//-->

Ordonnance 26

ORDONNANCE N°88-015

ORDONNANCE N°88-015

du 1er septembre 1988

relative à la politique d’exportation (J.O. n°1884 du 5.9.88, p.1573)

HITSIVOLANA N°88-015 tamin’ny 1 septambra 1988 mikasika ny polotikam- panondranana entana any ivelany (Idem)

 

CHAPITRE PREMIER :

DISPOSITIONS D’ORDRE GENERAL

 

TOKO VOALOHANY :

FEPETRA ANKAPOBE

Article premier. – On entend par exportation la vente à l’étranger de biens et services originaires ou en provenance de Madagascar

Andininy voalohany. – Ny atao hoe fanondranana entana any ivelany dia ny fivarotana any amin’ny firenen-kafa ireo entana amam-pisahanan’asa eto na vita teto Madagasikara

 

Art. 2. – Sont exportables tous biens et services qui ne font pas l’objet de restrictions législatives ou réglementaires notamment en vue de sauvegarder le patrimoine ou l’intérêt national.

And. 2. – Azo aondrana avokoa ny entana amam-pisahanan’asa rehetra izay tsy voafetry ny didy aman-dalàna nato indrindra mba hiarovana ny harem-pirenena na ny tombotsoany.

Sous réserve des dispositions de l’alinéa ci-dessus, la commercialisation intérieure et extérieure des produits malgaches est libéralisée, sauf en ce qui concerne la vanille.

Tsy tohinina ny fepetra voalazan’ny andàlana etsy ambony fa dia malalaka ny fivarotana eto an-toerana sy any ivelany ny vokatra malagasy, afa-tsy amin’izay mikasika ny lavanila.

 

Art. 3. – Est exportateur toute personne physique ou morale faisant un acte d’exportation tel que défini à l’article premier ci-dessus.

And. 3. – Ny vatantenan’olona na ny fikambanana mizaka ny zo aman’andraikiny izay manao fifanekem-panondranana entana araka ny voalazan’ny andininy voalohany etsy ambony dia mpanondrana entana.

Tout exportateur doit être en règle vis-à-vis de la réglementation des changes et, en tant que commerçant, vis-à-vis de la réglementation fiscale.

Ny mpanondrana entana rehetra dia tsy maintsy ara-dalàna eo anatrehan’ny fitsipika mifehy ny fifanakalozam-bola ary amin’ny maha-mpivarotra azy, eo anatrehan’ny fitsipika mifehy ny hetra.

 

Art. 4. – Le bénéfice des avantages pouvant être accordé dans le cadre de la présente ordonnance n’est pas exclusif du Code des investissements

And. 4. – Ny fisitrahana ny tombotsoa mety ho azo omena avy amin’ity hitsivolana ity dia tsy manakana izay avy amin’ny fehezan-dalàna momba hy fampiasam-bola hamokarana

 

CHAPITRE II :

DISPOSITIONS D’ORDRE ECONOMIQUE, FINANCIER ET FISCAL

 

TOKO II :

FEPETRA MIKASIKA NY TOEKARENA, FITANTANAM-BOLA ARY MOMBA NY HETRA

Art. 5. – Afin d’assurer une augmentation, une meilleure éva- cuation et un meilleur écoule- ment des productions exportables, les mesures ci-après seront appliquées :

*      négociation libre et directe entre producteur et acheteur, des prix au producteur de tous produits, à l’exception de la vanille ;

And. 5. - Mba hahafaha-mampitombo sy mamoaka ary mivarotra bebe kokoa ny vokatra fanondrana dia ampiharina ireto fepetra manaraka ireto :

*      fifanarahana malalaka sy mivantana eo amin’ny mpamo-katra sy mpividy, momba ny vidin’ny vokatra rehetra amin’ny mpamokatra, afa-tsy ny lavanila ;

*      mise en œuvre de mesures d’encouragement de toute initiative visant à la réhabilitation des exploitations et entreprises existantes, à l’extension de leur capacité de production, de collecte ou de groupage, de traitement, de conditionnement, de conservation et de stockage ;

*      fampiharana ny fepetra enti-mandrisika izay fomba rehetra ikatsahana ny fanarenana ireo saham-pamokarana sy fanja-rianasa efa misy, ny fanitarana ny fahafaha-mamokatra, ma-nangona na mamory, miko-jakoja, mikarakara, mitahiry, ary manoby ny vokatra ;

*      amélioration ou développement des infrastructures et moyens d’évacuation des productions exportables ;

*      fanatsarana na fampandrosoana ny foto-drafitrasa sy ireo fomba famoahana ny vokatra fanondrana ;

*      mise en œuvre de mesures visant à entraîner et à encourager les producteurs pour entre-prendre et développer la production,

*      fampiharana ny fepetra ikendrena hisarihana sy hampi-risihana ny mpamokatra hampamndroso sy hanatsara ny famokarana ;

*      mise en place d’un système de crédit et de financement adéquat permettant aux producteurs d’accomplir l’extension de la production attendue d’eux ;

*      fananganana drafitra fampi-samborana sy famatsiam-bola maty paika ahazoan’ny mpa-mokatra manitatra ny famoka-rana takiana amin’izy ireo ;

*      assistance technique aux exportateurs notamment en matière de formation des entre-preneurs et du personnel, d’information, d’études et de prospections de marchés, de qualité, de publicité et de participation à des foires, expositions et autres manifestations commerciales internationales ;

*      fanampiana eo amin’ny lafiny teknika ireo mpanondrana entana, indrindra fa momba ny fanofanana ny mpandraharaha sy ny mpiasa, fampahafanta-rana ny zava-misy, fanadiha-diana sy fitadiavana làlam-barotra momba ny fahatsaran’ny vokatra, ny dokam-barotra ary ny fandraisana anjara amin’ny foara, fampisehoana ary fihetsiketsehana samihafa momba ny varotra eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ;

*      orientation, intensification et coordination de toutes les actions notamment en matière de recherches appliquées dans les domaines de l’identification des ressources exportables, de la qualité, du traitement, de conditionnement, de la conservation, du stockage, et de la normalisation des produits exportables afin de les adapter aux exigences des marchés extérieurs ;

*      fanoritana, fanitarana ary fandrindrana ny asa rehetra indrindra fa ny mikasika ny vokatra azo aondrana, faha-tsarana, fikarakarana, fikoja-kojana, fitehirizana, fanobiana sy fanaovana fenitra momba ny vokatra fanondrana, mba hampifanaraka izany amin’ny zavatra takian’ny tsena any ivelany ;

mise en œuvre de mesures d’encouragement à la formation des groupements d’opérateurs en vue de mener notamment une politique commerciale concertée et coordonnée sur les marchés extérieurs.

*      fampiharana ny fepetra enti-mampirisika ny fananganana vondron’ny mpandraharaha hanatanterahana indrindra ny politikam-barotra nifampierana sy tsara rindra ampiharina eo amin’ny tsena any ivelany.

Art. 6. – Les régimes fiscaux ci-après peuvent être accordés aux exportateurs dans le cadre de la loi de finances

And. 6. – Azo omena ireo mpanondrana entana ao anatin’ny voalazan’ny lalàna fitantanam-bola ireo fepetra momba ny hetra manaraka ireto :

*      régimes douaniers suspensifs tels que admission temporaire, drawback, entrepôt industriel pour les matériels, intrants, matières premières, produits semi-ouvrés ou ouvrés servant à la fabrication, au conditionne-ment, au traitement, à l’emballage, à la conservation et au stockage des produits destinés à être exportés, soit en l’état, soit après transformation ;

*      fomba fampiatoana ho azy ny fadin-tseranana toy ny fam- pidiran’entana vonjimaika, fa- merenana ny haba voarotsaka, fametrahana ny entana ao amin’ny toeram-pampiriman’ny ozinina ho an’ny fitaovana, « intrants », akoran-javatra, zava-boavoatra sasaka na vita tanteraka ampiasaina amin’ny fanamboarana, fikojakojana, fi-karakarana, famonosana, fite-hirizana ary fanobiana ny entana haondrana, na amin’izao na rehefa voahodina ;

*      exonération, suspension, réduction ou remboursement des droits et taxes intérieures sur les matériels, intrants, matières premières, produits semi-ouvrés ou ouvrés et matières consommables servant à la fabrication, au conditionnement, au traitement, à l’emballage, à la conservation et au stockage des produits destinés à être exportés, soit en l’état, soit après transformation ainsi que sur les opérations ayant trait aux exportations ;

*      fanafahana, fampiatoana, fampi-henana ny haba sy ny sara eto an-toerana mikasika ireo fitaovana, « intrants », akoran-javatra, zava-boavoatra sasaka na vita tanteraka, zavatra fanjifa ilaina amin’ny fanamboarana, fikojakojana, fikarakarana, famo-nosana, fitehirizana ary fano-biana ny vokatra haondrana, na amin’izao toetrany izao na rehefa voanvoatra ary koa amin’ireo raharaha mifandraika amin’ny fanondranana entana ;

*      suppression de toute taxe ou droit à la sortie des produits exportés sauf en ce qui concerne la vanille, le café et le girofle

*      fanafoanana izay rehetra mety ho sara na haba amin’ny famoahana ny entana haon-drana afa-tsy amin’izay mika-sika ny lavanila, ny kafe ary ni jirofo

*      création, en tant que de besoin, d’une ou plusieurs zones franches.

*      fananganana, raha ilaina, faritra iray na maromaro nohalalahana ny fampiasana vola vahiny sy ny fadin-tseranana ao.

 

Art. 7. – Tout contrôle administratif de la qualité des produits d’exportation est supprimée, sauf en ce qui concerne la vanille, le café, les fruits de mer et la viande.

And. 7. – Foanana izay mety ho fanaraha-maso ataon’ny Fanja-kana momba ny fahatsaran’ny vokatra aondrana, afa-tsy amin’izay mikasika ny lavanila, ny kafe, ny hazan-dranomasina sy ny hena.

En vue de la promotion des exportations, la capacité technique des services existants pour effectuer la vérification de qualité, le traitement et l’inspection sanitaire sera renforcée. Les prestations ainsi rendues le seront uniquement à la demande de l’exportateur.

Mba hampiroborobo ny fanondranana entana dia hama-fisina ny fahaiza-miasa ara-teknika an’ireo sampan-draharaha efa misy ahazoa-manamarina ny hatsarana, ny fikojakojana ary ny fizahana ny hadiony, izany no atao dia noho ny fangatahan’ny mpanondrana entana irery ihany.

 

Art. 8. – Le délai de rapatriement des devises par l’exportateur sera fixé par des textes réglementaires

And. 8. – Ny fe-potoana hampodian’ny mpanondrana ny vola vahiny eto an-toerana dia hoferana amin’ny alalan’ny rijan-tenin-dalàna.

 

Art. 9. – Afin d’éviter la fuite de capitaux notamment par les sous-facturations des exportations, un contrôle annuel a posteriori et par sondage sera effectué sur les transactions à l’exportation.

And. 9. – Mba hisorohana ny fivoahan’ny vola indrindra amin’ny fanaovana hosoka amin’ny tara-tasy filazam-bidy momba ny fanondranana entana, dia hisy fanaraha-maso isan-taona atao aty aoriana ary amin’ny alalan’ny fanadihadihana mikasika ireo fifampiaharahana amin’ny fanon-dranana entana.

Toute fraude constatée à ce sujet sera réprimée selon la législation en vigueur, notamment les ordonnances n°73053 du 10 septembre 1973 et n°73-054 du 11septembre 1973.

Izay rehetra hosoka hita fototra mikasika izany dia hofaizina araka ny lalàna manankery, indrindra araka ny hitsivolana laharana faha-73-053 tamin’ny 10 septambra 1973 sy ny faha-73-054 tamin’ny 11 septambra 1973.

CHAPITRE III : DISPOSITIONS PARTICULIERES

 

TOKO II :

FEPETRA MANOKANA

Art. 10. – Des textes réglementaires détermineront les modalités d’application de la présente ordonnance

 

And.10. – Rijan-tenin-dalàna no hamaritana ny fombafomba famipiharana ity hitsivolana ity.

Art. 11. – L’ordonnance n°73-059 du 19 septembre 1973 ainsi que toutes lois ou dispositions antérieures contraires à la présente ordonnance sont et demeurent abrogées.

 

And. 11. – Foanana ary dia foana ny hitsivolana laharana faha 53-059 tamin’ny 19 septambra 1973 ary koa ny lalàna na fepetra teo aloha ka mifanohitra amin’izao hitsivolana izao.

Art. 12. – La présente ordonnance sera publiée au Journal Officiel de la République.

Elle sera exécutée comme loi de l’Etat.

And. 12. – Havoaka amin’ny Gazetim-panjakan’ny Repoblika izao hitsivolana izao.

Hotanterahana izany fa lalàm-panjakana.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement