//-->

Ordonnance 05

Ordonnance n° 2001-004 du 18 novembre 2001

Ordonnance n° 2001-004

du 18 novembre 2001

portant loi organique relative à la Cour Suprême et aux Cours la composant

(J.O. n° 2747 E.S. du 19.11.2001, p. 3085)

 

Hitsivolana n° 2001-004

tamin’ny 18 novambra 2001

anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Tampony sy ny Fitsarana ao anatiny

(idem)

 

Le Président de la République,

Vu la Constitution ;

Le Conseil des Ministres entendu en sa réunion à la date du 6 novembre 2001 ;

Et après la déclaration de conformité à la Constitution par la Haute Cour Constitutionnelle suivant sa décision n° 18-HCC/D3 en date du 14 novembre 2001 ;

Ordonne :

 

Ny Filohan'ny Repoblika,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Rahefa nohenoina ny filankevitry ny Minisitra tamin'ny fivoriana nataony ny 6 novambra 2001,

Ary taorian'ny fanambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa mifanaraka amin'ny Lalàmpanorcnana izany araka ny fanapahana laharana faha 18-HCC/D3 tamin'ny 14 novambra 2001,

Dia mamoaka izao hitsivolana izao :

 

TITRE PREMIER
DE LA COUR SUPREME

 

CHAPITRE PREMIER

Dispositions générales

 

Article premier - La Cour Suprême, chargée de veiller au fonctionnement régulier des juridictions de l’ordre judiciaire, administratif et financier, siège à Antananarivo.

 

 

 

Son ressort s’étend sur toute l’étendue du territoire de la République.

 

LOHATENY VOALOHANY

NY AMIN'NY FITSARANA TAMPONY

 

TOKO VOALOHANY

Fepetra ankapobe

 

Andininy voalohany - Ny Fitsarana tampony, miandraikitra ny fanaraha-maso ny fampandehanana ara-dalàna ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka, ny misahana ady amin'ny Fanjakana ary ny misahana ny fanaraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana, dia manana ny foiben-toerany ao Antananarivo.

Ny fari-piadidiany dia mahasahana manontolo ny tanin'ny Repoblika.

 

Art. 2 - Le Premier Président et le Procureur Général de la Cour Suprême sont les Chefs de cette haute juridiction.

A ce titre, le Premier Président et le Procureur Général, chacun en ce qui le concerne, dirigent, coordonnent et contrôlent les activités des trois Cours composant la Cour Suprême et veillent à leur fonctionnement régulier ; ils ont, dans les mêmes conditions, autorité sur les magistrats et l’ensemble du personnel d’exécution en fonction auprès desdites Cours.

 

Art. 3 - Le Premier Président peut présider la Cour Suprême ou une des chambres des Cours quand il l’estime nécessaire.

 

And. 2 - Ny Filoha voalohany sy ny Tonia mpampanoa ao amin'ny Fitsarana tampony no Iehiben'izany ambaratongam-pitsarana ambony izany.

Amin'izany, ny Filoha voalohany sy ny Tonia mpampanoa, araka ny tandrify azy avy, no mitarika sy mandrindra ary manara-maso ny asan'ny Fitsarana telo ao anatin'ny Fitsarana tampony ary koa miahy ny fampandehanana izany ara-dalàna ; izy ireo, araka ireo fepetra ireo ihany, dia manam-pahefana amin'ny mpitsara sy ny ankapoben'ny mpandraharaha mpanatanteraka miasa any amin'ireny Fitsarana ireny.

 

And. 3 - Rahefa hitany fa ilaina izany dia afaka mitarika ny Fitsarana tampony na ny iray amin'ireo Rantsana ao amin'ny Fitsarana ny Filoha voalohany.

 

CHAPITRE II

Organisation et fonctionnement

 

Art. 4 - La Cour Suprême comprend :

- une Assemblée générale ;

- une Conférence des Chefs de Cour ;

- des services techniques.

 

TOKO Il

Fandaminana sy fomba fiasa

 

And. 4 - Ny Fitsarana tampony dia ahitana indrindra

- Fivoriambe ;

- Fikaonan-doha ataon'ny lehiben'ny Fitsarana ;

- sampan-draharaha teknika.

 

SECTION 1

L’ASSEMBLEE GENERALE

 

Art. 5 - La Cour Suprême se réunit en Assemblée générale sur convocation de ses Chefs de Cour au moins une fois par trimestre.

 

L’Assemblée générale est formée par l’ensemble des magistrats du siège et du parquet en fonction auprès des trois Cours composant la Cour Suprême.

Elle est présidée conjointement par les Chefs de Cour. En cas d’absence de ces derniers, elle est présidée par le plus ancien dans le grade le plus élevé des magistrats présents.

 

SOKAJY 1

NY FIVORIAMBE

 

And. 5 - Ny Fitsarana tampony dia manao Fivoriambe araka ny fiantsoana ataon'ireo lehiben'ny Fitsarana farafaharatsiny ahay indray mandeha isaky ny telo volana.

Ny Fivoriambe dia ahitana ny ankapoben'ny mpitsara ao amin'ny foibe sy ny fampanoavana miasa ao amin'ny Fitsarana telo mamorona ny Fitsarana tampony.

Hiarahan'ny lehiben'ny Fitsarana mitarika izany. Raha misy tsy maha-eo azy ireo, dia tarihin'izay ela nihetezana eo amin'ny laharana ambony indrindra amin'ny mpitsara tonga manatrika eo.

 

Art. 6 - L’Assemblée générale examine toutes les questions intéressant l’organisation et le bon fonctionnement de la Justice en général, des cours et tribunaux en particulier.

 

Elle élit les magistrats de la Cour Suprême devant siéger au Conseil Supérieur de la Magistrature.

Elle approuve le règlement intérieur de la Cour Suprême.

 

And. 6 - Ny Fivoriambe no mandinika ny raharaha rehetra mikasika ny fandaminana sy ny fampandehanana tsara ny Fitsarana amin'ny ankapoben'ny Fitsarana ary ny tribonaly manokana indrindra.

Izy no mifidy ny mpitsara ao amin'ny Fitsarana tampony izay hanan-toerana ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

Izy no mandany ny fitsipika anatiny ao amin'ny Fitsarana tampony.

 

SECTION 2

LA CONFERENCE DES CHEFS DE COUR

 

Art. 7 - La Conférence des Chefs de Cour est constituée par

- le Premier Président et le Procureur Général de la Cour Suprême ;

- les trois Vice-présidents chargés respectivement de la présidence de la Cour de Cassation, du Conseil d’Etat et de la Cour des Comptes ;

- le Procureur Général de la Cour de Cassation et les Commissaires Généraux de la Loi et du Trésor public.

Elle se réunit au moins une fois par mois sous la présidence conjointe des Chefs de la Cour Suprême.

Le secrétariat de la conférence est assuré par le Greffier en Chef de la Cour de Cassation.

 

La conférence des Chefs de Cour règle par délibération les matières dans lesquelles compétence lui est donnée par les lois et règlements. Elle élabore le règlement intérieur de la Cour Suprême.

 

SOKAJY 2

NY FIKAONAN-DOHAN'NY LEHIBEN'NY FITSARANA

 

And. 7 - Ny fikaonan-dohan'ny lehiben'ny Fitsarana dia ahitana :

- ny Filoha voalohany sy ny Tonia mpampanoa ao amin'ny Fitsarana tampony ;

- ny Filoha lefitra anankitelo miandraikitra avy ny Fitsarana fandravana, ny Filankevi-panjakana ary ny Fitsarana momba ny kaonty ;

 

- ny Tonia mpampanoa ao amin'ny Fitsarana fandravana sy ireo Kaomisera jeneraly momba ny lalàna sy ny fitehirizam-bolam-panjakana.

Izany dia mivory farafaharatsiny ahay indray mandeha isam-bolana eo ambanin'ny fitarihana iombonan'ny Filoha ao amin'ny Fitsarana tampony.

Ny sekretarian'ny fikaonan-doha dia sahanin'ny lehiben'ny firaketan-draharahan'ny Fitsarana fandravana.

Ny fikaonan-dohan'ny lehiben'ny Fitsarana no mandamina amin'ny alalan'ny fifampierana ny raharaha ao anatin'ny tandrifim-pahefana omen'ny didy aman-dalàna azy. Izy no mamolavola ny fitsipika anatin'ny Fitsarana tampony.

 

SECTION 3

LES SERVICES TECHNIQUES

 

Art. 8 - Les services techniques comprennent notamment le service de documentation et d’études et le service d’inspection de la Cour Suprême.

 

SOKAJY 3

NY SAMPAN-DRAHARAHA TEKNIKA

 

And. 8 - Ny sampan-draharaha teknika dia ahitana indrindra ny sampan-draharaha momba ny fitrandrahana tahirin-kevitra sy fandinihana ary ny sampan-draharaha momba ny fisafoan-draharaha ao amin'ny Fitsarana tampony.

 

Art. 9 - Le service de la documentation et d’études rassemble les éléments d’information utiles aux travaux de la Cour de cassation, du Conseil d’Etat et de la Cour des Comptes. Il assure le classement méthodique des pourvois.

 

Il procède à l’application des moyens informatiques aux affaires en cours et aux décisions rendues par la Cour de cassation, le Conseil d’Etat, la Cour des Comptes ainsi qu’aux décisions les plus importantes rendues par les cours d’appel et les tribunaux.

 

And. 9 - Ny sampan-draharaha momba ny fitrandrahana tahirin-kevitra sy ny fandinihana no manangona ny zava-baovao ilaina amin'ny asan'ny Fitsarana fandravana sy ny Filankevi-panjakana ary ny Fitsarana momba ny kaonty. Izy no misahana ny fanasokajiana mirindra ny fampakaran-draharaha.

Izy no misahana ny fampisahana ny fitaovana informatika amin'ny raharaha eo an-dalam-pitsarana sy amin'ny fanapahana navoakan'ny Fitsarana fandravana ny Filankevi-panjakana sy ny Fitsarana momba ny kaonty ary koa amin'ny fanapahana mafonja indrindra navoakan'ny Fitsarana ambony sy ny tribonaly.

 

Art. 10 - Le Service d’Inspection est chargé du contrôle de l’activité des magistrats du siège et du parquet de la Cour Suprême, des Cours d’appel ainsi que des juridictions d’instance, sans préjudice de l’action de l’Inspection Générale de la Justice ou d’autres organes prévus par des textes particuliers.

 

Le contrôle a pour but de vérifier l’observation et le respect des textes qui régissent le fonctionnement des cours et tribunaux ainsi que les règles de procédure et de fond applicables.

 

Dans l’intérêt d’une correcte application de la loi, les Chefs de la Cour Suprême peuvent adresser aux magistrats relevant de leur contrôle toutes observations ou recommandations qu’ils estiment utiles.

Toutefois, ni le contrôle, ni les observations ou recommandations ne doivent porter atteinte à l’indépendance du juge.

 

And. 10 - Ny sampan-draharahan'ny fisafoan-draharaha no miandraikitra ny fanaraha-maso ny asan'ny mpitsara ao amin'ny foibe sy ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana tampony, ny Fitsarana ambony ary koa ny ambaratongam-pitsarana, ka tsy tohinina amin'izany ny asa ataon'ny fisafoan-draharaha ankapobe momba ny Fitsarana na rantsa-mangaika hafa voalazan'ny rijanteny manokana.

Ny fanaraha-maso dia natao hanamarinana ny fanatanterahana sy ny fanajana ny rijan-teny mifehy ny fomba fiasan'ny Fitsarana sy tribonaly ary koa ny fitsipika momba ny paika arahina sy ny amin'ny votoatin-draharaha azo ampiharina.

Mba hitandroana ny fampiharana marina ny lalàna, ireo lehiben'ny Fitsarana tampony dia afaka mandefa amin'ireo mpitsara miankina amin'ny fanaraha-maso ataony ny fanamarihana na fameperana rehetra heveriny fa ilaina.

Na izany aza anefa, na ny fanaraha-maso, na ny fanamarihana na fameperana dia tsy tokony hanohintohina ny fahaleovantenan'ny mpitsara.

 

Art. 11 - Le contrôle entrepris par le Service d’Inspection est exercé sous forme de mission effectuée sur pièce ou sur place soit dans le cadre d’un programme général établi par la Conférence des Chefs de Cour soit à la demande du Ministre chargé de la Justice ou des Chefs de Cour à la suite de faits portés à leur connaissance.

Tout magistrat en mission de contrôle peut prendre communication de tout dossier ou document, recueillir toute information utile à l’accomplissement de sa mission, sans que le secret professionnel puisse lui être opposé par l’autorité ou la personne qui la détient.

 

And. 11 - Ny fanaraha-maso ataon'ny sampan-draharaha momba ny fisafoan-draharaha dia atao miendrika asa atao amin'ny singan-taratasy na eny an-toerana na izany ao anatin'ny fandaharan'asa ankapobe nofaritan'ny fikaonan-dohan'ny lehiben'ny Fitsarana na izany araka ny fangatahan'ny Minisitra miandraikitra ny Fitsarana na ireo lehiben'ny Fitsarana noho ny fisehoan-javatra nampahafantarina azy ireo.

Izay rehetra mpitsara manao ny fanaraha-maso dia afaka mikirakira ny antontàn-taratasy na firaketana rehetra, manangona izay rehetra zava-baovao ilaina amin'ny fanatontosana ny asany, ka tsy ho azon'ny manampahefana na ny olona mitana izany enti-misakana azy amin'izany ny tsiambaratelon’ny asa.

 

TITRE II

DES TROIS COURS COMPOSANT LA COUR SUPREME

 

Art. 12 - La Cour Suprême est composée :

- de la Cour de Cassation ;

- du Conseil d’Etat ;

- de la Cour des Comptes.

 

LOHATENY II

NY AMIN'IREO FITSARANA TELO AO ANATIN'NY

FITSARAINA TAMPONY

 

And. 12 - Ny Fitsarana tampony dia ahitana :

- ny Fitsarana fandravana ;

- ny Filankevi-panjakana ;

- ny Fitsarana momba ny kaonty.

 

CHAPITRE PREMIER

La Cour de Cassation

 

SECTION 1

ORGANISATION ET FONCTIONNEMENT

 

TOKO VOALOHANY

Ny Fitsarana fandravana

 

SOKAJY 1

Fandaminana sy fomba fiasa

 

Art. 13 - La Cour de Cassation est présidée par un Vice-président de la Cour Suprême, choisi parmi les magistrats les plus anciens dans le grade le plus élevé de l’ordre judiciaire en poste à la Cour Suprême.

 

 

Art. 14 - La Cour de Cassation est composée de Chambres civiles et criminelles dont le nombre est fixé par le règlement intérieur de la Cour Suprême.

 

And. 13 - Ny Fitsarana fandravana dia tarihin'ny Filoha lefitra iray ao amin'ny Fitsarana tampony, notsongaina tamin'ireo mpitsara efa ela nihetezana teo amin'ny laharana ambony indrindra eo amin'ny sehatry ny raharaham-pitsarana miasa ao amin'ny Fitsarana tampony.

 

And. 14 - Ny Fitsarana fandravana dia ahitana ny Rantsana sivily sy momba ny ady heloka ka ny isany dia feran'ny fitsipika anatin'ny Fitsarana tampony.

 

Art. 15 - Chacune des Chambres comprend :

- un président de Chambre ;

- des conseillers ;

- un greffier de Chambre.

 

And. 15 - Ny Rantsana tsirairay avy dia ahitana :

- Filohan'ny Rantsana iray ;

- mpanolotsaina ;

- mpiraki-draharahan'ny Rantsana iray.

 

Art. 16 - Les magistrats du siège de la Cour de Cassation sont affectés aux différentes Chambres par le Premier Président de la Cour Suprême sur proposition du Vice-président concerné et avis conforme du Procureur Général de la Cour Suprême.

 

 

Art. 17 - Les attributions de chaque Chambre sont déterminées par ordonnance du Président de la Cour de Cassation après avis du Procureur Général de ladite Cour.

 

 

And. 16 - Ny mpitsara mpamoaka didy ao amin'ny Fitsarana fandravana dia ampiandraiketin'ny Filoha voalohany ao amin'ny Fitsarana tampony raharaha any amin'ny Rantsana samihafa araka ny tolo-kevitra avy amin'ny Filoha lefitra voakasika sy ny filazana fanekena avy amin'ny Tonia mpampanoa ao amin'ny Fitsarana tampony.

 

And. 17 - Ny andraikitry ny Rantsana tsirairay avy dia faritan'ny didim-pitsarana avoakan'ny Filohan'ny Fitsarana fandravana rahefa nanome ny heviny ny Tonia mpampanoa ao amin'io Fitsarana io.

 

Art. 18 - Chaque chambre statue avec la participation de cinq magistrats.

 

 

Art. 19 - La Cour de Cassation, toutes chambres réunies, est présidée par son Président.

Elle comprend tous les présidents de Chambre et au moins deux conseillers de chaque Chambre.

 

And. 18 - Ny Rantsana tsirairay avy dia manapa-kevitra miaraka amin'ny fandraisan'anjaran'ny mpitsara dimy.

 

And. 19 - Ny Fitsarana fandravana, ka ao anatiny ny Rantsana rehetra, dia tarihin'ny Filohany.

 

Hita ao anatin'izany ireo Filohan'ny Rantsana rehetra sy mpanolotsaina roa ahay avy amin'ny Rantsana tsirairay avy

Art. 20 - Le Parquet général de la Cour de Cassation est composé :

- du Procureur Général de la Cour de Cassation, Chef du parquet ;

- des avocats généraux ;

- des substituts généraux.

 

And. 20 - Ny fampanoavana ao amin'ny fitsarana fandravana dia ahitana :

- ny Tonia mpampanoa ao amin'ny Fitsarana fandravana, lehiben'ny fampanoavana ;

- ireo avocats généraux ;

- ireo solom-pampanoa jeneraly.

 

Art. 21 - Le chef du Parquet général de la Cour de Cassation seconde le Procureur Général de la Cour Suprême. Il dirige et coordonne les activités des avocats généraux et des substituts généraux de son parquet général qu’il répartit dans les différentes chambres de la Cour de Cassation.

Il représente en personne ou par ses avocats généraux ou substituts généraux le ministère public de la Cour de Cassation.

 

And. 21 - Ny lehiben'ny fampanoavana ao amin'ny Fitsarana fandravana no manampy ny Tonia mpampanoa ao amin'ny fitsarana tampony. Izy no mitarika sy mandrindra ny asan'ny avocats généraux sy ny solom-pampanoa jeneraly izay tsinjarainy amin'ireo Rantsana samihafa ao amin'ny Fitsarana fandravana.

 

Izy tenany no misolontena na ny avocats généraux na ny solom-pampanoa jeneraly ny mpitsara mpampanoa lalàna ao amin' ny fitsarana fandravana.

 

SECTION 2

ATTRIBUTIONS

 

Art. 22 - La Cour de Cassation statue sur les pourvois formés en toutes matières contre les décisions définitives rendues en dernier ressort par les juridictions de l’ordre judiciaire à moins qu’il n’en soit autrement ordonné par une loi particulière.

 

Elle statue également sur :

- les demandes en révision ;

- les demandes de renvoi d’une juridiction à une autre pour cause de suspicion légitime ou de sûreté publique ;

- les règlements de juge entre juridictions n’ayant au-dessus d’elles aucune juridiction supérieure commune ;

- les demandes de prise à partie contre une cour d’appel ou une juridiction entière ainsi que contre un membre de la Cour Suprême ;

- les contrariétés de jugements ou arrêts en dernier ressort entre les mêmes parties et sur les mêmes moyens rendus par différentes juridictions de l’ordre judiciaire.

 

SOKAJY 2

ANDRAIKITRA

 

And. 22 - Ny Fitsarana fandravana no manapaka ny fampakaram-pitsarana mikasika ny raharaha rehetra atao amin'ny fanapahan-kevitra raikitra navoakan'ny Fitsarana ao amin'ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka izay tsy misy intsony fampakarana azo atao aminy raha tsy hoe efa voadidin'ny lalàna hafa manokana mihitsy izany.

Manapaka ihany koa izy mikasika :

- ny fangatahana famerenana fitsarana ;

- ny fangatahana fanemorana fitsarana ho amin'ny fitsarana hafa noho ny ahiahy marim-pototra na ny filaminam-bahoaka ;

- ny fandrindram-pitsarana eo amin'ny samy fitsarana ka tsy misy intsony na dia iray aza fitsarana amboniny iombonana ;

- ny fangatahana fiandaniana anoherana Fitsarana ambony iray na fitsarana iray manontolo ary koa mpikambana iray ao amin'ny Fitsarana tampony ;

- ny fifanoheran'ny didy na didim-pitsarana izay tsy misy intsony fampakarana azo atao aminy eo amin'ny samy mpiady sy eo amin'ny antony mitovy navoakan'ny fitsarana ao amin'ny antokom-pitsarana misahana ny ady madio sy ady heloka samihafa.

 

Art. 23 - Le pourvoi ne peut être formé que pour violation de la loi. La violation des coutumes est assimilée à la violation de la loi.

 

La violation de la loi comprend notamment :

 

- l’incompétence ;

- la fausse application ou la fausse interprétation ;

- l’excès de pouvoir ;

- l’inobservation des formes prescrites à peine de nullité ;

- la violation de l’autorité de la chose jugée.

 

And. 23 - Ny fangatahana fandravana dia tsy azo atao raha tsy misy ny fandikana ny lalàna. Ny fanitsakitsahana ny fomba amam-panao dia ampitoviana amin'ny fandikana ny lalàna.

Ny fandikana ny lalàna dia ahitana indrindra indrindra :

- ny fahefa-mitsara ;

- ny fampiharana tsy araka ny tokony ho izy na fandikana vilana ny hevitra ;

- ny fanaparam-pahefana ;

- ny tsy fanarahana ny fepetra voadidy fa raha tsy izany dia foana ;

- ny tsy fanekena ny fahefana amin-javatra notsaraina.

 

CHAPITRE II

Le Conseil d’Etat

 

SECTION 1

ORGANISATION ET FONCTIONNEMENT

 

TOKO II

Ny Filankevi-panjakana

 

SOKAJY 1

FANDAMINANA SY FOMBA FIASA

 

Art. 24 - Le Conseil d’Etat est composé :

- du Président du Conseil d’Etat;

- des Présidents de Chambre ;

- des Conseillers ;

- des auditeurs.

 

And. 24 - Ny anisan'ny Filankevi-panjakana :

- ny Filohan'ny Filankevi-panjakana ;

- ny filohan'ny Rantsana ;

- ny mpanolotsaina ;

- ny "auditeurs".

 

Art. 25 - Le Commissariat général du Conseil d’Etat comprend :

- le Commissaire général de la Loi, Chef du parquet ;

- les Commissaires de la Loi.

 

And. 25 - Ny Kaomisaria jeneralin'ny Filankevi-panjakana dia ahitana :

- ny Kaomisera jeneralin'ny lalàna, lehiben'ny fampanoavana ;

- ny kaomiseran'ny lalàna.

 

Art. 26 - Les membres délibérants du Conseil d’Etat sont :

- le Président du Conseil d’Etat ;

- les Présidents de Chambre ;

- les Conseillers.

En formation délibérante, le Conseil d’Etat statue avec la participation d’un Président de Chambre et de deux Conseillers.

En appel ou en cassation, il statue avec la participation d’un Président de Chambre et de quatre Conseillers.

Le cas échéant, le Conseil d’Etat peut statuer avec la participation d’auditeurs.

Le Président du Conseil d’Etat peut présider une Chambre lorsqu’il le juge nécessaire. Dans ce cas, le Président de la Chambre participe à la formation.

 

And. 26 - Ny mpikambana mpiara-midinika ao amin'ny Filankevi-panjakana dia :

- ny Filohan'ny Filankevi-panjakana ;

- ireo Filohan'ny Rantsana ;

- ireo mpanolotsaina.

Amin'ny fivoriana hanapahan-kevitra, ny Filankevi-panjakana dia hanapaka miaraka amin'ny Filohan'ny Rantsana iray sy mpanolotsaina roa.

Mikasika ny fangatahana fitsarana ambony na fandravana dia manapaka izy miaraka amin'ny Filohan'ny Rantsana iray sy mpanolotsaina efatra.

Raha misy, dia afaka manapaka miaraka amin'ny auditeurs ny Filankevi-panjakana.

Ny Filohan'ny Filankevi-panjakana dia afaka mitarika Rantsana iray raha heveriny fa ilaina izany. Amin'izany, ny Filohan'ny Rantsana dia mandray anjara amin'ny fivoriana.

 

Art. 27 - Les Chambres du Conseil d’Etat sont déterminées par le règlement intérieur de la Cour Suprême.

Le Président du Conseil d’Etat désigne par ordonnance les magistrats du siège qui doivent participer aux activités de chaque Chambre.

 

And. 27 - Ny Rantsana ao amin'ny Filankevi-panjakana dia faritan'ny fitsipika anatin'ny Fitsarana tampony.

Ny Filohan'ny Filankevi-panjakana no manendry amin' ny alàlan'ny hitsivolana ny mpitsara mpamoaka didy izay tsy maintsy mandray anjara amin'ny asan'ny Rantsana tsirairay.

 

SECTION 2

LES ATTRIBUTIONS

 

Art. 28 - Le Conseil d’Etat est juge de droit commun du contentieux administratif ; il juge les recours en annulation des actes des autorités administratives ; il statue sur les réclamations contentieuses en matière fiscale ; il connaît des recours de pleine juridiction pour les faits dommageables occasionnés par les activités de l’Administration ; il assure le contrôle de légalité et de conventionnalité des actes de portée générale des autorités des provinces autonomes.

 

 

 

 

Il statue en appel ou en cassation sur les décisions rendues par les juridictions administratives dans les Provinces autonomes.

 

Il est juge de certains contentieux électoraux.

 

Il exerce un contrôle technique sur les juridictions administratives.

 

SOKAJY 2

NY ANDRAIKITRA

 

And. 28 - Ny Filankevi-panjakana dia mitsara ny lalàna fampihatra andavanandro amin'ny fifanolanana amin'ny Fanjakana ; izy no mitsara ny fangatahana fanafoanana ny fanapahana noraisin'ny manam-pahefana ao amin'ny fitondrana ; izy no manapaka ny fitarainana momba ny fifanolanana mikasika ny hetra ; izy no manamarina ny fangatahana famerenan-jo noho ny fahavoazana vokatry ny asan'ny fitondran-draharaham-panjakana amin'ireo tarehin-javatra nitera-pahavoazana ; izy no miantoka ny fanaraha-maso ny maha-ara-dalàna sy ny fanajana ny fifanarahana misy amin'ny fanapahana miantefa amin'ny daholobe noraisin'ny rantsa-mangaika any amin'ny Faritany mizaka tena.

Izy no manapaka mikasika ny fangatahana fitsarana ambony na fandravana amin'ny didy navoakan'ireo antokom-pitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana any amin’ny Faritany mizaka tena.

Izy no mitsara ireo raharaha ifanolanana amin'ny fifidianana sasantsasany.

Izy no manao ny fanaraha-maso ara-teknika mikasika ireo antokom-pitsarana misahana ny ady amin'ny Fanjakana.

 

Art. 29 - Le Conseil d’Etat peut être consulté par le Premier Ministre et par les Gouverneurs des Provinces autonomes pour donner son avis sur des projets de texte législatif, réglementaire, conventionnel ou sur l’interprétation d’une disposition législative, réglementaire ou conventionnelle.

Il peut également procéder, à la demande du Premier Ministre, à des études sur des textes de loi et sur l’organisation, le fonctionnement ou les missions des services publics.

 

And. 29 - Ny Filankevi-panjakana dia azon'ny Praiminisitra sy ny Govemora amin'ny Faritany mizaka tena hakan-kevitra mba hanome ny heviny mikasika ny volavolan'ny rijan-tenin-dalàna sy ny didy amam-pitsipika ary ny fifanarahana na koa momba ny hevitra raiketin'ny lalàna sy ny didy amam-pitsipika na ny fifanarahana.

Araka ny fangatahan'ny Praiminisitra dia azony atao ihany koa ny mandinika rijan-tenin-dalàna mikasika ny lalàna sy ny fandàminana, ny fomba fiasa na ny andraikitry ny Sampan-draharaham-panjakana.

 

CHAPITRE III

La Cour des Comptes

 

SECTION 1

ORGANISATION ET FONCTIONNEMENT

 

TOKO III

Ny Fitsarana momba ny kaonty

 

SOKAJY 1

FANDAMINANA SY FOMBA FIASA

 

Art. 30 - La Cour des Comptes est composée:

 

- du Président de ladite Cour ;

- des Présidents de Chambre ;

- des Conseillers ;

- des auditeurs.

 

And. 30 - Ny anisan'ny ao amin'ny Fitsarana momba ny kaonty dia :

- ny filohan' izany Fitsarana izany ;

- ireo filohan'ny Rantsana ;

- ireo mpanolotsaina ;

- ireo "auditeurs".

 

Art. 31 - Le parquet de la Cour des Comptes comprend :

- le Commissaire Général du Trésor public, Chef du parquet ;

- les Commissaires du Trésor public.

 

And. 31 - Ny Fampanoavana ao amin’ny Fitsarana momba ny kaonty dia ahitana :

- ny kaomisera jeneraly momba ny fitehirizam-bolam-panjakana, lehiben'ny Fampanoavana ;

- ireo kaomisera momba ny fitehirizam-bolam-panjakana.

 

Art. 32 - En formation délibérante, la Cour des Comptes statue avec la participation d’un Président de Chambre et de deux Conseillers.

 

Le cas échéant, elle est complétée par des auditeurs.

En formation toutes Chambres réunies, elle statue avec la participation du Président de la Cour des Comptes, des Présidents de Chambre et des Conseillers. Des auditeurs peuvent participer à la formation sur décision du Président de la Cour des Comptes.

 

And. 32 - Eo amin'ny vondrona mpanapa-kevitra, ny Fitsarana momba ny kaonty dia manapaka miaraka amin'ny filohan'ny Rantsana iray sy ny mpanolotsaina roa.

Raha misy, dia ampian'ireo auditeurs izy.

 

Eo amin'ny vondron'ireo Rantsana rehetra mitambatra, dia manapaka izy miaraka amin'ny filohan'ny Fitsarana momba ny kaonty, ireo filohan'ny Rantsana ary ny mpanolotsaina, ireo auditeurs dia afaka mandray anjara amin'ny fivoriana araka ny fanapahan-kevitry ny filohan'ny Fitsarana momba ny kaonty.

 

Art. 33 - Les Chambres de la Cour des Comptes sont déterminées par le règlement intérieur de la Cour Suprême.

Les magistrats du siège sont répartis auprès de chaque Chambre par ordonnance du Président de la Cour des Comptes.

 

And. 33 - Ny Rantsana ao amin'ny Fitsarana momba ny kaonty dia faritan'ny fitsipika anatin'ny Fitsarana tampony.

Ny mpitsara mpamoaka didy dia tsinjaraina isaky ny Rantsana amin'ny alàlan'ny didim-pitsarana ataon'ny filohan'ny Fitsarana momba ny kaonty.

SECTION 2

LES ATTRIBUTIONS

 

Art. 34 - La Cour des Comptes juge en premier et dernier ressort les comptes des comptables :

- de l’Etat et des Budgets annexes ;

- des Provinces autonomes et des organes publics y rattachés ;

- des établissements publics nationaux.

A cet effet, elle vérifie la régularité des recettes et des dépenses décrites dans lesdits comptes.

 

SOKAJY 2

NY ANDRAIKITRA

 

And. 34 - Ny Fitsarana momba ny kaonty no mitsara am- boalohany ary tsy azo ilana fitsarana ambony intsony ny kaontin'ny mpitanan-kaontim-bolan'ny :

- Fanjakana sy ny tetibola anankina ;

- Faritany mizakatena sy ireo rantsan'asam-panjakana mifandray aminy ;

- antokon-draharaham-pirenena.

Amin'izany, dia manamarina ny maha-ara-dalàna ny vola miditra sy mivoaka voatanisa ao amin'izany kaonty izany izy.

 

Art. 35 - La Cour des Comptes contrôle l’exécution des lois de finances.

 

Elle peut également exercer un contrôle sur les organismes de droit privé bénéficiant du concours financier de l’Etat.

 

Elle statue en appel sur les décisions rendues par les juridictions financières dans les Provinces autonomes.

Elle exerce un contrôle technique auprès des tribunaux financiers.

 

And. 35 - Ny Fitsarana momba ny kaonty no manara-maso ny fanatanterahana ny lalàna itantanana ny volam-panjakana.

Izy ihany koa dia afaka manao fanaraha-maso ny antokon-draharaha fehezin'ny lalàna ifampitondrana isam-batan'olona misitraka ny fanampiana ara-bola amin'ny Fanjakana.

Izy no mitsara ny fampakarana fitsarana natao tamin'ireo fanapahana navoakan'ny fitsarana momba ny fitantanam-bola any amin'ny Faritany mizaka tena.

Manao fanaraha-maso ara-teknika any amin'ny fitsarana momba ny fitantanam-bola izy .

 

Art. 36 - La Cour des Comptes assiste les Assemblées parlementaires dans le contrôle de l’exécution des lois de finances. A cet effet, elle établit un rapport sur le projet de loi de règlement.

 

Elle peut aussi, à titre d’assistance au Gouvernement, effectuer des études d’ordre économique et financier ou donner son avis sur des projets de textes relevant du contrôle des finances publiques.

La Cour des Comptes peut également assister les conseils provinciaux dans le contrôle d’exécution des budgets des Provinces autonomes.

 

And. 36 - Ny Fitsarana momba ny kaonty dia manampy ny Antenimiera amin'ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny lalàna itantanana ny volam-panjakana. Amin'izany, dia manao ny tatitra mikasika ny lalàna fanamarinana ny fitantanana ny volam-panjakana izy.

Ho fanampiana ny Govememanta, dia afaka ihany koa izy manao fandinihana mikasika ny toekarena sy ny fitantanam-bola na manome ny heviny momba ny volavolan-drijan-teny mikasika ny faraha-maso ny fitantanam-bolam-panjakana.

Azon'ny fitsarana momba ny kaonty ihany koa manampy ny Filankevi-paritany eo amin'ny fanaraha-maso ny fanatanterahana ny tetibolan'ny Faritany mizaka tena.

 

TITRE III

DISPOSITIONS DIVERSES ET TRANSITOIRES

 

Art. 37 - La procédure à suivre devant la Cour de Cassation, le Conseil d’Etat et la Cour des Comptes fera l’objet d’une autre loi organique.

A titre transitoire, les règles de procédure actuellement en vigueur auprès de la Cour Suprême demeurent applicables en leurs dispositions qui ne sont pas contraires à celles de la présente loi organique.

 

LOHATENY III

FEPETRA SAMIHAFA SY TETEZAMITA

 

And. 37 - Ny paika arahina eo anatrehan'ny Fitsarana fandravana, ny Filankevi-panjakana ary ny Fitsarana momba ny kaonty dia hanaovana lalàna fehizoro hafa.

Ho fepetra tetezamita, ny fitsipika amin'ny paika arahina ankehitriny manan-kery ao amin'ny Fitsarana tampony dia mbola mihatra amin'ireo fepetra ao aminy izay tsy mifanohitra amin'izao lalàna fehizoro izao.

 

Art. 38 - Jusqu’à la mise en place de la Cour de Cassation, du Conseil d’Etat et de la Cour des Comptes, la Formation de contrôle, la Chambre Administrative et la Chambre des Comptes de la Cour Suprême continuent à exercer leurs attributions respectives conformément à la législation en vigueur.

Les magistrats en fonction dans ces formations et Chambres élisent en Assemblée générale de la Cour Suprême le représentant respectif des magistrats de la Cour de Cassation, du Conseil d’Etat et de la Cour des Comptes au Conseil Supérieur de la Magistrature.

 

And. 38 - Mandra-pametrahana amin'ny toerany ny Fitsarana fandravana, ny Filankevi-panjakana ary ny Fitsarana momba ny kaonty dia manohy manatanteraka ny andraikiny avy araka ny lalàna manan-kery, ny vondron'ny mpanara-maso, ny Rantsana misahana ny ady amin'ny Fanjakana sy ny Rantsana momba ny kaonty ao amin'ny Fitsarana tampony.

Ny mpitsara ao amin'ireny vondrona sy Rantsana ireny dia manendry amin'ny fivoriamben'ny Fitsarana tampony, ny solontenan'ny mpitsara avy ao amin'ny Fitsarana fandravana, ny Filankevi-panjakana ary ny Fitsarana momba ny kaonty ao amin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara.

 

Art. 39 - Toutes dispositions contraires à celles de la présente loi organique sont et demeurent abrogées.

 

Art. 40 - En raison de l’urgence et conformément aux dispositions de l’article 4 de l’ordonnance n° 62-041 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions générales de droit interne et de droit international privé, la présente ordonnance portant loi organique entre immédiatement en vigueur dès qu’elle aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou par affichage, indépendamment de son insertion au Journal officiel.

 

And. 39 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'izao lalàna fehizoro.

 

 

And. 40 - Noho ny hamehana sy araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-4 amin'ny hitsivolana laharana faha 62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapobe momba ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondrana isam-batan'olona, izao hitsivolana anaovana ny lalàna fehizoro izao dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao navoaka tamin'ny alàlan'ny fampielezam-peo sy ny televiziona na amin'ny alàlan'ny peta-drindrina, ankoatra ny famoahana azy amin'ny Gazetim-panjakana.

 

Art. 41 - La présente ordonnance sera publiée au Journal officiel de la République et sera exécutée comme loi organique de l’Etat.

 

And. 41 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao hitsivolana izao ary ho tanterahina ho toy ny lalàna fehizoro eto amin'ny Fanjakana.

 

Fait à Antananarivo, le 18 novembre 2001

Didier RATSIRAKA

 

Natao tao Antananarivo, ny 18 novambra 2001.

Didier RATSlRAKA.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement