//-->

Décrets 430

II

II.7. DECRET N° 73-080

du 30 mars 1973

portant réglementation de la destruction des substances explosives et détonantes

(J.O. n°908 du 5.5.73, p. 1114)

 

Article premier. – Dans le cas où la destruction de substances explosives et détonantes est rendue obligatoire par des dispositions législatives ou réglementaires en vigueur, celle-ci est effectuée dans les conditions ci-après.

 

Art. 2. – La destruction des substances explosives et détonantes est ordonnée par arrêté du Ministre chargé des Mines, sur proposition du Chef du Service des Mines sauf dans le cas prévu à l’article 6 ci-dessous ;

 

 

Cet arrêté doit préciser :

*      les nom, prénoms, profession, domicile du propriétaire ou détenteur ;

*      le lieu de stockage des ex- plosifs à détruire ;

*      les motifs de la destruction ;

*      les mesures de sécurité à prendre.

Il est notifié au propriétaire ou détenteur de ces substances, au Chef de Province, au Préfet, au Sous-Préfet intéressés, aux autorités militaires supérieures et au Commandant de la Brigade de Gendarmerie territorialement compétente.

Le propriétaire ou détenteur des substances explosives et détonantes à détruire dispose d’un délai de 20 jours, à partir de la notification de l’arrêté, pour effectuer les opérations prescrites.

 

 

Art. 3. – Les opérations de destruction doivent être effectuées par un spécialiste ou un organisme spécialisé en la matière avec les soins nécessaires.

Il appartient au propriétaire ou détenteur de solliciter l’office de ces spécialistes.

 

Un compte-rendu détaillé de destruction est adressé au Ministère chargé des Mines dès que les opérations sont terminées.

 

Art. 4. – La destruction doit être faite en dehors des agglomérations urbaines et à une distance minimale D en mètre donnée par la formule ci-après des maisons d’habitation, voie de communication, lignes de transport d’energie et du stock :

 

 

P

D = 50

E

P étant la quantité d’explosifs à détruire en une seule fois et E le coefficient d’équivalence défini dans l’article 3 du décret réglementant la conservation des substances explosives et détonantes.

 

 

 

Art. 5. – Si le propriétaire ou le détenteur refuse de détruire les substances explosives et détonantes dans le délai qui est fixé, il est passé outre et l’administration effectue elle-même les opérations de destruction.

 

Dans ce cas, le propriétaire ou le détenteur est passible des sanctions et peines prévues par la législation en vigueur et il est tenu de payer le montant total des frais occasionnés par les opérations.

Pour la destruction d’une quantité importante de substances explosives et détonantes, le Ministre chargé des Mines peut demander le concours des Forces Armées.

 

Art. 6. – En cas de danger imminent provenant des sub- stances explosives et détonantes, constaté par un agent du Service des Mines ou un artificier de l’armée, le Sous-Préfet peut autoriser ces derniers à en effectuer la destruction immédiate.

Dans le même cas constaté par un propriétaire, le Sous-Préfet peut autoriser ce dernier à faire procéder à la destruction des substances explosives et détonantes en cause, par un spécialiste.

Le Sous-Préfet rend compte de ces opérations au Ministre chargé des Mines par l’intermédiaire du Chef de Province.

 

Art. 7. – La destruction sur place peut être ordonnée s’il s’agit d’explosifs des classes I, I bis ou II franchement altérés dont le trans-port serait périlleux.

Toutefois, les mesures de sécurités réglementaires doivent être prises avant et au cours des opérations de destruction.

 

Art. 8. – Le choix du mode de destruction des différents types de substances explosives et détonantes est laissé à la compétence du spécialiste ou de l’organisme spécialisé en la matière qui doit se conformer aux dispositions des textes en vigueur.

Il est toutefois strictement interdit de procéder à la destruction des explosifs autres que les poudres noires par immersion en eau douce.

 

Art. 9. – Le Ministre de l’Economie et des Finances, le Ministre de l’Intérieur, le Ministre de la Défense Nationale et des Forces Armées, le Ministre de la Justice, sont chargés chacun en ce qui le concerne de l’exécution du présent arrêté qui sera publié au Journal officiel de la République

 

II.7. DIDIM-PANJAKANA N° 73-080

tamin’ny 30 martsa 1973

mametra ny fitsipika momba ny fanapotehana ny zava-mipoaka sy mitefoka (Idem)

 

Andininy voalohany. – Rahefa asain’ny didy aman-dalàna velona hanjary ho tsy maintsy potehina ny zava-mipoaka sy mite- foka, dia arak’izao fepetra mana- raka izao no hanaovana azy.

 

 

 

And. 2. – Didim-pitondrana avoakan’ny Minisitra miadidy ny Harena ao an-kibon’ny tany, araka ny tolo-kevitry ny lehiben’ny sampan-draharahan’ny Harena an-kibon’ny tany, no anomezana baiko hanapotehana ny zava-mipoaka na mitefoka, afa-tsy amin’ny toe-javatra voalazan’ny andininy faha-6 eto ambany.

Tsy maintsy tondroina amin’ izany didim-pitondrana izany :

*      ny anarana, ny fanampin’ anarana, ny asa atao, fonenan’ ny tompony na izay mitahiry ny zava-mipoaka sy mitefoka ;

*      ny toerana itobian’ny zava-mipoaka tsy maintsy ho pote-hina ;

*      ny antony hanapotehana azy ;

*      ny fepetra ampiasaina isoro- hana ny loza .

Ary izany dia ampahafantarina ny tompony na ny mpitahiry ny zava-mipoaka na mitefoka, ny filoham-paritany, ny lehiben’ny fi-leovana sy ny vakim-pileovana voakasik’izany, ny manam-pahe- fana ambony amin’ny tafika, ary ny komandin’ny brigade de la gendar-merie tompon’andraikitra eo an-toerana.

Manana fotoana roapolo andro manomboka amin’ny nampahafan-tarana ny didim-pitondrana ny tompony na ilay mitahiry ny zava-mipoaka tsy maintsy hopotehina mba hanatanterahany ny zavatra andidiana azy.

 

And. 3. – Olona mpiangaly azy na sampan-draharaha havanana amin’izany no manao ny fana-potehan-javatra araka izay fitan-dremana ilaina.

Anjaran’ny tompony na ny mpitahiry ny zava-mipoaka sy mitefoka ny mangataka ireo manam-pahaizana ireo hanao ny asany.

Andefasana filazana an-tsoratra momba ny antsipirihany rehetra tamin’ny fanapotehana ny Minisitra miadidy ny Harena an-kibon’ny tany raha vao vita ny raharaha.

 

And. 4. – Any ivelan’ny tanàn-dehibe no tsy maintsy anaovana ny fanapotehana ary ny elanelany akaiky indrindra amin’ny trano fonenana, ny làlan’ny olona, ny tariby mitarika herim-baratra ary ny toera-panobiana, dia tondroina amin’ny litera D metatra araka izao baikon-teny manaraka izao :

 

P

D = 50

E

Ny P dia manondro ny habe-tsahan’ny zava-mipoaka hatao indray manapotika ary ny E dia manondro lanjan’isa fampitahana arak’izay voalazan’ny andininy faha-3 amin’ny didim-panjakana mametra ny fitsipika momba ny fitehirizana ny zava-mipoaka sy mitefoka.

 

And. 5. – Raha mandà tsy hanatanteraka ny fanapotehana ny zava-mipoaka na mitefoka ao anatin’ny fotoana nomena azy ny tompony na ny mpitahiry azy dia dikaina amin’izao izany fa ny Fanjakana mihitsy ny manao ny fanapotehana.

Amin’izany dia fampiharana amin’ny tompony na ny mpitahiry ny famaizana sy ny sazy voa- tondron’ny lalàna velona ary tsy maintsy onerany koa izay lany noho izany raharaha izany.

Raha betsaka ny zava-mipoaka na mitefoka ho potehina dia azon’ny Minisitra miadidy ny Harena an-kibon’ ny tany angata-hana fanampiana ny Foloalindahy.

 

And. 6. – Raha sendra misy loza mananontanona avy amin’ny zava-mipoaka na mitefoka tsika- ritry ny ao amin’ny sampan-draha-rahan’ny Harena an-kibon’ny tany na ny mpanao afomanga ao amin’ ny tafika dia azon’ny lehiben’ny vakim-pileovana omen-dalàna izy ireo hanao ny fanapotehana eo no ho eo ihany.

Toy izao koa, raha ny tompony no mahatsikaritra ny loza dia azon’ ny lehiben’ny vakim-pileovana omen-dàlana izy haka manam-pahaizana hanapotika izany zava-mipoaka na mitefoka izany.

Dia manao filazana momba izany amin’ny Minisitra miadidy ny Harena an-kibon’ny tany ny lehi-ben’ny vakim-pileovana amin’ny alalan’ny Filoham-paritany.

 

 

And. 7. – Azo didiana ho potehina eo an-toerana eo ihany raha zava-mipoaka anisan’ny antoko I, I bis na III efa tena simba mihitsy ka mety hampidi-doza ny hitaterana azy.

Kanefa dia tsy maintsy atao ny fitandremana ara-dàlana, alohan’ ny hanapotehana na eo am-panao-vana izany.

 

And. 8. – Ny fifidianana izay fomba hanapotehana ny zava-mipoaka na mitefoka isan-kara- zany avy dia avela ho andraikitry ny mpiangaly azy, na ny sampan-draharaha havanana amin’ izany, ka tsy maintsy arahina ny fepetra voalazan’ny rijan-teny manan-kery.

Kanefa dia raràna mafy mihitsy ny manapotika zava-mipoaka amin’ny fanatsobohana azy any anaty ranomamy, afa-tsy ny vanja mainty ihany.

 

And. 9. – Ny Minisitry ny Toe-karena sy ny Fitantanam-bola ny Minisitry ny Atitany, ny Minisitry ny Fitsarana, ny Minisitry ny Fiarovan-pirenena sy ny Foloalindahy no miandraikitra samy amin’ny tan-drify azy avy, ny fanatanterahana ity didim-panjakana ity, izay ha-voaka amin’ny Gazetim-panjakan’ ny Repoblika.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement