//-->

Décrets 425

II

II.8. DECRET N° 74-282

du 13 septembre 1974

portant protection des gisements de célestite (J.O. n° 1010 du 21.9.74, p. 2901)

 

Article premier. – La sub- stance dite « célestite » est classée substance minérale d’intérêt national en application de l’article 12 de l‘ordonnance n° 62-103 du 1er octobre 1962.

 

Art. 2. – La recherche et l’exploitation de cette substance sont exclusivement réservées à l’Etat qui peut les effectuer, soit directement, soit par tout autre mode dans les conditions déterminées par un cahier des charges fixé par arrêté du Ministre de l’Economie et des Finances.

 

Art. 3. – Le commerce et l’exportation de cette substance font l’objet de contrôle par les services compétents.

 

 

Art. 4. – En cas de découverte dans des gisements exploités pour d’autres substances, la célestite sera remise à la République Malagasy (Direction des mines et de l’énergie), ainsi qu’il est stipulé à l’article 85 de l’ordonnance n° 62-103 du 1er octobre 1962 portant loi minière.

 

Art. 5. – Les sociétés et les particuliers qui détiennent des célestites destinées au commerce devront faire une déclaration de stocks au Service des Mines et se conformer aux dispositions du présent décret, dans un délai de trente jours à partir de la date de sa promulgation.

 

Art. 6. – Le Ministre de l’Economie et des Finances est chargé de l‘exécution du présent décret qui sera publié au Journal officiel de la République.

 

II.8. DIDIM-PANJAKANA N° 74-282

tamin’ny 13 septambra 1974

mametra ny fitandroana ny akoram-bato « célestite » (Idem)

 

Andininy voalohany. – Ho fampiharana ny andininy faha-12 ao amin’ny hitsivolana laharana faha-62-103 tamin’ny 1 oktobra 1961, ny akoram-bato atao hoe : « célestite » dia halahatra ho akora mineraly hitandroana ny tombon-tsoam-pirenena.

 

And. 2. – Ny fikarohana sy ny fitrandrahana izany akoram-bato izany dia atokana ho an’ny Fanja-kana irery ihany ka izy no hisahana ny fanaovana izany mivantana na amin’izay fomba hafa manaraka ny fepetra voatondron’ny bokin’ andraikitra momba izany ka hoso-ritan’ny didim-pitondrana hataon’ny Minisitry ny Toe-karena sy Fitan-tanam-bola.

 

And. 3. – Ny fivarotana sy ny fanondranana io akoram-bato io dia ny sampan-draharaha manam-pahefana amin’izany no hisahana ny fanaraha-maso azy.

 

And. 4. – Raha sendra ahitana célestite amin’ireny tanim-bato trandrahina ahazoana akoram-bato hafa ireny dia tsy maintsy hatolotra ny Repoblika Malagasy izany Célestite izany (Foibem-pitondrana ny harena ao an-kibon’ny tany sy ny hery) araka ny voalazan’ny andininy faha-85-n’ny hitsivolana laharana faha-62-103 tamin’ny 1 oktobra 1962 manao ny lalàna momba ny Harena ao an-kibon’ny tany.

 

And. 5. – Tsy maintsy manao filazana momba ny akoram-bato voaangony amin’ny sampan- draharahan’ny harena ao an-kibon’ny tany izay sosaiety sy izay olona mitana célestite hatao varotra ary tsy maintsy manaraka ny fepetra voalazan’ity didim-panjakana ity ka telopolo andro no fetra, manom-boka amin’izay vani-nandro hamoa-hana azy hanan-kery.

 

And. 6. – Ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola no miandraikitra ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity, izay havoaka amin’ny Gazetim-panja-kan’ny Repoblika.

 

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement