Lois 157
LOI N° 2000 - 018 DU 2 OCTOBRE 2000
RELATIVE A LA
FABRICATION DES BOISSONS
(J.O. n° 2665 du 9.10.2000 p.
3546 )
Article
premier - En raison des risques soit pour la santé, soit pour la
salubrité publique, soit pour l’agriculture, soit pour la protection de la
nature et de l’environnement, soit pour la conservation des sites et des
monuments et soit pour la commodité du voisinage, toute création d’une
installation de production ou de mise en bouteille d’une boisson est soumise
à une autorisation préalable du Ministre chargé de la santé. Cette
autorisation n’exclut pas les autres dispositions relatives aux procédures de
fabrication, aux conditions de mise en consommation, à la répression des
fraudes dans la fabrication et la vente des marchandises et des
falsifications des denrées alimentaires et des produits agricoles. Art. 2 - Les modalités d’application de la présente loi sont
fixées par décrets. |
Andininy voalohany
- Noho ny loza mety hitranga
na ho an’ny fahasalamana,
na ho an’ny fahasalamana amam-pahadiovan’ny vahoaka, na
ho an’ny fambolena, na ho
an’ny fiarovana ny zava-boahary sy ny tontolo
iainana, na ho an’ny fikajiana ny toerana sy ny
tsangam-bato ary na ho an’ny fanatsarana ny fiaraha-monina, izay rehetra mety ho fanorenana toerana famokarana na fanaovana anaty tavoahangy ny zava-pisotro dia mila ny fankatoavana mialoha avy amin’ny
Minisitra miandraikitra ny Fahasalamana. Io fankatoavana io dia tsy manaisotra
ny fepetra hafa mikasika ny famokarana, ny fepetra momba
ny fanjifana, ny fisakanana amin’ny fitaka eo amin’ny fanamboarana
sy ny fivarotana
ny entana sy ny momba
ny hosoka amin’ny zava-pihinana sy ny vokatry
ny fambolena. And. 2 - Ny
fombafomba fampiharana ity lalàna ity
dia feran’ny didim-panjakana. |