//-->

Décrets 394

Décret n° 94-317 du 12 mai 1994

Décret n° 94-317 du 12 mai 1994

portant institution de la Direction générale du contrôle des Dépenses engagées et fixant les conditions d'exercice du contrôle de l'engagement des dépenses

(J.O. n° 2249 du 20.06.94, p. 1319)

 

Didim-panjakana n° 94-317 tamin’ny 12 mey 1994

ananganana ny Foibem-pitondrana ankapobe ny fanaraha-maso ny Fandaniam-bola raiketina sy anoritana ny fetra anatontosana ny fanaraha-maso ny fandraiketana fandaniam-bola

(idem)

 

Le Président de la République,

Vu la Constitution,

Vu la loi modifiée n° 63-015 du 15 juillet 1963 portant dispositions générales sur les finances publiques,

Vu le décret n° 68-080 du 13 février 1968 portant règlement général de la comptabilité publique,

Vu le décret n° 93-466 du 26 août 1993 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement, Ministre de la Défense nationale et chargé de la Sécurité publique et du Maintien de l’ordre,

Vu le décret n° 93-468 du 26 août 1993 portant nomination des membres du Gouvernement complété par le décret n° 93-547 du 1er octobre 1993 et modifié par le décret n° 93-629 du 13 octobre 1993,

 

Vu le décret n° 94-093 du 8 février 1994 portant création de la Direction chargée des Dépenses engagées et fixant ses attributions,

 

En conseil des Ministres,

Décrète :

 

Ny Filohan'nyRepoblika,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny lalàna nasiam-panovana laharana faha 63-015 tamin’ny 15 jolay 1963 manoritra ny fepetra ankapobe itantanana ny volam-panjakana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 68-080 tamin’ny 13 febroary 1968 manisy fitsipika ankapobe momba ny fitanana ny kaontim-bolam-panjakana,

Araka ny didim-panjakana Iaharana faha 93-466 tamin’ny 26 aogositra 1993 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta, Minitry ny Fiarovam-pirenena miandraikitra ny Filaminam-bahoaka sy ny Fitandroana ny fandriampahalemana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 93-468 tamin’ny 26 aogositra 1993 manendry ny mambra ao amin’ny Governemanta, nofenoin’ny didim-panjakana laharana faha 93-547 tamin’ny 1 oktobra .1993 ary novan’ny laharana faha-93-629 tamin’ny 13 oktobra 1993,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 94-093 tamin'ny 8 febroary 1994 ananganana foibem-pitondrana miandraikitra ny Fandaniam-bola raiketina sy amerana ny anjara raharahany,

Eo am-pivorian’ny Minisitra,

Dia mamoaka izao didy izao :

 

Article premier - Il est institué auprès du Premier Ministre, chef du Gouvernement une direction générale chargée du contrôle des Dépenses engagées, placée sous la tutelle technique et administrative du Ministre chargé des Finances.

 

Le Directeur général chargé du contrôle des Dépenses engagées est nommé par décret pris en conseil des Ministres.

Art. 2 - La Direction générale chargée du contrôle des dépenses engagées a pour mission d’exercer un contrôle a priori de tout engagement de dépenses de l’Etat.

A cet effet, elle examine toutes les propositions d’engagement de dépenses du point de vue :

- de I'imputation budgétaire de la dépense ;

- de l'existence de la disponibilité des crédits ;

- de I'exactitude ou de la fiabilité des évaluations ;

- de I'application des dispositions d'ordre financier des lois et règlements en vigueur ;

- et d'une manière générale des incidences directes ou indirectes éventuelles que les mesures proposées peuvent avoir sur les finances publiques.

 

Andininy voalohany - Atsangana anivon'ny fiadidian-draharahan'ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govememanta ny foibem-pitondrana ankapobe iray miandraikitra ny fanaraha-maso ny Fandaniam-bola raiketina izay atoetra eo ambany fiahian'ny Minisitra miadidy ny Fitantanam-bola ara-teknika sy amin'ny fitondran-draharaha.

Ny Tale jeneraly manara-maso ny fandaniam-bola raiketina dia tendrena amin'ny alalan'ny didim-panjakana atao eo am-pivorian'ny Minisitra.

 

And. 2 - Ny andraikitra ankinina amin'ny Foibem-pitondrana ankapobe manara-maso ny fandaniam-bola raiketina dia ny fanaovana fanaraha-maso dieny mialoha ny fandraiketana fandaniam-bolam-panjakana.

Amin'izany izy dia mandinika ny tolo-kevitra rehetra momba ny fandraiketam-pandaniana eo amin'ny lafiny :

- sorabola mizaka ny fandaniana ;

- fisian'ny sorabola azo hetsehina ;

- fahamarinan’ny tombantombana atao na fananan-toky aminy ;

- fampiharana ny fepetra ara-pitantanam-bola soritan'ny didy aman-dalàna manan-kery ;

- ary amin'ny ankapobeny ny metyho fiantraikan’ireo fepetra aroso, mivantana na tsia amin'ny fitantanana ny volam-panjakana.

 

Art. 3 - L'exercice du contrôle préalable de I'engagement est matérialisée soit :

- par le visa sur le dossier examiné ;

 

- par la formulation d’observations ou de réserve avant visa ;

- par le refus de visa dans la mesure où la mesure proposée conduit à dépasser les crédits limitatifs ou lorsqu'elle ne résulte pas de I'application des lois et règlements.

Le refus de visa ou l'avis défavorable ne peut résulter que de motifs d'ordre financier tenant à I'application des lois et règlements, à I'exclusion de toute considération d'opportunité ou d'appréciation politique. En cas de désaccord persistant, le contrôleur en réfère au Ministre chargé des Finances, le cas échéant, au Premier Ministre, Chef du Gouvernement.

 

And. 3 - Ny fihatran'ny fanaraha-maso ny fandraiketam-pandaniana dia mivoitra na amin’ny :

- fanamarinam-pizahana eo amin'izay antontan-taratasy voadinika ;

- fanaovana fanamarihana na fanasinganan-draha alohan'ny fanamariham-pizahana ;

- fandavana ny fanamarinam-pizahana raha toa ilay fepetra raisina ka ihoarana ny sorabola voafaritra na raha toa izany tsy avy amin' ny fampiharana ny didy aman-dalàna.

Ny fandavana ny fanamarinam-pizahana na tsy fankasitrahana dia mifototra fotsiny amin'antonantony ara-pitantam-bola vokatry ny fampiharana ny dldy aman-dalana, fa tsy mahakasika izay rehetra fihevitreverana ny tokony ho izy na firehana politika. Raha mitohy maharitra ny fifanjihirana dia mila hevitra amin’ny Minisitra miandraikitra ny Fitantanam-bola ny mpanara-maso, raha ilaina amin'ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta.

 

Art. 4 - La Direction générale chargée du contrôle des dépenses engagées est responsable de la tenue de la comptabilité générale des engagements de l'Etat.

A ce titre, elle élabore les statistiques des engagements des dépenses publiques.

 

Art. 5 - La Direction générale chargée du contrôle des dépenses engagées est autorisée à se faire communiquer toute pièce justificative, toute information de nature à l’aider dans sa mission.

 

Art. 6 - La Direction générale chargée du contrôle des dépenses engagées dispose de services centraux et d’antennes dans les départements ministériels et dans les régions.

L'organisation générale et les attributions de ces services sont fixées par arrêté du Premier Ministre, Chef du Gouvernement.

 

And. 4 - Ny Foibem-pitondrana ankapobe manara-maso ny fandraiketam-pandaniana dia tompon'adidy amin'ny fitanan-kaonty ankapobe ny fandraiketam-pandaniana ataon'ny Fanjakana.

Amin'izany dia izy no mamolavola ny statistikan'ny fandraiketam-pandanian'ny Fanjakana.

 

And. 5 - Omen-dalana ny Foibem-pitondrana ankapobe manara-maso ny fandraiketam-pandaniana hitaky ny fampitana aminy izay rehetra taratasim-panamarinana sy fampahalalan-javatra mety hanampy azy amin’ny fanatontosana ny asa ampanaovina azy.

 

And. 6 - Ao amin'ny Foibem-pitondrana ankapobe manara-maso ny fandraiketam-pandaniana dia misy ny sampan-draharaha ifotony sy masoivoho any amin'ny departemantan’ny minisitera sy isam-parltra.

Ny fandaminana ankapobe sy ny anjara asan'ireny sampan-draharaha ireny dia ferana amin'ny alàlan'ny didim-pitondrana ataon'ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta.

 

Art. 7 - La Direction générale chargée du contrôle des dépenses engagées prend en charge les dossiers de la Direction du Contrôle des Dépenses engagées. Pour ce qui concerne ses attributions, une passation de service sera organisée à cet effet.

 

Art. 8 - En cas de manquement grave dans I'exercice de leurs fonctions, les contrôleurs des Dépenses engagées sont justiciables du Conseil de discipline financière et budgétaire, sans préjudice le cas échéant des actions administratives, disciplinaires et pénales.

 

Art. 9 - Toutes dispositions contraires, notamment celles du décret n° 94-093 du 8 février 1994 sont et demeurent abrogées.

 

And. 7 - Iadidian'ny foibem-pitcindrana ankapobe manara-maso ny fandraiketam-pandaniana ireo antontan-taratasy tao amin'ny Foibem-pitondrana manara-maso ny fandraiketam-pandaniana. Amin’izay mikasika ny anjara asany dia hisy ny fifanoloran-draharaha atao amin'izany.

 

And. 8 - Raha misy hadisoana bevava amin'ny fisahanan’ireo mpanara-maso ny fandraiketam-pandaniana ny asa aman-draharahany dia iatrehany ny Filankevi-pifehezana momba ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, tsy tohinina anefa ny fitanarahana ara- panjakana, ara-pifehezana ary ara-pamaizana.

 

And. 9 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'izao, indrindra ny voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 94-093 tamin'ny 8 febroary 1994.

 

Art. 10 - Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement, le Ministre des Finances et du Budget, le Ministre d'Etat à I'Agriculture et au Développement rural, le Ministre des Affaires étrangères, le Ministre de la Recherche appliquée au Développement, le Ministre de l'Aménagement du territoire, le Ministre de l'Intérieur et de la Décentralisation, le Ministre de la Promotion Industrielle et du Tourisme, le Ministre de l'Energie et des Mines, le Ministre délégué auprès du Premier Ministre, chargé de la Police nationale, le Ministre délégué auprès du Premier Ministre, chargé des Forces armées, le Ministre délégué auprès du Premier Ministre, Garde des Sceaux, chargé des Affaires judiciaires et des Relations avec les Institutions, le Secrétaire d'Etat à l'Enseignement supérieur, le Secrétaire d’Etat à la Population, le Secrétaire d'Etat à la Jeunesse, aux Sports et aux Loisirs, le Secrétaire d'Etat aux Postes et Télécommunications sont chargés de I'exécution du présent décret qui sera enregistré et publié au Journal officie/ de la République.

 

And. 10 - Ny Praiminisitra sady Lehiben'ny Govememanta, ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola, ny Minisi-panjakana amin'ny Fambolena sy ny Fampandrosoana ny ambanivohitra, ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, ny Minisitry ny Fikarohana fampihatra amin'ny Fampandrosoana, ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, ny Minisitry ny Atitany sy ny Fitsinjaram-pahefana, ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny Indostria sy ny Fizahan-tany, ny Minisitry ny Herim-pamokarana sy ny Harena an-kibon'ny tany, ny Minisitra delege ao amin'ny Primatiora miandraikitra ny Polisim-pirena, ny Minisitra delege ao amin'ny Primatiora miandraikitra ny FoIoalindahy, ny Minisitra delege ao amin'ny Primatiora, Mpitahiry ny Kasem-panjakana, miandraikitra ny Raharaham-pitsarana sy ny Fifandraisana amin'ny Andrim-panjakana, ny Sekreteram-panjakana amin'ny Fampianarana ambaratonga ambony, ny Sekreteram-panjakana amin'ny Mponina, ny Sekreteram-panjakana amin'ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ary ny Fialamboly, ny Sekreteram-panjakana amin'ny Paositra sy ny Fifandraisan-davitra no miadidy ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay horaketina am-boky sy havoaka amin'ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

 

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement