//-->

Lois 198

Loi n° 96-033 du 12 septembre 1997

Loi n° 96-033 du 12 septembre 1997

sur la libéralisation du transport aérien à Madagascar

((J.O. n° 2460 du 20.10.97, p. 2101 ; Erratum : J.O. du 03.11.97, p. 2172)

 

Lalàna n° 96-033 tamin’ny 12 septambra 1997

mikasika ny fanalalahana fifamoivoizana an'habakabaka eto Madagasikara

(idem)

 

L'Assemblée nationale a adopté en sa séance du 28 août 1997,

Le Président de la République,

Vu la Constitution du 18 septembre 1992,

 

Vu la décision de la Haute Cour Constitutionnelle n° 24-HCC/D.3 du 10 septembre 1997,

Promulgue la loi dont la teneur suit :

 

Ny Antenimieram-pirenena no nandany tamin'ny fivoriana nataony tamin'ny 28 aogositra 1997,

Ni Filohan’ny Repoblika,

Araka ny Lalàmpanorenana tamin’ny 18 septambra 1992,

Araka ny fanapahana laharana faha 24-HCC/D.3 nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana tamin’ny 10 septambra 1997,

No mamoaka hampanan-kery ny lalàna izay toy izao ny andinindininy :

 

Article premier - La présente loi détermine les objectifs de la libéralisation du secteur du transport aérien commercial à Madagascar et a pour objet de fixer les règles et le cadre institutionnel de cette libéralisation prévu notamment dans les objectifs de politique économique élaborée par le Gouvernement.

 

Andininy voalohany - Ity lalàna ity no mamaritra ireo tanjona eo amin'ny fanalalahana ny sehatr'asa fitaterana an'habakabaka ara-barotra eto Madagasikara, sady mametra ny fitsipika sy ny rafi-pitondrana momba izany fanalalahana izany izay voalaza indrindra indrindra amin'ny zava-kinendrin'ny politika ara-toekarena novolavolain'ny Governemanta.

 

Art. 2 - Les objectifs sont de :

*       favoriser le développement effectif du tourisme international en facilitant l'arrivée de nouveaux touristes ;

*       satisfaire les besoins en transport du commerce avec l'étranger ;

*       faciliter l'éclatement du trafic international vers les centres touristiques ;

 

*       désenclaver les régions difficiles d'accès;

*       créer des emplois ;

*       obtenir une meilleure satisfaction des besoins de transport aérien en instituant une saine concurrence ;

And. 2 - Ireto avy izany tanjona izany :

*       fanomezana vahana ny fampivoarana tokoa ny fizahan-tany iraisam-pirenena amin'ny fanamorana ny fahatongavan'ny mpizaha-tany vaovao ;

*       fahatanterahana izay ilain'ny fitaterana eo amin'ny lafiny varotra amin' y any ivelany ;

*       fanamorana ny fanaparitahana ny zotra iraisam-pirenena mankamin'ireo foiben-toerana alehan'ny mpizaha tany ;

*       fanalàna ireo faritra saro-dàlana ;

*       famoronana asa ;

*       fampanjakana fifaninanana madio eo amin'ny fitaterana an'habakabaka mba hahatsara kokoa ny fahatanterahana ny tinady aminy ;

*       retirer l'intervention de l'Etat dans l'exploitation des compagnies de transport aérien;

*       retirer progressivement entre les mains de l'Etat l'exploitation des installations et service de la navigation aérienne ;

*       obtenir les meilleures conditions pour le développement des investissements dans le secteur du transport aérien ;

*       renforcer le contrôle d'application des mesures relatives à sécurité de l'exploitation.

 

*       fisintahan'ny Fanjakana eo amin'ny fitrandrahana ireo kompania fitaterana an'habakabaka ;

 

*       fisintahan'ny Fànjakana miandalana eo amin'ny fitrandrahama ireo tsangan'asa sy fisahanan-draharaha momba ny fifamoivoizana an'habakabaka ;

*       fikatsahana ny hisian'ny fepetra tsara kokoa hampiroborobo ny fampiasam-bola eo amin'ny sehatry ny fitaterana an'habakabaka ;

*       fanatevenana ny fanaraha-maso ny fampiharana ny fepetra mikasika ny fananana tokim-piarovana amin'asam-pitrandrahana.

 

Art. 3 - En matière de services intérieurs :

 

i. Il n'est imposé aucune restriction quant à la fréquence de services, aux routes, au type d'aéronef et/ou à la quantité de marchandises et de courrier pouvant être transportée, ainsi qu’à la fixation des tarifs. L'exploitation est exclusivement ouverte à toute société de droit malgache.

ii. Lorsque les mécanismes du marché ne permettent pas faute de rentabilité suffisante de maintenir en fonctionnement,les dessertes de certaines localités, l'Etat peut imposer des obligations de service public moyennant certaines compensations.

 

And. 3 - Mikasika ny fisahanan-draharaha eto an-toerana :

i. Tsy misy ny fameperana mamehy ny hatetiky ny fisahanan-draharaha, eo amin'ny lalana aleha, amin'ny karazam-piaramanidina sy/na eo amin'ny habetsahan'ny entana sy ny taratasy izay tokony ho entina, ary koa eo amin'ny famerana ny saram--pitaterana. Ny fitrandrahana dia hiandraiketan'ny orinasa rehetra voafehin’ny lalàna malagasy ihany ;

ii. Raha toa ny fandehan'ny tsena, noho ny tsy fisiam-pahombiazana firy ka tsy ahafaha-mampiasa ny zotra amin’ny toerana sasantsasany dia azon'ny Fanjakana ny mampiantsorok'adidy aman'andraikitra amin'ny fisahanan-draharaham-bahoaka sandainy fanonerana sasantsasany.

 

Art. 4 - En matière de services aériens internationaux, l'Etat procède par voie d'accords aériens et arrangements bilatéraux et multilatéraux en veillant à ce que l'ouverture du ciel malgache aux compagnies étrangères se traduise réciproquement en opportunité d'accès à un marché élargi au plan international pour les compagnies malgaches.

 

And. 4 - Eo amin'ny lafiny fitaterana an'habakabaka iraisam-pirenena irosoan'ny Fanjakana ny fanaovana fifanarahana momba ny fitaterana an'habakabaka sy fifandaminana amin'isam-pirenena na iraisam-pirenena, ka tandrovana amin'izany, mba ho ny fisokafan'ny habakabaka ho an'ny kompania vahiny dia hivaly amin'ny fivohàn'ny lalam-barotra malalaka eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena ho an'ny kompania malagasy.

 

Art. 5 - En matière de services d'assistance au sol, chaque transporteur aérien est libre de choisir parmi les prestataires agréés en concurrence (société de droit malgache) ou d'assurer ses propres services d'escale, notamment lorsque les prestataires agréés suscités ne sont pas en mesure de fournir les services demandés. Dans ce dernier cas, toutefois, le transporteur désirant effectuer ses propres services doit obtenir l'agrément y afférent.

Là où existe un problème d'échelle des opérations aéroportuaires, trop petite pour que des fournisseurs puissent se faire concurrence, l'Etat veille à ce que les prix soient basés sur les coûts et qu'un traitement juste et équitable soit accordé à tous les transporteurs aériens désignés.

 

And. 5 - Eo amin'ny lafiny fanotronana amin'asa an-tanety dia malalaka ny fahazoan'ny mpitatitra isanisany afaka misafidy malalaka amin' ireo mpiatrik'asa mifaninana notoavina (orinasa voafehin'ny lalàna malagasy) na koa manao izany fikarakarana izany mivantana, indrindra raha toa ka tsy afaka manatanteraka ny asa tadiaviny ireo orinasa notoavina hatoniny. Amin'ity farany anefa, ny mpitatitra izay manao ny fikarakarana an-tseranana mivantana dia tsy maintsy mahazo ny fankatoavana mifandraika amin'izany.

Amin'ny toerana isian'olana amin'ny karazan'ny lahasa an-tseranam-piaramanidina, kely loatra ka tsy mahamety ny fifaninanana eo amin'ireo mpiatrik'asa dia handray fepetra ny Fanjakana mba hampifanentana ny vidiny amin'ny sarany sy ny tsy mba hisian'ny tombo sy ala eo amin'ireo mpitatitra an'habakabaka voatendry.

 

Art. 6 - L'application des principes directeurs énoncés aux articles 2, 3, 4 et 5 ci-dessus fera l'objet de textes réglementaires conformes aux dispositions prévues dans le Code malgache de l'aviation civile qui demeurent en tout point en vigueur.

 

 

Art. 7 - Toutes dispositions antérieures et contraires à la présente loi sont et demeurent abrogées.

 

And. 6 - Ny fampiharana ny foto-kevitra iompanana fanatanterahana an'ireo lohahevitra fototra soritan'ny andininy faha-2, faha-3, faha-4 ary faha-5 eo ambony dia ho voakasiky ny rijan-tenin'ny didy amam-pitsipika mifanaraka amin'izay voalazan'ny Fehezandalàna momba ny fifamoivoizana an'habakabaka sivily malagasy izay mitoetra manontolo ho manan-kery.

 

And. 7 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra teo aloha mifanohitra amin'ity lalàna ity.

 

Art. 8 - La présente loi sera publiée au Journal officiel de la République.

Elle sera exécutée comme loi de l'Etat.

 

Promulguée à Antananarivo, le 12 septembre 1997.

Didier RATSIRAKA.

 

And. 8 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Rapoblika izao lalàna izao.

Ho tanterahina izany fa lalàm-panjakana.

 

Avoaka hanan-kery, Antananarivo ny 12 septambra 1997.

Didier RATSIKAKA.

 

 

 

 

 

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement