//-->

Décrets 398

DECRET N° 93-178 DU 31 MARS 1993

DECRET N°93-178

DU 31 MARS 1993

portant application de l’ordonnance n° 93-009 du 30 mars 1993 modifiant et complétant certaines dispositions de l’ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960 portant réforme de l’organisation judiciaire

(JO n° 2189 du 14.06.93 p.1535).

 

Article premier - Les Cours d’Appel de Fianarantsoa et de Mahajanga sont mises en place en présence du Conseil Supérieur de la magistrature.

 

Art. 2 - Elles commenceront à fonctionner dès l’installation des magistrats et du personnel les composant

 

Art. 3 - Le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice, le Ministre des Finances et le Ministre du Budget et du Plan sont chargés chacun en ce qui le concerne de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel.

 

 

Art. 4 - En raison de l’urgence et conformément aux dispositions de l’ordonnance n°62-014 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions générales de droit interne et de droit international privé, le présent décret entre immédiatement en vigueur dès qu’il aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou affichage, indépendamment de son insertion au Journal officiel de la République.

 

DIDIM-PANJAKANA N°93-178

TAMIN’NY 31 MARSA 1993

fampiharana ny hitsivolana n°93-009 tamin’ny 30 marsa 1993 manova sy mameno ny fepetra sasantsasany voalazan’ny hitsivolana n°60-107 tamin’ny 27 septambra 1960 manavao ny fandaminana ny fitsarana (idem)

 

Andininy voalohany - Sokafana eo anatrehan’ny Filan-kevitra ambony amin’ny mpitsara ireo Fitsarana ambony ao Fianarantsoa sy Mahajanga.

 

And. 2 - Manomboka miasa izy ireo raha vantany vao tafapetraka amin’ny toerany ireo mpitsara sy mpiasa ao aminy.

 

And. 3 - Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana ; ny Minsitry ny Fitantanam-bola ary ny Minisitry ny Tetibola sy ny Tetipivoarana ao miadidy, araka ny tandrify azy avy , ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao, izay havoaka amin’ny Gazetim-panjakana.

 

And. 4 - Noho ny hamehana sy araka ny fepetra voalazan’ny hitsivolana laharana faha-62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapobeny momba ny lalàna eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran’ny isam-batan’olona, dia manan-kery avy hatrany ity didim-panjakana ity, raha vantany vao hampahafantarina ny besinimaro amin’ny alalàn’ny fampielezam-peo sy ny fahitalavitra na peta-drindrina, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakan’ny Répoblika.

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement