//-->

Décrets 424

Décret n° 76-132 du 31 mars 1976

Décret n° 76-132 du 31 mars 1976

portant réglementation des hauts emplois

de l'Etat

(J.O. n° 1129 du 05.06.76, p. 1333)

 

Didim-panjakana n° 76-132

tamin’ny 31 marsa 1976

anoritana ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony

(idem)

Le Président de la République Démocratique de Madagascar, Chef de l'Etat,

Vu la Constitution,

Vu le décret modifié n° 60-237 du 29 juillet 1960 portant classement hiérarchique des cadres de fonctionnaires et des emplois civils de l'Etat,

Ny Filohan'ny Repoblika Demokratika Malagasv, sady Filoham-panjakana,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny didim-panjakana nasiam-panovàna laharana faha 60-237 tamin'ny 29 jolay 1960 andaharana araka ny ambaratongam-piamboniana ny efi-draharaha misy ny mpiasam-panjakana sy ny mpiasa sivily amin'ny Fanjakana,

Vu le décret modifié n° 60-238 du 29 juillet 1960 fixant les hiérarchies, indices et groupes des cadres de fonctionnaires et des emplois civils de l'Etat,

 

Vu le décret n° 60-240 du 29 juillet 1960 fixant la valeur du point d'indice de solde des fonctionnaires des cadres de l'Etat et les traitements hors échelle,

 

Vu le décret n° 73-066 du 20 mars 1973 fixant les principes d'attribution des logements administratifs,

En conseil des Ministres,

Décrète :

 

Araka ny didim-panjakana novàna laharana faha 60-238 tamin'ny 29 jolay 1960 amerana ny ambaratonga, ny mari-karama ary ny antokon'ny efi-draharaham-panjakana sy ny mpiasa sivily amin'ny Fanjakana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 60-240 tamin'ny 29 jolay 1960 amerana ny lanjan'ny isa iray amin'ny mari-karaman'ny mpandraharaha amin'ny efi-draharaham-panjakana sy ny karama ivelan'ny antoana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 73-066 tamin'ny 20 marsa 1973 andraiketana ny fomba anomezana tranom-panjakana.

Eo am-pivorian’ny Minisitra,

Dia mamoaka izao didy izao :

 

Article premier - L'Administration publique est organisée au niveau des départements ministériels selon la structure définie par les dispositions du présent décret.

L'ensemble des rouages administratifs qui constituent un ministère est placé sous l'autorité hiérarchique d’un Secrétaire général qui dirige, anime et coordonne les directions générales ou les directions du ministère.

 

 

Les Secrétaires généraux, les Directeurs généraux et les directeurs de ministère relèvent de l'autorité du Ministre. Ils sont nommés par décret en conseil des Ministres.

 

Andininy voalohany - Alamina araka ny rafitra soritan’ny fepetra voalazan’izao didim-panjakana izao ny Fitondran-draharaham-panjakana eo amin'ny ambaratongan'nv minisitera.

Nv fitambaran'ny sampam-pitondran-draharaha ao amin’ny minisitera dia apetraka amin'ny lafin’ny ambaratongam-pahefana, eo ambany fahefan’ny Sekretera jeneraly iray izay mitarika, manentana ary mampifandrindra ireo foibem-pitondrana amin’ny ankapobeny na ireo foibem-pitondrana ao amin'ny minisitera.

Eo ambany fahefan’ny Minisitra ny Sekretera jeneraly, ny Direktera jenera]y ary ny tale ao amin’ny minisitera. Didim-panjakana atao eo amin’ny fivorian’ny Minisitra no anendrena azy ireny.

 

Art. 2 - Constitue une Direction générale un organe investi à la fois du pouvoir de coordination et de l’autorité hiérarchique sur deux ou plusieurs directions d’un même ministère.

 

And. 2 - Mirafitra ho Foibem-pitondrana amin’ny ankapobeny ny rantsa-mangaika iray izay sady manana fahefana eo amin’ny fampifandrindrana no manam-pahefana amin’ny foibem-pitondrana roa na maro ao amin’ny minisitera misy azy, eo amin'ny lafin'ny ambaratongam-pahefana.

 

Art. 3 - Constitue une Direction un organe chargé de l'exécution d'une fonction administrative et ayant à la fois pouvoir de coordination et autorité hiérarchique sur plusieurs services et divisions d'un même ministère.

 

 

Toutefois, dans les ministères comportant un service unique, l'appellation de Direction pourra, en tant que de besoin, être donnée à ce service unique.

 

And. 3 - Mirafitra ho Foibem-pitondrana ny rantsa- mangaika iray izay miadidy ny fanatanterahana asa momba ny fitondran-draharaha ary manana fahefana eo amin'ny fampifandrindrana no sady manam-pahefana amin'ny sampan-draharaha sy lafin-draharaha maro ao amin'ny minisitera misy azy, eo amin'ny lafin’ny ambaratongam-pahefana.

Any amin'ny minisitera tsy misy afa-tsy sampan-draharaha tokana anefa, ny anarana hoe Foibem-pitondrana dia azo omena io sampan-draharaha tokana io raha i]aina.

 

Art. 4 - Constitue un service un organe chargé d’une fonction administrative réunissant des tâches de conception et de gestion et ayant compétence sur l'ensemble du Territoire national ou sur l'étendue d'une province.

 

 

Art. 5 - Constitue une Division un organe chargé d’une fonction administrative d’une nature analogue à celle du Service mais d’importance limitée ou dont la compétence territoriale ne dépasse pas l’étendue d’une préfecture.

 

And. 4 - Mirafitra ho Sampan-draharaha ny rantsa- mangaika iray izay ampiandraiketina asa momba ny fitondran-draharaham-panjakana ka voafoaka ao anatin’lzany ny fisahanana ny fandinihan-draharaha sv ny fitantanana asa, ary manenika ny Tanim-pirenena na ny farltany ny anjara-raharaha sahaniny.

 

And. 5 - Mirafitra ho Lafin-draharaha ny rantsa-mangaika iray izay ampiandraiketina asa momba ny fitondran-draharaham-panjakana mjtovitovy amin'ny an’ny Sampan-draharaha ihany nefa voafetra na tsy mihoatra ny faritry ny fileovana iray ny anjara raharaha sahaniny.

 

Art. 6 - Constitue un Bureau un organe chargé exclusivement soit d'études, soit de tâches de gestion d'importance ou d'étendue limitées

 

 

 

Art. 7 - Un ministère peut avoir sous sa tutelle administrative un ou plusieurs Ecoles nationales ou Etablissements de formation professionnelle. Les directeurs d'Ecoles nationales supérieures ou d'Etablissements de formation de fonctionnaires de catégorie A sont nommés par décret en conseil des Ministres.

 

And. 6 - Mirafitra ho Birao ny rantsa-mangaika iray izay ampiandraiketina ny fanaovana fandinihana fotsiny ihany na asa momba ny fitantanan-draharaha voafetra eo amin'ny lanjany na eo amin'ny faritra iompanany.

 

And. 7 - Mety hisy Sekolim-pirenena na Sampam-panofanana ara-draharaha iray na maro apetraka eo ambany fiahian'ny minisitera iray. Didim-panjakana atao ao amin'ny fivorian'ny Minisitra no anendrena ny talen'ny Sekolim-pirenena ambaratonga ambony sy ny Sampam-panofanana mpiasam-panjakana sokajy “A”.

 

Art. 8 - Le tableau I annexé au présent décret fixe les indices fonctionnels, les indemnités et avantages en nature attachés aux hauts emplois de l'Etat.

 

 

Art. 9 - Le tableau annexe Il fixe les indices fonctionnels dont certains emplois sont dotés ainsi que le montant des indemnités et avantages en nature attachés à ces emplois.

 

And. 8 - Ny tabilao I atovana izao didim-panjakana izao no mametra ny mari-karama omena, araka ny raharaha atao, ny tambim-bola ary ny tombontsoa tsy aloa lelavola mifandraika amin'ny asam-panjakana ambara tonga ambony.

 

And. 9 - Ny tabilao tovana II no mametra ny mari-karama araka ny raharaha atao omena amin'ny asa sasantsasany ary koa ny habetsaky ny tambim-bola sy ny tombontsoa tsy aloa lelavola mjfandraika amin'ireny asa ireny.

 

Art. 10 - En cas d'absence supérieure à quarante cinq jours pour cause de congé ou de maladie, les fonctionnaires et agents titulaires des emplois des tableaux I et II ne peuvent plus prétendre à l'indemnité de représentation. Cette indemnité est supprimée quels que soient le motif et la durée de I’absence dès qu'un intérimaire est désigné. Dans ce cas, il est alloué à ce dernier une indemnité d'intérim d'un montant égal à celui de l'indemnité de représentation dont bénéficiait le titulaire.

 

And. 10 - Raha misy tsy fahatongavana mihoatra ny dimy amby efapolo andro noho ny fakana andro fialan-tsasatra na noho ny tsy fahasalamana dia tsy mahazo miandrandra hahazo saram-pisoloan-tena intsony ny mpiasam-panjakana sy ny mpandraharaha mitana ny asa voalazan'ny tabilao I sy Il. Foanana io tambim-bola io, na inona na inona antony tsy ahatongavana ary na toy inona faharetan'ny tsy fahatongavana, raha vao misy mpisolo toerana tendrena. Amin'izay dia omena saram-pisoloan-toerana ity farany ity ka atao mitovy amin'ny saram-pisoloan-tena nomena ny tompon-toerana ny habetsany.

 

Art. 11 - Les indemnités prévues aux tableaux I et Il annexés au présent décret ne sont pas cumulables. Au cas où un fonctionnaire ou agent est nommé à deux ou plusieurs emplois prévus dans ces tableaux, seuls les indemnités et avantages en nature attachés à l'emploi le plus avantagé sont servis à l'intéressé.

 

Art. 12 - Sont abrogées les dispositions du décret n° 75-087 du 17 juillet 1975 portant réglementation des hauts emplois de l'Etat.

 

And. 11 - Tsy azo atambatra ireo tambim-bola voalazan'ny tabilao I sy Il atovana izao didim-panjakana jzao. Raha misy mpiasam-panjakana na. mpandraharaha tendrena hisahana asa roa na maro amin'ireo voalazan'ireo tabilao ireo, ny hany tambim-bola sy tombontsoa omena azy dia izay mifandraika amin'ny asa ahazoany izany be indrjndra.

 

And. 12 - Foanana ny fepetra voalazan'ny didim-panjakana laharana faha 75-087 tamin'ny 17 jolay 1975 anaovana ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony.

 

Art. 13 - Les titulaires des hauts emplois créés après la parution du décret n° 75-087 du 17 juillet 1975 susvisé bénéficient des avantages prévus aux annexes I et Il du présent décret à compter de la date de prise de service.

 

And. 13 - Ireo mitana asa ambaratonga ambony naorina taorian'ny namoahana ny didim-panjakana laharana faha 75-087 tamin'ny 17 jolay 1975 tondroina etsy ambony dia mahazo ny tombontsoa voalaza ao amin'ny tovona I sy Il amin'izao didim-panjakana izao manomboka amin'ny vaninandro nandraisany ny raharaha.

 

Art. 14 - Le Ministre chargé des Finances et le Ministre chargé de la Fonction publique sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l'exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

Fait à Antananarivo, le 31 mars 1976.

Didier RATSIRAKA.

 

And. 14 - Ny Minisitra miandraikitra ny Fitantanam- bola sy ny Minisitra miandraikitra ny Asam-panjakana no miadidy, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana izao didim-panjakana izao izay havoaka amin'ny Gazetim- panjakan’ny Repoblika.

 

Natao teto Antananarivo, ny 31 marsa 1976.

Didier RATSIRAKA.

 

Par le Président de la République:

Le Premier Ministre,

Colonel Joël RAKOTOMALALA.

 

Le Ministre des Finances et du Plan,

RAKOTOVAO-RAZAKABOANA.

 

Le Ministre de la Fonction publique,

du Travail et des Lois sociales

Pierre-Marius RANDRANTO.

 

Amin'ny Filohan'ny Repoblika :

Ny Praiminisitra,

Colonel Joël RAKOTOMALALA.

 

Ny Minisitry ny Fitantanam-bola

sy ny Teti-pivoarana,

RAKOTOV AO-RAZAKABOANA.

 

Ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa

ary ny Lalàna sosialy,

Pierre-Marius RANDRANTO

 

 

 

 

ANNEXES I, II et III

[Telles qu’elles résultent du décret modifié n° 93-842 du 16 novembre 1993 ci-après]

 

Décret n° 93-842 du 16 novembre 1993

portant modification des tableaux I et II annexés au décret n° 76-132 du 31 mars 1976 portant réglementation des hauts emplois de l’Etat (J.O. n° 2219 du 13.12.93, p. 2681), modifié ou complété par décret n° 94-772 du 6 décembre 1994 (J.O. n° 2280 du 02. 01.95, p. 12), décret n° 95-069 du 24 janvier 1995 (J.O. n° 2288 du 20.02.95, p. 628) et par décret n° 97-972 du 7 juillet 1997 (J.O. n° 2453 du 15.09.97, p. 1912)

 

Didim-panjakana n° 93-842

tamin’ny 16 novambra 1993

anovana ny tabilao I sy II mitovana amin’ny didim-panjakana laharana faha 76-132 tamin’ny 31 marsa 1976 manisy fitsipika momba ny asam-panjakana ambaratonga ambony

(idem)

Le Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu la Constitution,

Vu l’ordonnance n° 93-027 du 13 mai 1993 relative à la réglementation des hauts emplois de l’Etat,

Vu le décret n° 76-132 du 31 mars 1976 modifié par les décrets n° 85-207 du 1er juillet 1985, n° 92-243 du 19 février 1992, n° 92-452 du 15 avril 1992 et n° 92-1035 du 9 décembre 1992, concernant les hauts emplois de l’Etat,

 

 

Vu le décret n° 93-466 du 26 août 1993 portant nomination du Premier Ministre, Chef du Gouvernement,

Vu le décret n° 93-468 du 26 août 1993 portant nomination des membres du Gouvernement,

 

En conseil de Gouvernement,

Décrète :

 

Ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny hitsivolana laharana faha 93-027 tamin’ny 13 mey 1993 mikasika ny fitsipika mifehy ny asam-panjakana ambaratonga ambony,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 76-132 tamin’ny 31 marsa 1976 novan’ny didim-panjakana laharana faha 85-207 tamin’ny 1 jolay 1985, faha 92-243 tamin’ny 19 febroary 1992, faha 92-452 tamin’ny 15 aprily 1992 ary faha 92-1035 tamin’ny 9 desambra 1992 mikasika ny asam-panjakana ambaratonga ambony,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 93-466 tamin’ny 26 aogositra 1993 manendry ny Praiminisitra sady Lehiben’ny Governemanta,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 93-468 tamin’ny 26 aogositra 1993 manendry ny mambra ao amin’ny Governemanta,

Eo am-pivorian’ny Governemanta,

Dia mamoaka izao didy izao :

Article premier - Les tableaux I et II annexés au décret n° 76-132 du 31 mars 1976 susvisé sont modifiés conformément aux tableaux nouveaux I et II annexés au présent décret.

(D. 97-972 du 07.07.97) Il est créé un tableau III annexé au présent décret relatif aux indemnités de logement et de transport attribuées aux enseignants et chercheurs de l’Enseignement supérieur.

Andininy voalohany - Ovana hifanaraka amin’ny tabilao vaovao I sy II atovana izao didim-panjakana izao ny tabilao I sy II mitovana amin’ny didim-panjakana laharana faha 76-132 tamin’ny 31 marsa 1976.

(idem) Foronina ny tabilao III atovana izao didim-panjakana izao mikasika ireo tamby solon-kofantrano sy fitaterana omena ny mpampianatra sy mpikaroka ao amin’ny Fampianarana ambaratonga ambony.

Art. 2 - Les dispositions des décrets n° 95-207 du 1er juillet 1985, n° 92-243 du 19 février 1992, n° 92-452 du 15 avril 1992 et n° 92-1035 du 9 décembre 1992 concernant les hauts emplois de l’Etat sont et demeurent abrogées.

 

 

And. 2 - Foanana ary dia foana ny fepetra voalazan’ny didim-panjakana laharana faha 85-207 tamin’ny 1 jolay 1985, faha 92-243 tamin’ny 19 febroary 1992, faha 92-452 tamin’ny 15 aprily 1992 ary faha 92-1035 tamin’ny 9 desambra 1992 mikasika ny asam-panjakana ambaratonga ambony.

Art. 3 - Le Ministre des Finances et du Budget et le Ministre de la Fonction publique, du Travail et des Lois sociales sont chargés, chacun en ce qui le concerne, de l’exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

Fait à Antananarivo, le 16 novembre 1993

Francisque RAVONY.

And. 3 - Ny Minisitry ny Fitantanam-bola sy ny Tetibola sy ny Minisitry ny Asam-panjakana sy ny Asa ary ny Lalàna sosialy no miandraikitra, araka ny tandrify azy avy, ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity izay havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

 

Natao tao Antananarivo, ny 16 novambra 1993

Francisque RAVONY.

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement