//-->

Ordonnance 04

Ordonnance n° 2001-005

Ordonnance n° 2001-005 du 18 novembre 2001

portant loi organique relative au Conseil Supérieur de la Magistrature

(J.O. n° 2747 E.S. du 19.11.2001, p. 3090)

 

Hitsivolana n° 2001-005 tamin’ny 18 novambra 2001

anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara

(idem)

 

Article premier - Conformément aux dispositions de l’article 98 de la Constitution, le Président de la République est le garant de l’indépendance de la Justice. A cet effet, il est assisté par le Conseil Supérieur de la Magistrature dont il est le président.

L’organisation, le fonctionnement et les attributions du Conseil Supérieur de la Magistrature sont fixés par la présente ordonnance.

 

Andininy voalohany - Araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-98 ao amin'ny Lalàmpanorenana, ny Filohan'ny Repoblika no miantoka ny fahaleovantenan'ny Fitsarana. Amin'izany dia manampy azy ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara izay izy no filohany.

 

Ferana amin'ny alàlan' izao hitsivolana izao ny fandaminana sy ny fomba fiasa ary ny anjara raharahan'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

 

TITRE PREMIER

COMPOSITION ET FONCTIONNEMENT

 

Art. 2 - Le Conseil Supérieur de la Magistrature est composé ainsi qu‘il suit :  

1° le Président de la République, Président ;

2° le Ministre de la Justice, Vice-président ;

3° le Premier Président et le Procureur Général de la Cour Suprême ;

4° le Premier Président et le Procureur Général de chaque Cour d’appel ;

5° le Secrétaire général du Ministère de la Justice ;

 

6° le Directeur général chargé des affaires judiciaires, de l’administration pénitentiaire et du contrôle du fonctionnement des juridictions ;

7° le Directeur chargé des affaires judiciaires ;

8° le Directeur chargé des ressources humaines ;

9° le Directeur chargé du contrôle du fonctionnement des juridictions ;

10° trois magistrats de la Cour Suprême appartenant respectivement à la Cour de Cassation, au Conseil d’Etat, et à la Cour des Comptes élus en Assemblée générale de la Cour ;

11° un magistrat de chaque Cour d’appel élu en Assemblée générale ;

12° un magistrat de l’Administration centrale élu par les magistrats en service à la Chancellerie ;

13° un magistrat représentant les tribunaux de première instance du ressort de chaque Cour d’appel élu par les magistrats des dites juridictions ;

14° deux magistrats désignés par le Garde des Sceaux, Ministre de la Justice.

 

LOHATENY VOALOHANY

NY HO ANISANY SY FOMBA FIASA

 

And. 2 - Ny ho anisan'ny ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia toy izao manaraka izao :

1° Ny Filohan'ny Repoblika, Filoha ;

2° Ny Minisitry ny Fitsarana, filoha-lefitra ;

3° Ny Filoha voalohany sy ny Tonia Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana tampony ;

4° Ny Filoha voalohany sy ny Tonia Mpampanoa isaky ny Fitsarana ambony ;

5° Ny Sekretera jeneralin'ny minisiteran'ny Fitsarana;

 

6° Ny Tale jeneraly miandraikitra ny raharaham-pitsarana, ny fitondran-draharahan'ny fonja ary ny fanaraha-maso ny fampandehanana ireo Fitsarana ;

7° Ny tale miandraikitra ny raharaham-pitsarana ;  

8° Ny tale miandraikitra ny fiandraiketana ny mpiasa;  

9° Ny tale miandraikitra ny fanaraha-maso ny fampandehanana ireo Fitsarana ;

10° Mpitsara telo ao amin'ny Fitsarana tampony avy ao amin'ny Fitsarana fandravana, avy amin'ny Filankevi-panjakana sy avy amin'ny Fitsarana momba ny kaonty isanisany avy ka voafidy teo amin'ny fivoriamben'ny Fitsarana ;

11° Mpitsara iray isaky ny Fitsarana ambony voafidy teo amin'ny Fivoriambe ;

12° Mpitsara iray ao amin'ny fitondran-draharaha foibe nofidin'ireo mpitsara miasa ao amin'ny fikarakarana ny fanomezana ny Mari-boninahitra ;

13° Mpitsara iray solontenan'ireo Fitsarana ambaratonga voalohany ao amin'ny fari-piadidian'ny Fitsarana ambony tsirairay avy nofidin'ireo mpitsara any amin'ireny fitsarana ireny ;

 

14° Mpitsara roa tendren'ny Mpitahiry ny Kasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana.

