//-->

Ordonnance 46

ORDONNANCE N°74-022

ORDONNANCE N°74-022

du 20 juin 1974

définissant les orientations du régime foncier et précisant les conditions générales d’exécution des travaux d’aménagement foncier en milieu rural (J.O. n° 996 du 22.6.74, p. 1687, édition spéciale)

 

HITSIVOLANA N° 74-022

tamin’ny 20 jona 1974

anoritana ny tari-dàlana momba ny fitsipika mifehy ny fananan-tany sy anondroana ny fepetra ankapobeny hanatontosana ny asa fanajariana ny tany eny ambanivohitra

(Idem)

Article premier. – La présente ordonnance a pour but de définir les orientations du régime foncier et de préciser les conditions générales d’exécution des travaux d’aménagement des terres en milieu rural, conformément aux dispositions de l’article 16 de l’ordonnance n° 73-073 du 1er décembre 1973 portant orientation du développement rural.

 

Andininy voalohany. – Ny zava-kendren’izao hitsivolana izao dia ny hanao ny sori-dàlana momba ny fizakan-tany sy ny hamaritra ny fepetra ankapobeny hanatontosana ny asa hanajariana ny tany eny ambanivohitra, araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-16 amin’ny hitsivolana laharana faha-73-073 tamin’ny 1 desambra 1973 izay manoritra ny tari-dalàna ho amin’ny fampandrosoana ny ambanivohitra.

 

TITRE PREMIER :

DES REFORMES DES STRUCTURES FONCIERES RURALES.

 

FIZARANA VOALOHANY :

NY AMIN’NY FANOVANA

NY RAFI-PITSINJARANA

NY TANY ENY AMBANIVOHITRA.

 

Art. 2. – Toute exploitation agricole telle qu’elle est définie par l’article 33 de l’ordonnance n° 73-073 du 1er décembre 1973 précitée doit s’appuyer sur la notion de superficie de référence et la politique du revenu agricole.

 

And. 2. – Ny toeram-pamo-karana rehetra, araka izay ilazana azy ao amin’ny andininy faha-33 amin’ny hitsivolana laharana faha- 73-073 tamin’ny 1 desambra 1973 tondroina etsy ambony, dia tsy maintsy mifototra amin’ny velaran-tany atao fenitra sy ny tetika momba ny vola azo avy amin’ny famokarana.

 

Art. 3. – En application du principe énoncé dans le précédent article, il sera procédé à la restructuration foncière, dans les zones désignées comme zones d’aménagement foncier, soit par voie de lotissement, soit par voie de remembrement, en vue de constituer des lots formant des unités d’exploitation rationnelle.

Sont assujetties aux opérations de restructuration :

a.       les terres domaniales ;

b.       les terres privées exploitées mais par l’intermédiaire des métayers ;

c.       les terres privées laissées en friche ;

d.       les terres privées insuffisamment exploitées

e.       éventuellement les terres exploitées par leurs propriétaires, soit à l’aide des mains d’œuvre salariées, soit à l’aide des moyens mécaniques.

 

And. 3. – Ho fampiharana ny foto-kevitra voalazan’ny andininy etsy aloha, dia atao amin’ny alalan’ ny fanaovana zara-tany handravonana azy ny rafi-pitsinjarana vaovao ny tany mba ho toeram-pamokarana araka ny tena ilana azy ny zara-tany.

 

 

 

Voakasiky ny rafi-pitsinjarana vaovao :

a.       ny tanim-panjakana ;

b.       ny tanin’olona voavoly nefa nomena mpanofa tany ;

 

d.       ny tanin’olona navelany ho lava volo ;

e.       ny tanin’olona tsy voavoly tanteraka ;

f.         na koa, raha ilaina, ny tany volen’ny tompony ka mpika- rama no miasa eo na asainy amin’ny milina fambolena.

 

Art. 4. – Les occupations de fait exercées sur les terres de la catégorie a. pourront faire l’objet d’indemnisation s’il est constaté que les terres sont mises en valeur.

Par la mise en œuvre de l’ordonnance sanctionnant l’abus de droit de propriété susvisée, les terres de catégories b et c sont transférées en toute propriété à l’Etat quelle que soit leur superficie, nonobstant les dispositions de l’article 3 de ladite ordonnance.

 

Celles de la catégorie d peuvent faire l’objet de cession volontaire par leurs propriétaires, d’achat ou, au besoin, d’expropriation par l’Etat. En tout état de cause, toutes les dispositions de l’ordonnance n°62-045 du 19 septembre 1962 et du décret subséquent relatives au métayage sont et demeurent abrogées.

Les terres de la catégorie e pourront faire partie ou en totalité l’objet d’acquisition à l’amiable ou d’expropriation si elles sont nécessaires à l’exécution des projets de la zone et de la politique de la migration.

 

 

And. 4. – Ny fitanana ny tany amin’ny sokajy a ka hita fototra ny anamaintisamolaly azy dia mety hanomezana onitra.

 

 

Amin’ny fampiharana ny hitsivolana hanasaziana fanamparana ny zo fizakana ny fananan-tany tondroina etsy ambony, ny tany amin’ny sokajy b sy d dia hafindra manontolo amin’ny Fanjakana na toa inona na toa inona velarany na dia eo aza ny fepetra voalazan’ny andininy faha-3 amin’io hitsivolana io.

Ireo amin’ny sokajy e dia azon’ny tompony afindra tompo an-tsitrapo na azo vidina na, raha ilaina, alain’ny Fanjakana tsotra izao. Na manao ahoana na manao ahoana dia foanana ary foana ny fepetra rehetra voalazan’ny hitsivolana laharana faha-62-045 tamin’ny 19 septambra 1962 sy ny didim-panjakana natao taty aoriana momba ny fampanofana tany.

Azo vidina araka ny fifanara- hana na esorina amin’ny tompony ny ampahan’ny tany amin’ny sokajy e na izy manontolo raha toa ka ilaina amin’ny fanantanterahana ny vinavinan’asa amin’ny faritra misy azy sy ny teti-pitondrana ny fifindra-monina izy ireny.

Art. 5. – Une enquête détermine le nombre et l’importance des exploitations agricoles et autres propriétés incluses dans la zone, leur valeur, le cas échéant, la nature des titres de propriété s’y rapportant et des droits d’usages s’y exerçant.

L’enquête demeure valable jusqu’à la fin des travaux d’aménagement foncier qu’il soit besoin de la renouveler pour quelque cause que ce soit.

 

And. 5. – Amin’ny alalan’ny famotorana no ahitana ny isan’ny toeram-pamokarana ary ny tany hafa tafiditra ao anatin’ny faritra, ny habeny, ny vidiny, ary raha ilaina, ny karazan-taratasy momba ny fizakana azy sy ny zo ananana hampiasa azy.

Manan-kery hatramin’ny fiafaran’ny asa fanajariana ny famotorana natao ka tsy ilaina ny mamerina azy na inona na inona anton’ izany.

 

Art. 6. – Les terres dont l’Etat reprend la disposition par voie de transfert, de cession à titre gratuit ou onéreux de vente et d’expropriation, font retour au domaine privé national.

 

And. 6.– Miverina ho fananam-panjakana azo afindra tànana ny tany raisin’ny Fanjakana amin’ny alalan’ny famindrana, ny famoi- zana maimaimpoana, ny fivarotana sy ny fanesorana azy amin’ny tompony.

 

Art. 7. – Un service des aménagements fonciers et du remembrement sera créé par décret auprès du Ministère chargé du développement rural pour préparer de manière objective les études nécessaires et appliquer les mesures de remembrement, de redistribution des terres et de réinstallation.

 

And. 7. – Sampan-draharaha iray misahana ny fanajariana sy ny fifanakalozana ny zara-tany han-dravonana azy no haorina amin’ny alalan’ny didim-panjakana ao amin’ ny minisitera miandraikitra ny Fampandrosoana ny ambanivo-hitra, mba hanomana amin’ny fomba hentitra ny fandinihana tsy maintsy hatao sy hampiantra ny fepetra momba ny fifanakalozana ny zara-tany handravonana azy, sy ny fizarana indray ny tany ary ny famerenana ny olona hamboly azy.

 

Art. 8. – Des commissions régionales de réorganisation foncière et de remembrement créées par arrêté conjoint des Ministres du développement rural et des domaines, ont pour tâche d’informer le public local et d’obtenir son adhésion aux objectifs de la réorganisation foncière à entreprendre et de donner des avis et faire des propositions au service des aménagements fonciers et du remembrement.

 

 

 

La composition, les règles de fonctionnement de ces commissions seront fixées par l’arrêté de création.

And. 8. – Vaomieram-paritany momba ny fanavaozam-pandami-nana sy ny fifanakalozana ny zara-tany handravonana azy izay haorina amin’ny alalan’ny didim-piton-drana hiaran’ny ministera miandraikitra ny Fampandrosoana ny ambanivohitra sy miandraikitra ny fananan-tany, no miadidy ny fampahafantarana ny mponina eo an-toerana ny zava-kendren’ny fanavaozam-pandaminana hatao sy ny fitaomana azy hankato izany ary hanome ny heviny koa izy sy hanao tolo-kevitra amin’ny Sampan-draharaha momba ny fanajariana ny tany sy ny fifanakalozana ny zara-tany handravonana azy.

Ny mambra ao amin’ireny vaomiera ireny sy ny fitsipika mifehy ny fampandehanana ny asany dia hoferana ao amin’ny didim-pitondrana hanorenana azy.

 

Art. 9. – Les crédits nécessaires au financement de la réorganisation doivent être prévus au Budget de l’Etat

 

And. 9. – Tsy maintsy atokana ao amin’ny tetibola ankapobe ny vola ilaina hoenti-manana ny fanavaozam-pandaminana.

 

Art. 10. – En attendant la création des organismes prévus aux articles 7 et 8 ci-dessus, toute vente de propriété privée située dans les zones d’aménagement foncier devra faire l’objet d’une déclaration au préfet du lieu de la situation des immeubles et d’une autorisation conjointe de ministère chargé des domaines et du ministère chargé du développement rural.

L’Etat dispose d’un droit général de préemption sur toutes les propriétés qui deviendraient à être vendues.

 

And. 10. – Mandra-panorenana ny rafi-draharaha voalazan’ny andininy faha-7 sy faha-8 etsy ambony, ny fivarotana ny tany izay ao anatin’ny faritra hojariana dia tsy maintsy hanaovana filazana any amin’ny lehiben’ny fileovana ao amin’ny toerana misy ny tany sy hahazoan-dàlana avy amin’ny minisitera miandraikitra ny fampan-drosoana ny ambanivohitra.

 

Ny Fanjakana no manan-jo alohan’ny olon-kafa hividy izay tany rehetra amidy.

 

TITRE II :

CONDITIONS GENERALES D’EXECUTION DES TRAVAUX D’AMENAGEMENT DES TERRES

EN MILIEU RURAL.

 

FIZARANA II

FEPETRA ANKAPOBE MOMBA NY FANANTANTERAHANA

NY ASA FANAJARIANA NY TANY ENY AMBANIVOHITRA

 

CHAPITRE PREMIER :

DES ZONES ET DES TRAVAUX D’AMENAGEMENT.

 

TOKO VOALOHANY :

NY AMIN’NY FARITRA SY NY ASA

FANAJARIANA.

 

Art. 11. – En vue de favoriser le développement de l’économie rurale, il pourra être créé par décret en conseil des Ministres des zones d’aménagement foncier. Leur création est déclarée d’utilité publique.

 

Sont considérées comme zone d’aménagement foncier :

*      les aires de mise en valeur rurales, déjà existantes ;

 

*      les zones d’intervention des sociétés d’économie mixte et des collectivités locales ;

 

*      les zones de départ et les zones d’accueil prévues à l’article 29 de l’ordonnance n°73.073 du 1er décembre 1973.

 

And. 11. – Mba hampandro- soana ny toe-karena eny ambanivohitra, dia azo atao ny manorina faritra fanajariana amin’ny alalan’ ny didim-panjakana atao eo am-pivorian’ny Minisitra. Ny fanorenana azy ireny dia ambara fa fanasoavam-bahoaka.

Heverina ho faritra fanajariana :

 

*      ny faritra beazim-boho eny ambanivohitra, izay efa misy rahateo ;

*      ny faritra iasan’ny sosaiety ifarimbonana amin’ny Fanja-kana sy ny fikambanam-pokonolona ao an-toerana ;

*      ny faritra ialan’ny mpifindra monina sy ny faritra andraisana azy voalazan’ny andininy faha-73-073 tamin’ny 1 desambra 1973.

 

Art. 12. – Du jour de leur création, les zones d’aménagement foncier sont fermées pour une durée fixée par décret à toute nouvelle occupation privée.

 

And. 12. – Manomboka amin’ ny andro anorenana azy, dia mikatona ary tsy azon’ny olona handraisana tany intsony ny faritra fanajariana, mandritra ny fotoana hoferana amin’ny alalan’ny didim-panjakana.

 

Art. 13. – Dans ces zones, la réalisation des travaux d’aménagement foncier est entreprise par l’Etat.

Toutefois, le Service des aménagements peut convier l’exécution des travaux à un organisme ou à une société d’aménagement créés par les pouvoirs publics.

 

And. 13. – Ny Fanjakana no miandraikitra ny fanatanterahana ny asa fanajariana atao any amin’ ireny faritra ireny.

Azon’ny Sampan-draharaha mikarakara ny fanajariana atao anefa ny manakina ny fanantotosana ny asa amin’ny rafi-draha-raha na sosaiety misahana ny fanajariana izay naorin’ny Fanja- kana.

 

Art. 14. – Les biens immobiliers constitués par ces zones ainsi aménagées sont propriétés de l’Etat ou mis à la disposition de la Collectivité locale qui en assure l’exploitation.

 

And. 14. – Ny fanana-mipe-traka ao amin’ireny faritra nojariana ireny dia fananam-panjakana na koa omena ny fikambanam-pokonolona ao an-toerana izay hiantoka ny fampiasana azy.

 

CHAPITRE II :

DE LA REDISTRIBUTION DES TERRES ET DE L’APPROPRIATION DES TERRES.

 

TOKO II :

NY AMIN’NY FIZARANA NY TANY

INDRAY SY FAKANA NY TANY.

 

Art. 15. – En principe, les opérations de redistribution se font à l’achèvement des travaux d’aménagement foncier.

Le programme de redistribution prévoit la réinstallation des occupants éventuels des terres incluses dans les zones et tient compte de la possibilité d’installer les migrants, tels qu’ils sont définis par le décret portant organisation de la migration.

 

And. 15. – Raha ny tokony ho izy dia amin’ny fotoana hahavita ny fanajariana no hanaovana indray ny fizarana ny tany.

Faritana ao amin’ny fandaharana ny fizarana ny tany indray ny famerenana ireo olona nitana tany tafiditra ao anatin’ny faritra, raha misy izany, sy ny fahazoana mametraka eo amin’ilay faritra ny mpifindra monina lazain’ny didim-panjakana mandamina ny fifindra-monina.

 

Art. 16. – les terres attribuées sont et demeurent soumises au régime particulier défini par la présente ordonnance.

 

And. 16. – Ny tany voazara dia hofehezin’ny fitsipika manokana soritan’izao hitsivolana izao.

 

Art. 17. – L’attributaire peut devenir propriétaire du lot concédé ou rester superficiaire.

Dans le premier cas, la cession des terres est onéreuse au prorata de la superficie concédée pour atteindre la superficie de référence. Toutefois, l’attribution est tenue au remboursement de certains frais d’aménagement.

Le droit de superficie consiste à avoir des plantations et des constructions sur le lot concédé, moyennant paiement à l’Etat ou aux collectivités locales d’un loyer annuel. Ce droit peut être transformé en droit de propriété.

 

Le superficiaire est exonéré d’impôt foncier. Par contre, le droit de propriété assujettit le propriétaire à l’impôt foncier.

 

And. 17. – Ny olona nomena zara-tany, dia mety ho lasa tompon-tany natolotra azy na koa ho tompon-jo fotsiny amin’izay ataony eo.

Amin’itsy voalohany dia andoavam-bola ny fanomezana ny tany araka ny velaran-tany natolotra mba hahatratrarana ny velaran-tany atao fenitra. Tsy maintsy manonitra ny sara-panajariana sasantsasany anefa ny olona nomena tany.

Ny zo amin’izay atao eo amin’ ilay tany dia ny zo amin’ny fana- nana ny voly sy ny trano atao sy aorina eo amin’ny zara-tany nato- lotra, ka handoavana hofany isan-taona amin’ny Fanjakana na ny fikambanam-pokonolona ao an-toerana ny tany. Azo avadika ho zo fizakan-tany io zo io.

Ny tompon-jo amin’izay ataony fotsiny eo amin’ilay tany dia tsy ampandoavina hetran-tany, ny fananana ny zo hizakana ny tany kosa anefa dia nahatonga ny tompon-tany ho tsy maintsy handoa ny hetran-tany.

 

Art. 18. – Des réserves foncières peuvent être constituées à l’intérieur des zones d’aménagement au profit de l’Etat ou des collectivités locales.

 

And. 18. – Azo atao ny manokana tany ao anatin’ny faritra fanajariana ho an’ny Fanjakana na ny fikambanam-pokonolona.

 

Art. 19. – Les bénéficiaires ne gardent les terres que s’ils les exploitent d’une façon rationnelle conformément au cahier des charges.

Les terres sont insaisissables et ne peuvent être partagées ou aliénées sans l’autorisation du Service des aménagements fonciers et de remembrement qui se réserve un droit de préemption, en vertu de l’article 14 de l’ordonnance n°73-073 du 1er décembre 1973 susvisée.

 

And. 19. – Tsy azon’ny olona nomena azy tànana ny tany raha tsy ampiasain’ny amin’ny tena tokony hanaovana azy araka ny bokin’andraikitra.

Tsy azo alaina ny tany ary tsy azo zaraina na amidy raha tsy nazahoan-dàlana avy amin’ny Sampan-draharaha misahana ny fanajariana sy ny fifanakalozana ny zara-tany handravonana azy, izay manan-jo hividy alohan’ny olon-kafa araka ny andininy faha-14 amin’ny hitsivolana laharana faha-73-073 tamin’ny 1 desambra 1973 lazaina etsy ambony.

 

Art. 20. – Un décret pris après avis de la commission régionale de réorganisation foncière et de remembrement fixe les règles d’attributions des nouvelles exploitations agricoles, les conditions et délais de mise en valeur.

 

 

And. 20. – Didim-panjakana, atao rahefa manome ny heviny ny vaomieram-paritany momba ny fanavaozam-pandaminana sy ny fifanakalozana ny zara-tany handravonana azy, no hanoratana ny fi-tsipika mifehy ny fanomezana fotoeram-pamokarana vaovao, ny fepetra sy ny fe-potoana momba ny fanabeazam-boho azy.

 

CHAPITRE III :

DES REGLES TENDANT A CONTROLER LA TAILLE DE L’EXPLOITATION AGRICOLE.

 

TOKO III :

NY AMIN’NY FITSIPIKA MIFEHY

NY FANARAHA-MASO NY HABEN’NY TOERA-PAMOKARANA.

 

Art. 21. – La superficie de référence d’une exploitation agricole varie suivant qu’il s’agit d’une exploitation individuelle ou familiale ou d’une exploitation collective.

 

A titre transitoire, pour l’exploitation individuelle ou familiale, la superficie de référence qui doit assurer un revenu au moins égal au SMIG, ainsi que les coefficients d’équivalence appropriés aux cultures spécialisées, sont fixées par arrêté sur proposition de la commission régionale de réorganisation foncière et de remembrement.

 

En ce qui concerne l’exploitation collective, le calcul de la superficie de référence doit être basé sur les critères de rentabilité et d’efficience.

 

And. 21. – Ny velaran-tany atao fenitra amin’ny toera-pamo-karana dia miovaova arakaraka ny maha-toeram-pamokaran’olon-tokana azy na toeram-pamokaram-pianakaviana na toeram-pamoka-rana ikambanana.

Mandritra ny fotoana teteza-mita dia didim-pitondrana atao araka ny tolo-kevitry ny vao- mieram-paritany misahana ny fanavaozam-pandaminana sy ny fifanakalozana ny zara-tany han- dravonana azy no mametra, momba ny toeram-pamokaran’ny olon-tokana na toeram-pamokaram-pianakaviana, ny haben’ny velaran-tany atao fenitra izay tsy maintsy hahazoana fidiram-bola mitovy ahay amin’ny SMIG sy ny fidiram-bola mifanojo amin’izany araka ny lanjan’isa ampiharina amin’ny voly manokana.

Ny amin’ny toeram-pamoka-rana ikambanana dia tsy maintsy mifototra amin’ny fahazoam-bokatra sy ny fandairan’ny voly ny fikaontina ny velaran-tany atao fenitra.

 

Art. 22. – Une exploitation agricole individuelle ou collective ne peut dépasser plus de dix fois la superficie de référence.

 

And. 22. – Ny velaran’ny toeram-pamokaran’olon-tokana na ikambanana dia tsy azo atao mihoatra ny velaran-tany atao fenitra ampitomboina folo.

 

Art. 23. – La superficie de référence et la surface maximum d’une exploitation agricole peuvent être révisées en fonction, d’une part, de la politique nationale de revenu agricole et d’autre part, des objectifs de production.

 

 

And. 23. – Ny velaran-tany atao fenitra sy ny velaran’ny toeram-pamokarana faran’izay lehibe indrindra dia azo ovàna araka ny teti-pitondrana eto amin’ ny firenena momba ny fidiram-bola amin’ny fambolena, andaniny, sy araka ny zava-kendrena amin’ny famokarana, ankilany.

 

CHAPITRE IV :

DE LA MISE EN VALEUR
DES TERRES.

 

TOKO IV :

NY AMIN’NY FANABEAZAM-BOHO

NY TANY.

 

Art. 24. – Conformément aux dispositions de l’article 32 de l’ordonnance n°73-073 du 1er décembre 1973, trois formes de mise en valeur sont retenues en matière de production agricole :

 

*      l’exploitation individuelle ou familiale ;

*      l’exploitation collective ;

*      l’exploitation directe de l’Etat.

D’une façon générale, les exploitations agricoles sises dans les zones d’aménagement doivent être exploitées en faisance valoir directe, toutes pratiques de fermage ou de métayage sont interdites.

 

And. 24. – Araka ny fepetra voalazan’ny andininy faha-32 amin’ ny hitsivolana laharana faha- 73-073 tamin’ny 1 desambra 1973, dia fomba fanabeazam-boho telo no tànana mikasika ny famoka- rana amin’ny fambolena :

*      ny famokaran’olon-tokana na isam-pianakaviana ;

*      ny famokarana ikamba- nambe ;

*      ny famokarana mivantana ataon’ny Fanjakana.

Amin’ny ankapobeny, ny toeram-pamokarana amin’ny faritra fanajariana dia tsy maintsy volen’ ny tompony mivantana. Raràna ny fomba fanao rehetra amin’ny fampanofana tany amin’ny alalan’ny fakàna ampaham-bokatra.

 

Art. 25. – A l’intérieur des autres zones d’aménagement, toutes terres non mises en valeur ou mal exploitées sont transférées de plein droit à l’Etat.

And. 25. – Afindra an-kitsirano amin’ny Fanjakana izay tany rehetra tsy beazim-boho na tsy ampiasaina ao anatin’ny faritra jariana.

 

Art. 26. – Des services ou organismes créés ou à créer par décrets sur proposition du Ministre chargé du développement rural et du Ministre chargé de l’économie et des finances peuvent être affectataires des terres aménagées pour permettre le rattrapage de la production des denrées de première nécessité, notamment le riz.

 

Des arrêtés pris conjointement par le Ministre chargé du développement Rural et le Ministre chargé de l’économie et des finances préciseront en tant que de besoin, les modalités techniques et financières de cette intervention.

 

And. 26. – Azo atokana ho an’ny sampan-draharaha na rafi-draharaha efa miorina na vao haorina amin’ny alalan’ny didim-panja-kana, araka ny tolo-kevitra ataon’ ny Minisitry ny fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny Minisitra miandraikitra ny toe-karena sy ny fitantanam-bola, ny zara-tany noja-risina mba hahazoana manatratra ny tokony hovokarina amin’ izay tena ilaina, indrindra ny vary.

Didim-pitondrana iarahan’ny Minisitra miandraikitra ny fampandrosoana ny ambanivohitra sy ny Minisitra miandraikitra ny toe-karena sy ny fitantanam-bola manao no hamaritra, raha ilaina, ny fombafomba ara-teknika sy ara-bola arahina amin’izany fandrai- sana anjara izany.

 

Art. 27. – Des collectivités rurales peuvent demander l’exploitation des certaines terres pour contribuer aux opérations de rattrapage de la production des denrées de première nécessité.

Le cahier des charges précisant la participation des collectivités locales est défini par arrêté pris par le Ministre chargé du développement rural, le Ministre chargé de l’intérieur et le Ministre chargé de l’économie.

En tout état de cause, les terres ainsi mises à la disposition de ces collectivités ne sont pas cessibles.

 

And. 27. – Azon’ny fikambanam-pokonolona atao ny mangataka ny zara-tany sasantsasany hampiasainy anjara amin’ny fanatrarana ny tokony ho vokarina amin’izay tena ilaina indrindra.

Didim-pitondrana ataon’ny Minisitra miandraikitra ny fampandrosoana ny ambanivohitra ary ny Minisitra miandraikitra ny atitany ary ny Minisitra miandraikitra ny toe-karena no manoritra ny bokin’ andraikitra milaza ny antsipirihany momba izany fandraisana anjara ataon’ny fikambanam-pokonolona ao an-toerana.

Na manao ahoana na manao ahoana anefa dia tsy azo afindra tompo ny tany natolotra ny fikambanam-pokonolona.

 

TITRE III :

DISPOSITIONS DIVERSES.

 

FIZARANA III :

FEPETRA SAMIHAFA.

 

Art. 28. – Toutes les opérations immobilières effectuées en violation des dispositions de la présente ordonnance sont nulles et de nul effet, sans préjudice des poursuites pénales.

 

And. 28. – Foana ary tsy manan-kery ny fifampiraharahana rehetra momba ny fanàna-mipe-traka atao amim-pandikana ny fepetra voalazan’izao hitsivolana izao, ankoatry ny fahazoana mitory izay hofaizina.

Art. 29. – Les modalités d’application de la présente ordonnance sont fixées par décrets.

 

And. 29. – Didim-panjakana no hametra ny fombafomba hampiarana izao hitsivolana izao.

 

Art. 30. – Toutes dispositions contraires à la présente ordonnance sont et demeurent abrogées.

 

And. 30. – Foanana ary dia foana ny fepetra rehetra mifano- hitra amin’izao hitsivolana izao.

 

 

Ce site web a été créé gratuitement avec Ma-page.fr. Tu veux aussi ton propre site web ?
S'inscrire gratuitement