//-->

Ordonnance 12

ORDONNANCE N° 93-009 DU 30 MARS 1993

ORDONNANCE N° 93-009

DU 30 MARS 1993

modifiant et complétant certaines dispositions de l’ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960 portant réforme de l’organisation judiciaire (JO n° 2180 du 05.07.93 p. 896)

 

Article premier - L’article 3 alinéa premier de l’ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960 portant réforme de l’organisation judiciaire est modifié comme suit :

 

Art.3 (nouveau) - Les sièges des Cours d’appel sont fixées à Antananarivo, Fianarantsoa et Mahajanga .

Le ressort de la cour d’appel d’Antananarivo s’étend aux Faritany d’Antananarivo et de Toamasina .

 

Le ressort de la cour d’appel de Fianarantsoa s’étend aux Faritany de Fianarantsoa et de Toliara .

 

Le ressort de la cour d’appel de Mahajanga s’étend aux Faritany de Mahajanga et d’Antsiranana .

 

(Le reste sans changement )

 

Art. 2 - En application de l’article 48 de l’ordonnance n° 60-107 du 27 septembre 1960, et à titre transitoire, les différentes chambres des Cours d’appel de Fianarantsoa et de Mahajanga seront mises en place progressivement par arrêté du Garde des sceaux, Ministre de la Justice .

 

 

 

Art. 3 - Toutes dispositions contraires à la présente ordonnance sont et demeurent abrogées .

Art. 4 - En raison de l’urgence, et conformément aux dispositions de l’article 4 de l’ordonnance n° 62-041 du 19 septembre 1962 relative aux dispositions de droit interne et de droit international privé, la présente ordonnance entre immédiatement en vigueur dès qu’elle aura reçu une publication par émission radiodiffusée et télévisée ou affichage, indépendamment de son insertion au Journal officiel de la République .

HITSIVOLANA N° 93-009

TAMIN’NY 30 MARS 1993

manova sy mameno ny fepetra sasantsasany voalazan’ny hitsivolana n° 60-107 tamin’ny 27 septembre 1960 anavaozana ny fandaminana ny rafi-pitsarana (idem)

 

Andininy voalohany - Ovàana toy izao manaraka izao ny andininy faha-3 andàlana voalohany entin’ny hitsivolana laharana faha-60-107 tamin’ny 27 septambra 1960 anavaozana ny fandaminana ny rafi-pitsarana :

And. 3 (vaovao) - Araikitra ho ao Antananarivo, Fianarantsoa ary Mahajanga ny foiben’ny Fitsarana ambony .

Ny fari-piadidian’ny Fitsarana ambony ao Antananarivo dia mahahenika ny Faritanin’Antananarivo sy Toamasina .

 

Ny fari-piadidian’ny Fitsarana ambony ao Fianarantsoa dia mahahenika ny Faritanin’i Fianarantsoa sy Toliara .

 

Ny fari-piadidian’ny Fitsarana ambony ao Mahajanga dia mahahenika ny Faritanin’i Mahajanga sy Antsiranana .

 

(Ny sisa tsy misy fiovana)

 

And 2 - Ho fampiarana ny andininy faha-48 amin’ny hitsivolana faha-60-107 tamin’ny 27 septambra 1960 sy ho fepetra tetezamita, dia hapetraka eo amin’ny toerany miandàlana araka ny didim-pitondrana ataon’ny Mpitahiry ny kasem-panjakana sady Ministry ny Fitsarana ireo Rantsana samihafa ao amin’ny Fitsarana ambony ao Fianarantsoa sy Mahajanga .

 

And 3 - Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifanohitra amin’izao hitsivolana izao .

 

And 4 - Noho ny hamehana sy araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-4 entin’ny hitsivolana laharana faha-62-041 tamin’ny 19 septambra 1962 mikasika ny fepetra ankapobe soritan’ny lalàna ifampitondrana eto an-toerana sy ny lalàna iraisam-pirenena ifampitondrana amin’ny isam-batan’olona dia manan-kery avy hatrany ity hitsivolana ity raha vao ampahafantarina ny besinimaro amin’ny alalan’ny fampielezam-peo sy televiziona na peta-drindrina, ankoatra ny famoahana azy amin ‘ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika .

 

 
Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement