//-->

Décrets 407

Décret n° 92-804 du 8 septembre 1992

Décret n° 92-804 du 8 septembre 1992

fixant les attributions du Médiateur, défenseur du peuple, ainsi que l’organisation générale de ses services (J.O. n° 21.12.92, p.2846), modifié par décret n° 93-099 du 24 février 1993 (J.O. n° 08.03.93, p.575)

 

Didim-panjakana n° 92-804

tamin’ny 8 septambra 1992

amerana ny anjara raharahan’ny Mpanelanelana, miaro ny vahoaka ary koa ny fandaminana ankapobe ny Sampan-draharaha ao aminy (idem)

Article premier - Conformément aux dispositions de l’ordonnance n° 92-012 du 29 avril 1992, le Médiateur, assisté de deux Médiateurs adjoints est chargé de recevoir les doléances concernant, dans leurs relations avec les administrés, le fonctionnement de l’Administration publique, des collectivités publiques territoriales, des établissements publics et de tout organisme investi d’une mission de Service public.

 

Andininy voalohany - Araka ny fepetra voalazan’ny hitsivolana laharana faha 92-012 tamin’ny 29 aprily 1992, ny Mpanelanelana, otronin’ireo Mpanelanelana lefitra roa, dia ampiandraiketina ny fandraisana ireo fitarainana sy fitakiana mikasika, amin’ny fifandraisany amin’ireo olom-peheziny, ny fampandehanana ny Fitondran-draharaham-panjakana, ny vondrom-bahoakam-paritra, ny toeram-piasana miankina amin’ny Fanjakana ary ny antokon-draharaha rehetra mitandro ny tombotsoam-bahoaka.

 

Art. 2 (D. 93-099 du 24.02.93) - L’organisation générale des services de la Médiature est fixée comme suit :

1.       Cabinet du Médiateur :

*       Médiateur ;

*       Médiateurs adjoints ;

*       Chargés de mission ;

*       Secrétaire particulier.

2.       Secrétariat général :

*       Service du protocole.

2.1.             Direction administrative et financière :

*       Service administratif et du personnel ;

 

*       Service financier.

2.2. Direction des Etudes et de la Documentation :

- Service de documentation et de collecte de données ;

*       Service des études et des propositions.

 

2.3. Direction de Recommandation et d’Interventions ;

*       Service des affaires législatives et administratives ;

*       Service des affaires juridictionnelles.

 

And. 2 (idem) - Ny fandaminana ankapobe ny sampan-draharaha ao amin’ny Fanelanelanana dia ferana toy izao manaraka izao :

1. Kabinetran’ny Mpanelanelana :

- Mpanelanelana;

- Mpanelanelana lefitra;

- «Chargés de mission»;

- Sekretera manokana.

2. Sekretera jeneraly :

- Sampan-draharahan’ny arofenitra.

2.1. Foibem-pitondran-draharaha sy ny fitantanam-bola :

- Sampam-pitondran-draharaha sy ny mpandraharaha ;

- Sampan-draharahan’ny fitantanam-bola.

2.2. Foibem-pitondrana ny Fanadihadiana sy Firaketana :

- Sampan-draharahan’ny Firaketana sy ny fanangonana ny antontan’isa;

- Sampan-draharahan’ny fanadihadiana sy ny tolo-kevitra.

2.3. Foibem-pitondrana ny Toromarika sy ny Firotsahana an-tsehatra :

- Sampan-draharahan’ny momba ny lalàna sy ny fitondran-draharaha;

- Sampan-draharaha miadidy ny momba ny fitsarana.

 

Art. 3 - Le secrétaire général, les directeurs, les chargés de mission, les chefs de Services centraux et les chefs de Délégations régionales ayant rang de chefs de Services centraux, le secrétaire particulier du Médiateur, le chef de secrétariat du Secrétaire général de la Médiature sont assimilés, du point de vue de la solde, des accessoires et avantages, à ceux de la Primature.

 

Art. 4 - Les missions et les structures des services de la Médiature seront fixées par arrêté de Monsieur Le Médiateur.

 

Art. 5 - Le Garde de Sceaux, Ministre de la Justice, le Ministre des Finances, le Ministre du Budget et du Plan, le Ministre de la Fonction publique sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

And. 3 - Ny Sekretera Jeneraly, ny Tale, ny mpiandraiki-draharaha, ny Lehiben’ny Sampan-draharaha amin’ny Lehiben’ny Sampan-draharaha aty ifotony, ny sekretera manokanan’ny Mpanelanelana, ny Lehiben’ny Sekretaria ao amin’ny Sekretera jeneralin’ny Mpanelanelana dia ampitoviana amin’ireo ao amin’ny Primatiora, momba ny karama sy ny kojakoja ary ny tombotsoa aminy.

 

 

And. 4 - Ny asa sy ny firafitry ny Sampan-draharaha ao amin’ny Fanelanelanana dia hoferan’ny didim-pitondrana ataon’Andriamatoa Mpanelanelana.

 

And. 5 - Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana sady Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fitantanam-bola, ny Minisitry ny Tetibola sy ny Tetipivoarana, ny Minisitry ny Asam-panjakana no miadidy, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakan izao izay havoaka amin’ny Gazetim-panjakanan’ny Repoblika.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement