//-->

Lois 145

Loi n° 2001-030 du 28 décembre 2001

Loi n° 2001-030 du 28 décembre 2001

modifiant l’article 3 de l’ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960 portant réforme de l'organisation judiciaire

(J.O. du 03.01.2002, p. 62)

Lalàna n° 2001-030 tamin’ny 28 desambra 2001

anovana ny andininy faha-3 amin’ny hitsivolana laharana faha 60-107 tamin’ny 27 septambra 1960 anavaozana ny fandaminana ny fitsarana

(idem)

 

L'Assemblée nationale et le Sénat ont adopté en leurs séances respectives en date du 22 novembre 2001 et du 6 décembre 2001,

 

Le Président de la République,

Vu la Constitution,

Vu la décision n° 22-HCC/D3 du 28 décembre 2001 de la Haute Cour Constitutionnelle,

 

Promulgue la loi dont la teneur suit :

 

 

Ny Antenimierampirenena sy ny Antenimierandoholona no nandany tamin'ny fivoriana nataony avy ny 22 novambra 2001 sy ny 6 desambra 2001,

Ny Filohan'ny RepobIika,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny fanapahana laharana faha 22-HCC/D3 tamin'ny 28 desambra 2001 nataon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

No mamoaka hampanan-kery ny lalàna izay toy izao ny andinindininy :

 

Article premier - Les dispositions de l'article 3 de l'ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960 portant réforme de l'organisation judiciaire sont modifiées ainsi qu'il suit :

 

Andininy voalohany - Ovàna toy izao manaraka izao ny fepetra voalazan’ny andininy faha-3 amin'ny hitsivolana laharana faha 60-107 tamin'ny 27 septambra 1960 anavaozana ny fandaminana ny fitsarana :

 

« Art. 3 (nouveau) - Les sièges des Cours d'appel sont fixés aux chefs lieux des Provinces autonomes d'Antananarivo, de Fianarantsoa, de Mahajanga, de Toamasina, d'Antsiranana et de Toliara.

Le ressort de chaque Cour d'appel s'étend aux limites territoriales de la Province autonome concernée. »

 

« And. 3. (vaovao) -Ny toerana misy ny Fitsarana ambony dia ferana ho ao amin'ny Renivohi-paritany mizaka tena ao Antananarivo, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, Antsiranana ary Toliara.

 

Ny fari-piadidian'ny Fitsarana ambony tsirairay avy dia hitarina hatrany amin'ny fara-fetry ny tanim-pirenena any amin'ny Faritany mizaka tena voakasika. »

Art. 2 - Les nouvelles Cours d'appel commenceront à fonctionner dès l'installation des magistrats et du personnel qui les composent. Leurs différentes chambres seront mises en place progressivement par arrêté du Garde des Sceaux, Ministre de la Justice.

 

And. 2 - Ny Fitsarana ambony vaovao dia hanomboka hiasa raha vantany vao tafapetraka amin’ny toerany ny mpitsara sy ny mpandraharaha ao anatiny. Ny rantsana samihafa ao anatiny dia hapetraka miandalana amin’ny aIàlan'ny didim-pitondrana ataon'ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

Art. 3 - A titre transitoire et jusqu'à l'intervention des arrêtés prévus par l’article 2 ci-dessus, les dispositions de l'article 3 de l‘ordonnance n° 93-009 du 30 mars 1993 demeurent applicables à l’égard des Provinces non encore pourvues de Cour d'appel.

And. 3 - Ho fepetra tetezamita sy mandra-pidiran'ny didim-pitondrana voalaza eo amin’ny andininy faha-2 etsy ambony an-tsehatra dia mbola mijanona ho fampihatra ihany ny fepetra voalazan'ny andininy faha-3 amin'ny hitsivolana laharana faha 93-009 tamin’ny 30 marsa 1993 any amin'ny Faritany tsy mbola manana Fitsarana ambony.

 

Art. 4 - La présente loi sera publiée au Journal officiel de la République.

Elle sera exécutée comme loi de l'Etat.

And. 4 - Ity lalàna ity dia havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika.

Hotanterahina izany fa lalàm-panjakana.

 

Promulguée à Antananarivo, le 28 décembre 2001.

Didier RATSIRAKA.

Avoaka hanan-kery ao Antananarivo, ny 28 desambra 2001.

Didier RATSIRAKA.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement