//-->

Ordonnance 06

ORDONNANCE N° 2001-003 DU 18 novembre 2001 portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle

Ordonnance n° 2001-003 du 18 novembre 2001

portant loi organique relative à la Haute Cour Constitutionnelle

(J.O. n° 2747 E.S. du 19.11.2001 p. 3077)

 

Hitsivolana n° 2001-003 tamin’ny 18 novambra 2001

anaovana ny lalàna fehizoro mikasika ny Fitsarana Avo

momba ny Lalàmpanorenana

(idem)

 

Le Président de la République,

Vu la Constitution,

Le conseil de Ministres entendu en sa réunion à la date du 6 novembre 2001,

Et après déclaration de conformité à la Constitution par la Haute Cour Constitutionnelle suivant sa décision n° 17-HCC/D3 en date du 14 novembre 2001,

 

Ordonne :

 

Ny Filohan'ny Repoblika,

Araka ny Lalàmpanorenana,

Rahefa nohenoina ny filankevitry ny Minisitra tamin'ny fivoriany tamin'ny 6 novambra 2001,

Ary taorian'ny fanambaràn'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana izany araka ny fanapabana laharana faha 17-HCC/D3 tamin'ny 14 novambra 2001,

Dia mamoaka izao hitsivolana izao :

 

TITRE PREMIER

DE LA COMPOSITION DE LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

ET DU STATUT DE SES MEMBRES

 

LOHATENY VOALOHANY

MOMBA NY OLONA ANISAN'NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALÀMPANORENANA SY NY SATA MIFEHY NY MPIKAMBANA AO AMINY

 

Article premier - La Haute Cour Constitutionnelle est composée de neuf membres dont la mandat dure sept ans.

En application de l’article 119 de la Constitution, trois des membres sont nommés par le Président de la République, deux sont désignés par l'Assemblée nationale, deux par le Sénat et deux sont élus par le Conseil supérieur de la magistrature; ils sont choisis en raison de leur compétence juridique et doivent avoir une pratique suffisante de la magistrature de l'ordre administratif ou judiciaire, du barreau, de l'enseignement supérieur du droit ou de l'administration.

 

 

Les désignations et élections sont constatées par décret du Président de la République.

 

Andininy voalohany - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia misy mpikambana sivy ka ny faharetan'ny fe-potoana iasany dia fito taona.

Ho fampiharana ny andininy faha-119 amin'ny Lalàmpanorenana, ny mpikambana telo dia tendren'ny Filohan'ny Repoblika, ny roa tendren'ny Antenimierampirenena, ny roa tendren'ny Antenimierandoholona ary ny roa fidin'ny Filankevitra ambony momba ny mpitsara ; araka ny fahaizany momba ny lalàna no ifantenana azy ireo ary tsy maintsy manana fahazarana ampy amin'ny asan'ny mpitsara mikasika ny fitondram-panjakana sy fitsarana, na ny asan'ny mpisolovava na ny fampianarana ambony momba ny lalàna na ny fitondram-panjakana.

Ny fanendrena sy fifidianana dia amarinin'ny didim-panjakana avoakan'ny Filohan'ny Repoblika.

 

Art. 2 - La Haute Cour Constitutionnelle comprend un Président, un haut Conseiller-Doyen et sept Hauts Conseillers.

Le Président est nommé par décret du président de la République.

Le titre de Haut Conseiller doyen est conféré au Haut Conseiller le plus âgé. Il seconde et supplée le président en cas de besoin. Les Hauts Conseillers prennent rang selon leur âge du point de vue de la préséance.

 

 

Art. 3 - Les fonctionnaires et magistrats nommés ou désignés membres de la Haute Cour Constitutionnelle sont placés, nonobstant toutes dispositions contraires, en position de détachement et continuent de bénéficier dans leurs corps d’origine des avancements en échelon, classe et grade, selon les modalités propres à leurs corps d’origine .

 

And. 2 - Misy Filoha anankiray sy mpanolotsaina avo zokiolona iray ary mpanolotsaina avo fito ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Ny Filoha dia tendrena amin'ny alàlan' ny didim-panjakana avoakan'ny Filohan'ny Repoblika.

Ravahana avy hatrany ny anaram-boninahitry ny mpanolotsaina avo zokiolona ny mpanolotsaina avo be taona indrindra. Manampy na misolo tena ny Filoha izy, raha misy ilàna izany. Arakaraky ny taonany no filahatry ny Mpanolotsaina Avo eo amin'ny ambaratongam-piamboniany.

 

And. 3 - Ny mpiasam-panjakana sy ny mpitsara voatendry ho mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia heverina ho toy ny nafindra hanao asa hafa ary mbola mitana ny tombontsoa mety ho azony ao amin'ny firaisan-draharaha nihaviany momba ny fisondrotana dingana sy kilasy ary laharana araka izay fombafomba manokana misy ao amin'izany niaviany izany ka tsy voasakan'ny fepetra rehetra mifanohitra amin'izany.

 

Art. 4 - Le mandat de membre de la Haute Cour Constitutionnelle est incompatible avec :

 

*      celui de membre d’une autre Institution ;

 

*      une fonction du Conseil de Gouvernorat d’une province autonome ;

*      tout mandat public électif ;

*      toute autre activité professionnelle rémunérée ainsi qu’avec toute activité au sein d’un parti ou organisation politique ou au sein d’un syndicat.

Lorsqu’un haut conseiller se trouve dans l’un des cas d’incompatibilité prévus ci-dessus, son acceptation des nouvelles fonctions emporte renonciation à ses précédents mandats ou fonctions.

 

And. 4 - Ny andraikitry ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy azo ampirafesina amin'ny :

- asan'ny mambra ao amin' ny Andrim-panjakana iray hafa ;

- asa ao amin'ny Filankevitry ny Governorà ao amin'ny Faritany mizakatena iray ;

- raharaha nahavoafidy eo anivon'ny vahoaka ;

- fanaovana asa aman-draharaha andraisan-karama ary koa fisahanana asa rehetra eo anivon'ny antoko, fikambanana na fitambaran'antoko politika na eo anivon'ny sendikà.

Raha toa ny mpanolotsaina avo iray ka tafiditra ao anatin'ny iray amin'ireo asa tsy azo ampirafesina voalaza etsy ambony, ny fanekeny hanao ny asa vaovao dia mitarika nyfamoizany ny asa raharaha nosahaniny teo aloha.

 

Art. 5 - Pendant la durée de leur mandat, les membres de la Haute Cour Constitutionnelle ne peuvent prendre aucune position publique sur les matières relevant de la compétence de la Haute Cour, ni être consulté sur les mêmes matières.

 

 

 

Art. 6 - Il est pourvu au remplacement des membres de la Haute Cour huit jours au moins avant l’expiration de leurs mandats.

La prise de service des nouveaux membres reste subordonnée à leur installation en audience solennelle.

 

 

Art. 7 - Un membre de la Haute Cour Constitutionnelle peut démissionner par lettre adressée à son Président qui en avise aussitôt le Président de la République.

 

And. 5 - Tsy mahazo maneho ampahibemaso ny hevitra ijoroany mikasika ny raharaha tandrifin'ny fahefana ananan'ny Fitsarana Avo ny mambra ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mandritra ny fotoana aharetan'ny fanaovany izany asany izany na koa mila hevitra momba izany raharaha izany.

 

And. 6 - Atao ny fanoloana ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo valo andro ahay mialoha ny fahataperan'ny fepotoana iasany.

Ny fandraisan'ireo mpikambana vaovao ny asany dia miankina amin'ny fametrahana azy ireo amin'ny toerany amin'ny alàlan'ny fotoam-pivoriana manetriketrika.

 

And. 7 - Mahazo mametra-pialàna ny mambra iray ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin'ny alàlan'ny taratasy avantana amin'ny Filohany izay mampandre miaraka amin'ny vava ny Filohan'ny Repoblika.

Art. 8 - Un Haut Conseiller en exercice, sauf démission préalable, ne peut être nommé à l’une des fonctions entraînant l’incompatibilité prévue par l’article 3 ci-dessus.

La Haute Cour Constitutionnelle constate, le cas échéant, la démission d’office de celui de ses membres qui exercé une activité ou accepté une fonction ou un mandat électif incompatible avec sa qualité de membre de la Haute Cour ou qui aurait contrevenu aux dispositions de l’article 5 ci-dessus ou qui n’aurait plus la jouissance de ses droits civils et politiques.

Avis de la décision est immédiatement donné au Président de la République qui prend un décret constatant la vacance du siège.

 

And. 8 -

 

 

 

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mizaha fototra, raha misy, ny fametraham-pialàna avy hatrany nataon'ny mpikambana ao aminy izay nisahana asa na nanaiky hanao asa mahavoafidy tsy mifanaraka amin'ny maha-mpikambana azy ao amin'ny Fitsarana Avo na nandika ny fepetra voalazan'ny andininy faha-5 etsy ambony na koa tsy mizaka intsony ny zo sivily sy miaramila.

Ny filazana ny fanapahana dia omena avy hatrany ny Filohan'ny Repoblika izay manao didim-panjakana ahitana fototra ny fahabagan-toerana.

 

Art. 9 - En cas d’empêchement temporaire pour quelque cause que ce soit d’un membre de la Haute Cour Constitutionnelle et dont la durée est inférieure à trois mois, il n’est pas pourvu à son remplacement.

SI la durée de l’empêchement excède trois mois, la Haute Cour Constitutionnelle se prononce sur la constatation d’un empêchement définitif.

 

 

Art. 10 - En cas de démission volontaire, de démission d’office ou d’empêchement définitif d’un membre de la Haute Cour Constitutionnelle, l’Institution ou l’organisme concerné nomme, désigne ou élit, dans un délai de huit jours qui suit le décret constatant la vacance, la personnalité appelée à occuper le siège vacant.

 

 

 

 

Art. 11 - Dans le cas où la vacance concerne la présidence de la Haute Cour Constitutionnelle, il est d’abord procédé à la désignation d’un Haut Conseiller conformément aux dispositions de l’article 10 ci-dessus pour compléter les membres de l’institution.

 

Le nouveau Président est nommé ensuite dans les huit jours.

 

And. 9 - Raha misy tsy fahafahana vonjimaika mpikambana iray ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ka latsaky ny telo volana izany tsy fahafahana izany, dia tsy atao ny fanoloana azy.

 

Raha mihoatra ny telo volana izany tsy fahafahana izany, dia manambara ny heviny ny Fitsarana Avo momba ny Lalàm-panorenana momba ny fizaham-pototra ny tsy fahafahana tanteraka.

 

And. 10 - Raha misy fametraham-pialana an-tsitrapo, na fametraham-pialana avy hatrany na tsy fahafahana hanatontosa ny asany intsony apetraky ny mambra iray ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, dia ny Andrim-panjakana na ny antokon-draharaha voakasika no manendry, manondro na mifidy ao anatin'ny fe-potoana valo andro manaraka ny didim-panjakana manamarina ny fahabangana, izay olo-manan-kaja hameno ny toerana banga.

 

And. 11 - Raha sendra ka ny toeran'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no banga, dia atao aloha ny fanendrena ny mpanolotsaina avo anankiray araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-10 etsy ambony mba ho famenon'isan'ny mpikambana ao amin'io Andrim-panjakana io.

Ny Filoha vaovao dia fidina ao anatin'ny valo andro manaraka ny fanendrena.

 

Art. 12 - Avant d’entrer en fonction, tout Haut Conseiller doit prêter serment en audience solennelle en présence :

 

*      du Président de la République ou de son représentant ;

*      du Président du Sénat ou de son représentant ;

*      du Président de l’Assemblée nationale ou de son représentant ;

*      du Premier Ministre, chef du Gouvernement, ou de son représentant ;

*      des membres du Gouvernement, dans les termes suivants :

"Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany na amin'iza na amin'iza fa handray fanapahan-kevitra ankalalahana ka ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery ary ireo fotokevi-dehibe raiketiny no hany hibaiko ahy amin'izany. Mianiana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon'ny diniky ny Fitsarana".

Acte est dressé de la prestation de serment.

Le récipiendaire est déclaré installé dans ses fonctions par le Président de la Haute Cour Constitutionnelle ou, en cas de remplacement de l’ensemble des hauts conseillers, par le Président de la République.

Le procès-verbal y afférent est publié au Journal officiel de la République.

 

And. 12 - Alohan'ny handraisany ny raharahany dia tsy maintsy manao fianianana eo am-pivoriambe manetriketrika ny mpanolotsaina avo eo anatrehan'ny:

- Filohan'ny Repoblika na ny solontenany ;

 

- Filohan'ny Antenimierandoholona na ny solontenany ;

- Filohan'ny Antenimierampirenena na ny solontenany ;

- Praiminisitra sady Lehiben'ny Governemanta na ny solontenany ;

- mambra ao amin'ny Governemanta araka izao teny manaraka izao :

"Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra atolotra ahy ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, tsy hiandany na amin'iza na amin'iza fa handray fanapahan-kevitra ankalalahana ka ny fanajana ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna manan-kery ary ireo foto-kevi-dehibe raiketiny no hany hibaiko ahy amin'izany. Mianiana koa aho fa hitandro mandrakariva ny tsiambaratelon'ny diniky ny Fitsarana."

Raisina an-tsoratra ny fanaovana fianianana.

Ny mpanao fianianana dia ambaran'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa tafapetraka amin'ny asa na raha misy fanoloana ny fitambaran'ny mpanolotsaina avo, dia ny Filohan'ny Repoblika no manao izany.

Ny fitànana an-tsoratra momba izany dia avoaka ao amin' ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika.

 

Art. 13 - En application de l’article 42 de la Constitution, la loi détermine le montant, les conditions et les modalités d’attribution des indemnités allouées aux membres de la Haute Cour Constitutionnelle.

 

 

Art. 14 - En vertu des dispositions de l’article 114 de la Constitution, le président de la Haute Cour Constitutionnelle est pénalement responsable devant la Haute Cour de Justice des actes accomplis dans l’exercice de ses fonctions et qualifiés crimes ou délits au moment où ils ont été commis.

Il est fait application des dispositions de l’article 114.1 de la Constitution à tout membre de la Haute Cour Constitutionnelle susceptible d’être inculpé d’un crime ou d’un délit commis hors de l’exercice de ses fonctions.

 

 

TITRE II

DE L’ORGANISATION DE LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

 

Art. 15 - La Haute Cour Constitutionnelle siège à Antananarivo. Elle se réunit sur la convocation de son Président. En cas d’empêchement de celui-ci, le Haut Conseiller doyen le supplée.

 

En cas d’absence ou d’empêchement temporaire du président et du haut conseiller doyen, le plus âgé des sept hauts conseillers assure la suppléance.

 

And. 13 - Ho fampiharana ny andininy faha-42 amin'ny Lalàmpanorenana, dia ny lalàna no mamaritra ny habetsahany, ny fepetra ary ny fombafomba fanolorana ny tamby omena ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

 

And. 14 - Araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha- 114 amin'ny Lalàmpanorenana, ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia itataovam-pamaizana noho ny zava-natao teo amin'ny asany ka voatondro ho heloka bevava na heloka tsotra tamin'ny fotoana nanaovana izany ka ny Fitsarana Avo no mitsara izany.

Ampiharina ny fepetra voalazan'ny andininy faha-114.1 amin'ny Lalàmpanorenana amin'ny mpikambana rehetra ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mety ho voampanga fa nanao heloka bevava na heloka tsotra ivelan'ny fisahanany ny asany.

 

LOHATENY II

MOMBA NY FANDAMINANA NY FITSARANA AVO

MOMBA NY LALÀMPANORIENANA

 

And. 15 - Ao Antananarivo no mivory ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Mivory izy araka ny fanaikana ataon'ny Filohany. Raha misy tsy fahafahan'ny Filoha dia ny mpanolotsaina avo zokiolona indrindra no misolo azy.

Raha misy tsy maha-eo na tsy fahafahana vonjimaikan'ny Filoha sy ny mpanolotsaina avo Zokiolona indrindra, dia ny zokiny indrindra amin'ireo mpanolotsaina avo fito no miantoka ny fisoloana.

 

Art. 16 - La Haute Cour Constitutionnelle jouit de l’autonomie administrative et financière.

 

Les crédits nécessaires à son fonctionnement font l’objet de propositions budgétaires arrêtés conjointement par le Président de la Haute Cour Constitutionnelle et les Ministres chargés du Budget et des Finances.

La dotation globale correspondante est incorporée au projet de loi de finances.

 

Les crédits du budget de la Haute Cour Constitutionnelle sont répartis et ouverts par délibération de ses membres.

 

Les dépenses de fonctionnement sont engagées après visa du Contrôle des dépenses engagées dont l’intervention ne peut porter que sur la régularité de celles-ci.

En cas de refus de visa par le Contrôle des dépenses engagées, le Président de la Haute Cour Constitutionnelle saisit le Premier Ministre d’un mémoire, répliquant aux motifs du refus.

 

Dans ce cas, le Premier Ministre peut recommander au Contrôle des dépenses engagées d’accorder son visa.

 

And. 16 - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia mahavita tena amin'ny fitondran-draharaha sy ny fitantanam-bola.

Anaovana vinavinam-bola iarahan'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ny Minisitry ny Tetibola sy ny Fitantanam-bola manapaka ny sorabola ilaina amin'ny fampandehanana ny asany.

Ny ankapoben'ny vola omena ary mifanandrify amin'izany dia ampidirina ao amin'ny volavolan-dalàna momba ny fitantanam-bola.

Araka ny fifampierana ataon'ny mpikambana ao aminy no anokafana sy itsinjarana ny sorabola eo amin'ny tetibolan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Ny vola ilaina amin'ny fampandehanana ny asa dia avoaka rehefa voasonian'ny mpanara-maso ny fandaniana natao izay tsy mijery afa-tsy ny maha ara-dalàna ny vola navoaka.

Raha mandà tsy hanao sonia ny mpanara-maso ny fandaniana natao dia manolotra fehin-teny amaliany ny anton'ny fandavana ho an'ny Praiminisitra ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Amin'izay, dia mety ho didian'ny Praiminisitra ny mpanaramaso ny fandaniana natao hanome ny soniany.

 

Art. 17 - Son président est le chef de l’administration de la Haute Cour Constitutionnelle. Il est ordonnateur des dépenses. Il peut toutefois, déléguer certains de ses pouvoirs à l’un des Hauts Conseillers.

 

Un arrêté du Président de la Haute Cour Constitutionnelle détermine les conditions et les modalités d’administration des crédits conformément aux principes et règles de la comptabilité publique.

 

Art. 18 - La Haute Cour Constitutionnelle établit son règlement intérieur qui peut préciser les modalités d’application des règles de procédure édictée au titre III de la présente loi organique.

 

And. 17 - Ny Filoha no lehiben'ny fitondran-draharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana. Izy no mpanalalana ny vola laniana. Azony atao anefa ny mamindra amin'ny mpanolotsaina avo iray ny sasantsasany amin'ireo fahefany.

Didim-pitondrana ataon'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no amaritana ny fepetra sy ny fombafomba arahina amin'ny fitantanana ny sorabola araka ny foto-kevitra sy ny fitsipika mifehy ny fitànana ny kaontim-panjakana.

 

And. 18 - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia manao ny fitsipika an-tokantranony izay mety hanoritra ny fombafomba fampiharana ny fitsipika momba ny paik'ady voalaza ao amin'ny lohateny III amin'izao lalàna fehizoro izao.

 

Art. 19 - Les services de la haute Cour Constitutionnelle comprennent le cabinet du Président, le greffe, le secrétariat général avec notamment le service de la documentation, le service de l’informatique et le service administratif et financier.

 

Le règlement intérieur fixe l’organisation, les attributions et les règles de fonctionnement des services ainsi que le règlement général du personnel.

 

Art. 20 - Le greffier en chef et les membres du personnel de la Haute Cour Constitutionnelle sont nommés par arrêté du président.

 

And. 19 - Ny sampan-draharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ny kabinetran'ny Filoha, ny firaketan-draharaha, ny sekretaria jeneraly miaraka indrindra indrindra amin'ny sampan-draharaha momba ny firaketam-boky, ny sampan-draharahan'ny informatika ary ny sampam-pitondran-draharaha sy fitantanam-bola.

Ny fitsipika an-tokantrano dia manoritra ny fandaminana, ny anjara raharaha ary ny fitsipika momba ny fomba fiasany mbamin'ny fitsipika ankapobe mifehy ny mpiasa.

 

And. 20 - Ny lehiben'ny firaketan-draharaha sy ny mpandraharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tendrena amin'ny alàlan'ny didim-pitondrana ataon'ny Filoha.

 

Art. 21 - Le personnel de la Haute Cour Constitutionnelle, à l'exception des agents subalternes qui seront déterminée par le règlement intérieur, prête serment devant la Haute Cour réunie en audience spéciale en ces termes :

 

 

"Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra omena ahy, tsy hamboraka na oviana na oviana izay tsiambaratelo mikasika dosie na taratasy mety ho fantatro noho ny asako ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana

La prestation de serment est constatée par procès-verbal.

 

And. 21 - Ny mpandraharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, afa-tsy ireo mpandraharaha amin'ny ambaratonga ambany izay hofaritan'ny fitsipika an-tokantrano, dia manao fianianana eo anatrehan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mivory manokana noho izany arak'izao :

"Mianiana aho fa hanatanteraka antsakany sy andavany ary amim-pahamendrehana ny andraikitra omena ahy, tsy hamboraka na oviana na oviana izay tsiambaratelo mikasika dosie na taratasy mety ho fantatro noho ny asako ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmoanorenana".

 

Raketina an-tsoratra izany fianianan’izy ireo izany.

 

Art. 22 - Le personnel administratif de la Haute Cour Constitutionnelle est constitué soit par des agents de la fonction publique placés en position de détachement de longue durée nonobstant tout texte contraire soit par des agents recrutés directement sous régime contractuel.

 

 

La grille de solde, le taux des diverses indemnités et les différents accessoires servis aux agents de la Haute Cour Constitutionnelle sont alignés sur ceux de la fonction publique.

 

And. 22 - Ny mpiasa ao amin’ny fitondran-draharahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ahitana na mpiasam-panjakana atoetra hiasa maharitra ivelan'ny efi-draharaha misy azy ka tsy manakana ny fisian'ny rijan-teny mifanohitra amin'izany, na ny mpandraharaha raisina mivantana amin'ny alàlan'ny fifanekena.

Ny ambaratongan'ny mari-karama, ny habetsahan'ny tamby sy ny kojakojan-karama samihafa omena ny mpandraharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ampitoviana amin'izay ampiharina amin'ny Asam-panjakana.

 

Art. 23 - Le compte d'administration des crédits de la Haute Cour Constitutionnelle est intégré dans le projet de loi de règlement du budget de l'Etat se rapportant à l'exercice considéré.

 

 

Art. 24 - Un bulletin des décisions, arrêts et avis de la Haute Cour Constitutionnelle est publié périodiquement sous la direction du président ou d'un haut conseiller délégué par lui.

 

 

 

Art. 25 - L'Etat est responsable des dommages de toute nature causés par les services de la Haute Cour Constitutionnelle.

 

 

Art. 26 - Son président veille à la sécurité intérieure et extérieure de la Haute Cour Constitutionnelle.

Il peut, à cet effet, requérir la force publique et toutes les autorités dont il juge le concours nécessaire.

Cette réquisition peut être adressée directement aux responsables du maintien de l'ordre qui sont tenus d'y déférer immédiatement.

 

And. 23 - Ny kaontim-pitantanana ny sorabolan'ny Fiisarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia ampidirina ao amin'ny volavolan-dalàna fanamarinana ny fitantanana ny tetibolampanjakana amin'ny taom-piasana.

 

And. 24 - Avoaka ara-potoana amin'ny alàlan'ny boky ireo fanapahana sy didim-pitsarana ary hevitra ambaran'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, eo ambany fitarihan'ny Filoha na ny mpanolotsaina avo iray namindran'ny Filoha ny fahefany hanao izany.

 

And. 25 - Tompon'andraikitra ny Fanjakana amin'izay fahavoazana isan-karazany rehetra vokatry ny nataon'ireo Sampan-draharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenàna.

 

And. 26 - Ny Filohany dia mitandro ny filaminana anatiny sy ivelan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Amin'izany izy, dia afaka miantso ny hery fiarovam-bahoaka sy ireo manampahefana rehetra izay heveriny fa ilainy.

Izany fiantsoana izany dia azo alefa mivantana any amin'ny tompon'andraikitry ny fitandroana ny filaminana izay tsy maintsy mankatoa izany avy hatrany.

 

TITRE III

DES ATTRIBUTIONS DE LA HAUTE COUR CONSTITUTIONNELLE

 

 

Art. 27 - Outre les attributions qui lui sont dévolues par certaines dispositions constitutionnelles et législatives, la Haute Cour Constitutionnelle statue sur le contentieux :

 

*      des opérations de référendum ;

 

*      de l'élection du Président de la République;

*      des élections des députés et sénateurs.

 

Elle statue également sur la conformité à la Constitution :

 

- des traités, des lois, des ordonnances, des conventions interprovinciales et des règlements autonomes édictés par le pouvoir central ainsi que des règlements intérieurs des Assemblées parlementaires.

LOHATENY III

MOMBA NY ANJARA ANDRAIKITRY NY FITSARANA AVO MOMBA NY LALAMPANORENANA

 

And. 27 - Ankoatra ny anjara andraikitra nomena azy araka ny fepetra sasantsasany voalazan'ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna, ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia manapaka momba ny fifanolanana mikasika :

- ny raharaha ho fanatanterahana ny fisafidianam-bahoaka ;

- ny fifidianana ny Filohan'ny Repoblika ;

- ny fifidianana ny solombavambahoaka sy loholona.

Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no manapaka ihany koa ny momba ny fifanarahan'ny Lalàmpanorenana amin'ny :

- fifanekena, lalàna, hitsivolana, fifanarahana iraisam-paritany ary fitsipika mizaka-tena voalazan'ny Fahefana foibe mbamin'ny fitsipika an-tokantranon'ny Antenimiera roa tonta.

 

Elle règle les conflits de compétence entre :

 

- deux ou plusieurs Institutions de l'Etat ;

- entre l'Etat et une ou plusieurs Provinces autonomes ;

- entre deux ou plusieurs Provinces autonomes.

Elle contrôle la conformité à la Constitution et aux lois organiques :

- des lois statutaires et des lois adoptées par les Provinces autonomes ;

- des règlements intérieurs des Conseils provinciaux.

 

Art. 28 - La Haute Cour Constitutionnelle connaît également des exceptions d'inconstitutionnalité soulevées par les parties devant les juridictions de tous ordres.

 

Izy no mitsara ny olana mikasika ny fahefana eo amin'ny :

- Andrimpanjakana roa na maromaro ;

- Fanjakana sy ny Faritany mizaka tena iray na maromaro ;

- Faritany mizaka tena roa na maromaro.

 

Izy no manara-maso raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro :

- ny lalàna sata sy ny lalàna nolanian'ny Faritany mizaka tena ;

- ny fitsipika anaty mifehy ny Filankevi-paritany.

 

 

And. 28 - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mitsara ihany koa ny fiarovan-tena hilazana fa misy tsy fanajana ny Lalàmpanorenana nosinganin'ny mpiady eo anatrehan'ny ambaratongam-pitsarana rehetra.

 

SOUS-TITRE PREMIER

De la procédure contentieuse

 

 

Art. 29 - En matière contentieuse, la procédure devant la Haute Cour Constitutionnelle est essentiellement écrite.

 

Toutefois, lorsqu'un avocat est constitué, celui-ci peut, s'il en informe à l'avance la Haute Cour, présenter à l'audience des observations orales. Dans ce cas, le président, les hauts conseillers et le greffier en chef se mettent en robe et l'audience est publique.

 

ZANA-DOHATENY VOALOHANY

Momba ny paik'ady arahina raha misy fifanolanana

 

And. 29 - Raha misy anton-javatra ifanolanana, dia an-tsoratra indrindra indrindra no fomba arahina eo amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Na izany aza anefa, rehefa hakana mpisolovava ny raharaha, ka mampandre mialoha ny Fitsarana Avo izy io, dia azony atao ny famelabelarana am-bava amin'ny fotoam-pitsarana. Amin'izany dia manao ny fanamiany ny Filohan'ny mpanolotsaina avo ary ny mpiraki-draharaha ary atao ampahibemaso ny fitsarana.

 

Art. 30 - La Haute Cour Constitutionnelle est saisie par requête introductive d'instance, et le cas échéant, selon les règles de procédure fixées par les textes particuliers régissant la matière dont elle est saisie.

 

And. 30 - Fitoriana famakiana ady no enti-manolotra ny raharaha ho tapahin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ary raha ilaina, araka ireo fitsipika voadidy arahina ka soritan'ny rijan-teny manokana mifehy ny anton-javatra izay nampakaran'ady taminy.

 

Art. 31 - La requête, établie en double exemplaire, dispensée de tous frais de timbre et d'enregistrement, doit, à peine de nullité, être signée et comporter :

- les noms et prénoms du requérant ;

- son domicile ;

- les documents établissant sa qualité ;

- l'objet de la demande ;

- les moyens et arguments invoqués.

Toutes les pièces proposées au soutien des moyens doivent être annexés à la requête.

 

Elles peuvent être soit des documents authentiques ou officiels soit des témoignages sous forme de déclaration écrite et signée par au moins trois témoins présents lors des faits ou de l'irrégularité invoquée.

La Haute Cour apprécie souverainement la force probante des pièces produites.

 

And. 31 - Ny fitarainana, izay atao roa sosona, izay tsy andoavana sara momba ny hajia sy saram-panoratana, mba tsy ahafoana azy, dia tsy maintsy soniavina ary misy :

- ny anarana sy fanampin'anaran'ny mpitory ;

- ny fonenany ;

- ny taratasy milaza ny momba azy ;

- ny anton'ny fangatahana ;

- ny fitaovana sy ny tohan-kevitra voalaza.

Tsy maintsy ampiarahina amin'ny fitoriana ireo taratasy rehetra anaporofoana ny tohan-kevitra amaharana.

Mety ho taratasy notoavina na ara-panjakana na tenin'ny vavolombelona natao fanambarana an-tsoratra sy voasonian'ny vavolombelona telo farafahakeliny ka manatrika ny fitrangan-javatra na ny zava-boalaza ho tsy ara-dalàna.

Masi-mandidy amin'ny fandanjalanjana ny herin'ireo taratasy naseho ho porofo ny Fitsarana Avo.

 

Art. 32 - La requête est notifiée par le greffe de la Haute Cour Constitutionnelle aux parties concernées.

 

Les intéressés peuvent produire un mémoire en défense dans le mois de la notification.

 

Chacune des parties dispose ensuite, à tour de rôle, d'un délai de quinze jours pour répondre au mémoire en défense ou en réplique.

 

Les délais fixés ci-dessus peuvent être prorogés par le président soit au vu d'une requête motivée notifiée à la partie adverse trois jours au moins avant l'expiration du délai soit d'office si des circonstances exceptionnelles l'exigent.

 

Si l'une des parties n'a pas présenté de mémoire dans le délai qui lui est imparti, l'affaire est réputée en état.

 

And. 32 - Ampahafantarin'ny mpiraki-draharahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin'ireo voakasik'izany ny fitarainana.

Azon'ny andaniny sy ankilany atao ny manolotra fehinteny hiarovan-tena mandritra ny volana iray nampahafantarana azy ireo.

Manaraka izany dia manana fe-potoana dimy ambin'ny folo andro tsirairay avy ny roa tonta, ary ifandimbiasana, hamaliana ny fehinteny hiarovan-tena na ho setrin'izany.

Azon'ny Filoha halavaina ireo fe-potoana voatondro eo ambony ireo rehefa misy fangatahana milaza ny antony ka nampahafantarina ny ankilany telo andro ahay mialoha ny hataperan'ny fe-potoana na ataony an-kitsirano izao raha toa ka misy anton-javatra manokana manery amin'izany.

Raha tsy manolotra fehinteny ao anatin'ny fotoana voafetra anaovany izany ny iray amin'ny andaniny sy ankilany, dia heverina fa vonon-kotsaraina amin'izay ny raharaha.

 

Art. 33 - Dès réception de la requête, le président de la Haute Cour Constitutionnelle nomme par ordonnance le haut conseiller rapporteur qui suit la procédure.

 

L'affaire une fois en état, le président la fait inscrire au rôle et fixe la date de l'audience.

 

 

La décision de la Haute Cour Constitutionnelle doit intervenir dans le mois qui suit l'inscription au rôle.

 

 

Art. 34 - Les requêtes introductives d'instance frappées d'irrecevabilité ou de nullité pour inobservation des prescriptions de la loi ne donnent pas lieu à échange de mémoires ou conclusions. Elles sont immédiatement inscrites au rôle des audiences de la Haute Cour Constitutionnelle.

 

And. 33 - Raha vao voaray ny fitarainana dia manendry amin'ny alalan'ny didy ny mpanolotsaina avo ho mpampaka-teny ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay manaraka ny fomba voadidy arahina ka atao momba izany.

Rehefa vonon-kotsaraina ny raharaha dia asain'ny Filoha soratana ao anatin'ny lisitry ny raharaha ho tsaraina izany ary tondroina ny vaninandro hanaovana ny fitsarana.

Ao anatin'ny iray volana manaraka ny fanoratana azy ao anatin'ny lisitry ny raharaha ho tsaraina no tsy maintsy amoahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fanapahany.

 

And. 34 - Ireo fitoriana famakian'ady izay tsy noraisina na foana noho ny tsy fanajana ny fepetra voalazan'ny lalàna dia tsy anaovana taratasy fanazavana na fehinteny. Soratana avy hatrany ao anatin'ny lisitry ny raharaha ho tsarain'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izy ireo.

 

Section 1

Du contentieux électoral

 

Art. 35 - En matière de contentieux électoral, la Haute Cour, si elle s'estime insuffisamment informée, peut rendre des arrêts avant dire droit ordonnant une enquête ou un supplément d'information.

Elle a compétence pour connaître de toute question ou exception opposée à l'occasion de la requête, mais sa décision relative à une question d'état ne lie pas les autres juridictions.

La Haute Cour Constitutionnelle, si elle déclare la requête recevable en la forme, en examine le fond.

 

 

Elle procède selon le cas :

- soit au rejet de la requête ;

- soit à la réformation des résultats ;

- soit à l'annulation des opérations des bureaux de vote concernés s'il a été prouvé que les faits ou les opérations contestées ont altéré la sincérité du scrutin et modifié le sens du vote émis par les électeurs ou s'il y a eu violation flagrante des dispositions législatives ou réglementaires ou des prescriptions d'ordre public.

 

Sokajy 1

Ny amin'ny fifanolanana mikasika ny fifidianana

 

And. 35 - Amin'ireo anton-javatra ifanolanana mikasika ny fifidianana, raha heverin'ny Fitsarana Avo fa tsy ampy tsara ny fahalalany ny toe-javatra, dia afaka mamoaka didy savaravina mampanao famotorana na fanazavana fanampiny izy.

Tandrifin'ny fahefana ananany ny mitsara ny raharaha rehetra na paika famolavolana asetry raha misy fangatahana atao tsy mahakasika ny fitsarana hafa ny fanapahana ataony momba izany.

Raha hitan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana fa azo ekena ny amin'ny fomba voadidy arahina, dia dinihina avy eo ny amin'ny votoatin-draharaha.

Ataony araka izay tandrify izany :

- na lavina ny fitoriana ;

- na manafoana tsotra izao ny voka-pifidianana ;

- na manafoana ny raharaham-pifidianana tao amin'ireo birao fandatsaham-bato voakasik'izany raha voaporofo fa ny zava-mitranga na ny raharaha toherina dia nampivaona ny fandatsaham-bato amin'ny hitsiny sy nanova ny hevitra nokendren'ny mpifidy tamin'ny latsa-bato na raha misy fandikan-dalàna miharihary izao ny fepetra voalazan'ny didy aman-dalàna na fitsipika na fepetra voadidy ho toavin'ny besinimaro.

 

Section 2

Des conflits de compétence

 

Art. 36 - En cas de conflit de compétence entre des Institutions de l'Etat ou entre une Institution de l'Etat et une ou plusieurs Provinces autonomes ou entre deux ou plusieurs autorités de Provinces autonomes, la requête présentée par l'une ou l'autre partie est adressée au président de la Haute Cour Constitutionnelle.

 

Elle doit comporter l'exposé du conflit, les moyens invoqués et toutes pièces officielles établissant formellement la compétence de l'autorité requérante.

 

Sokajy 2

Ny amin'ny fifanolanam-pahefana

 

And. 36 - Raha misy fifanolanam-pahefana eo amin'ireo samy Andrim-panjakana na Andrim-panjakana sy Faritany mizaka tena iray na maromaro na fahefam-pitondrana ao amin'ny Faritany mizaka tena roa na maromaro, ny fangatahana fanelanelanana atolotry ny andaniny sy ankilany dia alefa any amin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

Tsy maintsy misy famelabelarana ny antonanton'izany fifanolanana izany ny fangatahana, ny anton'ny hevitra amaharana ary ireo taratasy ara-dalàna manamarina amin'ny fomba hentitra ny fahefana ananan'ilay manampahefana hitory.

 

Art. 37 - La requête et les pièces annexées sont notifiées à l'autre partie qui dispose d'un délai de huit jours pour présenter ses conclusions.

 

 

Art. 38 - La Haute Cour Constitutionnelle dispose d'un délai de trente jours à compter de sa saisine pour rendre sa décision.

 

And. 37 - Ny fitarainana sy ny singan-taratasy natovana azy dia ampahafantarina ny ankilany izay manana fe-potoana valo andro anehoana ny fehinteniny.

 

And. 38 - Manana fe-potoana telopolo andro manomboka amin'ny andro nandraisany ny raharaha ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana mba hamoahana ny didim-pitsarana noraisiny.

 

Section 3

Des exceptions d'inconstitutionnalité

 

 

Art. 39 - La partie qui a soulevé l'exception d'inconstitutionnalité devant une juridiction statuant sur un litige la concernant doit saisir la Haute Cour Constitutionnelle par requête, après la décision qui sursoit à statuer.

 

 

La requête est déposée, en double exemplaire, au greffe de la Haute Cour Constitutionnelle dans le délai d'un mois à compter de la décision. Elle n'a pas d’effet suspensif.

 

Cette requête est recevable en la forme si elle est appuyée de faits ou titre lui donnant un fondement suffisant.

Dans ce cas, elle est notifiée dans un délai de huit jours par le greffe de la Haute Cour Constitutionnelle au Premier Ministre ou à l'autorité dont émane l'acte déféré.

 

 

Cette autorité dispose d'un délai d'un mois pour faire valoir les moyens tendant à faire rejeter l'exception.

Dans le délai de huit jours à compter de leur dépôt au greffe de la Haute Cour Constitutionnelle, ces moyens sont notifiés à la partie requérante, qui dispose d'un délai d'un mois à compter de la notification pour y répondre.

 

 

Ces délais peuvent être abrégés ou prolongés sur requête ou d'office par décision motivée du président de la Haute Cour Constitutionnelle. Ce dernier peut, en la même forme, accorder de nouveaux délais.

 

Sokajy 3

Ny amin'ny fanolanana mikasika ny tsy fanajana

ny Lalàmpanorenana

 

And. 39 - Raha rnisy mpiady milaza eo anatrehan'ny Fitsarana iray fa misy tsy fanajana ny Lalàmpanorenana dia tsy maintsy mampiditra fangatahana any amin'ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana izy, amin'ny alalan'ny fangatahana aorian'ny didy navoakan'ny fitsarana nampiato ny raharaha.

Atao sosony roa ny fangatahana izay apetraka ao amin'ny fiandraiketan-draharahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao anatin'ny fe-potoana iray volana niantombohan'ny didim-pitsarana. Tsy mampiato ny didy anefa izany.

Azo raisina amin'ny fomba voadidy arahina ny fangatahana raha misy anton-javatra na taratasy fanamarinana iankinany ka mahamarim-pototra azy.

Amin'izany dia ampahafantarin'ny fiandraiketan-draharahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ao anatin'ny fepotoana valo andro nametrahana azy ny Praiminisitra na manampahefana nandray ilay fanapahana nakarina eo amin'ny Fitsarana Avo.

Manana fe-potoana iray volana io manampahefana io haneho ny tohan-kevitra amaharany entiny handravana ny paika ifanolanana.

Ao anatin'ny fe-potoana valo andro miantomboka amin'ny vaninandro nametrahana izany tao amin'ny fiandraiketan-draharahan' ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no ampahafantarina ny andaniny mpitory izany tohan-kevitra izany, izay manana fe-potoana iray volana miantomboka amin'ny andro fampahafantarana mba hamaliana izany.

Azo afohezina na halavaina ireo fe-potoana ireo raha misy fangatahana izany na koa avy hatrany ka fanapahana omban'antonantony raisin'ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no anaovana izany. Azony atao koa ny manome fe-potoana vaovao ka izany fomba izany ihany no arahina.

 

Art. 40 - La décision de la Haute Cour Constitutionnelle, rendue sur le rapport d'un de ses membres désigné par le président, doit être motivée.

 

Elle est notifiée par le greffe au Premier Ministre ou à l'autorité dont émane l'acte déféré ainsi qu'à la partie requérante et à la juridiction devant laquelle l'exception a été soulevée.

Une disposition déclarée inconstitutionnelle cesse de plein droit d'être en vigueur et ne peut plus être appliquée.

 

And. 40 - Avy amin'ny tatitra ataon'ny iray amin'ireo mpikambana notendren'ny Filoha no amoahan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fanapahana, ka tsy maintsy omban'ny antonantony.

Ampahafantarin'ny fiandraiketan-draharaha ny Praiminisitra na ny manampahefana izay nandray ilay fanapahana sy ny mpangataka ary ny fitsarana nanapongarana ny fanolanana.

Ny fepetra iray nambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana dia mitsahatra avy hatrany ho tsy manan-kery ary tsy azo ampiharina.

 

SOUS-TITRE Il

De la procédure non contentieuse

 

Art. 41 - La Haute Cour Constitutionnelle, saisie par le Président de la République, statue sur la conformité à la Constitution des lois organiques et des ordonnances avant leur promulgation.

 

 

Elle exerce également le contrôle de constitutionnalité des règlements intérieurs des Assemblées parlementaires et des Conseils provinciaux avant leur application. Elle est saisie par le président de l'Assemblée parlementaire ou du Conseil provincial concerné.

Tout chef d'institution ou le quart des membres composant une Assemblée parlementaire peut soumettre au même contrôle de la Haute Cour Constitutionnelle une loi ordinaire avant sa promulgation ou un règlement autonome édicté par le pouvoir central dans les quinze jours qui suivent sa publication.

 

ZANA-DOHATENY Il

Momba ny paik'ady tsv misy fifanolanana

 

And. 41 - Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana no mitsara raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana ny lalàna fehizoro sy ny hitsivolana mialoha ny amoahana hampanan-kery azy, rehefa avy natolotry ny Filohan'ny Repoblika hodinihany.

Anjarany ihany koa ny manara-maso raha mifanaraka amin'ny Lalàmpànorenana ny fitsipika anaty mifehy ireo Antenimiera sy ireo Filankevi-paritany mialoha ny fampiharana aza. Ny Filohan'ny Antenimiera na Filankevi-paritany voakasika izany koa no manolotra hodinihiny.

Ny lehiben'ny Andrimpanjakana na ny ampahefatry ny mpikambana ao amin'ny Antenimiera dia afaka manolotra ho dinihin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny lalàna tsotra mialoha ny hamoahana hampanan-kery azy na fitsipika manokana nataon'ny fahefam-pitondrana ao anatin'ny dimy ambin'ny folo andro manaraka ny famoahana azy.

Un chef d'institution, le quart des membres composant une Assemblée parlementaire ou un organe d'une Province autonome peut soumettre au même contrôle de la Haute Cour Constitutionnelle une convention interprovinciale et tout texte à valeur législative ou réglementaire ainsi que toutes matières relevant de sa compétence. Dans ce cas, la saisine de la Haute Cour ne suspend pas l'application de l'acte.

 

 

Avant leur promulgation, les lois statutaires et les lois adoptées par les Conseils provinciaux sont soumises à la Haute Cour Constitutionnelle par le Gouverneur de la Province autonome concerné. Il est statué sur leur conformité à la Constitution et aux lois organiques.

 

La Haute Cour Constitutionnelle, consultée par tout chef d'institution ou tout organe d'une Province autonome, donne son avis sur la constitutionnalité de tout projet d'acte ou sur l'interprétation d'une disposition de la Constitution.

 

Ny lehiben'ny Andrimpanjakana, ny ampahefatry ny mpikambana ao amin'ny Antenimiera na ny rantsana ao amin'ny Faritany mizaka tena dia afaka manolotra mba haraha-mason'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fifanarahana iraisan'ny Faritany mizaka tena sy ny rijan-teny manana endrika didy aman-dalàna na didy amam-pitsipika ary koa ny anton-javatra miankina amin'ny fahefany. Amin'izany, ny fampakarandraharaha eo amin'ny Fitsarana Avo dia tsy mampihantona ny fampiharana ny raharaha.

Mialoha ny famoahana hampanan-kery azy, dia atolotry ny Govemoran'ny Faritany mizaka tena voakasika izany ho dinihin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny lalàna sata sy ny lalàna nolanian'ny Filankevi-paritany. Hamarinina raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana sy ny lalàna fehizoro.

Manome ny heviny raha mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana izay volavolana fanapahana na fanazavana ny fepetra iray ao amin'ny Lalàmpanorenana rehefa hakan'ny lehiben'ny Andrimpanjakana na rantsana ao amin'ny Faritany mizaka tena hevitra.

 

SOUS -TITRE III

Des dispositions communes aux deux procédures

 

Art. 42 - Pour chacune des affaires, un rapporteur est désigné par le président de la Haute Cour Constitutionnelle parmi les hauts conseillers, à moins qu'il ne décide de faire lui-même le rapport.

La procédure est écrite ; elle ne donne lieu à une audience publique que dans le cas prévu à l'article 29 alinéa 2 ci-dessus.

Le président peut fixer un délai pour le dépôt du rapport ou l'enrôlement de l'affaire.

 

ZANA-DOHATENY III

Momba ny fepetra iraisan’ireo paik’ady roa ireo

 

 

And. 42 - Manendry mpitondra teny iray amin'ireo mpanolotsaina avo ny Filohan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana amin'ny raharaha isanisany, raha tsy manapa-kevitra izy fa hanao izany manokana.

Ny paik'ady dia an-tsoratra ka tsy misy fitsarana ampahibemaso afa-tsy izay voalaza ao amin'ny andininy faha-29, andalana faha-2 etsy ambony.

Afaka mametra fe-potoana hametrahana ny tatitra na ny fanoratana ny raharaha ny Filoha.

 

Art. 43 - La Haute Cour Constitutionnelle siège à six membres au moins, sous la présidence du président ou du haut conseiller doyen en cas d'empêchement de ce dernier.

 

Lors des délibérations, le haut conseiller le plus jeune opine le premier après le rapporteur, le président opine le dernier. En cas de partage des voix, celle du président est prépondérante.

 

Les arrêts, décisions et avis de la Haute Cour Constitutionnelle ne sont susceptibles d'aucune voie de recours ; ils sont signés, en minute, par le président et le greffier en chef.

 

 

Ils sont notifiés par le greffe à toutes les parties intéressées.

 

Ils peuvent être rendus en audience publique solennelle.

 

And. 43 - Enina no mpikambana mitsara farafahakeliny ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izay tarihin'ny Filoha na ny mpanolotsaina avo zokiolona raha misy tsy fahafahan'ity farany ity.

Ny mpanolotsaina avo zandriny indrindra no milaza ny heviny voalohany manaraka ny mpitondra teny amin'ny fifampidinihana atao, ny Filoha no milaza ny heviny farany. Raha misy fitovian'ny vato, dia ny an'ny Filoha no mavesa-danja.

Ny didim-pitsarana, ny fanapahana ary ny hevitra avoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy azo akarina amin'ny fitsarana hafa intsony ; soniavin'ny Filoha sy ny lehiben'ny mpiraki-draharaha ny matoan-tsoratr'izy ireny.

Ny fiandraiketan-draharahan'ny Fitsarana no mampahafantatra amin'ny andaniny sy ankilany voakasik'izany.

Azony avoaka amin'ny fotoam-pitsarana ampahibemaso izany.

 

Art. 44 - Les arrêts, les décisions et les avis de la Haute Cour Constitutionnelle sont publiés au Journal officiel de la République.

 

 

Art. 45 - Une disposition déclarée inconstitutionnelle devient caduque et ne peut être appliquée.

 

And. 44 - Avoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika ny didim-pitsarana sy ny fanapahana ary ny hevitra avoakan'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana.

 

And. 45 - Foana ho azy ary tsy azo ampiharina ny fepetra iray nambara fa tsy mifanaraka amin'ny Lalàmpanorenana.

 

TITRE IV

DES DISPOSITIONS DIVERSES

 

Art. 46 - A l'occasion des audiences publiques, le président, les hauts conseillers et le greffier en chef de la Haute Cour Constitutionnelle portent un costume défini par décret du Président de la République et dont la fourniture est à la charge exclusive de l'institution.

 

LOHATENY IV

FEPETRA SAMIHAFA

 

And. 46 - Amin'ny fotoam-pitsarana ampahibemaso, dia misalotra fanamiana ny Filoha sy ny mpanolotsaina avo ary ny lehiben'ny mpiraki-draharaha ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana araka ny didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika ka io Andrimpanjakana io ihany no miantsoroka ny fandaminana ara-bola amin'izany.

 

Art. 47 - Les membres de la Haute Cour Constitutionnelle sont dotés d'une carte spéciale d'identité dont le modèle est fixé par décret du Président de la République.

 

 

Art. 48 - Sont et demeurent abrogées toutes dispositions contraires à celles de la présente ordonnance portant loi organique.

And. 47 - Ny mpikambana ao amin'ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia omena karatra famantarana manokana izay ferana amin'ny didim-panjakana ataon'ny Filohan'ny Repoblika ny modeliny.

 

And. 48 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin'ity hitsivolana anaovana lalàna fehizoro ity.

 

Art. 49 - La présente ordonnance sera publiée au Journal officiel de la République.

Elle sera exécutée comme loi organique de l'Etat.

And. 49 - Havoaka amin'ny Gazetim-panjakan'ny Repoblika ity hitsivolana ity.

Hotanterahina izany fa lalàna fehizoro eto amin'ny Fanjakana.

 

Art. 50 - En raison de l'urgence et conformément aux dispositions de l'article 4 de l'ordonnance n° 62-041 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions générales de droit interne et de droit international privé, la présente ordonnance portant loi organique entre immédiatement en vigueur dès qu'elle aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou par affichage, indépendamment de son insertion au Journal officiel.

 

 

Fait à Antananarivo, le 18 novembre 2001

Didier RATSIRAKA.

Didier RATSIRAKA

And. 50 - Noho ny hamehana sy araka ny fepetra voalazan'ny andininy faha-4 ao amin'ny hitsivolana laharana faha 62-041 tamin'ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapoben'ny lalàna eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondran'ny isam-batan'olona, ity hitsivolana anaovana lalàna fehizoro ity dia manan-kery avy hatrany raha vantany vao ampahafantarina amin'ny alalan'ny fampielezam-peo sy ny televiziona na amin’ny alalan'ny peta-drindrina, ankoatra ny famoahana azy amin’ny Gazetim-panjakana.

 

Natao tao Antananarivo, ny 18 novambra 2001.

Didier RATSIRAKA.

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement