainsi que la prise en compte des orientations globales de la politique nationale de développement (libéralisation économique désengagement de l'Etat du secteur productif, décentralisation) ont engendré une évolution notable des idées en ce qui concerne les structures et les modes de gestion du secteur forestier. Ainsi, la nécessité aujourd'hui largement admise d'associer les acteurs locaux à la gestion des ressources forestières et le rôle actif attendu, du secteur privé dans leur mise en valeur reflètent une nette évolution de la conception du rôle de l'administration forestière. De même, la nécessité pour la nouvelle stratégie forestière de prendre davantage en considération les spécificités régionales trouvera un contexte favorable dans la déconcentration de l'administration forestière. Enfin, dans la perspective de redéfinition du rôle de l'administration forestière, celle-ci dispose avec le Fonds forestier national d'un instrument financier permettant d'assurer le financement de ses activités.

 

24. Niteraka fivoaram-pisainana lalina amin'izay mikasika ny rafitra sy fombafomba fitantanana ny sehatry ny ala ny famakafakana ny toetoetran'ny ala sy ny tontolo iainana, mbamin'ny fitandremana tsy hivaona amin'ny sori-dàlana faobe itondrana ny politikam-pirenena momba ny fampandrosoana (fanalalahana ny fiharian-karena, fiatahan'ny Fanjakana amin'asam-pamokarana, fitsinjaram-pahefana). Ny fiarahan' ny rehetra miaiky ankehitriny ta tena ilaina ny fampandraisana andraikitra ny mpihary eny antoerana amin'ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala sy ny antok'ainga mavitrika andrasana amin'ny seha-pamokarana tsy miankina amin'ny Fanjakana eo amin'ny fanamaintisa-molaly azy ireny dia samy ahitan-taratra fa mivoatra tsara tokoa ny fisainana ny adidy aman'andraikitry ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala. Torak'izany koa ny tsy maintsy iheverana bebe kokoa ny fiavahana manokan’ny isam-paritra amin'ny fanoritana ny tetika sy paika fitantanana ny ala dia vao mainka ho voatandrina anatin'ny fanapariaham-pitendrana eo amin'ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala. Farany, eo amin'izay ho famariparitana indray ny andraikitry ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala dia efa voavonona hampiasain'ity farany ny enti-manana ny fiantohana ny famatsiam-bola ny asa aman-draharaha sahaniny amin'ny alalan'ny Tahirim-pirenena momba ny ala.

 

25. En milieu rural, notamment sur les hautes terres centrales, des initiatives locales ont permis de constater une motivation certaine des paysans à mener des activités de reboisement, d'arborisation ou d'agroforesterie. L'expérience a montré qu'avec un dispositif incitatif adéquat, pouvant aller jusqu'au transfert de gestion ou de propriété, les initiatives privées d'extension de la ressource peuvent se développer rapidement. Il convient de relever que la terre existe en quantité suffisante à Madagascar pour permettre, dans des conditions à définir, un bon équilibre spatial entre spéculations agricoles et forestières.

 

25. Eny ambanivohitra, indrindra amin'ny faritra afovoan-tany ny finiavana tazana eny an-toerana dia ahatsapana ny faharisihan'ny tantsaha tokoa hisahana atrikasa fambolen-kazo, fandroboroboan'ny voly hazo ary fikojakojana ny ala isian'asam-pambolena. Voaporofon'ny traikefa fa raha sahaza izany ny atao fanoitra manentana azy, mety ho hatramin'ny famindram-pitantanana na fitompoana aza, dia hiroborobo haingana dia haingana ny ezaka itozoan’olon-tsotra na sehatra tsy miankina amin'ny Fanjakana eo amin'ny fanitarana ny ambaindain'ilay loharanon-karena. Tokony ho marihina ny fidadasiky ny tany misy eto Madagasikara ka rahefa voasoritra mazava ny fepetra harahina, ampy ahafahana mampifandanja tsara ny velaran-tany ho rakotry ny asam-pambolena sy ny ho rakotry ny ala.

 

26. Les différents acteurs de la filière bois, exploitants, artisans et industriels, sont eux aussi davantage conscients des risques que fait peser sur leurs activités la tendance actuelle de dégradation accélérée des ressources forestières. lis se montrent disposés à jouer un rôle dans un processus de redressement de la situation. Ici également, la création d'un environnement favorable à une meilleure valorisation des ressources et à la transformation des produits sur place peut contribuer au développement du secteur tout en limitant les effets néfastes sur les ressources.

 

26. Ireo mpandraharaha samy hafa amin'ny làlam-barotra momba ny hazo, mpitrandraka, mpanao asa tànana sy mpitantana indostria dia mahatsapa bebe hatrany koa ny ho fatiantoka atambesatry ny hitsin-dàlan-dririnina ankehitriny mankamin'ny fahafainganan'ny fihasimban'ny loharanon-karen'ny ala eo amin'ny asa aman-draharaha sahaniny. Vonona izy ireo hitondra ny anjara biriky amin'ny lahasam-panarenana ny toe-java-misy. Eto ihany koa, ny fampanjakana tontolo iainana lonaka amin'ny fanabeazam-boho ny loharanon-karena sy ny fanodinana eny antoerana ny vokatra azo dia hitarika fampandrosoana an'ilay seha-pamokarana no sady hisakana ny voka-dratsy antraika'ny amin'ireny loharanon-karena ireny.

 

3. Les principes fondamentaux de la politique forestière

 

27. La politique forestière malagasy repose sur six principes de base qui constituent à la fois des critères permanents pour guider l'action et des références pour l'évaluation des résultats. Ces principes s'inscrivent dans la perspective du long terme qui caractérise la gestion des ressources forestières. Ils se réfèrent non seulement au bilan de la situation forestière du pays et au constat qui en découle, mais aussi aux multiples services que la forêt apporte à la société à travers ses fonctions écologique, économique et sociale.

 

3. Ny foto-kevitra fototra momba ny politika fitantanana ny ala

 

27. Ny politika malagasy fitantanana ny ala dia miantehitra amin'ny feni-kevitra fototra enina izay sady kitro ifaharana maharitra amin'ny fampandehanana itarihana ny lahasa no ho fitsiahy koa ifaharana eo amin'ny fanombanana ny vokatra. Ireo feni-kevitra ireo dia voafaritra ho anisan'ny tanjom-pivoarana lavitr'ezaka izay mampiavaka ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala. Izy ireo dia mifahatra tsy amin'ny famisavisana ny toetoetran'ny ala eto amin'ny Firenena fotsiny fa amin'ny fanamarinan-draha aterak'izany fotsiny, fa amin'ireo tombontsoa maro isan-karazany entin'ny ala ho an'ny mpiara-belona amin'ny alàlan'ny asa sahaniny eo amin'ny tontolon-drafitra manodidina, eo amin'ny toekarena ary eo amin'ny lafiny sosialy.

 

3.1. Conformité avec la politique de développement nationale

 

28. Malgré ses spécificités, la politique forestière nationale doit s'articuler le plus étroitement possible aux orientations globales du pays. C'est pourquoi la conformité avec les objectifs des politiques adoptées dans le domaine du développement rural et de l'environnement constitue un critère de base pour la formulation et la mise en œuvre de la politique forestière. De même, la stratégie dans le domaine forestier doit s'inscrire dans le cadre des options nationales en matière de décentralisation, de désengagement de l'Etat du secteur productif et de libéralisation économique.

 

3.1. Fifanarahany amin'ny politika fampandrosoam-pirenena

 

28. Na eo aza ireo mampiavaka azy manokana, dia tokony hifaningotra faran'izay mafy indrindra amin'ny sori-dàlan-kaleha faobe eto amin'ny tany sy ny Fanjakana ny politikam-pirenena fitantanana ny ala. Izany no mahatonga ny fifanarahana amin'ny tanjona kinendrin'ny politika tapaka eo amin'ny sehatry ny farnpandrosoana ny ambanivohitra sy ny tontolo iainana ho zary kitro ifaharana amin'ny fandraiketana sy fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala. Torak'izany koa ny tetika sy paika arahina eo amin' ny sehatra momba ny ala dia tokony ho voafaokan'ny fitsinjaram-pahefana, ny fihatahan'ny Fanjakana amin'asam-pamokarana ary ny fanalatahana ny fiharian-karena.

 

3.2. Conservation des ressources forestières par une gestion durable appropriée

 

 

29. La ressource forestière est renouvelable mais pas intarissable. Il est nécessaire de garantir le mieux possible les conditions de sa conservation et de son renouvellement, au bénéfice de la nation et des générations futures. Cela implique une amélioration des modes de gestion plutôt que dans le renforcement des systèmes d'interdiction. Des modes de gestion durable et appropriée devront permettre de concilier la satisfaction des besoins économiques et sociaux d'une part, et la préservation d'un équilibre global entre prélèvement et reconstitution de la ressource d'autre part.

 

3.2. Fikajiana ny loharanon-karen' ny ala amin'ny alàlan’ny fitantanana maharitra

sahaza izany

 

29. Ny loharanon-karen'ny ala dia azo havaozina kanefa mety ritra. Ilaina ny fananan'antoka faran'izay ampy indrindra amin' ny fikajiana sy ny fanavaozana azy mba hisitrahan'ny Firenena sy ny taranaka fara- mandimby ny tombontsoa aminy. Izany no tsy maintsy hanatsarana ny fomba fitantanana fa tsy dia hamafisina fotsiny ny rafi-pandrarana. Fombam-pitantanana maharitra sady sahaza izany no mety hananan'amby ampy amin' izany ilaina aratoekarena sy ara-tsosialy, andaniny, ary ahafaha-mitandro ny fifandanjana faobe eo amin'ny fanombinana amin'ilay loharanonkarena, sy ny famerenana azy amin'ny laoniny ankilany.

 

3.3. Limitation des risques écologiques

 

 

30. Le couvert forestier joue dans les écosystèmes un rôle important pour la préservation de certains équilibres dont la rupture se trouve à l'origine de problèmes écologiques de grande ampleur et parfois irréversibles. Ces problèmes provoquent pour la collectivité, de manière directe ou indirecte, des coûts sociaux et économiques considérables. La prévention contre l'apparition à moyen ou long terme de tels problèmes doit guider l'action des autorités publiques. L'adoption de mesures visant à protéger ou à reconstituer le couvert forestier dans les zones à risque s'inscrit dans cette optique.

 

3.3. Famerana ny loza mety hanimba ny tontolon-drafitra manodidina

 

30. Ny faritra rakotr'ala dia manana anjara asa lehibe eo amin'ny drafitry ny tontolo manodidina amin'ny fitandrovana ny fifandanjana sasantsasany izay miteraka olana tsy hita avanavana indraindray tsy azo arenina intsony eo amin'ny tontolon-drafitra manodidina raha misy ny fahatapahany. Ireo olana ireo dia mitarika mivantana na ankolaka ho an'ny vondrom-bahoaka, fahavoazana vidian-dafo izay tsy ara-tsosialy sy ara-toekarena. Ny fitandremana mba tsy hitrangan'izany olana izany ao anatin'ny fari-potoana antonintoniny na maharitra ela no tokony hibaiko ny lahasa ifotoran' ny manampahefana ara-panjakana. Ny fandaniana fepetra ikendrena ny fiarovana na fanarenana indray ny faritra rakotr'ala any amin'ny toerana mora andairan-doza dia tafiditra ao anatin'izany tanjona izany.

 

3.4. Contribution du secteur forestier au développement économique

 

31. La forêt est à la base d'un secteur d'activités économiques qui vise à répondre aux besoins domestiques des ménages et à approvisionner les marchés en produits forestiers. Le fonctionnement de ce secteur peut être notablement amélioré tant au niveau de l'exploitation, de la transformation que de la commercialisation, afin d"accroître sa contribution au développement économique national. Cette contribution devrait se refléter notamment dans la satisfaction d'une demande croissante en produits de meilleure qualité, la création d'un plus grand nombre d'emplois et l'augmentation de la part du secteur forestier dans le revenu national. La mise en valeur forestière, en tant que source de revenus, peut et doit être conduite de façon à assurer le maintien voire l'accroissement à long terme du capital que constitue la forêt.

 

3.4. Fandraisan'anjaran'ny sehatra momba ny ala amin' ny fampandrosoana ny toekarena

 

31. Ny ala dia fototra ny seha-pisahanan'asa ara-toekarena mikendry ny fanomezana fahafaham-po amin' ny kanonkanona ilaina ao an-tokantrano sy ny famatsiana vokatry ny ala eo amin'ny tsena. Ny fampandehanana io sehatra io dia azo hatsaraina lavitra noho izao na eo amin'ny fivarotana mba hampitomboana ny anjara biriky entiny amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena. Io fandraisana anjara io dia tokony ho hita taratra indrindra indrindra eo amin' ny fanomezana fahafaham-po ny tinady vokatra tsara kokoa izay manao lanja miakatra, ny famoronan'asa maro tokoa ary ny fampitomboana ny ampahany voavonon'ny seha-pihariana momba ny ala amin'ny vola miditra amin'ny Firenena. Ny fanabeazam-boho ny ala, amin' ny maha-loharanom-bola miditra azy dia azo, ary tokony hatao mba hiantohana ny fitanana na ny fampitomboana mihitsy aza, ny harena toa renivola amin' ny ala anatin'ny fari-potoana lavitr'ezaka.

 

3.5. Responsabilisation des acteurs locaux à la gestion des ressources forestières

 

 

32. La gestion durable des ressources forestières ne peut être envisagée sans une implication des différents acteurs locaux concernés. La stratégie forestière nationale s'attachera donc en priorité à les associer à la gestion des ressources forestières en leur conférant des responsabilités dans le cadre de contrats de gestion.

 

3.5. Fampandraisana andraikitra ny mpandraharaha eo antoerana amin'ny

fitantanana ny loharanon-karen'ny ala

 

32. Ny fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala dia tsy azo eritreretina raha tsy ampidirina an-tsehatra ny mpandraharaha samy hafa voakasika eo an-toerana. Noho izany, ny tetika sy paika ny ala eto amin' ny Firenena dia hafantoka dieny am-boalohany indrindra amin'ny fampiraisan'antoka azy ireny amin'ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala ka ho raiketina ao anatin'ny fifanekem-pitantanana ny andraikitra ampiantsorohana azy amin'ny ala.

 

3.6. Adaptation des actions forestières

aux réalités du pays

 

33. L'efficacité des actions forestières doit être recherchée avant tout dans leur adaptation aux réalités du pays. Cette adaptation constitue un critère important pour la priorisation des actions à mener. Cela conduit d'une part à focaliser les actions sur les questions forestières les plus cruciales qui se posent dans les différentes régions écologiques, et d'autre part à privilégier les actions dont la mise en œuvre est compatible avec les capacités techniques, économiques et organisationnelles des acteurs concernés. Enfin, étant donné la limitation des moyens financiers et humains susceptibles d'être affectés à la mise en œuvre de la politique forestière, leur utilisation optimale doit être recherchée en se référant à la notion de coûts-avantages.

 

3.6. Fampifanentanana ny lahasa atao momba ny ala amin'ny zava-misy eto amin' ny Firenena

 

33. Ny fahombiazan'ny lahasa atao momba ny ala dia tsy maintsy ikatsahana mialoha ny zava-drehetra rifanentanan'izy ireny ireo amin'ny zava-rnisy eto amin'ny Firenena. Tena kitro ifaharana io fîfanentanany eo amin'ny fanomezana laharam-pahamehana ny lahasa hitozoana. Izany dia mitarika andaniny farnpifantohana ny lahasa atao amin'olana mivaivay, indrindra momba ny ala izay mipetraka any amin'ny faritry ny tontolon-drafitra manodidina samy hafa, ary ankilany, ny fanomezana tombon-dahiny ny lahasa izay mifankaheny amin'ny enti-manana ara-teknika, ara-toekarena ary ara-pandaminana ny mpiatrik'asa voakasika ny fanatanterahana azy. Farany, satria voafetra ny hoentimanana ara-bola sy ny isan'olona azo ampiandraiketina ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala, tsy maintsy tadiavina ny mahamety indrindra ny fampiasana azy ireny araka izay fara heriny amin'ny fampitahana ny sandany sy ny ho tombontsoa azo.

 

4. LES GRANDES ORIENTATIONS ET LES OBJECTIFS DE LA POLITIQUE FORESTIERE

 

 

34. La politique forestière malagasy s'articule autour de quatre grandes orientations. Celles-ci déterminent les domaines d'intervention à privilégier afin de remédier aux principaux problèmes énoncés dans le bilan de la situation forestière, tout en se référant aux principes fondamentaux définis ci-dessus. Ces orientations consistent à :

a. Enrayer le processus de dégradation forestière qui, compte tenu de son ampleur, constitue une menace pour la pérennité du patrimoine forestier et biologique ;

4. MOMBA NY SORI-DÀLANA LEHIBE SY NY TANJONA KINENDRY AMIN'NY POLITIKA FITANTANANA NY ALA

 

34. Ny politika malagasy fitantanana ny ala dia ny arafitra hiodidina sori-dalana lehibe efatra. Izy ireny no amaritana ny seha-pirotsahana an-tsehatra tokony homena tombon-dahiny mba tsy hisian'ireo olana mavesa-danja voatanisa ao amin'ny todikefa amin'ny toetoetry ny ala, ary tsy hivaona amin'ny feni-kevitra fototra voasoritra etsy ambony. Ireo sori-dàlana ireo dia :

a. Ny fihoarana ny làlan-kitsoka mankamin'ny fihasimban'ny ala dia zary loza mitatao tsy hampahateza ela ny fari-pananana momba ny ala sy ny zava-miaina ;

b. Mieux gérer les ressources forestières en recherchant, dans une optique de développement durable, la meilleure adéquation possible entre les ressources et les besoins ;

c. Augmenter la superficie et le potentiel forestiers pour que la forêt puisse mieux remplir sur le long terme ses fonctions économique, écologique et sociale ;

d. Accroître la performance économique du secteur forestier pour qu'il contribue davantage au développement économique du pays.

 

b. Ny fanatsarana kokoa ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala, amin'ny fikarohana izay hampifanentana arak'izay tratra ny loharanon-karena sy ny zavatra ilaina, ka ny fampandrosoana maharitra no ibanjinana izany ;

d. Ny fampitomboana ny velaran-tany rakotr'ala sy ny fiatiampamokarany mba handaitra kokoa ny asany eo amin'ny lafihy toekarena, tontolon-drafitra manodidina ary ara-tsosialy ;

e. Ny fampitomboana ny ara-toekarena fahitam-pahombiazana eo amin'ny seha-pihariana momba ny ala mba ho betsaka kokoa ny soa entiny amin'ny fampandrosoana ny toekarem-pirenena.

 

35. En tant que réponse à une problématique forestière globale, ces orientations ne peuvent être considérées isolément, mais doivent être vues dans leur complémentarité. En effet, chacune d'entre elles contribue peu ou prou à la poursuite des autres. Ainsi, la première orientation, d'une portée plus fondamentale, s'inscrit dans une optique de conservation du patrimoine forestier. Toutefois, il est indéniable que les trois autres orientations, qui sont principalement tournées vers une meilleure gestion et valorisation des ressources forestières, contribuent également à leur préservation. Un autre aspect de leur complémentarité réside dans le fait qu'elles s'efforcent chacune, sous des angles différents, de contribuer à la résolution de problèmes immédiats tout en s'inscrivant dans une perspective à moyen et long terme.

 

35. Noho izany sori-dàlana izany mitondra vahaolana amin'izay anoinan-tsarotra mahafaobe momba ny ala, dia tsy azo raisina mitsitokantokana tokony hatao indray mijery ny fifamenoany. Ny tsirairay aminy mantsy dia misy akony foana hatrany, amin'ny fanasinana ny hafa. Araka izany, ny sori-dàlana voalohany izay manam-piantraikany ifotony kokoa dia tafiditra ao anatin'ny tanjona fikajiana ny fari-pananana momba ny ala. Tsy azo lavina anefa fa ny sori-dàlana telo hafa, izay miompana indrindra amin'ny fanatsarana hatrany ny fitantanana sy amin'ny fanomezan-danja ny loharanon-karen'ny ala dia fiarovana azy ihany koa. Ny endrika hafa isehoan'ny fifamenoany dia ny fiezahana amin'ny tsirairay, amin'ny lafin-javatra samy hafa, hitady ny vahaolana maika eo no ho eo sady tsy ivaonana rahateo amin'ny tanjona tratrarina anatin'ny fari-potoana antonintoniny sy lavitr'ezaka.

 

36. Chacune de ces orientations est traduite ci-après par une série d'objectifs. Cet ensemble fournit le cadre de référence pour l'élaboration des principaux instruments de mise en oeuvre de la politique forestière. Il s'agit :

 

- sur le plan opérationnel, de se doter d'un plan directeur forestier national et des plans directeurs forestiers régionaux ;

 

- sur le plan juridique, d'actualiser la législation forestière ;

- sur le plan institutionnel, de procéder à une réforme de l'administration forestière.

 

36. Ny tsirairay amin'ireo sori-dàlana ireo dia misongadina manaraka etoana lasa andian-tanjona mifanesy. Ny tambatr'ireny no manjary seha-pamaharana amin'ny famolavolana ny fitaovana fototra ilaina amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala. Izany dia :

- eo amin'ny lafiny fanaovan-draharaha, ny famononana drafitra fototra itantanana ny ala eto amin'ny Firenena sy drafitra fototra itantanana ny ala isam-paritra ;

- eo amin'ny lafiny didy aman-dalàna, ny fanavaozana ny lalàna itantanana ny ala ;

- eo amin'ny lafiny andrim-pitondrana ny fanavaozana ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala.

 

37. Il convient enfin de souligner que ces orientations ne se limitent pas à l'action des autorités publiques. Leur poursuite nécessitera l'implication active de tous les acteurs concernés, sous l'impulsion de l'administration forestière. Ce nouveau mode de relation entre les différents acteurs est une condition indispensable pour relever le défi posé par la situation forestière actuelle. C'est pourquoi il constitue la clé de voûte de la stratégie de mise en oeuvre de la politique forestière.

 

37. Tsara hotsipihina farany, fa ireo sori-dàlana ireo dia tsy mionona fotsiny amin'ny lahasa ataon'ny manampahefana arapaniakana. Ny fanohizana azy ireny dia hilàna ny firotsahan'ireo antokon'olona rehetra voakasika an-tsehatra ka ny fandraharahana momba ny ala no hanentanana izany. Io fomba vaovao enti-mampifandray ny antokon'olona samy hafa io dia fepetra iray tena ilaina hoenti-miatrika ny fanamby fanarenana ny toetoetry ny ala amin'izao fotoana izao. Izany no mahatonga azy ho vovonana iadian'ny lohany amin'ny tetika sy paika fanatanterahana ny politika momba ny ala.

 

4.1. Enrayer le processus de dégradation forestière

 

38. Le processus de dégradation forestière constitue un problème majeur pour le pays. En effet, si le rythme actuel de dégradation se poursuit, le patrimoine forestier est menacé de disparition à une échéance relativement proche. C'est pourquoi il est impératif de tout mettre en œuvre pour enrayer ce processus. Les objectifs corrrespondants seront donc focalisés sur la conservation de la biodiversité et des écosystèmes forestiers.

Ils consisteront à :

- appuyer les pratiques rurales de substitution ;

 

- contribuer à la maîtrise des feux de brousse ;

 

- préserver le patrimoine forestier et les grands équilibres écologiques.

 

4.1. Fihoarana ny làlan-kizo mankamin'ny fihasimban’ny ala

 

38. Ny làlan-kizo mankamin'ny fihasimban'ny ala dia olana lehibe tokoa mitambesatra amin'ny Firenena. Raha mitohy rnantsy izao fihasimban'ny ala izao, dia mety ho ringana ato anatin'ny fotoana fohy ny harem-pirenena momba ny ala. Izany no antony tokony hampiasana ny fomba rehetra mba hihoarana an' io làlan-kizo io. Noho izany, ny tanjona mifanandrify aminy dia hafantoka amin'ny fikajiana ny zava-miaina samy hafa sy ny tontolon-drafitra momba ny ala.

Ireto avy izany :

- fanohanana ny fomba amam-panao eny ambanivohitra asolony ireny ;

- fandraisana anjara amin'ny fifehezana ny doro tanety ;

- fikajiana ny harem-pirenena momba ny ala sy ny fifandanjana faobe eo amin'ny tontolon-drafitra manodidina.

 

4.1.1. Appuyer les pratiques rurales

de substitution

 

39. Le fondement du processus de dégradation forestière réside, pour l'essentiel, dans l'action exercée par l'homme, à travers l'extension des pratiques agricoles et pastorales qui portent atteinte au couvert forestier. Les pratiques de défrichement et de feux de brousse en sont les manifestations les plus flagrantes. Les pressions s'exerçant de longue date sur les ressources forestières se trouvent aujourd'hui aggravées par la paupérisation que subit une partie importante de la population. Dans ce contexte il est indispensable, pour remédier aux causes profondes de la dégradation forestière, de faciliter l'adoption par les populations rurales de nouvelles pratiques agricoles, à la fois plus productives et moins préjudiciables à la forêt. La stratégie forestière devra donc comporter des mesures correspondantes, en s'articulant étroitement avec la stratégie de développement rural dont dépend l'évolution des pratiques de production en milieu rural. Elle devra plus généralement contribuer à la stratégie de lutte contre la pauvreté, qui fait par ailleurs l'objet d'un ensemble de mesures dans la politique national de développement.

 

4.1.1. Fanohanana ny fomba amam-panao

eny ambanivohitra asolony izany.

 

39. Ny rangory fototry ny fihasimban'ny ala dia avy amin ny asa ataon'ny olombelona indrindra amin'ny alàlan’ny fiitaran'ny fomba fambolena sy ny kijana iraofan'ny biby fiompy izay mety hanimba ny faritra rakotr'ala. Ny fomba arahira amin'ny fandoroan-tanety sy famakian-tany vao no endrika isehoan'izany an-karihary. Ny antery mitambesatra hatry ny ela amin'ny loharanon-karena avy amin'ny ala dia vao mainka miampy trotraka noho ny fahantrana mianjady amin'ny ankabetsahan'ny mponina. Manoloana izany hamongorana ny antony lalina mahatonga ny fihasimban'ny ala, dia ilain-kamoraina ny faneken'ny mponina eny ambanivohitra hampihatra fomba fambolena vaovao izay sady ahitam-bokatra bebe kokoa no tsy dia manimba loatra ny ala. Ny tetika sy paika itantanana ny ala izany dia tokony homena fepetra mifandraika aminy atao mifaningotra akaiky amin'ny tetika fampandrosoana ny eny ambanivohitra hany hampisy ny fivoaran'ny fomba famokarana eny ambanivohitra. Amin'ny ankapobeny izy io dia hanampy amin'ny ady amin'ny fahantrana izay ankoatr'izany, voakasiky ny tambatra raketin'ny politikam-pirenena rnomba ny fampandrosoana.

 

40. Les mesures visant à faciliter l'adoption de pratiques rurales de substitution s'intégreront notamment dans le cadre de l'aménagement des vallées forestières et, plus généralement, de la gestion des terroirs villageois. En fonction des situations locales et régionales, elles mettront l'accent sur la mise en valeur des basfonds par la culture irriguée, la protection ou l'amélioration de la fertilité des sols sur tanety, la diffusion de systèmes agricoles plus intensifs, la protection des sources, l'augmentation des ressources fourragères.

 

40. Ny fepetra fanamorana ny fanekena hampihatra ny fomba atao solony eny ambanivohitra dia ho tafiditra indrindra ao anatin'ny fanajariana ny lempona rakotr'ala ary amin’ny ankapobeny, ao amin'ny fitantanana velaram-paritra eny ambanivohitra. Arakaraka ny toe-java-misy eo an-toerana sy isam-paritra, dia hiharany indrindra ny fanajariana ny tany horaka amin'ny alàlan'ny asam-pamboiena tondrahan-drano, ny fiarovana na ny fanatsarana ny halonaky ny nofon-tany an-tanety, ny fampielezana ny fomba fitrandrahana izaitsizy ny fari-parnbolena, ny fiarovana ny loharano, ny fampitornboana ny hahazoana vilona sakafom-biby.

 

41. Parallèlement, on cherchera à encourager et à diversifier les activités liées à l'utilisation des produits secondaires de la forêt et susceptibles de générer des revenus supplémentaires pour les populations rurales (miel, plantes médicinales, champignons, diverses matières pour l'artisanat, etc.) en veillant à ce que cela contribue à une prise de conscience sur l'intérêt de la préservation du patrimoine forestier.

 

41. Mifanindran-dàlana amin'izany, dia hamporisihana sy hatao maro samy hafa ny asa mifandraika amin'ny fampiasana ny vokatra manginy fotsiny avy amin'ny ala mety lasa fidiram-bola fanampiny ho an'ny rnponina eny ambanivohitra (tantely, raokandro, holatra, akora samihafa ampiasaina amin'ny asa tànana, ets) ka tandrovina ny hitondran'izany fahatsapan-tena ny amin'ny tombontsoa azo amin'ny fikajiana ny harem-pirenena momba ny ala.

 

42. L'appui à l'adoption de pratiques rurales de substitution et plus généralement la contribution à la lutte contre la pauvreté constituent donc une ligne de force pour l'action visant à remédier aux causes profondes de la dégradation forestière en réduisant la pression exercée par la population riveraine. Les mesures correspondantes seront orientées en priorité vers la périphérie des aires protégées (parcs nationaux, réserves naturelles intégrales et réserves spéciales) et de certaines forêts classées ou stations forestières.

 

42. Ny fanohanana ny fampiharana ny fomba fiasa atao solony eny ambanivohitra, ary, amin'ny ankapobeny, ny fandraisana anjara amin'ny ady amin'ny fahantrana, dia ambetin'ny soridàlan- kitondrana ny lahasa famongorana ny antony mahatonga ny fihasimban'ny ala rahefa mihena ny an-tery atambesatry ny mponina eny amin'ny manodidina. Ny fepetra raisina mifandraika arnin'izany dia hahakasika am-boalohany indrindra ny eny akaikikaiky ny faritra vaovao (valam-pirenena, tahirin-javaboary manontolo sy tahirin-javaboary manokana) ary ny ala sasantsasany voasokajy na tobin'ala.

 

4.1.2. Contribuer à la maîtrise

des feux de brousse

 

43. La gravité du phénomène de feux de brousse, pratique généralisée et répétitive à l'échelle du pays, n'est plus à démontrer. Les causes sont souvent complexes du fait de l'imbrication entre des facteurs socioculturels d'une part et des facteurs liés aux systèmes de culture et d'élevage d'autre part. De plus elles diffèrent d'une région à l'autre. Les conséquences néfastes s'exercent non seulement sur l'environnement naturel mais se répercutent directement sur les conditions de production agricole : érosion des sols jusqu'à devenir stériles, tarissement des sources, ensablement des bas-fonds, moindre qualité du fourrage, etc.

 

4.1.2. Fandraisana anjara amin'ny fifehezana

ny doro tanely

 

43. Tsy ilain-ko porofoina intsony ny maha-loza amin'antambo ny doro tanety izay mihanaka hatraiza hatraiza sy miverimberina manerana ny Firenena. Olana saro-bahana izy io : mifampidipiditra mantsy ny antony ara-tsosialy sy momba ny kolontsaina andaniny sy ny antony mifampiankina amin'ny firafitry ny asam-pambolena sy fiompiana ankilany. Ambonin'izany dia eo ny fahasamihafany isaky ny faritra. Ny voka-dratsin'izany dia mihatra tsy amin'ny tontolo manodidina voajanahary fotsiny fa miantraika mivantana ihany koa amin'ny asam-pamokarana ara-pambolena : fikaohan'ny riaka ny nofon-tany, mahatonga azy mihitsy ho ngazana, faharitran'ny loharano, fiandronan'ny fasika amin'ny ambany toerana, vilona tsy dia tsara loatra, ets.

 

44. Les mesures à prendre viseront principalement à réduire la pratique des feux sauvages et incontrôlés. Une plus grande maîtrise des feux de brousse sera recherchée par une gestion appropriée des différents modes d'utilisation : feux de contre-saison, feux précoces, feux contrôlés, pare-feux.... de façon à limiter autant que possible les conséquences sur l'environnement. Cette gestion passe nécessairement par la responsabilisation des collectivités locales à différents stades, notamment l'analyse du phénomène, l'élaboration des modes de gestion appropriés et le contrôle de leur application. Elle constituera une considération essentielle à prendre en compte lors de l'élaboration des schémas d'aménagement des terroirs.

 

44. Ny fepetra horaisina dia hikendrena indrindra indrindra ny fampihenana ny doro tanety fahatany sy baranahiny. Hokarohina izay ahazoana mifehy bebe kokoa ny doro tanety amin'ny alàlan'ny fahaiza-mitantana tsara ireo fomba samy hafa fampiasana doro tanety tsy amin'ny fotoanany, fandoroana dieny mialoha atao aminy, fandoroana arahi-maso, fiarovana amin'ny afo... mba hisorohana araka izay azo atao ny voka-dratsiny amin'ny tontolo iainana. Izany fitantanana izany dia tsy maintsy mandalo amin'ny fampandraisan'andraikitra ny vondrom-bahoaka eo an-toerana amin'ny ambaratonga samihafa, indrindra ny fanadihadiana ilay fisehoan-javatra, ny famolavolana drafi-pitantanana mifanentana aminy ary ny fanaraha-maso ny fampiharana izany. Anisan'ny hasiam-piheverana lalina ny amin'izy io amin'ny fotoana hamolavolana ny drafitra fanajariana ny velaran-tany ambanivolo.

 

4.1.3. Préserver le patrimoine forestier et les équilibres écologiques

 

45. Etant donné l'ampleur et le rythme du processus de dégradation en cours, la situation forestière est arrivée à un seuil critique pour sa pérennité à moyen et long termes. C'est pourquoi, il est essentiel que sa gestion accorde une large place au souci de maintien et de conservation de la biodiversité, des écosystèmes forestiers et des équilibres écologiques.

 

4.1.3. Filandrovana ny harem-pirenena momba ny ala sy ny fifandanjan'ny tontolon-drafitra manodidina

 

45. Maha-goavana ny fihasimbany hatrany sy ny fizorany ilàlana ankehitrio dia mby an-tokonana mahabe fanahiana ny amin'ny hoaviny anatin'ny fari-potoana antonintoniny sy lavitr'ezaka ny toetoetran'ny ala. Koa tena ilaina hibahan-toerana tanteraka amin'ny fitantanana azy ny fikoloana sy ny fikajiana ny tontolon'ny zava-miaina samy hafa, ny rafitry ny tontolon'ny ala ary ny fifandanjan'ny tontolon-drafitra manodidina.

 

46. Une série de mesures visera à préserver, à l'échelle du pays, une superficie suffisante de massifs de forêts naturelles de façon à garantir la pérennité des différents types d'écosystèmes forestiers. Elle implique l'établissement, sur la base des résultats de l'inventaire écologique et forestier à l'échelle national, d'un schéma de gestion des forêts naturelles selon la vocation (conservation ou production) qui leur est affectée, puis la délimitation et le classement des forêts naturelles dont la protection devra être assurée de manière prioritaire et impérative. Une telle priorisation est dictée par un souci de réalisme, compte tenu des moyens nécessaires. Une attention particulière sera accordée à l'extension du réseau d'aires protégées existant vers des écosystèmes spécifiques (écosystèmes marins, mangroves, zones humides), et à la limitation de la dégradation de formations particulières telles que les raphières et le tapia. Enfin, il importe de favoriser la régénération des essences autochtones par des actions sylvicoles en forêt naturelle.

 

46. Eran'ny Firenena dia hisy ny tandahatra fepetra hikatsahana ny hananan'amby ampy amin'ny velaran-tany havoana rakotr'ala voajanahary hiantohana ny hanipaharitra ela ny karazana tontolon-drafitra samy hafa momba ny ala. Izany no mahatonga ny fanaovana drafi-pitantanana ny ala voajanahary araka ny anokanana azy (fitehirizana na famokarana), izay haompana amin'ny vokatry ny fitanisana atao momba ny tontolon-drafitra manodidina sy. ny ala eran'ny Firenena ary koa avy eo ny farnaritana sy ny fanasokajiana ny ala voajanahary mitana laharampahamehana sady tsy azo ihilanana ny fiantohana ny fiarovana azy. Izany fanomezan-daharana am-boalohany izany dia voabaikon'ny fivononana hiatrika ny toe-java-misy, rahefa voahevitra ny fitaovana ilaina. Hotandremana manokana ny amin'ny fanitarana ny tambajotran'ny faritra voaaro efa misy mankamin'ny tontolon-drafitra manana ny maha-izy azy manokana (rafitry ny tontolon-drafitra an-dranomasina, ala konko, faritra vonton'hamandoana), sy ny fisorohana ny fihasimban'ny tangoron-java-maniry manokana toy ny alan-drofia sy ny ala tapia. Farany, dia tokony homena vahana ny fihavaozan'ireo karazany zanatany avy amin'ny fikoloana ny hazo voavoly ho ala voajanahary.

 

47. Par ailleurs, il est nécessaire de revoir la réglementation concernant la gestion de la faune et de la flore, puis d'adopter les mesures permettant d'en assurer le respect. Le domaine concerné s'étend à la chasse ou la collecte, la production par l'élevage ou en pépinières ainsi que la commercialisation des produits sur le marché local ou extérieur. Sur le plan international, il s'agira de participer activement aux négociations visant à renforcer la protection juridique des droits du pays d'origine des ressources génétiques.

 

47. Ankoatra izany dia ilaina ny mandinika indray ny didy aman-dalàna mikasika ny fitantanana ny biby sy ny zava-maniry sy mandray avy eo ireo fepetra hisian'ny fanajana azy ireny. Ny sehatra voakasika dia mahafaobe ny haza na ny fanangonam-bokatra, ny famokarana amin'ny alàlan'ny fiompiana na amin'ny alàlan'ny fambolena zana-kazo mbamin'ny fivarotana ny vokatra eny amin'ny tsena eo an-toerana na any ivelany. Eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena, dia tokony hisy ny havitrihana amin'ny fandraisana anjara eo amin'ireo fifampiraharahana hanamafisana ny fiarovana mifanaraka amin'ny feni-dalàna momba ny zon'ny firenena niavian'ny tsirin-tsolofo sy dimbiny.

 

4.2. Mieux gérer les ressources forestières

 

 

48. Il convient d'améliorer les modalités de gestion des différents types d'espaces boisés afin que les ressources forestières qui deviennent rares profitent de façon optimale à la société. Cette amélioration de la gestion visera à favoriser un développement durable des ressources forestières dans des conditions qui concilient leur mise en valeur et leur conservation à long terme.

 

 

Les objectifs consisteront à :

- mettre en œuvre des plans d'aménagement des ressources forestières ;

- gérer rationnellement l'exploitation des ressources forestières ;

- réorganiser le système de recettes forestières ;

 

- instituer le professionnalisme forestier.

 

4.2. Fanatsarana ny fitantanana

ny loharanon-karen'ny ala

 

48. Tokony hatsaraina ny fombafomba fitantanana ny karazany samy hafa amin'ireo velaran-tany voavoly hazo mba hahazoan'ny mpiara-monina tombontsoa faran'izay betsaka indrindra amin'ny loharanon-karen'ny ala miha-ankanifisana. Io fanatsarana ny fitantanana io dia hoenti-manatevina ny fampandrosoana maharitra ny loharanon-karen'ny ala araka izay hisian'ny firindran'ny fanabeazam-boho sy ny fitehirizana azy ireny mandritra ny faripotoana lavitr'ezaka.

Ny tanjona kinendry dia :

- ny fanatanterahana ny drafi-panajariana ny loharanon-karen'ny ala ;

- ny fanatanterahana araka ny tokony ho izy ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala ;

- ny fandaminana indray ny rafitra famoriam-bola miditra avy amin'ny ala ;

- ny fampahazoana vahana ny fanaovana ho antom-pivelomana ny asa aman-draharaha momba ny ala.

 

4.2.1. Mettre en œuvre des plans d'aménagement des ressources forestières

 

49. Dans un souci de gestion à moyen et long terme des ressources forestières, il faut dorénavant limiter l'accès à la forêt naturelle comme réserve foncière et mettre fin aux prélèvements anarchiques qui s'y opèrent. Dans cette perspective, le domaine forestier de l'Etat devra faire l'objet de plans d'aménagement. Ceux-ci devront tenir compte de l'ensemble des utilités possibles de ces espaces boisés pour les différents intéressés, et en particulier les populations riveraines, qui seront associées à leur élaboration puis à leur mise en oeuvre. L'élaboration des plans d'aménagement forestier nécessite entre autre :

 

 

- la délimitation et le classement préalables du domaine forestier de l'Etat ;

- une meilleure connaissance des écosystèmes forestiers et de leur potentiel de production basée sur un inventaire écologique et forestier ;

 

- une identification des diverses relations entre les populations riveraines et la forêt, de manière à en tenir compte dans les plans d'aménagement, et

 

- la maîtrise des techniques sylvicoles appropriées.

 

4.2.1. Fanatanterahana ny drafi-panajariana

ny loharanon-karen'ny ala

 

49. Mba hahombiazan'ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala anatin'ny fari-potoana salasalany sy lavitr'ezaka, dia tokony ho ferana manomboka izao ny fahazoa-miditra anaty ala voajanahary noho izany velaram-paritra fitahiry sy mba hampitsaharana ny baranahiny amin'ny fikapakapana atao aminy. Amin'izany, dia tsy maintsy misy ny drafi-panajariana ny tanim-panjakana rakotr'ala. Tokony ho voatandro amin'izay rehetra mety hilàna ireny velaram-paritra ireny ho an'olona samihafa voakasiny indrindra manokana ny mponina manodidina izay hiombonan'antoka amin'ny famolavolana sy fanatontosana azy. Ny famolavolana ny drafi-panajariana ny ala dia ilàna, ankoatra ny hafa :

- ny famaritana sy ny fanasokajiana mialoha ny tanim-panjakana rakotr'ala ;

- ny fahalalana bebe kokoa ny tontolon-drafitry ny ala-sy ny tokony ho fiatiam-pamokarany mifototra amin'ny fitanisana ny tontolon-drafitra manodidina sy momba ny ala ;

- ny famantarana ny fifandraisana samy hafa misy eo amin'ny mponina eny amin'ny manodidina ny ala, mba hampidirana izay ao amin'ny drafi-panajariana, ary

- ny fifehezana tsara ny teknikan'ny fikoloana ny hazo mifanentana aminy.

 

50. Ces plans d'aménagement forestier, qui définissent les principes de gestion des ressources forestières, devront être suffisamment précis pour prévoir les interventions sylvicoles et les niveaux de prélèvement ultérieurs. Par ailleurs, ils veilleront à ce que le plus grand nombre d'emplois locaux soit créé et à ce que les revenus diversifiés profitent de façon plus équitable aux différents acteurs concernés, tant au niveau local que national. Les plans d'aménagement forestier viendront utilement compléter les mesures qui seront prises dans le cadre de l'aménagement des terroirs villageois.

 

50. Ireo drafi-panajariana ny ala ireo, izay manoritra ny fenikevitra itantanana ny loharanon-karen'ny ala, dia tokony hanome fanazavana ampy tsara haminavinana ny asa atao hikoloana ny hazo sy ny fikapana hatao any aoriana. Ankoatr'izany izy ireo dia ho voatsimbina aminy ny hisian'ny fiforonan'asa faran'izay betsaka eo an-toerana sy mba ho ara-drariny kokoa ny fidiram-bola isan-karazany isitrahan'ireo mpiatrik'asa samy hafa voakasiny, na eo an-toerana izany na eran'ny firenena. Ny drafi-panajariana ny ala dia hifameno tsara amin'ny fepetra izay horaisina momba ny fanajariana ny tany eny ambanivohitra.

 

4.2. 2. Gérer rationnellement l'exploitation des ressources forestières

 

51. L'ensemble des conditions d'accès à la ressource forestière par les différents utilisateurs doit être redéfini afin de garantir une exploitation durable en responsabilisant les acteurs concernés. Cela portera aussi bien sur les droits d'usage que sur la délivrance des permis de coupe et d'exploitation. Enfin, des mesures sont à prendre afin de réduire le phénomène d'exploitation illicite.

 

4.2.2. Fitantanana araka ny tokony ho izy

ny fitrandrahana ny loharanon-karen'ny ala

 

51. Ny fitambaran'ny fepetra ahazoan' ankolafin'olona samy hafa mampiasa ny loharanon-karen'ny ala dia tokony hofaritana mazava tsara indray mba hananan'antoka ny amin'ny hisian'ny fitrandrahana maharitra amin'ny alàlan'ny fampandraisana andraikitra ireo olona voakasika. Izany dia sady hikasika ny zo amin'ny fampiasana azy no hikasika koa ny fanomezan-dàlana hanao ny fikapana sy hitrandraka ala. Farany, dia hisy ny fepetra raisina mba hampihenana ny fomba fitrandrahana tsy manaradalàna.

 

52. L'exploitation forestière sera cantonnée dans les zones prescrites dans les plans d'aménagement. Les exploitants seront associés à cet aménagement de façon contractuelle. Leur responsabilisation dans l'amélioration de l'infrastructure sera recherchée et l'obligation de reboiser sera maintenue. Les normes d'exploitation seront reformulées avec précision afin de promouvoir l'utilisation de produits adéquats. La procédure d'attribution des permis d'exploitation sera revue en conséquence et simplifiée.

 

52. Ny fitrandrahana ny ala dia ho ferana anatin'ireo velaramparitra voalazan'ny drafi-panajariana. Ny mpitrandraka dia hiombon'antoka amin'izany fanajariana izany toy ny amin'ny fifanekena ifanaovana. Ho katsahina ny fampandraisana andraikitra azy ireo amin'ny fanatsarana ny fotodrafitr'asa ary hotanana ny adidy aman'andraikiny amin'ny fanaovana ny fambolen-kazo. Hatao mazava sady hentitra ny fandravonana ny fenitra arahina amin'ny fitrandrahana mba hampivoarana ny fampiasana ny vokatra araka ny tokony ho izy mifanentana tsara. Noho izany dia hojerena indray sy ho tsorina ny fombafomba fanomezana alàlam-pitrandrahana.

4.2.3. Réorganiser le système

de recettes forestières

 

53. La réorganisation du système de recettes forestières vise à faire du Fonds Forestier National (FFN), qui est actuellement pour l'administration forestière la seule source perenne de financement national, un instrument privilégié pour le financement de ses activités. Il convient d'une part de procéder à une révision des modes de calcul des redevances, en donnant au produit une valeur économique plus juste afin de promouvoir une gestion durable de la ressource. D'autre part, des mesures adéquates viseront à en améliorer le taux de recouvrement. Enfin, il s'agit d'en redéfinir les principes de gestion et d'utilisation, notamment à travers un système de répartition des recettes entre le niveau central et le niveau régional.

 

 

 

Par ailleurs, il est nécessaire de revoir le taux et le mode de recouvrement des ristournes bénéficiant aux collectivités décentralisées afin de favoriser la prise de conscience des riverains sur la valeur qu'ils peuvent tirer de la forêt et de ses produits.

 

4.2.3. Fandaminana indray ny drafitra

famoriam-bola miditra avy amin'ny ala

 

53. Ny fandaminana indray ny drafitra famoriam-bola miditra avy amin'ny ala dia ikendrena ny hahatonga ny Tahirim-pirenena momba ny Ala (TPA), izay hany loharanom-pamatsiam-bola eto amin'ny firenena ho an'ny Fandraharaham-panjakana matoam-pitaovana izy io amin'ny famatsiam-bola ny asa aman-draharahany. Ilaina andaniny ny hanavaozana ny fomba fikajiana ny vola fandoa, amin'ny fandraiketana ny vidim-bokatra hifanahaka kokoa amin'ny sandany ara-toekarena mba ahazoa-mampiroborobo ny fitantanana maharitra ilay loharanon-karena. Ankilany dia ho kinendry amin'ny fepetra sahaza izany ny hanatsarana ny famoriam-bola azo aminy. Farany, tsy maintsy hofaritana indray ny fepetra fitantanana sy fampiasana izany, indrindra amin'ny alàlan'ny drafitra fitsinjarana ny vola miditra amin'ambaratonga aty ifotony sy amin'ambaratongan'ny isam-paritra.

Ilaina ankoatr'izany ny hanavaozana indray ny sanda sy fomba famoriana ny tamberim-bidy ho an'ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana mba hitomboan'ny fahatsapan-tenan'ireo mponina manamorona ny ala ny amin'ny tombontsoa mety ho azony amin'ny ala sy ny vokatra avy aminy.

 

4.2. 4. Instituer le professionnalisme forestier

 

 

54. Une meilleure gestion des ressources forestières exige que les différents métiers concernés soient progressivement exercés par des professionnels. C'est pourquoi l'institution de véritables métiers sera favorisée aux différents niveaux de la filière, de la récolte à la transformation des produits de la forêt.

 

4.2.4. Fanavaozana ho antom-pivelomana

ny raharaha mikasika ny ala

 

54. Ny fitantanana ho tsaratsara kokoa ny loharanon-karen'ny ala dia mitaky mba ho an'ireo izay manao izany ho antom-pivelomana no misahana miandalana ny asa samihafa voakasiny. Noho izany dia amporisihana ny fananganana ireny ho ny tena anton'asam-pivelomana amin'ambaratonga samihafa amin'ny làlam-pihariana, hatrany amin'ny fananganana ka hatramin'ny fanodinana ny vokatra avy amin'ny ala.

 

55. Pour cela, des mesures touchant aux conditions de fonctionnement du secteur sont à envisager afin d'inciter les opérateurs à se professionnaliser. Elles consisteront notamment à accorder des avantages aux opérateurs du secteur formel qui se professionnalisent. Il peut s'agir par exemple d'avantages fiscaux, d'appui à l'installation de jeunes professionnels, d'un accès facilité au financement des investissements, ou encore de priorité dans l'attribution des permis d'exploitation.

 

55. Amin'izany dia hasiam-piheverena amin'ny fandraiketana fepetra mikasika ny fampandehanana ny seha-pihariana handrisihana ireo mpandraharaha hanao izany ho antom-pivelomana. Mety indrindra ho fanomezana tombontsoa ireo mpandraharaha eo amin'ny seha-pihariana manara-dalàna izay. Manao izany ho anton-draharaha ireny. Ohatra amin'izany ny mety ho tombontsoa amin'ny fandoavana hetra, fanohanana amin'ny fametrahana an-toerana ireo tanora manao izany ho antompivelomana, fanamorana ny fahazoana famatsiam-bola hoenti-mamokatra, na koa tombon-dahiny amin'ny fanomezan-dàlana hitrandraka ny ala.

 

56. D'autre part, des unités de formation professionnelle forestière seront créées ou redynamisées dans les différentes régions écologiques du pays. Leurs activités porteront à la fois sur la formation initiale et sur le recyclage des opérateurs déjà en activité, afin de contribuer à professionnaliser un nombre croissant d'opérateurs à travers le pays.

 

56. Etsy andanin'izany dia hatsangana na hovelomina indray ireo vondrona misahana ny fanofanana amin'asa aman-draharaha nlikasika ny ala any amin'ireo faritra samihafa ikajiana ny tontolon'ny manodidina eto amin'ny Firenena. Ny asany dia hifantoka amin'ny fanofanana am-panombohana sy amin'ny fandalinam-pahaizana ireo mpandraharaha efa am-perin'asa, mba hampitomboana isa hatrany ireo mpandraharaha hanao izany ho antom-pivelomana manerana ny Firenena.

 

4.3. Augmenter la superficie et le potentiel forestiers

 

57. La satisfaction de besoins en produits forestiers qui sont en croissance permanente ne sera possible que si l'extension des ressources forestières est encouragée et organisée. Les ressources actuelles doivent en effet être complétées par des ressources nouvelles issues du reboisement. Cette extension des reboisements contribuera par ailleurs à réduire la pression qui s'exerce sur les forêts naturelles. Pour cela, la nouvelle stratégie devra être menée en matière de reboisement.

 

Les objectifs consisteront à :

- instaurer un environnement favorable aux initiatives en matière de reboisement ;

 

- assurer la sécurité foncière aux reboiseurs ;

 

- orienter les reboisements en fonction des besoins régionaux et locaux ;

- intensifier les actions liées à l'aménagement des bassins versants.

 

4.3. Fampitomboana ny velarana rakotr'ala

sy ny mety harin-karena aminy

 

57. Tsy ho vita ny fanomezana fahafaham-po ny filana mikasika ny vokatra avy amin'ny ala izay tsy mitsaha-mitombo hatrany raha tsy ampirisihana sy asiam-pandaminana ny fanitarana ny loharanon-karen'ny ala. Ny loharanon-karena efa misy ankehitriny izany dia tsy maintsy fenoina amin'ny loharanonkarena vaovao avy amin'ny fambolen-kazo. Ankoatra izany ny fanitarana ny fambolen-kazo dia hanampy amin'ny fampihenana ny vaikan'ny fitrandrahana ny ala voajanahary. Amin'izany, no tokony hampiharina ny tetika sy paika vaovao momba ny famboien-kazo.

Ny tanjona kinendry dia :

- ny fametrahana tontolo iainana mandrisika ny finiavan-kirotsaka na an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo ;

- ny fiantohana ny fananan-toky ny amin'ny fitompoan'ireo mpanao fambolen-kazo ny tany ;

- ny fanaovana ny fambolen-kazo ho arakaraka izay ilaina isam-paritra sy isan-toerana ;

- ny fanatevenana ny lahasa fanajariana ny tehezan-tany.

 

4.3.1. Instaurer un environnement favorable aux initiatives en matière de reboisement

 

58. Pour permettre une extension significative de la ressource par le reboisement et l'arborisation, tous types d'initiatives de reboisement seront encouragés, qu'elles viennent de paysans individuels ou d'opérateurs privés, de communautés rurales ou de collectivités territoriales décentralisées. La stratégie d'incitation en faveur de l'arbre et de la forêt doit être précisée et renforcée afin d'instaurer un environnement favorable à ces initiatives. Elle portera sur un ensemble de mesures touchant notamment à l'information et à la sensibilisation, à la mise en place d'un système d'appui technique adapté, au traitement des principaux obstacles que sont les feux de brousse et l'insécurité foncière.

 

4.3.1. Ny fametrahana tontolo iainana mandrisika ny finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo

 

58. Mba hampisy lanjany ny fanitarana ny ambaindain'ny loharanon-karenan'ny ala amin'ny alalan'ny fambolen-kazo sy ny fandroborobon'ny voly hazo, dia ampirisihana izay rehetra finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo ananan'ny tantsaha tsirairay na mpandraharaha tsy miankina amin'ny fanjakana, na vondron'ny tantsaha na vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Tsy maintsy faritana mazava sy hamafisina ny tetika sy paika fandrisihana hamboly hazo ny hikajakaja ny ala mba hisian'ny tontolo iainana mampahavitrika amin'ireny. Izany dia hiompana amin'ny tambatr'ireo fepetra mikasika indrindra ny fampahalalam-baovao sy ny fanentanana, ny fametrahana drafitra fanohanana ara-teknika antonona azy izany, ny fisorohana ireo olana vaventy toy ny doro-tanety sy ny tsy fananan-toky amin'ny fitompoana tany.

 

59. Le système d'appui aux initiatives de reboisement devra être redéfini afin de pouvoir répondre d'une manière adaptée aux différents types d'acteur et de reboisement. En effet, la nature des appuis demandés et leurs modalités seront différentes selon les cas. Ils porteront entre autre sur l'approvisionnement en matière végétai de qualité correspondant aux besoins exprimés et aux conditions écologiques de chaque région. La mise en oeuvre de ce système d'appui nécessitera une coordination entre le service forestier et les structures opérationnelles telles que les projets et les ONG.

 

 

59. Tsy maintsy hofaritana indray ny drafitra fanohanana ny finiavan-kirotsaka an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo mba hifandrindrany tsara amin'izay tadiavin'ny mpandraharaha sy mpamboly hazo isan-tsokajiny. Ho samy hafa mantsy, araka ny fisehoan-javatra, ny karazan'ny fanohanana angatahina sy ny endrika isehoany. Anisan'ny ho voakasika amin'ireny ny famatsiana akoran-java-maniry tsara fantina mifanandrify àmin'izay tadiavin'ny isam-paritra sy ny toetoetry ny tontolo manodidina azy. Ny fampiasana izany drafitra fanohanana izany dia hitaky fifandrindrana eo ainin' ny sampan-draharaha momba ny ala sy ny rafitra mpanatanteraka toy ny amin'ireo tetikasa sy ny fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana (ONG).

 

4.3.2. Assurer la sécurité foncière aux reboiseurs

 

 

60. L'insécurité foncière constitue un obstacle de taille freinant les initiatives en matière de reboisement. Certes, la question foncière est délicate et complexe du fait de la superposition du droit coutumier et du droit foncier moderne. Mais il serait vain de vouloir encourager les initiatives privées de reboisement si elles ne sont pas assurées d'en tirer les avantages escomptés. L'autorité publique devra donc mettre en œuvre les mesures permettanirde garantir' la sécurité foncière à ceux qui reboisent.

 

4.3.2. Fiantohana ny fisiam-pilaminana

amin'ny fitompoan'ny mpamboly hazo

 

60. Vato misakana goavana ny firotsahana an-tsehatra arnin'ny fisiam-pilaminana amin'ny fitompoana ny fambolen-kazo tena sarotra ity resaka mikasika ny fananan-tany ity noho ny fifanosonan'ny zo nentim-paharazana sy ny zo fananan-tany amin'izao fotoan'andro izao. Kanefa dia ho zava-poana ny finiavana hampirisika ny firotsahan'olon-tsotra an-tsehatra amin'ny fambolen-kazo raha tahiny tsy azony antoka fa hisitraka ny tombontsoa antenaina avy amin'izany izy ireo. Ny fitondram-panjakana izany dia ho tsy maintsy mampihatra fepetra ahafaha-miantoka ny fisiam-pilaminana eo amin'ny fitompoan'ireo izay mamboly hazo ny tany.

 

61. Ces mesures consisteront notamment à simplifier la procédure d'immatriculation foncière des reboiseurs qui, de leur côté, s'engageront à entretenir les plantations réalisées. Elles devront être adaptées aux possibilités des collectivités locales qui seront impliquées dans leur mise en œuvre. La mise au point de ces mesures tiendra compte de l'expérience tirée des "Zones délimitées d'action en faveur de l'arbre" (ZODAFARB) et des autres actions menées en matière de foresterie paysanne.

 

61. Izany fepetra izany dia hikatsahana indrindra ny fanamorana ny paika arahina amin'ny fanoratan-tany ho an'ireo mpamboly hazo izay hanaiky kosa etsy an-daniny fa hikarakara ny voly hazo vitany. Izany dia tsy maintsy atao mifanentana amin'ny mety ho tratry ny vondrombahoaka eo an-toerana izay hanana andraikitra amin'ny fampiharana azy. Tsy maintsy tandrovina amin'ny fandraiketana an'ireny fepetra ireny ny traikefa hita amin'ny "Faritra voafetra hanaovana asa momba ny hazo" (ZODAFARB) sy tamin'ireo sahan'asa hafa mikasika ny fikarakarana ny ala ataon'ny tantsaha.

4.3.3. Orienter les reboisements en fonction

des besoins régionaux et locaux

 

62. Compte tenu de l'évolution croissante de la demande en produits forestiers, les reboisements à vocation de production devront occuper une place plus importante dans l'approvisionnement. La gestion des reboisements en régie existants doit être reconsidérée dans cette optique, en s'appuyant sur une meilleure connaissance de leur potentiel de production issue des travaux d'inventaire forestier. Mais surtout, les stratégies forestières qui seront élaborées au niveau régional devront permettre d'orienter les actions de reboisement de production en fonction des besoins actuels et futurs à satisfaire, en particulier l'approvisionnement des centres urbains. Elles fourniront les indications quant à la localisation et aux types de reboisement à effectuer afin de répondre aux besoins futurs.

 

4.3.3. Ny fanaovana ny fambolen-kazo ho arakaraka izay ilaina isam-paritra sy eo an-toerana

 

62. Satria tsy mitsaha-mitombo hatrany ny tinadim-bokatra avy amin'ny ala, ny fambolen-kazo natao ho lahasam-pamokarana dia tsy maintsy hitana toerana mavesa-danja eo amin'ny famatsiana. Ny fitantanana ireo fambolen-kazo ifarimbonana efa misy dia tsy maintsy havaozina araka izay fomba fijery izay, ka hifototra amin'ny fahafantarana bebe kokoa ny fihabetsaky ny vokatra ho azo rahefa vita ny lahasa fitanisana ny momba ny ala. Nefa, ny tetika sy paika fitantanana ny ala izay hovolavolaina eo amin'ambaratongan'ny isam-paritra dia tsy maintsy ahafahana indrindra manoritra lahasa fambolen-kazo enti-mamokatra arakaraka ny filàna ankehitriny sy any aoriana tokony ho voasahana, indrindra manokana ny famatsiana ny foiben-toerana an-tanan-dehibe. Izany dia hanomezana toromarika ny amin'ny toerana sy ny karazana fambolen-kazo hatao hisahanana ny filàna any aoriana.

 

63. Au niveau local, l'élaboration de schémas d'aménagement agro-sylvo-pastoral des terroirs villageois doit permettre de préciser les diverses fonctions de l'espace rural et de promouvoir des modes d'affectation suffisamment stables en tenant compte de la vocation des sols.

 

 

Des zones expressément dévolues à la forêt et au reboisement seront ainsi délimitées. La planification des actions dans ces zones devra accorder une place adéquate à la fonction économique des reboisements pour satisfaire les besoins locaux et comme source de revenus. Ces actions de reboisement relèveront essentiellement des initiatives privés ou communautaires, et seront encouragés par l'administration forestière à travers son rôle d'encadrement technique.

 

63. Eny an-toerana, ny famolavolana ny drafitra fanajariana ireo tany eny ambanivohitra ara-pambolena sy ala ary kijàna dia tsy maintsy ahafahana mamaritra mazava ny anjara asa samihafa manokan'ireo velaran-tany malalaka eny ambanivohitra sy mampivoatra ny fomba fahazarana, amin'ny fampiasana ny tany ka tandrovina amin'izany ny mety hatao eo aminy.

Hazava tsara amin'izay ny faritra voatokana mihitsy ho rakotr'ala sy ny hisian'ny fambolen-kazo. Ny teti-pandaminana ireo lahasa atao any amin'ireny faritra ireny dia tsy maintsy manome vahana ny lanjan'ny fambolen-kazo ara-toekarena eo amin'ny fisahanana ny zavatra ilaina eo an-toerana sy amin'ny mahasahanasa fidiram-bola azy. Izany asa fambolen-kazo izany dia hiankina indrindra amin'ny firotsahana an-tsehatra ataon'ny olontsotra na ataon'ny fikambanana ary handrisika ireny ny fitondrandraharaha momba ny ala noho izy tompon' adidy amin' ny fanotronana ara-teknika.

 

4.3.4. Intensifier les actions liées à l'aménagement des bassins versants

 

64. L'ampleur du phénomène d'érosion sur l'ensemble du pays est tel qu'il risque de compromettre les pespectives de développement économique et social durable. Le couvert forestier joue un rôle crucial dans la protection des terres arables contre l'érosion et dans la régulation des cours d'eau. Aussi les stratégies forestières régionales devront-elles accorder une placez importante au reboisement conduit dans le cadre de l'aménagement des bassins versants. Ces reboisements de protection constituent en effet une composante essentielle dans les systèmes de défense et de restauration des sols, et plus généralement dans le maintien des grands équilibres, écologiques. Dans les régions les plus affectées par le phénomène des lavaka, affaissement des sols sous l'effet de l'érosion, leur stabilisation prendra une importance particulière. La conduite de ces actions de reboisement devra s'intégrer dans l'ensemble du dispositif d'aménagement des bassins versants qui comporte d'autres volets (systèmes anti-érosifs, amélioration des systèmes de culture sur tanety et des pâturages suivant les courbes de niveau, etc...).

 

4.3.4. Ny fanatevenana ireo lahasa mifandrohy amin'ny fanajariana ny tehezan-tany

 

64. Ny fitaran'ny fikarohan'ny riaka ny nofon-tany manerana ny firenena dia mety hamoa-doza mananontanona ny hoavin'ny fampandrosoana maharitra eo amin'ny lafiny toekarena sy sosialy. Ny rakotry ny ala dia iankinan'ain-dehibe eo amin'ny fiarovana ny nofon-tany amin'ny kao-driaka sy ny fibosesiky ny fikorianan'ny renirano. Noho izany nv fambolen-kazo dia tsv maintsy mitana toerana lehibe amin'ny lahasa fanajariana ny tehezan-tany ny tetika sy paika fitantanana ny asa isam-paritra. Ireny fambolen-kazo atao fefy ireny mantsy dia anisan'ny tena ilaina tokoa amin'ny drafitra fiarovana sy fanarenana ny nofon-tany, ary indrindra amin'ny ankapobeny eo amin'ny fitandroana ny fifandanjana mihenika amin'ny tontolo iainana. Any amin'ny faritra voa mafy amin' ny fisian'ny lavaka, fthotsahan'ny tany vokatry ny kao-driaka, ny fisorohana ny fitaran'izy ireny dia manana ny lanjany manokana tokoa. Ny fanatontosana ireny lahasa fambolen-kazo ireny dia tokony haiditra anatin'ny ambaidain'ny drafitra fanajariana ny tehezan-tany misandrahaka amin'ny lafiny hafa (paik'ady amin'ny kao-driaka, fanatsarana ny tetika fanaovana ny voly an-tanety sy nv kijàna manaraka ny fiantaonan'ny fandrin'ny tany, sns...).

 

4.4. Accroître la performance économique

du secteur forestier

 

 

65. Pour que le secteur forestier, dont le potentiel demeure insuffisamment mis en valeur, contribue davantage au développement du pays, il est nécessaire d'améliorer sa performance économique dans une perspective à moyen et long terme. Parallèlement, il est utile d'améliorer le svstème d'information économique sur le secteur forestier afin de pouvoir ap précier l'évolution de sa contribution réelle à l'économie nationale.

 

 

 

Les objectifs consisteront à :

- mieux valoriser les produits de la forêt ;

 

- consolider les structures de transformation ;

 

- améliorer le fonctionnement des circuits de commercialisation ;

- développer l'écotourisme.

 

4.4. Fampitomboana ny fahombiazan'asam-pihariana avy amin'ny seha-pamokarana

mikasika ny ala

 

65. Mba ahazoan'ny seha-pamokarana mikasika ny ala, izay tsy mbola voatrandraka loatra ny fanamaintisa-molaly azy, mananipy bebe kokoa amin'ny fampandrosoana ny firenena, dia ilaina ny hanatsarana ny fahombiazan'asam-pihariana aminy mandritra ny ezaka ato anatin'ny fari-potoana maharitra ela na ankebakebany. Mifanindran-dalana amin'izany dia tokony hatsaraina ny drafitra fampahalalam-baovao ara-toekarena mikasika ny seha-pamokarana avy amin'ny ala mba ahafaha-mandanjalanja ny Fivoaran'ny anjara toerany marina eo amin'ny toekarem-pirenena.

Ny zava-kinendry dia :

- ny fanomezan-danja tsaratsara kokoa ny vokatry ny ala ;

- ny fanamafisana orina ny rafi-pisahanan'asa fanodinana ;

- ny fanatsarana ny lalam-barotra ;

 

- ny fampandrosoana ny fizahan-tany mikajy ny tontolo manodidina.

 

4.1.1. Mieux valoriser les produits de la forêt

 

 

66. Les produits de la forêt feront l'objet d'une meilleure valorisation. Elle visera à la fois une adaptation aux besoins en offrant des produits de meilleure qualité, un frein au gâchis actuel dans l'utilisation de la ressource et un accroissement de la valeur ajoutée au bénéfice de l'économie nationale.

 

4.4.1. Ny fanomezan-danja tsaratsara bebe kokoa

ny vokatry ny ala

 

66. Omena lanjany tsaratsara kokoa ny vokatra avy amin'ny ala. lzany dia ikendrena miaraka ny fifanentanany amin'ny zavatra ilaina ka anolorana vokatra vita tsara, ny fisakanana ny gaboraraka misy ankehitriny eo amin'ny fampiasana ny loharanon-karena sy ny fampitomboana ny tongoam-bidin'entana hampiroborobo ny toekarem-pirenena

 

67. Pour cela, un ensemble de mesures d'incitation à la valorisation des produits de la forêt devront être prises, en veillant à ce qu'elles soient adaptées aux diverses situations régionales. Elles porteront notamment sur :

 

- l'exploitation d'une plus large gamme d'espèces ligneuses ;

- la récupération et l'utilisation des sous-produits jusqu'ici délaissés ;

- la promotion des produits non ligneux ;

- l'utilisation adéquate des produits en fonction de leurs caractéristiques technologiques ;

- la normalisation des roduits ;

- la réglementation de l'exportation des produits forestiers ;

- la réglementation de l'exploitation des produits de la faune et de la flore.

 

67. Amin'izany dia tsy maintsy horaisina ny fitambaran'ireo fepetra hoenti-mandrisika ny fanomezan-danja ny vokatry ny ala, ka tandrovina izay hifankahenenany azy amin'ny toe-java-misy saniihafa any amin'ny faritany. Izany dia hikasika indrindra ny momba ny :

- fitrandrahana ny marobe amin'ny karazan-java-maniry mitsiraka ;

- fanangonana sy fampiasana ireo faikampaika very momoka hatramin'izao ;

- fampiroboroana ireo vokatra tsy mitsiraka ;

- fampiasana araka ny tokony ho izy ireo vokatra arakaraka ny toetoetrany manokana ara-teknolojia ;

- fampanaraham-penitra ny vokatra ;

- fanaovana fitsipika momba ny fanondranana ny vokatry ny ala ;

- fanaovana fitsipika momba ny fitrandrahana ny vokatra avy amin'ny biby sy ny zavamaniry.

 

68. Une attention particulière devra être accordée au bois énergie, principale source d'énergie domestique, étant donné le volume de produit ligneux ainsi utilisé. Celui-ci pourrait être réduit par la mise en oeuvre de techniques appropriées en ce qui concerne la production et l'utilisation du charbon de bois.

 

68. Tsy maintsy asiana fitandremana manokana ny momba ny hazo ampiasaina ho angovo, tena fototry ny loharanon'angovo fampiasa ao an-tokantrano, rahefa hita ny habetsahan'ny hazo mitsiraka ampiasaina amin'izany. Mety ho azo ahena izany amin'ny fampiasana teknika manokana amin'izay milkasika ny famokarana sy ny fampiasana ny saribao.

 

4.4.2. Consolider les structures de transformation

 

 

69. Le développement des activités de transformation artisanales et industrielles sera activement soutenu par des mesures visant à l'instauration d'un environnement juridique adapté à favoriser l'organisation socioprofessionnelle ainsi que les investissements dans ce secteur, à améliorer les techniques, de transformation et à faciliter l'écoulement des produits, y compris vers les marchés d'exportation ;

 

 

La professionnalisation des opérateurs intervenant aux différents niveaux des filières y contribue également.

 

4.4.2. Ny fanamafisana ny rafi-pisahanan'asa fanodinana

 

69. Ny fampandrosoana ny asam-panodinana nentim-paharazana sy ara-indostria dia hotovanan'ezaka izaitratra amin'ny alalan'ny fandraisana fepetra hoenti-mampanjaka tontolon-dalàna mifanentana amin'izany, manome vahana ny rindran-damina amin'ny asa aman-draharaha sy sosialy ary koa ny fampiasam-bola amin'io seha-pamokarana io, manatsara ny teknikam-panodinana sy hanamorana ny famoahana ny vokatra, anatin'izany ny fanondranana mankamin'ny tsena any ivelany.

Ny fanaovan'ireo mpandraharaha ho antom-pivelona ny firotsahany an-tsehatra amin'ambaratonga samihafa amin’ny alalam-pihariana dia manampy izany ihany koa.

 

70. Une attention particulière sera accordée au développement du secteur artisanal, susceptible d'exercer un impact important en terme de création d'emplois et de revenus dans les catégories de population économiquement faibles. Le savoir faire déjà largement répandu aussi bien en milieu rural qu'en milieu urbain constitue en cela un atout.

 

70. Asiam-pandinihana manokana ny amin'ny fampandrosoana ny seha-pihariana nentim-paharazana, izay mety hisy fiantraikany goavana eo amin'ny lafiny famoronana asa sy fidiram-bola ho an'ireo ankolafin'olona osaosa ara-toekarena. Ho kitro ifaharana amin'izany ny fahaiza-manao efa miely fatratra na any ambanivohitra izany na an-tanàn-dehibe.

 

4.4.3. Améliorer le fonctionnement des circuits

de commercialisation

 

71. L'amélioration du fonctionnement des circuits de commercialisation sera recherchée. Elle doit permettre de mieux satisfaire la demande tout en encourageant l'offre de produits forestiers. Pour cela, il convient d'envisager des mesures destinées à faciliter l'accès au marché. La mise à disposition des opérateurs des informations sur les cours indicatifs par grands types de produits et sur les circuits commerciaux des produits forestiers au niveau national et international revêt une importance particulière en vue d'une professionnalisation progressive du négoce du bois.

 

4.4.3. Ny fanatsarana ny làlam-barotra

 

 

71. Hokatsahina ny fanatsarana ny làlam-barotra diavina. Izany dia tokony ahafaha-manala liana ny tinady no mandrisika ny tolotra aroso amin'ireo vokatry ny ala. Mety ary ny hamolavolana fepetra manamora ny fihazoana ny tsena. Ny fanomezan-baovao ho an'ny mpandraharaha izay mikasika ny tondrosandan'ny karazany lafo amin'ny vidim-bokatra sy ny làlam-barotra diavina na eto amin'ny firenena na iraisam-pirenena dia manana ny lanjany manokana amin'ny fanaovana miandalana ho antom-pivelomana ny fivarotana ny hazo.

 

72. Toutefois, cette amélioration restera fortement tributaire du secteur informel qui occupe une place prépondérante dans la commercialisation. Il ne s'agit pas de chercher à le contrôler à tout prix, mais plutôt d'adopter des mesures visant dans un premier temps à améliorer son fonctionnement puis à l'inciter à s'intégrer progressivement dans les circuits commerciaux formels.

 

72. Kanefa izany fanatsarana izany dia hiankina be tokoa amin'ny seha-pisahanan'asa tsy manara-dalàna izay tena mibahan-toerana amin-draharaham-pivarotana. Tsy ny vozonana amin'ny fanaovana azy andrimaso akory no tadiavina fa ny fandraiketana fepetra amim-boalohany hanatsarana ny fomba fiasany avy eo handrisihana azy handeha tsikelikely amin'ny lalàm-barotra manara-dalàna.

 

4.4. 4. Développer l'écotourisme

 

 

73. Les sites naturels ainsi que la richesse de la faune et de la flore constituent pour le pays un important potentiel touristique. Celui-ci sera mis en valeur en favorisant le développement progressif des activités d'écotourisme. Pour cela, les mesures appropriées seront prises, en relation avec le département ministériel chargé du tourisme. Elles porteront notamment sur la mise en indispensables pour éviter que ces activités ne portent atteinte aux écosystèmes et aux valeurs socioculturelles locales. Toutefois la conduite des activités elles-mêmes relèvera pour l'essentiel du secteur privé.

4.4.4. Fampandrosoana ny fizahan-tany

mikajy ny tontolo manodidina

 

73. Harem-be amin'ny fizahan-tany ho an'ny Firenentsika ny fisian'ny toera-manintona voajanahary mbamin'ny hamaroan'ny biby amam-borona ary zavamaniry. Hahabevoho azy io ny fampandrosoana miandalana ny asa aman-draharaha amin'ny fizahan-tany mikajy ny tontolo manodidina. Tokony hisy ary ny fepetra raisina sahaza izany miaraka amin'ny departemantan'ny minisitera miandraikitra ny fizahan-tany. Izy ireny dia hikasika indrindra indrindra ny fampiharana ny fepetra ... hisorohana ny mba tsy ho voatohintohin'ny asa aman-draharaha sahanina any an-toerana. Na izany aza dia ny seha-pihananan'asa tsy miankina amin'ny Fanjakana ho hiandraikitra ny fanatontosana ny ankabeazan'ny asa aman-draharaha imasoana.

 

74. L'organisation de ces activités veillera à une répartition équilibrée de leurs retombées économiques, en particulier entre les opérateurs privés, les populations riveraines et le financement des actions de protection de la nature. Au niveau de l'économie nationale, un apport considérable est attendu du développement de ces activités en terme de diversification des recettes extérieures et de création d'emploi.

 

74. Ho tandremana amin'ny rindran-damin'ireny asa amandraharaha ireny ny fifandanjan'ny fitsinjaran'ny vokatsoa aminy ara-toekarena, indrindra manokana amin'ny samy mpandraharaha mahaleo tena, mponina eny amin'ny manodidina ary ny famatsiam-bola ny lahasam-piarovana ny zavaboary. Anivon'ny toeram-pirenena dia be tokoa ny antenaina amin'ny firoboroboan'ireny asa aman-draharaha ireny eo amin'ny lafiny fanamaroana ny fidiram-bola ivelany sy eo amin'ny lafiny famoronana asa.

 

5. STRATEGIE DE MISE EN ŒUVRE DE LA POLITIQUE FORESTIERE

 

75. Une fois définis les orientations et objectifs de la politique forestière, il convient de préciser la stratégie qui va guider sa mise en œuvre concrète. La stratégie forestière malagasy indique donc, dans leurs grandes lignes, les voies et moyens considérés comme les plus appropriés pour réaliser les objectifs fixés. Elle comporte différents éléments liés les uns aux autres, à savoir :

 

a. Une gestion durable des ressources forestières, tenant compte à la fois de la nécessité de préservation et des besoins de production, de la pression du court terme et des impératifs du long terme ;

b. Un nouveau mode de relation entre les acteurs, visant à les impliquer activement dans la résolution du problème forestier, sous l'impulsion de l'Administration forestière ;

 

5. TETIKA SY PAIKA FANATANTERAHANA NY POLITIKA FITANTANANA NY ALA

 

75. Rahefa fantatra tsara ny soridàlan-kaleha sy ny tanjona kinendry amin'ny politika fitantanana ny ala, dia tokony ho faritana mazava ny tetika sy paika fampisongadinana fanatanterahana azy. Voalazan'ny tetika sy paika fitantanana ny ala ireo fomba amam-pitaovana heverin-ko mifanentana indrindra amin'ny fanatrarana ny tanjona voafetra. Ny votoatin-draharaha samy hafa mifaningotsingotra avy no hita aminy, dia ny :

a. Fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala, sady ho fitandroana ny fiarovana azy sy ny zavatra ilaina amin'ny famokarana no ho fitsinjovana ny takiana aminy anatin’ny fari-potoana sasany sy fiantrehana ny ho lavitr'ezaka ;

b. Fomba vaovao ifandraisan'ny samy mpiatrik'asa, ny handrisihana ny fahavitrihany amin'ny famahana ny olana nlikasika ny ala. Na ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala no hanentana izany ;

c. La réforme de l'Administration forestière, qui sera amenée à se retirer des actions opérationnelles afin de se concentrer sur les fonctions de conception et d'orientation, d'incitation et de coordination, de contrôle et d'évaluation ;

 

d. Une gestion décentralisée des actions forestières au niveau régional, pour assurer la prise en compte des spécificités régionales ainsi que l'engagement des différents acteurs concernés dans la mise ne oeuvre de la politique forestière ;

 

e. Une gestion locale et participative des ressources forestières, pour permettre la responsabilisation des collectivités locales ;

f. L'articulation entre la mise en oeuvre de la politique forestière et celle des autres politiques sectorielles, afin d'assurer la cohérence et la synergie nécessaires à l'efficacité des actions ;

g. La mise en place d'un mécanisme de financement soutenu, afin de garantir la nécessaire continuité des actions forestières sur le moyen et long terme.

 

d. Fanavaozana ny Fandraharaham-panjakana momba ny ala, izay ho voatery hiala amin'ny firotsahan'amperin'asa mba hifantohany amin'asa aman-draharaha famolavolana sy fanoritan-dàlana, famporisihana sy fandrindrana, fanaraha-maso sy fanombanana ;

e. Fitsinjaram-pahefana amin'ny fitantanana ny loharanonkaren'ny ala amin'ambaratongan'ny isam-paritra, mba ho fitandroana fiavahana manokan'ny isam-paritra ary koa ny firotsahan'ny mpiatrik'asa samy hafa voakasika eo amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala ;

f. Fitantanana ny loharanon-karen'ny ala ataon'ny eo antoerana sy iombonan' antoka aminy ;

 

g. Fifaningoran'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala sy ny politika hafa isan-tsampana, mba hisian'ny firindràna sy fiaraha-mientana ilaina hampahomby ny lahasa imasoana ;

h. Fametrahan-drafitra famatsiam-bola mitohy, mba hananan'antoka ny amin'ny fitohizan'ny lahasa momba ny ala hatrany anatin'ny fari-potoana salasalany sy lavitr'ezaka.

 

5.1. Une gestion durable

des ressources forestières

 

76. La gestion durable des ressources forestières doit tenir compte à la fois de l'urgence des problèmes posés par la dégradation forestière et de la nécessité de produire des biens indispensables à la société. Elle ne pourra répondre à ces exigences à priori contradictoires qu'en se plaçant dans une optique de développement durable. Celle-ci conduit à ne pas opposer, ni même séparer, la protection de ressources forestières et leur mise en valeur, mais au contraire à les considérer dans leur interdépendance. Ainsi, une meilleure valorisation de ces ressources au bénéfice de la société contribuera d'une façon ou d'une autre à leur préservation. Cette optique conduit par ailleurs à s'attacher à résoudre des problèmes immédiats tout en s'inscrivant dans une perspective à long terme, indissociable de la foresterie.

 

5.1. Fitantanana maharitra

ny loharanon-karen'ny ala

 

76. Ny fitantanana ny ala dia tsy maintsy itsimbinana ny hamehan'ny fisetrana ny olana ateraky ny fahasimban'ny ala ary koa nv filàn-kamotr'entana tadiavin' ny mpiara-monina. Tsy ho tontosa aminy ireny fitakiana mifanipaka avy hatrany ireny raha tsy ny fampandrosoana maharitra no atao làlan-kizorana. Tsy mampifanoherana na nampisarahana akory ny fiarovana sy ny fanabeazam-boho ny loharanon-karen'ny ala izany, vao maika aza fiheverana fa misy dia misy ny fifampiankinany. Araka izany ny fanomezan-danja bebe kokoa an'ireny loharanon-karena ireny ho fanasoavana ny fiaraha-monina dia hahatarika na amin'ny fomba ahoana na amin'ny fomba ahoana ny fiahiana azy. Ankoatr'izany io fomba fijery io dia mahatonga ny fitadiavana vahaolana, eo no ho eo avy hatrany nefa tafiditra amin'ny tsinjo-koavy lavitr'ezaka tsy afa-misaraka amin'ny fikojakojana ny ala.

 

77. Dans cette perspective de gestion durable, les objectifs et les modalités d'intervention dans le domaine environnemental doivent être rapprochés et coordonnés avec ceux du développement forestier et rural. Ainsi, les projets à vacation de conservation du patrimoine forestier seront encouragés à mettre en oeuvre des approches qui prennent également en considération les problèmes de développement socio-économique dans leurs zones d'action. A l'inverse, les projets de développement forestier et rural devront intégrer des préoccupations de conservation à long terme des ressources naturelles. Par ailleurs, un équilibre adéquat est à trouver. dans la répartition des actions, notamment entre les projets orientés vers la conservation et les projets orientés vers la production et le développement.

 

77. Izany fisainana ny momba ny fitantanana maharitra izany no tsy maintsy arnpifanatonana ny tanjona sy ny fombafomba fiatrehan'asa amin'ny sehatry ny tontolo iainana sy ampifandrindrana amin'izay atao ho fampiroboroboana ny ala sy ho fampandrosoana eny ambanivohitra. Araka izany, ny tetikasa fikajiana ny fari-pananana amin'ny ala dia hampirisihina hitady làlana mahakasika ihany koa ny fisavasavana ny olana amin'ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena mitranga ao anatin'ny faritra iasany. Ankilany anefa, ny tetikasa momba ny fampiroboroboana ny ala sy fampandrosoana eny ambanivohitra dia tsy maintsy misaintsaina tsara ny ho fikajiana maharitra ela ny loharanon-karena voajanahary. Ankoatr'izany, amin'ny fitsinjarana ny lahasa dia hokatsahina izay hampifanentana ny fifandanjana misy, indrindra eo amin'ny tetikasa mifantoka amin'ny fikajiana sy ny tetikasa mifantoka amin'ny famokarana sy ny fampandrosoana.

 

78. La gestion durable impliquera prise en compte systématique de l'impact des actions menées sur l'évolution des, ressources forestières. Elle nécessite la mise en place d'un système de suivi et d'évaluation de la dégradation forestière afin d'en assurer la maîtrise. Les collectivités locales y seront associées progressivement pour favoriser la prise de conscience et de responsabilité collective face à ce problème. Une telle démarche sera appliquée d'abord dans les zones se trouvant en périphérie des aires protégées avant de s'étendre aux autres catégories de forêt.

 

78. Ny fitantanana maharitra dia mitarika hamantatra lalandava hatrany ny fiantraikan'ny lahasa atao amin'ny ho fivoaran'ny loharanon-karen'ny ala. Ilàna ny fametrahana rafitra fizohiana sy fanombanana ny fahasimban'ny ala izany mba hahatojoana amin'ny fifehezana azy. Hampiraisan'antoka miandàlana amin'izany ny vondrom-bahoaka eo an-toerana mba hanamafisana ny fahatsapan-tena sy ny fiantsorohan'ny rehetra ny andraikiny manoloana io olana io. Izany fomba fiasa izany dia hampiharina am-boalohany eny amin'ny manodidina ny faritra voaaro alohan'ny hitarany amin'ny sokajiny hafa amin'ny ala.

 

79. Des actions d'information et d'éducation à tous les niveaux sont nécessaires pour sensibiliser à la nécessité d'une gestion durable des ressources forestières et pour garantir sur le moyen et long termes la pérennisation des efforts déployés. Elles pourront s'inscrire dans le cadre des actions d'information et d'éducation menées dans le domaine environnemental. Une attention particulière devra être accordée aux jeunes générations. Elle se traduira par l'intégration d'un programme d'éducation forestière et environnementale dans le système scolaire.

 

79. Mitaky fampahafantaram-baovao sy fanabeazana isan'ambaratongany rehetra izany mba hahatsapana ny tsy maintsy ilàna ny fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala sy mba ho azo antoka, ato anatin'ny fari-potoana salasalany sy maharitra ela, fa hitohy mandrakariva eny foana ny ezaka ilofosana. Izy ireny dia haiditra ho anisan'ny lahasa fampahalalam-baovao sy fanabeazana eo arnin'ny sehatry ny tontolo iainana. Homena lanjany manokana arnin'izany ny tanora vao misandratra. Ny ho fisehony dia amin'ny alàlan'ny fampidirana ny fandaharan'asam-panabeazana momba ny ala sy ny tontolo iainana ao anatin'ny drafim-pampianarana an-tsekoly.

 

5.2. Un nouveau mode de relation

entre les acteurs

 

80. Deux raisons majeures conduisent à l'instauration d'un nouveau mode de relation entre les différents acteurs concernés par la problématique forestière. D'une part, la prise en compte des grandes options de développement définies au niveau national (libéralisation économique, désengagement de l'Etat du secteur productif, décentralisation) amène l'Administration forestière à redéfinir son rôle par rapport aux autres acteurs opérant dans ce secteur. D'autre part, la mise en oeuvre d'une gestion durable des ressources forestières pour relever le défi posé par la situation forestière ne peut en aucun cas être du ressort exclusif de l'Etat. L'implication active des autres acteurs concernés, notamment des collectivités locales, des opérateurs privés et des organismes d'intervention, est indispensable. L'Etat, à travers l'administration forestière, doit jouer un rôle d'impulsion et d'orientation d'ensemble, en vue de l'efficacité globale des actions.

 

5.2. Fomba vaovao ifandraisan' ny

samy mpandraharaha

 

80. Anton-javatra roa lehibe no mahatonga ny hampijoroana fomba vaovao ifandraisan'ny mpandraharaha samihafa voakasiky ny olana saro-bahana mikasika ny ala. Andaniny ny fiandaniana amin'ireo safidy goavana momba ny fampandrosoana voasoritra hamerana ny firenena (fanalalahana ara-toekarena, fiatahan'ny Fanjakana amin'ny seha-pamokarana, fitsinjaram-pahefana) dia mitarika ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala hamaritra indray ny andraikiny miohatra amin'ireo mpandraharaha hafa miatrik'asa eo amin'io seha-pamokarana io. Ankilany, ny fiatrehana ny fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala mba hahatanterahana ny fanamby apetraky ny toejava-misy mikasika ny ala dia tsy azo avela velively ho adidin'ny Fanjakana samirery manokana. Ilaina tokoa ny fandraisan'anjara mavitrika avy amin'ireo mpiatrik'asa hafa voakasika, indrindra ny vondrom-bahoaka eo an-toerana, ny mpandraharaha tsy miankina amin'ny Fanjakana ary ny vondron-draharaha mpirotsaka an-tsehatra. Mba hisian'ny fahombiazana faobe eo amin'ny asa, ny anjara andraikitry ny Fanjakana amin'ny alàlan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ny ho vy miaina fanoitra manentana sy manoritra ny ankapoben'ny làlan-kizorana.

 

81. Dans cette perspective, la redéfinition du rôle de l'Administration forestière aura pour corollaire la délégation des activités opérationnelles à d'autres entités telles que les organisations non gouvernementales ou les structures privées à participation étatique, la dynamisation du secteur privé pour développer les activités économiques, et la participation des collectivités locales à la gestion des ressources forestières.

 

81. Anatin' izany, ny ho setrin'ny famaritana indray ny anjara asan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ny fampiandraiketana ny asa aman-draharaha efa iatrehana an'ireo vondrona hafa toy ny fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana na rafitra tsy miankina nefa andraisany anjara, ny fanomezana ainga vao ny seha-pamokarana tsy miankina amin'ny Fanjakana mba hiroboroboan'ny asa aman-draharaha fihariankarena, ary ny fandraisan'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana anjara amin'ny fitantanana ny loharanon-karen'ny ala.

 

82. Les activités opérationnelles que l'Administration forestière assumait jusqu'à présent en régie directe seront déléguées progressivement à d'autres entités sur une base contractuelle. Il s'agit notamment des activités liées à l'aménagement et à la gestion des forêts publiques tels que les travaux de reboisement et d'entretien sylvicole, à l'aménagement des bassins versants, et à la lutte contre les feux de brousse. Ces entités pourront relever de différents statuts (organismes du secteur privé, organisations non gouvernementales, structures liées à l'Etat mais dotées d'une autonomie de gestion ...), le principal critère recherché étant l'efficacité des actions conduites.

 

82. Ny asa aman-draharaha an-dàlam-piatrehana azy izay niadidian'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala mîvantana hatramin'izao dia hampiandraiketina miandalana vondrona hafa araka ny ifanarahana. Izany dia mikasika indrindra ny asa mifandraika amin'ny fanajariana sy ny fitantanana ny alam-panjakana toy ny asa fambolen-kazo sy fikojakojana ny ala, ny fanajariana ny tehezan-tany misolampy, ary ny ady atao amin'ny doro-tanety. Ireny vondrona ireny dia mety ho voafehin'ny fitsipi-pikambanana samihafa (vondron-draharaha amin'ny seha-pamokarana tantanan'olon-tsotra, fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana, rafitra mifaningotra amin'ny Fanjakana nefa mahatapa-teny amin'ny fitantanana), satria ny tena fahatra tadiavina mantsy dia ny fahombiazan'ny lahasa tontosaina.

 

83. De même, la recherche forestière relèvera des institutions spécialisées. Toutefois, l'Administration forestière veillera à ce que les programmes de recherche soient orientés prioritairement vers des thèmes contribuant à la mise en oeuvre de la politique forestière. La valorisation des produits forestiers, les systèmes de gestion communautaire des ressources forestières, la régénération des essences autochtones, la foresterie paysanne, en sont des exemples.

 

83. Torak' izany, ny fikarohana atao momba ny ala dia hiandraiketan'ny andrim-pitondrana havanana manokana. Na izany aza, ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia hitandro ny haha voalohan-daharana indrindra ny fifantohan'ny fandaharan'asam-pikarohana amin'ny loha-hevitra ahazoan-tohana amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala. Ohatra amin'izany ny fanomezan-danja ny vokatra avy amin'ny ala, ny rafi-pitantanana iombonana ny loharanori-karen'ny ala, ny fanomezana aina vao ny karazany zanatany, ny ezaky ny tantsaha amin'ny fikajakajana ny ala.

 

84. Le développement des activités économiques, aux différents niveaux des filières de produits forestiers, est attendu des initiatives du secteur privé. L'Administration forestière jouera à cet égard un rôle incitatif en créant un environnement qui leur soit favorable, tout en veillant à ce que leurs pratiques ne soient pas contraires à l'intérêt général.

 

84. Ny fampandrosoana ny raharaha ara-toekarena, amin'ambaratongany samihafa amin'ny làlam-pihariana ny vokatry ny ala, dia antenaina ho avy amin'ny finiavan'ny seha-pamokarana tantanan'olon-tsotra. Ny anjara asan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala amin'izany dia ny fanomezana risi-po hirotsaka an-tsehatra amin' ny famononana tontolo mamelom-bolo azy ireo sady fitandrovana rahateo ny tsy hifanoheran'ny fomba amam-panaony amin'ny tombontsoan'ny besinimaro.

 

85. La gestion durable des ressources forestières ne peut pas être envisagée sans une prise de responsabilité au niveau des collectivités locales. Ces dernières y seront donc associées chaque fois que cela est possible. Ainsi, l'Administration forestière pourra leur transférer, sur une base contractuelle, la gestion de certaines forêts appartenant au domaine de l'Etat. Toutefois, ce transfert de gestion n'implique en aucun cas un transfert de propriété. La forêt demeure inaliénable et imprescriptible.

 

85. Tsy azo veroka ny hisian'ny fitantanana maharitra ny loharanon-karenan’ny ala raha tsy eo ny fandraisan'andraikitra isan'ambaratongan'ny vondrom-bahoaka eny an-toerana. Ireto farany ary dia hampiraisan'antoka isak'izay mahamety ny hanaovana izany. Amin'izany ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ho afaka hamindra aminy, amin'ny alàlan' ny fifanarahana ifanaovana, ny fitantanana ny ala sasantsasany mandrakotra tanim-panjakana. Na izany aza anefa, io famindram-pitantanana io dia tsy midika velively ho famindrana ny fitompoam-pananana. Ny ala dia mitoetra ho tsy azo amidy sady tsy maty paik'andro ny fitompoana azy.

 

86. Condition essentielle de réussite, ce nouveau mode de relation entre les acteurs constitue la clé de voûte de la stratégie de mise en oeuvre de la politique forestière. C'est pour s'en assurer que la présente politique forestière, ainsi que ses principaux instruments de mise ne oeuvre, ont fait l'objet d'un processus d'élaboration participatif Toutefois, sa mise en place ne pourra se faire que de manière progressive. Une période de transition devra être envisagée pour que chaque catégorie d'acteur s'installe dans son nouveau rôle et pour que puisse évoluer concrètement le mode de relation entre eux.

 

86. Antoka iray lehibe ho amin'ny fahombiazana, io fomba vaovao ifandraisan'ny samy mpandraharaha io izay vovonana iadian'ny lohany amin'ny tetika sy paika fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala. Hanan'antoka ny amin'izany no nandiavana ny dingana fiaraha-misalahy teo amin'ny famolavolana izao politika fitantanana ny ala izao mbamin'ny matoan'ny fitaovana ho entim-manatanteraka azy. Na izany aza anefa, ny fametrahana azy amin'ny toerany dia atao miandàlana ihany. Hisy ny fe-potoana tetezamita hahafahan'ny mpandraharaha isan-tsokajiny avy manorin-dasy eo amin'ny andraikitra vaovao sahaniny ary mba hampahazava tsara ny fivoaran'ny fomba fifandraisan izy ireo.

 

5.3. La réforme de l'Administration forestière

 

 

87. L'instauration d'un nouveau mode de relation entre les différents acteurs passe nécessairement par la redéfinition de la mission de l'Administration forestière. D'une manière générale, celle-ci sera amenée à se retirer des activités opérationnelles et à se concentrer sur les fonctions essentielles qui doivent être assumées par les autorités publiques en tant que garantes de l'intérêt général et du long terme. Ainsi, l'Administration forestière se chargera plus particulièrement de trnis types des fonctions. Celles-ci consistent à concevoir et orienter, puis à inciter et coordonner, enfin à contrôler et évaluer les actions conduites dans le secteur forestier.

 

5.3. Fanavaozana ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala

 

87. Ny fampijoroana fomba iray vaovao ifandraisan’ny samy mpandraharaha dia tsy maintsy mandalo amin'ny famaritana indray ny anjara andraikitry ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala. Amin'ny ankapobeny izy dia ho voatery misitaka io fitondran-draharaha amin'atrik'asa firotsahana an-tsehatra ary hifantoka amin'ny vaindohan-draharaha izay tsy maintsy iatrehan'ny manampahefana ara-panjakana amin'ny maha-tompon'antoka azy amin'ny fitandroana ny tombontsoan'ny besinimaro sy ny fitsinjovana ny lavitr'ezaka any aoriana. Araka izany, ny Fandraharaham-panjakana dia hiandraikitra indrindra manokana karazan'asa telo. Ireo dia hiompana amin'ny famolavolana sy fanoritan-dàlana, manaraka ny famporisihana sy fandrindrana, farany ny fanaraha-maso sy fanombanana ny asa natao teo amin' ny seha-pamokarana momba ny ala.

 

88. La fonction de conception et d'orientation se rapporte notamment à la politique forestière, à la réglementation, aux stratégies et planifications aux niveaux national et régional, à la normalisation des produits, aux plans d'aménagement, et aux contrats de gestion.

 

88. Ny asa famolavolana sy fanoritan-dàlana dia mifandraika indrindra amin'ny politika fitantanana ny ala, ny fanovàna fitsipika, ny tetika sy paika sy fandraiketana fandaharanasa eran'ny Firenena sy isam-paritra, ny fampanaraham-penitra ny vokatra, ny drafi-panajariana ary ny fifanekem-pitantanana.

 

89. La fonction d'incitation concerne l'apport d'appui-conseil et la gestion du système de taxation dans le cadre d'un système d'encouragement aux- initiatives économiques du secteur privé et à la prise de responsabilité des collectivités locales dans la gestion durable des ressources. La fonction de coordination porte sur l'action des structures opérationnelles et celle des autres administrations, ainsi que sur le financement par les organismes extérieurs. Le retrait des activités opérationnelles ne pourra cependant être ni total ni immédiat. Certaines activités d'intérêt collectif pourront continuer à relever de l'Administration forestière.

 

89. Ny famporisihana dia mikasika ny fanomezana fanohanana sy toro-hevitra ary ny fitantanana ny fampandoavana haba ao anatin'ny drafi-panentanana ny finiavan'ny seha-pamokarana tsy rniankina hirotsaka amin'asam-pihariana sy fandraisan'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana andraikitra amin'ny fitantanana maharitra ny loharanon-karena. Ny fandrindrana dia miantraika amin'ny asa atao anivon-drafitra mirotsaka amin'atrik'asa sy ny an'ireo fitondran-draharaha hafa, ary koa amin'ny famatsiam-bola avy amin'antokon-draharaha ivelany. Tsy ho mahafaobe na eo ho eo avy hatrany anefa ny fiatahana amin'atrikasa firotsahana an-tsehatra. Hisy ny asa aman-draharaha sasantsasany fitandroana ny tombontsoa iombonana mety mbola hiankina foana amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala.

 

90. La fonction de contrôle porte sur l'applipatiqn.oe la, législation forestière et des normes techniques. La fonction de suivi et d'évaluation concerne les activités menées par les différents acteurs dans le cadre de la mise en oeuvre de la politique forestière, et d'une manière plus générale l'impact de celle-ci sur la situation des ressources et sur le développement économique.

 

90. Ny fanaraha-maso dia mikasika ny fampiharana ny lalàna fitantanana ny ala sy ny fenitra ara-teknika. Ny fizohiana sy ny fanombanana dia mikasika ny asa ataon'ireo mpandraharaha samihafa eo amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala, ary amin'ny ankapobeny indrindra ny fiantraikan'izany amin'ny toetoetry ny loharanon-karena sy amin'ny fampandrosoana ara-toekarena.

 

91. Trois catégories de mesures contribueront à restaurer l'efficacité de l'Administration forestière dans l'accomplissement des fonctions qui lui sont dévolues. Elles concernent la réorganisation de sa structure, le renforcement de ses ressources humaines et la mise à disposition de moyens matériels et financiers conformément à ses attributions.

 

91. Sokajiny telo ny fepetra hampahombiazany indray ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala eo amin' ny fanatontosana ny asa izay ankinina aminy. Izany dia mikasika ny fandaminana indray ny rafi-pisahanany asa, ny fanamafisana ny fiandraiketana ny mombamomba ny mpiasa ao aminy ary ny fanolorana hiadidiany ny fitaovana sy vola enti-miasa mifanaraka anlin'ny anjara raharahany.

 

92. La redéfinition du rôle de l'Administration forestière implique une réorganisation de sa structure autour des trois grandes fonctions susmentionnées, dans la perspective de mise en oeuvre des orientations retenues par la politique forestière nationale. Une simplification de l'organigramme sera recherchée à la fois pour mieux utiliser les moyens disponibles, simplifier les procédures et diminuer la lourdeur administrative. L'Administration forestière sera déconcentrée, ce qui implique une définition des attributions et des pouvoirs de décision relevant de chaque niveau (services centraux, régionaux et locaux) ainsi qu'une allocation des moyens financiers correspondants.

 

92. Ny famaritana indray ny andraikitry ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia mitaky fanavaozana ny fandaminana ny firafiny miodidina ireo sahan'asa telo lehibe voalaza etsy ambony, eo amin'ny fanatanterahana ny sori-dàlana raiketin'ny politikam-pirenena fitantanana ny ala. Hokarohina izay hahatsotsotra ny firafi-draharaha mba ahafahana manatsara kokoa ny fampiasana ny fitaovana am-pelatànana sady manamora ny paika arahina sy mampihena ny havesa-pandehan'ny fomba fiasa amin'ny Fandraharaham-panjakana. Irosoana ny fanapariaham-pitondrana amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala, izany dia mitarika ny famaritana mazava ny anjara raharaha sy ny fahefana handray fanapahan-kevitra manandrify ny ambaratongam-pitondrana isanisany (sampan-draharaha ifotony, isam-paritra ary eo an-toerana) ary koa ny fanomezana ny enti-mihetsika ara-mihetsika ara-bola mifanentana amin'izany.

 

93. Le renforcement des ressources humaines de l'Administration forestière sera la résultante de différentes mesures complémentaires :

 

- L'augmentation de l'effectif des agents forestiers ainsi qu'une meilleure répartition géographique ;

- Le rétablissement de conditions de travail et de rémunération susceptibles d'assurer au niveau des agents la motivation requise pour l'accomplissement de leurs tâches. Parallèlement, l'Administration forestière sera attentive au respect par ses agents de l'éthique propre à la profession ;

 

 

- La formation et le recyclage des agents à tous les niveaux afin qu'ils disposent des compétences exigées par la réorientation du rôle de l'Administration forestière.

 

93. Ny fanamafisana ny fiandraiketana ny mombamomba ny mpiasa ao amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia ho vokatry ny fandraisana fepetra famenony samihafa.

- Ny fampitomboana ny isan'ny mpandraharaha mikarakara ny ala ary koa ny fandrindrana bebe kokoa ny fitsinjarazarany eran' ny lafin-tany ;

- Ny fanarenana ny fepetra fisahanana ny asa sy ny karama mety ho ampy hampisy ny fahavitrihan'ny mpandraharaha eo amin'ny fanatontosana ny anjara asany. Mifanindran-dàlana amin'izany dia ho mailo ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala eo amin'ny fanajan'ny mpandraharaha ao aminy ny hasimpahamendrehana manokana ho an'izany eo amin' ny asa amandraharaha izany ;

- Ny fanofanana sy ny fandalinam-pahaizany ananan'ny mpandraharaha isan'ambaratongany rehetra mba hahazoany ny fahaizana takian'ny sori-dàlan-kitondrana indray ny anjara andraikitry ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala.

 

94. Une fois ses attributions redéfinies, il convient de doter l'Administration forestière des ressources budgétaires nécessaires à leur accomplissement, en veillant à une répartition adéquate entre les différents niveaux. Le Fonds forestier national, alimenté par les redevances forestières, en constituera le principal instrument.

 

94. Raha vao voafaritra indray ny anjara raharahany, dia mety ny hanomezana ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala ny loharanom-bola ilaina amin'ny fanatontosany izany, ka hotandrovina ny fifantenan'ny fitsinjarazarana azy amin'ny ambaratonga samihafa. Ny Tahirim-pirenena momba ny ala, vatsiana avy amin'ny vola fandoa amin'ny ala, dia no ho fitaovana fototra enti-manana izany.

 

5.4. La gestion décentralisée des actions forestières au niveau régional

 

95. La politique forestière nationale constitue un cadre global qui définit les grandes orientations d'action pour faire face aux principaux problèmes, et assure une cohérence stratégique d'ensemble au niveau national. Toutefois, sa mise en oeuvre dans une optique de gestion durable des ressources rend indispensable la prise en compte de la diversité des situations écologiques et socioéconomiques régionales. Il convient en effet de privilégier la recherche de solutions au niveau régional car, outre les problèmes qui sont propres à chaque région écologique du pays, même les problèmes généraux se posant à l'échelle du pays sont à resituer dans les différents contextes régionaux.

 

5.4 Fanapariaham-pitondrana amin' ny fitantanana ny lahasa momba ny ala isam-paritra

 

95. Ny politikam-pirenena fitantanana ny ala dia rafitra faobe izay mamaritra ny sori-dàlana vaventy itondrana ny lahasa imasoana hisetrana izay olana fototra mipetraka, ary mampirindra ny tetika sy paika indray mitambatra eran'ny Firenena. Na izany aza anefa, ny fanatanterahana azy am-pikatsahana ny ho fitantanana maharitra ny loharanon-karena dia tsy maintsy ilàna ny fitandrovana ny fahasamihafan'ny toetoetry ny tontolon-drafitra manodidina sy ny sosialy aman-toekarena isam-paritra. Tokony omena tombon-dahiny mantsy ny fikarohana ny vahaolana eo amin'ny ambaratongan'ny isam-paritra satria, ankoatra ny olana rnanokan'ny isam-paritry ny tontolon-drafitra manodidina misy eto amin' ny tany sy Firenena, na ny olana zava-manahirana ankapobe mihenika ny Firenena aza dia tokony ho arakaraka ny toe-java misy samy hafa isam-paritra no ametrahana azy.

 

96. La souplesse requise pour cette adaptation de la politique forestière aux spécificités des situations régionales et locales passe nécessairement par une gestion décentralisée des actions forestières au niveau régional. Elle doit permettre non seulement la fixation de priorités différentes selon les régions écologiques, en fonction de l'importance relative des problèmes posés et des moyens disponibles, mais aussi de favoriser l'implication et la responsabilisation des acteurs régionaux et locaux (populations rurales, collectivités locales, associations, opérateurs privés, autres administrations ...) sous l'impulsion du service forestier. La déconcentration de l'Administration forestière constitue pour cela une condition préalable.

 

96. Ny filefahana ilaina hisian’io fifankahenan'ny politika fitantanana ny ala amin'izay mampiavaka manokana ny toe-javamisy isam-paritany sy eo an-toerana dia tsy maintsy mandalo amin'ny fitsinjaram-pahefana eo amin'ny fitantanana ny lahasa momba ny ala amin'ambaratongan'ny isam-paritra. Izany dia tsy ahafahana fotsiny mandraikitra ny laharam-pahamehana samy hafa arakaraka ny isam-paritry ny tontolon-drafitra manodidina, ny tokony ho halehiben' ny olana mipetraka sy ny fitaovana ihetsehana, fa manatevina ihany koa ny firotsahana an-tsehatra sy ny fampandraisan'andraikitra ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana (mponina eny ambanivohitra, vondrom-bahoaka eo antoerana, fikambanana, mpandraharaha tsy miankina, fitondran-draharaha hafa...) izay ho entanin'ny sampan-draharaha mitantana ny ala. Fepetra dieny mialoha takiana amin'izany ny fanapariaham-pitondrana amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala.

 

97. Les plans directeurs forestiers régionaux constituent la traduction concrète et l'instrument principal d'une réelle décentralisation de la gestion des actions forestières. Les acteurs régionaux et locaux devront être étroitement associés aux décisions lors de leur élaboration. Celle-ci suppose une consultation des acteurs régionaux et locaux, voire des négociations et une recherche de compromis entre eux, en vue de la fixation des priorités régionales. L'exécution des actions leur accordera également une large responsabilité de gestion. L'approche consistera à ce que les responsabilités de gestion soient prises à l'échelon le plus inférieur qui soit compatible avec le respect des principes définis dans les plans directeurs forestiers régionaux et les plans d'aménagement forestier. Les contrats de gestion que le service forestier régional pourra passer avec des collectivités locales ou des structures opérationnelles s'inscriront dans une telle approche. Enfin, les acteurs régionaux et locaux seront progressivement impliqués, grâce à des systèmes appropriés, dans le contrôle, le suivi et l'évaluation des actions menées.

 

97. Hita ao amin'ny drafitra fototra fitantanana ny ala isam-paritra ny mampivaingana sy ny fitaovana fototra ahatrarana ny tena fitsinjaram-pahefana marina eo amin'ny fitantanana ny lahasa momba ny ala. Hampiombonan'antoka akaiky ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana ho eo amin'ny fandraisana fanapahan-kevitra amin'ny fotoana anaovana ny famolavolana azy. Izany dia mitaky ny fakan-kevitra amin'ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana, fifampiraharahana sy fikarohana ny marimaritra iraisana aminy aza, mba ahafahana mandraikitra ny omena laharam-pahamehana isam-paritra. Halalaka tsara koa ny andraikiny ara-pitantanana eo amin'ny fanatanterahana ny lahasa. Ny tadiavina dia ny sori-dàlana hampandraisan'andraikitra amin'ny fitantanana ny ambaratongam-pitondrana faran'ifotony indrindra mety hifankaheny amin'ny fanajana ny feni-kevitra voasoritra eo amin'ny drafitra fototra fitantanana ny ala isam-paritra sy ny drafitra fanajariana ny ala. Ny fifanekem-pitantanana izay hifanaovan'ny sampan-draharahan'ny ala isam-paritra amin'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana na ny rafitra mirotsaka antsehatra dia ho voafaoka ao anatin'io tetika ho enti-miasa io. Farany, ny mpandraharaha isam-paritra sy eo an-toerana dia hanana andraikitra miandalana noho ny fisian-drafitra mijoro sahaza izany amin'ny fanaraha-maso sy ny fizohiana ary ny fanombanana ny lahasa natao.

 

98. Aux différentes étapes de cette gestion décentralisée que sont l'élaboration, l'exécution et l'évaluation des actions conduites dans le cadre des stratégies régionales, une attention permanente sera accordée à leur articulation avec le cadre global fixé par la politique et la stratégie forestière nationale. Dans le même ordre d'idée, l'application de la législation forestière tiendra compte également des spécificités régionales.

 

98. Amin'ireo dingana samy hafa amin'izany fitantanana itsinjaram-pahefana izany, anisany ny famolavolana sy ny fanatanterahana ary ny fanombanana ny lahasa natao, araka ny voasoritra anatin'ny tetika ny paika arahina isam-paritra, hojerena akaiky sady maharitra ny fifaningorany amin'ny fenitra ankapobe noferan'ny politika mbamin'ny tetika sy paika fitantanana ny ala eto amin'ny Firenena. Izany lalan-kevitra izany ihany no tsy maintsy itandrovana koa ny mampiavaka manokana ny isam-paritra eo amin' ny fampiharana ny lalàna fitantanana ny ala.

 

5.5. La gestion locale et participative des ressources forestières

 

99. La gestion durable des ressources forestières ne peut être envisagée sans une prise de responsabilité au niveau des collectivités locales. Cette responsabilisation passera par l'instauration d'un mode de gestion local et participatif des ressources forestières. Cela se traduira par le transfert, de l'Administration forestière vers les collectivités locales, de tout ou partie de l'autorité de gestion sur certaines forêts appartenant au domaine de l'Etat.

 

5.5 Ny fitantanana eo an-toerana sy iombonana ny loharanon-karen' ny ala

 

99. Tsy ho azo antenaina ny hisian'ny fitantanana maharitry ny loharanon-karen'ny ala raha eo ny fandraisan'andraikitra eo amin'ny ambaratongan'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana. Io fampandraisan'andraikitra ie dia hiankina amin'ny fananganana fomba fiasa eo an-toerana sy iombonana amin'ny fitantanana loharanon-karen'ny ala. lzany dia amin'ny alàlan'ny famindran'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala mankamin'ny vondrom-bahoaka eo an-toerana, ny manontolo na ampahany amin'ny fahefam-pitantanana ny ala sasantsasany mandrakotra tanim-panjakana.

 

100. Ce transfert de gestion sera opéré dans le cadre d'une démarche de cogestion contractuelle entre l'Administration forestière d'un côté et les collectivités locales de l’autre. Le principe de ces relations contractuelles ainsi que leurs principales modalités seront définis dans la législation forestière comme un cadre fondamental de l'action publique dans le domaine forestier. Les collectivités locales agiront à travers des formes d'organisation ou des entités locales appropriées, dont -le statut devra être préalablement défini.

 

100. Io famindram-pitantanana io dia hatao araka ny voafaritra anatin'ny fiaraha-mitantana Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala andaniny sy ny vondrom-bahoaka eo an-toerana ankilany. Ny feni-kevitra iompanan'ireo fifanekem-pifandraisana ireo ary koa ny fotopototry ny fombafomba arahina aminy dia hofaritan'ny lalàna fitantanana ny ala toy ny sehatra ifotoran'ny raharaham-panjakana momba ny ala. Ny vondrom-bahoaka eo an-toerana dia hanao ny asany amin'ny alàlan'ny karazana fikambanana na vondrona eo an-toerana mifandraika amin'izany, ka ny fitsipi-pitondrana dia ho tsy maintsy voasoritra dieny mialoha.

 

101. Un statut particulier de gestion forestière communautaire sera élaboré pour servir de base au transfert de la gestion de certaines catégories de forêts. Les contrats de gestion qui seront établis entre les entités locales et l'Administration forestière préciseront les modalités du transfert de gestion, notamment les rôles, les attributions et les responsabilités de chaque partie et, d'une manière générale, leurs droits et devoirs respectifs. Ils devront s'adapter aux situations locales par la prise en compte des motivations et des pratiques des acteurs locaux, notamment des modes de gestion traditionnels ou des us et coutumes qui s'inscrivent dans la perspective d'une gestion durable des ressources naturelles. Ils pourront prendre au besoin des formes techniques et juridiques différentes selon les lieux. Dans tous les cas, ils seront assortis de cahiers des charges se référant aux règles définies dans les plans d'aménagement forestier.

 

101. Hovolavolaina ny fitsipi-pitondrana manokana ny fitantanana iombonana ny ala mba hifotorana amin'ny famindram-pitantanana ny sokajin'asa sasantsasany. Ny fifanekem-pitantanana izay hifanaovan'ireo vondrona eny an-toerana sy ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala no hanondro mazava ny amin'ny famindram-pitantanana, indrindra ny anjara asa sy ny anjara raharaha ary ny andraikitry vondrona tsirairay avy ary amin'ny ankapobeny, ny zo aman'adidiny avy. Tsy maintsy mahay mifanaraka amin'ny toe-java-misy eo an-toerana izy ireo amin'ny fiheverana ny antonantony mandrisika ny mpandraharaha sy ny fomba fiasa eny an-toerana, indrindra ny fomba fitantanana nentim-paharazana na ny fomba fanao sady mahazatra izay voasoritra ao anatin'ny ho fitantanana maharitra ny loharanon-karena voajanahary. Raha ilaina dia hanan'endrika ara-teknika na ara-dalàna samy hafa izy ireny arakaraka ny isan-toerana. Na manao ahoana na toy inona, dia hampiarahana amin'ny bokin'andraikitra izay nitahafana ny fitsipika voarakitra anatin'ny drafi-panajariana ny ala.

 

102. La gestion participative constitue un élément essentiel de la stratégie forestière. Elle s'insère dans la démarche plus large engagée en matière de gestion locale des ressources naturelles renouvelables dans le cadre du Plan d'action environnemental.

 

102. Ny fitantanana iombonana dia anisan'ny mavesa-danja tokoa amin'ny tetika sy paika itantanana ny ala. Izy io dia tafiditra amin'ny ezaka be ambaindainy amin'ny fitantanana eo an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina voasoritra anatin'ny drafitr'asa momba ny tontolo iainana.

 

5.6. L'articulation entre la mise en œuvre de la politique forestière et celle des autres politiques sectorielles

 

103. La nature des problèmes forestiers est telle que leur résolution dépasse le cadre d'intervention de la seule politique forestière. Inversement l'impact des actions forestières influence la situation dans d'autres secteurs. En raison de cette interdépendance, l'Administration forestière devra accorder une attention particulière à la cohérence nécessaire entre la mise en oeuvre de sa propre politique et celle des autres politiques sectorielles. Il s'agit notamment de l'environnement, l'agriculture, l'élevage, la pêche, le foncier, l'énergie, l'eau, l'exploitation minière, le développement industriel et artisanal, l'aménagement du territoire, le tourisme, la justice, l'éducation et de la lutte contre la pauvreté. La mise en cohérence et la coordination entre les actions forestières et celles qui sont menées dans les domaines susmentionnés devra porter aussi bien sur les objectifs poursuivis que sur les modalités d'intervention, tant au niveau national que régional et local.

 

5.6. Ny fifaningoran'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala sy ny an'ny politika isan-tseha-pamokarana hafa

 

103. Hita lany amin'ny karazan'ny zava-manahirana momba ny ala miohatra ny sehatra idinan'ny politika itantanana ny ala fotsiny ihany ny vahaolona ny aminy. Toa sangodim-pohy mifanohitra amin'izany aza fa amin'ny toe-java-misy amin'ny seha-pamokarana hafa ny fiantraikan'ny atao momba ny ala. Noho io fifampiankinan-doha io dia tokony ho tandreman'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala toy ny anakandriamaso manokana ny fifandrindrana mampifaningotra ny fanatanterahana ny politika azy manokana sy ny politikan'ny isan-tseha-pamokarana hafa. Izany dia mikasika indrindra ny tontolo iainana, ny fambolena, ny fiompiana, ny fanjonoana, ny fananan-tany, ny herim-pamokarana, ny rano, ny fitrandrahana ny harena an-kibon'ny tany, ny fampandrosoana ny indostria sy ny asa-tànana, ny fanajariana ny tany, ny fizahan-tany, ny fitsarana, ny fanabeazana ary ny ady amin'ny fahantrana. Ny fampiraisan-tendro sy ny fandrindrana eo amin'ny asa atao momba ny ala ireo amin'ny sehatra voatanisa etsy ambony dia tsy maintsy aompana na izany amin'ny tanjona hotratrarina na koa amin'ny fombafomba firotsahana an-tsehatra, tsy eo amin'ny ambaratongan'ny Firenena ihany amin'ambaratongan'ny isam-paritra sy isan-toerana koa.

 

104. Cette cohérence ne pourra être assurée sans un rôle actif joué par l'Administration forestière dans le cadre d'une concertation régulière avec les autres administrations concernées par la problématique forestière. L'Administration forestière devra déployer un effort permanent pour informer les autres administrations sur la politique et la stratégie forestière, ainsi que sa mise en oeuvre, et pour prendre connaissance des autres politiques sectorielles et de leurs évolutions respectives. L'analyse des principaux points d'articulation avec la politique forestière devrait lui permettre de formuler des propositions concrètes en vue d'une amélioration de ses relations fonctionnelles avec les autres services techniques et administratifs, d'une coordination plus étroite et d'un synergie des actions.

 

104. Tsy ho azo antoka ny fisian'io fifandrindrana io raha tsy an-kavitrihana no anatanterahan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala ny anjara andraikitra voafariparitra amin'ny fifampidinihana ara-potoana miaraka amin'ireo fitondrandraharaha hafa voakasiky ny olana anoin-tsarotra amin'ny fitantanana ny ala. Ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala dia tsy maintsy mitozo amin'ezaka maharitra mba hampahafantarana ny fitondran-draharaha hafa ny momba ny politika, tetika sy paika itantanana ny ala, ary fanatanterahana azy mba hahalalany ny amin'ny politika hafa isan-tseha-pamokarana sy ho fivoaran’ireny avy. Ny fanadihadiana ny rnomba ny vona tena mampifaningotra azy amin'ny politika fitantanana ny ala dia mety ahafahany mandroso ny tolokevitra mazava hoenti-manatsara ny fifandraisan'ny fomba fiasany ifanaovana amin'ny sampan-draharaha hafa ara-teknika sy ara-pitondrana, ny fifandrindrana akaiky kokoa sy ny fientanana indray eo miaraka amin'ny lahasa imasoana.

 

105. Cette concertation pourrait se faire, au niveau national, au sein d'une structure souple de coordination interministérielle, et au niveau régional et local, au sein des Comités régionaux et locaux de développement. Dans la mesure où la question forestière et environnementale nécessite la mobilisation non seulement des diverses administrations mais aussi des autres composantes de la société (associations, opérateurs, leaders d'opinion ...), cette concertation pourra être utilement élargie grâce à la mise en place de Comités sur la forêt et l'environnement au niveau national, régional et local.

 

105. Io fifampidinihana miaraka io dia azo atao, eo amin'ambaratonga eran'ny Firenena, anivon'ny rafitra morainy fandrindran'asa iraisan'ny minisitera, ary eo amin'ny ambaratongan'ny isam-paritra sy isan-toerana, anivon'ny Komitim-paritra sy eo an-toerana momba ny fampandrosoana. Raha toa ny raharaha momba ny ala sy ny tontolo iainana ka ilana ny fanetsiketsehana, tsy ireo fitondran-draharaha samihafa fotsiny fa ny ankolafiny hafa ao anatin'ny fiaraha-monina ihany koa (fikambanana, mpandraharaha, mpitarika vahoaka ...), dia mety hahasoa ny fanitarana an'io fifampidinihana miaraka io, amin’ny alàlan'ny fampijoroana ny Komity momba ny ala sy ny tontolo iainana amin' ambaratongatongan'ny Firenena sy amin' ambaratongan' ny isam-paritra sy isan-toerana.

 

5.7. La mise en place d'un mécanisme de financement soutenu

 

106. Compte tenu de la perspective à moyen et long termes dans laquelle s'inscrit nécessairement la mise en œuvre d'une politique forestière, il est essentiel de mettre en place un mécanisme de financement soutenu, garantissant la continuité des actions. Pour cela, l'Administration forestière devra d'abord déployer tous les efforts nécessaires pour que le Fonds forestier national, alimenté par les redevances forestières, devienne un instrument privilégié pour le financement des actions dans le secteur forestier. Ensuite, elle sera amenée à privilégier les négociations avec les organismes extérieurs qui sont susceptibles de prendre des engagements financiers à moyen ou long terme. Enfin, elle s'efforcera de sensibiliser les institutions financières à l'importance de l'économie forestière afin qu'elles contribuent, à travers des systèmes de crédit adaptés, au financement des activités du secteur privé.

 

5.7. Ny fametrahana drafitra

famatsiam-bola maharitra

 

106. Noho ny maha-anatin'ny fari-potoana salasalany sy lavitr'ezaka ny tsy maintsy itozoana amin'ny fanatanterahana ny politika fitantanana ny ala, dia zava-dehibe ny fametrahana drafitra famatsiam-bola maharitra, ananan'antoka ny amin'ny ho fitohizan'ny asa. Dieny mialoha no tsy maintsy anaovan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala ny ezaka rehetra ilaina amin'izany mba hahatonga ny Tahirim-pirenena momba ny ala, izay vatsiana avy amin'ny vola fandoa amin'ny ala, ho zary fitaovana manan-tombon-dahiny amin'ny famatsiam-bola ny lahasa eo amin'ny seha-pihariana momba ny ala. Manaraka izany, izy dia ho voatarika hanome vahana ny fifampiraharahana amin'ireo antokon-draharaha any ivelany izay mety handray andraikitra amin'ny fampiasam-bola anatin'ny fari-potoana salasalany na lavitr'ezaka. Farany, hoezahiny hampahalalaina ny Andrim-pitondrana ara-bola ny maha-zava-dehibe ny fiharian-karena avy amin'ny ala mba handraisany anjara, amin'ny alàlan'ny drafitra fampisamboram-bola sahaza izany, amin'ny famatsiam-bola ny asa aman-draharaha iatrehan'ny seha-pamokarana tsy miankina amin'ny Fanjakana.

107. Un tel mécanisme de financement doit permettre d'orienter l'ensemble des ressources financières disponibles ; qu'il s'agisse de ressources locales ou des financements extérieurs, vers la réalisation des objectifs de la politique forestière. Le plan directeur forestier national et les planifications forestières régionales serviront de cadre pour une allocation équilibrée des ressources financières. Des modalités de concertation périodique devront être instaurées entre l'Administration forestière, les différents organismes de financement extérieurs, qu'ils soient multilatéraux, bilatéraux ou non gouvernementaux, et éventuellement des institutions financières, au sujet de l'exécution et du financement de la politique forestière.

 

107. Izany drafitra famatsiam-bola izany dia ahafahana manoritra ny làlan-kitondrana ny loharam-bola rehetra azo ampiasaina, na loharanom-bola eto an-toerana izany na famatsiam-bola avy any ivelany, mankamin'ny fanatanterahana ny tanjona kinendrin'ny politika fitantanana ny ala. Ny drafitra fototra fitantanana ny ala eto amin' ny Firenena sy ny fanaovana drafitr'asa fitantanana ny ala isam-paritra dia hatao sehatra hampifandanjana ny loharanom-bola enti-mihetsika. Hatsangana ny rafitra isian'ny fifampidinihana miaraka isam-potoana eo amin'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala sy ny vondron-drarahaha samy hafa mpamatsy vola avy any ivelany, na izy ireny iraisam-pirenen-tsamihafa, iraisan ny Firenena roa tonta na tsy miankina amin'ny Fanjakana, ary ny andrim-pitondrana ara-bola raha misy, mikasika ny fanatanterahana sy famatsiam-bola ny politika fitantanana ny ala.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement