//-->

Lois 148

JUDICIAIRE

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana - Fandrosoana

PRESIDENCE DE LA REPUBLIQUE

  LOI  N°  2001-025 relative au tribunal administratif et au tribunal financier

modifié par la loi  n° 2004-021 du 19 août 2004
(J.O. n°2926 du 06.09.04, p.3131)

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana- Fandrosoana

FIADIDIANA NY REPOBLIKA

LALANA LAHARANA FAHA 2001-025 tamin’ny 09 Aprily 2003 momba ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana sy ny Fitsarana momba ny Fitantanam-bola

idem

L'Assemblée nationale et le Sénat ont adopté en leur séance respectivement en date du 31 octobre 2001 et du 21 décembre 2001, la loi dont la teneur suit :  

LE PRESIDENT DE LA REPUBLIQUE

              Vu la Constitution ;

        Vu la Décision n004-HCC/D.3 du 03 avril 2003

  Promulgue la loi dont la teneur suit :

 

Ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona dia nandany tamin’ny fivoriana nataony avy ny 31 Oktobra 2001 sy ny 21Desambra 2001, ny lalàna izay toy izao manaraka izao ny votoatiny :

NY FILOHAN’NY REPOBLIKA  

Hita ny lalàm-panorenana ;

Hita ny fanapahana laharana faha 04-HCC/D.3 tamin’y 3 Aprily 2003 ;

  Dia mamoaka ny lalàna izay toy izao ny votoatiny :

 

Article premier. - Il est créé au chef-lieu de chaque Province Autonome, un Tribunal administratif et un Tribunal financier dont la compétence territoriale s'étend sur tout le territoire de ladite province.

  Ces juridictions relèvent respectivement de l'ordre administratif et de l'ordre financier.

  La présente loi fixe les règles relatives à l'organisation, au fonctionnement et aux attributions des tribunaux administratifs et des tribunaux financiers ainsi que celles relatives à la procédure applicable devant elles.

 

Andininy voalohany. - Naorina ao amin’ny Renivohi-paritanin’ny Faritany Mizaka tena tsirairay avy, ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana sy ny Fitsarana momba ny Fitantanam-bola ka ny fahefana ara-paritra dia misandrahaka manerana ny faritr’ ilay Faritany.

Ireo antokom-pitsarana ireo dia miankina tsirairay avy amin’ny rantsana momba ny ady amin’ny Fanjakana sy ny rantsana momba ny Fitantanam-bola.

Ity lalàna ity dia mametra ny fitsipika, ny fandaminana, ny fampandehanana, ary ny andraikitry ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana sy ny Fitsarana momba ny Fitantanam-bola ary ireo mifandraika amin’ny paik’ady ampiharina eo aminy.

 

TITRE PREMIER

LES TRIBUNAUX ADMINISTRATIFS

CHAPITRE I

De l'organisation et du fonctionnement

Art. 2 . - Le Tribunal administratif comprend :

  1° au siège : un président et des conseillers ;

 

  2° au commissariat administratif : un commissaire administratif et un ou plusieurs substituts ;

  3° un greffe.

 

LOHATENY VOALOHANY

NY FITSARANA  MOMBA NY ADY ATAO AMIN’NY FANJAKANA

TOKO I

Ny fandaminana sy ny fizotran-draharaha.

And 2. - Ny Fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana dia ahitana :

1° ao amin’ny fitsarana mpamoaka didy : Filoha iray sy mpanolotsaina maromaro ;

2° eo amin’y fampanoavana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana : mpampanoa misahana ny ady atao amin’ny fanjakana iray sy solompampanoa iray na maromaro.

3° - Ny firaketan-draharaha.

 

Art.3. - Le Président et le Commissaire administratif d'un Tribunal administratif sont nommés parmi les magistrats de l'ordre administratif du deuxième grade ou à défaut du troisième grade.

 

And.3. - Ny filoha sy ny mpampanoa misahana ny ady atao amin’ny fanjakana eo anivon’ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana dia tendrena avy amin’ireo mpitsara laharana faharoa na, raha tsy misy dia laharana fahatelo amin’ny rantsana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana.

 

Art. 4. - Les conseillers et substituts d'un Tribunal administratif sont nommés parmi les magistrats de l'ordre administratif du troisième grade et, à défaut, du quatrième grade.

 

And.4. - Ny mpanolon-tsaina sy ny solompampanoa ao amin’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’y fanjakana dia tendrena avy amin’ireo mpitsara laharana fahatelo, na raha tsy misy, dia laharana fahaefatra amin’ny ambaratongan’ny fandraharaham-panjakana.

 

Art. 5. - Le Président du Tribunal administratif préside les audiences solennelles et ordinaires de sa juridiction.

  Il en est le Chef de l'administration.

 

And. 5. - Ny filohan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana no mitarika ny fotoam-pitsarana manetriketrika sy ny fotoam-pitsarana tsotra ao amin’ny antokom-pitsarana iadidiany.

Izy ihany koa no lehiben’ny fitondrana.

 

Art. 6. - Le Commissaire administratif dirige le commissariat administratif du tribunal.

Dans ses fonctions juridictionnelles, il a pour mission d'exposer au Tribunal administratif les questions que présente à juger chaque recours contentieux et de faire connaître, en formulant ses conclusions, son appréciation qui doit être impartiale, sur les circonstances de fait, de l'espèce et sur les règles de droit applicables, ainsi que son opinion sur les solutions qu'appelle, suivant sa conscience, le litige soumis à la juridiction.  

Il rend compte annuellement de son activité au Commissaire Général de la Loi près le Conseil d'Etat.

 

And.6. - Ny mpampanoa eo amin’ny ady amin’ny Fanjakana no mitarika ny fampanoavana eo amin’ny ady amin’ny Fanjakana.

Eo amin’ny asany ara-pitsarana, dia nirahina izy hanazava amin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana ny lafin-kevitra aroso hotsaraina isaky ny fitarainana misy, sy hampahafantatra, amin’ny alalan’ny fehinteniny, ny fandanjalanjany izay tsy miandany na amin’ny atsy na ny aroa, ny toe-draharaha araka ny zava-misy sy ny fitsipi-dalàna ampiharina ary ny heviny mikasika ny famahana ny olana aroso amin’ny fitsarana, araka ny feon’ny fieritreretany.

 

 

Manao tatitra isan-taona momba ny asany any amin’ny Mpampanoa Lalàna Jeneraly ao amin’ny Filan-kevi-panjakana izy.

 

Art.7. - En formation de jugement, le Tribunal administratif statue avec la participation du président et de deux conseillers.

Toutefois, en matière de référé, les jugements peuvent être rendus par le président statuant seul ou par le magistrat délégué par lui à cet effet.

And.7. - Eo am-pivoriana hamoaka didy, ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia mitsara miaraka amin’ny filoha sy mpanolo-tsaina roa.

Na izany aza, eo amin’ny ady maika, dia azon’ny filoha avoaka samy irery na ny mpitsara notendreny hanao izany ny didim-pitsarana.

 

Art.8. - Le Tribunal administratif, réuni en Assemblée générale, est présidé conjointement par le Président et Commissaire administratif.

And.8. - Ny filoha sy ny mpampanoa misahana ny ady atao amin’ny fanjakana no miara miadidy ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana mandritry ny fivoriambe.

CHAPITRE II

Des attributions

Art. 9 - Le Tribunal administratif connaît :

  En premier ressort :

- du contrôle de légalité des actes et décisions des autorités provinciales lorsqu'ils ne sont pas de portée générale ;

- du contrôle de légalité des actes des autorités des Collectivités Territoriales Décentralisées et de leurs établissements publics ;

- des recours en annulation des actes et contrats administratifs souscrits par ces mêmes autorités ;

- des actions visant à mettre en jeu la responsabilité administrative desdites Collectivités Administratives Décentralisées ;

- du contentieux des impôts et taxes conformément au Code Général des Impôts perçus au profit de ces mêmes collectivités et de leurs établissements publics.

En premier et dernier ressort :

- de toutes requêtes contentieuses afférentes aux élections provinciales, régionales et communales.

Le Tribunal administratif est juge de droit commun des actes ou des contrats administratifs conclus par une autorité administrative située dans son ressort territorial.

TOKO II

Ny andraikitra

And.9 : Ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana dia mitsara.

Mbola azo akana fitsarana ambony :

- Ny fitsirihana ny amaha ara-dalàna ny taratasy sy fanapahana ataon’ny manam-pahefana ao amin’ny faritany raha toa ka tsy misy fiantraikany amin’ny rehetra izany ;

- Ny fitsirihina ny maha ara-dalàna ny taratasy ataon’ny manam-pahefana ao amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo biraom-panjakana ;

- Ny fangatahana fanafoanana ireo didy sy fifanarahana ara-panjakana noraiketin’ireo manam-pahefana ;

- Ny fihetsika mahatonga ireo vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana ho tompon’andraikitra ;

- Ny fifanolanana momba ny hetra sy haba, araka ny voatondron’ny Code général des impôts izay navory ho an’ireo vondrom-bahoaka sy ireo biraom-panjakana.

Tsy azo akana fitsarana ambony :

- Ireo famakiana ady atao amin’ny fitsarana momba ny fifidianana atao any amin’ny faritany, faritra ary kaominina.

 

Ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana dia mpitsara iraisan’ny daholobe momba ny soratra na fifanarahana ara-panjakana nataon’ny manam-pahefana ara-panjakana iray ka ao anatin’ny fari-piadidiany.

 

Art. 10. - Le Tribunal administratif peut être consulté par les autorités provinciales ou celles des Collectivités Territoriales Décentralisées, ainsi que par le Délégué Général du Gouvernement dans la Province pour donner son avis sur tout projet de texte relatif à l'organisation, au fonctionnement et aux missions desdites collectivités et des organismes y rattachés.

Le Tribunal administratif peut également être consulté sur les difficultés d’application ou d’interprétation d’un texte.

 

And.10. - Ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana dia azon’ny manam-pahefana eo amin’ny faritany na ireo eny amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, na koa ny Delegem-panjakana Jeneraly eo anivon’ny Faritany atonina mba hanome ny heviny mikasika ny volavolan-dalàna rehetra momba ny fandaminana, ny fampandehanana ary ireo andraikitr’ireo vondrom-bahoaka sy antokon-draharaha miaraka aminy.

 

Ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana dia azo antonina ihany koa momba ny fahasarotana miseho amin’ny fampiharana na fandikana ny rijan-teny.

CHAPITRE III

De la procédure devant les Tribunaux administratifs                        

    SECTION I

DE LA FORME ET PRESENTATION DES REQUETES

Art. 11. - Les requêtes introductives d'instance en matière administrative devant les Tribunaux administratifs sont présentées en la forme écrite.  

Elles sont déposées au Greffe du Tribunal administratif territorialement compétent.

 

TOKO III

Ny paik’ady arahina eo amin’ny Fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana

  SOJAKY 1

NY ENDRIKA SY NY FANEHOANA NY FAMAKIANA ADY.

And.11. - Ny famakiana ady ara-panjakana izay atao eo anatrehan’ny fitsarana misahana ny ady ifanaovana amin’ny Fanjakana dia atao an-tsoratra.

Izy ireny dia apetraka ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana mahefa ara-paritra.

 

Art. 12. - Les requêtes sont enregistrées à leur arrivée sur le registre d'ordre tenu au Greffe de la juridiction. Elles sont en outre marquées, ainsi que les pièces qui y sont jointes, d'un timbre à date.

And.12. - Eo am-pahatongavany dia soratana ao amin’ny rejistra ny rantsana izay tanan’ny firaketan-draharaha ny antokom-pitsarana ny famakiana ady. Asiana marika amin’ny hajia fametahana vaninandro izy sy ireo fehezan-taratasy miaraka aminy.

 

Art. 13. - La requête est personnelle et ne doit viser qu'une seule décision à la fois.

 

And.13. - Atao an’olon-tokana ny famakiana ady ary tsy mikendry afa-tsy fanapahana iray ihany.

 

Art.14. - Les requêtes introductives d'instance doivent contenir sous peine d'irrecevabilité :  

les nom, profession ou qualité et domicile du demandeur ;  

2° les moyens et conclusions ;

3° la copie de la décision attaquée.

  Les pièces justificatives estimées nécessaires sont jointes aux requêtes.

And.14. - Ny famakiana ady amin’ny fitsarana dia tsy maintsy ahitana an’ireto raha tsy izany dia tsy azo raisina :

1° ny anarana, anton-draharaha na fahafantarana manokana, ary ny fonenan’ny mpangataka ;

2°. ny antony sy ny fehinteny ;

3°.ny dika mitovy amin’ilay fanapahana toriana.  

Ireo fehezan-taratasy manamarina sy heverina fa ilaina dia ampiarahina amin’ny famakiana ady.

 

Art. 15. - Les requêtes et pièces jointes doivent être accompagnées d'autant de copies certifiées conformes par le requérant qu'il y a de parties en cause.

Lorsqu'aucune copie n'est produite ou lorsque le nombre de copies n'est pas égal à celui des parties ayant un intérêt distinct, auxquelles le Président de la juridiction en aurait ordonné la communication, le demandeur est invité par le Greffier à produire les copies nécessaires dans un délai qu'il fixe.

Exceptionnellement, le Président pourra, dispenser le demandeur de la remise du double de certains documents tels que livres de comptabilité, registres divers.

 

And.15. - Ny fangatahana miaraka amin’ny fehezan-taratasy dia tsy maintsy ampiarahina amin’ny dika mitovy nohamarinin’ny mpangataka ary mitovy isa amin’ireo mpiady.

Raha toa tsy nisy dika mitovy naseho na koa tsy mitovy isa amin’ny mpiady izay manana tombotsoa samy hafa ny dika mitovy izay nodidin’ny filohan’ny fitsarana ny fampitàna azy, dia asain’ny mpiraki-draharaha maneho ny dika mitovy ilaina ao anatin’ny fotoana izay ferany ilay mpangataka.

 

Noho ny anton-javatra manokana, dia azon’ny filohan’ny fitsarana atao ny tsy manery ny mpangataka hametraka ny dika mitovy amin’ny taratasin’ady sasany toy ny bokim-bola, rejistra isan-karazany.

 

S E C T I O N II

DE LA REPRESENTATION

Art.16. - Les parties peuvent se présenter elles-mêmes devant le Tribunal administratif.

Elles peuvent également se faire représenter par un avocat ou par un mandataire justifiant de son mandat soit par un acte sous-seing privé légalisé, soit par acte authentique, soit par acte enregistré.  

Les collectivités publiques sont représentées devant la juridiction administrative conformément à la législation en vigueur.

La requête présentée par plusieurs personnes physiques ou morales doit, sous peine d’irrecevabilité, comporter la désignation d’un représentant unique parmi les signataires.

 

SOKAJY II

NY FISOLOANA

And.16. - Afaka miseho mivantana eo anatrehan’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana ny mpiady.

Afaka misolotena azy ireo koa ny mpisolovava, na mpisolo nomena fahefana izay afaka manaporofo izany amin’ny alalan’ny soratra an-trano vita sonia voamarina na taratasy tsy iadian-kevitra, na taratasy voasoratra amin’ny rejistra.

Ny vondrom-bahoaka dia soloana tena eo anatrehan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana araka ny lalàna manan-kery.

Ny fangatahana natolotry ny olon-tsotra maromaro na fikambanana dia tsy maintsy ahitana ny fanendrena solontena iray avy amin’ireo mpanao sonia raha tsy izany dia tsy azo raisina.

 

S E C T I O N III

DU DELAI DE PRESENTATION DES REQUETES

Art. 17 - 1° Le délai de recours en annulation contre les décisions et les actes des autorités des Collectivités Territoriales Décentralisées et de leurs établissements publics est de trois mois à compter de leur notification ou de leur publication. Le délai de recours en annulation contre les décisions et les actes des autorités des Provinces Autonomes est de trois mois à compter de leur réception par le Délégué Général du Gouvernement qui en délivre récépissé.  

2° En matière de plein contentieux et sauf en matière de travaux publics, la juridiction ne peut être saisie que par voie de recours contre une décision préalable de l’administration.  

3° Les délais inférieurs à trois mois, prévus par les textes spéciaux doivent être mentionnés dans la notification de la décision.

4° Le silence gardé plus de quatre mois sur une réclamation par l’autorité compétente vaut décision de rejet.

Cette décision implicite ouvre le délai de recours contentieux de trois mois.  

5° Toutefois, en matière de plein contentieux, une décision expresse intervenant après la période de quatre mois de silence de l’administration rouvre le délai du recours contentieux.  

6° La requête présentée avant l’expiration du délai de réponse de l’administration est cependant recevable dès lors que le juge statue après l’expiration dudit délai.

7° Si l’autorité administrative est un corps délibérant, le délai de quatre mois précité est prorogé, le cas échéant, jusqu’à la fin de la première session légale qui suivra le dépôt de la réclamation.  

8° Les dispositions du présent article ne dérogent pas aux textes ayant introduit des délais spéciaux d’une autre durée.

 

SOKAJY III

FE-POTOANA FANEHOANA NY FANGATAHANA

And.17. - 1° Ny fe-potoana ahazoana manao fangatahana fanafoanana ny fanapahana ny didy ataon’ny manampahefana amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ireo orinasam-panjakana, dia telo volana manomboka amin’ny fotoana nampahafantarana ny didy sy nampielezana azy. Ny fe-potoana ahazoana manao fangatahana fanafoanana ny fanapahana sy didy ataon’ny manampahefana amin’ny faritany mizaka tena dia telo volana manomboka amin’ny vaninandro naharaisan’ny Délégué jeneralin’ny Governemanta ny fangatahana ka anomezany tapakila.

2° Momba ny fifandirana tanteraka afa-tsy ny momba ny asa vaventy, dia tsy azo itondrana ny raharaha ny fitsarana afa-tsy amin’ny alalan’ny fangatahana fanovana didy efa navoakan’ny fitondrana mialoha.

3° Ny fe-potoana latsaky ny telo volana voatondron’ny rijan-teny manokana dia tsy maintsy voasoratra ao anatin’ilay fampahafantarana didy.

            4° Ny fahanginan’ny manampahefana mahefa ao anatin’ny efa-bolana mahery momba ny fitakiana, dia midika ho didy fandavana.

            Io fanapahana tsy voasoratra io dia manokatra ny fe-potoana telo volana ahafahana manao fangatahana fanovana didy.

            5° Na izany aza, raha misy fifandirana tanteraka, ny didy fanapahana miharihary natao aorian’ny efa-bolana izay nanginan’ny fanapahana, dia manokatra indray  ny fe-potoana ahafahana manao fangatahana fanovana didy.

            6° Ny fangatahana naseho alohan’ny fahataperan’ny fe-potoana hamalian’ny fitondram-panjakana  dia azo raisina raha vao manapa-kevitra aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana voalaza ny mpitsara.

            7° Raha antoko mpandinika ny fahefam-panjakana dia alavaina efa-bolana ny fe-potoana voalaza teo aloha, raha tsy izany dia alavaina hatramin’ny fahataperan’ny fotoam-pivoriana ara-dalàna izay manaraka ny fotoana nametrahana ny fitakiana.

    8° Ny fepetra voalazan’ity andininy ity dia tsy manova ny rijan-teny izay nampiditra fe-potoana manokana izay hafa ny faharetany.

Art.18. - Le recours administratif ou l’action présentée dans les délais du recours contentieux devant une juridiction incompétente proroge les délais dudit recours.

 

And.18. - Ny fangatahana ara-panjakana na ady aseho ao anatin’ny fe-potoana anaovana fangatahana ifandirana eo anatrehan’ny fitsarana tsy mahefa dia manalava ny fe-potoan’ilay fampakarana voalaza.

 

Art.19. - Les délais du recours contentieux prévus ci-dessus sont augmentés, s’il y a lieu des délais de distance dans les conditions fixées par les articles 129 et 130 du Code de procédure civile.

Toutefois, compte tenu de leur éloignement, les parties peuvent faire élection de domicile au siège de la juridiction saisie. La notification des actes de procédures sont valablement faites à ce domicile élu.

 

And.19. - Ny fe-potoana anaovana fangatahana ifandirana voatondro etsy ambony dia ampitomboina arakaraky ny elanelan-tany araka ny fepetra nofaritan’ny andininy faha 129 sy faha 130 ao amin’ny Fehezan-dalàna momba ny paik’ady madio.

Na izany aza, noho ny halavirana, dia afaka manondro fonenana ao amin’ny foibe misy ny fitsarana hitsara ny raharaha ny mpiady. Ny fampahafantarana ny taratasin’ny paik’ady dia azo atao tsara amin’io fonenana voatondro io.

 

SECTION IV

DE L’INSTRUCION

Art. 20. - Dès l’enregistrement de la requête, le Président du Tribunal administratif désigne un rapporteur qui, sous l’autorité du Président du Tribunal administratif, sera chargé de l’instruction de l’affaire.

Après avoir vérifié l’existence dans le dossier des pièces nécessaires au jugement du litige, le rapporteur propose toutes les mesures et les actes d’instruction qu’il estime utiles à la bonne administration de la justice.

 

SOKAJY IV

MOMBA NY FAMOTORANA

And.20 : Raha vantany voasoratra ao amin’ny rejisitra ny fangatahana dia manondro mpampaka-teny ny filohan’ny fitisarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana, ka eo ambany fahefan’io filohan’ny fitsarana io ilay mpampaka-teny no misahana ny famotorana ny raharaha.

Rehefa avy nanamarina ny fisian’ireo taratasy ilaina amin’ny fitsarana ny olana ao anatin’ny fehezan-taratasin’ady ny mpampaka-teny, dia manolotra ireo fomba sy asam-pamotorana izay heveriny fa manampy amin’ny fampandehanana tsara ny fitsarana.

 

Art.21. - Le Président ordonne la communication des requêtes introductives d’instance aux parties défenderesses. Il fixe, eu égard aux circonstances de l’affaire, le délai dans lequel les parties en présence doivent faire valoir leurs moyens et conclusions. Mention de cette décision est portée en marge de la requête.

Cependant, en cas de nécessité reconnue, un nouveau délai peut être accordé sur demande expresse de l’une des parties.  

Faute par l’administration ou les parties de fournir leurs conclusions et moyens dans le délai imparti, une mise en demeure peut leur être adressée sur l’instruction formelle du Président ou du rapporteur, par le greffier leur enjoignant de compléter leur dossier dans les dix jours qui suivent la notification de l’injonction.  

Si la mise en demeure reste sans effet, la juridiction statue. Dans ce cas, si c’est la partie défenderesse qui n’a pas observé le délai, elle sera réputée avoir acquiescé aux faits exposés dans le recours ; lorsque c’est le demandeur qui n’a pas observé le délai, la juridiction appréciera, selon les circonstances, si cette inobservation implique de sa part désistement.

And.21. - Didian’ny filoha ny fampitàna ny fangatahana fampidirana ady any amin’ny toriana. Araka ny toe-draharaha dia ferany ny fe-potoana ahafahan’ireo mpiady manatrika maneho ny antony sy ny fehinteniny. Marihina eo ambanin’ny fangatahana izany fanapahan-kevitra izany.

 

Na izany aza, raha misy tena ilàna azy, dia azo atao ny manondro fe-potoana vaovao raha misy fangatahana mazava ataon’ny iray amin’ireo mpiady.

Raha toa ka tsy voatolotry ny fitondram-panjakana na ny mpiady tao anatin’ny fe-potoana voatondro, ny fehinteny sy ny anton-kevitra, dia azon’ny mpiraki-draharaha atao ny mandefa fanerena amin’izy ireo, araka ny didy entitra avy amin’ny filoha na ny mpampaka-teny, mba hamenoany ny antonta-taratasin’ady ao anatin’ny folo andro manaraka ny fampahafantarana ny fanerena.

Raha tsy misy vokany ny fanerena handrotsaka fehinteny sy anton-kevitra, dia mamoaka didy ny fitsarana. Amin’izay raha ny torina no tsy manaja ny fe-potoana, dia heverina fa nanaiky ny toe-draharaha novelabelarina tao anatin’ny fangatahana izy ; raha ny mpitory kosa no tsy nanaja ny fe-potoana, dia ny fitsarana no mandanjalanja araka ny toe-javatra , raha toa ka midika ho fanatsoahana fitoriana avy aminy izany tsy fanajany ny fe-potoana izany.

 

Art.22. - Les parties ou leurs mandataires peuvent prendre connaissance, au greffe, mais sans déplacement, des pièces de l’affaire qui ne sont pas produites en double, en vertu de l’alinéa 3 de l’article 15.  

En cas de nécessité reconnue, le Président peut autoriser les parties et les experts à recevoir, contre récépissé, communication momentanée de ces pièces.

 

And.22. - Ny mpiady na ireo solontenany dia afaka mamantatra ireo taratasin’ady izay tsy nisy dika mitovy narotsaka ka ny fizahana izany dia ao amin’ny firaketan-draharaha ihany, araka ny voalazan’ny andalana faha-3 ao amin’ny andininy faha -15.

Raha misy tena ilàna azy, dia azon’ny filoha atao ny manome alalana ny mpiady sy ny mpahay, handray mba ho fampahafantarana ireo taratasin’ady mandritra ny fotoana fohy ary marihina amin’ny tapakila izany.

 

Art. 23. - Les notifications et avertissements ayant trait à l’instruction et au jugement des affaires sont effectués par le greffier en la forme administrative ou par lettre recommandée avec accusé de réception ou certificat de remise.

And.23. - Ny fampahafantarana didy sy fampitandremana mifandraika amin’ny famotorana sy ny fitsarana ny raharaha dia ataon’ny mpiraki-draharaha amin’ny fomba ara-panjakana na amin’ny taratasy tsy  very mandeha misy filazana fandraisana na fanamarihana fa voatolotra.

Art.24.  - La remise des notifications est constatée :

1° par un récépissé daté et signé par le réceptionnaire, si la notification est faite à personne ou à domicile ;  

 

2° par l’avis de réception ou le certificat de remise de la poste dans le cas de notification par lettre recommandée.  

 

A défaut de récépissé, un procès-verbal de notification est dressé par l’agent qui l’a effectuée.  

 

Le récépissé ou le procès-verbal est transmis immédiatement au greffe de la juridiction expéditeur.

 

And.24. - Ny fanolorana ny fampahafantarana didy dia amarinina :

1° amin’ny alalan’ny tapakila misy vanin’andro sy nosoniavin’ny mpandray azy, raha toa ka natao amin’ny anaran’olona na an-trano fonenana ny fampahafantarana didy,

 

2° amin’ny alalan’ny filazana faharaisana na fanamarihana fa voatolotry ny paositra raha toa ka fampahafantarana didy tamin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha.

          Raha tsy misy tapakila, dia manao fitanana an-tsoratra momba ny fampahafantarana didy ilay mpikarakara nanao azy.

 

Alefa avy hatrany any amin’ny firaketan-draharahan’ ny fitsarana mpandefa ny tapakila na fitanana an-tsoratra.

 

Art.25.  - Les mémoires en défense sont déposés au greffe dans les conditions fixées par les articles 12 et suivants de la présente loi et dans les délais impartis par le Président.  

Ils sont notifiés au domicile du demandeur dans la même forme que les requêtes introductives d’instance.

 

And.25. - Ny lahateny fiarovana dia apetraka ao amin’ny firaketan-draharaha araka ny fepetra noferan’ny andininy faha-12 sy ny manaraka amin’ity lalàna ity ary izany dia ao anatin’ny fotoana voafetran’ny Filoha.

Ampahafantarina ny mpitory any an-tranony ireo lahateny fiarovana ireo tahaka ny natao tamin’ny taratasy famakiana ady.

 

Art.26.  - Dans le délai suivant la notification des mémoires en défense fixé par le Président, conformément aux dispositions de l’article 25 ci-dessus, le demandeur peut déposer un mémoire en réponse. Le défendeur peut alors produire un mémoire en réplique ou de nouvelles observations en défense dans le délai qui lui sera imparti dans les conditions sus-énoncées.  

Ces deux actes seront déposés et notifiés comme les mémoires en défense.

Une mise en demeure pourra exceptionnellement être adressée à la partie qui n’aura pas observé le délai dans les conditions et sous la sanction prévue à l’article 21 ci-dessus.

 

And.26. - Ao anatin’ny fe-potoana manaraka ny fampahafantarana ny lahateny fiarovana izay noferan’ ny Filoha, araka ny  fepetra voalazan’ny andininy faha-25 etsy ambony, ny mpitory dia afaka mametraka lahateny ho valiny. Amin’ny izay fotoana izay, ny toriana dia afaka mametraka lahateny ho setriny, na fanamarihana vaovao ho fiarovana ao anatin’ny fe-potoana omena azy araka ny fepetra voalaza etsy ambony.

Ireo taratasy roa ireo dia apetraka sy ampahafantarina toa ireo lahateny fiarovana ireo.

Hisy taratasy fanerena manokana mety alefa ho an’ny mpiady tsy nanaja ny fe-potoana araka ny fepetra sy mety iharan’ny sazy voatondron’ny andininy faha-21 etsy ambony.

 

Art. 27.  - Les mises en cause ou demandes en intervention forcée et les appels en garantie sont introduits ou notifiés dans la même forme que les demandes principales et peuvent être ordonnés d’office par le Tribunal.

 

And. 27. - Ireo fampidirana an-tsehatra na fangatahana hiditra an-keriny ao anaty ady sy ireo fakana fitsarana ambony ho antoka, dia ampidirina na ampahafantarina mitovy amin’ny fombafomba atao amin’ireo  fangatahana fototra ary mety hodidian’ny fitsarana avy hatrany.

 

Art. 28.  - Les requêtes et mémoires enregistrés au greffe du Tribunal sont exemptés du droit de timbre.

 

And.28. - Ireo fangatahana sy lahateny voarakitra ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana dia tsy andoavana hajia.

 

Art. 29. - Lorsque l’affaire est en état d’être jugée, le rapporteur rédige un rapport. Le dossier avec le rapport est remis au Président qui le transmet immédiatement au Commissaire administratif  en vue de son enrôlement.

 

And.29. - Raha toa ka efa vonona ho tsaraina ilay raharaha, dia manoratra ny tatitra ny mpampaka-teny. Ny antonta taratasin’ady miaraka amin’ny tatitra dia omena ny filoha izay mandefa izany avy hatrany any amin’ny  Mpampanoa eo amin’ny ady atao amin’ny fanjakana mba hosoratana ao amin’ny bokin-draharaha ho tsaraina.

Art. 30. - Lorsqu’il apparaît au vu de la requête introductive d’instance que la solution de l’affaire ne  nécessite  pas  une  instruction  préalable, le Président peut décider qu’il n’y a pas lieu à instruction et transmettre le dossier au Commissaire administratif.

 

And.30. - Raha hita araka ny taratasy famakiana ady fa ny famahana olana ilay raharaha dia tsy ilàna famotorana mialoha, dia afaka manapaka  ny filoha fa tsy ilaina ny famotorana ka alefany any amin’ny Mpampanoa eo amin’ny ady amin’ny fanjakana ny antonta-taratasin’ady.

 

S E C T I O N   V

DES AUDIENCES

Art.31. - Les audiences des Tribunaux administratifs sont publiques, sauf en ce qui concerne les réclamations relatives aux impôts et taxes accessoires.

Le rôle de chaque audience est arrêté par le Président sur proposition conforme du Commissaire administratif.

 

SOKAJY V

NY FOTOAM-PITSARANA

And.31. - Ireo fotoam-pitsaran’ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana dia atao imasom-bahoaka, afa-tsy ny momba ireo fitarainana mikasika ny hetra sy ny haba mifandraika aminy.

Ny bokin-draharaha isaky ny fotoam-pitsarana  dia faranan’ny filoha araka ny soso-kevitra mifanaraka avy amin’ny Mpampanoa eo amin’ny ady atao amin’ny fanjakana.

 

Art.32.  - Toutes les parties doivent être averties par avis adressé à leur domicile où à celui de leur mandataire ou défenseur, le cas échéant, du jour où l’affaire sera appelée, dix jours au moins avant la tenue de l’audience.

 

And.32. - Raha ilaina izany, ireo mpiady rehetra dia tsy maintsy ampandrenesina mialohan’ny andro iantsoana ilay raharaha amin’ny alalan’ny filazana alefa any amin’ny fonenan’izy ireo na ny fonenan’ny solontena na  ny mpiaro azy ireo farafahakeliny folo andro mialohan’ny fizotry ny fotoam-pitsarana.

 

Art.33.  - Les parties peuvent présenter des observations orales à l’appui de leurs conclusions écrites. Celles-ci interviennent après la lecture du rapport relatif à l’affaire.  

Si les parties présentent des conclusions nouvelles, la juridiction ne peut les admettre sans ordonner un supplément d’instruction.  

Le Commissaire  administratif formule ses conclusions écrites sur toutes les affaires inscrites au rôle d’audience. Lesdites conclusions clôturent l’instruction.

And.33. - Azon’ireo mpiady atao ny manolotra fanamarihana am-bava ho fanankinana ireo fehinteniny an-tsoratra. Ireo fanamarihana ireo dia atao aorian’ny famakiana ny tatitra mikasika ilay raharaha.

Raha toa ka manolotra fehinteny vaovao ireo mpiady, dia tsy azon’ny fitsarana atao ny mandray izany raha tsy adidiana ny hisian’ny fanampim-pamotorana.

Ny Mpampanoa eo amin’ny ady atao amin’ny fanjakana dia manao ny fehinteniny an-tsoratra mikasika ireo raharaha rehetra voasoratra ao amin’ny bokin-draharahan’ny fotoam-pitsarana. Ireo fehinteny voalaza ireo no mamarana ny famotorana.

 

Art. 34. - Sont applicables à la tenue et à la police des audiences de la juridiction ainsi qu’aux crimes et délits qui pourraient s’y commettre, les dispositions en vigueur devant les juridictions judiciaires.

 

And.34. - Azo ampiharina amin’ny fizotra sy ny filaminan’ny fotoam-pitsaran’ny fitsarana sy amin’ireo heloka bevava sy heloka tsotra izay mety hitranga ao, ireo andinindininy manan-kery eo anoloan’ireo fitsarana misahana ny ady  ifanaovan’ny tsirairay.

SECTION VI

DES MESURES D’INSTRUCTION

§ 1. Des expertises

Art. 35. - Le Tribunal administratif peut, soit d’office, soit sur la demande de l’une des parties, ordonner, avant dire droit, qu’il sera procédé à une expertise sur les points déterminés par sa décision.

 

SOKAJY VI

IREO FEPETRA FAMOTORANA

§ 1. Ireo asan’ny mpahay

And.35. - Ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana dia afaka na avy hatrany, na noho ny fangatahan’ny iray amin’ireo mpiady, mandidy amin’ny alalan’ny didy sava-ravina ny hirosoana amin’ny asan’ ny mpahay eo amin’ny lafin-javatra voafaritry ny didiny.

 

Art. 36. - Le Tribunal décide, suivant la nature et les circonstances de l’affaire, si l’expertise sera faite par un ou par trois experts.

Dans le premier cas, l’expert sera désigné par le Tribunal à moins que les parties ne s’accordent pour le faire.

Si l’expertise doit être confiée à trois experts, l’un d’eux est nommé par le Tribunal, et chacune des parties est appelée à désigner le sien.

 

And.36. - Araka ny karazany sy ny fisehon’ilay raharaha dia manapaka ny fitsarana raha toa ka iray na telo ny mpahay hanao ny asa.

Amin’ny trangan-javatra voalohany, ny mpahay dia ho tendren’ny fitsarana raha tsy hoe mifanaraka fa hanao izany ireo mpiady.

Raha toa ka ankinina amin’ny mpahay miisa telo ny asa, ny iray amin’izy ireo dia tendren’ny fitsarana ary ny tsirairay amin’ny mpiady dia antsoina hanendry ny azy manokana.

 

Art. 37. - Lorsque les parties n’auront pas désigné d’avance leurs experts, elles devront le faire dans le délai de huit jours, à partir de la notification de la décision ordonnant l’expertise, faute de quoi, la désignation sera faite d’office par le Tribunal.

 

And.37. - Raha toa ka tsy nanendry mialoha ireo mpahay ny mpiady, dia tsy maintsy ataon’izy ireo ao anatin’ny fe-potoana valo andro izany, manomboka amin’ny fampahafantarana ny didy mandidy ny hisian’ny asan’ny mpahay, raha tsy izany dia ny fitsarana no manao avy hatrany ny fanendrena.

 

Art.38.  - La décision juridictionnelle qui ordonne l’expertise en fixe l’objet et nomme les experts qui, s’il y a lieu, doivent prêter serment devant le Tribunal administratif, le serment d’accomplir leur mission, de faire leur rapport et de donner leur avis en leur honneur et conscience.

Le Tribunal fixe, en outre, le délai dans lequel les experts sont tenus de déposer leur rapport au greffe.

 

And.38. - Ny didy avoakan’ny fitsarana izay mandidy ny hisian’ny asan’ny mpahay, dia mametra ny votoatin’izany ary manendry ireo mpahay izay tsy maintsy manao fianianana eo anoloan’ny fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana fa hanatontosa ny iraka, raha ilaina, ka hanao ny tatitra ary hanome ny heviny araka ny voninahiny sy ny feon’ny fieritreretany.

Ankoatra izay, ny fitsarana dia mametra ny fe-potoana izay ametrahan’ireo mpahay ny tatitra any amin’ny firaketan-draharaha.

 

Art. 39. - L’expert désigné peut être récusé par l’une des parties.

La récusation doit être demandée dans les huit jours de la notification du jugement qui a désigné l’expert. Le Tribunal statue d’urgence sur la demande de récusation.

 

And.39. - Ny mpahay voatendry dia azon’ny iray amin’ireo mpiady tsipahana.

Ny fitsipahana dia tsy maintsy angatahana ao anatin’ny valo andro aorian’ny fampahafantarana ilay didim-pitsarana nanendry ny mpahay. Ny fitsarana dia mitsara haingana ny fangatahana fitsipahana.

 

Art. 40. - Le greffier adresse aux experts une expédition de la décision qui les a nommés et les a invités, s’il y a lieu, à comparaître devant le Tribunal à l’effet de prêter serment.

 

And.40. - Ny mpiraki-draharaha dia mandefa any amin’ireo mpahay dika mitovy ny didy iray izay nanendry sy niantso azy ireo, raha ilaina izany, hiseho fitsarana mba hanao fianianana.

Art. 41. - Les parties sont averties par le ou les experts des jours et heures auxquels il sera procédé à l’expertise.

Cet avis leur est adressé dix jours au moins à l’avance par lettre recommandée.

 

And.41. - Ampahafantarin’ireo mpahay mialoha ny mpiady ny andro sy ora hanaovan’ireo mpahay ny asany.

Io filazana io dia alefa amin’izy ireo farafahakeliny 10 andro mialoha amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha.

 

Art. 42. - Dans le cas où un expert n’accepterait pas la mission qui lui est confiée, il en est désigné un autre à sa place.

L’expert qui, après avoir prêté serment ou accepté sa mission, ne la remplit pas ou celui qui ne dépose pas son rapport dans le délai fixé peut, après avoir été entendu par le Tribunal, être condamné à tous les frais frustratoires et même à des dommages-intérêts.

L’expert est, en outre, remplacé s’il y a lieu.

 

And.42. - Raha sendra ka tsy eken’ny mpahay ny iraka ankinina aminy dia misy mpahay iray hafa tendrena handray ny toerany.

Ny mpahay, izay avy nanao fianianana na nanaiky ny iraka nefa tsy nahatontosa izany na ny mpahay izay tsy nametraka ny tatitra ao anatin’ny fe-potoana voafetra, rehefa avy nohenoin’ny fitsarana, dia mety ho voasazy handoa ireo vola very noho izany eny fa na dia hatramin’ny onitra aza.

Ankoatra izany, ny mpahay dia soloina raha ilaina izany.

 

Art. 43. - S’il y a plusieurs experts, ils procèdent ensemble aux opérations découlant de leur mission et dressent un seul rapport. Dans le cas où ils seraient d’avis différents, ils indiquent l’opinion de chacun d’eux et les motifs à l’appui.

 

And.43. - Raha toa ka misy mpahay maromaro, dia iarahan’izy ireo atao ny asa aterak’izany iraka izany ary tatitra iray ihany no ataon’izy ireo.Raha toa ka samy hafa ny hevitr’izy ireo , dia lazainy ny hevitry ny tsirairay sy ny antony anankinany izany.

 

Art. 44. -  Les observations faites par les parties au cours des opérations doivent être consignées dans le rapport.

 

And.44. - Ny fanamarihana nataon’ireo mpiady mandritra ny asa dia tsy maintsy raketina ao anaty tatitra.

 

Art. 45 - Le rapport est déposé au greffe du Tribunal. Il est accompagné d’un nombre de copies égal à celui des parties au litige ayant un intérêt distinct, plus une. Les parties sont invitées par une lettre d’avis à retirer l’exemplaire qui leur est destiné et à fournir leurs observations dans un délai de quinze jours qui peut être prorogé.

A l’expiration de ce délai, il est passé au jugement de l’affaire.

 

And.45. - Ny tatitra dia apetraka ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana. Io tatitra io dia ampiarahina amin’ny dika mitovy izay mitovy isa amin’ireo mpiady manana tombontsoa samy hafa, ampiana iray. Ny mpiady dia antsoina amin’ny alalan’ny taratasy filazana mba haka ny dika mitovy natokana ho azy ary hanome ireo fanamarihany ao anatin’ny dimy ambin’ny folo andro izay mety halavaina.

Rehefa tapitra io fe-potoana io, dia alefa ho tsaraina ny raharaha.

Art. 46. - Les experts joignent à leur rapport un état de leurs vacations et honoraires.

La liquidation de ces frais et la taxe sont faites par le Président conformément au tarif civil et après la décision sur le fond. Avis en est donné aux experts et aux parties, qui peuvent les contester dans le délai de huit jours devant le Tribunal.

 

And.46. - Ampiarahin’ny mpahay amin’ny tatitra ataony ny mombamomba ny fotoana laniny sy ny karamany.

Ny famerana ireo sara sy haba dia ataon’ny filoha mifanaraka amin’ny tarehi-marika eo amin’ny ady madio ary aorian’ny didy mikasika ny votoatin-draharaha. Misy filazana momba izany alefa any amin’ireo mpahay sy mpiady, ka azon’izy ireo atao ny mitsipaka izany ao anatin’ny fe-potoana valo andro eo anatrehan’ ny fitsarana.

 

Art. 47. - Si le Tribunal ne trouve pas dans le rapport d’expertise des éclaircissements suffisants, il peut ordonner un supplément d’instruction ou bien ordonner que les experts comparaîtront devant lui et en présence des parties pour fournir les explications et renseignements nécessaires.  

En aucun cas, le Tribunal n’est obligé de suivre l’avis des experts.

 

And.47. - Raha toa ny fitsarana ka tsy mahita fanazavana ampy ao anatin’ny tatitra momba ny asan’ny mpahay dia azony atao ny mandidy ny isian’ny famotorana fanampiny na mandidy ireo mpahay mba hiseho eo anatrehany ary izany dia atrehan’ny mpiady, mba hanome izay fanazavana sy torolalana ilaina.

Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fitsarana dia tsy voatery hanaraka ny hevitry ireo mpahay.

 

Art. 48 - En cas d’urgence, le Président du Tribunal administratif, saisi d’une demande, aura la faculté :

1° de désigner un expert pour constater des faits qui seraient de nature à disparaître ou à motiver une réclamation devant une administration ;

2° à l'exception des litiges mettant en cause la sécurité et l'ordre publics, d'ordonner en référé toutes les mesures d'urgence utiles, sans que toutefois il ne soit fait préjudice au principal, ni obstacle à l'exécution d'une décision administrative.

Notification de la requête sera immédiatement faite au défendeur éventuel avec fixation d'un délai de réponse.

 

And.48. - Rehefa misy hamehana, ny filohan’ny fitsarana momba ny ady atao amin’ny fanjakana, naharay fangatahana dia afaka :

1° manendry mpahay iray mba hanamarika ny toe-draharaha izay mety hanjavona na mety hahatonga fitarainana eo anatrehan’ny fitondran-draharaham-panjakana.

2° afa-tsy ireo olana manohintohina ny fandriampahalemana sy ny filaminam-bahoaka, dia afaka mandidy eo amin’ny ady maika ny hisian’ireo fepetra maika ilaina, izany anefa dia tsy mitera-pahavoazana ho an’ny fototr’ady, na misakana ny fanatanterahana didy ara-panjakana.

Ny fampahafantarana ny fitoriana dia atao avy hatrany any amin’ilay olona mety ho torina, miaraka amin’ny famerana ny fe-potoana anaovana valinteny.

 

§ 2. Des visites des lieux

Art. 49. - Le Tribunal peut, lorsqu'il le juge nécessaire, ordonner qu'il se transportera ou que son Président, l'un ou plusieurs de ses membres se transporteront sur les lieux pour y faire les constatations et vérifications déterminées par sa décision.

Les parties sont averties par une notification faite, conformément à l’article 24, du jour et de l'heure auxquels la visite des lieux doit se faire.

Le Tribunal, ou les membres par lui désignés peuvent, au cours de la visite, entendre à titre de renseignements, toutes personnes et faire, en leur présence, toutes opérations jugées utiles.

Il est dressé un procès-verbal, lequel est déposé pendant huit jours au greffe du Tribunal. Les parties en sont informées dans la forme administrative ou peuvent en prendre connaissance et formuler leurs observations.

Les frais de la visite des lieux sont compris dans les dépens de l'instance.

 

§ 2. Ny Fitsirihana eny an-toerana

And.49. - Raha heveriny fa ilaina izany, ny fitsarana dia afaka mandidy ny hidinany, na ny filoha, na ny iray na maromaro amin’ny pikambana ao aminy eny an-toerana mba hanao ny fanamarihana sy ny fanamarinana voafaritry ny didiny.

 

Araka ny andininy faha-24, ny mpiady dia ilazana mialoha amin’ny alalan’ny fampahafantarana, ny andro sy ny ora izay tsy maintsy anaovana ny fitsirihana eny an-toerana.

Mandritra ny fitsirihana, ny fitsarana na ny mpikambana notendrena dia afaka mihaino, mba ho torolalana, ireo olona rehetra ary manao eo imason’izy ireo ny asa rehetra heverina fa ilaina.

 

Anaovana fitanana an-tsoratra izany izay apetraka ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana ao anatin’ny ny valo andro. Ampahafantarina izany ireo mpiady araka ny fombafomba ara-panjakana, na azon’izy ireo atao koa ny manao izay ahafantarana izany sy manao ny fanamarihana.

 

Ny saran’ny fitsirihana eny an-toerana dia tafiditra ao anatin’ny lany amin’ny fitsarana.

§ 3. Des enquêtes

Art. 50. - Le Tribunal peut, soit sur la demande des parties, soit d'office, ordonner une enquête sur les faits dont la constatation lui paraît utile à l'instruction de l'affaire. Le jugement qui ordonne l'enquête indique les faits sur lesquels elle doit porter et décide, suivant les cas, si elle aura lieu, soit devant le tribunal en audience publique, soit devant le magistrat qui sera désigné par lui à cet effet.

§ 3. Ny Fakana am-bavany

And.50. - Na araka ny fangatahan’ny mpiady, na avy hatrany, ny fitsarana dia afaka mandidy ny isian’ny fakana am-bavany momba ny toe-draharaha izay heverina fa ny fanamarihana dia ilaina amin’ny famotorana ilay raharaha. Ny didim-pitsarana izay mandidy ny isian’ny fakana am-bavany, dia manondro ny toe-draharaha ifantoan’izany ary manapaka izany, raha ilaina araka ny trangan-javatra, na eo anatrehan’ny fitsarana amin’ny fotoam-pitsarana imasom-bahoaka na eo anoloan’ny mpitsara ho tendreny hanao izany.

 

Art. 51. - Ne peuvent être entendus comme témoins les parents ou alliés en ligne directe de l'une des parties ou leurs conjoints.

Toutes les autres personnes sont admises comme témoins à l'exception de celles que la loi ou les décisions judiciaires auraient déclarées incapables de témoigner en justice.

And.51. - Tsy azo henoina ho toy ny vavolombelona ny ray aman-dreny na ny havam-bady akaiky indrindra amin’ ny iray amin’ ireo mpiady na ny vadin’izy ireo

Ireo olon-kafa rehetra dia raisina ho vavolombelona afa-tsy ireo izay ambaran’ny lalàna na ny didy avoakan’ny fitsarana fa tsy afaka mijoro ho vavolombelona any amin’ny fitsarana.

 

Art.52. - Les témoins défaillants sont condamnés à une amende qui ne pourra excéder 50.000 fmg. En cas de récidive, ils sont condamnés à une amende qui ne peut excéder 100.000 fmg et le Président peut délivrer contre eux un mandat d'amener.

Néanmoins, en cas d'excuses valables, le témoin peut, après sa déposition, être déchargé des condamnations prononcées contre lui.

Si pour des raisons graves, le témoin ne peut comparaître, le Président ou le magistrat délégué peut commettre pour l'entendre un magistrat. Il peut être également suppléer à son absence par déposition écrite.

 

And.52. - Ireo vavolombelona tsy tonga dia voasazy handoa vola izay tsy mihoatry ny iray alina ariary. Raha toa ka misy famerenana ny tsy fahatongavana dia voasazy izy ireo handoa vola tsy mihoatra ny roa alina ariary ary azon’ny filoha atao ny mandefa didy mampaka azy ireo.

Na izany aza raha toa misy fialan-tsiny azo ekena, ny vavolombelona dia afaka , aorian’ny fanambarana ataony, tsy mandoa ny sazy vola notononina mba haloany.

Raha toa misy antony lehibe tsy ahafahan’ny vavolombelona miseho fitsarana, ny filoha na ny mpitsara notendreny dia afaka maniraka mpitsara iray mba hihaino azy. Azo atao ihany koa ny misoroka ny tsy fahatongavan’ny vavolombelona amin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra.

 

Art.53. - Les témoins sont entendus séparément, tant en présence qu'en l'absence des parties, après avoir été avertis des peines encourues pour faux témoignage.

Chaque témoin, avant d'être entendu, décline ses nom, prénoms, profession, âge et demeure, s'il est parent ou allié en ligne directe ou conjoint de l'une des parties, s'il est domestique ou serviteur de l'une d'elles. Il fait, à peine de nullité, le serment de dire la vérité.  

Les individus qui n'ont pas l'âge de 18 ans ne sont pas admis à prêter serment et ne peuvent être entendus qu'à titre de renseignement.

 

And.53. - Henoina mitokana ny vavolombelona na eo na tsy eo ny mpiady rehefa avy nampahafantarina mialoha ny sazy  mety hihatra noho ny fijoroana vavolombelona mandainga.

Mialoha ny hihainoana azy, ny vavolombelona tsirairay dia mitanisa ny anarany, ny fanampin’anarany, ny anton’asany, ny taonany, sy ny fonenany raha toa izy ka fianakaviana na havam-bady akaiky na vadin’ny iray amin’ny mpiady, raha toa izy ka mpiasa an-trano na mpanampy ny iray amin’izy ireo. Mba tsy ho tratrin’ny fahafoanana dia manao fianianana izy mba hilaza ny marina.

Ireo olona tsy feno valo ambin’ny folo taona dia tsy raisina hanao fianianana ary henoina fotsiny mba ho torolalana.

 

Art. 54. - Dans les cas où l'enquête a lieu en audience publique, le greffier dresse un procès-verbal contenant la date, le jour et l'heure de l'enquête, la mention de l'absence ou de la présence des parties, les noms, prénoms, profession et domicile des témoins, le serment par eux prêté ou les causes qui les ont empêchés de le prêter, leurs dépositions, les incidents qui se sont élevés au cours de l'enquête et les décisions dont ils ont été l'objet. Le procès-verbal est visé par le Président.

And. 54. - Raha toa ny fakana am-bavany ka atao amin’ny fotoam-pitsarana imasom-bahoaka, ny mpiraki-draharaha dia manao fitanana an-tsoratra ahitana ny vaninandro, ny andro sy ny ora hanaovana ny fakana am-bavany, ny filazana ny maha eo na tsy maha eo ny mpiady, ny anarana, fanampin’anarana, ny anton’asa sy fonenan’ireo vavolombelona, ny fianianana nataon’izy ireo na ny antony izay tsy nahafahan’izy ireo nanao fianianana, ny fanambarany, ny trangan-javatra nisy nandritra ny fakana am-bavany sy ny didy izay izy ireo no antony. Ny fitanana an-tsoratra dia marihin’ny filoha.

 

Art. 55. - Dans le cas où l'enquête a été confiée à un  magistrat  désigné  par  le  Tribunal, il est dressé dans la même forme, un procès-verbal qui indique, en outre, le lieu de l'enquête.

 

 

Il est donné à chaque témoin lecture de sa déposition et le témoin la signe ou  mention est faite qu'il ne sait, ne peut ou ne veut signer.

 

And.55. - Raha toa ka nankinina amin’ny mpitsara notendren’ny fitsarana ny fakana am-bavany dia anaovana fitanana ana-tsoratra toy ny fombafomba tetsy aloha izay manondro, ankotra izany, ny toerana anaovana ny fakana am-bavany.

Vakiana amin’ny vavolombelona tsirairay ny fanambarany ary manao sonia izany ny vavolombelona na asiana soratra fa tsy mahay na tsy afaka na tsy mety manao sonia izy.

 

Art. 56. - Le témoin déposera sans qu'il lui soit permis de lire aucun projet écrit. Il pourra faire à sa déposition tels changements et additions que bon lui semblera sans que ses déclarations initiales, telle qu'elles ont été transcrites sur le procès-verbal, soient modifiées ou supprimées par l'enquête.  

Sa déposition et les changements et additions, s'il en est, lui seront lus et seront signés par lui, par le Président ou par le délégué et par le greffier.

L’omission de ces formalités entraînera nullité.

 

And. 56. - Ny vavolombelona dia hanao ny fanambarany kanefa tsy azony atao ny mamaky vinavina nosoratana. Azony atao ny mitondra fanovana sy fanampiny amin’ny fanambarany araka izay itiavany azy kanefa ny fanambarany tany amboalohany araka izay voasoratra tao amin’ny fitanana an-tsoratra dia tsy ovana na foanan’ny fakana am-bavany.

Ho vakiana aminy sy hosoniaviny ary hosoniavin’ny filoha na ny delege sy ny mpiraki-draharaha ny fanambarany sy ny fanovana ary ny fanampiny raha misy izany.

Ny tsy fanaovana an’ireo fombafomba ireo dia hitarika fahafoanana.

 

Art. 57. - Le procès-verbal de l'enquête est déposé au greffe du tribunal.

Dès sa réception, les parties sont averties par une lettre qu'elles peuvent en prendre connaissance au greffe dans un délai de huit jours.

 

And.57. - Ny fitanana an-tsoratra mirakitra ny fakana am-bavany dia apetraka ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana.

Raha vao voaray io fitanana an-tsoratra io, dia ampandrenesina amin’ny alalan’ny taratasy ireo mpiady fa azon’izy ireo atao ny manao izay ahafantarana ny momba izany ao amin’ny firaketan-draharaha ao anatin’ny fe-potoana valo andro .

Art. 58. - La preuve contraire est de droit. Le tribunal ou son délégué détermine les délais dans lesquels la contre-enquête sera commencée. Les règles ci-dessus fixées s'appliquent à la contre-enquête.

 

And. 58. - Ny porofo mifanohitra dia araka ny lalàna. Ny fitsarana na ny delege dia mamaritra ny fe-potoana hanombohana ny fakana am-bavany setriny. Ireo fitsipika voafetra eo ambony ireo dia mihatra amin’ny fakana am-bava setriny.

 

Art.  59 - Si les témoins entendus requièrent taxe, celle-ci est faite par le Président ou l'enquêteur, conformément au tarif civil.

 

And.59. - Raha  toa ka mitaky sandany ireo vavolombelona nohenoina, dia ny filoha na ny mpanao fakana am-bavany no mikajy izany araka ny tarehy marika eo amin’ny ady madio.

 

Art. 60. - Lorsque le tribunal a ordonné une enquête, avant de statuer sur la validité des  opérations électorales qui sont contestées devant lui, le délai dans lequel il doit statuer sur la réclamation, est fixé par les textes relatifs à ces élections.  

 

 

En cette matière, les enquêtes se font sans frais et sans citation, et les témoins ne peuvent requérir taxe.

 

And.60. - Raha toa ka mandidy ny hisian’ny fakana am-bavany ny fitsarana alohan’ny hamoahana didy momba ny maha ara-dalàna ny asa atao amin’ny fotoam-pifidianana izay hokianina eo aminy, ny fe-potoana izay tsy maintsy amoahany didy momba ilay fitarainana dia voafaritry ny rijan-teny mikasika ireny fifidianana ireny.

Amin’io raharaha io, ny fakana am-bavany dia atao tsy misy sarany na fiantsoana ary ny vavolombelona dia tsy afaka mitaky sandany.

 

§ 4 . De l'interrogatoire

Art. 61. - Le tribunal peut, soit d'office soit sur demande des parties, ordonner que les parties ou l'une d'elles soient interrogées, soit en audience publique, soit en tout autre lieu qu'il indique. Les parties sont dispensées de serment.

Procès-verbal de l'interrogatoire doit être dressé au greffe qui procède comme prévu à  l'article 58 ci-dessus.

 

§ 4. Ny Famotopotorana

And.61. - Azon’ny fitsarana atao avy hatrany na araka ny fangatahan’ireo mpiady, ny mandidy azy ireo na ny iray amin’izy ireo mba hadinina na amin’ny fotoam-pitsarana imasom-bahoaka na amin’ny toeran-kafa tondroiny. Ny mpiady dia tsy manao fianianana.

Ny fitanana an-tsoratra ny famotopotorana dia tsy maintsy atao ao amin’ny firaketan-draharaha izay manao izany araka ny voatondron’ny andininy faha-58 etsy ambony.

 

§ 5 . De la vérification d'écritures

Art. 62. - Le tribunal peut ordonner, soit d'office, soit sur demande des parties, une vérification d'écritures en présence du Président  ou de l'un des membres du tribunal désigné à cet effet.

La vérification est faite par un ou plusieurs experts nommés par le tribunal.

La décision ordonne que la pièce à vérifier soit déposée au greffe du tribunal après que son état aura été constaté et qu'elle aura été paraphée par les parties en cause ou par leurs mandataires ainsi que par le greffier, lequel sera tenu d'en dresser procès-verbal.

 

§ 5. Ny Fanamarinana ny soratra

And.62. - Azon’ny fitsarana atao avy hatrany na araka ny fangatahan’ny mpiady ny mandidy ny hisian’ny fanamarinana soratra eo anatrehan’ny filoha na ny iray amin’ny mpikambana ao amin’ny fitsarana notendrena hanao izany.

Ny fanamarinana dia ataon’ ny mpahay iray na maromaro izay notendren’ny fitsarana.

Ny fanapahan-kevitra dia mandidy fa ilay taratasy anaovana fanamarinana dia apetraka ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana rehefa avy nozahana ny toe-toetrany ary vitan’ireo mpiady voakasik’izany na ireo solontenany ary koa ny mpiraki-draharaha sonia rangom-pohy, ka tsy maintsy anaovan’ny mpiraki-draharaha fitanana an-tsoratra izany.

§  6. De l'inscription en faux

Art. 63. - La partie qui veut s'inscrire en faux contre une pièce produite dans l'instance le déclare par une requête adressée au tribunal. Celle-ci fixe le délai dans lequel la partie qui a produit cette pièce est tenue de déclarer si elle entend s'en servir.

Si la partie déclare qu'elle entend se servir de la pièce, le tribunal peut, soit surseoir à statuer sur l'instance principale jusqu'après le jugement du faux par la juridiction compétente, soit statuer au fond s'il estime que la décision ne dépend pas de la pièce arguée de fau

§ 7. Ny Fisoratana hanaporofo hosoka

And.63. - Ny mpiady maniry hisoratra hanaporofo hosoka anoherana taratasy naseho teo amin’ny ady eny amin’ny fitsarana dia maneho izany amin’ny alalan’ny fitoriana alefa eny amin’ny fitsarana. Ny fitsarana dia mametra ny fe-potoana ka ao anatin’izany no tsy maintsy anambaran’ilay mpiady nampiseho io taratasy io raha toa ka mbola te-hampiasa izany izy.

Raha toa ny mpiady milaza fa te-hampiasa ilay taratasy, ny fitsarana dia afaka na manemotra ny famoahana didy momba ny fitsarana ny fototr’ady ambara-pamoahan’ny fitsarana mahefa didim-pitsarana momba ny hosoka, na mitsara ny votoatin-draharaha raha toa  heverin’ny fitsarana fa tsy miankina amin’ilay taratasy lazaina fa hosoka ny didy.

 

SECTION VII

DES  INCIDENTS

§  1.  Des demandes incidentes

  Art. 64. - Les  demandes  incidentes,  telle  qu’une  demande  reconventionnelle,  une  demande  additionnelle  ou  une  intervention,  est  celle  faite  au  cours  d’une  instance  déjà  engagée. Sont applicables aux demandes incidentes les règles établies par la présente loi pour les demandes principales.

 

SOKAJY VII

NY TRANGAN-JAVATRA

§ 1. Ny Fangatahana asisika

And.64. - Ireo fangatahana asisika, toy ny fitoriana afototra, ny fitoriana fanampiny na ny fidirana an-tsehatra, dia ireo natao nandritra ny zotram-pitsarana efa natomboka. Azo ampiharina amin’ireo fitoriana asisika ireo ny fitsipika voalazan’ity lalàna ity ho an’ireo fangatahana fototra.

 

Art. 65 - Les demandes incidentes seront jugées par préalable. Toutefois le Tribunal peut, s'il y a lieu, ordonner qu'elles soient jointes au principal pour y être statué par la même décision.

And.65. - Ny fitoriana asisika dia hotsaraina araka ny fahatongavany. Na izany aza ny fitsarana dia afaka mandidy raha ilaina izany ny anakambanana azy ireny amin’ny fitoriana fototra mba ho tsaraina amin’ny alalan’ny didy iray ihany.

 

§ 2.  Des demandes de sursis à l'exécution

Art. 66. - Le recours contre les actes des autorités des Collectivités Territoriales Décentralisées et de leurs établissements publics n'en suspend pas l'exécution, s'il n'en est autrement ordonné par le tribunal à titre exceptionnel.

Les conclusions à fin de sursis doivent être :  

1° expresses et présentées par une requête distincte ;

2° subordonnées à l'existence d'une demande d'annulation de la décision attaquée.

En aucun cas, le sursis ne peut être ordonné à l'exécution d'une décision  intéressant l'ordre public  prise conformément aux dispositions des lois et règlements en vigueur.

§ 2. Ny fangatahana fanemorana fanatanterahana

And.66. - Ny fangatahana atohitra ireo didy avoakan’ny manampahefana eny amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ireo antokon-draharaham-panjakana dia tsy mampiantona ny fanatanterahana izany, raha tsy hoe ny fitsarana no namoaka didy hafa noho ny anton-javatra manokana..

Ny fehinteny ho fangatahana fampiantoana dia tsy maintsy :

1° atao miharihary sy aseho amin’ny alalan’ ny fitoriana miavaka ;

2° miankina amin’ny fisian’ny fangatahana fanafoanana ilay didy kianina,

Na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana, ny fampiatoana dia tsy azo didiana ho  fanatanterahana didy mikasika ny filaminam-bahoaka izay noraisina araka ireo andinindinin’ny didy aman-dalàna manan-kery.

 

Art. 67. - La demande de sursis à exécution d'une décision administrative doit, sous peine d'irrecevabilité, être déposée au greffe dans un délai de quarante huit heures à compter de la notification ou de la connaissance de la décision.

 

And. 67. - Mba tsy ho tratrin’ny fandavana ho raisina, ny fangatahana fampiatoana fanatanterahana didy navoakan’ny fanjakana dia tsy maintsy aterina ao amin’y firaketan-draharaha ao anatin’ny fe-potoana 48 ora manomboka amin’ny fampahafantarana na ny fahafantarana ilay didy.

 

Art. 68. - L'instruction de la demande de sursis à exécution est poursuivie d'extrême urgence sans qu'il y ait lieu d'attendre les observations du défendeur.

Le tribunal statue dans un délai de huit jours.

Le jugement est notifié aux parties en cause ainsi qu'à l'auteur de la décision dans un délai de trois jours.

 

And. 68. - Ny famotorana ny fangatahana fampiatoana fanatanterahana dia atao haingana dia haingana ka tsy tokony iandrasana ny fanamarihan’ny toriana.

Ny fitsarana dia  mamoaka didy anatin’ny fe-potoana 8 andro.

Ny didim-pitsarana dia ampahafantarina ireo mpiady voakasiky ny raharaha sy ilay tompon’andraikitra namoaka ny didy ao anatin’ny fe-potoana 3 andro.

 

Art. 69. - Les effets de la décision, objet de la demande de sursis sont suspendus à compter de la date du dépôt de la requête jusqu'à la notification du jugement.

 

And.69. - Ireo fiantraikan’ny didy, anton’ny fangatahana fampiatoana dia miantona manomboka ny vaninandro ametrahana ny fangatahana ambara-pahatongan’ny fampahafantarana ny didy.

 

§  3.  De l'intervention

Art. 70. - Toute personne qui y a intérêt peut intervenir dans l'instance engagée.

  Cette intervention est formée par requête qui contient les moyens et les conclusions, dont  il est donné copie, ainsi que les pièces justificatives. Elle est notifiée aux parties en la forme prescrite pour les demandes principales.

§ 3. Ny fidirana an-tsehatra

And. 70. - Izay olona manana tombontsoa amin’izany dia afaka miditra an-tsehatra anaty zotram-pitsarana natomboka.

Io fidirana an-tsehatra io dia atao amin’ny alalan’ny fitoriana izay ahitana ny fomba enti-miady sy ny fehinteny izay anomezana dika mitovy, ary koa ireo taratasy fanamarinana. Io fidirana an-tsehatra io dia ampahafantarina ireo mpiady araka ny fomba voalaza ho an’ireo fangatahana fototra.

 

§ 4.  Du désistement et de la reprise d'instance

 

Art. 71. - Le désistement peut être fait par simple déclaration signée de la partie intéressée ou de son mandataire et déposée au greffe.  

Les frais du procès sont alors mis à la charge de l'une des parties par le tribunal.

En cas de désistement d'instance, la reprise d'instance peut être ordonnée par le tribunal, soit d'office, soit sur requête notifiée dans la forme de la requête introductive d'instance.

 

§4. Ny fialana amin’ny ady sy ny famerenana ny fizotran’ny fitsarana

And.71. - Ny fialana amin’ny ady dia azo atao amin’ny alalan’ny fanambarana tsotra soniavin’ny mpiady voakasik’izany na ny solontenany ary apetraka ao amin’ny firaketan-draharaha.

Ny lany amin’ny fitsarana dia apetraky ny fitsarana hozakain’ny iray amin’ireo mpiady.

Raha toa ka nisy fialana tsy ho anaty ady, ny famerenana hiditra anaty ady dia azon’ny fitsarana didiana na avy hatrany, na noho ny fitarainana ampahafantarina araka ny fomban’ny fitoriana famakian’ady.

 

§  5.  Des récusations

  Art. 72. - Les récusations peuvent être faites pour les causes admises et selon la procédure prévue par les textes en vigueur devant les tribunaux civils.

§ 5. Ny fitsipahana

And.72. - Noho ny antony nekena sy araka ny paik’ady voatondron’ireo rijan-teny manan-kery, ny fitsipahana dia azo atao eo anoloan’ireo fitsarana momba ny ady madio.

 

SECTION VIII

DU REGLEMENT DES DOSSIERS

Art. 73 - Le Tribunal administratif délibère hors la présence des parties. Il prend ses décisions à la majorité des voix de la formation de jugement.

 

SOKAJY VIII

NY FAMARANANA NY ANTONTA-TARATASIN’ADY

And.73. - Ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia mandinika ny didy havoaka tsy eo anatrehan’ny mpiady. Ny didy avoakany dia izay lanin’ny ankabeazan’ny feon’ireo mpikambana amin’ny famoahana didy.

 

Art. 74. - Les jugements sont motivés. Ils mentionnent qu'il a été statué en audience publique ou non publique. Ils contiennent les noms et les conclusions des parties, le visa des pièces principales et des dispositions légales et réglementaires dont il est fait application, les mentions que les parties ou leurs mandataires et le Commissaire administratif ont été entendus, les motifs de la décision et les noms des membres qui y ont concouru.

And.74. - Asiana antony ireo didy avoaka. Voalaza ao anatin’izy ireo fa natao am-pahibemaso na tsia ny fitsarana. Ny didy dia ahitana ny anarana sy ny fehintenin’ireo mpiady, ny sonia amin’ireo taratasy  fototra sy ny andinindininy araka ny lalàna sy ny fitsipika izay nampiharina, ny filazana fa nohenoina ny mpiady na ireo solontenany ary ny mpampanoa nisahana ny ady amin’ny fanjakana, ny anton’ilay didy ary ny anaran’ireo mpikambana niara namoaka azy.

 

Art. 75. - Les jugements sont rendus "au nom du Peuple Malagasy". Les originaux et les expéditions de ces décisions portent la formule exécutoire suivante :

" La République de Madagascar mande et ordonne  à toute autorité publique et à tous huissiers à ce requis, en ce qui concerne les voies de droit commun, contre les parties privées, de pourvoir à l'exécution du présent jugement ".

Il est interdit au greffier de  délivrer copie ou expédition du jugement avant qu'il n'ait été signé par les membres de la formation de jugement et par lui-même.

 

And.75. - Amin’ny anaran’ny vahoaka malagasy no amoahana ny didy. Ny soratra tena izy sy ny kopian’ny didim-pitsarana dia mitondra ny teny fanatanterahana toy izao :

« Ny Repoblikan’i Madagasikara dia manome fahefana ary mandidy izay manampahefanam –panjakana, izay vadintany voatendry noho izany, momba ireo fangatahana fanovana araka ny lalàna iombonana, izay asetry ireo mpiady isam-batan’olona, mba hanao ny fanatanterahana an’ity didy ity ».

Tsy azon’ny mpiraki-draharaha atao ny manome dika mitovy na kopian’ny didim-pitsarana raha tsy mbola vita sonian’ny mpikambana niara namoaka ny didy sy ny tenany izany.

 

Art. 76. - La minute des décisions du Tribunal administratif est conservée au greffe pour chaque affaire, avec la correspondance et les pièces relatives à l'instruction.

 

 

Les pièces qui appartiennent aux parties leur sont remises sur récépissé, à moins que le tribunal n'ait ordonné que quelques-unes de ces pièces restent annexées à la décision.

 

And.76. - Ny matoan-tssoratra voalohan’ny didim-pitsaran’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia tehirizina ao amin’ny firaketan-draharaha momba ny raharaha tsirairay, miaraka amin’ny fifandraisana sy ireo taratasy mifandraika amin’ny famotorana.

Ny taratasin’ireo mpiady dia averina aminy ary izany dia anomezana tapakila, raha tsy hoe mandidy ny fitsarana fa ny sasany amin’ireo taratasy ireo dia ajanona ho tovan’ny didy.

 

Art. 77. - Les décisions du Tribunal administratif sont exécutoires par elles-mêmes.

 

And.77. - Ny didin’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia tsy maintsy tanterahina tsotra izao.

 

Art. 78. - Tous les jugements rendus par le Tribunal administratif sont dispensés de droits d'enregistrement.

 

And.78 . - Ny didim-pitsarana rehetra avoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia tsy andoavana haba noho ny firaiketana.

 

SECTION  IX

DES VOIES DE RECOURS

§ 1. De l'opposition

Art. 79. - Les jugements non contradictoires rendus par le Tribunal administratif peuvent être attaqués par voie d'opposition dans le délai d'un mois à dater de la notification qui en est faite à la partie.

L'acte de notification doit indiquer que, après l'expiration du dit délai, la partie sera déchue du droit de former opposition.

Sokajy IX

NY FANGATAHANA FANAFOANA DIDY

§ 1. Ny fanoherana

And.79. - Ny didim-pitsarana tsy nifanatrehana navoakan’ny fitsarana misahana ny ady atao amin’ny fanjakana dia azo kianina amin’ny alalan’ny fangatahana fanoherana ao anatin’ny fe-potoana iray volana manomboka amin’ny vaninandro nampahafantarana ny didy tamin’ireo mpiady.

Ny taratasy fampahafantarana didy dia tsy maintsy manondro fa aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana voalaza, dia very ny zon’ny mpiady hanao fangataha fanoherana.

 

Art. 80. - Sont considérés comme contradictoires les jugements rendus sur les requêtes ou mémoires en défense des parties, alors même que les parties ou leurs mandataires n'auraient pas présenté d'observations orales à la séance publique.

Toutefois si, après une expertise, les parties n'ont pas été appelées à prendre connaissance du rapport d'expertise, elles pourront former opposition contre la décision du tribunal.

 

And.80. - Raisina ho toy ny nifanatrehana ny didim-pitsarana izay navoaka tamin’ny alalan’ny fitoriana na lahateny ho fiarovan’ny mpiady, na dia tsy naneho fanamarihana am-bava nandritra ny fivoriana ampahibemaso aza ny mpiady na ireo solontenany.

 

Na izany aza anefa, rehefa aorian’ny asan’ny mpahay raha toa tsy nantsoina ny mpiady mba ahafantatra ny tatitry ny mpahay, dia azon’izy ireo atao ny manao fanoherana an’ilay didy avoakan’ny fitsarana.

 

Art. 81. - Lorsque la demande est formée contre deux ou plusieurs parties et que l'une ou plusieurs d'entre elles n'ont pas présenté de défense, le tribunal surseoit à statuer sur le fond, et ordonne que les parties défaillantes soient averties de nouveau à produire leur défense dans un délai qu'il fixe.

Après l'expiration de ce délai, il est statué par une seule décision, qui n'est susceptible d'opposition de la part d'aucune des parties.

 

And.81. - Raha toa ka natao anoherana mpiady roa na maromaro ny fangatahana ka tsy nanao fiarovana ny iray na ny maro amin’izy ireo, dia mampiato ny famoahana didy momba ny votoatin-draharaha ny fitsarana, ary mandidy mba hampahafantarina indray ireo mpiady tsy tonga mba ampiseho ny fiarovany ao anatin’ny fe-potoana noferany.

Aorian’ny fhataperan’io fe-potoana io, dia mamoaka didy amin’ny alalan’ny fanapahana iray ihany izy, ka izany dia tsy azo anaovana fanoherana na avy amin’ny iray amin’ny mpiady aza.

 

Art. 82. - L'opposition est enregistrée par déclaration écrite reçue au greffe de la juridiction qui a statué.

Cette déclaration est enregistrée au greffe de la même juridiction. Elle doit comporter sous peine d'irrecevabilité :

1° le nom et le domicile de l'opposant ;

2° la date du jugement ;

3° le nom et l'adresse de l'autre partie ;

4° les moyens et conclusions.

Cette opposition est notifiée par le greffier aux parties intéressées.

 

And.82. - Ny fanoherana dia  raiketina amin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra raisina ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana izay namoaka didy.

Io fanambarana io dia raiketina ao amin’ny firaketan-draharahan’io fitsarana io ihany. Mba tsy ho tratran’ny tsy fahazoana mandray, io fanambarana io dia tsy maintsy ahitana an’ireto :

1.    Ny anarana sy ny fonenan’ilay mpanao fanoherana,

2.    Ny vaninandron’ny didim-pitsarana,

3.    Ny anarana sy ny adiresin’ilay mpiady ha

4.    Ny fomba enti-miady sy ny fehinteny.

Io fanoherana io dia ampahafantarin’ny mpiraki-draharaha an’ireo mpiady voakasik’izany.

Art. 83. - L'instruction de l'opposition sera effectuée dans les conditions prévues aux articles 21 ci-dessus et suivants de la présente loi.

 

And. 83 . - Ny famotorana ny fanoherana dia atao araka ireo fepetra voatondron’ireo andininy faha 21 sy ny manaraka  voalaza  etsy ambony araka ity lalàna ity.

 

Art. 84. - En cas de rétractation, mention en est faite par le greffier en marge de la décision frappée d'opposition.

 

 

And. 84. - Raha toa ka nisy ny fanatsoahana didy, dia anaovan’ny mpiraki-draharaha soratra an-tsisiny izany didy niharan’ny fanoherana izany.

 

§ 2. De la tierce opposition

Art. 85. - Toute personne peut former tierce opposition à une décision qui préjudicie à ses droits et lors de laquelle ni elle ni celle qu'elle représente n'ont été appelées.

 

§ 2. Ny fanoherana ataon’ny olona ivelan’ny ady.

And. 85 . - Ny olona rehetra ivelan’ny ady dia afaka manao fanoherana didy iray izay nitera-pavoazana ho an’ny zony, ka nadritra izany, na izy na ilay olona nosoloany tena dia tsy nisy voantso.

 

Art. 86. - La tierce opposition est formée suivant les règles établies pour les requêtes introductives d'instance.

 

And. 86. - Ny fanoherana ataon’ny olona ivelan’ny ady dia atao araka ny fitsipika mijoro ho an’ny fangatahana famakiana ady amin’ny fitsarana .

Art. 87. - Le délai pour l'exercer est d'un mois à compter de la date à laquelle le tiers opposant a eu connaissance de la décision lui faisant grief.

Elle ne peut  être exercée, passé le délai de quatre ans après le prononcé de la décision.

 

And. 87. - Ny fe-potoana anaovana izany dia iray volana manomboka ny vanin’andro nahafantaran’ilay olona manao fanoherana ilay didy izay nitera-pahavoazana ho azy.

Io fanoherana io dia tsy azo atao rehefa dila ny fe-potoana efa-taona aorian’ny namoahana an’ilay didy.

 

Art. 88. - La tierce opposition n'a d'effet qu'à l'égard et au profit du tiers opposant. La décision attaquée conserve l'autorité de la chose jugée entre les parties primitives sur tous les points qui ne préjudicient pas au tiers opposant. Elle n'a pas d'effet suspensif.

 

And. 88. - Ny fanoherana ataon’ny olona ivelan’ny ady dia tsy misy fiantraikany afa-tsy amin’ny tenan’ilay olona ivelan’ny ady nanao fanoherana sy ho an’ny tombotsoany. Ny didy nokianina dia mitazona ny fahefan’ny zavatra efa voatsara eo amin’ny mpisady tany aloha mikasika  ny lafin-javatra  tsy mitera-pahavoazana  ho an’ilay olona manao fanoherana. Tsy manana akony mampiantona izy io.

 

Art. 89. - Le tribunal devant lequel la décision attaquée a été produite peut, suivant les circonstances, passer outre, surseoir à statuer ou suspendre l'exécution de la décision.

La partie dont la tierce opposition est rejetée, est condamnée à une amende qui ne peut excéder 200.000 fmg, sans préjudice de dommages-intérêts éventuels.

 

And. 89. - Ny fitsarana izay nanolorana ilay didy hotoherina  dia afaka araka ny toe-java-nisy, mandika , manemotra ny famoahana disy na mampiantona ny fanatanterahana azy.

Ny mpiady ivelan’ny ady izay nolavina ny fanoherany dia didina handoa vola ho sazy izay tsy mihoatra ny efatra alina ariary izany dia tsy misakana izay mety ho onitra.

 

§ 3.   Du recours en révision

Art. 90 - Le recours en révision contre les décisions contradictoires des Tribunaux administratifs est admis :

1° si la décision a été rendue sur pièces fausses ;

2° s'il y a eu dol personnel au cours de l'instruction de l'affaire ;

3° si la partie a été condamnée, faute de présenter une pièce décisive qui a été retenue par son adversaire.

 

§ 3. Ny fangatahana famerenana fitsarana

And. 90. - Ny fangatahana famerenana fitsarana anoherana ireo didy nifanatrehana navoakan’ireo fitsarana ny ady  atao amin’y fanjakana dia raisina :

1° raha toa ilay didy ka navoaka tamin’ny alalan’ny taratasy hosoka.

2° raha toa nisy fitaka nihatra taminy manokana nandritra ny famotorana an’ilay raharaha .

3° raha toa ilay mpiady ka voasazy noho ny  tsy fampisehoana taratasy iray, iankinan’ny fanapahan-kevitra, izay notazonin’ilay olona miady aminy.

Art. 91. - Le recours en révision est introduit par requête dans le délai d'un mois à compter du jour où soit le faux, soit le dol ont été reconnus ou les pièces découvertes. 

 

And. 91. - Ny fangatahana famerenana fitsarana dia ampidirina amin’ny alalan’ny fitoriana ao anatin’ny fe-potoana iray volana manomboka amin’ny andro nahafantarana na ny hosoka, na ny fitaka na ny andro nahitana indray ireo taratasin’ady.

 

§ 4.  Du recours en rectification d'erreur matérielle

Art. 92. - Lorsqu'une décision du Tribunal est entachée d'une  erreur matérielle susceptible d'avoir  exercé une influence sur le jugement de l'affaire, la partie intéressée, peut introduire devant ledit Tribunal un recours en rectification.

Ce recours doit être présenté dans les mêmes formes que celles dans lesquelles est introduite la requête initiale. Il doit être déposé dans  le délai d'un mois qui court du jour de la signification ou de la notification de la décision dont la rectification est demandée.

 

§ 4 . Ny fangatahana ho fanitsiana diso eo amin’ny soratra.

  And.92. - Raha toa ka sendra fahadisoana eo amin’ny soratra ka mety hisy fiantraikany amin’ny didy avoakan’ny fitsarana ilay raharaha, ilay mpiady voakasik’izany dia afaka mampiditra fangatahana ho fanitsiana eo anoloan’io fitsarana io.

Io fangatahana io dia tsy maintsy atao araka ny fombafomba mitovy amin’ireo narahina tamin’ny fangatahana tany am-boalohany. Tsy maintsy apetraka ao anatin ny fepotoana iray volana manomboka ny andron’ny fampahafantarana didy ataon’ny vadintany na ny mpiraki-draharaha, ka io didy io no angatahana fanitsiana.

§ 5.  Du recours en interprétation

Art. 93. - Le recours en interprétation, qui consiste à demander le sens et la portée d'une décision rendue par le Tribunal administratif, est introduit dans les mêmes formes que les requêtes introductives d'instance.

 

§ 5 . Ny fangatahana ho fanazavana didy

And. 93. - Ny fangatahana ho fanazavana didy izay hatao mba hangatahana ny hevitra sy ny fiantraikan’ny didy navoakan’ny Fitsarana misahana ady atao amin’ny Fanjakana dia ampidirina araka ny fombafomba mitovy amin’ireo narahina tamin’ireo fangatahana hampidirana ady any amin’ny Fitsarana.

 

§ 6.  De l’appel et du pourvoi en cassation

Art. 94. - Les décisions juridictionnelles du Tribunal administratif sont susceptibles d’appel devant le Conseil d’Etat dans les conditions et formes prévues au présent paragraphe.

L’appel est ouvert à toutes les parties à l’instance du premier ressort, agissant en la même qualité.

 

§ 6. Ny fakana Fitsarana Ambony  sy ny fangatahana fandravana

And.94. - Ny didy araka ny maha Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana dia azo hakana fitsarana ambony eo anatrehan’ny Filan-kevim-panjakana araka ny fepetra sy fombafomba voatondro atao amin’ity antoko ity.

Ny fakana fitsarana ambony dia misokatra ho an’ny mpiady rehetra tany amin’ny ambaratonga azo hakana fitsarana ambony mijoro amin’ny toerana maha-mpiady azy ireo ihany

 

Art. 95. - L’appel doit être interjeté, à peine de forclusion, dans un délai de deux mois à compter de la notification ou de la signification du jugement ou de la décision attaquée à personne ou à domicile élu.

 

And.95. - Ny fangatahana fitsarana ambony dia atao anaty fe-potoana roa volana manomboka ny fampahafantarana ilay didy na ilay didy toherina amin’ny vata-tena nataon’ny mpiraki-draharaha na ny vadintany na amin’ny fonenana tondroina, raha tsy izany dia maty paik’andro.

 

Art. 96.  - L’appel est formé par déclaration écrite, enregistrée au greffe de la juridiction qui a statué.

L’acte d’appel doit contenir sous peine d'irrecevabilité :

1° le nom et le domicile de l’appelant ;

2° la date du jugement attaqué ;

3° le nom et l’adresse du ou des défendeurs ;

4° l’exposé des faits et moyens ainsi que les conclusions de l’appelant.

 

And.96. - Ny fangatahana fitsarana ambony dia hampidirina amin’ny alalan’ny fanambarana an-tsoratra, voarakitra ao amin’ny firaiketan-draharahan’ny fitsarana naharay ny raharaha. Mba ho azo raisina, ny taratasy fangatahana fitsarana ambony dia tsy maintsy misy :

1.    ny anarana sy fonenan’ny mpampiakatra ;

2.    ny vanin’andron’ ny didim-pitsarana toerina ;

3.    ny anarana sy adiresin’ny na ireo toriana ;

4.    ny filazalazana ireo toe-draharaha sy ny fomba enti-miady sy ny fehintenin’ny mpampiakatra.

 

Art. 97. - Toute partie peut intervenir en appel par simple conclusion dès lors qu’elle justifie d’un droit lésé par le jugement attaqué.

 

And.97. - Rehefa mety ho mpiady dia afaka miditra an-tsehatra ao anivon’ny fitsarana ambony amin’ny alalan’ny fehinteny tsotra raha toa izy ka manamarina ny fisian’ny zo tsy voahajan’ilay didy toherina.

 

Art. 98.  - L’appel n’est pas suspensif sauf si un sursis à exécution a été accordé.

En matière de sursis, l’appel doit être interjeté dans les trois jours qui suivent la notification ou la signification du jugement attaqué.

 

And.98. - Ny fakana fitsarana ambony dia tsy mampihantona raha tsy hoe nisy famiantoana fanatanaterahana .

Mikasika ny fampiantoana, ny fakana fitsarana ambony dia hatao anatin’ny telo andro manaraka ny fampahafantarana ilay didy toherina ataon’ny mpiraki-draharaha na ny vadintany.

 

Art. 99. - Le dossier est transmis par le greffe de la juridiction qui a statué au greffe du Conseil d’Etat.

 

And.99. - Ny antontan-taratasy dia alefan’ny mpiraki-draharahan’ilay fitsarana nandray ny raharaha any amin’ny mpiraki-draharahan’ny Filan-kevim-panjakana.

 

Art. 100.  - Les décisions juridictionnelles du Tribunal administratif rendues en dernier ressort sont susceptibles de pourvoi en cassation dans les conditions et formes prévues par la loi fixant la procédure devant le Conseil d’Etat.

 

And.100. - Ny didy araka ny maha fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana tsy azo hakana fitsarana ambony dia azo angatahana fandravana araka ny fepetra sy fombafomba voatondron’ny lalàna mametra ny paik’ady eo anoloan’ny Filan-kevim-panjakana.

 

SECTION  X

DES DEPENS

Art. 101. - Toute partie qui succombe est condamnée aux dépens.

Les  dépens peuvent, en raison des circonstances de l'affaire, être compensés entre les parties.

Il n'y a lieu en matière électorale à aucune condamnation aux dépens.

Les dépens ne peuvent comprendre que les frais d'expertise, d'enquête et autres mesures d'instruction.

 

SOKAJY X

NY LANY AMIN’NY FITSARANA

And. 101. - Rehefa mety ho mpiady resy dia voasazy handoa ny lany rehetra amin’ny fitsarana.

 Ny lany amin’ny fitsarana dia mety iarahan’ireo mpiady manonitra, arakaraky ny fisehon’ny raharaha.

Amin’ny raharaham-pifidianana, dia tsy misy fanasaziana handoa ny lany amin’ny fitsarana.

 Ny lany amin’ny fitsarana dia tsy ahitana afa-tsy ny saran’ny asan’ny mpahay, ny famotorana sy ireo fepetra hafa famotorana.

Art. 102. - La liquidation des dépens est faite, s'il y a lieu, par la décision qui statue sur le litige.

 

And. 102. - Raha ilaina izay famerana ny lany amin’ny fitsarana dia atao amin’ny alalan’ny didy manapaka momba ny olana.

 

Art. 103. - Si l'état des dépens n'est pas soumis en temps utile au Tribunal, la liquidation est faite par Ordonnance du Président.

 

And. 103. - Raha toa ka tsy natolotra amin’ny fitsarana amin’ny fotoana mahamety azy ny fisehoan’ny lany, dia atao amin’ny alalan’ny didy avoakan’ny filoha ny famerana azy.

 

SECTION  XI

DE L'EXECUTION DES DECISIONS

Art. 104. - Sauf dispositions législatives ou réglementaires contraires, les décisions du Tribunal administratif   sont notifiées par les soins du Greffier à toutes les parties en cause, à leur domicile élu dans les formes prévues à l'article 23 ci-dessus, sans préjudice du droit des parties de faire signifier les dits jugements ou ordonnances par exploits d'huissier.

 

Des expéditions supplémentaires, des jugements ou ordonnances peuvent être délivrées par le Greffier s'il en est requis.

SOKAJY XI

NY FANATANTERAHANA  DIDY

And. 104. - Raha tsy misy andininy araka ny lalàna na didim-panjakana mifandaka aminy, ireo didy avoakan’ny Fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana dia ampahafantarin’ny mpiraki-draharaha amin’ireo mpiady rehetra voakasiky ny raharaha any amin’ny fonenana voatondrony, araka ny fombafomba voalaza ao amin’ny andininy 23 etsy ambony, izany ia dtsy misakana ny zon’ireo mpiady hanao ny fampahafantarana ireo didim-pitsarana na didy avoakan’ny Filoha amin’ny alalan’ny vadin-tany.

Ny dika mitovy fanampin’ny didim-pitsarana na didy avoakan’ny Filoha dia azon’ny mpiraki-draharaha alefa raha  toa takiana izany.

Art. 105. - L’exécution des jugements condamnant l’administration est assurée dans les conditions fixées à l’article 75 ci-dessus et aux articles fixant la procédure devant le Conseil d’Etat. 

Les huissiers à ce requis seront chargés de l’exécution des jugements condamnant les parties privées.

 

And. 105. - Ny fanatanterahana ireo didim-pitsarana manasazy ny fanjakana  dia atao araka ny fepetra voalaza ao amin’ny andininy faha  75 etsy ambony sy ireo andininy mametra ny paik’ady eo anoloan’ny Filan-kevim-panjakana.

Ireo vadin-tany antsoina ho amin’izany dia hiandraikitra ny fanantanterahana ireo didim-pitsarana manasazy ireo mpiady tsotra.

 

Art. 106. - Si le jugement n’est pas exécuté par la partie qui a succombé dans l’instance, l’autre partie peut revenir devant le Tribunal administratif pour obtenir des dommages-intérêts et ce, jusqu’à l’exécution du jugement en cause.

 

And. 106. - Raha toa tsy notanterahin’ny mpiady resy ny didim-pitsarana teo amin’ny fitsarana, ny mpiady iray dia afaka miverina eo anoloan’ny Fitsarana ny ady atao amin’ny fanjakana mba hahazoana onitra, ary izany dia mandrapaha-tanterakin’ny didim-pitsarana momba ilay raharaha.

 

TITRE  II

LES  TRIBUNAUX  FINANCIERS

CHAPITRE  I

De  l'organisation  et  du  fonctionnement

Art. 107. - Un Tribunal financier comprend :

      1° - au siège :

  - un Président ;

  - des Conseillers ;

     2° - au Commissariat financier :

  - un Commissaire financier ;

  - un ou plusieurs Substituts.

      3° - un greffe.

 

LOHATENY II
NY FITSARANA ARA-BOLA

 TOKO I

Ny fandaminana ny fiasany

And. 107. - Ny fitsarana ara-bola dia ahitana :

         1- eo amin’ny Fitsarana famoahana didy :

                  - Filoha iray

                  - Mpanolon-tsaina vitsivitsy.

         2- eo amin’ny fampanoavana ara-bola :

                   - mpampanoa ara-bola iray

                   - iray na solom-pampanoa maromaro

         3- firaketan-draharaha iray

 

Art. 108. - Le Président et le Commissaire financier d’un Tribunal financier sont nommés parmi  les magistrats de l’ordre financier du deuxième grade et à défaut du troisième grade.

 

And. 108. - Ny filoha sy ny mpampanoa ara-bolan’ny Fitsarana ara-bola dia voatendry avy amin’ny mpitsara ao amin’ny sampana ara-bola, laharana faharoa, raha tsy izany dia laharana fahatelo.

 

Art. 109. - Les Conseillers et Substituts d’un Tribunal financier sont nommés parmi les magistrats de l’ordre financier du troisième grade  et  à  défaut, du quatrième grade.

 

And . 109. - Ny mpanolon-tsaina sy ny solo-mpampanoa ao amin’ny Fitsarana ara-bola dia voatendry avy amin’ny mpitsara amin’ny sampana ara-bola, laharana fahatelo, raha tsy izany , dia laharana fahefatra.

 

Art. 110. -  Le Président du Tribunal financier préside les audiences solennelles et ordinaires de sa juridiction.

  Il en est le chef de l’administration .

 

And .110. - Ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia mitarika ny fotoam-pitsarana manetriketrika sy tsotra ao amin’ny fitsarana iadidiny.

Izy no lehiben’ny fitondran-draharaha.

 

Art. 111. - Le Commissaire financier dirige le Commissariat financier du Tribunal financier.

  Il est chargé de défendre l’application de la loi. En outre, il requiert la production des comptes au Tribunal financier de son ressort .

 

And. 111. - Ny Mpampanoa ara-bola dia mifehy ny Fampanoavana ara-bolan’ny Fitsarana ara-bola.

 Izy no miandraikitra ny fiarovana ny fampiharana ny lalàna. Ankoatr’izany, izy no mitaky ny famoahany ny sora-bola ho eo amin’ny Fitsarana ara-bolan’ny faritra iasany.

 

Art. 112. - En formation de jugement, le Tribunal financier statue avec la participation d’un Président et de deux  Conseillers.

 

And. 112. - Eo amin’ny dingana famoahana didy, ny Fitsarana ara-bola dia mitsara ka andraisan’ny Filoha iray sy mpanolon-tsaina roa anjara.

 

Art. 113. - Le Tribunal financier, réuni en Assemblée Générale, est présidé conjointement par le Président et le Commissaire financier.

 

And. 113. - Ny Fitsarana ara-bola, mivory ao amin’ny Fivoriam-be, dia eo ambany fiadidiana iombonan’ny Filoha sy ny Mpampanoa ara-bola.

 

CHAPITRE II

Des Attributions

Art. 114. - Le Tribunal financier juge en premier ressort :

1° les comptes des comptables publics des Collectivités Territoriales  Décentralisées et des Etablissements ou Organismes publics y rattachés d’une part  ;

2° ceux des comptables de fait desdites collectivités, d’autre part.

Toutefois, des textes réglementaires fixeront les conditions et limites de l’apurement administratif des comptes de certaines  Collectivités Territoriales Décentralisées et des Etablissements ou Organismes publics y rattachés.

 

TOKO II

Ny andraikitra

And. 114. - Ny Fitsarana ara-bola dia mitsara , tsy azo hakana Fitsarana Ambony :

               1. ny sora-bolan’ny mpitam-bolam-panjakan’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy ny orin’asa na sampan-draharaham-panjakana miankina amin’izy ireo, etsy andaniny.

               2- ny sora-bolan’ny mpitam-bola ara-toe-draharahan’ireo vondrom-bahoaka, etsy ankilany.

                Na izany aza, hisy rijan-teny amin’ny alalan’ ny didim-panjakana hamaritra ny fepetra sy ny fetran’ny fanadiovana ara-panjakan’ny sora-bolan’ny vondro-bahoaka itsinjiram-pahefana sy ny orin’asa na sampan-draharam-panjakana miankina amin’izy ireo.

 

Art. 115. - Le Tribunal financier procède :

a. au contrôle de l’exécution des budgets des Collectivités Territoriales Décentralisées et à l’examen de leur gestion ;

b. au contrôle des comptes et de la gestion des Etablissements publics à caractère administratif ou industriel et commercial et des entreprises relevant desdites collectivités ;

c. au contrôle des actes budgétaires d’une Collectivité Territoriale Décentralisée sur saisine du Représentant de la Province Autonome en cas  de défaut d’adoption dans les délais  légaux, d’absence d’équilibre réel, ou de défaut d’inscription ou de mandatement d’une dépense obligatoire.

 

And.115. - Ny Fitsarana ara-bola dia misahana :

a. ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetim-bolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fandinihana ny fitantanana,

b. ny fanaraha-maso ny sora-bola sy ny fitantanana ny orin’asam-bahoaka manana endrika ara-panjakana na ara-tao-java-baventy na ara-barotra sy ny orin’asa miankina amin’ireny vondrom-bahoaka ireny.

c. ny fanaraha-maso ny asa ara-teti-bolan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-panjakana amin’ny fampidiran-draharaha ataon’ny solontenan’ny Faritany mizakatena raha toa sendra tsy fisiana fandaniana ao anatin’ny fe-potoana ara-dalàna, tsy fisiana fifandanjana na tsy fisiana soratra, na fandoavana vola mivoaka tsy maintsy aloa. 

 

Art. 116. - Le Tribunal financier peut être consulté par les autorités provinciales ou celles des Collectivités Territoriales Décentralisées ainsi que par le Délégué Général du Gouvernement dans la Province pour donner son avis sur tout projet de texte d’ordre budgétaire , financier ou comptable concernant lesdites collectivités.

 

And.116. - Ny Fitsarana ara-bola dia azon’ny manampahefana ao amin’ny Faritany na ao amin’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny Delege mikasika volavolan-drijan-teny  ara teti-bola, ara-bola , ara-fitatanam-bola mikasika  ireny  vondrom-bahoaka ireny, anontaniana hevitra.

 

CHAPITRE III

De la Procédure

SECTION I

REGLES   GENERALES   DE   PROCEDURE

Art. 117. - Le Président est chargé de la Direction Générale du Tribunal financier.

         Il préside les audiences solennelles publiques et les séances du Tribunal financier.

         Il arrête les programmes de vérification du Tribunal financier après avis du Commissaire financier.

Il répartit les travaux entre les magistrats du Tribunal financier.

Il définit les fonctions des assistants de vérification prévus à l’article 121 ci-dessous de la présente loi.

Il nomme les experts prévus à l’article 123 ci-dessous.

Il arrête les rôles d’audience du Tribunal financier sur proposition du Commissaire financier.

Le Président du Tribunal financier adresse chaque année un compte-rendu des activités au Président de la Cour des Comptes.

  En cas d’absence ou d’empêchement, le Président du Tribunal financier est remplacé par le Conseiller le plus ancien dans le grade le plus élevé.

 

Toko III

Ny Paik’ady

SOKAJY  1

NY FITSIPIKA ANKAPOBEN’NY PAIK’ADY

            And.117. - Ny Filoha dia miandraikitra ny Fitondrana ankapobeny ny Fitsarana ara-bola.

             Izy no mitarika ny fotoam-pitsarana manetriketrika imasom-bahoaka sy ny fivorian’ny Fitsarana ara-bola.

            Izy no mametra ny fandaharam-potoana fanamarinana ataon’ny Fitsarana ara-bola aorian’ny hevitry ny Mpampanoa ara-bola.

            Izy no mizara ny asa eo amin’ny mpitsara ao amin’ny Fitsarana ara-bola.

            Izy no mamaritra ny asan’ny mpanampy ny fanamarinana voatondron’ny andininy 121 etsy ambany amin’ity lalàna ity.

                Izy no manendry ny mpahay voatondro ao amin’ny andininy 123 etsy ambany.

            Izy no mametra ny bokim-draharahan’ny fotoam-pitsaran’ny Fitsarana ara-bola araka ny tolo-kevitra avy amin’ny Mpampanoa ara-bola.

Ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia mandefa tatitry ny asa any amin’ny Filohan’ny Fitsarana ny sora-bola isan-taona.

            Raha sendra misy tsy fahatongavana na tsy fahafahany, ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia soloin’ny mpanolontsaina tranainy indrindra ao amin’ny laharana avo indrindra.

 

Art. 118  - Le Commissaire financier veille à la production des comptes dans les délais réglementaires et, en cas de retard, requiert l’application de l’amende prévue par la loi.

  Il défère au Tribunal financier les opérations présumées constitutives de gestion de fait.

  Il requiert en cas de besoin l’application de l’amende pour immixtion dans les fonctions de comptable public.

Il est tenu informé de l’exécution des travaux du Tribunal financier.

  Il présente des conclusions écrites sur les rapports qui lui sont tous obligatoirement communiqués, avec pièces à l’appui.

  Le Commissaire financier peut assister aux séances du Tribunal financier et y présenter des observations orales. Il est présent dans les commissions ou comités constitués au sein du Tribunal financier.

And.118. - Ny Mpampanoa ara-bola dia miahy ny famoahana ny sora-bola ao anatin’ny fe-potoana voafetran’ny lalàna ary, mitaky ny fampiharana ny vola aloa ho sazy voatondron’ny lalàna rehefa tratra aoriana izy ireny.

            Izy no mandefa any amin’ny Fitsarana ny kajikajy heverina ho mahatonga fitantanana ara-toe-draharaha.

            Izy no mitaky, raha ilaina izany, ny fampiharana ny vola aloa ho sazy noho ny fitsabahana amin’ny asan’ny mpitam-bolam-panjakana.

            Tsy maintsy ampahafantarina azy ny fanatanterahana ny asan’ny Fitsarana ara-bola.

            Manolotra fehinteny an-tsoratra momba  ny tatitra izay tsy maintsy alefa any aminy izy, miaraka amin’ny singan-taratasy ho fanohanana.

                Ny Mpampanoa ara-bola dia afaka manatrika ny fivorian’ny Fitsarana ara-bola sy manolotra fanamarihana am-bava. Isan’ireo ao anatin’ny voamiera na komity natsangana ao anatin’ny Fitsarana ara-bola izy.

 

Art. 119. - Les magistrats exerçant le ministère public peuvent informer les autorités compétentes des observations relevées par le Tribunal financier et, dans le cadre des attributions du ministère public, correspondre avec les administrations des Collectivités Décentralisées et juridictions de son ressort.

Le Commissaire financier propose l’inscription des affaires en état au rôle.

Il donne son avis sur les programmes  de vérification du Tribunal financier.

Nonobstant le programme arrêté , il peut requérir la mise en distribution d’un compte.

Il est consulté pour l’examen de toute demande de remise gracieuse concernant des débets prononcés par le Tribunal financier concerné.

Il peut saisir la juridiction compétente de toutes les irrégularités financières  qu’il aurait constatées.

Il répartit les travaux entre les substituts.

Il  rend  compte  de  ses  activités  au Commissaire Général  du  Trésor  public  près la Cour des Comptes de l’exécution du ministère public .

En cas d’absence ou d’empêchement, le Commissaire financier est remplacé par le Substitut le plus ancien dans le grade le plus élevé .

 

And.119. - Ny mpitsara miasa ao amin’ny fampanoavana dia afaka mampahafantatra avy amin’ny manam-pahefana mahefa ny fanamarihana hitan’ny Fitsarana ara-bola sy, anatin’ny andraikitry ny fampanoavana, mifandray amin’ireo fitondran-draharahan’ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana sy ny fitsarana amin’ny fari-piadidiany.

Ny mpampanoa ara-bola dia manolotra ny fanoratana ny raharaha efa azo tsaraina ho ao anaty bokin-draharaha.

Manome ny heviny momba ny fandaharam-potoanan’ny fanamarinana ny fitsarana ara-bola izy.

Na dia eo aza ny fandaharam-potoana tapaka, dia afaka mitaky ny hanaovana fizarana ny sora-bola izy.

Antsoina izy rehefa misy fandinihina fangatahana tsy fandoavam-bola momba ny vola tokony haloa lazain’ny fitsarana ara-bola voakasik’izay.

Izy dia afaka mandefa raharaha any amin’ny Fitsarana mahefa momba ny tsy ara-dalàna rehetra mety ho hitany .

Mitsinjara ny asa ny amin’ireo solom-pampanoa izy .

Manao tatitra ny asany any amin’ny Mpampanoa Jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana ao amin’ny Fitsarana Kaonty momba ny fanatanterahana nataon’ny Fampanoavana izy.

Raha sendra tsy fahatongavana na tsy fahafahana , ny mpam panoaara-bola dia soloin’ny solom-pampanoa ela indrindra ao amin’ny laharana avo indrindra.

 

Art. 120. - Le Président du Tribunal financier est assisté par un greffier qui assure le fonctionnement du greffe et des services administratifs du Tribunal financier.

Le Greffier du Tribunal  certifie les expéditions des jugements et en assure la notification aux comptables.

Il délivre et certifie extraits et copies des actes intéressant le fonctionnement du Tribunal financier.

Le greffe du Tribunal financier procède, sous le contrôle du Commissariat financier, à l’enregistrement des comptes produits au Tribunal et des actes, documents et requêtes dont il est saisi. Il prépare l’ordre du jour des séances du Tribunal financier, note les décisions prises et assure la tenue des rôles, registres et dossiers.

Le Président du Tribunal financier peut, en cas d’absence ou d’empêchement du greffier, faire appel pour le suppléer, à un fonctionnaire affecté au Tribunal.

And. 120. - Ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia otronin’ny mpiraki-draharaha izay miantoka ny asan’ny mpiraki-draharaha sy ny sampan-draharaham-panjakanan’ny Fitsarana ara-bola.

Ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana dia manamarina ny dika mitovin’ny didim-pitsarana ary miantoka  ny fampahafantarana izay any amin’ny mpitam-bola.

Mizara sy manamarina ny soratra ampahany sy ny dika mitovy mikasika izany momba ny fiasan’ny Fitsarana ara-bola izy.

 Eo ambany fanaraha-mason’ny Fampanoavana ara-bola, ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana ara-bola dia manao ny firaketana ny sora-bola navoaka teo amin’ny Fitsarana sy ny paik’ady, taratasy na fitoriana voaray. Izy no manomana ny loha-hevitra hodinihana ao amin’ny fivorian’ny Fitsarana ara-bola, mandray ny fanapahan-kevitra tapaka sy miantoka ny fitazonana ny bokin-draharaha, boky firaketana sy anton-taratasy.

Ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia, afaka miantso mpiasam-panjakana miasa ao amin’ny Fitsarana hisolo azy, raha sendra misy tsy fahatongavana na tsy fahafahan’ny mpiraki-draharaha.

 

Art. 121. - Les vérifications et l’examen des affaires sont confiés à un ou plusieurs magistrats chargés d’en faire rapport devant le Tribunal financier.

A cet effet, des agents  de  l’Etat  ou  des  Collectivités  Territoriales  Décentralisées  peuvent  être  détachés  auprès  du  Tribunal  financier  pour  assister  ses  membres  dans  l’exercice  de  leur  compétence  dans  les  conditions  fixées  par  voie  réglementaire.  Les  intéressés,  dénommés  assistants  de  vérification,  ne  peuvent  exercer  aucune  activité  juridictionnelle.

Les assistants de vérification qui participent aux travaux de contrôle sous la direction et la responsabilité des rapporteurs sont désignés par le Président du Tribunal financier.

And. 121. - Ny fanamarinana sy ny fanadihadiana ny raharaha dia ankinina amin’ny mpitsara iray  na maromaro voatendry hanao tatitra momba izany eo anoloan’ny Fitsarana ara-bola.

Noho izany, hisy mpiasan’ny fanjakana foibe na ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azo alefa eny amin’ny Fitsarana ara-bola ma hanatrika ny mpikambana ao, eo ampanatanterahana ny fahefàny araky ny fepetra voalaza amin’ny alalan’ny didim-panjakana. Ireo voakasik’izany antsoina hoe mpanampy ny asa fanamarinana, dia tsy afaka manao asa eny amin’ny Fitsarana.

Ny mpanampy amin’ny asa fanamarinana izay mandray anjara amin’izany asa fanamarinana izany, eo ambany fitarihana sy andraikitry ny mpampaka-teny, dia tendren’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola.

Art. 122. -  Les rapporteurs procèdent sur pièces et sur place, aux vérifications et instructions qui leur sont confiées. Celles-ci comportent, en tant que de besoin, toutes demandes de renseignements, enquêtes ou expertises.

 

And. 122. - Ny mpampaka-teny dia manao ny fanamarinana sy ny famotorana nankinina tamin’izy ireo amin’ny alalan’ny taratasy avy any an-toerana. Ireo asa ireo dia ahitana raha ilaina izany, ireo fangatahana toro-lalana famotorana na asan’ny manam-pahaizana.

 

Art. 123. - Le Tribunal financier peut recourir pour des enquêtes de caractère technique à l’assistance d’experts désignés par le Président. S’il s’agit d’agents publics, il informe leurs départements de rattachement. Les experts sont tenus à l’obligation  de secret professionnel.

And. 123. - Ny fitsarana ara-bola dia afaka miantehitra amin’ny fanampian’ny manam-pahaizana tendren’ny Filoha, rehefa misy famotorana manana endrika teknika. Raha toa mpiasam-bahoaka, ny Fitsarana dia mampandre ny Departemanta iankinana. Ny manam-pahaizana dia tsy maintsy mitazona ny tsiambaratelon’ny asa.

 

Art. 124. - Les ordonnateurs, les comptables, les dirigeants des organismes vérifiés et les représentants et agents de l’Etat, des Provinces Autonomes et des Collectivités Territoriales Décentralisées sont tenus de communiquer sur leur demande aux rapporteurs tous documents et de fournir tous renseignements relatifs à la gestion des services ou organismes soumis au contrôle du Tribunal financier.

Ces rapporteurs peuvent se rendre dans les services et organismes concernés. Ces derniers ont à prendre toutes dispositions pour leur permettre de prendre connaissance des écritures et documents tenus et, en particulier, des pièces préparant et justifiant le recouvrement des recettes, l’engagement, la liquidation, l'ordonnancement et le paiement des dépenses. Les rapporteurs se font délivrer copie des pièces nécessaires à leur contrôle.

Pour les gestions ou les opérations faisant appel à l’informatique, le droit de communication implique l’accès à l’ensemble des données et programmes ainsi que la faculté d’en demander la transcription dans des documents directement utilisables pour les besoins du contrôle par tout traitement approprié.

Les rapporteurs ont accès à tous immeubles, locaux et propriétés dont sont propriétaires, locataires et occupants les Collectivités Territoriales Décentralisées ou les autres personnes morales de droit public et organismes soumis au contrôle du Tribunal financier ; ils peuvent procéder à la vérification des fournitures, matériels, travaux et constructions.

And. 124. - Ny mpanome baiko handoa vola, ny mpitam-bola, ny mpitarika ny Fikambanana nohamarinina, ny solon-tena sy ny mpiasam-panjakana, ny Faritany Mizaka tena sy ny Vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana dia manana adidy handefa any amin’ny mpampaka-teny, rehefa angatahin’izy ireo izany, ny antontan-taratasy rehetra sy hanome ny toro-lalana rehetra mikasika ny  fitantanana ny sampan-draharaha na Fikambanana atolotra eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana ara-bola.

Ireny mpampaka-teny ireny dia afaka mandeha ho any amin’ireny sampan-draharaha  na Fikambanana voakasik’izany. Ireto farany ireto dia tokony haka ny fepetra rehetra mba hahafahany mahafantatra ny sora-bola sy antontan-taratasy notazonina, ary indrindra, fa, ireo taratasy manomana sy manamarina  ny fitakiana ny vola miditra , ny fikarakarana, ny famerana , ny baiko handoavam-bola sy ny fandoavam-bola. Ny mpampaka-teny dia handefasana dika mitovin’ireo taratasy ilaina ho amin’ny fanaraha-maso ataony.

Ho an’ny fitantanana sy kajikajy mila fampiasana solon-tsaina, ny zo amin’ny fifandraisana dia midika ho fahazoana miditra any amin’ny  fitambaran’ny  fandaharan’asa, ary ny fahefana mangataka ny  famoretana izany any amin’ny atontan-taratasy azo ampiasaina  mivantana  noho ny filan’ny fanaraha-maso amin’ny alalan’ny fomba famahana olana tena izy.

Ny mpampaka-teny  dia afaka miditra any amin’ireo trano, efitrano, na tany izay ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana na ny Fikambanana mijoro araka ny lalàna mifehy ny Fanjakana sy Fikambanana eo ambany  fanaraha-mason’ny Fitsarana ara-bola no tompony, mpanofa, na mizaka azy ; alefa manao ny fanamarinana ny kojakoja, fitaovana, asa sy fanorenana.

 

Art. 125. - Le Tribunal financier se fait communiquer, par l’intermédiaire du Commissariat financier, les rapports des services d’inspection et corps de contrôle.

 

And. 125. -  Ny Fitsarana ara-bola dia andefasana ireo tatitry ny sampan-draharahan’ny fisafoana, sy ireo antokon-draharahan’ny fanaraha-maso, amin’ny alalan’ny Fampanoavana ara-bola.

 

Art. 126. - Après communication du rapport au Commissariat financier, le Président du Tribunal financier inscrit l’examen du rapport à l’ordre du jour du Tribunal financier.

 

And. 126. -  Aorian’ny fandefasana ny tatitra ho any amin’ny fampanoavana ara-bola, ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia manoratra ny fandinihana ny tatitra ho amin’ny lohahevitra iasan’ny Fitsarana ara-bola amin’io andro voatondro io.

 

Art. 127. - A l’audience, le Rapporteur présente son rapport devant le Tribunal financier au cours de laquelle, lecture est donnée des conclusions du Commissariat financier.

  Lorsque le Commissariat financier assiste à la séance, il présente ses conclusions et prend part au débat.

Lorsqu’il a été décidé d’entendre les responsables de la collectivité ou de l’organisme vérifié, le rapport, un extrait du rapport ou un questionnaire leur sont adressés préalablement à leur audition.

Le représentant de la Province Autonome peut être invité, dans les mêmes conditions, à  faire connaître ses observations au Tribunal financier.

Le Tribunal financier délibère ensuite. Il rend une décision sur chaque proposition. S’il est nécessaire de procéder à un vote, le Président recueille successivement le vote de chacun des conseillers et il opine le dernier.

 

And. 127. - Eo amin’ny fotoam-pitsarana, ny mpampaka-teny dia manolotra ny tatitra eo anoloan’ny Fitsarana ara-bola, ka eo no vakiana ny fehin-tenin’ny Fampanoavana ara-bola.

Rehefa manatrika ny fivoriana ny fampanoavana ara-bola, dia manolotra ny fehin-teny izy sady mandray anjara amin’ny fifandaharana.

Raha toa tapaka fa hohenoina ny tompon’andraikitry ny vondrom-bahoaka na ny Fikambanana nohamarinina, ny tatitra, ny ampahany iray amin’ny tatitra na ny andiam-panontaniana dia alefa any amin’izy ireo mialohan’ ny fihainoana azy.

Azo atao ny manasa ny solon-tenan’ny Faritany Mizaka tena mba hampahafantatra amin’nyFitsarana ara-bola ny  fanamarihany arak’ireo fepetra ireo ihany.

Avy eo dia mivory ny Fitsarana ara-bola. Mamoaka didy mikasika ny tolo-kevitra tsirairay izy. Raha toa ka ilaina  ny miroso amin’ny latsa-bato, dia raisin’ny Filoha ny latsa-baton’ny mpanolon-tsaina tsirairay avy, ary izy no milaza ny heviny farany.

 

SECTION  II

CONTROLE  JURIDICTIONNEL DES COMPTES

§ 1 . De   la   production des comptes

Art. 128. - Ont la qualité de comptables principaux et sont, à ce titre, justiciables du Tribunal financier, les comptables publics astreints à la présentation d’un compte de gestion relatif aux opérations des Collectivités Territoriales Décentralisées ou de leurs établissements publics, que ces opérations soient effectuées directement par eux-mêmes ou par des comptables subordonnés qui leur sont rattachés.

Ces comptables publics doivent prêter serment devant le Tribunal financier en ces termes :

"Miniana aho fa hanatanteraka ny andraikitro antsakany sy andavany ary am-pahamarinana sy araka ny Lalàna amin'ny maha mpitam-bolam-panjakana ahy".

Toutefois, des textes réglementaires fixeront les conditions et limites dans lesquelles les comptes de certaines Collectivités Territoriales Décentralisées pourront faire l’objet d’un apurement administratif.

 

SOKAJY II

FANARAHA-MASO ARA-PITSARANA NY SORA-BOLA

§1. Ny fanorohana ny sora-bola

  And. 128. - Ny mpitam-bolam-panjakana  voatery hanolotra ny sora-bolam-pitantanana mikasika ny kajin’ny Vondrom-bahoaka-mparitra itsinjaram-pahefana na antokon-draharaham-panjakana dia mitondra ny anaran’ny Mpitam-bola fototra eo amin’ny Fitsarana ara-bola, ka noho izany azo entina hotsaraina, na izy ireo no manao mivantana  izany kajy izany na mpitam-bola eo ambany fifehezana miankina aminy.

 

Ireo mpitam-bolam-panjakana ireo dia manao fianianana eo anoloan’ny Fitsarana ara-bola araka izao fitenenana izao :

"Miniana aho fa hanatanteraka ny andraikitro antsakany sy andavany ary am-pahamarinana sy araka ny Lalàna amin'ny maha mpitam-bolam-panjakana ahy".

Na izany aza, hisy rijan-teny hametraka fepetra sy faritra ka ao anatin’ireo no azo hanaovana fanadiovana ara-panjakana ny sora-bolan’ireo Vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana sasantsasany.

 

Art. 129.  - Nul ne peut compter pour autrui, si ce n’est à titre d’héritiers ou d’ayants cause, de mandataires ou de commis d’office nommés par l’Administration.

Le compte est toujours rendu au nom du titulaire de l’emploi.

En cas de décès du comptable, l’obligation de rendre compte se transmet à ses héritiers.

 

And. 129. - Tsy misy olona afa-manao sora-bola ho an’ny olon-kafa, raha tsy hoe noho ny maha-mpandova, na noho ny maha-tompon’ny zo, na maha solon-tena, na voatendrin’ny fitondram-panjakana.

 Ny sora-bola dia avoaka foana amin’ny anaran’ny tompon’ny asa.

 Raha misy ny fahafatesan’ny mpitam-bola, dia mifindra amin’ireo mpandova ny adidy tokony hanaovana tatitra.

 

Art. 130.  - Les comptes affirmés sincères et véritables sous les peines de droit, datés et signés par les comptables, sont présentés à la Juridiction en fin d’exercice dans les formes et délais prescrits par les règlements.

Ces comptes doivent être en état d’examen et appuyés des pièces générales correspondantes. Après la présentation du compte, il ne peut y être apporté aucun changement.

Les pièces justificatives s’y rapportant sont envoyées trimestriellement en cours de gestion au Tribunal financier. Nonobstant le défaut de production de comptes de gestion dans le délai imparti, le Tribunal financier peut procéder d’office au jugement des comptes à partir des pièces justificatives.

 Toutefois, décharge ne peut être accordée au comptable qu’après constatation de l’exacte reprise du reliquat au compte suivant conformément à l’article  139.

 

And. 130. - Ny sora-bola voalaza fa marina sy tena izy ka voaisy vanin’andro sy sonian’ny mpitam -bola, raha tsy izany dia iharan’ny sazy voalazan’ny lalàna, dia atolotra ny Fitsarana amin’ny faran’ny taom-piasana araka ny fombafomba sy fe-potoana voatondron’ny didim-panjakana.

Ireo sora-bola  ireo dia tsy maintsy atao vonona hodinihina sy ampiarahina amin’ny taratasy ankapobeny mifanandrify amin’izany . Aorian’ny fanolorana ny sora-bola, dia tsy misy mihitsy fanovana azo atao.

Ny taratasy fanamarinana mifandray amin’izany dia alefa isan-telo volana, eo ampanaovana fitantanana ho any amin’ny Fitsarana ara-bola. Na dia eo aza ny tsy fisian’ny fanolorana  ny sora-bolan’ny fitantanana ao anatin’ny fotoana voafetra, ny Fitsarana ara-bola dia afaka miroso avy hatrany amin’ny fitsarana ny sora-bola miainga amin’ny taratasy fanamarinana.

Na izany aza, dia tsy azo omena fahafahana ny mpitam-bola raha tsy aorian’ny fahatsapana  ny fandraisana marina  ny ambim-bava ho amin’ny sora-bola manaraka, araka ny andininy faha 139.

 

Art. 131. - En cas de décès ou de défaut du comptable, le compte ne peut être signé que par ses héritiers ou par un fondé de pouvoirs habilité. Un commis d’office est nommé aux lieu et place du comptable ou de ses héritiers ou du fondé de pouvoirs. Il peut signer et présenter le compte à leur place.

Il en est de même lorsque l’apurement d’une gestion présentera des difficultés particulières.

La décision nommant le commis d’office fixe le délai imparti pour présenter le compte.

 

And. 131. - Raha misy fahafatesana na tsy fisian’ny mpitam-bola, ny mpandova na olona nomena fahefana manokana ihany no afaka manao sonia ny sora-bola. Misy olona iray tendrena avy hatrany haka ny toerana sy ny asan’ny mpitam-bola, na ireo mpandova, na ny nomem-pahefana. Afaka manao sonia sy manolotra ny sora-bola amin’ny toeran’izy ireo izy.

Toy izany koa rehefa ny fahdiovan’ny sora-bola dia ahitana fahasarotana manokana.

Ny didy manendry ilay voa-iraka dia mametra fe-potoana mba hanolorana ny sora-bola.

 

Art. 132. - Sauf décisions contraires prises pour des cas individuels, les comptables remplacés en cours d’année ou d’exercice sont dispensés de rendre un compte séparé de leur gestion.

Il est établi un compte unique des opérations de l’année ou de l’exercice qui est préparé et mis en état d’examen par le comptable en fonctions au 31 décembre ou à la clôture de l’exercice.

Ce compte fait apparaître distinctement les opérations propres à chacun des comptables qui se sont succédés dans le poste pendant l’année ou l’exercice et qui demeurent responsables de leur gestion personnelle. Chaque comptable doit certifier le compte en faisant précéder sa signature d’une mention aux termes de laquelle il s’approprie expressément les  opérations.

 

And. 132.. - Raha tsy misy didy mifanohitra raisina noho ny toe-javatra manokana, ireo mpitam-bola nosoloina nandritry ny taona na taom-piasana dia tsy manolotra sora-bola misaraka amin’ny fitantanan’izy ireo.

Misy sora-bola  iray ahitana ny kajin’ny taona na ny taom-piasana  omanina sy atao vonona hodinihin’ny mpitam-bola amperin’asa ny 31 desambra hatramin’ny famaranana ny taom-piasana.

Io sora-bola io dia mampiseho miavaka tsara ny kajy manokana an’ireo mpitam-bola nifandimby teo amin’ny toerana nandritry ny taona na ny taom-piasana sy mijanona ho tompon’andraikitry ny fitantanana nataon’ny tenan’izy ireo. Ny mpitam-bola tsirairay dia tsy maintsy manamarina ny sora-bola amin’ny alalan’ny soniany izay ialoavan’ny filazana hoe izy no mandray an-tanana mazava ny kajy.

 

§ 2 .  Du   jugement des comptes

Art. 133. - Le Président du Tribunal financier répartit les dossiers et comptes entre les rapporteurs  qu’il désigne ; ceux-ci procèdent à la vérification des comptes en reprenant la dernière ligne du compte précédent  et en examinant les pièces de recettes et de dépenses de la gestion et les justifications qui y sont annexées.  

Sur présentation d’un ordre de mission du Président du Tribunal financier, les magistrats rapporteurs peuvent recueillir auprès des administrations ou organismes concernés, tous renseignements nécessaires à leur enquête et obtenir communication de tous documents, y compris ceux à caractère fiscal. L’ordre de mission délivré qui aura une période de validité limitée, devra spécifier nettement l’objet de l’enquête.  

A cet effet, les règles du secret professionnel ne sont pas opposables aux magistrats du Tribunal financier, porteurs d’un ordre de mission du Président du Tribunal financier, ce dernier devant néanmoins en aviser le chef de département intéressé. Si aucune disposition légale n’interdit la communication d’information et des pièces pouvant éclairer l’instruction des magistrats rapporteurs, celles-ci doivent leur être présentées à leur demande.

Le fait de faire obstacle, de quelque façon que ce soit, à l’exercice des pouvoirs attribués aux Conseillers  rapporteurs  du  Tribunal  financier  est  passible  d’amendes  de  1 million à 10 millions de francs malagasy prononcées par le Tribunal financier.

L’instruction terminée, les Conseillers rapporteurs transmettent le dossier et leur rapport appuyé des pièces justificatives et frappé d’observations, au Président du Tribunal financier qui le communique obligatoirement au Commissaire financier, puis réunit le Tribunal aux fins de jugement.

§ 2  Ny fitsarana ny sora-bola

And. 133. - Ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola dia mitsinjara ny antontan-taratasy sy sora-bola amin’ireo mpampaka-teny voatendry ; ireto mpampaka-teny ireto dia miroso amin’ny fanamarinana ireo sora-bola ka mandray ny fitsipika faran’ny sora-bola teo aloha sy mandinika ireo taratasin’ny vola miditra sy mivoaka momba ny fitantanana sy ireo fanamarinana atovana miaraka aminy.

Rehefa mampiseho baiko hanatontosa iraka avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola, ireo mpitsara mpampaka-teny dia afaka mandray eo amin’ny fitondran-draharaham-panjakana na Fikambanana voakasik’izany, izay hevitra ilaina amin’ny famotorana ary mahazo ny fampitana ny antontan-taratasy rehetra, ka anisan’izany ireo manana endrika hetra . Ny baiko hanantontosa iraka izay nomena ka manana vanim-potoana fananan-kery voafetra, dia tsy maintsy manoritra mazava ny votoatin’ny famotorana.

Arak’izany, ny fitsipika tsiambaratelon’ny asa dia tsy azo atohitra ireo mpitsaran’ny Fitsarana ara-bola, mitondra baiko hanantontosana iraka avy amin’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola, ity farany nefa dia tsy maintsy mampafantatra izany amin’ny lehiben’ny Departemanta voakasik’izany. Raha toa ka tsy misy andinindininy araka ny lalàna mandrava ny fampitana vaovao sy ny taratasy afaka manazava ny famotorana ataon’ny mpitsara mpampaka-teny, ireo taratasy ireo dia tsy maintsy aseho azy ireo rehefa angatahiny.

Ny fisakanana na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana ny fampiasana ireo fahefana nomena ireo mpanolon-tsaina mpampaka-tenin’ny Fitsarana ara-bola dia mahavoasazy handoa vola roa hetsy ariary ka hatramin’ny roa tapitrisa ariary izay tononin’ny Fitsarana ara-bola.

Rehefa vita ny famotorana, ireo mpanolon-tsaina mpampaka-teny dia mandefa ny antontan-taratasy sy ny tatitr’izy ireo arahin’ny taratasy fanamarinana sy asiana fanamarihana, any amin’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola izay tsy maintsy mampita izany any amin’ny mpampanoa ara-bola, avy eo dia mamory ny Fitsarana mba ahafahana mamoaka didy.

 

Art. 134. - Le Tribunal siège avec l’assistance d’un greffier. Les débats ne sont pas publics. Le jugement définitif est rendu en audience publique.

 

And. 134. - Ny Fitsarana dia mamoaka didy, ka atrehin’ny mpiraki-draharaha izany. Ny fifanarahana dia tsy atao imasom-bahoaka. Ny didy raikitra dia avoaka amin’ny fotoam-pitsarana imasom-bohoaka.

 

Art. 135. - Le Tribunal apprécie la régularité des justifications des opérations inscrites dans les comptes.

Lorsqu’il constate des irrégularités mettant en cause la responsabilité du comptable, il enjoint à ce dernier d’apporter la preuve de leur rectification ou de produire des justifications complémentaires.

Les charges relevées contre le comptable sont portées à sa connaissance par un jugement provisoire. Ce jugement peut comporter communication des pièces, à charge de réintégration.

 

And. 135. - Ny fitsarana dia mandanjalanja ny maha ara-dalàna ny fanamarinan’ny kajy nosoratana tao anaty sora-bola.

Rehefa mahatsapa fa tsy ara-dalàna ka manohintohina ny andraikitry ny mpitam-bola izy dia didiany ity farany hitondra ny porofon’ny fanitsiana na hamoaka ireo fanamarinana fanampiny.

Ny vesatra mianjady amin’ny mpitam-bola dia ampahafantarina azy ireo amin’ny alalan’ny didy vonjimaika. Io didim-pitsarana io dia mety ahitana fandefasana taratasin’ady, ka tsy maintsy averina izany.

 

Art.  136. - Dans le jugement  provisoire, le Tribunal peut également fixer le reliquat en fin de gestion et faire obligation au comptable d’en prendre charge au compte de la gestion suivante. Il arrête, lorsque le compte comprend de telles opérations, le montant des recettes et des dépenses effectuées durant la période complémentaire du dernier exercice en jugement et constate la conformité des résultats présentés par le compte du comptable et le compte de l’ordonnateur.

 

And. 136. - Anatin’ny didim-pitsarana vonjimaika, ny Fitsarana dia afaka mametra ambim-bava amin’ny faran’ny fitantanana sy manery ny mpitam-bola handray an-tanana izany ho amin’ny sora-bolan’ny fitantanana manaraka.

Mamarana ny tarehi-mariky ny vola miditra sy mivoaka natao izy mandritry ny vanim-potoana fanampin’ny taom-piasana farany nanaovana ny didim-pitsarana ary manamarika ny fifanarahan’ny vokatra nasehon’ny sora-bolan’ny mpitam-bola sy ny an’ny mpanome baiko handoa vola.

 

Art. 137. - Les comptables disposent d’un délai de deux mois pour répondre aux injonctions prononcées par le jugement provisoire, à compter de sa notification.

 

And. 137. - Ny mpitam-bola dia manana fe-potoana roa volana mba hamaliana ny baiko tononin’ny didim-pitsarana vonjimaika manomboka ny fampahafantarana.

 

Art. 138. - En cas de mutation de comptable, le comptable en exercice est tenu de donner suite aux injonctions portant sur la gestion de son prédécesseur. Il communique à ce dernier, une copie du jugement et un projet de réponses destinées à y satisfaire. Il adresse ensuite ces réponses au Tribunal financier après acquiescement du comptable sorti de fonctions.

 

And. 138. - Raha toa misy famindran-toerana ny mpitam-bola, ny mpitam-bola amperin’asa dia tsy maintsy mamaly ny baiko mikasika ny fitantanana nataon’ny mpitam-bola teo alohany. Andefasana dika mitovin’ny didim-pitsarana sy vinavinam-balin-teny mifanaraka amin’izany izy. Avy dia alefany any amin’ny Fitsarana ara-bola ireny  valin-teny ireny, aorian’ny faneken’ilay mpitam-bola teo aloha niala tamin’ilay asa.

 

Art. 139. - Si le comptable a satisfait aux injonctions formulées par le jugement  provisoire ou produit toutes justifications reconnues valables, le Tribunal lève les charges qu’elle avait prononcées.

Toutefois, en raison de l’obligation qui lui est faite de reprendre, au compte de la gestion suivante, le reliquat fixé conformément à l’article 137 ci-dessus, le comptable ne peut être définitivement déchargé de sa gestion que lorsque l’exacte reprise de ce reliquat est constatée.

 

And. 139. - Raha toa ny mpitam-bola nahavaly ny baiko voalaza tao amin’ny didim-pitsarana vonjimaika na namoaka ireo fanamarinana azo ekena ho mitombona, dia manala ny vesatra notononiny ny Fitsarana.

Na izany aza, noho ny adidy mianjady aminy mba hampiditra anaty sora-bolan’ny fitantanana manaraka, ny ambim-bava voafetra araky ny andininy 137 etsy ambony, ny mpitam-bola dia tsy afaka tanteraka amin’ny fitantanany raha tsy voamarika hoe voaray marina io ambim-bava io.

 

Art. 140. - Si les réponses produites par le comptable ne sont pas jugées satisfaisantes, le Tribunal confirme par un jugement définitif, partiellement ou totalement, les charges qu’il avait prononcées.

La juridiction peut toutefois, avant de se prononcer à titre définitif, rendre sur un même compte si besoin est, plusieurs jugements provisoires .

 

And. 140. - Raha toa ny valin-teny aroson’ny mpitam-bola tsy hita hoe nahafa-po, ny Fitsarana dia manamafy amin’ny alalan’ny didim-pitsarana raikitra, amin’ny ampahany na manontolo, ny vesatra notononiny.

Ny Fitsarana anefa dia afaka, mialohan’ny hamoahany didy amin’ny fomba raikitra, mamoaka anaty sora-bola iray, raha ilaina izany, didim-pitsarana vonjimaika samihafa.

 

Art. 141. - Le Tribunal établit par ses jugements définitifs si les comptables sont quittes, en avance ou en débet.

 

Dans les deux premiers cas, il prononce leur décharge définitive, et, si les comptables ont cessé leurs fonctions, il rend un jugement de quitus qui donne main levée de toutes les sûretés et garanties grevant les biens personnels de ces comptables au profit du Trésor Public.

Dans le troisième cas, il les condamne à  solder leur débet. Au vu du jugement de débet, le Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome met en jeu la responsabilité du comptable et, le cas échéant, les garanties correspondantes.

 

And. 141. - Ny Fitsarana dia milaza ao anatin’ny didim-pitsarana raikitra raha toa ny mpitam-bola tsy misy vesatra ihazonana azy, eo amin’ny vola noraisina mialoha, na ny vola tavela tokony aloha eo ampamaranana ny kaonty.

 Amin’ireo toe-javatra roa voalohany ireo, dia tononiny ny ala vesatra raikitra, ary raha toa ireo mpitam-bola ireo nitsahatra tamin’ny asany, dia mamoaka didy izy momba ny fanalana vesatra izay manaisotra ireo antoka mitambatra amin’ny fananana manokan’ireo mpitam-bola izay harotsaka ao amin’ny tahirim-bolam-panjakana.

Amin’ny toe-javatra fahatelo, ny Fitsarana dia mandidy azy ireo hamarana ny vola tavela tokony aloa eo am-pamaranana kaonty. Rehefa mahita ny didim-pitsarana momba ny vola ny Mpampanoa Jeneraly miadidy ny teti-bolan’ny Faritany Mizaka tena dia manakiana ny andraikitry ny mpitam-bola, ary, raha ilaina, ny antoka mifanandrify amin’izany.

 

Art. 142. - Si dans l’examen des comptes, le Tribunal financier relève des faux ou des concussions ou toute autre malversation, il en informe le Commissariat financier qui peut saisir les juridictions compétentes conformément aux dispositions de l’article 119 ci-dessus.

 

And. 142 ; - Raha toa ny Fitsarana ara-bola mahatsikaritra hosoka na risoriso, na izay mety ho fanodikodinam-bola hafa, eo am-pandinihana ny sora-bola, dia mampahafantatra izany any amin’ny Mpampanoa ara-bola izy izay afaka mampiditra ny raharaha eny amin’ny Fitsarana mahefa araka ny andininy faha 119 etsy ambony.

 

Art. 143. - Les jugements définitifs du Tribunal financier sont seuls revêtus de la formule exécutoire suivante : 

"La République de Madagascar mande et ordonne au Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome de… en ce qui le concerne et à tous huissiers à ce requis, en ce qui concerne, les voies de droit commun contre les parties privées, de pourvoir à l'exécution du présent jugement".  

Le  Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome est appelé à faire exécuter lesdits jugements.

 

And. 143. - Ny didim-pitsarana raikitry ny Fitsarana ara-bola ihany no misalotra ny soratra ahazoana manatanteraka ny didim-pitsarana izay toa izao :

« Ny Repoblikan’ny Madagasikara dia maniraka sy mandindy ny Mpampanoa Jeneraly miandraikitra ny teti-bolan’ny Faritany Mizaka tenan’i ……, araka ny tandrify azy sy ireo vadin-tany nantsoina momba izany raha ny mikasika ny paik’ady voalazan’ny lalàna mahazatra atohitra ny mpiady tsotra, mba hanao izay hahatanteraka ity didim-pitsarana ity ».

Ny Mpampanoa Jeneraly miandraikitra ny teti-bolan’ny Faritany Mizaka tena dia antsoina hampanao ny fanatanterahana ireny didim-pitsarana ireny.

 

§ 3.  De   la    notification

Art. 144. - Le Greffier du Tribunal financier notifie aux comptables les jugements rendus sur leur gestion.  

 

Ces notifications sont effectuées par lettres recommandées du greffe  avec demande d’avis de réception.

 

§ 3 Ny fampahafantarana ny didy.

And.144. - Ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana ara-bola dia mampafantatra ny mpitam-bola ireo didim-pitsarana navoaka momba ny fitantanany.

 Ireny fampahafantarana ireny dia atao amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha  ataon’ny mpiraki-draharaha miaraka amin’ny fangatahana filazana naharaisana.

 

Art. 145. - Les comptables adressent au Tribunal financier leurs réponses aux jugements provisoires ; ces transmissions sont effectuées par lettres recommandées avec demande d’avis de réception.

 

And. 145. - Alefan’ireo mpitam-bola any amin’ny Fitsarana ara-bola ireo valinteny momba ny didim-pitsarana vonjimaika ; ireny taratasy ampitaina ireny dia atao amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny fanagatahana filazana naharaisana.

 

Art. 146. - Tout comptable sorti de fonctions est tenu, jusqu’à ce qu’il ait obtenu sa libération définitive, de faire connaître son nouveau domicile et chaque changement de domicile, par lettre recommandée, adressée au greffe du Tribunal financier.

La même obligation incombe aux héritiers du comptable.

And. 146. - Mandra-pahazoany ny fahafahana raikitra, izay mpitam-bola nesorina tamin’ny asany dia tsy maintsy mampahafantatra ny fonenany vaovao sy izay mety ho fifindrany  fonenana, amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha alefa any amin’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana  ara-bola.

Io adidy io dia mianjady amin’ireo mpandova ny mpitam-bola.

 

Art. 147. - Si par suite de refus du comptable ou de ses héritiers ou pour toute autre cause, la notification n’a pu atteindre son destinataire , le greffier du Tribunal financier adresse le jugement à la Commune du dernier domicile connu ou déclaré. Le représentant de l’Etat fait notifier à personne par un agent public qui en retire récépissé et en dresse procès-verbal. Copie du procès-verbal est transmise au Tribunal financier avec le récépissé.

 

And. 147. - Raha toa taorian’ny fandavan’ny mpitam-bola na ny mpandova na noho izay mety ho antony hafa, ka tsy tonga tany amin’ilay andefasana ny fampahafantarana ny didy dia azon’ny mpiraki-draharahan’ny Fitsarana atao ny mandefa ny didim-pitsarana any amin’ny Firaisana nisy ny fonenana farany fantatra na nanaovana fanambarana. Ny solontenam-panjakana dia mampanao fampahafantarana didy any amin’ilay olona amin’ny alalan’ny mpiasam-bahoaka izay maka tapakila naharaisana ary manao fitanana an-tsoratra momba izany. Ampitaina any amin’ny Fitsarana ambony miaraka amin’ny tapakila ny dika mitovin’ny fitanana an-tsoratra.

 

Art. 148. - Si dans l’exercice de cette mission, l’agent public ne trouve pas le comptable, il dépose le jugement à la Commune et dresse de ce fait un procès-verbal qui sera joint au jugement.  

Un avis officiel est alors affiché pendant un mois, au lieu de dépôt.

  et avis informe le comptable qu’un jugement du Tribunal financier le concernant est déposé à la Commune et lui sera remis contre récépissé et que, faute de ce faire avant l’expiration du délai d’un mois, la notification dudit jugement sera considéré comme lui ayant été valablement faite avec toutes les conséquences de droit qu’elle comporte.

Le récépissé du comptable qui a retiré le jugement ou, à défaut, le procès-verbal de l’agent public et le certificat du Maire constatant l’affichage pendant un mois, doivent être transmis sans délai au greffe du Tribunal financier.

 

And.148. – Eo ampanatanterahana ny asany, raha toa ka tsy hitan’ilay mpiasam-bahoaka ny mpitam-bola, dia apetrany ao amin’ny kaominina ny didy ary izany dia anaovany fitanana an-tsoratra izay hakambany amin'ilay didim-pitsarana.

Misy filazana ofisialy izay atao peta-drindrina mandritra ny iray volana, eo amin’ny toerana nametrahana ilay didim-pitsarana.

Io filazana io dia mampandre ny mpitam-bola fa misy didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ara-bola mikasika azy, ka napetraka ao amin’ny kaominina ary hatolotra azy ka hanomezany tapakila, raha toa tsy tanteraka izany alohan’ny fahataperan’ny fe-potoana iray volana, ny fampahafantarana io didim-pitsarana io dia heverina ho toy ny efa vita ara-dalàna arahin’izay mety ho vokany eo amin’ny lalàna.

Ny tapakilan’ny mpitam-bola izay naka ilay didim-pitsarana na, raha tsy izany, ilay fitanana an-tsoratra nataon’ilay mpiasam-bahoaka ary ny fanamarinana avy amin’ny Ben’ny Tanàna milaza ny fisian’ny peta-drindrina nandritra ny iray volana, dia tsy maintsy ampitaina tsy misy hatak’andro ao amin’ny firaketana-draharahan’ny Fitsarana ara-bola.

 

Art. 149. - La notification des jugements du Tribunal financier aux personnes déclarées comptables de fait a lieu par lettre recommandée avec demande d’accusé de réception, adressée par le greffier du Tribunal au dernier domicile connu.

 

Il peut être demandé à cet effet, tous renseignements utiles aux autorités administratives du lieu de la gestion de fait, et, le cas échéant, aux autorités dont relève le comptable de fait.

 

 

Si, par suite de refus du comptable de fait, ou pour toute autre cause, la notification n’a pu atteindre son destinataire, cette notification  sera faite au dernier domicile connu suivant la procédure instituée aux articles 147 et 148 ci-dessus.

 

And.149. - Ny fampahafantarana ireo didim-pitsaran’ny fitsarana ara-bola amin’ireo olona lazaina fa mpitam-bola araka ny toe-draharaha, dia atao amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha miaraka amin’ny fangatahana tapakila naharaisana izay alefan’ny mpiraki-draharahan’ny fitsarana any amin’ny toerana fantatra fa nonenany farany.

Noho izany, azo atao ny mangataka ny toro-làlana rehetra ilaina any amin’ireo manampahefana ara-panjakana ao amin’ny toerana nisian’ny fitantanana araka ny toe-dra-haraha ary raha ilaina izany, dia any amin’ireo manampahefana iasan’ilay mpitam-bola araka ny toe-draharaha.

Raha toa, taorian’ny fandavan’ny mpitam-bola araka ny toe-draharaha, na noho izay mety ho antony, ka tsy tonga tany amin’ilay nadefasana azy io fampahafantarana didy io dia hatao any amin’ny toerana fantatra fa nonenany farany araka ny paik’ady soritan’ny andininy faha-147 sy 148 voalaza etsy ambony izany.

 

§ 4 .  De  la  gestion de fait

Art. 150. - Est considérée comme gestionnaire de fait et tenue pour comptable, toute personne autre que le comptable qui, sans autorisation légale, se serait ingérée dans le maniement des deniers publics, ou même de deniers privés quand ceux-ci, en vertu des lois et règlements, auraient dû être encaissés et conservés par le comptable.

Les gestions de fait entraînent les mêmes obligations et responsabilités que les gestions patentes et régulièrement décrites.

 

§ 4 . Ny fitantanana araka ny toe-draharaha

            And.150. - Heverina ho toy ny mpitantana araka ny toe-draharaha ary raisina ho toy ny mpitam-bola, izay olona ankoatran’ny mpitam-bola tsy nahazo alalana ara-dalàna nefa nitsabaka amin’ny fikirakirana ny volam-panjakana, na koa volan’olon-tsotra raha toa ka tokony ho raisiny sy hotehirizin’ny mpitam-bola ireo volan’olon-tsotra ireo araka ny didy aman-dalàna.

Ny fitantanana araka ny toe-draharaha dia mitarika adidy sy andraikitra izay mitovy amin’ny fitantanana azo tsapai-tanana sy voasoritra ra-potoana.

Art. 151. - Les Commissaires Généraux des Provinces Autonomes , les représentants légaux des Collectivités Territoriales Décentralisées et établissements publics sont tenus de signaler au Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome, toute gestion de fait qu’ils découvrent dans leurs services respectifs. La même obligation incombe aux autorités de tutelle desdits établissements.

 

And. 151. - Ireo kaomisera Jeneralin’ny faritany mizaka tena, ireo solontena ara-dalànan’ny vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana ary ny an’ny an-tokon-draharaham-panjakana dia tsy maintsy mampandre  ny Kaomisera Jeneraly miandraikitra ny teti-bolan’ny faritany mizaka tena, izay mety ho fitantanana araka ny toe-draharaha hitan’izy ireo any amin’nysampan-draharahany tsirairay avy. Mitovy amin’io adidy io ny adidy mianjady amin’ireo olona manam-pahefana mpiahy ireny antokon-draharaha ireny.

 

Art. 152. - En ce qui concerne les gestions de fait, le Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome apprécie s’il est possible et s’il convient d’en intégrer les opérations dans la comptabilité d’un comptable patent.

Si cette intégration n’est pas décidée, ou si son exécution s’avère impossible, le Commissaire Général  chargé du Budget défère la gestion de fait au Tribunal financier.

 

And. 152. - Momba ny fitantanana araka ny toe-draharaha, ny Kaomisera Jeneraly miandraikitra ny teti-bolan’ny faritany mizaka tena dia mandanjalanja raha azo atao na koa mety ny mampiditra ny kajikajy ao anatin’ny sora-bolan’ny mpitam-bola tena izy.

Raha toa ka tsy raikitra io fampidirana io, na hita fa tsy azo atao ny fanatanterahana azy, ny kaomisera Jeneraly miandraikitra ny teti-bola dia mandefa ny fitantanana araka ny toe-draharaha any amin’ny fitsarana ara-bola.

 

Art. 153. - Le Tribunal financier statue sur l’acte introductif d’instance. S’il y fait droit, il rend un jugement provisoire de déclaration de gestion de fait.

 

Dans le cas contraire, il rend un jugement de rejet.

 

 

A défaut de justifications suffisantes, le Tribunal financier peut y suppléer par des considérations d’équité lorsqu'aucune infidélité n’est relevée à la charge du comptable de fait.

 

And. 153. - Ny Fitsarana ara-bola dia mitsara araka ny taratasy fampidirana ady eny amin’ny fitsarana. Raha asiany tohiny izany, dia mamoaka didim-pitsarana vonjimaika manambara ny fitantanana araka ny toe-draharaha izy.

Raha toa ka ny mifanohitra amin’izany no mitranga, dia mamoaka didy fandravana izy.

Raha toa ka tsy ampy ny fanamarinana, dia azon’ny fitsarana ara-bola atao ny mameno izany araka ny fandinihina ny hitsiny raha toa ka tsy nisy fahadisoana na fivadihana nataon’ilay mpitam-bola araka ny toe-draharaha .

 

Art. 154. - Le Tribunal financier informe le Commissariat financier des gestions de fait révélées par la vérification des comptabilités patentes.

 

And. 154. - Ny fitsarana ara-bola dia mampandre ny fampanoavana  ara-bola ny fisian’ireo fitantanana araka ny toe-draharaha nivohitra avy amin’ny fanamarinana ireo sora-bola tena izy.

 

Art. 155. - Si le Président du Tribunal financier, le Commissaire financier informé, ordonne de poursuivre, dans le cas prévu à l'article précédent, le Tribunal déclare la gestion de fait par jugement provisoire, enjoint au comptable de fait de produire son compte, et lui impartit un délai de trois mois pour  répondre  au jugement à compter de sa notification.

Si l’intéressé produit son compte sans aucune réserve, le Tribunal financier confirme, par jugement définitif, la déclaration de gestion de fait et statue sur le compte.

 

S’il conteste le jugement provisoire, le Tribunal financier examine les moyens invoqués et, lorsqu’il maintient, à titre définitif, la déclaration de gestion de fait, il renouvelle l’injonction de rendre compte dans le même délai que ci-dessus.

En outre, il est mentionné dans le jugement provisoire, qu’en l’absence de toute réponse du comptable, il  sera statué d’office et définitivement à son égard, après l’expiration du délai imparti pour contredire.

Si, à l’expiration de ce délai, le comptable de fait n’a pas produit son compte, le Tribunal financier peut le condamner  à l’amende visée à l’article  183 ci-dessous.

Puis, il peut demander en tant que de besoin qu’un commis d’office soit nommé pour produire le compte aux lieu et place du comptable de fait défaillant et à ses frais.

 

And. 155. - Raha mandidy ny isian’ny fanenjehana, araka ny  toe-javatra voatondro eo amin’ny andininy etsy aloha ny filohan’ny fitsarana ara-bola, rehefa avy mampandre ny mpampanoa ara-bola, dia manambara ny fisian’ny fitantanana araka ny toe-draharaha mba hampiseho ny kaontiny, ary manome fe-potoana telo volana azy mba hamaliany ilay didim-pitsarana manomboka amin’ny fampahafantarana azy ny fitsarana.

Raha toa ilay voakasiky ny raharaha mampiseho ny kaontiny tsy misy hambahamba, ny fitsarana ara-bola dia manamafy amin’ny alalan’ny didim-pitsarana raikitra ny fanambarana ny fisian’ny fitantanana araka ny toe-draharaha ary mamoaka didy momba ny kaonty.

Raha toa ka kianiny ilay didim-pitsarana vonjimaika, dia dinihin’ny fitsarana ara-bola ny fanakianana lazainy ary raha tazoniny ho raikitra  ny fanambarana ny fitantanana araka ny toe-draharaha , dia havaoziny ilay baiko hanaovana tatitra ao anatin’ny fe-potoana mitovy amin’ny voalaza etsy ambony.

Ankoatra izay, dia marihina anaty didim-pitsarana vonjimaika, fa raha tsy misy valin-teny avy amin’ny mpitam-bola dia ho tsaraina avy hatrany sy lasa didy raikitra aminy ny didy izay hivoaka, aorian’ny fahataperan’ny fe-potoana nomena mba hanaovana fitsipahana.

Raha tonga io fahataperan’io fe-potoana io, ka tsy nampiseho ny kaontiny ny mpitam-bola araka ny toe-draharaha, ny fitsarana ara-bola dia afaka mandidy azy handoa vola ho sazy araka ny voalazan’ny andininy faha 183 etsy ambany.

Ary, afaka mangataka izy raha ilaina izany ny anendrena avy hatrany olona ampiseho ny kaonty eo amin’ny toeran’ilay mpitam-bola araka ny toe-draharaha izay mihenahena, ka izy no mizaka ny lany.

 

Art. 156. - Si plusieurs personnes ont participé en même temps  à une gestion de fait, elles sont déclarées conjointement et solidairement comptables de fait et ne produisent qu’un seul compte.

Néanmoins, suivant les opérations auxquelles chacune d’elles ont pris part, il peut être décidé que la solidarité portera sur tout ou partie des opérations de la gestion de fait.

 

And. 156. - Raha toa nisy olona maromaro nandray anjara miaraka, amin’ny fitantanana araka ny toe-draharaha, dia lazaina fa mpitam-bola araka ny toe-draharaha miaraka sady samy tompon’andraikitra izy ireo ary tsy mampiseho afa-tsy kaonty iray ihany.

Na izany aza, araka ny kajy izay nandraisan’ny tsirairay anjara, dia azo tapahina fa ny fiombonan’antoka dia mikasika ny am-pahany na manontolo amin’ireo kajy momba ny fitantanana araka ny toe-draharaha .

 

Art. 157. - Le compte de la gestion de fait, dûment certifié et signé, appuyé de justifications, doit indiquer les recettes, les dépenses et faire ressortir le reliquat. Ce compte doit être unique et englober toutes les opérations de la  gestion de fait qu’elle qu’en puisse être la durée.

 

And. 157. -  Ny kaontin’ny fitantanana araka ny toe-draharaha voamarina sy voasonia ara-dalàna ampiarahina amin’ireo fanamarinana dia tsy maintsy manondro ny vola miditra, ny vola mivoaka  ary mampisongadina ny ambim-bava. Ny kaonty dia tsy maintsy tokana ary mahafaoka ny kajy rehetra momba ny fitantanana araka ny toe-draharaha na toy inona na toy inona faharetany.

 

Art. 158. - Le compte de la gestion de fait doit être produit au Tribunal financier avec les pièces justificatives. Il est jugé comme les comptabilités patentes.

 

And. 158. -  Ny kaontin’ny fitantanana ara-toe-draharaha dia tsy maintsy  aseho eo amin’ny fitsarana ara-bola miaraka amin’ny taratasy fanamarinana. Tsaraina toy ny sora-bola tena izy, izy io.

 

Art. 159. -  Les dispositions définitives des jugements portant sur des gestions de fait sont délibérées  après l’audition, à leur demande, des personnes déclarées comptables de fait.

 

And. 159. - Ireo andininy raikitra amin’ny didim-pitsarana mikasika ireo fitantanana araka ny toe-draharaha, dia dinihina mba amoahana didy aorian’ny fihainoana ireo olona nambara fa mpitam-bola araka ny toe-draharaha, araka ny fangatahan’izy ireo.

 

§ 5. De  l’appel

Art. 160. -  Les jugements rendus par le Tribunal financier peuvent être attaqués dans leurs dispositions définitives par voie de l’appel devant la Cour des Comptes.

La faculté de faire appel appartient aux comptables ou à leurs ayants droit, aux représentants légaux des Collectivités Territoriales Décentralisées ou établissements publics intéressés, aux contribuables, au Commissariat financier près le Tribunal financier, au Commissaire Général du Trésor Public près la Cour des Comptes.

L’appel doit être formé dans le délai de deux mois à compter de la notification du jugement.

L’appel n’a pas d’effet suspensif, sauf s’il en est autrement ordonné par la Cour des Comptes.

 

§ 5- Ny fakana fitsarana ambony.

And. 160. - Ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana ara-bola dia azo toherina ao amin’ny ireo andinindininy raikitra amin’ny alalan’ny fampakarana fitsarana ambony eo anoloan’ny fitsarana momba ny Kaonty.

Ny fahafahana maka fitsarana ambony  dia anjaran’ireo mpitam-bola  na ireo manan-jo aminy, ireo solontena ara-dalàna ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana na ny antokon-draharaham-panjakana voakasik’izany, ireo mpandoa hetra, ny fampanoavana ara-bola eny amin’ny fitsarana ara-bola, ny kaomisera jeneraly ny tahirim-bolam-panjakana ao amin’ny fitsarana momba ny kaonty.

Ny fakana fitsarana ambony dia tsy maintsy atao ao anatin’ny fe-potoana roa volana manomboka ny fampahafantarana ny didim-pitsarana.

Ny fakana fitsarana ambony dia tsy misy akony mampihantona raha tsy hoe, mamoaka didy hafa ankoatrany izany ny fitsarana momba ny kaonty.

 

Art. 161. - La requête en appel doit être déposée ou adressée en trois exemplaires signés de l’intéressé, par lettre recommandée avec avis de réception au greffe du Tribunal financier.

La requête doit contenir, à peine de nullité, l’exposé des faits et moyens, ainsi que les conclusions du requérant. Elle doit être accompagnée des documents sur lesquels elle s’appuie et d’une copie du jugement attaqué.

 

And.161. - Ny fangatahana fitsarana ambony dia tsy maintsy dika telo mitovy no ametrahana na andefasana azy ary soniavin’ny voakasik’izany, amin’ny alalan’ny tsy very mandeha misy filazana faharaisana ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana ara-bola.

Mba tsy ho foana, dia tsy maintsy misy ny famelabelarana ny toe-draharaha sy ny fomba enti-miady, ary koa ny fehintenin’ny mpangataka ny fangatahana.Tsy maintsy ampiarahina aminy ny taratasy fanamarinana izay iankinany sy ny dika mitovin’ilay didim-pitsarana nokianina.

 

Art. 162. - Le dossier du recours est transmis par le Commissariat financier près le Tribunal financier au Commissaire Général du Trésor Public.

Les comptes sur lesquels statuait le jugement attaqué peuvent être joints au dossier du recours, en tout ou partie, à l’initiative du Commissariat financier près le Tribunal financier ou sur demande du Commissaire Général du Trésor Public près la Cour des Comptes.

 

And.162. - Ny taratasin’ady momba ny fampakaran’ady dia alefan’ny mpampanoa ara-bola ao amin’ny fitsarana ara-bola any amin’ny mpampanoa jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana.

Ny kaonty izay namoahana ny didy izay nokianina dia azo ampiarahina manontolo na ampahany amin’ny taratasin’ady momba ny fampakaran’ady, izany dia araka ny nahim-pon’ny mpampanoa ara-bola ao amin’ny fitsarana ara-bola na araka ny fangatahan’ny mpampanoa jeneraly ny tahirim-bolam-panjakana ao amin’ny fitsarana momba ny kaonty.

 

§ 6.   De   la   révision

Art.  163. - Le comptable peut demander au Tribunal financier la révision d’un jugement définitif rendu sur ses comptes en produisant des justifications recouvrées depuis ledit jugement.

La requête en révision doit être déposée ou adressée par lettre recommandée avec avis de réception au greffe du Tribunal financier. Elle doit comporter, sous peine d'irrecevabilité, l’exposé des faits et moyens invoqués par le requérant et être accompagnée d’une copie du  jugement attaqué et des justifications sur lesquelles elle se fonde. Deux  copies doivent être jointes au recours. Celui-ci est notifié par le Commissariat financier aux autres intéressés, qui disposent d’un délai de quinze jours pour produire un mémoire.

Le Tribunal financier statue par un jugement unique sur la recevabilité du recours et, s’il y a lieu, sur le fond de l’affaire.

 

§ 6.  Ny famerenana fitsarana

And.163. - Ny mpitan-kaonty dia afaka mangataka amin’ny fitsarana ara-bola ny famerenana ny fandinihina didy raikitra iray izay navoaka momba ny kaontiny, ka itondrany fanamarinana nangonina nanomboka tamin’ilay didy voalaza.

Ny fangatahana famerenana fitsarana dia tsy maintsy apetraka na alefa amin’ny alalan’ny taratasy tsy very mandeha izay misy filazana faharaisana, ao amin’ny firaketan-draharahan’ny fitsarana ara-bola. Izy io dia tsy maintsy ahitana, raha tsy izany dia tsy azo raisina,ny famelabelarana ny fanamarinana izay ifotoran’ny mpangatak ary tsy maintsy misy dika roa mitovy ampiarahina amin’ny fampakaran’ady. Io fampakaran’ady io dia ampahafantarin’ny mpampanoa ara-bola ireo olona  hafa voakasin’izany izay manana fe-potoana 15 andro mba anehoany lahateny iray.

Ny fitsarana momba ny vola dia mitsara amin’ny alalan’ny didim-pitsarana tokana ny amin’ny fahafahana mandray ilay fampakaran’ady sy ny momba ny votoatin’ady raha ilaina izany.

 

Art. 164. - Le Tribunal financier peut procéder à la révision d’un jugement définitif, pour cause d’erreur, omission, faux ou double emploi, soit d’office, soit sur réquisition du Commissariat financier prise de sa propre initiative ou à la demande des Collectivités Territoriales Décentralisées ou des  établissements publics intéressés ou du représentant de la Province Autonome.

Dans un premier jugement, le Tribunal financier statue sur la recevabilité du recours et s’il y a lieu, ordonne la mise en état de révision, notifie au comptable et aux parties intéressées ce jugement, leur fixe un délai pour présenter leurs observations ou  justifications. Après l’examen des réponses produites ou à l’expiration du délai fixé, il procède, s’il y a lieu,  à la  révision du jugement des comptes concernés.

 

And.164 –Ny fitsarana ara-bola dia afaka manao ny famerenana ny fandinihina didy raikitra iray noho ny hadisoana, na fanadinoana, na hosoka na fampiasana in-droa, na avy hatrany na araka ny fangatahan’ny mpampanoa ara-bola natao araka ny nahim-pony na araka ny fangatahan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana na ireo antokon-draharaham-panjakana voakasik’izany na ny solotenan’ny faritany mizaka tena.

Ao  amin’ny didim-pitsarana voalohany, dia mitsara ny amin’ny maha-azo andraisana ny fampakaran’ady ny fitsarana ara-bola ary raha ilaina izany, didiany ny fanomanana mba ahazoana manao ny famerenana, ampahafantariny ny mpitan-kaonty sy ny mpiady voakasik’izany io didim-pitsarana io, omeny fe-potoana izy ireo anolorany ny fanamarihana na fanamarinana avy amin’izy ireo. Aorian’ny fandinihana ny valin-teny nomena na amin’ny fahataperan’ny fe-potoana noferana, dia manao ny famerenana ny fandinihina ny didy momba ireo kaonty voakasika izy, raha ilaina izany.

 

Art. 165. - La révision n’est possible que dans un délai de cinq ans à partir de la date du jugement. Toutefois, il peut être procédé à la révision passé ce délai quand le compte a été arrêté sur production de fausses pièces.

 

And.165. -  Ao anatin’ny fe-potoana 5 taona ihany, manomboka amin’ny vanin’andro namoahana ny didim-pitsarana no ahafahana manao famerenana fitsarana. Na izany aza, azo atao ny famerenana fitsarana na dia dila io fe-potoana io raha toa ka taratasy hosoka no naseho tamin’ny famaranana ny kaonty.

 

SECTION III

CONTROLE  DES   ACTES  BUDGETAIRES

Art. 166. - Si le budget d’une  Collectivité  Territoriale  Décentralisée  n’est  pas  adopté au plus tard trois mois après le début  de  l’exercice auquel  il  s’applique, le représentant de la Province Autonome  saisit sans délai le Tribunal financier qui, dans le mois, et par un avis public, formule des propositions pour le règlement du budget. Le Représentant de la Province Autonome règle le budget et le rend exécutoire. Si le représentant de la Province Autonome  s’écarte des propositions du Tribunal financier, il assortit sa décision d’une motivation explicite.

 

A compter de la saisine du Tribunal financier et jusqu’au règlement du budget de la Collectivité Territoriale Décentralisée par le représentant de la Province Autonome, l’organe délibérant ne peut adopter de délibération sur le budget de l’exercice en cours.

 

SOKAJY III

FANARAHA-MASO NY TARATASIN’NY TETI-BOLA

And.166. - Raha toa ny teti-bolan’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefanaa ka tsy nolaniana fara fahatarany 3 volana aorian’ny fanombohan’ny vanim-potoana izay ampiharana azy, ny solontenan’ny faritany mizaka tena dia manao fitoriana tsy misy hatak’andro eo amin’ny fitsarana ara-bola, izay manoratra tolo-kevitra mba ho famaranana ny teti-bola ao anatin’io volana io ary amin’ny alalan’ny filazana am-pahibemaso. Ny solontenan’ny faritany mizaka tena dia mamarana ny teti-bola ary manao azy ho tsy maintsy ho tanterahina. Raha toa ny solontenan’ny faritany mizaka tena ka tsy manaraka ny tolo-kevitry ny fitsarana ara-bola, dia ampiarahiny amin’ny antonantony mazava ny fanapahan-keviny.

Manomboka amin’ny fotoana handrosoana hodinihin’ny fitsarana ara-bola sy hatramin’ny famaranana ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ataon’ny solontenan’ny faritany mizaka tena, ny rantsana mpanapa-kevitra dia tsy afaka mandany ny fanapahan-kevitra momba ny teti-bolan’ny taom-piasana diavina.

 

Art. 167. - Lorsque le budget d’une Collectivité Territoriale Décentralisée  n’est pas voté en équilibre réel, le Tribunal  saisi par le Représentant de la Province Autonome le constate et propose à la Collectivité Territoriale Décentralisée, dans un délai de trente jours à compter de la saisine, les mesures nécessaires au rétablissement de l’équilibre budgétaire  et demande à l’organe délibérant une nouvelle délibération.

La nouvelle délibération de l’organe délibérant, rectifiant le budget initial, doit intervenir dans un délai d’un mois à partir de la communication des propositions du Tribunal financier.

Si l’organe délibérant n’a pas délibéré dans le délai prescrit, ou si la délibération prise ne comporte  pas de mesures de redressement jugées suffisantes par le Tribunal financier qui se prononce sur ce point dans un délai de quinze jours à partir de la transmission   de la nouvelle délibération, le budget est réglé et rendu exécutoire par le Représentant de la Province Autonome. Si celui-ci s’écarte des propositions formulées par le Tribunal financier, il assortit sa décision d’une motivation explicite.

A compter de la saisine du Tribunal financier et jusqu’au terme de la procédure,  l’organe délibérant ne peut délibérer en matière budgétaire, sauf pour la délibération prévue au deuxième alinéa du présent article .

Lorsque le budget d’une Collectivité Territoriale Décentralisée a été réglé et rendu exécutoire par le Représentant de la Province Autonome, les budgets supplémentaires afférents au même exercice sont transmis par le Représentant de la Province Autonome au Tribunal financier .

 

And.167. - Raha tsy voafidy araka ny fifandanjana tena izy ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, dia manamarika izany ny fitsarana nanaovan’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena fitoriana ary dia mandroso amin’ny vondrombahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ireo fepetra ilaina amin’ny fanarenana ny fifandanjan’ny teti-bola sady mangataka fanapahan-kevitra vaovao amin’ny rantsana  mpanapa-kevitra ao anatin’ny fe-potoana 30 andro manomboka amin’ny nanaovana ny fitoriana.

Ilay fanapahan-kevitra vaovaon’ny rantsana mpanapa-kevitra, izay manitsy ny teti-bola tany am-piandohana, dia tsy maintsy mivoaka ao anatin’ny fe-potoana iray volana nanomboka tamin’ny fampandrenesana ny hevitra naposaky ny fitsarana ara-bola.

Raha toa ny rantsana mpanapa-kevitra tsy nanao ny fandinihana ao anatin’ny fe-potoana voalaza, na koa tsy ahitana ny fepetra ny fanarenana heverin'ny fitsarana ara-bola fa ampy ilay fanapahan-kevitra natao izay namoaka didy momba io ao anatin’ny fe-potoana 15 andro manomboka amin’ny famindrana ilay fanapahan-kevitra vaovao, faranana sy amoaka ho tanterahin’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena ny teti-bola. Raha toa ka tsy manaraka ny hevitra natolotry ny fitsarana ara-bola izy, dia asiany anton’antony mazava ny fanapahan-keviny.

Manomboka amin’ny fotoana nandrosoan’ny raharaha ao amin’ny fitsarana ara-bola  sy hatramin’ny hiafaran’ny paik’ady, ny rantsana mpanampan-kevitra dia tsy mahazo mandinika ny momba ny teti-bola, afa-tsy ny momba ny fanapahan-kevitra voatondro ao amin’ny an-dalàna faharoa amin’ity andininy ity.

Raha toa ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ka nofaranan’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena sy navoakany ho tanterahina, dia afindran’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena any amin’ny fitsarana ara-bola ny teti-bola fanampiny mifandraika  amin’io taom-piasana io.

 

Art. 168. - Ne sont obligatoires pour les Collectivités Territoriales Décentralisées que les dépenses nécessaires à l’acquittement des dettes exigibles et les dépenses pour lesquelles la loi l’a expressément décidé.

Le Tribunal financier saisi, soit par le Représentant de la Province Autonome, soit par le comptable public concerné, soit par toute personne y ayant intérêt, constate qu’une dépense obligatoire n’a pas été inscrite au budget de la Collectivité Territoriale Décentralisée ou l’a été pour une somme insuffisante. Le Tribunal opère cette constatation dans le délai d’un mois à partir de sa saisine et adresse une mise en demeure à la Collectivité Territoriale Décentralisée concernée .

Si dans un délai d’un mois, cette mise en demeure n’est pas suivie d’effet, le Tribunal financier demande au Représentant de la Province Autonome d’inscrire cette dépense au budget de la Collectivité Territoriale Décentralisée et propose, s’il y a lieu, la création de ressources ou la diminution de dépenses facultatives destinées à couvrir la dépense obligatoire. Le Représentant de la Province Autonome  règle et rend exécutoire le budget rectifié en conséquence. S’il s’écarte des propositions formulées par le Tribunal financier, il assortit sa décision d’une motivation explicite. A défaut de mandatement d’une dépense obligatoire par le Chef de l’exécutif dans le mois suivant la mise en demeure qui lui en a été faite par le Représentant de la Province Autonome, celui-ci y procède d’office .

And 168. - Ireo fandaniam-bola ilaina amin’ny fandoavana trosa azo takiana sy ny fandaniana izay ny lalàna no nanapaka izany an-karihary ihany no tsy maintsy ataon’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

Ny fitsarana ara-bola izay nitondran’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena, na ny mpitan-kaontim-panjakana voakasik’izany, na izay olona manana tombon-tsoa amin’izany, ny raharaha, dia manamarika fa nisy fandaniana tsy maintsy natao tsy voasoratra ao amin’ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana na koa voasoratra ihany saingy ho an’ny vola tsy ampy. Ny fitsarana no manatanteraka ny fanamarihana ao anatin’ny fe-potoana iray volana nanomboka tamin’ny nandrosoana fitarainana taminy ary dia mandefa fanerena any amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana vokasik’izany.

Raha toa ao anatin’ny fe-potoana iray volana, ka tsy nisy fiantraikany io fanerena io, ny fitsarana ara-bola dia mangataka amin’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena mba hanoratra io fandaniana io ao amin’ny teti-bolan’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary dia manolotra famoronana loharanom-bola na fampihenana ny fandaniana tsy voatery hatao izay natokana hanotofana ny fandaniam-bola tsy maintsy hatao, raha ilaina izany. Ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena dia mamarana sy mamoaka ho tanterahina ny teti-bola votahiry araka izany. Raha toa ka tsy manaraka ny tolo-kevitra voalazan’ny fitsarana ara-bola izy, dia tsy maintsy ampiarahana amin’ny fanapahan-keviny ny anton’antony mazava. Raha toa, ao anatin’ny volana manaraka ny fanerena izay nataon’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena, ka tsy misy baiko avy amin’ny lehiben’ny mpanatanteraka mba andoavana fandaniam-bola tsy maintsy atao, dia manatanteraka izany avy hatrany izy.

 

Art. 169. - Dans le cadre des commandes publiques, lorsque des intérêts moratoires ne sont pas mandatés en même temps que le principal, ce dernier étant d’un montant supérieur à un seuil fixé par un texte réglementaire, le comptable assignataire de la dépense en informe l’ordonnateur et le Représentant de la Province Autonome dans un délai de dix jours suivant la réception de l’ordre de paiement. Dans un délai de quinze jours, le représentant de la Province Autonome  adresse à l’ordonnateur une mise en demeure de mandatement. A défaut d’exécution dans un délai d’un mois, le Représentant de la Province Autonome procède d’office, dans un délai de dix jours, au mandatement de la dépense.

Toutefois, si, dans le délai  d’un mois dont il dispose, l’ordonnateur notifie un refus d’exécution motivé par une insuffisance de crédits disponibles, ou si, dans ce même délai, le représentant de la Province Autonome constate cette insuffisance, celui-ci, dans un délai de quinze jours à compter de cette notification ou de cette constatation, saisit le Tribunal financier. Le représentant de la Province Autonome procède ensuite au mandatement d’office dans les quinze jours suivant la réception de la délibération inscrivant les crédits ou sa décision réglant le budget rectifié.

 

And 169. - Ao anatin’ny fanafaran-javatra ara-panjakana, raha tsy nodidiana aloa miaraka amin’ny renivola ny zana-bola noho ny fahadisoam-potoana, ka mihoatra ny fetra voalazan’ny rijan-tenin-dalàna ny tetim-bidin’ny renivola, ny mpitan-kaonty manana andraikitra amin’ny fandaniana dia mampandre ny mpanome baiko handoa vola sy ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena, ao anatin’ny fe-potoana folo andro manaraka ny faharaisana ny baiko mampandoa vola. Ao anatin’ny fe-potoana dimy ambinifolo andro no andefasan’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena any amin’ny mpanome baiko handoa vola ny fanerena hanome baiko handoa vola. Raha tsy misy ny fanatanterahana ao anatin’ny fe-potoana iray volana, dia manome baiko handoavana ny fandaniana avy hatrany, ao anatin’ny fe-potoana folo andro, ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena.

Na izany aza, raha mampahanfantatra, ao anatin’ny fe-potoana iray volana ananany, ny fandavana fanatanterahana noho ny tsy fahampian’ny sora-bola azo ampiasaina ny mpanome baiko handoa vola, na raha ao anatin’io fe-potoana io no manamarika io tsy fahampiana io ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena, dia mandroso ny raharaha eo amin’ny fitsarana ara-bola ao anatin’ny fe-potoana dimy ambinifolo andro manomboka amin’io fampahafantarana na fanamarihana ny fisiana io izy. Avy eo ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena dia miroso amin’ny baiko handoa vola avy hatrany ao anatin’ny dimy ambinifolo andro manaraka ny nandraisana ny fanapahan-kevitra mirakitra ny sora-bola na ny fanapahany mamarana ny teti-bola nanaovana fanitsiana.

 

Art. 170. - Lorsque le Tribunal financier est saisi  en application des articles 166, 167 et 168 ci-dessus de la présente Loi, les autorités des Collectivités  Territoriales  Décentralisées  peuvent sur leur demande présenter oralement leurs  observations. Ils  peuvent être assistés  par une personne de leur choix. Jusqu’à la mise en place des représentants des Provinces Autonomes, les attributions desdits représentants mentionnés dans la présente loi sont provisoirement confiés aux représentants de l’Etat auprès des Collectivités Territoriales Décentralisées.

 

And 170. - Raha toa ka nisy raharaha naroso eo amin’y fitsarana ara-bola, ho fampiharana ireo andininy faha-166, 167 ary ny 168 etsy ambony amin’ity lalàna ity, ny manampahefana ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana dia afaka manome alalana noho ny fangatahan'izy ireo, maneho am-bava ireo fanamarihany. Azon’izy ireo atao ny maka olona iray araka izay safidiny avy hanatrika azy ireo.

Ambara-pijoron’ny solon-tenan’ny faritany mizaka tena, ny andraikitr’ireo solon-tena voalazan’ity lalàna ity dia omena vonjy maika an’ireo solon-tenan’ny fanjakana ao amin’ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana.

 

SECTION  IV

CONTROLE  DES COLLECTIVITES TERRITORIALES DECENTRALISEES ET DES  ETABLISSEMENTS  PUBLICS  LOCAUX A CARACTERE ADMINISTRATIF

Art. 171. - Si, lors de l’examen des comptes, les Conseillers-rapporteurs constatent des irrégularités commises par les Administrateurs ou relèvent des lacunes dans la réglementation ou des insuffisances dans l’organisation administrative et comptable, ils  rendent compte au Président du Tribunal financier qui en réfère aux autorités intéressées et leur demande de faire connaître les mesures prises en vue de faire cesser les errements signalés.  

Ampliation du référé est transmise au Président de la Cour des Comptes, au Commissaire Général du Trésor Public ainsi qu'au Commissaire Général chargé du Budget.

 

SOKAJY IV

FANARAHA-MASO NY VONDROM-BAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA SY IREO ANTON-DRAHARAHAM-PANJAKANA ANY AN-TOERANA MANANA ENDRIKA ARA-PANJAKANA

And 171. - Raha mandritra ny fandinihana ny kaonty, no manamarika ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny mpitondra ireo mpanolon-tsaina sy mpampaka-teny, na manoro ireo banga ao anatin’ny fanaovana lalàna na ireo tsy fahampiana ao amin’ny fandaminana momba ny fitondrana olona sy ny kaonty, dia manao tatitra any amin’ny filohan’ny fitsarana momba ny fitatanam-bola izay milaza any amin’ny manam-pahefana voakasik’izany izy ireo, ary mangataka amin’izy ireo mba hampahafantatra ny fepetra noraisiny mba hampitsaharana ny fahadisoana nambara.

Ny dika mitovin’ilay ady maika dia afindra any amin’ny filohan’ny fitsarana momba ny kaonty, ny kaomisera jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana ary any amin’ny kaomisera jeneraly misahana ny teti-bola.

 

Art. 172. - Les autorités intéressées sont tenues de répondre dans les trois mois aux référés du Président du Tribunal financier.  

Ampliation de la réponse est transmise au Président de la Cour des Comptes, au Commissaire Général du Trésor Public ainsi qu'au Commissaire Général chargé du Budget

 

And. 172. - Ireo manam-pahefana voakasik’izany dia tsy maintsy mamaly ao anatin’ny telo volana ny ady maika nataon’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola.

Ny dika mitovin’ilay valinteny dia afindra any amin’ny Filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty, ny kaomisera jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana ary any amin’ny kaomisera jeneraly misahana ny tetibola.

 

Art. 173. - Le Président du Tribunal financier porte à la connaissance du Président de la Cour des Comptes, les infractions  aux dispositions qui précèdent et lui signale, le cas échéant, les questions pour lesquelles le référé n’a pas reçu de suite satisfaisante.

 

And. 173. - Ny Filohan’ny Fitsarana momba ny fitantanam-bola dia mampahafantatra ny Filohan’ny Fitsarana momba ny kaonty ireo fandikan-dalàna atao amin’ireo fepetra voalaza ary manondro aminy raha ilaina izany ireo fanontaniana izay tsy nahazoan’ny ady maika tohiny mahafapo.

 

Art. 174. - Les irrégularités administratives de moindre importance peuvent faire l’objet de lettre du Président de Tribunal financier ou de note du Commissaire financier signalant lesdites irrégularités aux chefs de service intéressés, leur demandant des explications à leur propos et les invitant, au besoin, à les corriger.

S’il n’y est pas répondu ou si la réponse n’est pas satisfaisante, la question soulevée peut être portée à la connaissance des autorités intéressées, par référé du Président du Tribunal financier.

 

And.174. -  Ireo tsy fanarahan-dalàna momba ny fitondrana olona izay tsy dia manao ahoana loatra dia azon’ny  Filohan’ny Fitsarana ara-bola anaovana taratasy, na anaovan’ny kaomisera ara-bola naoty manoro ireo tsy fanaraha-dalàna voalaza ireo any amin’ny lehiben’ny sampan-draharaha voakasik’izany, ka mangataka amin’izy ireo fanazavana momba izany tsy fanarahan-dalàna izany, ary manasa azy ireo raha ilaina mba  hanitsy izany.

Raha toa tsy novaliana izany na tsy nahafa-po ny valinteny, ilay fanakianana naroso dia azo ampahafantarina ireo manam-pahefana voakasik’izany, araky ny ady maika ataon’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola.

Art. 175. - Au cas où il aurait relevé dans ses référés des fautes ou négligences ayant compromis les intérêts financiers de la Collectivité contrôlée, le Président du Tribunal financier peut demander qu’une action disciplinaire soit engagée contre les auteurs des fautes ou négligences.

 

And.175. - Raha toa ka nahita fahadisoana na tsy fitandremana nanohintohina ny tombotsoa ara-bolan’ny vondrom-bahoaka arahi-maso anatin’ireo ady maika izy, dia azon’ny Filohan’ny Fitsarana ara-bola atao ny mangataka ny hampidirana fanenjehana ara-pitsipika an’ireo nahavita fahadisoana na tsy fitandremana.

 

Art. 176. -  La demande de sanction ainsi présentée contre le comptable de droit ou de fait, oblige l’autorité dont dépend le comptable à la prendre.

 

And.176. - Ny fangatahana sazy naroso anoherana ilay mpitan-kaonty ara-dalàna sy araky ny toe-draharaha dia manery ilay manam-pahefana iankinan’ilay mpitan-kaonty handray izany sazy izany.

 

SECTION V

CONTROLE  DES  ORGANISMES  ET  DES

SOCIETES A PARTICIPATION   FINANCIERE

DES  COLLECTIVITES TERRITORIALES  DECENTRALISEES

 

Art. 177. - Sont contrôlés par le Tribunal financier dans les conditions ci-après :

1° les établissements publics à caractère industriel et commercial et les sociétés d’économie mixte relevant des Collectivités Territoriales Décentralisées et organismes sous contrôle du Tribunal financier  ;

2° les sociétés de droit privé dans lesquelles les Collectivités Territoriales Décentralisées ou les établissements publics du ressort du Tribunal financier détiennent séparément ou conjointement plus de 50% du capital social ;

3° dans le cas où le  Conseil du Gouvernorat le juge utile, les sociétés bénéficiant d’une décision d’agrément au profit desquelles les Collectivités Territoriales Décentralisées ont accordé leur garantie ou leur aide financière.

 

SOKAJY V

FANARAHA-MASO IREO FIKAMBANANA SY ORINASA MISY FANDRAISANA ANJARA ARA-BOLAN’NY VONDROM-BAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA.

 

And.177. - Ny fitsarana ara-bola no manara-maso arak’ireto fepetra manaraka ireto :

1.                              ireo antokon-draharaham-panjakana manana endrika ara-toe-java-baventy sy ara-barotra sy ireo orinasa ara-toe-karena iarahana miankina amin’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy fikambanana eo ambany fanaraha-mason’ny Fitsarana ara-bola .

2.                              ireo orinasa mijoro araka ny lalàna ho an’ny isam-batan’olona ka ao ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana na ireo antokon-draharaham-panjakana ao amin’ny fari-piadidian’ny Fitsarana ara-bolan’ny Fitsarana ara-bola no manana mitokana na miaraka mihoatra ny 50 isan-jaton’ny renivolan’ny orinasa.

3.                              raha toa ka heverin’ny Filan-kevim-piadidian’ny Governora fa ilaina izany, ireo orinasa nahazo fanapahan-kevitra fankatoavana ka ho an’izy ireo no nanomezan’ireo vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana antoka na fanampiana ara-bola.

 

Art. 178. - Les comptes et bilans des établissements et sociétés visés à l’article précédent, accompagnés des états de développement du compte de résultats et de tous documents comptables dont la tenue est exigée par les règles propres à l’entreprise contrôlée, sont transmis au Tribunal financier, après avoir été adoptés par le Conseil d’Administration ou l’organisme en tenant lieu.  

Le Tribunal financier reçoit également les rapports des commissaires aux comptes, ou des fonctionnaires  éventuellement chargés de l’exercice du contrôle  financier, ainsi que le rapport établi par le Conseil d’Administration  ou l’organisme en tenant lieu lorsque le rapport est prévu par les règles propres à la société contrôlée.

 

And.178. - Ny kaonty sy ny sora-bola famaranan-taonan’ireo antokon-draharaha sy orinasa voatondro ao amin’ny andininy etsy aloha, miaraka amin’ireo fizotran’ny kaonty momba ny vokatra sy ireo antontan-taratasy mikasika ny fitanan-kaonty ka takian’ny fitsipika manokan’ilay tranom-barotra naraha-maso ny fitazomana ireo dia alefa any amin’ny Fitsarana ara-bola, rehefa avy nolanian’ny Filan-kevim-pitantanan’ilay rantsana mitovy hevitra aminy.

Ny Fitsarana ara-bola dia mandray koa ny tatitr’ireo kaomisera momba ny kaonty, na ireo mpiasam-panjakana mety hisahana ny fanaraha-maso ara-bola, ary ny tatitra nataon’ny Filan-kevi-pitantanana na ilay rantsana mitovy lenta aminy raha toa ilay tatitra ka voalaza ao amin’ireo fitsipika mifehy manokana ilay orinasa araha-maso.

 

Art. 179. -  Sauf dispositions législatives ou statutaires contraires, la transmission de ces documents doit avoir lieu dans les quatre mois qui suivent la clôture de l’exercice. Le Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome  fixe, s’il y a lieu, après avis de l’autorité auquel ressortit l’activité technique de l’entreprise intéressée, les délais  supplémentaires qui, à titre exceptionnel, pourraient être nécessaires à certains établissements ou sociétés pour la présentation de leurs comptes.

 

And.179. - Raha tsy hoe nisy fepetra eo amin’ny lalàna na sata mifanohitra, ny fandefasana ireny antontan-taratasy ireny dia tsy maintsy atao anatin’ny efa-bolana manaraka ny famaranana ny taom-piasana. Ny Kaomisera Jeneraly misahana ny tetim-bolan’ny faritany mizaka tena dia mametra, raha ilaina izany, aorian’ny hevitr’ilay manam-pahefana iankinan’ny asa atao ara-teknikan’ilay orinasa voakasik’izany ireo fe-potoana fanampiny izay mety ilain’ny antokon-draharaha sasantsasany na orinasa mba ho fanehoana ireo sora-bolany, noho ny anton-javatra manokana.

 

Art. 180. - Les établissements ou sociétés précités sont tenus de conserver les pièces justificatives de leurs opérations à la direction et de les mettre à la disposition du Tribunal financier pour les nécessités de vérification.

 

And.180. - Ireo antokon-draharaha na orinasa voalaza etsy ambony dia manome adidy hitahiry ireo taratasy fanamarinana ny kajy ataon’izy ireo any amin’ny Foibe ary mamela azy ireo ho eo am-pelatanan’ny Fitsarana ara-bola mba hanaovana fanamarinana.

 

Art. 181. - Le Tribunal financier procède à l’examen des comptes, bilans et documents et tire toutes conclusions sur les résultats financiers des entreprises.  

Le rapport établi par le Tribunal financier est communiqué au Commissaire financier pour conclusions . Après examen par le Tribunal financier en audience, le rapport est transmis au directeur de l’entreprise qui répond aux observations dans le délai d’un mois, par un mémoire écrit, approuvé par le Président du Conseil d’Administration et appuyé s’il y a lieu de justifications.

Au vu des réponses du Directeur de l’Entreprise approuvées par le Conseil d’Administration, le Tribunal financier arrête le rapport définitif.

 

And.181. - Ny Fitsarana ara-bola dia miroso amin’ny fandinihina ny kaonty, sora-bola famaranana sy antontan-taratasy ary misintona ireo fehinteny mikasika ny vokatra ara-bolan’ny tranombarotra.

Ny tatitra ataon’ny Fitsarana ara-bola dia alefa any amin’ny Mpampanoa ara-bola mba hanaovany fehinteny. Aorian’ny fandinihina ataon’ny fitsarana ara-bola eo amin’ny fotoam-pitsarana, ny tatitra dia alefa any amin’ny Talen’ny tranom-barotra izay mamaly ireo fanamarihana ao anatin’ny fe-potoana iray volana, amin’ny alalan’ny lahateny an-tsoratra, ankatoavin’ny Filohan’ny Filan-kevim-pitantanana sy ampiarahina amin’ny fanamarinana raha ilaina.

Ny Fitsarana ara-bola dia mamarana ny tatitra raikitra, araka ny fahitana ireo valintenin’ny Talen’ny Tranombarotra.

 

Art. 182. - Le Tribunal financier adresse au Commissaire Général chargé du Budget de la Province Autonome ainsi qu’à l’autorité dont ressortit l’activité technique de l’entreprise contrôlée le rapport définitif dans lequel il exprime son avis sur la régularité et la sincérité des comptes et propose, le cas échéant, les redressements qu’il estime devoir y être apporté et exprime un avis sur la qualité de la gestion.

 

And.182 . -  Ny Fitsarana ara-bola dia mandefa any amin’ny Kaomisera Jeneraly misahana ny teti-bolan’ny Faritany Mizaka-tena sy ny manam-pahefana iankinan’ny asa atao ara-teknikan’ilay tranombarotra araha-maso, ny tatitra tena izy ka ao anatin’izany no anehoany ny heviny momba ny maha-ara-dalàna sy maha-marina ireo kaonty ary mandroso, raha ilaina izany, ireo fanarenana heveriny fa tokony ho entina ao ary maneho hevitra momba ny fahatsaran’ny fitantanana.

 

SECTION  VI
DES  AMENDES

Art. 183. -Tout comptable qui n’a pas présenté son compte dans les délais prescrits par les règlements peut être condamné par le Tribunal financier à une amende dont le montant est fixé à 500.000 Fmg au maximum par mois de retard.

 

SOKAJY VI

NY VOLA FANDOA HO SAZY

And.183. - Izay mpitan-kaonty tsy nampiseho ny kaontiny tao anatin’ny fe-potoana voatondron’ny didy avoakan’ny Fanjakana dia mety ho didian’ny Fitsarana ara-bola handoa vola ho sazy ka ny tentim-bidin’izany dia voafetra ho iray hetsy ariary raha be indrindra isaky ny  volana iray tsy nahatrarana fotoana.

 

Art. 184. - Tout comptable qui n’a pas répondu aux injonctions prononcées sur ses comptes dans le délai prescrit par la présente Loi, peut être condamné par le Tribunal financier à une amende de 100.000 Fmg au maximum par injonction et par mois de retard, s’il ne fournit  aucune excuse admissible au sujet de ce retard.

 

And.184. - Izay mpitan-kaonty tsy namaly ireo baiko notononina momba ny kaontiny tao anatin’ny fe-potoana voatondron’ity lalàna ity, dia azon’ny Fitsarana ara-bola didiana handoa vola ho sazy roa alina ariary raha be indrindra isaky ny baiko sy isaky ny volana iray tsy nahatrarana fotoana, raha toa izy tsy manolotra fialan-tsiny azo ekena, na dia iray aza, momba io tsy fahatrarana fotoana io.

 

Art. 185. - Les héritiers du comptable, le commis d’office substitué au comptable défaillant ou à ses héritiers pour présenter son compte ou satisfaire à des injonctions, le comptable en exercice chargé, conformément aux articles 131 et 138  ci-dessus, de présenter les comptes comportant des opérations effectuées par des comptables sortis de fonctions ou de répondre à des injonctions portant sur la gestion de ses prédécesseurs, sont passibles des amendes ci-dessus prévues, à raison des retards qui leur sont personnellement imputables.

 

And.185. - Ireo mpandova ny mpitan-kaonty, ny iraka notendrena avy hatrany nasolo ny mpitan-kaonty tsy nahavita ny asany na ireo mpandova azy mba hampiseho ny kaontiny na hampisy tohiny ireo baiko, ny mpitan-kaonty am-perin’asa voatendry, arak’ireo andininy faha-131 sy 138 etsy ambony, hampiseho ny kaonty misy kajy nataon’ny mpitan-kaonty nesorina tamin’ny andraikitra na hamaly baiko mikasika ny fitantanan’ireo olona tany alohany, dia mety iharan’ny vola fandoa ho sazy voalaza etsy ambony, arakaraka ny tsy fahatrarana fotoana izay maha tompon’andraikitra manokana azy ireo.

 

Art. 186. - Dans le cas où la gestion de fait n’a pas fait l’objet des poursuites prévues par   l’article    258   du  Code  Pénal,  le  comptable de fait peut être condamné par le Tribunal financier à une amende calculée suivant l’importance et la durée de maniement des deniers et le montant ne peut dépasser le total des sommes indûment maniées.

 

And.186. - Raha toa ny fitantanana araky ny toe-draharaha ka tsy nanaovana fanenjehana araka ny andininy faha-258 amin’ny fehezan-dalàna famaizana, ilay mpitam-bola araka ny toe-draharaha dia mety ho didian’ny Fitsarana ara-bola handoa vola ho sazy kajiana araka ny hahalehibe sy fahasarotan’ny fikirakirana ny vola ary ny tentim-bidiny dia tsy mahazo mihoatra ny fitambaran’ireo vola nokirakirana amin’ny fomba tsy ara-dalàna.

 

Art. 187.  - En cas de condamnation à l’amende prévue aux articles 183 à 185 susvisés, le jugement provisoire impartit au comptable un délai de deux mois pour faire valoir ses moyens et l’avertit qu’en l’absence de toute réponse dans ledit délai, il sera passé outre et statué d’office à titre définitif.

 

And.187. - Raha toa misy fanasaziana handoa ny vola ho sazy voalaza ao amin’ireo andininy faha-183 ka hatramin’ny faha-185 etsy ambony, ilay didim-pitsarana vonjimaika dia manome fe-potoana roa volana mba hanehoany ny fomba entiny miady ary mampandre azy fa raha tsy misy valinteny ao anatin’io fe-potoana io, dia  hodikaina izany tsy fisiana izany ary hotsaraina avy hatrany amin’ny fomba raikitra.

 

Art. 188. - En ce qui concerne l’amende visée à l’article 187 ci-dessus, le Tribunal financier, dans son jugement de déclaration provisoire de gestion de fait,  surseoit à statuer sur l’application de la pénalité. Il statue sur ce point à titre définitif, au terme de l’apurement de la gestion de fait.

 

And.188. - Mikasika ny vola fandoa ho sazy tondroina etsy amin’ny andininy faha-187 etsy ambony, ny Fitsarana ara-bola dia mampiato ny fampiharana ilay sazy, ao anaty didim-pitsarana navoakany momba ny fanambarana vonjimaika ny fitantanana araka ny toe-draharaha.

 

Art. 189. - Les amendes et autres sommes recouvrées conséquentes aux jugements prononcés par le Tribunal financier sont attribuées à la Collectivité ou à l’Etablissement intéressé, déduction faite des parts éventuelles supportant les frais de toute nature et celles revenant aux ayants-droit .  

Toutes ces amendes sont assimilées aux débets des comptables quant aux modes de recouvrement, de poursuites et de remises.

 

And.189.  - Ireo vola fandoa ho sazy sy vola hafa avy notakiana ho tohin’ireo didim-pitsarana notononin’ny Fitsarana ara-bola dia atolotra ho anjaran’ilay Vondrom-bahoaka na ilay orinasa voakasik’izany, ka esorina tao ireo mety ho ampahany mizaka ireo sara isan-karazany sy ireo natokana ho an’ireo manana zo.

Ireo vola fandoa ho sazy ireo dia raisina ho toy ny vola tavela tokony aloa eo am-pamaranana kaontin’ny mpitan-kaonty raha ny mikasika ireo fomba fitakian-trosa, fanenjehana sy fampihenana.

 

SECTION  VII
DU   RAPPORT   PUBLIC

 Art. 190. - Pour permettre à la Cour des Comptes d’établir son rapport public annuel, les Tribunaux financiers lui font connaître les observations qui leur paraissent pouvoir faire l’objet d’une insertion ou d’une mention au rapport public. Ces observations sont accompagnées de documents sur lesquels elles se fondent et de l’avis du Commissariat financier.

Elles peuvent être portées à la connaissance des autorités intéressées par voie de référé du Président de la Cour des Comptes.

Le Président de la Cour des Comptes fixe, après avis du Commissaire Général du Trésor Public les modalités d’élaboration et de  transmission des observations des Tribunaux financiers à la Cour des Comptes.

 

SOKAJY VII

NY TATITRA AMPAHIBEMASO

And.190. - Mba ahafahan’ny Fitsarana ny kaonty manao ny tatitra ataony isan-taona, ireo fitsarana ara-bola dia mampahafantatra azy ireo fanamarihana heverin’izy ireo fa azo hanaovana fanisihana na filazana ao anaty tatitra ampahibemaso. Ireo fanamarihana ireo dia ampiarahina amin’ny antontan-taratasy iorenan’izy ireo sy ny hevitry ny Fampanoavana ara-bola.

 

Izy ireo dia azo ampahafantarina ireo manam-pahefana voakasik’izany amin’ny alalan’ny ady maika ataon’ny Filohan’ny Fitsarana ny kaonty.

 

Ny Filohan’ny Fitsarana ny kaonty dia mametra, aorian’ny hevitry ny Kaomisera Jeneralin’ny Tahirim-bolam-panjakana, ny fombafomba famolavolana sy fandefasana ireo fanamarihan’ny Fitsarana ara-bola any amin’ny Fitsarana ny kaonty.

 

TITRE  III

DISPOSITIONS   DIVERSES   ET   TRANSITOIRES

Art. 191. - Dès la promulgation de la présente Loi, les dossiers en instance auprès de la Chambre Administrative et de la Chambre des Comptes et se rapportant aux dispositions des articles 09 et 115  ci-dessus , sont transférés au Tribunal administratif et au Tribunal financier  compétent.

Toutefois, la Chambre Administrative, en ce qui la concerne, statue sur ceux mis en délibéré et sur ceux ayant déjà fait l’objet d’un arrêt avant-dire droit.

 

LOHATENY    III

FEPETRA ISAN-KARAZANY SY TETEZAMITA

And.191. - Raha vao mivoaka hanan-kery ity lalàna ity, ireo antontan-taratasin’ady miandry ho tsaraina eo anivon’ny Rantsam-pitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny Fitsarana ny kaonty, ary mikasika ireo fepetra voalazan’ireo andininy Faha-09  sy faha-115 etsy ambony, dia afindra any amin’ny Fitsarana ara-panjakana sy any amin’ny Fitsarana ara-bola mahefa.

Na izany aza, ny Rantsam-pitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana, araka izay mikasika azy, dia mitsara ireo antontan-taratasin’ady napetraka hodinihina sy ireo efa namoahana didim-pitsarana sava-ravina navoakan’ny Fitsarana Tampony.

 

Art. 192. - (modifié par la loi n° 2004-021 du 19 août 2004)

Pour la mise en place initiale des Tribunaux administratifs ou des Tribunaux financiers, et pendant une période de trois ans à compter de la promulgation de la présente Loi, peuvent être délégués dans les fonctions de Conseiller ou de Substitut, après avis conforme de l'Assemblée Générale du Conseil d'Etat et de la Cour des Comptes selon le cas:

1.       des fonctionnaires titulaires de la maîtrise en droit, en économie, en gestion ou d'un diplôme équivalent, appartenant depuis sept (7) ans au moins au cadre A de la Fonction Publique après l'obtention du diplôme requis et avertis des problèmes administratifs ou financiers;

2.       des magistrats de l'ordre judiciaire avertis également des problèmes administratifs ou financiers.

 

A l'issue de la période susmentionnée de trois ans, les postes vacants dans les Tribunaux administratifs et dans les Tribunaux financiers seront exclusivement pourvus par affectations de magistrats issus de la filière spécialisée qui sera organisée au sein de l'Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes ou de magistrats précédemment en fonction au Conseil d'Etat ou à la Cour des Comptes selon le cas.

Pour la mise  en  place initiale des Tribunaux administratifs ou des Tribunaux financiers, et pendant une période de trois ans à compter de la promulgation de la présente Loi, peuvent être délégués dans les fonctions de Conseiller ou de Substitut, après avis conforme de l’Assemblée Générale du Conseil d’Etat et de la Cour des Comptes selon le cas :

  1° des fonctionnaires âgés de moins  de 45 ans titulaires de la maîtrise en droit  public, en économie, en gestion ou d’un diplôme équivalent, appartenant depuis sept (7) ans au moins à la catégorie A de la Fonction Publique après l’obtention du diplôme requis et  avertis des problèmes administratifs ou financiers ;  

2° des magistrats de l’ordre judiciaire âgés de moins de 45 ans avertis également des  problèmes administratifs ou financiers.  

A  l’issue de la période susmentionnée de trois ans, les postes vacants dans les Tribunaux administratifs et dans les Tribunaux financiers seront exclusivement pourvus par affectations de magistrats issus de la filière spécialisée qui sera organisée au sein de l’Ecole Nationale de la Magistrature et des Greffes ou de magistrats précédemment en fonctions au Conseil d’Etat ou à la Cour des Comptes selon le cas .

 

And.192. - ( Lalana Laharana Faha 2004-021, 19/08/2004)

Ho an’ny fametrahana voalohany ireo Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana na ireo Fitsarana momba ny fitantanam-bola, ary mandritra ny telo taona manomboka amin’ny famoahana hana-kery ity lalàna ity, dia azo tendrena hisahana ny asan’ireo Mpanolotsaina sy Solompampanoa, rehefa nahazo ny hevitra mitovy navoakan’ny Fivoriamben’ny Filankevi-panjakana sy ny Fitsarana ny kaonty araka ny toe-java-misy :

1. ny mpiasam-panjakana manana ny « maîtrise » amin’y lalàna mifehy ny Fanjakana, amin’ny toekarena, amin’ny fitantanan-draharaha na mari-pahaizana mitovy lenta, tafiditra tao anatin’ny sokajy A ao amin’ny Asam-panjakana nandritra ny fito taona taorian’ny nahazoana ny mari-pahazaina takiana sy mahay tsara ireo olana ara-panjakana na ara-bola ;

2. ny mpitsara eo amin’ny lafin’ny fitsarana mahay tsara ihany koa ireo olana ara-panjakana na ara-bola.

Aorian’ny fotoana telo taona voalaza etsy ambony, ireo toerana banga any amin’ny Fitsarana misahana ny ady atao amin’ny Fanjakana sy ny Fitsarana momba ny fitatanam-bola dia hofenoina manokana amin’ny alàlan’ny famindran-toerana ireo mpitsara nivoaka avy amin’ny sampam-pianarana voatokana hisokatra ao amin’ny Sekoly ambony fanofananana mpitsara sy mpiraki-draharaha na ireo mpitsara niasa tany aloha tao amin’ny Filankevi-panjakana na tao amin’ny Fitsarana ny kaonty, araka toe-java misy.

Ho an’ny fametrahana voalohany ireo Fitsarana ara-panjakana sy ireo Fitsarana ara-bola, ary mandritra ny telo taona manomboka amin’ny famoahana hanan-kery ity lalàna ity, dia azo tendrena hisahana ny asan’ireo Mpanolo-tsaina ny Solom-pampanoa, rehefa nahazo ny hevitra mitovy navoakan’ny Fivoriam-ben’ny Filan-kevim-panjakana sy ny Fitsarana ny kaonty araka ny toe-java misy :

            1. ny mpiasam-panjakana latsaky ny 45 taona manana ny « maîtrise » amin’ny lalàna mifehy ny fanjakana, amin’ny toe-karena, amin’ny fitantanan-draharaha na mari-pahaizana mitovy lenta, tafiditra tao anatin’ny sokajy A ao amin’ny Asam-panjakana nandritry ny fito taona taorian’ny nahazoana ny mari-pahaizana takiana sy mahay tsara ireo olana ara-panjakana na ara-bola ;

2. ny mpitsara ao amin’ny sampana ady ifanaovan’ny tsirairay latsaky ny 45 taona, mahay tsara ihany koa ireo olana ara-panjakana na ara-bola.

Aorian’ny fotoana telo taona voalaza etsy ambony, ireo toerana banga any amin’ireo Fitsarana ara-panjakana sy Fitsarana ara-bola dia hofenoina manokana amin’ny alalan’ny famindran-toerana ireo mpitsara nivoaka avy amin’ny sampam-pianarana voatokana hisokatra ao amin’ny Sekoly Ambony fanofanana mpitsara sy mpiraki-draharaha na ireo mpitsara niasa tany aloha tany amin’ny Filan-kevim-panjakana na teny amin’ny Fitsarana ny kaonty, araka ny toe-java-misy.

Art. 193. - La Chambre Administrative et la Chambre des Comptes de la Cour Suprême exercent, respectivement, les fonctions dévolues par les textes au Conseil d’Etat et à la Cour des Comptes jusqu’à leur mise en place  conformément  à  l’article  147  de  la  Constitution.

En matière d'appel, les procédures applicables sont celles des dispositions respectives des ordonnances n° 60-048 du  22 juin 1960 portant fixation de la procédure devant le Tribunal administratif et n° 62-074 du 29 septembre 1962 relative au jugement des comptes et au contrôle des collectivités publiques et établissements publics.

 

And.193. - Ny Rantsam-pitsarana misahana ny ady amin’ny fanjakana sy ny Fitsarana ny kaonty ao amin’ny Fitsarana Tampony dia manatontosa, tsirairay avy, ireo asa tendren’ireo rijan-teny fa hataon’ny Filan-kevim-panjakana sy ny Fitsarana ny kaonty mandra-pahatongavan’ny fananganana azy ireo araky ny andininy faha- 147 ao amin’ny Lalampanorenana.

Amin’ny fakana fitsarana ambony, ireo paik’ady ampiharina dia ireo voalazan’ireo fepetra tsirairay avy hita ao amin’ny hitsivolana laharana faha-60-048 tamin’ny 22 jiona 1980 mikasika ny famerana ny paik’ady eo anoloan’ny Fitsarana ara-panjakana sy laharana faha- 62-074 tamin’ny 29 septembra 1962 mikasika ny fitsarana ny kaonty sy ny fanaraha-maso ireo vondrom-bahoaka ara-panjakana sy antokon-draharaham-panjakana.

 

Art. 194. - Toutes dispositions antérieures, contraires à la présente loi  sont et demeurent abrogées.

 

              Antananarivo, le 21 décembre 2001

 

And.194. - Izay fepetra rehetra tany aloha, mifanohitra amin’ity lalàna ity dia foana ary mitoetra ho foana.

                               Antananarivo, faha-21 desambra 2001

 

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement