//-->

Lois 02

VERSION DU 08 NOVEMBRE 07

LALANA FEHIZORO LAHARANA FAHA-2007-039 ny 14 Janoary 2008

Mikasika ny filankevitra ambony momba ny Mpitsara

(J.O. n° 3173 du 14/03/2008)

 

 

Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no nandany tamin’ny fivoriana nataony avy ny 18 desambra 2007 sy tamin’ny 20 desambra 2007;

 

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA,

 

 

Araka ny Lalāmpanorenana,

Araka ny fanapahana laharana faha-04-HCC / D3 tamin’ny 9 janoary 2008; nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana;

 

No mamoaka hampanan-kery ny lalana izay toy izao ny andinindininy:

 

Andininy voalohany - Araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-103 ao amin'ny Lalāmpanorenana, ny Filohan'ny Repoblika no miantoka ny fahaleovantenan'ny Fitsarana. Amin'izany dia manampy azy ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara izay izy no Filohany.

Noho io andraikitra io, ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no mitandro manokana ny fahaleovantenan'ny Fitsarana.

Ferana amin'ny alālan' izao lalana fehizoro izao ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara raharahan'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

 

LOHATENY VOALOHANY

IREO OLONA AO AMINY SY FOMBA FIASA

 

And. 2 - Ny ho anisan'ny ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia toy izao manaraka izao :

 

  1. Ny Filohan'ny Repoblika, Filoha ;
  2. Ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, filoha-lefitra ;
  3. Ny Filoha voalohany sy ny Tonia Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana tampony ;
  4. Mpitsara iray avy ao amin'ny Fitsarana tampony misolo tena ireo rantsam-pitsarana telo misy ao aminy ka voafidy teo amin’ny fivoriambe ;
  5. Mpitsara fito voafidy ka ny dimy voafidy avy tamin’ny fari-piadidian’ireo fitsarāna ambony, ny iray voafidy avy amin’ireo fitsarana misahana ny ady amin’ny Fanjakana ary ny iray voafidy avy amin’ireo fitsarana misahana ny fitantanam-bolam-panjakana.

Ireo mpitsara miasa ao amin’ny Fitondran-draharaha foibe sy ireo nahazo alalana hiasa any ivelan’ny fitsarana na alalana tsy ho eo amperin’asa dia afaka mifidy na milatsaka ho fidina amin’ireo vondrona mpitsara ao amin’ny fari-piadidian’ireo fitsarana ambony.

Ny mpitsara dia azo fidina ao amin’ny vondrona izay ahafahany mifidy.

  1. Mpampianatra roa avy amin’ny Oniversite voatendrin’ny fivorian’ny Filohan’ny Oniversite eto Madagasikara ;
  2. Olona iray ivelan’ny fitsarāna nosafidiana tamin’ny vondron’ny fiarahamonim-pirenena misy eto Madagasikara ary avy amin’ireo kandidā natolotr’ireo fikambanana mpikambana ;

 

And. 3 – Ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia tsy maintsy tsara fitondran-tena ary tsy mbola nisazy.

Ny mpihavana sy ny fianakaviana hatramin’ny ambaratonga faha telo ao anatiny ary ny vady dia tsy afaka ho samy mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

 

And. 4 - Ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra dia voafidy sy voatendry hiasa mandritra ny telo taona. Ny fe-potoana iasan'izy ireo dia tsy azo havaozina avy hatrany. Raha toa ka mitranga ny fahabangan-toerana alohan'ny vaninandro ara-dalāna ahataperan'ny fe-potoana iasana, dia atao ny fanoloana azy ao anatin'ny fe-potoana telo volana, ampitoviana amin'ny fomba izay voatondro ho amin'ny fanendrena. Ny mpisolo toerana no mamita ny fe-potoana niasan'ny olona teo alohany.

Na izany aza anefa, dia tsy atao ny fanoloana raha toa mitranga ao anatin'ny telo volana farany alohan'ny vaninandro ahataperan'ny fe-potoana iasana ny fahabangan-toerana.

 

And. 5 – Ny fifidianana ireo mpikambana mpitsara dia atao amin’ny alalan’ny latsa-bato indray mihodina ifidianana olon-tokana ka izay mahazo vato be indrindra no lany.

Didim-pitondrana ataon’ny Ministry ny Fitsarāna no mamaritra ny fombafomba arahina amin’ny latsa-bato.

 

And. 6 – Ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia mandray tambiny noho ny asany ary raha ilaina dia omena tambiny koa izy ireo mba hiantohana ny saran'ny fampiantranoana sy saran-dalana mandritra ny fotoam-pivoriana ka ny tetiny dia hoferana amin'ny alālan'ny didim- panjakana raisina eo amin'ny filankevitry ny Govememanta.

 

And. 7 – Mandritra ny fotoana iasany, ny mpikambana ao amin’ny Filankevitra momba ny mpitsara dia tsy mahazo manao ny asan’ny mpisolovava, na mpiraki-teny sy mpiraki-tsoratra na miaramila am-perin’asa na fanaovana asan’olom-boafidy eo anivon’ny fanjakana.

Ny Filankevitra momba ny mpitsara no mampitsahatra amin’ny asany ny mpikambana ao aminy izay iharan’io tsy fahafaha-miasa io.

Torak’izany ihany koa raha misy fanambarāna na fitrangan-javatra mifanohitra amin’izay takiana amin’ny fitondran-tenany. Ny fanapahan-kevitra dia raisina raha mahatratra ny roa ampahatelon’ny mpikambana ireo mankato izany. Ny mpikambana voakasik’izany dia tsy mandray anjara amin’ny latsa-bato.

 

And. 8 – Ireo mpitsara mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia tsy mahazo fisondrotana na famindran-toerana mandritra ny fe-potoana iasany.

 

And. 9 – Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia mivory isaky ny roa volana raha kely indrindra. Tsy afaka mivory ara-dalāna izy raha tsy tonga manatrika eo ny roa ampahatelony ahay amin’ireo mpikambana voaantso ara-dalāna.

Raha tsy tratra io isa io, dia miantso fivoriana faharoa ao anatin’ny 15 andro raha ela indrindra ny Filoha na ny Filoha lefitra . Amin’io fivoriana faharoa io, ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia afaka mivory na firy na firy ny isan’ny mpikambana tonga manatrika eo.

 

And. 10 – Ny Filankevitra dia manapa-kevitra amin’ny ankamaroan’ny mpikambana tonga manatrika ny fivoriana. Raha mitovy ny isam-bato dia izay iandanian’ny filoha mitarika ny fivoriana no mavesa-danja.

 

And. 11 – Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia manana fandraraharana maharitra tarihina Sekretera jeneraly voafidin’ny Filankevitra amin’ireo mpitsara efa niasa nandritra ny 10 taona raha kely indrindra.

Ny fandraraharana maharitra dia omena mpiasa sy fitaovana ilaina ahafahany manampy ny Filankevitra ambony ny mpitsara amin’ny fitantanana ny fizotran’ny asan’ny mpitsara.

Ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana tsirairay, nakatoavin’ny mpikambana rehetra tonga manatrika ny fivoriana, dia soniavin’ny filoha mitarika ny fivoriana sy ny sekretera jeneraly ; ity farany ity no miandraikitra ny fitahirizana izany.

 

And. 12 – Ny teti-bolan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia avahana manokana ao anatin’ny tetibolan’ny Fiadidiana ny Repoblika.

 

And. 13 – Ireo mpikambana ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia tsy maintsy fehezin’ny tsiambaratelon’ny asa aman-draharaha.

Ankoatr’ireo tranga izay ny lalāna mihitsy no manome alalana mba hanao fanambarāna, ny mpikambana rehetra ao amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara sy ny fandraraharana maharitra izay mamoaka manontolo na amin’ny ampahany ireo tsiambaratelo mikasika ny fizotran’ny asana mpitsara iray dia ho saziana iray volana hatramin’ny enim-bolana an-tranomaizina sy mandoa lamandy 100 000 Ariary hatramin’ny 900 000 Ariary.

 

And. 14 – Ny Filankevitra no manao ny fitsipika anatiny ao aminy ary mametra ny fandaminana sy ny andraikitry ny fandraraharana maharitra.

 

LOHATENY II

ANJARA RAHARAHA

 

And. 15 – Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no mitandro ny fanajāna ireo fepetra voalazan’ny sata mifehy ny mpitsara.

 

And. 16 – Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no miantoka ny fitantanana ny fizotran’ny asan’ny mpitsara.

Noho izany dia izy no manapa-kevitra mikasika indrindra ny fanendrena, ny fisondrotana ary ny famindran-toeran’ny mpitsara.

Ireo famindran-toerana dia tapahana arakaraka ny fangatahana natazon’izy ireo ankoatran’ny filāna noho ny asa. Izany dia raisin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara amin’ny alalan’ny fanapahan-kevitra nasiana antony.

Ny fanendrena ireto mpitsara manaraka ireto dia mandika ireo fepetra voalazan’ireo andalana teo aloha ary manaraka ireto fitsipika ireto :

Ny Filoha Voalohany sy ny Tonia Mpampanoa Voalohany ao amin’ny Fitsarana Tampony dia tendrena amin’ny alalān’ny didim-panjakana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Ministra araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Fitsarāna rehefa avy nakana ny hevitry ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

Ny Filohan’ny Fitsarana Fandravana sy ny Tonia Mpampanoa Voalohany ao amin’io Fitsarāna avo io,ny Filohan’ny Filankevi-panjakana sy ny Kaomisera jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana dia tendrena amin’ny alalān’ny didim-panjakana raisina eo amin’ny Filankevitry ny Ministra araka ny tolo-kevitry ny Ministry ny Fitsarāna rehefa avy nakāna ny hevitry ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara, indrindra avy amin’ireo mpitsara efa miasa ao amin’ny Fitsarana tampony ka tranainy indrindra ao aminy laharany farany ambony amin’ny antokom-pitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny tsirairay, ny ady amin’ny fanjakana na momba ny fitantanam-bolam-panjakana voakasik’izany.

Ireo mpitsara voantendry hisahana andraikitra ambony amin’ny Fanjakana dia tendrena amin’ny alalan’ny didim-pitondran’ny Ministry ny Fitsarana.

Ireo mpitsara manao asa ivelan’ny fitsarana dia mahazo alalana aorian’ny hevitry ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

Ireo fanapahan-kevitra sy volavolam-panendrena nataon’ny Filan-kevitra ambony momba ny mpitsara dia mamatotra ny manam-pahefana tompon’andraikitra amin’ny fanendrena.

Ny Filankevitra no manapaka ny amin’ireo fangatahana hiditra mivantana ao amin’ny firaisan-draharahan’ny mpitsara ary koa ny amin’ny fandraiketana amin’ny asa ireo mpitsara mizā-draharaha ary ireo izay apetraka hiatrika fe-potoana fisedrana.

 

And. 17 - Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no manapa-kevitra mikasika ny fitazonana amperin’asa noho ny antony araka asa ny mpitsara laharana volohany mahatratra 60 taona araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha 82 amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2005-005 tamin’ny 22 martsa 2006 mikasika ny lalāna fehizoro momba ny sata mifehy ny mpitsara.

Arakaraka ny fangatahan’ilay mpitsara, dia azon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara atao ny manova ny fanapahan-keviny ka mampihena ny fe-potoana hitazonana hiasa.

 

And. 18 – Ny Filankevitra no manao ny tabilaom-pisondrotan’ireo mpitsara araka ny fepetra voalaza ao amin’ny sata mifehy ny mpitsara.

 

And. 19 - Ny Filankevitra no mitsara ireo fanoherana ataon’ireo mpitsara mikasika ny naotiny sy ny fangatahana fanoratana mivantana amin’ny tabilaom-pisondrotana, araka ireo fepetra voalaza amin’ny sata mifehy ny mpitsara.

 

And. 20 – Ny Filankevitra no miantoka ny fampiharana tsara ny fehezan-dalāna momba ny fitondran-tenan’ny mpitsara sy ireo fitsipika momba ny fitondran-tena mikasika ny asan’ny mpitsara.

Manome ny heviny izy mikasika ny fanovāna io fehezan-dalāna momba ny fitondran-tenan’ny mpitsara io sy ireo fitsipika momba izany.

 

And. 21 – Amin’ny ankapobeny, ny Filankevitra dia afaka manome ny heviny ary mamoaka izany ampahibemaso na milaza amin’ireo manam-pahefana izay safidiny, isaky ny mihevitra izy fa voatohintohina na tsy voahaja ny fahaleovan-tenan’ny fitsarāna na ireo mpitsara.

 

And. 22 - Ny Filan-kevitra no mandray, mandinika ary manome tohiny ireo fitarainana ataon’ny mpitsara amin’ireo fitsabahana amin’ny asa atao aminy izay mety hanohintohina ny fahaleovantenan’ny fitsarāna.

Azon’ny Filankevitra atao ny manapa-kevitra hamoaka ampahibemaso ny tohiny nomena ny fitairainana.

 

And. 23 - Ny Filankevitra dia manome ny heviny mikasika ny tolo-kevitra hanomezana fankasitrahana noho ny asa manokana nataona mpitsara iray tamin’ny Firenena.

 

And. 24 – Ny Filankevitra dia hakana hevitra mikasika ireo fepetra rehetra araka ny lalāna na ara-pitsipika momba ny fitsarāna sy ny mpitsara.

Azony atao ihany koa ny manomana avy hatrany tolo-kevitra sy toro-marika izay heveriny ilaina amin’ny fanamafisana ny fahaleovan-tenan’ny mpitsara.

 

And. 25 – Ny Filankevitra no manam-pahefana amin’ny fifehezana ny mpitsara rehetra amin’ny alalan’ny Filan-kevi-pifehezana.

 

And. 26 – Ny Ministry ny Fitsarana no miantso ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

Na izany aza, dia afaka mandidy ny hisian’ny famotorana ny Filankevitra eo anatrehan’ny fitoriana napetraka tao amin’ny fandraraharana maharitra.

 

And. 27 – Ny Filohan’ny Filankevitra fifehezana ny mpitsara na ny Filoha lefitra no manendry mpapaka-teny ao anatin’ny mpikambana ka farafaha-keliny laharana mitovy amin’ilay mpitsara enjehina. Omeny andraikitra izy, raha ilaina izany, hiroso amin’ny famotorana.

 

And. 28 – Manana zo amin’ny fahazoa-mandinika ny antontan-taratasin’ady, ny singan-taratasy rehetra momba ny famotorana ary ny tatitra nataon’ny mpampaka-teny ilay mpitsara. Manana zo amin’ny fahazoa-mandinika ireny koa ny mpiaro azy.

Ilay mpitsara dia tsy maintsy maharay ireo antontan-taratasy ireo farafaha-keliny 15 andro alohan’ny hiatrehany ny Filankevitra fifehezana.

 

And. 29 – Amin’ny andro voatondron’ny fiantsoana ary aorian’ny famakiana ny tatitra dia asaina manome ny fanazavany sy ny fiarovan-tenany ilay mpitsara noho ny toe-draharaha iampangana azy.

 

And. 30 – Tsy maintsy miseho vatana ilay mpitsara enjehina. Azony atao ny maka mpisolo vava iray na maromaro voasoratra ao amin’ny holafitra na ny iray amin’ireo mpitsara namany sy/na ny iray amin’ny mpikambana ao amin’ny Sendikā mba hanotrona azy. Raha misy tsy fahasalamany na tsy fahafahany, hita fa marim-pototra, dia azony atao ny mangataka iray amin’ireo mpitsara namany na mpisolovava iray ao amin’ny holafitra na iray amin’ireo mpikambana ao amin’ny Sendikā hisolo tena azy.

Ankoatry ny toe-javatra tsy azo anoharana, ka tsy miseho ilay mpitsara na dia nahazo fiantsoana ara-dalāna aza, dia afaka manapa-kevitra ny Filankevitra.

 

And. 31 – Atolotry ny mpampaka-teny ambava ny tatitra nataony ary izany dia tsy tokony ahitana taratra ny heviny mikasika ny fitombonan’ny fanenjehana na tsia.

Solon-tena iray ny Ministry ny Fitsarāna, tsy mpikambana amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no manao ny fanenjehana. Henoina ny takiny.

Henoina koa ny mpiaro. Ary ilay mpitsara enjehina no manana ny teny farany.

 

And. 32 - Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara amin’ny maha Filankevi-pifehezana azy dia tsy afaka mamoaka didy ara-dalāna raha tsy eo imason’ny roa ampahatelon’ny mpikambana ao aminy.

Raha toa tsy tratra io fetr’isa io, miantso fivoriana faharoa anatin’ny fe-potoana dimy ambin’ny folo andro ny Filoha farafaha elany. Mandritra io fivoriana faharoa io, mamoaka didy ny Filankevitra na firy na firy ny isan’ny mpikambana tonga nanatrika.

 

And. 33 – Ny Filakevitra dia mitsara tsy ampahibemaso.

Ny fanapahan-kevitry ny Filan-kevitra dia tsy maintsy asiana antony ary raisina amin’ny alalan’ny antsasa manilan’ny vaton’ny mpikambana ao aminy. Ny latsa-bato dia atao amin’ny alalan’ny biletā miafina raha izany no tinapaky ny roa ampahatelon’ny mpikambana tonga manatrika farafaha keliny.

Avoaka ampahibemaso ny fanapahan-kevitra.

Ny taratasy manambara ny fanapahan-kevitra noraisin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia ampahafantarin’ny sekretera jeneraly an’ilay mpitsara voakasika izany ao anatin’ny iray volana.

 

And. 34 – Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia mifidy mpitsara roa nantsoina hiasa eo anivon’ny Fitsarāna Avo momba ny Lalam-panorenana.

 

LOHATENY III

FEPETRA FAMPIRINDRANA

 

And. 35 – Ireo fepetra voalazan’ireo andininy faha 10, 13, 15 andalana faha 3, 18 andalana faha 2, 42, 44, 45 andalana faha 1, 46, 47, 48, 49 andalana faha 2, 63 al.3, 67, 77 andalana faha 1 amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2005-005 tamin’ny 22 martsa 2006 mikasika ny lalana fehizoro momba ny sata mifehy ny mpitsara dia ovāna toy izao :

 

And. 10 : “Ny fanaovana ny asan’ny mpitsara dia tsy azo ampirafesina amin’izay mety ho anton-draharaha anatin’antoko na vondrona politika, amin’ny fanaovana asan’olom-boafidy eo anivon’ny fanjakana na izay rehetra mety asa aman-draharaha hafa andraisan-karama.

Na izany aza, azon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara atao ny mandany fanapahan-kevitra ka manome alālana ny mpitsara tsirairay hanao raharaha na asa izay tsy hanohintohina ny haja maha-mpitsara azy sy ny fahaleovantenany. Ny fangatahana alālana toy izany dia anomezan’ireo lehiben’ny Fitsarana Tampony na Fitsarana ambony ny heviny, raha ny mikasika ny mpitsara eo ambany fahefany.

Azon’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara omen-dālana toy izany koa ireo lehiben’ny Fitsarana Tampony na Fitsarana ambony. “

 

And. 13 – “Ny mpitsara izay manam-bady olona te-hisahana na efa misahana raharaham-barotra, dia tsy afaka manomboka na manohy ny asany, raha tsy mahazo alālana avy amin’ny Filankevitra ambony momba ny Fitsarana, ka izany fanomezana alālana izany, dia miankina amin’ny fandaminam-pananan’ny mpivady, ary ny karazana sy ny toerana anaovana ny varotra.”

 

And. 15 al 3 : “Raha misy rohim-pihavanana toy izany nitranga taorian’ny fanendrena dia tsy mahazo manohy ny asany ilay nahatonga izany raha tsy mahazo alālana avy amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.”

 

And. 18 al 2 : “Izay andinindininy vaovao anaty didy amam-pitsipika manery azy ireo handray anjara amin’ireo asan’ny antokon-draharaha na Vaomiera manokana ivelan’ny Fitsarana dia tsy maintsy aroso hosoniavin’ny Ministry ny Fitsarana rehefa avy nakana ny hevitry ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.”

 

And. 42 – “Ny fahefana manome isa dia an’ireo filohan’ny Fitsarana tampony na ambony izay miahy avy hatrany ilay fitsarana.

Alefa any amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara alohan’ny voalohan’ny volana jolay ny taratasy mirakitra ny isa.”

 

And. 44 “Ny fanolorana ny anaran’ireo mpitsara miasa eny amin’ny Fitsarana hosoratana amin’ny tabilaom-pisondrotana dia asehon’ny Lehiben’ ny Fitsarana Tampony sy Fitsarana ambony ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara, alohan’ny voalohan’ny volana jolay isan-taona. Alahatra araka ny fahamendrehana ny anaran’ny mpitsara.

Ny fanolorana mikasika ny mpitsara miasa eny amin’ny Foibem-pitondran-draharaha ary koa ireo mpitsara miasa any amin’ny Minisitera hafa dia ataon’ny Ministry ny Fitsarāna ary alefany any amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.”

 

And. 45 al 1 - “Ny fanolorana naseho dia atolotra hodinihin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara izay mametra ny lisitry ny mpitsara rehetra natolotra.”

 

And. 46 - “Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no manao lisitra iray misy ny anaran’ireo mpitsara milahatra arak’abidia, arak’ireo manam-pahefana sy ara-tsampana ( Fitsarana misahana ny ady ifanaovan’ny tsirairay, ady amin’ny Fanjakana sy fitantanam-bolam-panjakana ), io lisitra io dia azon’ny rehetra jerena manomboka ny voalohan’ny volana aogositra ka hatramin’ny 30 Septambra, eny amin’ny fandraharahan’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara sy ny fitsarana rehetra.

Andefasana dika mitovy amin’io lisitra io, ho fampahafantarana, ny mpitsara tsirairay avy.”

 

And. 47 – “Alohan’ny voalohan’ny volana oktobra, mba tsy ho maty paik’andro, ny mpitsara tsy natolotra, dia afaka mandefa fangatahana, ampadalovina ny ambaratongam-pahefana, any amin’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara mba hanorātana azy amin’ny tabilaom-pisondrotana.

Izany fangatahana izany dia ampitain’ny manampahefana tokony hanao ny famotorana miaraka amin’ny heviny asiana antonantony.”

 

And. 48 – “Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara no manapaka ny fanoratana amin’ny tabilaom-pisondrotana”

 

And. 49 al 2 - “Io tabilao io dia ahitāna ny anaran’ireo mpitsara neken’ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Tsinjaraina ho sokajy araky ny laharana nanolorana azy ireo mpitsara voasoratra anarana ao amin’io tabilao io.”

 

And 63 al.3 Io fampitāna antontan-taratasin’ ady io dia atao farafaha-keliny dimy ambinifolo (15) andro alohan’ny hiatrehana ilay mpitsara ny Filankevitra fifehezana. “

 

And. 67 – “Ny fanapahan-kevitra dia ampahafantarin’ny sekretera jeneraly ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara an’ilay mpitsara voakasik’izany. Mana-kery amin’ny andro ampahafantarana azy io fanapahan-kevitra io.

 

And. 77 al 1 – “Ny fandehanana ho eo amin’ny toeran’ny asa atao ivelan’ny Fitsarana na ny fahazoana alalāna tsy ho eo am-perin’asa dia tononina amin’ny alalān’ny didim-pitondrana raisin’ny Minisitry ny fitsarana rehefa avy nakana ny hevitry ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.”

 

And. 36 – Foana ny andininy faha 8 andalana voalohany sy faha 28, 50, 66 sy 87 ao amin’ny didy hitsivolana laharana faha 2005-005 tamin’ny 22 martsa 2006 mikasika ny lalana fehizoro momba ny sata mifehy ny mpitsara.

 

 

LOHATENY IV

FEPETRA TETEZAMITA

 

And. 37 – Mandra-pijoroan’ny Filan-kevitra ambony momba ny mpitsara araka ny olona tokony ho ao anatiny izay voalazan’ity lalana fehizoro ity, dia mijanona manan-kery ireo fepetra teo aloha.

 

 

LOHATENY V

FEPETRA FARANY

 

 

And. 38 - Foanana ary dia foana :

Ø       ny didy hitsivolana laharana faha 2001-005 tamin’ny 18 novambra 2001 mikasika ny lalāna fehizoro momba ny sata mifehy ny mpitsara ;

Ø       ny lalāna fehizoro laharana faha 2004-055 tamin’ny 14 febroary 2005 mikasika ny fandaminana, ny fomba fiasa sy ny anjara asan’ny Filankevi-pirenena momba ny Fitsarana;

Ø       ny didim-panjakana laharana faha 2006-819 tamin’ny 30 oktobra 2006 entina hanamafisana ny fanendrena ny mpikambana ao amin’ny Filankevi-pirenena momba ny Fitsarana.

 

And. 39 – Hisy didim-panjakana ho raisina mba ho fanatanterahana izao lalāna fehizoro izao raha toa misy ilāna izany.

 

And. 40 - Havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao lalāna fehizoro izao.

Hotanterahina izany fa lalāna fehizoro eto amin’ny Fanjakana.

 

 

Avoaka hanan-kery ao Antananarivo, ny 14 Janoary 2008

 

Marc RAVALOMANANA

 

 

 

 

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement