//-->

Lois 153

Loi n° 2001-004

Loi n° 2001-004 du 25 octobre 2001

portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique

(J.O. n° 2746 du 19.11.2001, p. 3047)

Lalàna n° 2001-004 tamin’ny 25 oktobra 2001

anaovanana fitsipika ankapobe mifehy ny Dina

eo amin'ny lafin'ny

fandriampahalemam-bahoaka (idem)

 

L'Assemblée Nationale et le Sénat ont adopté en leurs séances respectives du 16 mai 2001 et du 27 juillet 2001,

Le Président de la Republique,

Vu la Constitution,

Vu la décision n° l4-HCC/D3 du 17 octobre 2001 de la Haute Cour Constitutionnelle,

 

Promulgue la loi dont la teneur suit :

 

Nolanian'ny Antenimieram-pirenena sy ny Antenimieran-doholona tamin'ny fivoriana izay nataony avy ny faha 16 mey 2001 sy ny faha 27 jolay 2001,

Ny Filohan'ny Repoblika

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny fanapahana faha-14-HCC/D3 nataon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin'ny 17 oktobra 2001,

No mamoaka hampanan-kery ny lalàna izay toy izao ny andinidininy :

 

EXPOSE DES MOTIFS

 

Les Dina ont toujours existé à Madagascar depuis les époques les plus reculées sous forme orale ou écrite. Ils avaient comme cadre institutionnel le Fokonolona : communauté humaine, spatiale et entité administrative.

 

Les Dina, conventions collectives typiquement malgaches, étaient considérés comme étant un ensemble de règles coutumières d’organisation de la société et, en tant que tels, ils ont été conçus comme l‘émanation d’une réelle volonté populaire, et observée comme telle, car ils furent institués par ceux-là même qui en avaient ressenti le besoin.

L’importance numérique des Dina est considérable et leurs impacts d’une grande diversité varient d’une région à une autre à cause d’un manque d’homogénéité absolue des coutumes.

Certains Dina, élaborés dans le cadre de la politique du Gouvernement pour des mesures de sécurisation massives, ont dans leur principe presque éradiqué le fléau « DAHALO » (Dinan’i Toliary, Dinan’ny Fandriampahalemana, Dinan’ny Mpihary…)

 

Néanmoins, leurs applications ont présenté certains inconvénients : empiètement sur les compétences des autorités judiciaires, excès et abus perpétrés par certains dirigeants de Dina, enclin à la loi du Talion ; mise à mort des individus appréhendés…

 

 

FAMELABELARANA NY ANTONANTONY

 

Efa nisy hatramin'ny fahagolan-tany ny Dina teto Madagasikara na natao ambava izany na antsoratra. Ny rafitra nametrahana azy teo amin'ny Fokonolona : fiombonamben'ny mpiara-belona, tontolo iainana ary lafim-pitondrana.

Ny Dina, fifanarahana iombonan’ny tena malagasy dia neverina ho toy ny fitambaran'ny fitsipika nentin-drazana nandaminana ny fiaraha-monina, ary amin'izany dia noforonina tahaka ny avy amin’ny tena sitrapon'ny mponina ary nekena arak’izanv, satria ireo nila azy mihitsy no nanangana azy.

 

Betsaka tsy hay tanisaina ny maha zava-dehibe ny fisian'ny Dina ary ny fiantraikany eo amin'ny endriny samihafa dia miova araka ny faritra, noho ny tsy fisian'ny fitoviana tanteraka eo amin'ny fomban-drazana.

Ny Dina sasany izay voavolavola tao anatin’ny rafitry ny politikan'ny Governemanta mba handraisana fepetra hampandy, fahalemana ny valalabemandy dia nanaraka ny fotokevitra nitondrana azy ka saika namongotra hatramin'ny fakany ny loza nentin’ny DAHALO (Dinan'i Tollary, Dinan'ny fandrianipahalemana, Dinan'ny Mpihary...)

Na izany aza, ny fampiharana azy ireo dia nahitana lafi-ratsiny sasantsasanv : fifanitsahana eo amin'ny andraikitry nv manampahefana ara-pitsarana, fanaparana sy fanararaotana izay ts'izy ataon'ny mpitarika Dina sasany, fitongilanana amin'nv lalàn'i « Talion » : famonoana ho faty ny, olona voasambotra...

A la suite de la recrudescence des divers actes de banditisme, les avatars de certains Dina qui sont allés jusqu’à prévoir des Vonodina extrêmes, exécution des coupables par exemple ou des dispositions jugées contraires à la légalité, ont entraîné des remous à leur égard, non seulement au sein de la population mais jusqu’au niveau des pouvoirs publics. Les Dina étaient considérés comme une profusion au niveau local de législations parallèles difficiles à contrôler.

Aussi, d’aucuns ont-ils souhaité leur abolition laissant ainsi les lois et règlements en vigueur jouer leur rôle.

 

Des arguments militent pourtant en faveur des Dina : les partisans soutiennent que le Dina soit la meilleure façon de renouer avec l’efficacité de l’organisation traditionnelle de la vie en société, la méthode la plus démocratique de responsabiliser la population des campagnes notamment en matière de sécurité publique et plus particulièrement pour lutter plus efficacement contre les vols de bœufs.

En outre, il est difficile de provoquer une rupture brutale avec des pratiques et traditions, tels que les Dina ancrés depuis de longue date dans la vie quotidienne de la population et conformes aux principes de la démocratie, d'autant plus que les lois actuellement en vigueur leur reconnaissent une valeur certaine (cf. entre autres, article 472, 7° et 8° du Code pénal et article 36, 13° de la loi n° 94-008 du 26 avril 1995 fixant les règles relatives à réorganisation, au fonctionnement et aux attributions des collectivités territoriales décentralisées). La légitimité du maintien des Dina doit alors être considérée comme juste et licite.

Pour prévenir tout excès ou abus, il faut néanmoins que les pouvoirs publics puissent contrôler les Dina en les intégrant dans l'ordonnancement juridique interne d'une manière expresse.

 

Eo anoloan'ny fihanaky ny asan-jiolahv, ny fiovan'nv Dina sasantsany dia tonga hatramin'ny faminavinana Vonodina mihoa-pampana : famonoana ny olo-meloka ohatra. na fampiharana fepetra hita fa mifanohitra amin'ny ara-dalàna ka mitondra fisavororoana amin'ny fijery azy, tsy eo anivon’ny mponina fotsiny ihany fa tonga hatrany amin'ny ambaratongan'ny fahefam-panjakana. Ny Dina noheverina fa fampitomboana izay ts’izy ny lalàna mifanindran-dàlana eo an-toerana ka sarotra harahi-maso.

Noho izany, misy nv olona naniry nv fanafoanana azv ka ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika manan-kery no navela hiatra.

Misy anefa ireo tohan-kevitra manamarina ny Dina : ireo mpomba azy dia mllaza fa ny Dina no fomba tsara indrindra mifamatotra amin'ny fahombiazana eo amin'nv fandaminana ny fiaraha-monina nentin-drazana, fomba fanao tena demokratika entina hampandraisana andraikitra ny mponina any ambanivohitra, indrindra eo amin'ny lafinv fandriampahalemana arv singanina amin'izany ny ady mahomby amin’ny halatra omby.

Ankoatra izany, sarotra ny miala tampoka amin'ny fomba mahazatra sy ny nentin-drazana, tahaka ny Dina, izay raiki-tapisaka ao amin'ny fiainana andavanandron'nv mponina nandritra ny taona maro ary mifanaraka amin'ny fotokevitry ny demokrasia. Fanampin'izanv ny lalàna manan-kery ankehitriny, dia miaiky ny fananany lanja (jereo ny andininy faha-472, 7° sy 8° ao amin'ny Fehezandalàna Famaizana ary ny andininy, faha-36, 13°-n’ny lalàna laharana faha 94-008 tamin'ny 26 aprily 1995 manoritra ny fitsipika mikasika ny fandaminana ny fomba fiasa ary ny anjara raharahan'ny vondrom-bahoakam-paritra fanapariaham-pahefana). Ny maha ara-dalàna ny fihazonana ny Dina dia tokony heverina ho marina sy mazava.

Mba hialàna amin'ny fanaparana sy ny fanararaotana dia tokony afaka manara-maso ny Dina ny fitondram-panjakana amin'ny fampidirana azy mazava tsara ao anatin’ny fandaminam-pitsarana anatiny.

La présente loi ainsi que le Dina lasitra y annexé vont dans ce sens. Ils ont été élaborés à partir des idées maîtresses et résolutions issues de six ateliers d'envergure provinciale, à raison d'un atelier par Province, organisés dans le courant de l'année 1999 et d'un atelier d'envergure nationale qui s'est tenu les 27, 28 et 29 avril 2000 à Fianarantsoa, dans le cadre du renforcement des actions menées par le Gouvernement en vue d'améliorer la sécurité publique.

Ces ateliers ont vu la participation des différents responsables des cinq départements ministériels directement concernés par la sécurité publique, des différents responsables au niveau des Faritany, des Députés de Madagascar. des Maires et des Conseillers communaux ainsi que des « mpizaka dina » des zones concernées.

 

Les grandes lignes de la présente loi et du Dina lasitra portent sur .

 

Manaraka izany hevitra izany ity lalàna ity ary ny Dina lasitra atovana aminy. Avy tamin'ny hevi-baventy sy hevitra natolotry ny atrikasa 6 eo amin'ny seha-paritany ka atrikasa iray isaky ny faritany natao tamin'ny taona 1999 ary atrikasa ao amin'ny seha-pirenena natao tamin'ny faha-27, 28 ary 29 aprily 2000 tany Fianarantsoa no namolavolana azy entina hanamafisana ny asa tarihin'nv Governemanta mba hanatsarana ny fandriampahalemam-bahoaka.

 

Ireo atrikasa ireo dia nahitana ny fandraisana anjaran'ireo tompon'andraikitra samihafa ao amin'ny departemanta dimy ny Minisitera mikasika mivantana ny fandriampahalemam-bahoaka, ireo tompon'andralkitra samihafa eo amin'ny ambaratongan'ny Faritanv, ireo Solombavambahoakan'i Madagasikara, ireo Ben'ny tanàna sy ireo Mpanolotsaina ao amin'nv kaominina arv koa ireo "mpizaka Dina"-n'ny faritra voakasik'izany.

Ny votoatin-kevitra lehibe amin'izao lalàna izao sy ny Dina lasitra dia miompana amin ny :

 

1.LA LOI PORTANT REGLEMENTATION GENERALE DES DINA EN MATIERE DE

SECURITE PUBLIQUE

 

1.1. Les dispositions générales : la définition du Dina, son contenu et son champ d'application territoriale ainsi que le vonodina.

1.2. Le régime juridique des Dina : le Dina est adopté à la majorité des membres du Fokonolona, âgés de 18 ans révolus, présents à l'assemblée générale lorsqu'il s'agit d'un hameau, d'un village ou d'un Fokontany.

Au niveau d'une commune, le Dina est adopté à la majorité des représentants désignés par l'ensemble des membres du Fokonolona de chaque hameau, de chaque village et de chaque Fokontany et ceux désignés par le Conseil de la commune parmi ses membres.

A l'échelon d'une sous-préfecture, d'une région, d'une province autonome, le Dina est adopté par délibérations concordantes prises par la majorité des représentants visés ci-dessus au niveau de la commune.

Dans tous les cas, le Dina ne devient exécutoire qu'après son homologation par le tribunal judiciaire territorialement compétent.

 

1. LALANA ANAOVANA NY FITSIPIKA ANKAPOBE MIFEHY NY DINA EO AMIN'NY LAFINY FANDRIAMPAHELAM-BAHOAKA

 

1.1. Ny, fepetra ankapobe : famariparitana ny Dina, ny ao anatiny sy ny sehatra ampiharana azy ary ny vonodina.

 

1.2. Ny satam-pitondrana ny Dina eo anatrehan'nv lalàna : ny Dina dia lanian'ny maro an'isa amin'ny mpikamban'ny Fokonolona feno 18 taona katroka, tonga nanatrika ny Fivoriambe ho an'ny vohitra, ny tanàna na ny Fokontany.

Eo anivon'ny kaominina, ny Dina dia lanian'ny maro an'isa amin'ny solontena tondroin'ny fitambaran'ny mpikambana ao amin'ny Fokonolona isaky ny vohitra, isakv nv tanàna ary isaky ny Fokontany sy ireo solontena tendren'ny Filankevitrv ny kaominina amin'ny mpikambana ao aminy.

 

Eo amin'nv vakim-pileovana, ny faritra, ny faritany mizakatena, ny Dina dia laniana amin'ny fanapahan-kevitra ifanarahana raisin'ny maro an'isan'ny solontena voalaza etsv ambonv eo anivon’ny kaominina.

 

Amin'ny fisehoan-javatra rehetra, ny Dina dia tsy tanterahina raha tsy efa nahazo fanomezan-kery avy amin'ny tribonaly ara-pitsarana tompon'andralkitry ny faritra.

1.3. La structure d'application du Dina : Cette section précise qu'un comité appelé « Comité exécutif du Dina » est institué au niveau de chaque Fokontany, de chaque sous-préfecture et à chaque niveau des collectivités territoriales décentralisées ayant établi un Dina.

1.4. Les dispositions particulières des Dina relatifs au vol de bœufs : Elles stipulent dans ce chapitre que les Dina relatifs au vol de bœufs s'appliquent au moins au Fokonolona d'une sous-préfecture.

Des dispositions prévoient également des mesures préventives telles que la surveillance des passages obligés dits « kizo », l'alerte, le contrôle du « bokin'omby », l'exécution forcée du vonodina en cas d'opposition à la décision rendue par le comité exécutif du Dina.

 

1.3. Ny firafitry nv fampiharana ny Dina : io sokajy io dia milaza mazava fa misy komity antsoina hoe Komity mpanatanteraka ny Dina atsangana eo aniv'on’ny isam-pokontany, ny vakim-pileovana ary ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izay nahavitana Dina.

 

1.4. Ny fepetra manokan’ny Dina mikasika ny halatra omby : misongadina ao anatin'io toko io fa ny Dina mikasika ny halatra omby dia mihatra fara fahakeliiiy amin'ny Fokonolona ao amin'ny vakim-pileovana iray.

 

Misy koa fepetra maminavina ny fisorohana ny halatra omby toy ny fiambenana ny kizo, ny antso fanairana, ny fanaraha-maso ny bokin'omby, ny fanatanterahana an-keriny ny vonodina raha toa misy fanoherana ny fanapahana noraisin'ny Komity mpanatanteraka ny Dina.

 

2 - LE DINA LASITRA

 

Le modèle type de Dina à annexer à la présente Loi portant réglementation des Dina en matière de sécurité publique prévoit les devoirs et obligations du Fokonolona en matière de sécurité générale (vol de bœufs, détention d'armes, ivresse publique, violations des tombeaux ou de sépultures, délit de destruction de culture, réglementation des marchés etc...).

 

La salubrité et la santé publiques n'ont pas été omises pour autant.

Enfin, les dispositions sur les vols de bœufs sont détaillées dans un assez long chapitre.

 

Tel est, l'objet de la présente loi.

 

2 - NY DINA LASITRA

 

Ny karazana Dina atovana amin'ity lalàna anaovana ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin'ny lafiny fandriampahalemam-bahoaka dia maminavina mialoha ny adidy aman'andraikitra miandry ny Fokonolona eo amin'ny lafiny fandriampahalemana ankapobe (halatra omby, fitanana fitaovam-piadiana, fahamamoana ampahibemaso, fanimbazimbana ny fasana sv ny toeram-pilevenana, fanimbana voly, ny fitsipiky ny tsena sns

Tsy adino amin'izany ny fahadiovana sy ny fahasalamam-bahoaka.

Farany, ny fepetra mikasika ny halatra omby dia natao amin'ny antsipirihany ao anatin'ny toko iray lava ihany.

 

Izany sy izany, no antonanton'ity lalàna ity.

 

 

 

CHAPITRE I

Dispositions générales

 

Article premier - Le Dina est une convention collective présentée sous forme écrite, librement adoptée par la majorité des membres du Fokonolona âgés de dix-huit ans révolus ou selon le cas, de ses représentants désignés à l'article 6 de la présente loi.

 

Art. 2 - Le Dina édicte des mesures que la population concernée juge nécessaires à l'harmonisation de la vie sociale et économique ainsi que de la sécurité en fonction des réalités locales et pour la mise en oeuvre de ses attributions essentielles destinées à l'éducation civique des citoyens dans le cadre d'une structure basée sur l'autogestion populaire de la sécurité, pour promouvoir le développement et le progrès social et instaure une discipline collective afin de préserver l'ordre et la sécurité publics.

 

 

 

Tout Dina doit être conforme aux lois et règlements en vigueur.

Dans tous les cas, le Dina applicable est celui du lieu où l'acte ou le manquement répréhensible a été commis.

 

TOKO I

Fepetra ankapobe

 

Andininy voalohany - Ny Dina dia fifanarahana iombonana noraiketina an-tsoratra, ankalalahana ary lania'ny maro an'isan'ny mpikamban'ny Fokonolona feno valo ambin'ny folo taona na, arakaraky ny zava-misy, amin’ny solontenany voatendry ao amin'ny andininy faha-6 amin'izao lalàna izao.

 

And. 2 - Ny Dina dia manoritra ny fepetra izay hitan’ny mponina voakasik'izany fa ilaina amin'ny fandrindrana ny fiainana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny fandriampahalemana araka ny zava-misy eo an-toerana, mba hahafahany manatontosa ireo anjara raharaha lehibe tsy maintsy sahaniny entina hiantohana ny fanabeazana ny olompirenena eo amin'ny lafin'ny fitiavan-tanindrazana ao anatin'ny rafitra mifototra amin'ny fandraisan'ny mponina an-tanana ny fandriampahalemana, mba hampiroborobo ny fampandrosoana sy ny fandrosoana ara-tsosialy ary manangana fitsipi-pitondrantena itambarana itambarana ahafahana mitandro ny filaminana sy ny fandriampahalemam bahoaka.

Tsy maintsy mifanaraka amin’ny lalàna sy didy amam-pitsipika manan-kery ny Dina rehetra.

Amin'ny flsehoan-javatra rehetra, ny Dina azo ampiharina dia ny Dinan'ny toerana izay nanaovana ny fihetsika na tsy nanaovana izay tokony ho natao ka mendrika ho saziana.

 

Art. 3 - La violation des règles édictées par le Dina entraîne l'application du VONODINA qui consiste en des réparations pécuniaires ou en nature au profit de la victime et du Fokonolona telles que prévues dans le Dina.

 

And. 3 - Ny fandikana ny fitsipika soritan'ny Dina dia mitarika ny fampiharana ny VONODINA izay niifototra amin'ny fanonerana ara-bola na ara-javatra ho tombotsoan'ny niharam-pahavoazana sy ny Fokonolona arak'izay voalazan'ny Dina.

 

CHAPITRE II

Du régime juridique des Dina

 

 

SECTION 1

De l'élaboration et de l'adoption des Dina

 

TOKO II

Ny amin'ny Satam-pitondrana ny Dina

eo anatrehan'ny lalàna

 

SOKAJY 1

Ny amin'ny famolavolana sy ny fandaniana ny Dina

 

Art. 4 - L'initiative des Dina appartient au Fokonolona et à ses représentants visés à l'article premier ci-dessus.

Tout groupement de personnes peut présenter un projet de Dina aux autorités locales compétentes pour être soumis au Fokonolona ou à ses représentants.

 

Art. 5 - Dans l'élaboration des Dina, le Fokonolona peut faire appel aux élus, aux techniciens de l'administration territoriale, au tribunal de l'ordre judiciaire et aux forces de l'ordre territorialement compétentes.

 

And. 4 - Ny Fokonolona sy ny solontena izay voalazan'ny andininy voalohany etsy ambony no manana fahefana hamosan-kevitra anaovana Dina.

Afaka manolotra volavolan-Dina amin'ny manampahefana tompon'andraikitra eo an-toerana mba aroso hodinihan'ny Fokonolona na ny solontenany ny vondron'olona rehetra.

 

And. 5 - Eo amin'ny famolavolana ny Dina, dia afaka miantso ny olomboafidy, ny teknisianim-panjakana ao amin'ny faritra sy ny fitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka ary ny mpitandro filaminana tompon'andraikitry ny faritra ny Fokonolona.

 

Art. 6 - Au niveau d'un hameau, d'un village ou d'un Fokontany, le Dina est adopté à la majorité des membres du Fokonolona.

Tout Dina applicable au niveau d'une commune est adopté à la majorité des représentants dûment désignés par l'ensemble des membres du Fokonolona de chaque hameau, de chaque village et de chaque Fokontany et ceux désignés par le conseil de la commune parmi ses membres.

Tout Dina applicable au niveau d'une sous-préfecture, d'une région ou d'une Province autonome est adopté par délibérations concordantes prises par la majorité des représentants visés à l'alinéa ci-dessus au niveau de la commune.

 

And. 6 - Eo amin'ny ambaratongan'ny vohitra sy ny tanàna ary ny Fokontany, ny Dina dia lanieran'ny maro an'isan'ny mpikambana ao amin'ny Fokonolona.

Ny Dina rehetra azo ampiharina eo anivon'ny kaominina dia lanian'ny maro an'isa amin'ny solontena tondroin'ny fitambaran'ny mpikambana ao amin'ny Fokonolona isaky ny vohitra, ny tanàna, ny Fokontany ary ireo solontena tendren'ny Filankevitry ny kaominina amin'ny mpikambana ao aminy.

 

Ny Dina rehetra azo ampiharina eo anivon'ny vakim-pileovana, ny faritra na Faritany mizakatena dia lany amin'ny fanapahan-kevitra hifanarahana noraisin'ny maro an'isa amin'ny solontena voalazan'ny andàlana etsy ambony eo anivon'ny kaominina.

 

SECTION 2

De l'homologation des Dina

 

Art. 7 - Le Dina ne devient exécutoire qu' après son homologation par le tribunal de l'ordre judiciaire compétent ou la Cour d'appel ainsi que sa publication par voie d'affichage, de kabary ou par tout autre mode de publicité.

 

SOKAJY 2

Ny amin'ny fanomezan-kery ny Dina

 

And. 7 - Tsy azo tanterahina ny Dina raha tsy efa nahazo fanomezan-kery avy amin'ny ny fitsarana misahana ny ady madio sy ny ady heloka tompon'andraikitry ny faritra na ny Fitsarana arnbony ary nampahafantarina ampahibemaso tamin'ny alalan'ny petadrindrina, kabary na fomba fampahafantarana hafa ny besinimaro.

 

Art. 8 - Dans les trente (30) jours suivant son adoption, le projet de Dina est transmis par les soins du maire au conseil municipal ou communal.

Le conseil dispose d'un délai de quinze (15) jours à compter de la date de réception du projet de Dina pour émettre son avis et le transmettre au représentant de l'Etat.

Le représentant de l’Etat fait parvenir le projet de Dina assorti de son avis au tribunal de l'ordre judiciaire territorialement compétent dans un délai de quinze (15) jours. Ce délai court à compter de la date de réception du projet de Dina.

 

Le dossier doit être communiqué au procureur de la République pour ses conclusions écrites dans le délai de trois jours de sa réception au parquet.

 

And. 8 - Ao anatin'ny 30 andro manaraka ny fandaniana azy, ny volavolan-Dina dia alefan'ny Ben'ny tanàna any amin'ny Filankevitra monisipaly na kaominaly

Manana 15 andro manomboka amin'ny vaninandro naharaisany ny volavolan-Dina ny Filankevitra mba hanehoany ny heviny ary handefasany izany any amin'ny solotenam-panjakana.

Halefan'ny solontenam-panjakana any amin'ny fitsarana misahana ny ady madio sy ny ady heloka tompon'andraikitry ny faritra izany ao anatin'ny 15 andro rehefa nanomezany ny heviny. Io fetrandro io dia manomboka amin'ny vaninandro naharaisany ilay volavolan-Dina.

Ny antontan-taratasy dia alefa any amin'ny Tonian'ny fampanoavana mba anaovany an-tsoratra ny fehin-teniny telo andro aorian'ny naharaisan'ny fampanoavana azy.

 

Art. 9 - Le président du tribunal de première instance territorialement compétent ou le juge qui le remplace doit statuer suivant la procédure de référé.

Le refus d'homologation d'un Dina doit être motivé.

Dans tous les cas, les décisions du tribunal territorialement compétent sont susceptibles d'appel.

Le délai pour interjeter appel est de un mois.

 

L'appel est jugé par le premier président de la Cour d'appel qui doit statuer dans un délai de quinze (15) jours.

La décision n'est pas susceptible de pourvoi en cassation.

Le Dina homologué est déposé dans chaque village et au bureau du Fokontany pour être consulté par le public.

 

And. 9 - Ny Filohan'ny tribonaly ambaratonga voalohany tompon'andraikitry ny faritra na ny mpitsara misolo azy dia tsy maint'sy mamoaka didy araka ny fitondran-draharaha amin'ny ady maika.

Tsy maintsy lazaina nv anton'ny nandavana ny fanomezan-kery ny Dina.

Amin'ny fisehoan-javatra rehetra, dia azo ampiakarina fitsarana ambony ny didy navoakan'ny tribonaly mahefa ara-paritra.

Iray volana no fe-potoana ahazoana mampiakatra fitsarana ambony.

Ny fampiakarana dia tsarain'ny filoha voalohan'ny Fitsarana ambony izay tsy maintsy mamoaka didy ao anatin'ny (15) andro.

Ny didy navoaka dia tsy azo hangatahana fandravana.

Ny Dina nahazo fanomezan-kery dia apetraka isan- tanàna ary any amin'ny biraom-pokontany mba ho zahan'ny besinimaro.

 

SECTION 3

De l'application des Dina

 

Art. 10 - Un Dina régulièrement homologué s'applique immédiatement sans préjudice des poursuites pénales. Dans tous les cas, les actions en réparation civile sont indépendantes des actions pénales.

 

La procédure d'application du Dina doit être effectuée de manière contradictoire.

Toutefois, l'absence de l'une des parties résultant d'une mauvaise foi ou de la détention provisoire par décision du juge ne saurait faire obstacle au déroulement de la procédure d'application du Dina.

 

SOKAJY 3

Ny amin'ny fampiharana ny Dina

 

And. 10 - Mihatra avy hatrany ny Dina nahazo fanomezan-kery ara-dalàna ; izany anefa tsy misakana ny fanenjehana momba ny ady heloka. Amin'ny fisehoan-javatra rehetra, ny fitoriana mikasika ny fangatahana onitra dia mahaleotena eo anoloan’ny fitoriana momba ny ady heloka.

Tsy maintsy hifanatrehan'ny mpiady nv fizotran'ny fombafomba fampiharana ny Dina.

Na izany aza anefa, ny tsy fahatongavan'ny iray amin'ny mpiady noho ny haratsiam-panahy na ny fitazonana vonjimaika araka ny didy navoakan'ny mpitsara dia tsy manohitohina ny fizotran'ny fombafomba fampiharana ny Dina.

 

Art. 11 - Aucune autorité administrative, judiciaire, autorité investie d'un mandat électif, ni membre des forces de l'ordre ne doit intervenir lors des délibérations du comité exécutif du Dina.

En matière de réparation civile, le tribunal territorialement compétent régulièrement saisi surseoit à statuer jusqu'à ce que le comité exécutif du Dina prévu aux articles 15 et suivants de la présente loi a vidé sa saisine.

 

 

Pour assurer le maintien ou le rétablissement de l'ordre public, le représentant de l'Etat territorialement compétent peut faire appel à la police nationale ou le cas échéant, requérir, dans les formes réglementaires, les unités de la gendarmerie et de l'armée stationnées dans sa circonscription.

 

And. 11 - Tsy misy fahefam-panjakana na fahefam-pitsarana na fahefanan'olom-boafidy na mpikamban'ny mpitandro filaminana afaka mirotsaka amin'ny fanapahana raisin’ny komity mpanatanteraka ny Dina.

Eo amin'ny lafiny fangatahana onitra, ny tribonaly tompon'andraikitra eo amin'ny faritra nametrahana fitoriana ara-dalàna dia mampihantona ny fitsarana mandra-pahavitan'ny fandraisana an-tanana ny raharaha ataon'ny komity mpanatanteraka ny Dina izay voalaza ao amin'ny andininy faha-15 sy ny manaraka amin'ity lalàna ity.

Mba hiantohana ny fitazonana na nv famerenana amin'ny laoniny ny filaminam-bahoaka, ny solontenam-panjakana tompon'andraikitra ao amin'ny faritra dia afaka miantso ny mpitandro filaminana na, raha ilaina izany, dia afaka mangataka, araka ny fomba voalazan'ny lalàna, ny firotsahan'ny andian'ny zandan-naria sy ny tafika mitoby ao amin'ny fari-piadidiany.

 

Art. 12 - En cas de refus d'exécution, le comité exécutif du Dina notifie au(x) récalcitrant(s) qu'il sera procédé à l'exécution forcée du vonodina.

 

A cet effet, le représentant de l'Etat territorialement compétent requiert sans délai, dès qu'il aura reçu notification du refus d'exécution du Dina, les forces de l'ordre en vue de l'exécution forcée du vonodina.

 

Art. 13 - En tout état de cause, toute forme de rétribution, de rémunération, de don en nature, demeure formellement interdite pour les autorités administratives, judiciaires, les élus et les forces de l'ordre dans le cadre de l'application des Dina.

Celui qui aura reçu ou offert l'une des différentes formes des dons prévus à l’alinéa précédent sera puni de deux à dix ans d'emprisonnement et d'une amende obligatoire de 15.000 à 1.500.000Fmg.

 

And. 12 - Raha misy fandavana ny fanatanterahana, ny komity mpanatanteraka ny Dina dia mampahafantatra ilay na ireo fatra-pandà fa ho tanterahina an-keriny ny vonodina.

Ny solontenam-panjakana tompon'andraikitra ao amin'ny faritra dia mangataka tsy misy hatakandro raha vao mahafantatra ny tsy fanatantarehana ny Dina, ny mpitandro filaminana mba hanatanteraka an-keriny ny vonodina.

 

And. 13 - Na manao ahoana na manao ahoana, raràna mafy ny endrika fanomezan-karama rehetra na zavatra ho an'ny manampahefana ara-pitondrana, ara-pitsarana ho an'ny olom-boafidy ary ho an'ny mpitandro filaminana eo amin'ny fampiharana ny Dina.

Hosaziana roa ka hatramin'ny folo taona an-tranomaizina sy lamandy tsy maintsy efaina mitentina 15.000 ka hatramin'ny 1.500.000 la ny mpandray na ny mpanolotra fanomezana amin'ny endrika samihafa voalazan'ny andalana etsy ambony.

 

Art. 14 - Tout auteur d'actes ou d'omission volontaire destiné à entraver les opérations du comité exécutif du Dina sera puni des peines prévues par l'article 400 paragraphe 3 du Code pénal.

Tout détournement, toute destruction, toute aliénation des biens objet du litige, demeurent formellement interdits jusqu'à ce que le comité exécutif du Dina ou le tribunal a vidé sa saisine, sous peine des sanctions prévues à l'article 400 et suivants du Code pénal.

 

And. 14 - lharan'ny sazy voalazan'ny andininy faha 400 paragirafy 3 ao amin'ny Fehezandalàna famaizana, izay rehetra nanao fihetsika na ninia manadino mba hoentina hanembatsembanana ny asan'ny komity mpanatanteraka ny Dina.

Raràna mafy, mandra-pahavitan'ny asan'ny komity mpanatanteraka ny Dina na ny tribonaly, ny fanodinkodinana rehetra, ny fanapotehana rehetra, ny fivarotana rehetra ny zavatra fototry ny ady, raha tsy izany dia voasazy araka ny andininy faha 400 sy ny manaraka ao amin'ny Fehezandalàna famaizana.

 

SECTION 4

De la structure d'application des Dina

 

Sous-section 1

Du Comité exécutif du Dina

 

Art. 15 - Pour l'application d'un Dina régulièrement établi, il est institué au niveau de chaque Fokontany, de chaque sous-préfecture et de chaque collectivité territoriale décentralisée, un comité appelé comité exécutif du Dina dans les conditions fixées par la présente loi.

Selon le cas, ce comité est chargé d'appliquer le Dina entre :

-          membres du Fokonolona d'un même Fokontany ;

-          membres du Fokonolona de deux ou plusieurs Fokontany d'une même commune ;

-          membres du Fokonolona de deux ou plusieurs communes d'une même sous-préfecture ;

-          membres du Fokonolona de deux ou plusieurs sous-préfectures d'une même région ;

-          membres du Fokonolona de deux ou plusieurs Provinces autonomes.

 

SOKAJY 4

Ny firafitry ny fampiharana ny Dina

 

Fizaran-tsokajy 1

Ny Komity mpanatanteraka ny Dina

 

And. 15 - Mba ho fampiharana ny Dina vita ara-dalàna, dia atsangana eo anivon'ny Fokontany, ny vakim-pileovana ary ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjarampahefana, ny komity antsoina hoe : komity mpanatanteraka ny Dina araka ny fepetra voalazan'ity lalàna ity.

Araka ny fisehoan-javatra, io komity io dia miandraikitra ny fampiharana ny Dina eo amin'ny :

- mpikamban'ny Fokonolona ao amin'ny Fokontany iray ;

- mpikamban'ny Fokonolona ao amin'ny Fokontany roa na maromaro ao anatin'ny kaominina iray ;

- mpikamban'ny Fokonolona ao amin'ny kaominina roa na maromaro ao anatin'ny vakim-pileovana iray ;

 

- mpikamban'ny Fokonolona ao amin'ny vakim-pileovana roa na maromaro ao anatin'ny faritra iray ;

- mpikamban'ny Fokonolona ao amin'ny Faritany mizakatena iray na maromaro.

 

Art. 16 - Le nombre des membres du comité visé à l'article 15 ci-dessus est fixé par le Dina.

 

 

Art. 17 - Pour la constitution des comités exécutifs du Dina, le Fokonolona ou l'ensemble de ses représentants à chaque niveau visé aux alinéas 2 et 3 de l'article 6 ci-dessus procède à l'élection des membres du Bureau du comité exécutif du Dina.

Le Bureau exécutif du Dina est composé de :

- un Président ;

- un Vice-président ;

- un Trésorier ;

- un Vice-trésorier ;

- un Secrétaire ;

- des Conseillers.

Les membres du Bureau exécutif du Dina sont élus par et parmi les membres du Fokonolona visés à l'article 15 ci-dessus.

 

Une liste arrêtée par l'autorité administrative territorialement compétente constate l'élection desdites personnalités dont la durée du mandat est de un an renouvelable.

 

And. 16 - Dina no mametra ny isan'ny mpikambana ao aminny komity mpanatanteraka ny Dina voalazan'ny andininy faha 15 etsy ambony.

 

And. 17 - Amin'ny fananganana ny komity mpanatanteraka ny Dina, ny Fokonolona na ny fitambaran'ny solontenany isaky ny ambaratonga voalazan'ny andàlana faha 2 sy faha 3-n'ny andininy faha 6 etsy ambony, no mifidy ireo mpikambana ao ainin'ny Biraon'ny komity mpanatanteraka ny Dina.

Ny Birao mpanatanteraka ny Dina dia ahitana

- Filoha iray ;

- Filoha Lefitra iray ,

- Mpitahiry vola iray

- Mpitahiry vola lefitra iray

- Mpitantsoratra iray ;

- Mpanolontsaina.

Ny mpikambana ao amin’ny Birao mpanatanteraka ny Dina dia fidin'ny mpikamban'ny Fokonolona amin'izy samy izy araka ny voalazan'ny andininy faha-15 etsy ambony.

Lisitra iray ataon'ny manampahefana tompon'andraikitra ao amin'ny faritra no milaza ny fahalanian'ireo olona ireo ka ny faharetan'ny asany dia herintaona azo havaozina.

 

Sous-Section 2

De la procédure devant le comité exécutif

du Dina

 

Art. 18 - Le comité exécutif du Dina est saisi par une requête adressée au président du comité exécutif du Dina.

Cette requête est constatée par une inscription sur un registre ad hoc contre délivrance d'un récépissé au demandeur.

 

Fizaran-tsokajy 2

Ny paika arahina eo amin'ny komity mpanatanteraka

ny Dina

 

And. 18 - Avy amin'ny fangatahana ataon'ny mpitory amin'ny filohan'ny komily mpanatanteraka ny Dina no andraisan'ny Komity an-tanana ny raharaha.

Ny ahitana fototra izany fitoriana izany dia ny fanoratana azy ao amin'ny boky natokana ho amin'izany ary omena tapakila fanamarinana ny mpangataka.

 

Art. 19 - Les parties sont avisées, par convocation écrite du président du comité exécutif du Dina, quinze (15) jours francs au moins avant le jour fixé pour l'instruction de l'affaire.

 

 

 

Art. 20 - L'assemblée générale statue dans un délai de huit (8) jours au moins et trente (30) au plus à compter de la date du récépissé.

 

Si l'assemblée générale n'a pas statué dans le délai fixé au précédent alinéa, le demandeur peut soumettre l'affaire au tribunal de l'ordre judiciaire territorialement compétent, dans les cinq (5) jours qui suivent la date d'expiration dudit délai.

 

And. 19 - Fiantsoana an-tsoratra izay ataon'ny filohan'ny komity mpanatanteraka ny Dina no ampahafantarana ny mpiady, izany dia atao dimy ambiny folo (15) andro katroka fara fahakeliny alohan'ny andro voatondro hanaovana fanadihadiana ny raharaha.

 

And. 20 -Tsy maintsy manapa-kevitra ao anatin'ny valo (8) andro raha kely indrindra ary telopolo (30) andro raha be indrindra manomboka amin'ny vaninandro nandraisana ny tapakila ny fivoriambe.

Raha toa ny fivoriambe tsy nanapa-kevitra ao anatin'ny fe-potoana voafetra eo amin'ny andalana etsy ambony, dia azon'ny mpangataka atao ny mampiditra ny ady any amin'ny Tribonaly miandraikitra ny ady madio sy ny ady heloka tompon'andraikitry ny faritra ao anatin'ny dimy (5) andro manaraka ny fahataperan'izany fe-potoana izany.

 

Art. 21 - Le comité exécutif du Dina tient un registre de délibération côté et paraphé par le Délégué administratif d'arrondissement ou le représentant de l'Etat territorialement compétent ou les élus, et où sont consignés les procès-verbaux.

Une copie du procès-verbal est adressée au représentant de l'Etat, au tribunal territorialement compétent, aux élus et notifiée à chacune des parties.

 

And. 21 - Mitana rejisitry ny fanapahan-kevitra, voaisa ravina sy vita sonia rangopohin'ny Delegem-panjakana ao amin'ny boriboritany na ny solontenam-panjakana tompon'andraikitry ny faritra na ny olom-boafidy, ny komity mpanatanteraka ny Dina ka amin'izany no iaindraiketana ny fitanana an-tsoratra.

Dika iray mitovin'ny fitanana an-tsoratra no alefa any amin'ny solontenam-panjakana, any amin'ny tribonaly tompon'andraikitry ny faritra, any amin'ny olom-boafidy ary homena iray isanisany ny roa tonta.

 

Art. 22 - Si l'une des parties s’estime lésée par la décision rendue par le comité exécutif du Dina, elle peut présenter un recours devant le tribunal judiciaire du lieu où les faits ont été commis dans un délai de quinze (15) jours à partir de la décision du comité rendue contradictoirement ou à partir de la date de la notification de la décision rendue par défaut.

 

 

Le recours devant le tribunal judiciaire territorialement compétent ne suspend pas l'exécution du vonodina.

 

Le tribunal visé à l'alinéa premier ci-dessus statue en premier et dernier ressort dans un délai de trente (30) jours à compter de la date de réception de la requête. Les débats dirigés par le président ont lieu au chef-lieu du Fivondronampokontany après audition des membres du Comité exécutif du Dina, du représentant de l'Etat territorialement compétent et des élus. A défaut de comparution du défendeur, le tribunal statue sur pièces.

 

And. 22 - Afaka mampiakatra fitsarana any amin'ny tribonaly misahana nv ady madio sy ady heloka mahefa ara-paritra ao anatin'ny 15 andro manomboka amin'ny fanapahana noraisin'ny komity mpanatanteraka ny Dina raha toa ka nifanatrehana izany na manomboka ny vaninandro nanaovana ny fampahafantarana ny fanapahana amin'ilay tsy tonga, raha tsy nifanatrehana izany, raha toa mahatsiaro maty antoka ny iray amin'ny mpiady mikasika ny fanapahana noraisin'ny komity mpanatanteraka ny Dina.

Ny fampiakarana ny raharaha eo anatrehan'ny tribonaly misahana ny ady madio sy ady heloka tompon'andraikitra ao amin'ny faritra dia tsy mampihantona ny fampiharana ny vonodina.

Ny tribonaly voalazan'ny andalana voalohany etsy arnbony, dia mitsara sady voalohany no farany ny raharaha ao anatin'ny 30 andro manomboka ny vaninandro naharaisany ny fitoriana. Ny adihevitra tarihin'ny filoha dia atao ao amin'ny renivohitry ny Fivondronana rehefa nohenoina irco mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraka nv Dina, ny solontenam-panjakana tompon'andraikitra ao amin'ny faritra ary ny olom-boafidy. Raha tsy tonga ny olona toriana, dia tsarainy araka ny antontan-taratasy eo an-tanany ny raharaha.

 

Sous-section 3

Des règles de fonctionnement du comité exécutif du Dina

 

Art. 23 - Le comité ne peut procéder valablement à la mise en oeuvre de l’application du Dina qu'en présence de la majorité absolue de ses membres.

 

Art. 24 - Les décisions sont prises à la majorité absolue des membres présents du comité exécutif du Dina et du Fokonolona membre du Dina.

 

Fizaran-tsokajy 3

Fitsipika amin'ny fampandehanan-draharahan'ny

komity mpanatanteraka ny Dina

 

And. 23 - Tsy afaka manao ny fampiharana ny Dina ara-dalàna ny Komity raha tsy eo anatrehan'ny antsasa-manilan'ny mpikambana.

 

 

And. 24 - Ny fanapahana dia raisin'ny antsasa-manilan'ny mpikambana ao amin'ny komity mpanatanteraka ny Dina tonga manatrika sy ny Fokonolona mpikambana ao amin'ny Dina.

 

Art. 25 - Il est interdit à tout membre du comité de prendre part à la délibération d'une affaire qui le concerne ou met en cause les membres de sa famille.

 

Art. 26 - Tout membre du comité ayant commis des fautes graves dans l'exercice de ses responsabilités est démis d'office de ses fonctions sans préjudice des poursuites judiciaires.

 

Sont notamment considérées comme fautes graves telles que visées à l'alinéa premier ci-dessus, les cas d'absences répétées non justifiées aux réunions du comité.

La démission d'office est constatée par décision du Délégué administratif d'arrondissement ou du représentant de l'Etat territorialement compétent conformément à la délibération de membres du comité exécutif du Dina et du Fokonolona membre du Dina.

 

And. 25 - Rarana ho an'ny mpikambana rehetra ao amin'ny komity ny mandray anjara amin'ny fanapahana ny raharaha mikasika ny tenany na mikasika ny olona ao amin'ny fianakaviany.

 

And. 26 - Izay mpikambana rehetra ao amin'ny komity ka manao fahadisoana lehibe eo am-panatontosana ny andraikiny dia esorina avy hatrany amin'ny asany ary izany dia tsy misakana ny fanenjehana azy ara-pitsarana.

Heverina indrindra ho fahadisoana lehibe araka ny voalazan'ny andalana voalohany etsy ambony, ny tsy fahatongavana manatrika fivorian'ny komity matetika nefa tsy misy fanamarinana ny anton'izany.

Ny fanesorana avy hatrany dia hita fototra amin'ny alalan'ny fanapahana raisin'ny Delegem-panjakana ao amin'ny boriboritany na ny solontenam-panjakana tompon'andraikitry ny faritra araka ny fanapahan-kevitry ny mpikanbana ao amin'ny komity mpanatanteraka ny Dina sy ny Fokonolona mpikambana ao amin'ny Dina.

 

Art. 27 - Les membres du comité exécutif du Dina perçoivent une indemnité forfaitaire fixée par le Fokonolona ou la collectivité territoriale décentralisée concernée.

 

Cette indemnité est supportée par la caisse du Dina constituée par les vonodina.

 

Art. 28 - Les dépenses relatives au fonctionnement du comité sont prises en charge par la caisse du Dina ou par la collectivité territoriale décentralisée concernée, selon le cas.

 

A cet effet, le comité exécutif du Dina doit tenir un registre de comptabilité de caisse.

 

And. 27 - Ny mpikambana ao amin'ny komity mpanantanteraka ny Dina dia mahazo tambin-karama raikitra izay feran'ny Fokonolona na ny vondrombahoakamparitra itsinjaram-pahefana voakasik'izany.

Zakain'ny tahirim-bolan'ny Dina azo avy amin'ny vonodina io tambin-karama io.

 

And. 28 - Ny lany amin'ny fampandehanan-draharahan'ny komity dia raisin'ny tahirim-bolan'ny Dina an-tànana na zakain'ny vondrombahoakam-paritra itsinjarampahefana voakasik'izany, arakaraka ny fisehoan-javatra.

Amin'izany, ny komity mpanatanteraka ny Dina dia tsy maintsy mitana boky firaiketana ny miditra sy ny mivoaka ao amin'iiy tahirim-bolany.

 

CHAPITRE III

Des dispositions particulières aux Dina

relatifs au vol de bœufs

 

Art. 29 - Nonobstant les dispositions de l'article 6 ci-dessus, les Dina relatifs aux vols de bœufs régulièrement adoptés dans les conditions fixées par la présente loi s’appliquent au moins au Fokonolona d'une sous-préfecture.

Dans tous les cas, le Dina adopté dans le lieu où le vol a été commis est applicable de plein droit.

 

Le Dina doit prévoir des mesures préventives, notamment la surveillance et le contrôle des passages obligés généralement appelés " kizo ", le nettoiement desdits passages, la répercussion du signal d'alerte et le pistage des traces afin de faciliter la poursuite des voleurs de bœufs.

 

Le village qui entend l'alerte a le devoir de le transmettre par tous les moyens et sans tarder aux autres villages environnants. Le village ou ceux qui auront failli aux obligations prévues aux alinéas précédents seront sanctionnés par le Dina.

 

TOKO III

Ny fepetra manokana momba ny Dina

mikasika ny halatra omby

 

And. 29 - Na dia eo aza ny fepetra voalazan'ny andininy faha 6 etsy ambony, ny Dina mikasika ny halatra omby izay lany ara-dalàna araka ny fepetra voafaritr'izao lalàna izao dia mihatra fara fahakeliny amin'ny Fokonolona ao amin'ny vakipileovana iray.

Amin'ny fisehoan-javatra rehetra, ny Dina lany tao amin'ny toerana nisian'ny halatra dia ampiharina tsy misy fepetra.

Ny Dina dia tsy maintsy maminavina mialoha ny fepetra fisorohana, indrindra indrindra mikasika ny fiambenana sy ny fanaraha-maso ireo lalana voatery tsy maintsy haleha izay antsoina hoe kizo, ny famafana ireo lalana ireo, ny fampitana ny antso fanairana ary ny fanarahan-dia mba hanamorana ny fanenjehana ny mpangalatr'omby.

Ny tanàna mahare ny fanairana dia manana adidy hampita izany avy hatrany amin'ny fomba rehetra amin'ny tanàna hafa manodidina. Izay tanàna na izay tsy manatanteraka io fepetra voalazanny andalana etsy ambony io dia ho faizin'ny Dina.

 

Art. 30 - Tout vol de bœufs doit être déclaré par le propriétaire dans un délai de 48 heures au président du Fokontany qui en saisit immédiatement les autorités compétentes.

 

 

Art. 31 - Le président du Fokontaiiy vérifie si les bœufs déclarés volés sont régulièrement inscrits dans le cahier de contrôle dit « bokin'omby » et délivre au propriétaire une attestation valant autorisation de poursuite.

 

And. 30 - Ny halatra omby rehetra dia tsy maintsy anaovan'ny tompony fanambaràna ao anatin'ny valo ambin'ny efapolo ora any amin'ny filohan'ny Fokontany izay mitondra ny raharaha avy hatrany any amin'ny manampahefana tompon'andraikitra.

 

And. 31 - Ny filohan’ny Fokontany dia manamarina raha toa ka voasoratra ara-dalàna ao anatin'ny kahie fanaraha-maso antsoina hoe bokin'omby ny omby nanaovana fanambàrana fa nisy nangalatra ary manome ny tompon'ny omby taratasy fanamarinana izay manana lanja fanomezan-dàlana hanao fanenjehana.

 

Art. 32 - L'application du Dina s'effectue par la procédure du « kabary fototra » dont l'objet consiste à procéder à l'audition des parties et à l'issue de laquelle le comité exécutif du Dina rend sa décision par écrit. En cas d'absence de l'une des parties, les dispositions de l'alinéa 3 de l’article 10 ci-dessus sont applicables.

Le comité peut, en tant que de besoin, faire appel à des témoins.

La décision du comité est consignée dans un procès-verbal établi à l'issue de la procédure d'application du Dina dont copie est adressée au représentant de l'Etat et au tribunal territorialement compétents et notifiée aux parties.

 

And. 32 - Ny fampiharana ny Dina dia atao amin'ny alalan'ny kabary fototra izay miompana amin'ny fihainoana ny mpiady ary avy amin'izany no andraisan'ny komity mpanatanteraka ny Dina fanapahana an-tsoratra. Raha toa ka tsy tonga ny iray amin'ireo mpiady dia ampiharina ny fepetra voalazan'ny andalana fahatelon'ny andininy faha10 etsy ambony.

Ny komity dia afaka miantso vavolombelona, raha ilaina izany.

Ny fanapahana raisin'ny komity izay mamarana ny paika arahina amin'ny fampiharana nv Dina, dia raiketina ao anaty fitanana an-tsoratra ka andefasana dika mitovy amin’izany ny solontenam-panjakana sy ny tribonaly tompon'andraikitry ny faritra ary ampahafantarana ny mpiady.

 

Art. 33 - La décision du comité exécutif du Dina s'applique immédiatement nonobstant toutes voies de recours.

Il sera procédé éventuellement aux réparations prévues par le Dina.

 

Art. 34 - En cas de refus d'exécution, il sera procédé à l'exécution forcée conformément aux dispositions de l'article 12 ci-dessus.

 

And. 33 - Ny fanapahana raisin'ny komity mpanatanteraka ny Dina dia mihatra avy hatrany na dia misy aza fampakaran-draharaha.

Hatao ny fanonerana voalazan'ny Dina raha misy izany.

 

And. 34 - Raha misy fandavana fanatanterahana dia hatao ny fanatanterahana an-keriny araka ny voalazan'ny fepetra ao amin'ny andininy faha-12 etsy ambony.

 

CHAPITRE IV

Du Dina type dit « DINA LASITRA »

 

Art. 35 - Le "DINA LASITRA" joint en annexe à la présente loi constitue un modèle type de Dina.

Dans tous les cas, les dispositions du Dina lasitra peuvent être appliquées, mutatis mutandis, au niveau d'un hameau, village, Fokontany, commune, sous-préfecture, région ou d'une Province autonome en vertu des articles 4, 5 et 6 de la présente loi.

 

TOKO IV

Ny " DINA LASITRA"

 

And. 35 - Ny "DINA LASITRA" atovana amin'izao lalàna izao dia natao ho modelin'ny Dina.

Amin'ny fisehoan-javatra rehetra, ny Dina lasitra dia azo ampiharina ary azo ovàna izay tokony ovàna eo anivon'ny vohitra, tanàna, Fokontany, kaominina, vakim-pileovana, faritra na Faritany mizakatena iray araka ny voalazan'ny andininy faha-4, faha-5 sy faha-6 amin'izao lalàna izao.

 

Art. 36 - Par application des dispositions de l'article 35 ci-dessus, le "DINA LASITRA" peut être adapté en fonction des traditions et coutumes locales parfaitement établies sous réserve du respect des dispositions des lois et règlements en vigueur.

 

And. 36 - Amin’ny fampiharana ny fepetra entin'ny andininy faha-35 etsy ambony, ny DINA LASITRA dia azo ampifanarahana aminny fomba amam-panao nentin-drazana efa tena fampihatra eo an-toerana raha toa izany ka manaja ny fepetra voalazan’ny didy aman-dalàna manan-kery.

 

CHAPITRE V

Dispositions finales

 

Art. 37 - Les dispositions de la présente loi sont applicables aux Dina autres que ceux relevant de la sécurité publique.

 

Art. 38 - Les modalités d'application de la présente loi feront, en tant que de besoin, l'objet de textes réglementaires.

 

TOKO V

Fepetra farany

 

And. 37 - Ny fepetra entin'izao lalàna izao dia ampiharina amin’ny Dina hafa ankoatran’ireo mahakasika ny filaminam-bahoaka.

 

And. 38 - Ny fombafomba fampiharana izao lalàna izao dia hanaovana rijan-tenin-didy amam-pitsipika araka izay ilàna azy.

 

Art. 39 - Sont et demeurent abrogées, toutes dispositions antérieures contraires à la présente loi.

 

Art. 40 - La présente loi sera publiée au Journal officiel de la République.

Elle sera exécutée comme loi de l'Etat.

 

Promulguée à Antananarivo, le 25 octobre 2001

Didier RATSIRAKA

 

And. 39 - Foanana ary dia foana avokoa ny fepetra rehetra natao teo aloha mifanohitra amin'izao lalàna izao.

 

And. 40 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika izao lalàna izao.

Hotanterahina izany fa lalàm-panjakana.

 

Avoaka hanan-kery, Antananarivo ny 25 oktobra 2001

Didier RATSIRAKA

 

 

 


 

 

ANNEXES/TOVANA

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana - Fandosoana

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana - Fandosoana

 

PROVINCE AUTONOME DE. . . . .

REGION DE. . . . .

SOUS-PREFECTURE DE. . . .

COMMUNE DE. . .

FOKONTANY DE . . . .

PROVINCE AUTONOME DE . . . . . . . .

REGION DE . . . . . . . . . . . .

VAKIM-PILEOVANA . . . . . .

KAOMININA. . . . . . . . . . . . .

FOKONTANY. . . . . . . . . . . .

DELIBERATION N°

portant adoption du Dina. . . (1)

 

LES MEMBRES DU FOKONOLONA DE. . .. . . . . . . . . . . . . . . . . . . (2)

délibérant conformément aux dispositions de la loi n' 2001-004 portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique,

 

 

 

Nombre d'habitants âgés de 18 ans et plus :

Majorité requise :

 

FANAPAHAN-KEVITRA N°

anaovana ny fandaniana ny Dina. . . . . (1)

 

NY MAMBRAN’NY FOKONOLONA AO . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . . (2)

Rehefa avy nanapa-kevitra araka ny fepetra voalazan’ny lalàna laharana faha 2001-004 tamin’ny 25 oktobra 2001 anaovana ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin’ny lafiny fandriampahalememam-bahoaka,

 

Isan’ny mponina 18 taona no mihoatra :. . . . . . . . .

Isa takiana ahafahana mivory : . . . . . . . . . . . . . . . .

 

Vu la Constitution,

Vu l'ordonnance modifiée n° 60-106 du 27 septembre 1960 relative à la répression des vols de bœufs,

Vu l'ordonnance modifiée n° 60-1 1 0 du 29 septembre 1960 fixant le régime des matériels de guerre, des armes et des munitions,

Vu l'ordonnance n° 60-111 du 29 septembre 1960 relative à l'habitat rural,

 

 

 

Vu l'ordonnance n° 69-011 du 22 juillet 1969 sur le régime de l'armement à l'exception des armes blanches,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Araka ny hitsivolana nasiam-panovana laharana faha 60-106 tamin’ny 27 septambra 1960 mikasika ny famaizana ny halatra omby ,

Araka ny hitsivolana nasiam-panovana laharana faha 60-110 tamin’ny 29 septambra 1960 mikasika ny fifehezana ny fitaovana enti-miady, ny fitaovam-piadiana sy ireo kojakoja momba izany,

Araka ny hitsivolana laharana faha 60-111 tamin’ny 29 septambra 1960 mikasika ny tanàna sy ny fonenana any ambanivohitra,

Araka ny hitsivolana laharana faha 62-001 tamin’ny 10 jolay 1962 manorina ny fepetra mikasika ny fitandroana ny filaminana iadiana amin’ny halatra omby,

Araka ny lalàna laharana faha 69-011 tamin’ny 22 jolay 1969 mikasika ny fifehezana ny fitaovam-piadiana afa-tsy ny zava-maranitra enti-miady,

Vu l'ordonnance n° 76-030 du 21 août 1976 édictant des mesures exceptionnelles pour là poursuite des feux sauvages,

 

Vu la loi n° 94-008 du 26 février 1995 fixant Ies règles relatives à l'organisation, au fonctionnement et aux attributions des collectivités territoriales décentralisées,

Vu le décret n° 70-041 du 13 janvier 1970 portant application de la loi n° 6901 1 du 22 juillet 1969 sur le régime de l'armement à l'exception des armes blanches,

Vu le décret n° 82-387 du 14 septembre 1982 relatif au recensement, à la circulation et à la commercialisation des bovidés,

Araka ny hitsivolana laharana faha 76-030 tamin’ny 21 aogositra 1976 mandidy ny hanaovana fepetra noho ny antony manokana mba hitoriana ny mpanao doro tanety,

Araka ny lalàna laharana faha 94-008 tamin’ny 26 aprily 1995 mikasika ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara raharahan’ny Vondom-paritra anapariaham-pahefana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 70-041 tamin’ny 13 janoary 1970 anaovana ny fampiharana ny lalàna laharana faha 69-011 tamin’ny 22 jolay 1969 mikasika ny fifehezana ny fitaovam-piadiana,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 82-387 tamin’ny 14 septambra 1982 mikasika ny fanisana sy fifamoivoizana ary ny fivarotana omby,

Vu le décret n° 94-608 du 28 septembre 1994 relatif à la participation active de la population rurale à la sécurité locale ci à la lutte contre les vols de bœufs,

 

Vu le décret n° 95-291 du 18 avril 1995 portant organisation de la fourriers,

Vu le décret n° 96-251 du 27 mars 1996 fixant l'organisation ci les attributions des Fokontany et des arrondissements administratifs,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 94-608 tamin’ny 28 septambra mikasika ny tena fandraisana anjaran’ny mponina eny ambanivihitra momba ny fandriampahalemana eo an-toerana sy ny ady atao amin’ny halatra omby,

Araka ny didim-panjakana lahararana faha 95-291 tamin’ny 18 aprily 1995 andaminana ny “fourrière”,

Araka ny didim-panjakana laharana faha 96-251 tamin’ny 27 marsa 1996 mikasika ny fandaminana sy mametra ny andraikitra sahanin’ny Fokontany sy ny boriboritany,

_____

(1) Nom du Dina

(2) Dénomination hameau, village, Fokontany

 

__________

(1)   Anaran’ny vohitra, tanàna, Fokontany

(2)   Anaran’ny vohitra, tanàna, Fokontany

 

 

 

 

 

Ouï l'exposé du président de séance,

 

Après en avoir délibéré :

par voix sur membres présents.

 

Ont adopté la délibération suivante :

 

Rehefa avy nandre ny famelabelarana nataon’ny Filoha mpitarika ny fivoriana,

Rahefa avy natao ny fanapahana

Tamin’ny vato . . . . . . . amin’ny vato. . . . . . nataon’ireo mambra tonga nanatrika io fivoriana io

Dia lany ny fanapahan-kevitra manaraka izao :

 

Article unique - Le Dina (1) est adopté par les membres du Fokonolona de. . . . .. . . . . . . . . (2).

Il s'applique à tous les membres du Fokonolona après avis préalable du Maire, du Conseil de la Commune et du représentant de l'Etat, et sous réserve de l'homologation du tribunal de l'ordre judiciaire territorialement compétent.

Délibéré et adopté par les membres du Fokonolona, au cours de leur réunion en date du

Le président de séance,

 

Les membres du Fokonolona,

 

Le secrétaire de séance,

 

Andininy tokana - Ny DINA. . . . . . (1) dia nolanian’ny mambran’ny Fokonolona tao . . . . . . . . . . . . . . . . . . (2).

Ampiharina amin’ny mambran’ny Fokonolona rehetra izy ity rehefa nangalana ny hevitry ny Ben’ny tanàna sy ny Solontenam-panjakana dieny mialoha, ary rehefa nahazo ny fanomezan-kery tamin’ny tribonaly ara-pitsarana tompon’andraikitry ny faritra.

 

Tapaka sy lanieran’ny mambran’ny Fokonolona, mandritra ny fivoriana tamin’ny . . . . . . . . . . . . . . . .

Ny Filoha mpitarika ny fivoriana. . . . .

 

Ny mambran’ny Fokonolona,

 

Ny mpitan-tsoratry ny fivoriana

 

 

 


 

 

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana - Fandosoana

 

REPOBLIKAN’I MADAGASIKARA

Tanindrazana - Fahafahana - Fandosoana

 

MODÈLE TYPE DE DINA

(DINA LASITRA)

 

DINA LASITRA

(Modely)

 

VU POUR ÊTRE ANNEXÉ

À LA LOI N° 2001-004

portant réglementation générale des Dina

en matière de sécurité publique

 

HITA MBA HOTOVANANA NY LALANA

N° 2001-004 TAMIN’NY 25 OKTOBRA 2001

anaovana ny fitsipika ankapobe mifehy ny Dina eo amin’ny lafin’ny fandriampahalemam-bahoaka

CHAPITRE PREMIER

Dispositions générales

 

Article premier - Le présent "Dina" a pour objet d'édicter des mesures en vue d'harmoniser et de régler la vie sociale, économique et la sécurité des habitants de (2)

A cet effet, nous nous engageons à :

- nous prêter assistance et solidarité mutuelles ;

 

- assumer l'éducation civique de nos membres ;

 

- instaurer une discipline collective afin de préserver l'ordre et la sécurité publics ;

 

- contribuer au développement économique et social de la localité et au progrès social ;

 

- renforcer l'esprit de solidarité pour la lutte contre tout acte de banditisme et en particulier les vols de bœufs et de récoltes sur pied, et

- assurer la sécurité des personnes et des biens, aussi bien des habitants que des visiteurs étrangers au village.

TOKO VOALOHANY

Fepetra ankapobe

 

Andininy voalohany - Ity DINA ity dia atao hamoahana fepetra mba ho enti-mampirindra sy mandamina ny fiaimpiainana ara-tsosialy sy ara-toekarena ary ny fandriampahaleman’ny mponina ao . . . . . . (2)

 

Arak’izany, mifanaiky izahay mba :

*      hifanohantohan-tsy ho lavo ka hifanampy sy hiara-mientana tanteraka ;

*      hiantsoroka ny fanabeazana ny mambra ao aminay;

*      hanangana fitsipi-pitondran-tena itambarana mba hiarovana ny filaminana sy ny fandriampahalemam-bahoaka;

*      handray anjara amin’ny fampiroboroboana ara-toekarena sy ara-tsosialy ny ao an-toerana sy ny fampandrosoana ny fiaraha-monina ;

*      hanamafy ny firaisan-kina eo amin’ny ady atao amin’ny asan-jiolahy rehetra ary jerena manokana amin’izany ny mikasika ny halatra omby, ny hala-botry ary,

*      hiantoka ny fandriampahaleman’by olona sy ny fananay, na mikasika ny mponina izany na ny olona vahiny ao an-tanàna.

 

CHAPITRE II

De la sécurité en général

 

Art. 2 -Les habitants d'un hameau, d'un village doivent s'inscrire sur le registre de recensement du Fokontany conformément aux dispositions des lois et règlements en vigueur.

 

Art. 3 - Toute personne désirant changer de domicile est tenue d'en faire la déclaration au président du comité local de sécurité du Fokontany à la veille de son départ définitif. Il est procédé immédiatement à sa radiation du registre de recensement et à la délivrance d'un certificat y afférent.

 

Art. 4 - Tout citoyen âgé de 18 ans et plus doit être titulaire d'une carte nationale d'identité ou d'un document pouvant justifier son identité conformément aux dispositions des lois et règlements en vigueur.

 

TOKO II

Ny amin’ny fandriampahalemana ankapobe

 

And. 2 - Ny mponina rehetra ao amin’ny vohitra na ny tanàna dia tsy maintsy misoratra ao amin’ny rejisitra fanisam-bahoakan’ny Fokontany misy azy araka ny didy aman-dalàna manan-kery.

 

And. 3 - Izay olona rehetra manam-paniriana hifindra monina dia tsy maintsy manao fanambaràna any amin’ny filohan’ny komitim-paritry ny fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany ialany, ny ankatoky ny fiaingana tanteraka. Tonga dia vonoina avy hatrany ny anarany ao amin’ny rejisitra fanisam-bahoaka ary dia hisy fanomezana fanamarinana amin’izany.

 

And. 4 - Araka ny didy aman-dalàna manan-kery, ny olom-pirenena rehetra 18 taona no mihoatra dia tsy maintsy manana kara-panondrom-pirenena na antontan-taratasy afaka manamarina ny maha-izy azy.

 

_________

(2) Dénomination hameau, village, Fokontany, Commune, Sous-préfecture, région, Province.

 

________

(2) Anaran’ny vohitra, tanàna, fokontany

 

 

 

 

 

Art. 5 - Toute personne étrangère qui passe une ou plusieurs nuits au village fera l'objet d'une déclaration écrite auprès des responsables du Fokontany par la personne qui l'héberge et devra être inscrite sur le registre dit "bokim-bahiny" du Fokontany.

 

And. 5 - Izay olona rehetra vahiny mijanona indray alina na alina maromaro ao an-tanàna dia tsy maintsy hanaovan’ilay olona mampiantrano azy filazana an-tsoratra any amin’ny mpiandraikitry ny Fokontany ary tsy maintsy voasoratra ao amin’ny rejisitra antsoina hoe “bokim-bahiny”, ao amin’ny Fokontany.

 

Art. 6 - Toute personne désirant acquérir, détenir et porter des armes à feu ou armes blanches doit se conformer aux procédures prévues par les dispositions de la loi n° 69-011 du 22 juillet 1969, du décret n° 70-041 du 13 janvier 1970 et de l'ordonnance modifiée n° 60-110 du 29 septembre 1960.

 

 

Art. 7 - Toute personne légalement autorisée à détenir une arme à feu doit en faire la déclaration auprès du président du Comité local de sécurité du Fokontanv à charge par ce dernier de délivrer un récépissé attestant cette déclaration après inscription sur un registre ad hoc ouvert à cet effet.

 

La détention et/ou le port d'arme sans autorisation légale et régulière sont sanctionnés par le Dina sans préjudice de l'application des dispositions des articles 74 à 79 de la loi n° 69-011 du 22 juillet 1969. Dans le cas d'espèce, le président du Comité local de sécurité du Fokontany en avise immédiatement le Chef d'unité de la gendarmerie la plus proche et en rend compte au représentant de l'Etat territorialement compétent.

 

And. 6 - Izay olona rehetra manam-paniriana hanana basy na fitaovam-piadiana nenti-paharazana sy hitana ary hitondra izany dia tsy maintsy manaja ny fomba arahina amin’ny fifehezana ny fitaovam-piadiana voalazan’ny fepetra ao amin’ny lalàna laharana faha 69-011 tamin’ny 22 jolay 1969 sy ny didim-panjakana laharana faha 70-041 tamin’ny 13 jolay 1970 ary ny hitsivolana nasiam-panovana laharana faha 60-110 tamin’ny 29 septambra 1960.

 

And. 7 - Izay olona rehetra nahazo alalana ara-dalàna hitana basy dia tsy maintsy manao fanambaraàna any amin’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Fokontany ka anjaran’izy io no manome tapakila manamarina ny naharaisana izany fanambarana izany rehefa voasoratra tao amin’ny rejisitra nosokafana amin’izany.

Ny fitanana sy/na fitondrana fitaovam-piadiana tsy nahazoana alalana ara-dalàna dia faizin’ny Dina, izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny fepetra voalazan’ny andininy faha-74 amin’ny lalàna laharana faha 69-011 tamin’ny 22 jolay 1969. Amin’ny fisehoan-javatra toy itony, ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany dia mampandre miaraka amin’izay ny Lehiben’ny andian’ny Zandarimaria akaiky azy indrindra ary mitondra tatitra any amin’ny Solontenam-panjakana tompon’andraikitry ny faritra.

 

Art. 8 - Il est interdit de porter sur soi, sauf autorisation, des armes ou des objets tranchants ou perçants tels que poignard, sagaie à travers le village.

 

Art. 9 - Toute personne qui participe à un attroupement provoquant des rixes et des troubles sur les marchés. sur la voie publique, ou tout autre lieu public sera appréhendée par le Fokonolona et les éléments du quartier mobile et livrée sur le champ aux autorités compétentes sans préjudice de l'application du vonodina.

 

And. 8 - Raràna ny mitondra fiadiana na zava-maranitra toy ny lefona, ny antsy maranitra raha mamakivaky ny tanàna, afa-tsy ny nahazoana alalana.

 

And. 9 - Izay olona rehetra mandray anjara aminy fitangorongoronana ka mitarika ady saritaka sy tabataba eny an-tsena na eny amin’ny lalana falehan’ny besinimaro ary koa eny amin’ny toeran-kafa misy havoriam-bahoaka dia hosamborin’ny Fokonolona sy ny olon’ny kartie mobily ary hatolotra eo no ho eo ihany ny manampahefana tompon’andraikitra.

 

Art. 10 - Lors des fêtes, spectacles et manifestations diverses, il est interdit de vendre des boissons alcooliques sur les lieux publics sauf sur autorisations délivrées par les autorités compétentes.

Tout individu pris en flagrant délit d'ivresse publique et manifeste qui trouble l'ordre public sera sanctionné par le Dina sans préjudice de l'application des lois et règlements en la matière.

 

 

Art. 11 - Tout fournisseur de stupéfiants et tout individu qui s'adonne aux stupéfiants et pris en flagrant délit sont livrés aux autorités compétentes sans préjudice de l'application du vonodina.

 

Il en est de même pour toute personne qui se livre au trafic de toaka voarara, paraky gasy et feuilles de tabac.

 

And. 10 - Amin’ny andro fety sy fampisehoana ary fihetsiketsehana samihafa dia raràna ny mivarotra zava-pisotro misy alikaola eny amin’ny toerana ankalamanjana raha tsy efa nahazoana alalana avy amin’ny manampahefana tompon’andraikitra.

Izay olona rehetra tra-tehaka mamo eny ankalamanjana sy ankarihary ka manakorontana ny filaminam-bahoaka dia hofaizin’ny Vonodina. Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny didy aman-dalàna mikasika io.

 

And. 11 - Atolotra ny manampahefana tompon’andraikitra, izay tsy misakana ny fampiharana ny Vonodina, izay rehetra mpamatsy zava-mahadomelina ary ireo olona rehetra midoroka zava-mahadomelina ka tratra ambodiomby.

Toy izany koa ny mikasika ireo rehetra izay mivarotra toaka voarara sy paraky gasy ary ravim-paraky.

 

Art. 12 - La violation de tombeaux ou de sépultures, l'outrage fait à la mémoire des morts et le vol d'ossements (taolam-paty) donneront lieu à l'application du vonodina sans préjudice des peines prévues par la loi.

 

Art. 13 - Toute personne qui n'a ni domicile certain, ni moyens de subsistance et qui n'exerce habituellement aucun métier ni profession, ainsi que toute personne prise en flagrant délit d'oisiveté sera contrainte à exécuter des travaux d'intérêt général gratuits au bénéfice de la Commune sans préjudice des peines prévues par l'article 271 du Code pénal.

 

And. 12 - Ny fanimbazimbana fasana na toerana filivenana sy ny faniratsirana atao amin’ny fahatsiarovana ny maty ary ny fangalarana taolam-paty dia hampiharana ny Vonodina. Izany anefa tsy misakana ny sazy voalazan’ny lalàna.

 

And. 13 - Izay olona rehetra tsy manam-ponenana mazava sady tsy manana fomba fivelomana ary tsy manana asa aman-draharaha na anton’asa fanao isan’andro ary koa izay rehetra tra-tehaka amin’ny fidonanam-poana dia hoterena hanatanteraka maimaim-poana asa mahasoa ny besinimaro ho tombontsoan’ny Kaominina ary izany dia tsy misakana ny famaizana voalazan’ny andininy faha-271 ao amin’ny Fehezandalàna famaizana.

 

Art. 14 - En milieu rural, toute personne valide âgée de 18 ans à 60 ans doit posséder une carte de producteur établie et délivrée par le Maire au vu d'un recensement effectué par les soins du président du comité local de sécurité du Fokontany, ou toute autre carte justifiant de son activité.

 

Art. 15 - Toute personne prise en flagrant délit de destruction .de cultures ou de récoltes sur pied appartenant à autrui est livrée aux autorités compétentes sans préjudice de l'application du vonodina.

 

And. 14 - Any ambanivohitra, izay olona matanjaka 18 taona ka hatramin’ny 60 taona dia tsy maintsy manana, na kara-pamokarana ataon’ny Ben’ny tanàna araky ny fanisana nataon’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany, na taratasy hafa manambara ny asany.

 

And. 15 - Izay olona rehetra tra-tehaka manapotika ny voly na ny vokatra ampotiny an’olon-kafa eo an-toerana dia faizin’ny Dina ary atolotra ny manampahefana tompon’andraikitra ary izany dia tsy misakana ny fampiharana ny Vonodina.

 

Art. 16 - Toute personne prise en flagrant délit de maraudage est arrêtée et livrée aux responsables du Fokontany pour être ensuite livrée aux autorités compétentes après établissement d'un procès-verbal. Il en est de même de toute personne prise en flagrant délit de vol d'animaux domestiques d'autrui. La restitution en est obligatoire en plus de l'application du vonodina.

 

 

Art. 17 - Toute personne prise en flagrant délit de dégradation ou de destruction des bornes fontaines, barrages, canaux d'irrigation, digues, bassins, école, bâtiments publics ou privés, ouvrages publics ou d'utilité publique est sanctionnée par le Dina et livrée aux autorités compétentes.

Lorsque l'auteur de la dégradation ou de la destruction demeure inconnu, il appartient au Fokonolona concerné d'en assumer la responsabilité en procédant à la réhabilitation.

 

And. 16 - Izay olona rehetra tratra ambodiomby manao halabotry eny an-tsaha na eny amin’ny toerana hafa voavoly dia hosamborina ka atolotra ny mpiandraikitry ny Fokontany mba ho entina any amin’ny manampahefana tompon’andraikitra avy eo rehefa avy nanaovana fitanana an-tsoratra. Torak’izany koa ny mikasika izay olona tra-tehaka mangalatra biby fiompy. Tsy maintsy atao ny famerenana izany amin’ny tompony ambonin’ny fampiharana ny Vonodina.

 

And. 17 - Izay olona rehetra tra-tehaka manimba na manapotika paompin-drano na tohodrano na taridranom-pambolena, fefiloha, toerana fanasan-damba, sekoly, tranom-panjakana na an’olon-tsotra, taozava-boakaly an’ny Fanjakana na fanasoavam-bahoaka dia iharan’ny Dina no sady atolotra ny manampahefana tompon’andraikitra.

Raha tsy fantatra ny tompon-keloka tamin’ny fanimbana na fanapotehan-javatra dia ny Fokonolona voakasik’izany no mandray andraikitra amin’ny fanarenana ny simba.

 

Art. 18 - Il est du devoir du Fokonolona de maintenir en bon état les canaux d'irrigation de son Fokontany notamment de pourvoir à leur curage périodique ou à leur entretien.

Il est interdit d'obstruer les vannes de distribution des canaux communs d'irrigation ou de détourner les eaux du canal sauf autorisation spéciale des responsables de distribution.

 

La divagation et le gardiennage des animaux le long du canal sont interdits.

 

Art. 19 - Le propriétaire dont les animaux domestiques causent des dommages aux terrains d'autrui ensemencés ou chargés de récoltes est contraint de réparer ou de dédommager la victime en plus de l'application du vonodina et sans préjudice des peines prévues par l'article 472-13° du Code pénal.

 

And. 18 - Anjaran’ny Fokonolona no mitana ny hatsaran’ny toetry ny taridranom-pambolena ao amin’ny Fokontaniny indrindra indrindra ny manala ny fotaka na koa ny fikojakojana izany.

Raràna ny manentsina ny vavarano fitsinjarana ny taridranom-pambolena itambarana na mamilivily ny zotran’ny rano ao amin’ny lakandrano afa-tsy ny nahazoana alalana manokana avy amin’ny tompon’andraikitry fitsinjarana.

Ny famelana ny biby hirenireny sy ny fiambenana azy manaraka ny lakandrano dia raràna.

 

And. 19 - Ambonin’ny fampiharana ny sazy tondroin’ny Vonodina, ny tompon’ny biby fiompy izay nanimba ny tanin’olona voafafy voa na misy voly dia voatery manonitra izany amin’ny niaram-pahavoazana. Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny famaizana voalazan’ny andininy 471-13° ao amin’ny Fehezandalàna famaizana.

 

Art. 20 - Toute personne qui commet des vols de quelque nature que ce soit est contrainte de restituer les objets volés si ces derniers sont encore en sa possession ou verse l'équivalent du montant des objets volés au propriétaire, en plus de l'application du vonodina, et sans préjudice des sanctions pénales.

 

 

 

Art. 21 - L'occupation ou l'installation d'un campement doit faire l'objet d'une demande auprès du Maire de la Commune de rattachement après avis du Comité local de sécurité du Fokontany d'accueil.

 

And. 20 - Izay olona rehetra tratra mangalatra zavatr’olona, na inona karazan’izany na inona, dia terena hamerinaa amin’ny tompony ny zavatra nagalariny raha mbola tratra eo aminy izany na saziana handoa ny vola mitovy amin’ny teti-bidin’ny zavatra nangalariny amin’ny tompon-javatra very, ambonin’ny Vonodina ampiharina aminy; Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny famaizana araka ny lalàna amin’ny ady heloka.

 

And. 21 - Ny fitoerana na ny fananganana toeram-ponenana vonjimaika any an-tsaha dia tsy maintsy hanaovana fangatahana ao amin’ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina mpiadidy rehefa avy nagalana ny hevitry ny Komitim-paritry ny Fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany anaovany izany.

 

Art. 22 - Les fêtes et cérémonies coutumières, spectacles et manifestations diverses, doivent faire l'objet d'une déclaration auprès des responsables du Fokontany concerné, et le cas échéant, d'une autorisation des instances compétentes.

 

Art. 23 - Conformément aux dispositions de l’ordonnance n° 76-030 du 21 août 1976, les feux de brousse sont sévèrement réprimés; les auteurs de quelque incendie que ce soit seront livrés par les membres du Comité local de sécurité du Fokontany aux autorités compétentes sans préjudice de l'application du vonodina. Lorsque l'auteur de l'incendie demeure inconnu, le vonodina est applicable au Fokonolona. Dans tous les cas, le Fokonolona est tenu de reboiser le terrain endommagé.

 

 

 

Art. 24 - Les marchés hebdomadaires doivent être réglementés au niveau des Communes rurales. Tout acte de nature à perturber le bon ordre ou pouvant porter préjudice à la sécurité et l'ordre publics ou portant atteinte à la liberté et tranquillité publiques, entre autres vente d'objets illicites et prohibés, obstruction ou occupation abusive d'un lieu, d'une voie, non paiement de taxes et droits divers, circulation de faux billets, ivresse publique et manifeste, fait l'objet d'un vonodina.

 

And. 22 - Ny fety sy ny lanonana nenti-paharazana ary ny fampisehoana an-tsehatra sy ny fihetsiketsehana isan-karazany dia tsy maintsy hanaovana filazana any amin’ny mpiandraikitry ny Fokontany hisy izany ary, raha ilaina, dia alalana avy amin’ny manampahefana tompon’andraikitra.

 

And. 23 - Araka ny hitsivolana laharana faha 76-030 tamin’ny 21 aogositra 1976, ny doro tanety dia iharan’ny sazy mafy sy henjana. Ny tompon-keloka amin’ny fandoroan-javatra, na inona karazan’izany na inona, dia atolotry ny mambran’ny komitim-paritry ny fandriampahalemana ao amin’ny Fokontany an’ny manampahefana tompon’andraikitra. Izany tsy misakana ny Vonodina ampiharina aminy. Rehefa tsy fantatra ny tompon-keloka amin’ny fandoroana, dia ampiharina amin’ny Fokonolona ny Vonodina. Amin’izany rehetra izany, dia tsy maintsy manao fambolen-kazo eo amin’ny toerana main’ny afo ny Fokonolona.

 

And. 24 - Tokony hapetraka ny fitsipika arahin’ny tsena isan-kerinandro eo anivon’ny kaominina ambanivohitra. Ny fihetsika rehetra natao hanakorontanana ny filaminana na mety mitera-pahavoazana ho an’ny fandiampahalemana sy ny filaminam-bahoaka na mitondra fanembatsembanana amin’ny fahafahana sy fiadanam-bahoaka, anisan’izany ny fivarotana zavatra tsy ara-dalàna sy voarara, fanentsenana na faibahanana mihoam’pampana ny toerana iray, ny lalana, ny tsy fandoavana ny haba sy ny sara isan-karazany, ny fivezivezen’ny vola sandoka, fahamamoana ankarihary eny ankalamanjana, dia fototry ny Vonodina.

 

CHAPITRE III

De la salubrité et de la santé publique

 

 

Art. 25 - Les maisons, les fermes et leurs dépendances, les voies et les canaux doivent être maintenus dans un état de propreté et de salubrité permanent.

 

Art. 26 - Lorsque l'état d'une maison ou ses conditions d'occupation, constitue un danger pour la santé des occupants ou autrui, le propriétaire ou le locataire est tenu d'en faire la déclaration au président du comité local de sécurité et au Maire.

 

TOKO III

Ny amin’ny fahadiovan’ny tanàna sy fahasalamam-bahoaka

 

And. 25 - Ny trano fonenana, ny toeram-piompiana sy ny momba azy, ny lalana ary ireo tatatra famoahan-drano dia tsy maintsy tazonina hadio sy hifanaraka amin’ny fahasalamana lalandava.

 

And. 26 - Rehefa atahorana hitera-doza ho an’ny fahasalaman’ny olona izay mipetraka ao aminy na ny olon-kafa ny toetran’ny trano iray, dia tsy maintsy manao fanambaràna any amin’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny fandiampahalemana sy ny Ben’ny tanàna ny tompony na ny mpanofa ny trano.

 

Art. 27 - Chaque maison d'habitation doit être pourvue de latrines et d'une fosse à ordures.

Il est interdit de jeter, ou laisser des immondices, excréments ou cadavres d'animaux en dehors des lieux réservés à cet effet.

 

Art. 28 - Quiconque introduit des matières susceptibles de polluer l'eau, les sources, les fontaines, les puits et les réservoirs d'eau est sanctionné par le Dina sans préjudice des peines prévues par le Code pénal.

 

Art. 29 - Toute personne connaissant l'existence d'une maladie suspecte doit immédiatement en faire la déclaration au président du Comité local de sécurité du Fokontany, au Maire et à l'autorité sanitaire.

En application de la législation et de la réglementation en vigueur, tout décès dû à une maladie contagieuse doit être déclaré immédiatement au président du comité local de sécurité du Fokontany, au Maire et à l'autorité sanitaire par les membres de la famille ou du Fokonolona.

 

And. 27 - Tsy maintsy manana lava-piringy sy lava-pako ny trano fonenana tsirairay avy.

Rarana ny manary na mamela loto na diky na fatim-biby eny ivelan’ny toerana natokana ho amin’izany.

 

 

And. 28 - Na iza na iza mampiditra zavatra mety mandoto ny rano, ny loharano, ny fatsakana, ny lava-drano, ny fanangonan-drano dia faizin’ny Dina, izay tsy misakana ny sazy voalazan’ny Fehezandalàna famaizana.

 

 

And. 29 - Izay olona rehetra mahafantatra ny fisian’ny aretina mampiahiahy dia tsy maintsy milaza haingana any amin’ny Filohan’ny komitim-paritry ny Fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany sy ny Ben’ny tanàna ary ny manampahefana momba ny fahasalamana.

Ho fampiharana ny didy aman-dalàna manan-kery, ny fahafatesana noho ny areti-mifindra dia tsy maintsy hanaovan’ny fianakaviana na ny Fokonolona fanambaràna eo no ho eo ihany any amin’ny Filohan’ny komitim-paritry ny fandiampahalemana ao amin’ny Fokontany sy any amin’ny Ben’ny tanàna ary any amin’ny manampahefana momba ny fahasalamana.

 

CHAPITRE IV

De la sécurité : vols de bovidés

 

Section I

Du recensement, de la circulation

et de la commercialisation des bovidés

 

TOKO IV

Momba ny fandriampahalemana : ny halatra omby

 

SOKAJY I

Ny fanisana sy ny fivezivezena ary ny fivarotana ny omby

 

Art. 30 - Conformément aux dispositions du décret n° 82-387 du 14 septembre 1982, chaque propriétaire ou éleveur doit inscrire, sous peine de l'application du vonodina, les renseignements utiles sur le signalement de chaque tête de bovidé dans le cahier de contrôle dit "bokin'omby".

 

Le "bokin'omby" doit être coté et paraphé par le Délégué administratif d'arrondissement, et établi en quatre exemplaires dont :

 

- un pour l’intéressé ;

- un pour le Fokontany ;

- un pour le Délégué administratif d'arrondissement ;

- un pour l'unité de gendarmerie territorialeinent compétente.

L'inobservation des dispositions ci-dessus entraîne la mise en fourrière des bœufs non déclarés et l'application du vonodina.

 

And. 30 - Araka ny fepetra voalzan’ny didim-panjakana laharana faha 82-387 tamin’ny 14 septambra 1982, ny tompon’omby tsirairay avy na mpiompy omby raha tsy te-hiharan’ny Vonodina dia tsy maintsy manoratra ny filazalazana ilaina momba ny famantarana ireo omby tsirairay avy ao anatin’ny kahie fanaraha-maso antsoina hoe “bokin’omby”.

Ny “bokin’omby” dia tsy maintsy isaina ravina sy ataon’ny Delegem-panjakana ao amin’ny boriboritany sonia rangopohy tsirairay avy. Sosona efatra mitovy no anaovany azy ka :

*      ny iray ho an’ilay voakasik’izany ;

*      ny iray ho an’ny Fokontany ;

*      ny iray ho an’ny Delegem-panjakana ao amin’ny boriboritany ;

*      ny iray ho an’ny andian’ny Zandarimaria tompon’andraikitra ao amin’ny faritra.

Ny fandikana ny fepetra eo ambony dia mitarika ny fampidirana ny omby tsy voasoratra any amin’ny toeram-panagiazam-panana ary izany tsy misakana ny fampiharana ny Vonodina.

 

Art. 31 - Nul ne peut prétendre à la propriété d'un bœuf ne figurant pas dans son « bokin’omby ».

 

En cas de déclaration de perte des bœufs non inscrits dans le "bokin' omby", aucune attestation valant autorisation de recherche ne peut être délivrée.

Tout propriétaire de bovidés est tenu de faire assurer le gardiennage de son troupeau, tant dais la nature que dans le parc. Un effectif suffisant de bouviers, au prorata du nombre de ses bêtes est exigé. Le gardiennage, ne doit pas être confié à des personnes de moins de 18 ans.

 

Art. 32 - Toute modification intervenue dans la composition du cheptel au cours de l'année, notamment naissance, mortalité, donation, échange, vente, abattage, vol, doit être portée dans le bokin’omby 

 

And. 31 - Tsy misy na iza na iza afaka mihambo ho tompon’ny omby izay tsy voasoratra ao anatin’ny bokin’ombiny.

Raha sendra ka misy fahaverezanan’ny omby tsy voasoratra ao anaty bokin’omby, dia tsy misy taratasy fahazoan-dalana hikaroka omby very azo omena azy.

Tsy maintsy manao izay iantohana ny fiambenana ny andian’ombiny ny tompon’omby rehetra, na eny rehetra rehetra eny na ao anaty vala. Takiana ho ampy tsara sy hisy ny fifandanjan’ny mpiandry omby sy ny isan’ny omby andrasana. Tsy azo ankinina amin’ny olona latsaky ny 18 taona ny fiandrasana ny omby.

 

And. 32 - Izay fiovana rehetra mitranga mandritra ny taona eo amin’ny isan’omby indrindra indrindra nohon’ ny fahaterahana, fahafatesana, fividianana, fanolorana, fanakalozana, fivarotana, famonoana, fahaverezana nohon’ ny halatra dia tsy maintsy marihina ao amin’ny “bokin’omby”.

 

Art. 33 - La circulation du cheptel bovin doit être signalée préalablement auprès des autorités compétentes qui en délivrent une autorisation ou un passeport :

Pour la transhumance a l'intérieur du même Fivondronampontany, le président du comité local de sécurité du Fokontany délivre une autorisation sur présentation du cahier de contrôle et du troupeau de bœufs.

 

L'autorisation précise les différents lieux de passage et de transhumance. Elle doit recevoir le visa des autorités territorialement compétentes.

 

 

Pour la transhumance à l'extérieur du Fivondronampokontany de rattachement, un passeport auquel est jointe une fiche de signalements des animaux à transférer est délivré par le délégué administratif d'arrondissement.

Pour le déplacement des bœufs destinés à la commercialisation, un passeport avec un complément de passeport est également délivré par la même autorité.

Dans tous les cas, la circulation du cheptel bovin durant la nuit est formellement interdite.

L'inobservation des dispositions ci-dessus entraîne l'application du vonodina sans préjudice de la mise en fourrière.

 

And. 33 - Ny fifamoivoizan’ny omby dia tsy maintsy ampahafantarina mialoha ireo manampahefana tompon’andraikitra izay manome ny fahazoan-dalana na pasipaoro.

1° Mikasika ny fahazoan-dalana hahazoana mamindra kijana ny omby ao anatin’ny Fivondronampokontany misy azy, ny Filohan’ny Komitim-paritry ny fandriampahalemana amin’ny Fokontany no manome ny fahazoan-dalana mikasika io ka aseho amin’izany ny kahie fanamarinana sy ny andian’omby.

Lazaina mazava ao anatin’ny fahazoan-dalana ireo toerana samihafa handalovana sy ny kijana hitondrana ny omby. Tsy maintsy voamarin’ireo manampahefana tompon’andraikitra ao amin’ny faritra andalovany io fahazoan-dalana io.

2° Ho an’ireo biby afindra kijana any ivelan’ny Fivondronampokontany misy azy, dia ny Delegem-panjakana ao amin’ny boriboritany no manome ny pasipaoro iray izay ampiarahina amin’ny takela-taratasy misy ny famantarana ny biby hafindra.

3° Ho an’ireo omby entina amidy, ny manampahefana voatondro io ambony io ihany koa no manome pasipaoro iray miaraka amin’ny famenony.

 

Amin’izany rehetra izany, rarana mafy ny fifamoivoizan’ny andian’omby mandritra ny alina.

Ny tsy firaharahiana ny fepetra eo ambony dia mitarika ny fampiharana ny Vonodina izay tsy misakana ny fampidirana ny omby any amin’ny toeram-panagiazam-pananana.

 

Art. 34 - Le commerce du cheptel bovin ne peut avoir lieu que sur les marchés dits "marchés contrôlés des bestiaux" et dans les zones autorisées par l'autorité compétente au niveau du Faritany.

Ces marchés contrôlés sont organisés, sur proposition des Maires, par arrêté de l'autorité compétente au niveau du Faritany.

Les bœufs non achetés sur les marchés non contrôlés qui figurent sur le passeport sont présumés d'acquisition frauduleuse.

Ils sont saisis par l'autorité de contrôle et mis en fourrière sans préjudice de l'application du vonodina.

 

And. 34 - Tsy azo atao, afa-tsy eny amin’ny tsena atao hoe “tsenam-biby fiompy arahi-maso” ny fivarotan’omby ary ao antin’ny faritra nahazoan-dalana tamin’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Faritany no anaovana izany.

Didim-pitondrana ataon’ny Filohan’ny Delegasiona manokan’ny Faritany no mandamina ireo tsena arahi-maso ireo araka ny tolo-kevitra naroson’ny Ben’ny tanàna.

Heverina ho toy ny novidina an-tsokosoko ireo omby voasoratra ao anty pasipaoro raha toa ka tsy novidina teny amin’ny tsena arahi-maso.

Horaisin’ny manampahefana miandraikitra ny fanaraha-maso an-tanana izy ireny ka hampidirina any amin’ny toeram-panagiazam-pananana. Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny Vonodina.

 

Art. 35 - Dans le cadre de la préservation de la race bovine, la vente et l'abattage des vaches sont soumis à une réglementation communale. De même, la vente des veaux demeure non libéralisée.

Une commission mixte de contrôle et de vérification de l'autorisation de l'abattage de vaches est à instituer au niveau des marchés de bestiaux. Elle est chargée de la contre vérification des autorisations et la confirmation des triages, à partir du marché, en passant par les intermédiaires, les lieux de passage des vaches, jusqu'aux abattoirs, les grossistes et les bouchers.

 

Toute transgression ou falsification fera l'objet d'un vonodina.

 

Art. 36 - Sous le contrôle du quartier mobile ou des agents désignés à cet effet, tous les hommes valides âgés de 18 à 50 ans doivent, sauf cas de force majeur dûment constaté, se relayer pour nettoyer et contrôler régulièrement les passages obligés généralement appelés "kizo" et surveiller en permanence le village en effectuant des rondes.

 

And. 35 - Mba hiarovana ny taranak’omby, ny fitsipika kaominaly no mihatra amin’ny fivarotana sy ny famonoana ny ombivavy. Torak’izany koa, tsy malalaka ny fivarotana ny zanak’omby.

Vaomiera iray iraisana eo amin’ny sehatry ny fanaraha-maso sy ny fanamarinana ny fahazoan-dalana hamono ny ombivavy no atsangana eo anivon’ny tsenam-biby. Izy no miandraikitra ny famerenam-panamarinana ny fahazoan-dalana ary ny fanamafisana ny voafantina manomboka amin’ny tsena, mandalo amin’ny mpanelanelana sy ny lalana alehan’ny ombivavy hatrany amin’ny fitoerana famonoam-biby, ny mpivarotra ambongadiny ary ny mpivarokena.

Antony ampiharana ny Vonodina izay fandikan-dalàna na fanaovana hosoka rehetra.

 

And. 36 - Eo ambany fanaraha-mason’ny kartie mobily na ireo mpiasa tendrena ho amin’izany, izay vatan-dehilahy matanjaka rehetra feno valo ambinifolo taona ka hatramin’ny dimampolo taona dia tsy maintsy mifandimby mamafa dian’omby sy manara-maso ny kizo ary miambina tsy an-kiato ny tanàna amin’ny fanaovana fisafoana. Tsy afaka miala amin’izany izy ireo raha tsy ohatra angaha ka sendra ny toe-javatra izay hita fototra fa tsy azo anoharana.

 

Section II

De la transmission du signal d'alerte

et du pistage des traces des voleurs

 

Art. 37 - Le signal d'alerte à tout vol de bœufs se fait par le biais d'un antsiva, d'un hazolava ou tout autre instrument.

 

Le village qui entend l'alerte a le devoir de le transmettre sans tarder aux autres villages environnants. Le village qui aura failli à cette formalité sera sanctionné par le Dina.

 

SOKAJY II

Fampitana ny antso fanairana sy ny fanarahan-dia

ny mpangalatra

 

And. 37 - Amin’ny alalan’ny fitsofana antsiva na hazolava na izay mety ho fitaovana hafa ahazoana mampita fanairana no ifampandrenesana miaraka amin’ny vava amin’izay rehetra halatra omby miseho.

Ny tanàna mahare ny fanairana dia manana adidy tsy maintsy mampita izany avy hatrany amin’ny tanàna hafa manodidina. Izay tanàna mahare nefa tsy manatanteraka io fomba io dia faizina araka ny Dina.

 

Art. 38 - Les hommes valides du village ont le devoir de procéder immédiatement au pistage des traces des voleurs. Ils ne peuvent s'en soustraire qu'en cas de maladie ou de cas de force majeure. Ceux qui refusent d'obtempérer à cette prescription seront sanctionnés par le Dina. Toutefois, certaines catégories de personnes, en raison de la nature de leur fonction, notamment les fonctionnaires et personnels du service public, les hommes en uniforme, peuvent être libérées de cette obligation.

Les frais occasionnés par le pistage des traces, notamment les repas des pisteurs, seront supportés par la caisse du Dina.

Pour éviter toute perturbation aux opérations de poursuite, le quartier mobile responsable ou à défaut, l'agent désigné par le Maire est chargé de surveiller tout acte malveillant de la part des poursuivants.

 

 

Ceux qui détériorent ou volent des objets appartenant i autrui pendant la poursuite seront punis par le Dina. Ils doivent restituer les objets volés ou rembourser les victimes sans préjudice des peines prévues par le Code pénal.

 

Les poursuivants doivent être munis d'une attestation indiquant leur mission délivrée par le président du comité local de sécurité du Fokontany où réside le propriétaire des bœufs volés.

 

And. 38 - Ny vatan-dehilahy matanjaka rehetra dia manana adidy hanara-dia mpangalatra. Tsy afaka miala amin’izany adidy izany izy ireo raha tsy sanatria hoe marary na noho ny anton-javatra lehibe tsy azo anoharana. Izay rehetra mandà tsy hanatanteraka izany fepetra izany dia iharan’ny Dina. Na izany aza, misy sokajin’olona sasantsasany, nohon’ny asa iandraiketany, indrindra indrindra ny fonksionera sy ny olona miasa amin’ny Fanjakana, ny lehilahy manao fanamiana, dia afaka tsy manao izany adidy izany.

Ny asa mety ilaina amin’ny fanarahan-dia, indrindra fa ny sakafon’ny mpanenjika, dia zakain’ny tahirim-bolan’ny Dina.

 

Mba hisorohana ny fikorontanana mety hitranga amin’ny asa fanenjehana atao, dia ny Kartie mobily tompon’andraikitra na, raha tsy misy izany dia ny mpiasa tendren’ny Ben’ny tanàna no miantsoroka ny fanaraha-maso ny olony eny am-pandehanana amin’ny fihetsika ratsy mety hataon’izy ireny.

Izay manimba na mangalatra zavatr’olona eny am-panarahan-dia, dia faizina araka ny Dina. Tsy maintsy haveriny amin’ny tompony ny zavatra nangalariny na honerany vola ireo olona niharam-pahavoazana tamin’izany. Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny famaizana voalazan’ny lalàna.

Ny mpanenjika mpangalatra omby dia tsy maintsy mitondra miaraka aminy ny taratasy fanamarinana amin’ny fanaovany izany asany izany. Io fanamarinana io dia omen’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Fokontany izay ipetrahan’ilay tompon’omby nangalarana.

 

Art. 39 - Toute personne ayant connaissance d'un vol de bœufs doit en aviser immédiatement le président du comité local de sécurité du Fokontany à charge par ce dernier d'en informer le Fokonolona.

 

A cet effet, par application des dispositions de l'article 18 de l'ordonnance n° 60-106 du 27 septembre 1960, le Fokonolona ainsi avisé prend toutes mesures nécessaires à la découverte et à l'arrestation des coupables. Il cherche les traces, recueille les renseignements, organise la poursuite. A cet effet, il peut pénétrer à l'intérieur de toutes propriétés ou concessions ou tous établissements, sous réserve de la présence d'un responsable ou du fondé de pouvoir. Le cas d'intrusion est soumis au principe de l'inviolabilité du domicile et doit respecter l'échéance contradictoire.

 

And. 39 - Izay olona rehetra mahafantatra ny fisian’ny halatra omby dia tsy maintsy mampandre izany miaraka amin’izay ny Filohan’ny Komitim-paritra ao amin’ny Fokontany eo amin’ny toeram-ponenany, anjaran’ity farany ity indray no mampandre ny Fokonolona.

Arakizany, mba ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny andininy faha-18 ao amin’ny hitsivolana laharana faha 60-106 tamin’ny 27 septambra 1960, ny Fokonolona voampandre arak’izany dia mandray izay rehetra fepetra ilaina mba hitadiavana sy hisamborana ireo tompon-keloka. Arahiny ny dian’omby, angoniny ny zavatra tsara ho fantatra rehetra, alaminy ny fomba fanenjehana. Amin’izany dia afa-miditra ao amin’izay rehetra na trano na tany na velaran-tany lehibe na trano fiasana izy raha toa ka eo ny tompon’andraikitr’izany na ny olona nomena fahefana. Ny foto-kevitra miompana amin’ny tsy fahazoana manao ankeriny ny fonenana no mihatra amin’ny fisosososoana antanin’olona ka tsy maintsy manaja ny raharaha hifanatrehana.

 

Section III

De la responsabilité du Fokonolona n'ayant pas retrouvé les traces des bœufs

et du gardiennage provisoire des bœufs retrouvés

 

SOKAJY III

Ny andraikitry ny Fokonolona tsy mahatafavoaka

ny dian’omby sy ny fiambenana vonjimaika ny omby hita

 

Art. 40 - Lorsque les traces des bœufs et des voleurs viennent à se perdre dans une localité ou dans un village, un délai de quarante huit (48) heures est donné aux habitants pour retrouver les traces.

Passé ce délai, et en cas d'échec, ils seront contraints de restituer au propriétaire l'équivalent du nombre et de la taille des bœufs perdus ou de rembourser leur valeur.

Par contre, si les traces sont perdues à cause des circonstances naturelles : pluie, vent, ou sur des routes goudronnées, le Fokonolona concerné est exempt de la restitution ou du remboursement prévu (e) ci-dessus.

 

 

Art. 41 - Si le Fokonoloiia d'un village, sous la conduite du président du comité local de sécurité du Fokontanv. constate ou récupère, à l'occasion d'un contrôle systématique, des bœufs volés, il les conduit à la fourrière de la Commune de rattachement ou en assure la garde provisoire jusqu'à l'arrivée du propriétaire sur les lieux.

 

And. 40 - Raha very eo amin’ny toerana na tanàna iray ny dian’omby, na ny dian’ny mpangalatra dia omena 48 ora ny mponina ao mba hitadiavana ny dian’omby.

 

Raha dila io fe-potoana io ka tsy nahitam-pahombiazana izany, dia saziana izy ireo hanonitra omby mitovy isa sy habe amin’ny very ho an’ny tompon’omby na mandoa vola mitovy amin’ny vidin’omby very.

Raha noho ny anton-javatra voa-janahary kosa anefa no nahavery ny dian’omby, ohatra raha tahiny ka orana na rivotra na lalana vita amin’ny godirao, no nampanjavona izany dia tsy mihatra amin’ny Fokonolona voakasik’izany ny famerenana amin’ny tompony na fanomezana voalaza etsy ambony.

 

And. 41 - Raha misy Folonolona ao amin’ny tanàna iray, eo ambany fitarihan’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Fokontany, mahita fototra sy mahatratra omby halatra mandritra ny fanaraha-maso ataony, dia entiny any amin’ny toeram-panagiazam-pananana ao amin’ny Kaominina misy azy ireo omby ireo na hiantohany ny fiambenana vonjimaika an’ireo mandra-pahatongan’ny tompony.

 

Section IV

De l'enquête effectuée par le Fokonolona

 

Art. 42 - Le Fokonolonna peut, en cas de vol de bœufs sans préjudice du droit de la défense, procéder à une enquête publique des prévenus et des témoins sans toutefois que ces derniers puissent être retenus (et non arrêtés ou appréhendés) à cet effet au-delà de vingt-quatre heures.

Un procès-verbal en est dressé par le président du comité local de sécurité du Fokontany ou son représentant.

Lorsque l'enquête du Fokonolona est terminée, l'affaire est portée devant le comité exécutif du Dina prévue à l'article 46 ci-dessous, en vue de la convocation, de l'audition de la ou des victime(s), du ou des prévenu(s) et du ou des témoins, et de l'exécution du Dina.

Après la délibération du comité exécutif du Dina, le ou les prévenu(s) est ou sont conduit(s) auprès des Autorités compétentes, l'usage de la menotte ou de la chaîne de conduite peut être utilisé selon la circonstance. Le procès-verbal d'enquête du Fokonolona ainsi que celui constatant l'exécution du Dina doivent être annexés à celui dressé par les agents de la force publique.

 

SOKAJY IV

Ny famotorana ataon’ny Fokonolona

 

And. 42 - Raha sendra misy halatra omby miseho, dia afaka manao famotorana ampahibemaso ny voampanga sy ny vavolombelona ny Fokonolona. Izany tsy misakana ny zo hiaro tena. Na izany aza anefa dia tsy azo tazonina (et non arrêtés ou appréhendés) mihoatra ny efatra ambin’ny roapolo ora izy ireo.

Hisy fitanana an-tsoratra ataon’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandriampahalemana ao amin’ny Fokontany na ny solontenany mikasika izany.

Rehefa vita ny famotorana dia entina eo amin’ny “vaomiera Dina” voalaza ao amin’ny andininy faha-44 etsy ambany, mba hanaovana fiantsoana sy fihainoana ny niaram-pahavoazana sy ny voampanga ary ny vavolombelona, ary dia atao koa ny fanatanterahana ny Dina.

Aorian’ny fanapahan-kevitry ny vaomiera Dina dia entina any amin’ny manampahefana tompon’andraikitra ny voampanga ka azo ampiasaina amin’izany ny gadra vy na rojo fitarihana, araka ny fisehoan-javatra. Ny fitanana an-tsoratra ny famotorana nataon’ny Fokonolona ary ny natao mba ahitana fototra ny fanatanterahana ny Dina dia tsy maintsy atovana amin’izay nataon’ny mpiasa mpitandro ny filaminana.

 

Section V

De la qualification de vol de bœufs

 

Art. 43 - Sont réputés pris en flagrant délit en matière de vol de bœufs :

1° les personnes qui conduisent des bœufs volés ;

2° les receleurs ;

3° les personnes qui ont changé frauduleusement le signalement des bœufs en vue de s'en approprier ou falsifié les passeports des bovidés ou les "bokin' omby".

 

SOKAJY V

Ny filazana izay heverina ho halatra omby

 

And. 43 - Atao hoe tratra ambodiomby amin’ny halatra omby miseho :

1° ny olona tratra mandroaka omby halatra ;

2° ny mpanafina omby halatra ;

3° ny olona izay manova antsokosoko ny famantarana ny omby mba hamadihany an’io ho fananany na ny olona manao pasipaoro na “bokin’omby” hosoka.

 

Art. 44 - Est considéré comme complice, le Fokonolona d'un ou des villages dans lesquels les traces des bœufs volés ont disparu ou qui a omis de procéder au nettoiement des passages obligés ou de répercuter le signal d'alerte ou a refusé d'effectuer le pistage des traces.

Les personnes qui ne sont pas prises en flagrant délit de vol, mais qui s'avèrent par la suite, après enquête du Fokonolona, comme étant effectivement des voleurs, seront arrêtées et conduites auprès des autorités après avoir fait l'objet d'un procès-verbal dressé par le président du comité local de sécurité ou son représentant.

Il en est de même des personnes qui détiennent des bœufs ou de la viande ou toute autre partie de l'animal dont la provenance est douteuse ou inconnue.

Les personnes qui font des dénonciations sans preuve sont également considérées comme des voleurs et sanctionnées comme tels.

 

And. 44 - Heverina ho toy ny mpiray tetika amin’ny mpangalatra omby ny Fokonolona na ny tanàna iray na maro izay tao aminy no tsy hita intsony ny dian’omby na izay nanadino ny namafa ny kizo na tsy nampita ny antso fanairana na nanda tsy hanaraka ny dian’ny mpangalatra.

 

Ny olona tsy tratra nangalatra ambodiomby, nefa fantatra miharihary taty aoriana, vokatry ny famotorana nataon’ny Fokonolona, fa tena nangalatra dia ho samborina ary aterina any amin’ny manampahefana rehefa avy nanaovan’ny Filohan’ny Komitim-paritry ny Fandriampahalemana na ny solontenany fitanana an-tsoratra.

 

Torak’izany koa ny olona izay mitana omby na hen’omby na ampahany hafa amin’ny omby mampiahiahy na tsy fantatra ny nihaviany

Ny olona manao fanendrikendrehana tsy misy porofo dia heverina ho toy ny mpangalatra ihany koa ka hofaizina araka izany.

 

Art. 45 - Est considéré comme voleur de bœufs et sanctionné comme tel par le "Dina" quiconque connaissant l'auteur d'un vol de bœufs ne l'aura pas dénoncé aux autorités, ou, connaissant le lieu de son refuge, ne l'aura pas signalé, sans préjudice des sanctions pénales prévues par les lois en vigueur.

 

And. 45 - Heverina ho toy ny mpangalatra omby ary voasazin’ny Dina araka izany, na iza na iza nahafantatra ny tompon-keloka tamin’ny fangalarana omby ka tsy nanondro izany tamin’ny manampahefana, na nahafantatra ny toerana hialokalofany ka tsy nilaza izany. Izany anefa tsy misakana ny famaizana voalazan’ny lalàna manan-kery.

 

Section VI

De la restitution et de la compensation

 

Art. 46 - Par application des dispositions de la loi portant réglementation générale des Dina en matière de sécurité publique, l'exécution des réparations prévues par le Dina est constatée par le comité exécutif du Dina.

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

 

Le procès-verbal constatant l'exécution ou le refus d'exécution des réparations prévues par le Dina est dressé en plusieurs exemplaires à la diligence du président du comité. Le tribunal, les autorités administratives locales et la Gendarmerie de la localité, en sont respectivement destinataires.

 

 

SOKAJY VI

Ny famerenan-javatra sy ny fanonerana

 

And. 46 - Ho fampiharana ny fepetra voalazan’ny lalàna anaovana ny fitsipika ankapobe mikasika ny Dina eo amin’ny lafiny fandriampahalemam-bahoaka, ny fanatanterahana ny fanavahana voalazan’ny Dina dia hamarinin’ny vaomiera Dina sy vaomieram-pitsaram-pokonolona.

Ny vaomiera Dina dia ahitana Filoha iray sy mambra roa voafidy amin’ny alalan’ny latsabato mivantana ataon’ny Fokonolona arak’izay fomba mahazatra azy.

Ny vaomiera dia afaka mandray mpiasa ho mpitahiry vola iray mba hitantana ny tahirimbolan’ny Dina sy mpitan-tsoratra iray, raha ilaina izany.

Ny Delegem-panjakana tompon’andraikitry ny faritra ao amin’ny boriboritany no miandraikitra ny asan’ny mpanamarin-kaonty.

Ny vaomieram-pitsaram-pokonolona dia ahitana :

*      ny Filohan’ny Filankevitra Kaominalin’ny faritra ny Dina ampiharina ;

*      ny roa amin’ireo Mpanolontsainan’n’y Kaominina ao amin’ny faritra ny Dina ampiharina, ary raha toa ka mipetraka amin’ny toerana hafa ny iray amin’ireo mpiady, dia ampiana roa amin’ny Mpanolontsainan’ny Kaominina misy azy.

*      ny olona roa izay ny mpiady no mifidy tsirairay avy mba hisolo tena azy ao amin’ny vaomiera.

Tendren’ny mambra amin’izy samy izy ny Filoha isaky ny raharaha.

Na manao ahoana na manao ahoana izay olona rehetra fidian’ireo mpiady araka ny voalazan’ny andalana etsy ambony dia tsy azo tendrena ho filohan’ny vaomieram-pitsaram-pokonolona.

Mandray tambin-karama raikitra ny mambran’ireo vaomiera. Ny tambin-karama dia feran’ny Fokonolona.

Io tambin-karama io dia zakain’ny tahirim-bolan’ny Dina azo avy amin’ny Vonodina.

Na manao ahoana na manao ahoana, dia raràna ny fanomezana valisoa toy ny “Horia”.

Ny fitanana an-tsoratra manamarina ny fanatanterahana na ny fandavana ny fanatanterahana ny fanavahana manaraka izay voalazan’ny Dina dia atao dika mitovy maromaro ka ny Filohan’ny vaomiera Dina no mikarakara izany. Ny tribonaly, ny Manampahefana ara-pitondrana eo an-toerana sy ny Zandarimaria eo an-toerana dia samy andefasana tsirairay an’izany avy.

 

Art. 47 - Tout voleur de bœufs ou tout complice de voleurs de bœufs visés aux articles 43 et 44 ci-dessus doivent restituer aux propriétaires les bœufs volés ou compléter le nombre manquant sans préjudice de l'application du vonodina et des poursuites pénales.

 

 

Si les voleurs ne disposent pas des bœufs pour la restitution ou leur équivalent en argent, l'affaire sera portée, après délibération du comité exécutif du Dina, devant le tribunal territorialement compétent en vue de l’application des dispositions de l'article 16-bis de l'ordonnance n° 60-106 du 27 septembre 1960 notamment pour l'exécution solidaire sur les biens du conjoint ou des parents du condamné.

 

And. 47 - Izay rehetra mpangalatra omby na izay rehetra mpiray tetika amin’ny mpangalatra omby lazain’ny andininy faha-41 sy 42 etsy ambony dia tsy maintsy mamerina amin’ny tompony ny omby nangalariny na mameno izay banga amin’ny isany. Izany anefa tsy misakana ny fampiharana ny Vonodina aminy ary ny fanenjehana ara-pitsarana azy.

Taha tsy manana omby hanonerana amin’ny tompony ny mpangalatra na vola mifanandrify amin’ny vidin’ireo omby nangalarina izy, dia hentina any amin’ny tribonaly tompon’andraikitry ny faritra ny raharaha mba hampiharana ireo fepetra voalazan’ny andininy 16 bis ao amin’ny hitsivolana laharana faha 60-106 tamin’ny 27 septambra 1960, indrindra indrindra mba hanatanterahana ny fiaraha-mizaka amin’ny vadiny na ny havan’ilay voaheloka an’io sazy io amin’ny alalan’ny fananan’izy ireo manokana avy.

 

CHAPITRE V

Du vonodina

 

Art. 48 - Le vonodina est fixé comme suit :

 

TOKO V

Ny Vonodina (3)

 

And. 48 - Voafetra toy izao manaraka izao ny Vonodina :

 

 

 

 

Désignation des inobservations

du Dina

Part revenant

au Fokonolona (FMG)

Part revenant

à la victime

(FMG)

 

 

Fanondroana ireo tsy fanarahana ny Dina

Anjara tokony ho an’ny Fokonolona (Ia)

Anjara tokony ho an’ilay niharam-boina (Ia)

1. Non inscription au registre de recensement du Fokontany

 

 

1° Tsy fisoratana amin’ny rejisitra fanisana ao amin’ny Fokontany

 

 

2. Non déclaration de changement de domicile.

 

 

2° Tsy fanaovana fanambarana raha hifindra monina

 

 

3. Défaut de carte nationale d'identité

 

 

3° Tsy fananana kara-panondrom-pirenena

 

 

4. Défaut de carte de producteur

 

 

4° Tsy fananana kara-pamokarana

 

 

5.Non déclaration et non inscription de personne étrangère dans le bokin’bahiny

 

 

5° Tsy fanaovana fanambaràna sy tsy fanoratana ny vahiny ao amin’ny bokim-bahiny

 

 

6. Non déclaration. des fêtes, cérémonies coutumières et manifestations diverses

 

 

6° Tsy fanaovana fanambaràna ny fety, lanonana nenti-paharazana ary ny fihetsiketsehana samihafa

 

 

7. Vente de boissons alcooliques sur les lieux publics sans autorisation

 

 

7° Fivarotana zava-pisotro misy alikaola eny an-kalamanjana tsy nahazoana alalana

 

 

8. Non déclaration de détention d’armes à feu non autorisées

 

 

8° Tsy fanaovana fanambaràna ny fitanana basy nahazoana alalana

 

 

9. Installation de campement non autorisée

 

 

9° Fananganana toeram-pitobiana tsy nahazoana alalana

 

 

10. Vente non autorisée ou clandestine de vache, veau non destinés à l'abattage

 

 

10° Fivarotana tsy nahazoana alalana na antsokosoko ny ombivavy, ny zanakomby nentina hovonoina

 

 

11. Non respect des mesures de propreté et de salubrité dans les maisons. Fermes et leurs dépendances, voies ou canaux

 

 

11° Tsy fanajana ny fepetra mikasika ny fahadiovana sy ara-pahasalamana ao an-trano, ny toeram-piompiana sy ny miankina aminy, ny lalana sy ny tatatra

 

 

12. Non déclaration de maison insalubre

 

 

12° Tsy fanaovana fanambarana ny trano tsy ara-pahasalamana

 

 

13. Défaut de latrines et fosse à ordure

 

 

13° Tsy fananana lava-piringa sy lava-pako

 

 

14. Jet, dépôt d’immondices, excréments ou cadavres d’animaux

 

 

14° Fanarinariana foana ny loto na ny diky na ny fatim-biby

 

 

 

15. Pollution des eaux

 

 

15° Fandotoana ny rano

 

 

 

16. Non déclaration de maladie suspecte

 

 

16° Tsy fanaovana fanambarana ny aretina mampiahiahy

 

 

 

17. Non déclaration de décès dû à une maladie contagieuse...

 

 

17° Tsy fanaovana fanambarana ny fahafatesana nohon’ny areti-mifindra

 

 

 

18. Détention e/ou le port d'arme sans autorisation légale et régulière

 

 

18° Fitanana sy/na fitondrana basy tsy nahazoana alalana ara-dalàna

 

 

 

19. Rixes et troubles sur les marchés et voie publique

 

 

19° Ady saritaka sy tabataba eny an-tsena sy ny lalana falehan’ny besinimaro

 

 

 

20. Inobservation des textes communaux régissant les marchés hebdomadaires

 

 

20° Fandikana ny rijan-teny nataon’ny Kaominina andrindrana ny tsena isan-kerinandro

 

 

 

21. Destruction de cultures ou de récentes sur pied

 

 

21° Fanapotehana ny voly sy ny vokatra ampotony

 

 

 

22. La dégradation ou la destruction des bornes fontaines, barrages, canaux d'irrigation, digues, bassins, école, bâtiments publics ou privés, ouvrages publics ou d'utilité publique

 

 

22° Fanimbana sy fanapotehana paompy, tohadrano, taridranom-pambolena, fefiloha, toerana fanasan-damba, sekoly, tranom-panjakana na an’olon-tsotra, taozava-boakaly an’ny Fanjakana na fanasoavam-bahoaka

 

 

 

23. Obstruction des vannes de distribution des canaux communs d'irrigation ou de détournement des eaux du canal sans autorisation

 

 

23° Fanentsenana ny vavarano fitsinjarana ny taridranom-pambolena itambarana na familiana ny rano ao amin’ny lakandrano nefa tsy misy fahazoan-dalana

 

 

 

24. Divagation et gardiennage d'animaux le long du canal

 

 

24° Famelana ny biby hirenireny sy ny fiambenana azy manaraka ny lakandrano

 

 

 

25. Maraudage et vols de quelque nature que ce soit

 

 

25° Halabotry sy ny halatra rehetra na inona izany na inona

 

 

 

26. Trafic et consommation de stupéfiants

 

 

26° Fivarotana sy fidorohana zava-mahadomelina

 

 

 

27. Trafic et vente de toaka voarara, paraky gasv, tabac en feuilles

 

 

27° Famezivezena sy fivarotana toaka voarara, paraky gasy, ravim-paraky

 

 

 

28. Violation de tombeaux ou de sépulture, outrage fait à la mémoire des morts

 

 

28° Fanimbazimbana fasana na toerana filevenana sy ny faniratsirana atao amin’ny fahatsiarovana ny maty

 

 

 

29. Vol d'ossements (Taolam-paty)

 

 

29° Fangalarana taolam-paty

 

 

 

30. Feux de brousse. incendie

 

 

30° Doro-tanety, fandoroan-javatra

 

 

 

31. Non inscription de bovidés dans le cahier de contrôle ou bokin'omby.

 

 

31° Tsy fanoratana ny omby ao amin’ny bokin’omby

 

 

 

32. Cahier de contrôle non mis à jour

 

 

32° Bokin’omby tsy voaova araka ny zava-miseho

 

 

 

33. Circulation de bovidés non signalée aux autorités compétentes

 

 

33° Fifamoivoizan’ny omby tsy voalaza any amin’ny manampahefana tompon’andraikitra

 

 

 

34. Circulation de bovidés durant la nuit

 

 

34° Fifamoivoizan’ny omby mandritra ny alina

 

 

 

35. Circulation du cheptel bovin sans autorisation ou passeport ou cadavre

 

 

35° Fifamoivoizan’ny andian’omby tsy misy fahazoan-dalana na pasipaoro

 

 

 

 

 

 

36° Fivarotana ny andian’omby ivelan’ny tsena arahi-maso

 

 

 

 

 

 

37° Tsy fandraisana anjara amin’ny famafana sy amin’ny fanaraha-maso ny kizo ary amin’ny fiambenana tsy an-kiato ny tanàna nefa tsy misy antony mazava tsara

 

 

 

 

 

 

38° Tsy fandraisana anjara amin’ny fanarahan-dia ny mpangalatra nefa tsy misy antony mazava tsara

 

 

 

 

 

 

39° Fanimbana na fangalarana ny zavatr’olona mandritra ny fanarahan-dia ny mpangalatra

 

 

 

 

 

 

40° Tsy fampitana ny antso fanairana

 

 

 

 

 

 

41° Halatra omby

 

 

 

 

 

 

42° Firaisana tetika amin’ny mpangalatra omby

 

 

 

_______________

(3) La fixation du Vonodina est laissée à l’appréciation du Fokonolona.

 

_______________

(3) Apetraka amin’ny Fokonolona ny famerana ny Vonodina.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement