//-->

Lois 194

Loi n° 97-017 du 8 août 1997

 

Loi n° 97-017 du 8 août 1997

portant révision de la législation forestière

(J.O. n° 2449 du 25.08.94, p. 1717)

 

Lalàna n° 97-017 tamin’ny 8 aogositra 1997

anavaozana ny lalàna fitantanana ny ala

(idem)

 

L'Assemblée nationale a adopté en sa séance du 16 juillet 1997,

Le Président de la République,

Vu la Constitution du 18 septembre 1992,

 

Vu la décision de la Haute Cour Constitutionnelle n° 16-HCC/D.3 du 4 août 1997,

 

Promulgue la loi dont la teneur suit :

 

Ny Antenimieram-pirenena no nandany tamin'ny fivoriana nataony ny 16 jolay 1997,

Ny Filohan'ny Repoblika,

Araka ny Lalampanorenana tamin'ny 18 septambra 1992,

Araka ny fanapahana laharana faha 16-HCC/D.3 tamin'ny 4 aogositra 1997 nataon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana,

No mamoaka hampanan-kery ny lalàna izay toy izao ny andinindininy :

 

TITRE PREMIER

DEFINITION DE LA FORÊT

 

Article premier - Par forêt, au sens de la présente loi, on entend toutes surfaces répondant aux qualifications ci-après :

*      les surfaces couvertes d'arbres ou de vegétation ligneuse, autres que plantées à des fins exclusives de production fruitière, de production de fourrage et d'ornementation ;

*      les surfaces occupées par les arbres et les buissons situés sur les berges des cours d'eau et lacs et sur des terrains érodés ;

*      les terrains dont les fruits exclusifs ou principaux sont des produits forestiers, tels qu'ils sont definis à l'alinéa ci-dessous.

Sont qualifiés produits des forêts : tous produits naturels issus. de leur exploitation et dont la liste fera l'objet d'un décret.

 

LOHATENY VOALOHANY

FAMARlTANA NY ALA

 

Andininy voalohany - Amin'ny heviny raketin'izao lalàna izao, ny atao hoe ala dia ny velaran-tany rehetra mahafeno ireto toetoetra manaraka ireto :

*      ny velaran-tany rakotr'hazo na zava-maniry mitsiraka, hafa noho ireo novolena manokana fotsiny ho famokarana voankazo, hamokarana vilona sakafon'ny biby fiompy na ho haingo aman-dravaka ;

*      ny velaran-tany anirian'hazo sy kirihitra miorina amoron'ny rian-drano sy farihy ary tehezan-tany kaohin-driaka ;

*      ny velaran-tany izay ahitana fa ny hany vokatra na matoam-bokatra eo dia vokatry ny ala, araka ny famaritana izany arnln'ny andalana eto ambany.

Kilasiana ho vokatry ny ala : ny vokatra voajanahary rehetra avy amin'ny fitrandrahana azy ka didim-panjakana no hanoritana ny lisitr'izy ireny.

 

Art. 2 - Sont assimilés aux forêts :

*      les surfaces non boisees d'un bien fonds forestier telles que les clairières ou surfaces occupées par des routes forestières, constructions et installations nécessaires à la gestion forestière ;

*      les terrains non boisés à vocation forestière, notamment pour la conservation et la restauration des sols, la conservation de la biodiversité, la régulation des systèmes hydriques ou l'accroissement de la production forestière dès qu'ils auront fait l'objet d'un classement tel que défini à l'article 43 de la présente loi ;

*      les terrains déboisés depuis moins de cinq ans et n'ayant pas fait l'objet d'une autorisation de défrichement ;

*      les marais, les peuplements d'aloës ;

*      les peuplements naturels et purs d'arbres produisant des fruits, tels que les manguiers et anacardiers ;

*      les mangroves, les bois sacrés, les raphières (cœur de palmiers Ravinala).

 

And. 2 - Arnpitoviana amin'ny ala :

*      ny velaran-tany tsy anirian'hazo amin'ny faritra misy ala toy ny toerana tsy kitrok'ala na velaran-dalana manavatsava ala, ny misy trano miorina sy tsangan'asa ilaina amin'ny fitantanana ny ala ;

 

*      ny tany tsy volen'hazo amin'ny aty ala voatokana, indrindra ho fikajiana sy famerenana amin'ny laoniny ny nofon-tany, fikajjana ny tontolom-piveloman'ny zava-miaina samihafa, fandrindran-drafitra mitana hamandoana na fampitomboana ny vokatry ny ala raha vita ny fanakilasiana azy araka ny voasoritry ny andininy faha-43 sy ny manaraka amin'izao lalàna izao ;

 

*      ny velaran-tany voakapa hazo efa hatramin'ny dimy taona latsaka nefa tsy nahazoana alalana hanaovana famakian-tany vao ;

*      ny tany hokara, ny anirian 'ny vahona ;

*      ny anirian'ny voahary tsy miharoharo, manome hazo fihinam-boa, toy ny manga sy ny mahabibo ;

*      ny ala-konko, ny hazo manan-kasina, ny anirian-drofia (iroboroboan'ny Ravinala).

 

Art. 3 - Des surfaces minimales peuvent être fixées par voie réglementaire et adaptées au niveau régional.

 

Art. 4 - Ne sont pas considerés comme forêts :

*      les cultures d'arbres et boisements plantés sur un terrain non forestier ;

*      les jardins boisés, les allées et parcs urbains et les pépinières non situées sur des biens fonds forestiers ;

*      les cultures d'arbres et boisements destinés à une exploitation à court terme, plantés sur un terrain non forestier, annoncés et enregistrés comme tels aupres de l'administration forestière lors de leur etablissement ;

*      toute surface donnant des produits agricoles, sauf s'il s'agit de surface couverte d'arbres ayant poussé naturellement, ou de reboisements ;

*      les paturages, suivant la vocation des sols définie par la loi.

 

And. 3 - Azo atao ny mametra amin'ny alalan'ny didy aman-pitsipika, ny farafahakelin'ny velaran-tany voatokana antonona ny isam-paritra.

 

And. 4 - Tsy heverina ho ala :

*      ny voly hazo sy fambolen-java-maniry amin'ny tsy faritr'ala ;

*      ny zaridaina volena hazo, ny lalana sy faritra iriariavana an-tanàn-dehibe ary ny ambolena zana-kazo tsy tafiditra anatin'ny faritry ny ala ;

*      ny voly hazo sy fambolen-java-maniry ho trandrahina anatin'ny fotoana fohy, amin'ny tany tsy faritr'ala, nambara sy noraketina am-boky ho izany, tany amin'ny Fandraharaham- panjakana momba ny ala fony izy ireny naorina ;

*      ny velaran-tany rehetra ahazoana vokatry ny fambolena, raha tsy hoe rakotr'hazo naniry ho azy na voavoly izy ireny ;

 

*      ny fanaovana kijana firaofana, arakaraka ny anokanana ny tany voasoritry ny lalàna.

 

Art. 5 - La constatation de la nature forestière d'un terrain relève de la compétence d'une commission forestière du lieu de situation du terrain et dont la composition et le mode de fonctionnement sont déterminés par décret.

 

Art. 6 - Les décisions de la commission sont susceptibles de recours devant la juridiction administrative qui pourra statuer sur tous les cas de litige.

 

And. 5 - Ny fizaham-pototra ny maha-faritr'ala ny tany dia tandrifim-pahefan'ny vaomiera iray momba ny ala eo amin'ny toerana misy ny tany ka didim-panjakana no mametra izay ho anisany sy ny fomba fampandehanana azy.

 

And. 6 - Ny fanapahana ataon'ny vaomiera dia azo ampakarina eo anatrehan'antokom-pitsarana ara-pitondrana izay hanapaka ny amin'ny fifanolanana rehetra mitranga.

 

TITRE II

DU RÉGIME FORESTIER

 

CHAPITRE PREMIER

Définition

 

Art. 7 - Le régime forestier est l'ensemble des dispositions Iégislatives et réglementaires ayant pour objet la protection et la bonne gestion durable des ressources forestières.

 

LOHATENY II

NY MOMBA- NY SATA ITANTANANA NY ALA

 

TOKO VOALOHANY

Famaritana

 

And. 7 - Ny sata itantanana ny ala dia ny fitambaramben'ny fepetra soritan'ny didy aman-dalàna ary fitsipika mifototra amin'ny fiarovana sy ny fitantanana tsara sady maharitra ny loharanon-karen'ny ala.

 

CHAPITRE II

Soummission et distraction au régime forestier

 

Art. 8 - Toute forêt peut être soumise au régime forestier ou en être distraite par décision de I'Administration après avis de la commission forestière prévue à l'article 5 de la présente loi.

 

Section première

Soumission au régime forestier

 

Artt. 9 - Toute forêt soumise au régime forestier est régie par les règles de protection, de gestion et d'exploitation définies par la présente loi.

 

TOKOII

Famplharana ny sata itantanana ny ala sy ny fanafahana amin'izany

 

And. 8 - Ny ala rehetra dia azo ampiharana ny sata itantanana ny ala na ahafahana amin'izany amin'ny alalan'ny fanapahana ataon'ny Fandraharaham-panjakana rehefa manome ny heviny ny vaomiera mikarakara ny ala voalazan'ny andininy faha-5 amin'izao lalàna izao.

Sokajy voalohany

Fampiharana ny sata itantanana ny ala

 

And. 9 - Ny ala rehetra ampiharana ny sata itantanana ny ala dia fehezin'ny fitsipika momba ny fiarovana, fitantanana ary fitrandrahana soritan'izao lalàna izao.

 

Art. 10 - Les forêts soumises au régime forestier sont inaliénables et imprescriptibles.

 

Art. 11 - Les forêts soumises au régime forestier bénéficient de divers avantages qui sont déterminés par voie réglementaire.

 

And. 10 - Ny ala iharan'ny sata itantanana ny ala dia tsy azo amidy sy tsy maty paik'andro ny fitompoana azy.

 

And. 11 - Ny ala iharan'ny sata itantanana ny ala dia mahazo ny tombontsoa samihafa voafaritra amin'ny alalan'ny didy amam-pitsipika.

 

Art. 12 - Sont notamment soumis au régime forestier, dès I'entrée en vigueur de la présente loi, compte tenu des dispositions particulières des conventions internationales :

*      les forêts naturelles telles que les réserves naturelles intégrales, parcs nationaux, réserves speciales, forêts classées, les forêts domaniales, les réserves forestières ;

*      les forêts artificielles appartenant à des personnes publiques dont notamment les reboisements et perimètres de reboisement ou de restauration des sols, les stations forestières ;

And. 12 - Iharan'ny sata itantanana ny ala indrindra, raha vantany vao manan-kery izao lalàna izao, ka tandrovina ny fepetra manokana raketin'ny Fifanarahana iraisam-pirenena :

*      ny ala voajanahary toy ny tahirin-javaboahary tanteraka, ny valam-pirenena, ny faritra voaaro manokana, ny ala voasokajy, ny ala amin'ny tanim-panjakana, ny faritra rakotr'ala voaaro ;

*      ny ala harin-tanan'olona an'ny fikambanana mizaka ny zom-panjakana indrindra fa ny fambolen-kazo sy ny faritra fambolen-kazo na ny anajariana ny nofon-tany, ny toby fikarakarana ny ala ;

*      les forêts et terrains à boiser qui font partie du domairie de l'Etat ou sur lequel l'Etat a des droits de propriété indivis ;

*      les bois et forêts susceptibles d'aménagement, d'exploitation régulière ou de reconstitution et les terrains à boiser appartenant aux Collectivités territoriales décentralisées, aux établissements publics, aux établissements d'utilité publique, et à d'autres personnes morales publiques ou sur lesquels ces collectivités et personnes morales ont des droits de proprieté indivis ;

*      les bois, forêts et terrains à boiser, proprieté d'un groupement forestier constitués dans le but de mener dans les régions cotières une politique foncière de sauvegarde de I'espace littoral, de respect des sites naturels et de I'equilibre écologique ;

*      les terrains reboisés par l'Etat en exécution de I'article 43 de la présente loi ;

*      les brises-vents plantés sur des biens fonds agricoles ;

*      les plantations fruitières sur terrains non forestiers, telles les cocoteraies.

 

*      ny ala sy ny tany volena hazo izay anisan'ny harem- panjakana, na tany ananan'ny Fanjakana zom-pitompoana tsy zaraina ;

*      ny hazo sy ny ala mbola mety hojariana, trandrahana ara-dalàna na havaozina indray ary ny tany volena hazo an'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, an'antokon-draharaham-panjakana, an'antokon-draharaha fanasoavam-bahoaka ary an'ny fikambanana hafa mizaka ny zom-panjakana na izay ananan'ireny vondrona sy fikambanana ireny ny zom-pitompoana tsy zaraina ;

*      ny hazo, ny ala ary ny tany volena hazo an'ny vondrona mpikarakara ny ala najoro mba hahatontosana any amin'ny faritra amoron-dranomasina, fikojakojana ny toera-manintona voajanahary ary ny fifandanjan'ny tontolo iainana ;

*      ny tany anaovan'ny Fanjakana fambolen-kazo, ho fanatanterahana ny andininy faha-43 arnin'izao lalàna izao;

*      ny aro-rivotra atsatoka eny amin'ny tany fanaovan'asam-pambolena ;

*      ny fambolena hazo fihinam-boa arnin'ny tsy faritr'ala, toy ny tany fambolena voanio.

 

Art. 13 - Tout propriétaire de forêt peut demander la soumission de sa forêt au régime forestier.

 

Art. 14 - Les conditions et les modalités de soumission au régime peuvent varier suivant que les forêts considérées appartiennent à l'Etat, aux Collectivités territoriales décentralisées, aux établissements publics, ou à des personnes privées, physiques ou morales.

Des décrets fixeront, en tant que de besoin, les conditions et modalités prévues à I'alinéa précédent.

 

And. l3 - Ny tompon'ala rehetra dia afaka mangataka ny fampiharana amin'ny alany, ny sata itantanana ny ala.

 

 

And. l4 - Ny fepetra sy ny fombafomba fampiharana nysata itantanana ny ala dia mety hiovaova arakaraky ny ala voakasika raha toa izany an'ny Fanjakana, an'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, an'antokon-draharaham-panjakana na an'olon-tsotra, isam-batan'olona na fikambanana mizaka ny zony.

Didim-panjakana no hametra, raha ilaina, ny fepetra sy ny fombafomba arahina voalazan'ny andalana etsy aloha.

 

Art. 15 - Toute contestation relative à la soumission ou non au régime forestier relève de la compétence de la commission prévue à I'article 5 de la présente loi.

Les modalités et conditions d'application du présent article seront déterminées par voie réglementaire.

 

Art. 16 - La soumission au régime forestier est décidée :

1° Pour les forêts de l'Etat, par le Ministre chargé des Forêts après avis de la commission prévue à I'article 5 de la présente Ioi ;

2° Pour les forêts des Collectivités territoriales décentralisées et des établissements publics, par le représentant régional du ministère chargé des Forêts et après avis de Ia commission forestière prévue à I'article 5 ci-dessus.

 

And. 15 - lzay fifandirana rehetra mikasika ny fampiharana na tsia ny sata itantanana ny ala dia tandrifim-pahefan ' ny vaomiera voalazan' ny andininy faha-5 arnin' izao lalàna izao.

Ny fombafomba sy ny fepetra farnpiharana izao andininy izao dia ho faritana amin' ny alalan' ny didy arnarn-pitsipika.

 

And. 16 - Ny mpanapaka momba ny fampiharana ny sata itantanana ny ala dia :

1° Ny Minisitra miandraikitra ny Ala rehefa avy manome ny heviny ny vaomiera voalazan'ny andininy faha-5 amin'izao lalàna izao, mikasika ny alam-panjakana ;

2° Ny solontenam-paritry ny minisitera miandraikitra ny Ala rehefa avy manome ny heviny ny vaomiera mikarakara ny ala voalazan'ny andininy faha-5 etsy ambony, mikasika ny ala an'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy an'ny Antokon-draharaham-panjakana.

 

Section 2

De la distraction du régime forestier

 

 

Art. 17 - Les forêts des personnes publiques et des personnes privées peuvent faire I'objet de distraction temporaire ou définitive du régime forestier.

Toutefois, les réserves naturelles intégrales, les parcs nationaux, les réserves speciales et les forêts classées, dans Ie respect des conventions internationales ainsi que les terrains et surfaces définis à l'article 2 ne sont pas susceptibles de distraction.

Pour les forêts de l'Etat, la distraction est décidée par décret en conseil de Gouvernement sur proposition du Ministre chargé des forêts.

Pour les forêts des Collectivités territoriales décentralisées et des établissements publIcs, l'autorisatlon de distraction est accordee par le représentant régional de l'administration forestière, sur demande du propriétaire, après avis de la commission prévue à l'article 5 de la présente loi. Cette distraction n'est pas cessible et est delivrée à titre personnel.

 

Sokajy 2

Ny amin'ny fanafahana tsy iharan'ny sata

itantanana ny ala

 

And. 17 - Ny ala fananan'ny fikambanana mizaka ny zom-panjakana sy ny an'olon-tsotra dia azo afahana vonjimaika na tena raikitra ny sata itantanana ny ala.

 

Na izany aza dia tsy ahazoana fanafahana tsy iharan'izany ny tahirin-java-boahary tanteraka, ny valam-pirenena, ny faritra voaaro manokana ary ny ala voasokajy, ho fanajana ny fifanarahana iraisam-pirenena ary koa ireo tany sy velaran-tany voafaritry ny andininy faha-2.

Ny amin'ny alam-panjakana, ny fanafahana dia tapahina amin’ny alalan'ny didim-panjakana eo am-pivorian'ny Governemanta araka ny tolo-kevitra aroson'nyMinisitra miandraikitra ny Ala.

Mikasika ireo ala hafa, ny alalana amin'ny fanafahana dia omen'ny solontenam-paritry ny fitantanana ny ala, araka ny fangatahana ataon'ny tompony, rehefa avy nanome ny heviny ny vaomiera voalazan'ny andininy faha-5 amin'izao lalàna izao. Izany fanafahana izany dia tsy azo afindra ary omena amin'ny anaran'olon-tokana.

 

Art. 18 - La demande d'autorisation de distraction doit être fondée sur l'exécution d'un programme économique et social d'utilité publique.

La demande de distraction est instruite dans les mêmes conditions et suivant les mêmes procédures que la demande de soumission.

 

Art. 19 - La décision autorisant la distraction est prise dans les mêmes formes que pour la soumission au régime forestier.

Elle est susceptible de recours par les mêmes personnes et dans les mêmes conditions que pour la soumission au régime forestier.

 

Art. 20 - Les forêts ayant fait I'objet de distraction du régime forestier peuvent réintégrer ce régime dans les conditions et suivant les procédures prévues dans la section I, du chapitre II, du titre II de la présente loi.

 

And. 18 - Ny fangatahana alalana amin' ny fanafahana dia tsy maintsy mifototra amin' ny fanatanterahana ny fandaharan'asa fanasoavam-bahoaka ara-toekarena sy ara-tsosialy.

Ny famotopotorana fangatahana fanafahana dia anarahana fepetra sy paika mitovy ihany amin'ny fangatahana fampiharana ny sata.

 

And. 19 - Ny fanapahana anomezan-dalana amin'ny fanafahana dia mitovy endrika ihany amin'ny fangatahana fampiharana ny sata itantanana ny ala.

Izany dia mety hisy ny fampakaran-draharaha ataon'ireo olona ireo ihany sy araka ny fepetra mitovy ihany amin'ny fampiharana ny sata itantanana ny ala.

 

And. 20 - Ny ala voakasiky ny fanafahana tsy iharan'ny sata itantanana ny ala dia azo averin-ko voafehin'io sata io araka ny fepetra sy ny paika arahina voalazan'ny sokajy I, toko I, lohateny II amin'izao lalàna izao.

 

CHAPITRE III

Les forêts soumises au régime forestier

 

Art. 21 - Sont soumises de droit au régime forestier, sauf distraction dans les conditions prévues aux articles 17 à 19 de la présente loi :

*      les forêts de l'Etat ;

*      les forêts des Collectivités territoriales décentralisées ;

*      les forêts des établissements publics.

Les forêts des personnes publiques dependant du domaine de l'Etat, des Collectivités territoriales décentralisées et des établissements publics sont, de droit, soumises au régime forestier, dès l'entrée en vigueur de la présente loi.

 

Art. 22 - Les forêts des personnes privées peuvent etre soumises au régime forestier par décision du ministère chargé des Forêts après avis de la commission forestière prévue à I'article 5 de la présente loi.

 

TOKO III

Ny ala iharan'ny sata itantanana ny ala

 

And. 21 - Afa-tsy raha misy ny fanafahana voalazan'ny fepetra soritan'ny andininy faha-16 hatramin'ny faha-19 amin’izao lalàna izao, dia iharan'ny sata itantanana ny ala avy hatrany :

*      ny alam-panjakana ;

*      ny ala an'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram- pahefana ;

*      ny ala an'antokon-draharaham-panjakana.

Ny ala mandrakotra tanim-panjakana an'ny fikambanana mizaka ny zom-panjakana, Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ary antokon-draharaham-panjakana dia iharan'ny sata itantanana ny ala avy hatrany, raha vantany vao manan-kery izao lalàna izao.

 

 

And. 22 - Ny ala an'olon-tsotra dia azo ampiharana ny sata itantanana ny ala araka ny fanapahana ataon'ny minisitera miandraikitra ny Ala rehefa avy nanome ny heviny ny vaomiera mikarakara ny ala voalazan'ny andininy faha-5 amin'izao lalàna izao.

 

Section premier

Des forêts de l'Etat

 

Art. 23 - Les forêts de l'Etat sont gérées conformément aux orientations de la politique forestière et aux objectifs de gestion durable des ressources forestières fixés par le plan directeur forestier national élaboré de manière participative et publié par arrêté du Ministre chargé des Forêts.

 

Art. 24 - Les forêts de l'Etat peuvent être gérées en régie.

L'Etat peut déléguer la gestion de ses forêts à d'autres personnes publiques ou privées.

 

Un décret pris en Conseil de Gouvernement fixera les modalités de délégation.

 

Sokajy voalohany

Ny amin'ny alam-panjakana

 

And. 23 - Ny alam-panjakana dia tantanina araka ny sori-dalana raketin'ny politika fitantanana ny ala sy ny tanjona kinendrin'ny fitantanana maharitra ny loharanon-karen'ny ala feran'ny drafitra fototra fitantanana ny ala eto amin'ny firenena iaraha-misalahy ny famolavolana azy ary avoaka amin'ny alalan'ny didim-pitondrana ataon'ny minisitera miandraikitra ny Ala.

 

And. 24 - Azo atao am-parimbona ny fitantanana ny alam-panjakana.

Azon'ny Fanjakana afindra aminà fikambanana hafa mizaka ny zom-panjakana na fikambanan'olon-tsotra ny fitantanana ny ala azy.

Didim-panjakana raisina eo amin'ny filan-kevitry ny Governemanta no hametra ny fombafomba famindram-pitantanana.

 

Section 2

Des forêts des Collectivités territoriales décentralisées et des établissements publics

 

Art. 25 - Les forêts des Collectivités territoriales décentralisées et des établissements

publics sont regies par les memes regles que pour les forêts.de l'Etat.

 

Section 3

Des forêts des personries privées

 

Art. 26 - Les forêts des personnes privées, morales ou physiques, peuvent etre soumises au régime forestier conformément à I'article 13.

 

 

Art. 27 - Les forêts des personries privées, morales ou physiques, soumises au régime forestier sont dispensées de redevances.

 

Sokajy 2

Ny amin' ny alan' ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana sy antokcn-draharaham-panjakana

 

And. 25 - Voafehin'ny fitsipika mitovy amin'ny fitondrana ny alam-panjakana raha mbola iharan'ny sata itantanana ny ala ihany, ny alan'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-paherana sy antokon-draharaham-panjakana.

 

Sokajy 3

Ny amin'ny alan'ny fikambanan'olon-tsotra

 

And. 26 - Ny alan'ny fikambanan'olon-tsotra, ny fikambanana mizaka zo aman'andraikitra, na vatan-tenan'olona dia azo ampiharana ny sata itantanana ny ala, araka ny voalazan'ny andininy faha-13.

 

And. 27 - Ny alan'olon-tsotra, fikambanana mizaka ny zo aman'andraikitra na isam-batan'oIona, izay iharan'ny sata itantanana ny ala dia tsy anefana ny vola fandoa.

 

CHAPITRE IV

Des exploitations forestières

 

Section I

Des forêts de l'Etat et des Collectivités territoriales décentralisées

 

Art. 28 - L'Etat et les Collectivités territoriales décentralisées s'engagent à prendre toutes les dispositions devant permettre la soumission de leurs forêts au plan d'aménagement et à I'exploitation par coupes régulières.

Les règlements d'exploitation et l'assiette des coupes sont fixées par voie réglementaire sur proposition du représentant régional du ministère chargé des Forêts en ce qui concerne les forêts de l'Etat ; ils sont etablis par les organes compétents conformement à la législation régissant les Collectivités territoriales décentralisées, en ce qui concerne les forêts de ces dernières.

L'emploi des coupes régulières est obligatoire pour les forêts situées sur les terrains d'argile latéritique en pente, et exploitées principalement en vue de la production de bois de chauffage et du charbon.

Les contestations relatives à la nature des sols sont arbitrées par un technicien désigné par le représentant régional du ministère chargé des Forêts.

 

TOKO IV

Ny amin'ny fitrandrahana ny ala

 

Sokajy voalohany

Ny amin' ny alam-panjakana sy ny alan'ny

Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana

 

And. 28 - Manaiky ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana handray ny repetra rehetra ahafaha-mampihatra amin'ny alan'izy ireo ny drafitra fanajariana sy fitrandrahan'ala amin'ny alalan'ny fikapana hazo araka ny laoniny.

Ny fitsipika momba ny fitrandrahana sy ny faritra ikapana hazo dia ferana amin'ny alalan'ny didy amam-pitsipika araka ny tolo-kevitry ny solontenam-paritry ny minisitera miandraikitra ny Ala amin'izay mikasika ny alam-panjakana ; ataon'ny rantsana mahefa araka ny lalàna mifehy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana izany, amin' izay mikasika ny alan'ireto farany.

 

 

Ny fikapana hazo manaraka ny laoniny dia tsy maintsy imasoana amin'ala eny amin'ny faritra misolampy menamena fasihana ny nofon-tany aminy izay trandrahina indrindra indrindra amokarana kitay sy saribao.

 

Ny manelanelana amin'ny fifandirana mikasika ny karazana nofon-tany, dia teknisiana iray tondroin'ny solontenam-paritry ny minisitera miandraikitra ny Ala.

 

Art. 29 - Les forêts de l'Etat et des Collectivités territoriales décentralisées qui ne peuvent être exploitées par coupes régulières sont soumises au régime des permis d'exploitation.

Ces permis portent sur tout ou partie des produits principaux exploitables au sens de l'article premier, alinéa 2 de la présente loi.

lIs comportent obligation de reboisement ou à defaut, de compensation financière équivalente.

 

And. 29 - Ny ala an'ny Fanjakana sy an'ny Vondrom- bahoakam-paritra itsinjaram-paherana izay tsy azo trandrahina amin'ny alalan'ny fikapana hazo manaraka ny laoniny dia iharan’ny sata momba ny fanomezan-dalana hitrandraka ala.

Io fanomezan-dalana io dia maharaoka ny ampahany na ny manontolo amin'ny matoam-bokatra fitrandraka araka ny hevitra raketin'ny andininy voalohany, andalana faha-2 amin' izao lalàna izao.

Ireny dia itambesaran'adidy amin'ny fambolen-kazo na raha tsy atao izany, fanonerana ara-bola mifandraika aminy.

 

Art. 30 - La nature et les dimensions des produits exploitables, les règles d'exploitation applicables à chacun d'eux et les conditions à remplir par les titulaires de permis d'exploitation sont consignés dans un cahier des charges.

 

Art. 31 - Les conditions d'attribution des permis d'exploitation sont fixées par décret pris en conseil de Gouvernement.

 

Art. 32 - Les taux des redevances et leurs conditions d'application sont fixés par voie réglementaire.

 

And. 30 - Ny karazany sy ny halehiben'ny vokatra azo trandrahina, ny fitsipika momba ny fitrandrahana ampiharina amin’ny tsirairay aminy ary ny fepetra ho fenoin'ny tompon'ny fahazoan-dalana hitrandraka dia raketina an-tsoratra ao anatin'ny bokin'andraikitra.

 

And. 31 - Ny fepetra fanomezana ny fahazoan-dalana hitrandraka dia feran'ny didim-panjakana raisina eo am-pivorian'ny Govememanta.

 

And. 32 - Ny tondrosandan'ny vola fandoa sy ny fepetra fampiharana azy ireo dia ferana amin'ny alalan'ny didy amam-pitsipika.

 

Art. 33 - L'exploitation des forêts de l'Etat doit être conforme au plan directeur forestier national.

 

 

Art. 34 - Tout exploitant forestier doit être titulaire de diplôme délivré par un centre de formation forestière agréé par l'Etat ou d'un agrément délivré par le Ministre chargé des Forêts dans les conditions fixées par décret pris en conseil de Gouvernement.

Tout exploitant en activité à I'époque de l'entrée en vigueur de la présente loi doit régulariser sa situation pour recevoir la formation requise par son état.

 

Art. 35 - Dans les deux ans suivant la publication de la présente loi au Journal officiel, il est procédé par I 'Etat à I'inventaire de toutes les forêts existantes sur le territoire national.

Chaque proprietaire doit parallèlement effectuer I'inventaire de ses forêts dans les conditions fixées par décret.

Tous les dix ans, il est établi par chaque propriétaire de forêt un inventaire de ses forêts.

 

 

And. 33 - Ny fitrandrahana ny alam-panjakana dia tsy maintsy mifanaraka amin'ny drafitra fototra fitantanana ny ala eto amin'ny Firenena.

 

And. 34 - Izay rehetra mpitrandraka ala dia tsy maintsy manana mari-pahaizana omen'ny foibem-panofanana momba ny ata toavin'ny Fanjakana na fankatoavana omen'ny Minisitra miandraikitra ny Ala araka ny fepetra soritan'ny didim-panjakana raisina eo am-pivorian'ny Govememanta.

Izay rehetra mpitrandraka am-perin'asa amin'ny fotoana mampanan-kery izao lalàna izao dia tsy maintsy manao izay aha-ara-dalàna mba hahazoany ny fanofanana takiana amin'ny fisahanana ny asa aman-draharahany.

 

And. 35 - Ao anatin'ny roa taona manaraka ny famoahana izao lalàna izao ao amin'ny Gazetim-panjakana, dia ataon'ny Fanjakana ny fitanisana ny ala rehetra misy eto amin'ny tanim- pirenena.

Mifanindran-dalana amin'izay, ny tompon'ala isanisany dia tsy maintsy manao ny fitanisana ny ala ananany araka ny fepetra soritan'ny didim-panjakana.

Isaky ny folo taona, dia ataon'ny tompon'ala tsirairay ny fitanisana ny ala ananany.

 

 

Art. 36 - Les agents contrôleurs et les agents de constatation des infractions forestières prévus par la législation en vigueur ont droit à des primes sur les amendes recouvrées.

La proportion de ces primes et les modalités de paiement sont fixees par décret pris en conseil de Gouvernement.

 

Art. 37 - La région, le département et la Commune ont droit à des prélèvements et des ristournes dont les taux et les modes de recouvrement sont fixés annuellement par I'organe délibérant compétent conformément aux règles prévues par les lois sur les Collectivités territoriales décentralisées.

 

And. 36 - Ny mpandraharaha manao fanaraha-maso sy ny mpandraharaha mizaha fototra ny fandikan-dalàna mikasika ny ala voatondron'ny lalàna manan-kery dia mahazo tambiny amin'ny sazy vola voavory.

Ny isan'ampahany amin'ireny tamby ireny sy ny fomba fandoavana azy dia feran'ny didim-panjakana raisina eo am- pivorian'ny Govememanta.

 

And. 37 - Ny raritra, ny departemanta ary ny Kaominina dia mahazo ampahany sy tamberim-bidy izay reran' ny rantsana mpanapaka mahera isan-taona ny habetsahany sy ny romba fitakiana azy, araka ny fitsipika voasoritry ny lalàna momba ny V ondrom- bahoakam-paritra itsinjaram-paherana.

 

Section 2

Des forêts des établissements publics

 

Art. 38 - Le mode d'attribution des droits sur les forêts des établissements publics est réglé conformement à la législation les régissant et à leurs statuts.

Les textes réglementaires fixeront en tant que de besoin les conditions d'application du présent article.

 

Sokajy 2

Ny amin' ny ala an' Antokon-draharaham-panjakana

 

And. 38 - Ny fomba fanomezana zo zakaina amin'ny ala an'antokon-draharaham-panjakana dia atao araka ny lalàna sy ny fitsipi-pitondrana mifehy azy ireny.

Rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika no hanoritana, raha misy ilana, ny fepetra fampiharana izao andininy izao.

 

Section 3

Des forêts des personnes privées

 

Art. 39 - Les domaines forestiers privés sont exploités par permis de coupe.

Le mode d'attribution des droits sur les forêts des personnes privées suit les règles contractuelles.

Des textes réglementaires fixeront en tant que de besoin les conditions d'application du présent article.

 

Sokajy 3

Ny amin'ny ala an'ny fikambanan'olon-tsotra

 

And. 39 - Ny tanim-pirenena rakotr'ala an'olon-tsotra dia trandrahana amin'ny alalan'ny fahazoan-dalana hikapa hazo.

Ny fomba fanomezana zo zakaina amin'ny alan'ny fikambanan'olon-tsotra dia ampanarahana ny fitsipika ifaneken'ny andaniny sy ankilany.

Rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika no hanoritana, raha misy ilana izany, ny fepetra fampiharana izao andininy izao.

 

CHAPITRE V

Des permis de coupe et des droits d'usage des fokonolona

 

Art. 40 - Des permis de coupe peuvent être accordés par le représentant régional du ministère chargé des Forêts à des particuliers pour leurs besoins strictement personnels et dans des conditions fixées par décret.

 

TOKO V

Ny amin'ny fahazoan-dalana hikapa hazo

sy ny zo zakain'ny fokonolona

 

And. 40 - Ny alalana hikapa hazo dia azon'ny solontenam-paritry ny minisitera miandraikitra ny Ala omena olon-tsotra manokana ho amin'izay ilan'izy tenany fotsiny ihany sy araka ny fepetra soritan'ny didim-panjakana.

 

Art. 41 - En vue de permettre la participation effective des populations rurales à la conservation durable des ressources naturelles renouvelables, tel que prévue par la loi relative à la gestion communautaire locale des ressources naturelles renouvelables, les membres du Fokonolona sont autorisés à exercer leurs droits d'usage traditionnels individuellement ou collectivement dans les forêts de l'Etat, des Collectivités territoriales décentralisées, des établissements publics et des personnes privées dans la mesure ou lesdits droits n'auront pas déjà été purgés.

 

And. 41 - Mba ahafahan'ny mponina eny ambanivohitra mandray anjara tokoa amin'ny fikajiana maharitra ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina, araka ny voalazan'ny lalàna mikasika ny fitantanana iombonana eo an-toerana ny loharanon-karena voajanahary azo havaozina, dia omen-daIana. ny fokonolona hampiasa ny zo nentim-paharazana zakain'izy ireo isam-batan'olona na mitambatra amin'ny alam-panjakana, an'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny Antokon-draharaham-panjakana ary an'olon-tsotra raha mbola tsy nozakainy ireny zo ireny.

 

CHAPITRE VI

Du régime des défrichements

et des feux de végétation

 

Art. 42 - Les dispositions de I'ordonnance n° 60-127 du 3 octobre 1960 fixant le régime des défrichements et des feux de végétation restent applicables.

 

TOKO VI

ny amin'ny sata momba ny famakian-tany vao

sy ny doro-ala

 

And. 42 - Mitoetra ho fampihatra hatrany ny fepetra voalazan'ny hitsivolana laharana faha 60-127 tamin'ny 3 oktobra 1960 manoritra ny sata momba ny famakian-tany vao sy ny doro-ala.

 

CHAPITREVII

Du reboisement

 

Art. 43 - L'Etat s'engage à mettre en œuvre une politique volontariste de reboisement.

A cet effet, d'une part, il fera application des mesures initiatives planifiées dans le plan directeur forestier national et d'autre part, il sera procédé, au niveau régional, au classement de reboisement, selon des modalités qui sont précisées par décret.

 

TOKO VII

Ny amin'ny fambolen-kazo

 

And. 43 - Ny Fanjakana dia vonona ny hanatanteraka politika fanoitram-paharisihina amin'ny fambolen-kazo.

Amin'izany, dia fepetra maty paika anatin'ny drafitra fototra fitantanana ny ala ato amin'ny Firenena no hampihariny andaniny ary ankilany isam-paritra, dia hisy ny fanasokajiana ny fambolen-kazo, araka ny fombafomba soritana amin'ny alalan'ny didim-panjakana.

 

TITRE III

ORGANISATION ET MISSIONS DU SERVICE PUBLIC FORESTIER

 

Art. 44 - Les règles régissant l'organisation et les missions du Service public forestier, ou administration forestière, sont fixées par décret pris en conseil de Gouvemement.

 

Le Service forestier doit s'articuler avec les acteurs intervenant dans les secteur forestier dont notamment le departement chargé de l'education nationale.

 

LOHATENY III

FANDAMINANA SY ANDRAIKITRY NY SAMPAN- DRAHARAHAM-PANJAKANA MOMBA NY ALA

 

And. 44 - Ferana amin'ny alalan'ny didim-panjakana atao eo am-pivorian'ny Governemanta, ny fitsipika mifehy ny fandaminana sy ny andraikitry ny Sampan-draharaham-panjakana momba ny ala, na Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala.

Ny Sampan-draharahan'ny ala dia tsy maintsy ampifandrindrana amin'ireo mpiatrik'asa amin'ny seha-pihariana momba ny ala ka anisany indrindra ny departemanta miandraikitra ny fanabeazam-pirenena.

 

TITRE IV

DES RAPPORTS ENTRE L'ADMINISTRATION FORESTIERE ET LES COLLECTIVITES TERRITORIALES DECENTRALISEES

 

Art. 45 - La gestion et la planification des forêts des Collectivités territoriales décentralisées relèvent de leur compétence.

 

Art. 46 - Les rapports entre l'Etat et les Collectivités territoriales décentralisées en ce qui conceme la repartition et le transfert des compétences, sont soumis aux dispositions de la loi n° 93-005 du 24 fevrier 1994 portant orientation générale des politiques de décentralisation, notamment dans ses articles 15 à 19.

 

LOHATENY IV

NY AMIN'NY FIFANDRAISAN'NY FANDRAHARAHAM-PANJAKANA MITANTANA NY ALA SY NY VONDROM-BAHOAKAM-PARITRA ITSINJARAM-PAHEFANA

 

And. 45 - Ny fitantanana sy ny fandraiketana ny tetika fampivoarana ny momba ny alan'ny Vondrom-bahoakam- paritra itsinjaram-pahefana dia miankina amin'ny fahefan'izy Ireo.

 

And. 46 - Ny fifandraisana misy eo amin'ny Fanjakana sy ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana amin'izay mikasika ny fitsinjarana sy ny famindrana ny fizakam-pahefana dia atao mifanaraka amin'ny fepetra voalazan'ny lalàna laharana faha 93-005 tamin'ny 24 febroary 1994 anaovana ny sori-dalana ankapobe itondrana ny politikan'ny fitsinjaram-pahefana, indrindra ny eo amin'ny andininy faha-15 hatramin' ny faha-19.

 

Art. 47 - Les rapports entre I'administration forestière centrale et ses services régionaux, représentés par le représentant de l'Etat d'une part, les Collectivités territoriales décentralisées représentées par les présidents des bureaux exécutifs d'autre part, s'établissent sur des bases contractuelles.

En aucun cas, il ne peut y avoir de rapport hiérarchique, ni de tutelle, entre les services dépendant de l'administration forestière centrale et ceux relevant des Collectivités territoriales décentralisées.

 

And. 47 - Ny fifandraisana eo amin'ny Fandraharaham- panjakana foibe mitantana ny ala sy ireo sampan-draharaham-paritra ao aminy, soloin'ny solontenam-panjakana andaniny, ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana soloin'ny filohan'ny birao mpanatanteraka ankilany, dia mifototra amin'ny fifanarahana ifaneken'ny roa tonta.

Na manao ahoana na toy inona, dia tsy tokony hisy ny fifandraisana voafehin'ny fiambaratongam-pahefana, na fiahiana eo amin'ny Sampan-draharaha miankina amin'ny Fandraharaham- panjakana foibe mitantana ny ala sy ireo izay miankina amin'ny Vondrom-bahoaka-paritra itsinjaram-pahefana.

 

TITRE V

DES PERIMETRES SOUMIS A DES RÉGIMES SPECIAUX

 

Art. 48 - Certains périmètres, soit par leur nature, soit en raison des objectifs qui leur sont assignés, peuvent être soumis à des régimes spéciaux. II s'agit notamment des périmètres de conservation des eaux et du sol, de restauration des sols, des périmètres d'intérêt écologique, ou d'intérêt social et culturel, des bois sacrés, des aires de protection relevant d'autres législations telles ceIles régissant les industries et les mines ainsi que des aires qui ont été constituées patrimoine mondial ou réserves de la biosphère.

Ces périmètres peuvent être étendus et d'autres peuvent être créés par decision de l'Etat soit à sa propre initiative, soit sur proposition des Collectivités territoriales décentralisées ou des personnes privées propriétaires de forêts.

 

LOHATENY V

NY AMIN'NY FARITRA IHARAN'NY SATA MANOKANA

 

 

And. 48 - Ny faritra sasantsasany, na izany noho ny karazany, na noho ny tanjona kinendry aminy, dia azo ampiharana sata manokana. Izany dia mikasika indrindra ny faritra ikajiana ny rano sy ny nofon-tany, ny famerenana amin'ny laoniny ny nofon-tany, ny faritra ahitana tombony amin'ny tontolon-drafitra manodidina ny tombontsoa ara-tsosialy sy momba ny kolontsaina, ny hazo manan-kasina, ny velaran-tany fiarovana ampiharana lalàna hafa toy ireo izay mifehy ny indostria sy ny harena an-kibon'ny tany ary ny velaran-tany izay voatokana ho fari-pananan'izao tontolo izao na ny tahirin'ny tontolom-pahaveloman'ny zava-miaina.

Ireny faritra ireny dia azo itarina ary ny hafa dia azo atsangana amin'ny alalan'ny fanapahana ataon'ny Fanjakana na amin'ny nahim-pony izany, na araka ny tolo-kevitra aroson'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana na ny fikambanan'olon-tsotra tompon'ny ala.

 

Art. 49 - La soumission d'un périmètre à un régime spécial peut resulter soit d'une procédure d'expropriation pour cause d'utilité publique, soit d'une convention passee par I'Administration forestière avec le propriétaire du périmètre concerné.

 

Art. 50 - Les critères de classification des périmètres soumis à des régimes spéciaux sont définis par un texte réglementaire.

 

And. 49 - Ny fampiharana ny sata manokana amin'ny faritra iray dia mety ho vokatry ny paika arahina amin'ny fanesorana amin'ny tompony ny fizakana azy ho fanasoavam-bahoaka, na noho ny fifanekena ifanaovan'ny Fandraharaham-panjakana mitantana ny ala sy ny tompon'ilay faritra voakasika.

 

And. 50 - Rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika no anoritana ny antonantony enti-manasokajy ny faritra ampiharana ny sata manokana. .

 

Art. 51 - Les règles régissant la gestion des périmètres visés aux articles précédents sont définis par voie réglementaire dans le respect des engagements internationaux contractés par l'Etat Malagasy.

En particulier, ces périmètres ne peuvent faire l'objet d'exploitation sous quelque forme que ce soit, les coupes rases, les défrichements et les mises à feu ainsi que le paturage y sont interdits. .

 

And. 51 - Ny fitsipika mifehy ny fitantanana ny faritra tondroin'ireo andininy eto ambony dia ferana amin'ny alalan'ny didy amam-pitsipika, amim-panajana ny fifanekena iraisam-pirenena noraiketin'ny Fanjakana Malagasy.

Ireny faritra ireny indrindra manokana dia tsy azo trandrahina, na inona na inona endrik'izany. Voarara ao ny fikapana hazo ifotony, ny famakian-tany vao sy ny fandrehetana afo ary koa ny fanaovana kijana.

 

TITRE VI

DU FONDS FORESTIER NATIONAL

ET DES RISTOURNES

 

Art. 52 - Le Fonds forestier national est un compte special, à gestion privatisée, géré par un conseil de gestion compose de représentants de l'Etat, des Collectivités territoriales décentralisées, des Organisations Non Gouvernementales et des Opérateurs, suivant des modes de désignation qui sont fixés par voie réglementaire.

Les modalités de gestion du fonds forestier national sont définies par décret pris en conseil de Gouvernement.

 

LOHATENY VI

NY AMIN' NY TAHIRIM-PIRENENA MOMBA NY ALA

SY NY TAMBERIM-BIDY

 

And. 52 - Kaonty manokana ny an'ny tahirim-pirenena momba ny ala, ka tsy ara-panjakana ny fitantanana azy izay ankinina amin'ny Filankevi-pitantanana ahitana ny solontenan'ny Fanjakana, ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny fikambanana tsy miankina amin'ny Fanjakana ary ny mpandraharaha araka izay fombafomba fanendrena azy ireny izay ferana amin'ny alalan'ny didy amam-pitsipika.

Faritana amin'ny alalan'ny didim-panjakana atao eo am- pivorian'ny Governemanta ny fombafomba fitantanana ny tahirim-pirenena momba ny ala.

 

Art. 53 - Les ristournes dues au titre des produits forestiers sont attribuées aux Collectivités territoriales décentralisées conformément aux dispositions de la loi n° 94-007 du 26 avril 1995 relative aux pouvoirs, compétences et ressources des Collectivites territoriales décentralisées.

En ce qui concerne les Communes, les taux des ristournes sont fixés par délibération du conseil municipal ou du conseil communal.

 

And. 53 - Ny tamberim-bidy avy amin'ny vokatry ny ala dia omena ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana araka ny fepetra voalazan'ny lalàna laharana faha 94-007 tamin'ny 26 aprily 1995, mikasika ny fahefana sy tandrifim-pahefana ary loharanom-bolan'ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram- pahefana.

Amin'izay mikasika ny Kaominina, ny tondrosandan'ny tamberim-bidy dia ferana amin'ny alalan'ny fanapahana ataon'ny Filankevitra monisipaly na ny Filankevitry ny Kaominlna.

 

TITRE VII

DISPOSITIONS TRANSlTOlRES ET PENALES

 

Art. 54 - Les dispositions répressives de I'ordonnance n° 60-127 fixant le régime des défrichements et des feux de végétation, ainsi que l'ordonnance n° 60-128 du 3 octobre 1960 fixant la procédure applicable à la répression des infractions à la législation forestière, de la chasse, de la pêche et de la protection de la nature restent en vigueur jusqu'à parution d'une nouvelle loi.

 

LOHATENY VII

FEPETRA TETEZAMITA SY FANASAZIANA

 

And. 54 - Ny fepetra famaizana voalazan'ny hitsivolana laharana faha 60-127 mametra ny sata mifehy ny famakian-tany vao sy fandoroana zava-maniry ary koa ny hitsivolana laharana faha 60-128 tamin'ny 3 oktobra 1960 mametra ny paika arahina amin'ny famaizana ny fandikan-dalàna momba ny ala, ny fihazana, ny fanjonoana ary ny fiarovana ny zavaboary dia mbola manan-kery hatrany mandra-pisian'ny lalàna vaovao.

 

Art. 55 - Toutes dispositions antérieures contraires à la présente loi sont et demeurent abrogées.

Toutefois, en attendant la mise en place des Collectivités territoriales décentralisées, de la commission prévue à l'article 5 de la présente, de la nouvelle organisation du Service forestier, les dispositions legislatives actuellement en vigueur restent applicables.

 

And. 55 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin' izao lalàna izao.

 

Na izany aza anefa, ny fepetran-dalàna manan-kery ankehitriny dia mbola mihatra ihany, eo am-piandrasana ny fametrahana amin'ny toerany ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana, ny vaomiera voalazan'ny andininy faha-5 amin'izao lalàna izao, ny fandaminana vaovao ny Sampan-draharaha momba ny ala.

 

Art. 56 - L'Etat s'engage à prendre les textes réglementaires d'application de la présente loi dans le delai d'un an à compter de la date de sa promulgation.

 

Art. 57 - Des décrets pris en conseil de Gouvernement préciseront les modalités d'application de la présente loi en tant que de besoin.

 

Art. 58 - La présente loi sera publiée au Journal officiel de la Republique.

Elle sera executée comme loi de l'Etat.

 

Promulguée à Antananarivo, le 8 août 1997.

Didier RATSlRAKA.

 

And. 56 - Ny Fanjakana dia manaiky fa ho raiketiny ny rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika fampiharana izao lalàna izao ao anatin'ny fe-potoana iray taona manomboka ny vaninandro amoahana azy hanan-kery .

 

And. 57 - Raha ilaina dia hisy ny didim-panjakana atao eo am-pivorian'ny Govememanta hanoritra mazava ny fombafomba fampiharana ity lalàna ity .

 

And. 58 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika izao lalàna izao.

Ho tanterahina izany fa lalam-panjakana.

 

Avoaka hanan-kery, Antananarivo, ny 8 aogositra 1997.

Didier RATSIRAKA.

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement