//-->

Décrets 360

Décret n° 97-009 du 16 janvier 1997

 

 

Décret n° 97-009 du 16 janvier 1997

portant fixation des indices de traitement des fonctionnaires de la classe exceptionnelle

(J.O. du 03.02.97, p. 333)

 

Didim-panjakana n° 97-009 tamin’ny 16 janoary 1997

amerana ny mari-karaman’ny mpiasam-panjakana ao amin’ny kilasy faratampony

(idem)

Le Premier Ministre. Chef du Gouvernement,

Vu la Constitution,

Vu l’ordonnance n° 93-019 du 30 avril 1993 relatif au statut général des fonctionnaires et les textes subséquents,

Sur le rapport du Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales,

En conseil de Gouvernement,

Décrète :

 

Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-019 tamin’ny 30 aprily 1993 mikasika ny fitsipi-pitondrana ankapobe ny mpiasam-panjakana sy ny rijan-teny taty aoriana,

Araka ny tatitra nataon’ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny lalàna sosialy,

Eo am-pivorian’ny Governemanta,

Dia mamoaka izao didy izao :

Article premier - II st créé au sein de tous les corps de fonctionnaires une classe exceptionnelle à premier et deuxième échelons.

 

 

Art. 2 - A titre transitoire, les indices de traitement afférents aux échelons de la classe exceptionnelle ainsi créée sont fixés ainsi qu’il suit :

Andininy voalohany - Atsangana eo anivon’ny efi-draharahan’ny mpiasam-panjakana rehetra ny kilasy faratampony misy dingana voalohany sy dingana faharoa.

 

And. 2 - Mandritra ny fotoana tetezamita, ny mari-karama mifanandrify amin’ireo dingana ao amin’ny kilasy faratampony vao natsangana dia ferana toy izao manaraka izao :

 

Kilasy sy dingana

Classe et échelon

Sokajy - Catégories

X

IX

VIII

VII

VI

V

IV

III

II

I

Kilasy faratampony

Classe Exceptionnelle

Dingana faharoa

2è échelon

 

 

2620

 

 

2520

 

 

2325

 

 

2225

 

 

1850

 

 

1770

 

 

1600

 

 

1550

 

 

1020

 

 

675

Dingana voalohany

1er échelon

 

2520

 

2325

 

2225

 

1850

 

1770

 

1600

 

1550

 

1020

 

675

 

515

 

Art. 3 - Les fonctionnaires promus en classe exceptionnelle avant la date de publication du présent décret sont respectivement reclassés à titre de régularisation et sans rappel de solde dans cette classe.

a. Au deuxième échelon en ce qui concerne ceux ayant réuni moins de deux ans d’ancienneté de services effectifs dans ladite classe ;

b. Au premier échelon en ce qui concerne ceux ayant réuni moins de deux ans effectifs dans ladite classe.

A cet effet, les intéressés conservent l’ancienneté qu’ils ont acquise dans la classe exceptionnelle.

 

And. 3 - Ny mpiasam-panjakana nasondrotra ho ao amin’ny kilasy faratampony talohan’ny vaninandro amoahana ity didim-panjakana ity dia sokajiana avy ho fanarenan-javatra ary tsy ahazoana fanarenan-karama ao amin’io kilasy io.

a. Ao amin’ny dingana amin’izay mikasika ireo izay nahafeno ahay fahelana roa taona tena niasana tao amin’io kilasy io.

b. Ao amin’ny dingana voalohany amin’izay mikasika ireo izay tsy nahafeno ahay fahelana roa taona tena niasana tao amin’io kilasy io.

Noho izany, ny olona voakasika dia mitana ny fahelana amin’ny asa nananany tao amin’ny kilasy faratampony.

Art. 4 - Toutes dispositions contraires au présent décret sont et demeurent abrogées.

 

Art. 5 - Le Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales, le Ministre des Finances et le Ministre du Budget sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l’exécution du présent décret qui sera enregistré et publié au Journal officiel de la République.

 

Fait à Antananarivo, le 16 janvier 1997

Norbert Lala RATSlRAHONANA.

 

And. 4 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’izao didim-panjakana izao.

 

And. 5 - Ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy, ny Minisitry ny Fitantanam-bola, ary ny Minisitry ny Tetibola, no miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay horaketina am-boky sy havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

Natao tao Antananarivo , ny 16 janoary 1997.

Norbert Lala RATSIRAHONANA.

 

Par le Premier Ministre,

Chef du Gouvernement :

Le Vice-Premier Ministre,

RAZANABAHINY Marojama Jérôme.

 

Le Ministre de /a Fonction publique,

Du Travail et des Lois sociales,

Richard RAPARSON.

 

Avy amin’ny Praiminisitra

Sady Lehiben’ny Governemanta :

Ny Praiminisitra Lefitra,

RAZANABAHINY Marojama Jérôme.

 

Ny Minisitry ny Asam-panjakana

Sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy,

Richard RAPARSON.

 

Le Ministre des Finances,

Mohamady FAHAROUDDINE.

 

Le Ministre du Budget,

Jonhson RANDRIANlAINA.

 

Ny Minisitry ny Fitantanam-bola,

Mohamady FAHAROUDDINE.

 

Ny Minisitry ny Tetibola,

Jonhson RANDRIANIAINA

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement