Décrets 359
|
Décret n°
97-134 du 2 mars 1997 portant organisation de la Présidence de la
République (J.O.
n° 2423 du 31.03.97, p. 661), modifié par décret n° 97-612 du 30 avril 1997 (J.O. n° 2431 du 21.05.97, p. 883), décret n° 97-956 du 4
juillet 1997 (J.O.
n° 2448 du 18.08.97, p. 1628) et par décret n° 97-1279 du 31 octobre 1997 (J.O. n° 2465 du 17.11.97, p. 2233) |
Didim-panjakana n° 97-134 tamin’ny
2 marsa 1997 andaminana ny Fiadidiana ny
Repoblika (idem) |
|
Le Président de la République, Vu la Constitution, Vu la loi n° 68-01 8 du 6 décembre 1968 portant sur
l'organisation de la Défense à Madagascar et la création du Service national,
complétée par la loi 94-018 du 26 septembre 1995, Vu l'ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 portant
réglementation des hauts emplois de l'Etat, Vu le décret n° 76-132 du 3 1 mars 1976 et les
textes subséquents portant réglementation des hauts emplois de l'Etat, Vu le décret n° 97-128 du 21 février 1997 portant
nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Vu le décret n° 97-129 du 27 février 1997 portant
nomination des membres du Gouvernement, En conseil de Ministres, Décrète : |
Ny Filohan'ny Repoblika, Araka ny Lalàmpanorenana, Araka ny lalàna laharana faha
68-018 tamin'ny 6 desambra 1968 mikasika ny fandaminana ny Fiarovana eto
Madagasikara sy ny fànanganana ny Fanompoampirenena, nofenoin'ny lalàna
laharana faha 94-018 tamin'ny 26 septambra 1995, Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin'ny 13 mey 1993 manisy
fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 76-132 tamin'ny 31 marsa 1976 sy ireo rijan-teny taty aoriana manisy
fitsipika momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 97-128 tamin'ny 21 febroary 1997 manendry ny Praiminisitra sady
Lehiben'ny Governemanta, Araka ny didim-panjakana laharana
faha 97-129 tamin'ny 27 febroary 1997 manendry ny mambra ao amin'ny
Govememanta, Eo
am-pivorian'ny Minisitra, Dia
mamoaka izao didy izao : |
Article premier (D. 97-612
du 30.04.97) - La Présidence de la
République est organisée comme suit : - le Secrétariat général ; - la Direction générale de la Sécurité
présidentielle ; - la
Direction générale de la Présidence ; - la
Direction du Cabinet civil ; - la
Direction du Cabinet militaire ; - des
conseillers spéciaux ; - des
conseillers ; - des
conseillers non permanents ; - des
chargés de mission ; - un
secrétariat particulier ; - les aides
de camp ; - des
organismes rattachés :
la
Direction générale de l'investigation et de la documentation intérieure et
extérieure ;
l'Office
de transmission militaire de l'Etat ;
l’Inspection
générale de l'Armée ;
l'Inspection
générale de la Zandarimariam-pirenena ;
la
Grande Chancellerie et le Conseil de l'Ordre. |
Andininy voalohany (idem) - Arafitra toy izao manaraka izao ny Fiadidiana ny
Repoblika : - ny Sekretariajeneraly ; - ny Foibem-pitondrana ankapobe ny
Manda miaro ny Filohan'ny Repoblika ; - ny
Foibem-pitondrana ankapobe ny Fiadidiana ny Repoblika ; - ny
Foibem-pitondrana ny Kabinetra sivily ; - ny Foibem-pitondrana ny Kabinetra
miaramila; -
mpanolotsaina manokana ; -
mpanolotsaina ; - mpanolotsaina tsy maharitra ; - chargés de mission ; - sekretaria
manokana-iray ; - aides de camp ; - ireo
antokon-draharaha miankina aminy :
ny Foibem-pitondrana ankapobe momba ny fanaovana
fanadihadiana sy fizaharn-pototra toe-draharaha eto an-toerana sy any ivelany
;
ny Foiben'ny teknikam-pifandraisan-davitra miaramila eo
anivon'ny Faniakana ;
ny Fisafoan-draharaha ankapobeny amin'ny Tafika ;
ny Fisafoan-draharaha ankapobeny amin’ny
Zandarimariam-pirenena ;
ny Andrin'ny Mari-boninahitra sy ny Filankevitra amin'ny
fanomezana Mari-boninahitra. |
|
Art. 2 (D. 97-612 du 30.04.97) - Le Secrétaire général de la Présidence de la
République a pour mission de coordonner, pour le compte et au nom du
Président de la République, les activités de l'ensemble des directions
générales, directions, services et organismes rattachés à la Présidence de la
République cités aux articles 3, 8 et 12. |
And. 2 (idem) - Ny andraikitry ny Sekretera
jeneralin'ny Fiadidiana nv Reroblika dia ny mandrindra, amin'ny anarana sy ho
an'ny Filohan'ny Repoblika, ny tambaben ny asan'ireo foibem-pitondrana
ankapobe, foibem-pitondrana, sampan-draharaha sy antokon-draharaha miankina
amin'ny Fiadidiana ny Repoblika voalazan'ny andininy faha-3, faha-8 ary
faha-12. |
|
Art. 3 (D. 97-612 du 30.04.97) - L'organisation générale du Secrétariat général de
la Présidence de la République est fixée comme suit : 1° La Direction du Cabinet civil qui comprend : - le
Directeur de Cabinet civil ; - les
Directeurs de Cabinet civil adjoints ; - le chef
de Cabinet civil ; - le chef
de Cabinet civil adjoint ; - les
attachés de Cabinet civil ; - le
Service de la presse ; - le
Service de la communication ; - le
Service chargé des relations publiques ; - le Service du contentieux, des grâces et des
relations avec la justice. |
And. 3 (idem) - Ferana toy izao manaraka izao nv fandaminana
ankapobeny ny Sekretaria jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika : 1° Ny Foibem-pitondrana ny
Kabinetra sivily izay ahitana : -
ny Talen'ny Kabinetra sivily ; -
ireo lefitry ny Talen'ny Kabinetra sivily ; -
ny lehiben’ny Kabinetra sivily ; -
ny lefitry ny lehiben'ny Kabinetra sivily ; - ny attachés de Cabinet civil ; -
ny Sampan-draharahan'ny fampahalalam-baovao; -
ny Sampàn-draharahan'ny fifandraisana ; -
ny Sampan-draharaha miandraikitra ny fifandraisana amin'ny besinimaro ; -
ny Sampan-draharahan'ny fifanolanana, ny fanomezana indrafo ary ny
rifandraisana amin'ny fitsarana. |
|
2° (D. 97-956 du 04.07.97) La Direction du Cabinet militaire comprenant :
le
directeur de Cabinet militaire ;
le
directeur de Cabinet militaire adjoint ;
le
chef de Cabinet militaire ;
les
attachés de Cabinet ;
le
Service du contrôle du personnel militaire ;
le
Service sécurité et développement ;
le
Service emploi et organisation des forces ;
le
Service administratif et financier. |
2° (idem) Ny Foibem-pitondrana ny Kabinetra
miaramila dia ahitana : -
ny talen'ny Kabinetra miaramila ; -
ny tale lefitry ny Kabinetra miaramila ; -
ny lehiben’ny Kabinetra miaramila ; -
ny attachés de Cabinet ; -
ny Sampan-draharahan'ny fanaraha-maso ny mpandraharaha miaramila ; -
ny Sampan-draharahan'ny fiarovana sy fampandrosoana ; -
ny Sampan-draharahan’ny fampisahanan’asa sy fandaminana ny hery samihafa ao
amin’ny Foloalindahy ; -
ny Sampam-pitondrandraharaha sy fitantanam-bola. |
|
3° La
Direction générale du Protocole comprenant : - le
Directeur général du Protocole ; - le
Directeur général adjoint au Protocole ; - le
Service des étiquettes ; - le
Service des déplacements et voyages officiels ; - le
Service des relations extérieures. |
3° Ny Foibem-pitondrana ankapobe ny
Arofenitra izay ahitana -
ny Tale jeneralin'ny Arofenitra ; -
ny lefitry ny Tale jeneralin'ny Arofenitra ; -
ny Sampan-draharahan'ny etikety ; -
ny Sampan-draharahan'ny fitetezam-paritra sy ny fivahiniana ofisialy ; -
ny Sampan-draharahan'ny fifandraisana amin'ny any ivelany. |
|
4° La
Direction des affaires administratives et financières comprenant : - le Directeur ; - le Service d'étude et de documentation ; - le Service de coordination et des affaires
générales ; - le Service du personnel ; - le Service de la Comptabilité ; - le Service du Conseil ; - le Service Social ; - un pool de
secrétariat dirigé par un chef de Service de secrétariat. |
4° Ny Foibem-pitondran-draharaha sy
fitantanam-bola izay ahitana : -
ny Tale ; -
ny Sampan-draharahan'ny fanadihadiana sy ny firaketana ; -
ny Sampan-draharahan'ny fandrindran'asa sy ny raharaha ankapobeny ; -
ny Sampan-draharaha miandraikitra ny momba ny mpiasa ; -
ny Sampan-draharahan'ny fitanan-kaonty ; -
ny Sampan-draharaha mandamina ny fivoriana iatrehana ; -
ny Sampan-draharaha sosialy ; -
ny tambatry ny Sekretaria tarihin'ny Lehiben'ny Sampandraharahan'ny
sekretaria. |
|
La Direction des affaires administratives et
financières a pour rôle d'assurer le bon fonctionnement des services
dépendant directement du Secrétariat général et la liaison avec les services extérieurs,
et éventuellement, de représenter le Secrétariat général à toutes les
réunions où sa participation est sollicitée. |
Ny anjaranasan'ny
Foibem-pitondran-draharaha sy Fitantanam-bola dia ny fampandehanana tsara ny asan'ireo
sarnpan-draharaha miankina mivantana amin'ny Sekretaria jeneraly sy ny
fifandraisana amin'ny sampan-draharaha ivelany ary raha ilaina, ny
fisoloan-tena ny Sekretaria jeneraly amin'ny fivoriana rehetra angatahana ny
fiatrehany izany. |
|
Art. 4 (D. 97-612 du 30.04.97) - En sus de la mission générale définie à l'article
premier ci-dessus, le Secrétaire Général de la Présidence de la République
assure la gestion administrative et financière de la Présidence de la
République. Il a autorité sur l'ensemble du personnel relevant de la
Présidence de la République. Art 5 - Le Secrétaire général de la Présidence de la
République reçoit délégation pour signer, au nom du Président de la
République, les actes et correspondances ressortissant à ses attributions. |
And. 4 (idem) - Ambonin'ny andraikitra ankapobeny voasoritry ny
andininy voalohany eto ambony dia ny Sekretera jeneralin'ny Fiadidiana ny
Repoblika no misahana ny fitondran-draharaha sy fitantanam-bola ao amin'ny
Fiadidiana ny Repoblika. Manana fahefana amin'ny mpandraharaha rehetra ao
amin'ny Fiadidiana ny Repoblika izy. And. 5 - Ny
Sekretera jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika dia omem-pahefana hanao sonia,
amin'ny anaran'ny Filohan'ny Repoblika, ny sora-panekena sy taratasy ifandefasana
manandrify ny andraikiny. |
|
Art. 6 (D. 97-612 du 30.04.97) - Le Secrétaire général de la Présidence
dispose : - deux conseillers techniques ; - deux chargés de mission ; - d'un attaché de Cabinet ; - d'un secrétariat particulier. |
And. 6 (idem) - Ny Sekretera jeneralin'ny
Fiadidiana ny Repoblika dia manana : - mpanolotsaina teknika roa ; - chargés de mission roa ; - attaché de Cabinet iray ; - sekretaria manokana iray. |
|
Art. 7 - La Direction générale de la sécurité de la Présidence
a pour mission notamment : - d'assurer
la sécurité du Président de la République ; - d'assurer
la sécurité de sa famille et de ses biens ; - d'assurer
la sécurité de ses hôtes. |
And. 7 - Ny
Foibem-pitondrana ankapobe miandraikitra ny manda miaro ny Fladidiana ny
Repoblika dia misahana indrindra : - ny fiantohana ny fiarovana ny
Filohan'ny Repoblika ; -
ny fiantohana ny fiarovana ny ankohonany sy ny fananany ; -
ny fiantohana ny fiarovana ny vahiny raisiny. |
|
Art. 8 ((D. 97-1279
du 31.10.97) - La Direction
générale de la Sécurité présidentielle comprend : 1° Un Directeur général de la sécurité
présidentielle, assurant la fonction de chef de l’Etat-Major
du Régiment de la Garde Présidentielle, disposant de : - Un secrétariat particulier et Services y
rattachés. 2° Un directeur de la sécurité présidentielle
disposant de : - Un service d’escorte ; - Des aides de camp. 3° Un chef de Corps assurant la fonction de chef d’Etat-Major du Régiment de la Garde Présidentielle,
disposant de : - Un Etat-Major ; - Un service de l’Intendance ; - Un service des matériels techniques ; - Un bataillon de Commandement et des
Services ; - Deux bataillons opérationnels. |
And. 8 (idem) - Ny Foibem-pitondrana ankapobe ny
Manda miaro ny Filoham-pirenena dia ahitana
: 1° Tale jeneraly iray misahana ny
manda miaro ny Filoham-pirenena, miantoka ny asan’ny lehiben’ny
Etamazaoron’ny Rejimantan’ny mpiambina ny Filoham-pirenena, manana ny : -
Sekretaria manokana iray sy Sampan-draharaha miankina aminy. 2°
Tale iray misahana ny manda miaro ny Filoham-pirenena manana ny : -
Sampan-draharahan’ny escorte iray ; -
Ireo aides de camp. 3°
Lehiben’ny Firaisan-draharaha iray miantoka ny asan’ny lehiben’ny Etamazaorn’ny
Rejimantan’ny mpiambina ny Filoham-pirenena manana ny : -
Etamazaoro iray ; -
Sampan-draharahan’ny fikojakojana ny lapa iray ; -
Sampan-draharahan’ny fitaovana teknika iray ; - Bataillon de Commandement et des Services iray ; - Bataillons opérationnels roa. |
|
4° Un directeur des transmissions disposant
de : - Un Service approvisionnement ; - Un Service exploitation ; - Un Service technique. 5° Un directeur des affaires administratives et
financières militaires disposant de : - Un Service du personnel ; - Un Service de la comptabilité ; - Un Service d’appui technique ; - Un Cercle Mess. |
4°
Talen’ny fifandraisana iray manana ny : -
Sampan-draharahan’ny famatsiana iray ; -
Sampan-draharahan’ny fitrandrahana iray ; -
Sampan-draharaha teknika iray. 5°
Tale iray momba ny fitondran-draharaha sy fitantanam-bolan’ny miaramila,
manana ny : -
Sampan-draharahan’ny mpiasa iray ; -
Sampan-draharahan’ny fitanan-kaonty iray ; -
Sampan-draharahan’ny fanohanana teknika iray ; - Cercle Mess iray. |
|
Le directeur de la sécurité présidentielle, le chef
d’Etat-Major du Régiment de la Garde Présidentielle
et le directeur des affaires administratives et financières militaires sont
assistés chacun d’un adjoint. |
Ny talen’ny manda miaro ny
Filoham-pirenena, ny lehiben’ny Etamazaoron’ny Rejimantan’ny mpiambina ny
Filoham-pirenena ary ny talen’ny fitondran-draharaha sy fitantanam-bolan’ny
miaramila dia ampian’ny lefitra iray avy. |
|
Art. 9 (D. 97-612 du 30.04.97) - Le Vice-Premier Ministre
chargé de la Décentralisation et du Budget est ordonnateur des crédits
alloués à la Direction générale de la Sécurité Présidentielle. Le Directeur
des affaires administratives et financières Militaires est gestionnaire de
crédits. La Direction des affaires administratives et financières militaires
dispose d'une régie d'avance égale au quart de la dotation globale du budget
de la Direction. La comptabilité de ces dépenses est arrêtée mensuellement et
les pièces justificatives y afférentes sont transmises à l'ordonnateur pour
vérification. |
And. 9 (idem) - Ny Praiminisitra-Lefitra
miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola no mpanalalana ny
sorabola nomena hampiasain'ny Foibem-pitondrana ankapobe ny Manda miaro ny Filohan'ny
Repoblika. Ny talen'ny fitondran-draharaha ny
fitantanam-bolan'ny miaramila no mpitantana ny sorabola. Ao amin'ny
Foibem-pitondran-draharaha sy fitantanam-bolan'ny miaramila dia misy
fitantanana vatsim-bola mira ny ampahefatry ny tetibola faobe nomena
ampiasain'io Foibem-pitondrana io. Ny fitanana an-kaonty ny fandaniana dia
faranana isam-bolana ary alefa any amin'ny mpanalalana mba hohamarininy ny
taratasim-panamarinana mifandraika amin'izany. |
|
Art. 10 - La Direction générale de la Présidence a pour
missions d'assister la Présidence de la République dans des domaines
particuliers notamment : - les projets de construction et de réhabilitation; - les projets d'investissements ; - la banque de données, son traitement et sa
transmission ; - la logistique. |
And. 10 - Ny
andraikitry ny Foibem-pitondrana ankapobe ny Fiadidiana dia manampy ny
Fiadidiana ny Repoblika amin'antondraharaha manokana, indrindra : -
ny tetikasa momba ny fanorenana sy ny fanarenana ; -
ny tetikasa momba ny fampiasam-bola hamokarana ; -
ny tahirin'antontanisa, ny fikarakarana azv ary ny fampitana azy ; - ny fampitaovana. |
|
Art. 11 - Le Directeur général de la Présidences est
assisté d'un Directeur général adjoint. Art. 12 (D. 97-612
du 30.04.97) - La
Direction générale comprend : - des directions et services y rattachés ; - des chargés de mission ; - une intendance du Palais ; - un service administratif et financier ; - un secrétariat particulier. Art. 13 - La Direction générale dispose d'un budget propre
dont elle assure la gestion. Le Directeur général de la Présidence de la
République reçoit délégation pour signer, au nom de la Présidence de la
République, les actes et correspondances ressortissant de ses attributions. |
-
ireo foibem-pitondrana sy sampan-draharaha miankina aminy ; - chargés de mission ; - fampitaovana ny lapa ; -
sampam-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola; -
sekretaria manokana. Ny
Tale jeneralin'ny Fiadidiana ny Repoblika dia omem-pahefana hanao sonia,
amin'ny anaran'ny Fiadidiana ny Repoblika, ny sora-panekena sy taratasy
ifandefasana manandrify ny andraikiny. |
|
Art. 14 - Des textes réglementaires fixeront, en tant que
de besoin, les missions et structures des différentes Directions et Services
énumérés ci-dessus. Art. 15 - Tous les organismes rattachés à la Présidence de
la République, à l'exception de ceux qui sont cités à l'article premier du
présent décret, relèvent provisoirement de la Primature en attendant leur
affectation définitive qui sera fixée par le Gouvernement. |
And. 14 -
Hisy rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika hametra, raha toa ilaina, ny andraikitra
sy firafitry ny Foibem-pitondrana sy Sampan-draharaha samihafa voatanisa etsy
ambony. And. 15 - Ny
antokon-draharaha rehetra miankina amin'ny Fiadidiana ny Repoblika,
ankoatr’ireo izay voalaza ao amin'ny andininy voalohany amin'ity didim-panjakana
ity, dia ankinina vonjimaika amin'ny Primatiora mandra-piandry ny
famindram-piandraiketana toerana azy ireo tanteraka izay hoferan'ny
Govememanta. |
|
Art. 16 - Toutes dispositions antérieures contraires au présent
décret sont et demeurent abrogées, notamment : - le décret n° 96-086 du 7 février 1996 portant
réorganisation de la Présidence de la République ; - le décret n° 94-206 du 23 mars 1994, modifié par
le décret n° 96-314 du 25 avril 1996, portant création et organisation du
Commissariat général pour l'appui au développement. |
And. 16 -
Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin'izao
didim-panjakana izao, indrindra : - ny didim-panjakana laharana faha
96-086 tamin'ny 7 febrqary 1996 anavaozana ny fandaminana ny Fiadidiana ny
Repoblika ; - ny didim-paniakàna laharana faha
94-206 tamin'ny 23 marsa 1994, novàn'ny didim-panjakana laharana faha 96-314
tamin'ny 25 aprily 1996 ananganana sy andaminana ny Kaomisaria jeneraly ho
fanohanana ny fampandrosoana. |
|
Art. 17 - Le Vice-Premier
Ministre chargé des Finances et de l'Economie, le Vice-Premier
Ministre chargé de la Décentralisation et du Budget, le Ministre de la Fonction
publique, du Travail et des Lois sociales, le Ministre des Forces armées sont
chargés, chacun en ce qui le concerne, de l'exécution du présent décret qui
sera publié au Journal officiel de
la République de Madagascar. Antananarivo, le 2 mars 1997. Didier
RATSIRAKA. |
And. 17 - Ny
Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Fitantanam-bola sy ny Toekarena, ny
Praiminisitra Lefitra miandraikitra ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Tetibola,
ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy, ny Minisitry
ny Foloalindahy no miadidy, araka ny tandrify azy avy ny fanatanterahana izao
didim-panjakana izao izay havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny
Repoblika. Antananarivo, ny 2 marsa 1997. Didier RATSIRAKA. |
|
Par le Président de la République de Madagascar : Le Premier
Ministre, Chef du Gouvernement,
Pascal RAKOTOMAVO. Le Vice-Premier Ministre chargé des Finances et de
l’Economie, Tantely
ANDRIANARIVO. |
Avy amin'ny Filohan'ny Repoblikan'i
Madagasikara: Ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta, Pascal RAKOTOMAVO. Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra ny Fïtantanam-bola
sy ny Toekarena, Tantely ANDRIANARIVO. |
|
Le Vice-Premier Ministre chargé de la Décentralisation et du Budget,
par intérim, Tantely ANDRIANARIVO. Le Ministre des Forces armées Le Général de Brigade Marcel RANJEVA. Le Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales, Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY. |
Ny Praiminisitra Lefitra
miandraikitra ny
Fitsinjarampahefana sy ny Telibola, mpisolo
toerana vonjimaika Tantely ANDRIANARIVO. Ny Minisitry ny Foloalindahy, Ny Général de Brigade Marcel RANJEVA. Ny Minisitry ny Asam-.panjakana
sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy Abel Jean Désiré RATOVONELINJAFY. |
|