 

Art. 3 - Les membres du Conseil élus et désignés le sont pour deux ans. Leur mandat est renouvelable. Lorsqu’une vacance se produit avant la date normale d’expiration des mandats ou lorsque l’un des magistrats cesse d’appartenir à la catégorie de juridiction au titre de laquelle il exerce son mandat, il est procédé à son remplacement dans un délai de trois mois, dans les mêmes formes que celles prévues pour la désignation. Le remplaçant achève le mandat de son prédécesseur. 

Toutefois, il ne sera pourvu au remplacement si la vacance intervient dans les trois derniers mois précédant la date d’expiration du mandat.

 

And. 3 - Ireo mpikambana ao amin'ny Fi1ankevitra dia voafidy sy voatendry hiasa mandritra ny roa taona. Ny fe-potoana iasan'izy ireo dia azo havaozina. Raha toa ka mitranga ny fahabangan-toerana alohan'ny vaninandro ara-dalàna ahataperan'ny fe-potoana iasana na raha toa ny iray amin'ireo mpitsara ka mitsahatra tsy ho ao amin'ny sokajin'ny fitsarana izay hanatanterahany ny fe-potoana iasany, dia atao ny fanoloana azy ao anatin'ny fe-potoana telo volana, ampitoviana amin'ny fomba izay voatondro ho amin'ny fanendrena. Ny mpisolo toerana no mametra ny fe-potoana iasan'ny olona teo alohany.

 

Na izany aza anefa, dia tsy hatao ny fanoloana raha toa mitranga ao anatin'ny telo volana farany alohan'ny vaninandro ahataperan'ny fe-potoana iasana ny fahabangan-toerana.

 

Art. 4 - Les modalités d’application des articles 2 et 3 sont déterminées par arrêté du Ministre de la Justice.

 

Art. 5 - Les fonctions de membre du Conseil Supérieur de la Magistrature sont gratuites. Toutefois, il leur est alloué une indemnité journalière pour couvrir les frais d’hébergement pendant la session et dont le montant sera fixé par décret en Conseil de Gouvernement.

 

And. 4 - Ny fombafomba fampiharana ny andininy faha-2 sy faha-3 dia faritana amin'ny alàlan'ny didim-pitondrana ataon'ny Minisitry ny Fitsarana. 

 

And. 5 - Maimaimpoana ny fanaovana ny asan'ny mpikambana ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara. Na izany aza anefa dia omena tamby isan'andro izy ireo mba hiantohana ny saran'ny fampiantranoana mandritra ny fotoam-pivoriana ka ny tetiny dia hoferana amin'ny alàlan'ny didim- panjakana atao eo amin'ny filankevitry ny Govememanta.

 

Art. 6 - Le Conseil se réunit au moins une fois par an sur convocation de son Président ou, le cas échéant, du Ministre de la Justice, Vice-président.

L’ordre du jour de séance est arrêté par le Président ou, le cas échéant, par le Vice-président ; une copie est annexée à la convocation adressée à chaque membre du Conseil.

Le Conseil Supérieur de la Magistrature ne peut valablement siéger que si la moitié de ses membres sont présents.

Si ce quorum n’est pas atteint, une deuxième réunion est tenue 24 heures après. Le Conseil peut valablement siéger quel que soit le nombre des membres présents.

Le Conseil Supérieur de la Magistrature peut, en début de séance, inscrire d’autres questions à son ordre du jour.

 

And. 6 - Ny Filankevitra dia mivory indray mandeha isan-taona raha kely indrindra araka ny fiantsoana ataon'ny filohany na, raha ilaina, ataon'ny Minisitry ny Fitsarana, filoha lefitra.

Ny fandaharam-potoanan'ny fivoriana dia faritan'ny filoha na, raha ilaina, ny filoha lefitra; ny kopia iray dia atovana amin'ny fiantsoana alefa amin'ny mpikambana tsirairay ao amin'ny Filankevitra.

 

Tsy afaka mivory ara-dalàna ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara raha tsy tonga manatrika eo ny antsasaky ny mpikambana ao aminy.

Raha tsy tratra io isa io, dia hisy fivoriana faharoa atao 24 ora aoriana. Ny Filankevitra dia afaka mivory ara-dalàna na firy na firy ny isan'ny mpikambana tonga manatrika eo.

Ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia afaka, eo am-panombohan'ny fotoam-pivoriana, manoratra raharaha hafa ao anatin'ny fandaharam-potoanany.

Art. 7 - Le Conseil délibère à la majorité des membres présents. En cas de partage égal des voix, celle du président de séance est prépondérante.

 

 

Art. 8 - Le secrétariat du Conseil est assuré par un magistrat de l’Administration centrale désigné par le Ministre de la Justice.

Le procès-verbal de chaque séance, approuvé par tous les membres présents, est signé par le président de séance et le secrétaire ; ce dernier est chargé de le conserver.

 

And. 7 - Ny Filankevitra dia manapa-kevitra amin'ny ankamaroan'ny mpikambana tonga manatrika ny fivoriana. Raha mitovy ny isam-bato dia izay iandanian'ny filoha mitarika ny fivoriana no mavesa-danja.

 

And. 8 - Ny sekretarian'ny Filankevitra dia iantohan'ny mpitsara iray ao amin'ny fitondran-draharaha foibe tendren'ny Minisitry ny Fitsarana.

Ny fitanana an-tsoratra ny fivoriana tsirairay, nankatoavin'ny mpikambana rehetra tonga manatrika ny fivoriana, dia soniavin'ny filoha mitarika ny fivoriana sy ny mpitan-tsoratra ; ity farany ity no miandraikitra ny fitahirizana izany.

 

Art. 9 - Les membres du Conseil Supérieur de la Magistrature sont tenus au secret professionnel.

 

Art. 10 - Le Conseil établit son règlement intérieur.

 

And. 9 - Ireo mpikambana ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara dia tsy maintsy fehezin'ny tsiambaratelon'ny asa aman-draharaha.

 

And. 10 - Ny Filankevitra no manao ny fitsipika anatiny ao aminy.

 

TITRE II

ATTRIBUTIONS

 

Art. 11 - Le Conseil statue sur les demandes d’intégration directe dans le corps de la magistrature ainsi que sur la titularisation des magistrats stagiaires et ceux soumis à une période probatoire.

 

LOHATENY II

ANJARA RAHARAHA

 

And. 11 - Ny Filankevitra no manapaka ny amin'ireo fangatahana hiditra mivantana ao amin' ny firaisan-draharahan'ny mpitsara ary koa ny amin'ny fandraiketana amin'ny asa ireo mpitsara mizà-draharaha ary ireo izay apetraka hiatrika fe-potoana fisedrana.

 

Art. 12 - Le Conseil dresse le tableau d’avancement des magistrats dans les conditions prévues par les dispositions statutaires régissant la magistrature concernant la hiérarchie et l’avancement.

 

Art. 13 - Le Conseil statue sur les poursuites disciplinaires engagées à l’égard des magistrats conformément aux dispositions statutaires précitées.

 

And. 12 - Ny Filankevitra no manao ny tabilaom-pisondrotan'ireo mpitsara araka ny fombafomba voalazan'ny fepetra ao amin'ny sata mifehy ny mpitsara mikasika ny ambaratongam-pahefana sy ny fisondrotana.

 

And. 13 - Ny Filankevitra no manapaka mikasika ny fanenjehana noho ny fitsipi-pifehezana noraisina ho an'ireo mpitsara araka ny fepetra ao amin'ny sata voalaza etsy aloha.

 

Art. 14 - Le Conseil donne son avis sur les propositions d’affectation des magistrats du siège prévues par les dispositions statutaires régissant la magistrature.

 

Art. 15 - Le Conseil élit deux magistrats appelés à siéger au sein de la Haute Cour Constitutionnelle.

 

And. 14 - Ny Filankevitra no manome ny heviny mikasika ny tolokevitra amin'ny fampiandraiketan-draharaha ireo mpitsara mpamoaka didy voalazan'ny fepetra ao amin' ny sata mifehy ny mpitsara.

 

And. 15 - Ny Filankevitra dia mifidy mpitsara roa nantsoina hiasa eo anivon'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

 

Art. 16 - Le Conseil est consulté sur :  

- les noms des magistrats à proposer aux fonctions de Premier Président et Procureur Général de la Cour Suprême ;

- les noms à inscrire sur la liste de trois magistrats à proposer aux postes de chefs de Cour d’appel ;

- toute demande de révision de la situation administrative formulée par un magistrat.

 

And. 16 - Ny Filankevitra dia hakàna hevitra mikasika ny :

- ny anaran'ireo mpitsara hatolotra ho eo amin'ny asan'ny Filoha voalohany sy Tonia Mpampanoa ao amin'ny Fitsarana Tampony ;

 

- na anarana hosoratana ao amin'ny lisitra an'ireo mpitsara telo hatolotra eo amin'ny toeran'ny lehiben'ny Fitsarana Ambony ;

- izay rehetra fangatahana fanavaozana ny laharam-pitondrana nolazain'ny mpitsara iray.

 

Art. 17 - Le Conseil est consulté sur les recours en grâce concernant l’exécution de la peine capitale.

 

Art. 18 - Les projets de modification du Statut des magistrats ainsi que les questions concernant l’administration de la Justice peuvent être soumis au Conseil Supérieur de la Magistrature qui peut formuler les propositions ou recommandations qu’il estime utiles.

 

And. 17 - Ny Filankevitra dia akan-kevitra ny momba ny fangataham-pamotsoran-keloka mikasika ny fanatanterahana ny sazy nahafaty .

 

And. 18 - Ireo volavolam-panovàna ny sata mifehy ny mpitsara ary koa ny raharaha mikasika ny fitondran-draharahan'ny Fitsarana dia azo aroso eo amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara izay afaka manome tolokevitra na fameperana izay heveriny fa ilaina.

 

Art. 19 - Les dispositions des articles 26 à 32 de l’ordonnance n° 79-025 du 15 octobre 1979 relative au Statut de la magistrature, telles que modifiées par la loi n° 97-037 du 30 octobre 1997 sont et demeurent abrogées.

 

And. 19 - Foanana ary dia foana ireo fepetra voalazan'ny andininy faha-26 ka hatramin'ny faha-32 ao amin'ny hitsivolana laharana faha 79-025 tamin'ny 15 oktobra 1979 mikasika ny sata mifehy ny mpitsara, araka izay nanovana azy tamin'ny lalàna laharana faha 97-037 tamin'ny 30 oktobra 1997.

 

Art. 20 - En raison de l’urgence et conformément aux dispositions de l’article 4 de l’ordonnance n° 62-041 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions générales de droit interne et de droit international privé, la présente ordonnance portant loi organique entre immédiatement en vigueur dès qu’elle aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou par affichage, indépendamment de son insertion au Journal officiel.

 

And. 20 - Noho ny hamehana sy araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-4 ao amin'ny hitsivolana laharana faha 62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapoben'ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran'ny isam-batan'olona, ity hitsivolana anaovana ny lalàna fehizoro ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao hampahafantarina amin'ny alàlan'ny fampielezam-peo sy ny televiziona na amin'ny alàlan'ny peta-drindrjna ankoatra ny famoahana azy ao amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika.

 

Art. 21 - La présente ordonnance sera publiée au Journal officiel de la République et sera exécutée comme loi organique de l’Etat.

 

And. 21 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakana izao hitsivolana izao ary hotanterahina izany fa lalàna fehizoro eto amin'ny Fanjakana.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement